Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aorian’ny andro fampakaram-bady

Aorian’ny andro fampakaram-bady

Toko Faha-3

Aorian’ny andro fampakaram-bady

1. Amin’ny ahoana ny karazam-piaraha-miasa voalazalaza ao amin’ny Mpitoriteny 4:9, 10 no mety hahasoa ao amin’ny fanambadiana iray?

LASA izao ny andro fampakaram-bady. Hatramin’izao ianao sy ny vadinao dia mahaforona fianakaviana vaovao tafaray, tokantrano vaovao iray. Feno ve ny fahasambaranao? Tsy irery intsony ianao, satria manana vady iray izay azonao itokisana ary azonao izarana ireo fifalianao sy fanahianao. Moa ve voamarina momba anao ireto teny manaraka voarakitra ao amin’ny Mpitoriteny 4:9, 10 ireto? “Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany. Raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.” Moa ve mivelatra ny fanambadianareo noho ny fiaraha-miasa toy izany? Mandrakariva dia ilàna fotoana sy fiezahana izany, ary mampalahelo fa mpivady maro no tsy mahita mihitsy io fahasambarana io.

2, 3. a) Zava-misy inona eo amin’ny fiainana no atrehin’ny tena avy hatrany aorian’ny fanambadiana? b) Nahoana moa no ara-dalàna ny hanampoizana fa tsy maintsy hitondra fiovana sasany ny tena aorian’ny fanambadiana?

2 Mandrakariva ao amin’ireo tantaram-pitiavana, ny tena zava-manahirana dia ny fanakambanana ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifankatia. Avy eo dia miaina amim-pahasambarana izy ireo. Nefa, amin’ny tena izy, ny tena zava-tsarotra dia ny miara-miaina amim-pahasambarana, isan’andro isan’andro. Aorian’ny fifalian’ny andro fampakaram-bady dia manomboka ny fiainana andavanandro mahazatra: tsy maintsy mifoha maraina, mandeha miasa ary miantsena, mahandro sakafo, manasa vilia, mikarakara ny trano, ets.

3 Mitaky fiezahana mba hifanarahana ny fanambadiana. Tamin’ny andro fampakaram-bady tokoa ianareo roa dia nanana, fara fahakeliny, faniriana sy zavatra nantenaina sasantsasany izay tsy tena mijery ny zava-misy na tena azo tanterahina. Raha tahiny, aorian’ny fotoana kelikely, ka tsy tanteraka izy ireny, dia mety hisolo fahadisoam-panantenana kely ireo fanantenanao. Aza hadinoina anefa fa niova tanteraka ny fiainanao. Tsy miaina irery intsony na eo anivon’ny fianakaviana iray izay niarahanao nipetraka nandritra ny fiainanao rehetra intsony ianao. Hatramin’izao, dia miaina miaraka amin’olon-kafa iray ianao ary tsikaritrao angamba fa tsy mahafantatra azy tsara toy izay niheveranao azy ianao. Manana fandaharam-potoana vaovao ianao, angamba aza asa vaovao iray, tsy mitovy amin’ny teo aloha intsony ny fidirana sy ny fivoaham-bolanao ary tsy maintsy mizatra amin’ny namana vaovao sy ny fianakaviam-badinao ianao. Ny fahombiazan’ny fanambadianao sy ny fahasambaranao dia hiankina amin’ny fandavan-tena hasehonao mba hifankazarana amin’ny zava-misy.

MAHAY MILEFITRA VE IANAO?

4. Fotopoto-pitsipika inona avy ao amin’ny Soratra masina moa no afaka manampy ireo mpivady vao hifanaraka (I Korintiana 10:24)?

4 Sarotra amin’ny sasany ny miseho ho mahay milefitra satria miavonavona izy. Nefa, araka ny ambaran’ny Baiboly, “ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana”. Mety hiteraka vokany mampidi-doza ny fikiribibiana (Ohabolana 16:18). Jesosy dia namporisika ireo mpihaino azy hilefitra amin’ny sitrapon’ny hafa ary handefitra an-tsitrapo eo anoloan’izy ireo. Izao no nambarany: “Ary izay (...) ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao; ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.” “Nahoana, araka ny tenin’i Paoly, no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo” toy izay hifamaly amin’ireo namanareo? (Matio 5:40, 41; I Korintiana 6:7.) Raha vonona hampiseho fahafoizan-tena toy izany ny kristiana mba hihazonana ny fihavanana eo amin’ny mpiara-belona aminy, ny olon-droa mpivady vao, raiki-pitia aoka izany, dia vao mainka tokony ho afaka hitondra ireo fiovana ilaina mba hahatonga ny fanambadiany vaovao hahita fahombiazana.

5. Fomba ahoana moa no ahafahana mampitombo toe-tsaina manorina na mandrava eo anoloan’ny vadin’ny tena?

5 Matetika ny fahasambarantsika na ny fifaliantsika no miankina amin’ny fihetsika asehontsika. Moa ve ireo fiezahanao hitondra anao ho amin’ny fahasambarana sa ho amin’ny fijaliana? Moa ve ianao handeha hampifantoka ny sainao amin’ny lafin-javatra manorina sa amin’ny lafiny tsy manorina? Moa ve ravehivavy vao nampakarina miteny anakampo hoe: “Rehefa mpivady izahay izao, nanjary inona moa ilay lehilahy be fihetseham-po izay nitondra ahy matetika tany amin’ny toerana mahaliana ary tia ny nandany fotoana niaraka tamiko? Tafatoetra ao amin’ny fiainana mahazatra azy izy, ary anisan’ny haingon-trano aho. Tsy ilay lehilahy fantatro taloha intsony izy.” Sa kosa mahatakatra amim-pankasitrahana izy fa amin’izao fotoana izao ny vadiny dia miasa mafy mba hanomezana izay ilain’ny fianakaviany? Moa ve ilay lehilahy vao nanambady, manamarika koa fa tena variana amin’ny fikarakarana ny nahandro sy ny tokantrano ny vadiny, ka vizana tokoa indraindray ary tsy manana fotoana betsaka intsony mba hanaovana metimety? Sa kosa miteny anakampo izy hoe: “Nanjary inona moa ilay zazavavy tsara tarehy izay novadiko? Tsy mitovy amin’ny teo aloha intsony izy izao efa azony izao aho.”

6. Rehefa miara-miasa marina tokoa ny lehilahy manambady iray sy ny vadiny mba hahombiazan’ny fanambadiany, inona moa no vokatr’izany eo amin’ny fifandraisan’izy ireo?

6 Ireo olon-droa mpivady dia tokony ho ampy fahamasahana mba hahatakarana fa na ny andaniny na ny ankilany dia tsy manana fotoana na hery ampy mba hanaovana izay rehetra nataon’izy ireo talohan’ny fampakaram-badiny. Izao no fotoana tokony hisehoana ho mahay milefitra sy hiantsorohana ny anjara andraikitry ny tena eo amin’ny fampandehanana tsara ny tokantrano, dia fihetsika izay hanome anao fahafahampo lalina. Tadidio fa raha afaka manao izay tsy hahombiazan’ny fanambadiana ny iray fotsiny amin’ny mpivady, dia mila olon-droa vao afaka mampandeha azy tsara. Zava-dehibe ilana herim-po ny fahombiazana eo amin’ny fanambadian’ny tena, ary milaza fanatanterahana zavatra iray izany na dia ao aza ireo zava-manahirana. Rehefa mandray anjara amin’io raharaha lehibe io ianareo roa, dia mikambana mba hanao izay hahombiazan’izany ny tsirairay avy aminareo. Ny fiezahanareo tafakambana mba hanatratra zava-kendrena iray iombonana dia mampifamatotra anareo; mampifanakaiky anareo izany, hany ka tsy mahaforona afa-tsy olona iray ianareo. Rehefa mandeha ny fotoana, ny fiezahanareo dia hamorona fatoram-pitiavana hihoatra noho izay rehetra nety ho noheverinareo talohan’ny fampakaram-badinareo. Rehefa mahatsapa ny fahasambarana mampiray toy izany ny tena, dia amim-pahafinaretana no izàran’ny tena amin’ny toetry ny vadin’ny tena.

7. Amin’ny fotoana inona no tsara andeferana rehefa ilaina ny manao fisafidianana iray?

7 Mihamanjavona ny fiavonavonana arakaraka ny itomboan’ny fitiavana, ary mahita fahasambarana ny tena tsy hoe rehefa manome fotsiny, fa rehefa mamela na mahafoy koa zavatra iray, mazava ho azy fa rehefa tsy mahakasika fotopoto-pitsipika izany, fa fitiavan-javatra manokana kosa, ohatra, momba ny fividianan-javatra iray ho an’ny tokantrano na koa ireo fikasanareo hiala sasatra. Rehefa mampiseho ny tsirairay fa miahy ny amin’ny fahasambaran’ilay hafa izy, ny mpivady dia manomboka ahitana taratra amin’ny toe-tsaina voalazalazan’ny apostoly Paoly amin’izao teny izao: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” — Filipiana 2:4.

FIHETSIKA VOALANJALANJA EO ANOLOAN’NY MOMBA NY LAHY SY NY VAVY

8, 9. Ahoana moa no fiheveran’ny Soratra masina ny firaisan’ny lahy sy ny vavy?

8 Ny Baiboly dia miresaka ny firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny fomba tsy menamenatra tafahoatra. Amin’ny fiteny poetika, dia lazalazainy ny faharavoravoana tokony homen’izany ny olon-droa mpivady, no sady antitranteriny fa tokony ho voafetra ho an’ireo olon-droa mpivady ihany izany. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 5:15-21:

“Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany sy rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao. Hipasaka any ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, ary eny an-dàlambe ny rano velonao? Aoka ho anao irery ihany izany. Fa aza iombonana amin’ny hafa. Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany hianao. Nahoana hianao, anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo [tsy vadinao, MN] ka hanohana ny tratran’ny vehivavy janga [hafa, MN]? Fa eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.”

9 Kanefa, tsy hety ny hanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny firaisana ara-nofo ka ho tonga amin’ny fiheverana fa ny fahombiazan’ny fanambadiana iray dia miankina indrindra amin’ny fiainan’ny mpivady eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, na koa hoe afaka mameno ny tsy fahampiana lehibe eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainan’ny mpivady izany. Ny hamaroan’ny boky sy ny sarimihetsika ary koa ny habetsaky ny dokambarotra izay manindrahindra ny amin’ny lahy sy ny vavy, matetika indrindra amin’ny fikendrena hanaitra ny faniriana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, dia toa te-hilaza fa tena zava-dehibe indrindra ny momba ny lahy sy vavy. Kanefa, tsy izany no fomba fihevitry ny Tenin’Andriamanitra izay mamporisika ny hananana fifehezan-tena eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Na dia ao anatin’ny fanambadiana aza, ny fampiasana tafahoatra ny faritra maha-lahy sy maha-vavy dia mety hitarika ho amin’ny fanao sasany izay hanimba ny hatsaran’ny firaisan’ny mpivady. — Galatiana 5:22, 23; Hebreo 13:4.

10. Zavatra inona avy moa no tsara hoheverina mba hahatongavana amin’ny firaisan-tsaina tsara raha ny amin’ny lahy sy ny vavy?

10 Matetika dia sarotra ny fahatongavana amin’ny fifanarahana tsara eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, ary mety hitaky fotoana izany amin’ireo mpivady vao. Matetika indrindra izany no avy amin’ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra sy fahaiza-mandinika ny zavatra ilain’ny vadin’ny tena. Mety hahasoa àry, alohan’ny fampakaram-bady, ny manao resadresaka ny amin’izany amin’olona iray manambady mendri-pitokisana. Aoka ho fantatrao fa raha tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny ara-batana, dia toy izany koa izy ireo eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po. Zava-dehibe ny hitadidiana fa ny vehivavy iray dia mila fanehoam-pitiavana. Ankoatra izany, dia tokony hailika ny fihetsika tsy manorina eo anoloan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy noho ny fahamaotinana tafahoatra na noho ny henatra ary tsy tokony hoeritreretina hoe misy zavatra mahamenatra amin’izany. Ny lehilahy koa dia tsy tokony hitondra tena toy ny mpanafika, toy ny mitranga indraindray. “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy”, hoy ny ambaran’ny Baiboly, “ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy”. Araka izany, dia mety ny hampiharana izao fotopoto-pitsipika manaraka izao: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” Raha tahiny ny mpivady mifaneho fitiavana toy izany ary manana faniriana ny hamalifaly ny andaniny avy, dia ho tonga amin’ny fifanarahana tsara izy ireo eo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ataony. — I Korintiana 7:3; 10:24.

AZA MISEHO HO MAHASOSOTRA NA DIA TSY MANAIKY AZA IANAO

11-13. Inona moa no tokony hotadidiana mba tsy hahatonga ny tsy fifanarahana hiafara amin’ny fahatapahana?

11 Tsy misy eto ambonin’ny tany olon-droa mitovy tanteraka. Tsy mitovy mihitsy amin’ny hafa isika rehetra, ka milaza izany fa tsy misy olon-droa afaka hitovy hevitra hatrany amin’ny zava-drehetra. Na dia tsy zava-dehibe aza ny ankamaroan’ny tsy fifanarahana, ny sasantsasany aminy anefa dia mety ho ratsy dia ratsy. Ao amin’ny tokantrano sasany, vetivety ny fifandirana dia miteraka kiakiaka, fifanosehana ary fifamelezana, rehefa tsy mifanipy zavatra eny amin’ny tarehy. Indraindray ny iray amin’ny mpivady dia tsy maintsy mandao ny tokantrano mandritra ny andro vitsivitsy na ny herinandro vitsivitsy, na koa mitsahatra tsy mifampiteny ireo mpivady. Raha ny marina, dia mety tsy hifanaraka tokoa ny tena, nefa tsy ho tonga hatramin’izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fandinihana mifanatrika fahamarinana fototra iray.

12 Isika dia tsy lavorary avokoa; isika rehetra dia manana kileman-toetra izay miseho foana amin’ny farany, na dia ao aza ny fikasantsika tsara indrindra. Izao no nomarihin’ny apostoly Paoly momba ny tenany manokana: “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” (Romana 7:19). Noho ireo ray aman-drenintsika voalohany namindra amintsika ny fahotana, dia tsy mety tratrantsika ny fahatanterahana. Koa, “iza no mahazo manao hoe: ‘Efa nahadio ny foko aho, ka madio tsy manana ota?’ ” — Ohabolana 20:9; Salamo 51:5; Romana 5:12.

13 Manaiky ny kileman-toetrantsika manokana isika ary manala tsiny azy ireny. Koa moa tsy afaka manao toy izany ve isika amin’ny vadintsika? Miaiky mora foana isika fa mpanota, nefa mandà ve isika rehefa hoe hiaiky fahadisoana manokana iray? Ampy fahaiza-mandinika ve isika mba hahatakarana fa io tsy firaikana firy hiaiky ny fahadisoan’ny tena io dia mpahazo ny olombelona rehetra, noho izany dia mahazo ny vadintsika koa, ary moa ve izany mahatonga antsika hahatakatra bebe kokoa ny fiheviny? Manambara ny bokin’ny Ohabolana hoe: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” Tsy isalasalana fa ianao, tahaka ny olona rehetra ihany, dia manaiky hofehezin’ny “fitsipika volamena” izay nambaran’i Jesosy tamin’izao teny izao tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.” Midera ireo teny ireo ny ankamaroan’ny olona, nefa vitsy dia vitsy no mampihatra azy. Kanefa, ny fampiharana amim-pahatsorana an’io “fitsipika volamena” io dia hahatonga ho afaka handamina ny zava-manahirana eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona, ao anatin’izany ny an’ireo mpivady. — Ohabolana 19:11; Matio 7:12.

14, 15. a) Inona no atahorana hitranga raha ampitahaina amin’olon-kafa iray ny vadin’ny tena, amin’ny fomba mitondra fahavoazana ho azy? b) Momba ny inona moa matetika no anaovan’ny tena ireny fampitahana tsy voahevitra ireny?

14 Ny tsirairay avy amintsika dia maniry hoheverina sy hoentina toy ny olona iray manana anjara feno. Araka izany, ahoana no fihetsitsika rehefa ampitahaina isika, amin’ny fomba mitondra fahavoazana ho antsika, amin’olon-kafa iray izay tsaratsara na mahay kokoa noho isika? Mandrakariva dia mandratra antsika izany na koa mahatsapa hasosorana kely isika. Miteny anakampo sahalahala amin’izao isika: “Kanefa, IZAHO tsinona tsy ranona.” Amin’ny ankapobeny, ny fampitahana toy ireny dia misy vokany tsy manorina eo amintsika satria irintsika ny hoentina amim-pahatakarana ny fihevitsika.

15 Aoka hohazavaintsika ny resaka ataontsika. Ralehilahy, moa ve ianao midera ny vadinao noho ny sakafo izay nomaniny, sa kosa ianao mitaraina satria tsy mahay mahandro toy ny reninao izy? Nefa mba fantatrao ve hoe nanao ahoana ny fahandron’ny reninao fony izy vao nanambady? Angamba ny vadinao manao tsaratsara kokoa noho izy amin’ny taonany. Omeo fotoana izy hifankazarany amin’ireo asany vaovao sy hahatongavana ho kinga. Ary ianao, ravehivavy, moa ve ianao manome tsiny ny vadinao satria tsy mahazo vola be toa an-drainao izy? Nefa ohatrinona moa no azon-drainao teo am-piandohan’ny fanambadiany? Raha ny marina moa dia tsy izany no zava-dehibe. Ny misy vidiny, dia ny fanampiana izay entinao ho an’ny vadinao. Moa ve mifoha ianao amin’ny maraina mba hanomana ho azy ny sakafo kely marainany alohan’ny handehanany miasa, mba hampisehoana aminy fa mankasitraka sy manohana ny fiezahany ianao? Moa ve ny iray aminareo roa eo am-panakianana lava ny fianakavian’ny vadiny na koa tsy mety manaiky mihitsy eo amin’ny fifidianana sakaiza na fialam-boly? Mety hiseho ny antony mahatonga fifandirana toy izany. Inona no hataonao amin’izay?

16. Nahoana moa no mampidi-doza ny tsangan-kevitra milaza fa ny fifandirana mahery vaika dia manampy handaminana zava-manahirana sasany?

16 Araka ny filazan’ny mpandinika toe-tsaina sasany amin’ny andro ankehitriny, ny adiady dia manampy handamina ny zava-manahirana. Izao no tsangan-kevitr’izy ireny: miavosa ny fahadisoam-panantenana ary mamorona fihenjanana aoka izany hany ka miteraka fifandirana mahery amin’ny farany. Ao anatin’ny hafanan’ny fifandirana, dia avoaka ny lolompo notehirizina hatramin’ny ela, ka izany dia fomba tsara hanesorana azy. Ny tokony hatao àry, araka ny lazain’ireny mpandinika toe-tsaina ireny ihany, dia ny mamela ny fahadisoam-panantenana hangotraka ao anatintsika ao ambara-pahatongan’ny fotoana hitobahan’izy ireny. Kanefa, ny fipoahana tampoka toy izany dia tena mety hampiteny anao zavatra izay tsy eritreretinao marina tokoa, ka izany dia hampitondra ratra tsy azo sitranina ho an’ny vadinao. Ny ratsy mety hataonao aminy dia mety ho lalina aoka izany ka hamorona eo aminareo, fefy iray tsy azo dinganina. Manome antsika izao fampitandremana izao ny Ohabolana 18:19: “Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny mahafaka vohitra mafy, ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka.” Ny Baiboly dia manome antsika izao torohevitra tsara izao: “Ny fiandohan’ny ady dia toy ny manata-drano, koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” — Ohabolana 17:14.

MIFAMPIRESAHA IANAREO

17. Ahoana moa no azo itandremana mba tsy hitatra loatra ireo antony mampifanolana ka hiafara amin’ny fahatezeran’ny tena?

17 Tsaratsara kokoa ny miresaka raha vantany vao miseho izany, toy izay hamela ireo antony mampifanolana hiavosa ao am-ponao ka hahatonga anao ho tezitra. Arakaraka ny hamerimberenantsika miresaka ny ratsy mety ho natao tamintsika, no mahatonga antsika saika mandrakariva hanitatra ny haben’ilay raharaha. Iaraho midinika avy hatrany àry izany na koa aza eritreretina intsony. Moa ve izany fanamarihana sendra natao fotsiny? Aza mihevitra izany. Ilaina ve ny miresaka izany? Moa ve ny vadinao nanao zavatra izay manorisory anao? Aza manameloka azy amin’ny fomba henjana, fa miezaha kosa miresaka ilay zava-manahirana amin’ny alalan’ny fanontaniana iray na ny fanoloran-kevitra iray izay hanampy mba hiara-midinika. Ho azonao atao ny miteny, ohatra, hoe: “Ry malala, misy zavatra tsy azoko. Afaka manampy ahy ve ianao?” Avy eo dia mihainoa ny vadinao ary miezaha mahatakatra ny fomba fiheviny. Hevero ny fampitandremana omena ao amin’ny Ohabolana 18:13, manao hoe: “Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” Tsy misy olona tia ny handraisana amim-pahamaikana famaranan-kevitra diso momba azy. Noho izany, dia aza malaky manao zavatra haingana loatra, fa miezaha mamantatra ny fikasana sy ny antony manosika ny vadinao hanao toy izany. Henoy izao famporisihana voarakitra ao amin’ny Ohabolana 20:5 izao: “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.”

18. Inona moa no afaka manampy antsika hanilika ny toetoetra manjombona?

18 Moa ve ianao manana toetoetra miovaova? Tsy mora ny miaina miaraka amin’olona iray mihaitraitra. Ny sasany milaza fa tsy miankina amintsika ny toetoetrantsika, fa amin’ny foto-javatra shimika sasany ao amin’ny atidoha. Na ahoana na ahoana anefa, dia mamindra ny fihetseham-po. Ireo izay manodidina antsika dia mety hanao izay hahafaly antsika na hahaketraka antsika. Ny mozika na ny fitantarana dia mamoha ao amintsika karazam-pientanam-po samy hafa. Ny eritreritsika koa dia misy heriny eo amin’ny toetoetrantsika. Raha mitsakotsako hevitra tsy manorina ianao, dia ho ketraka, nefa amin’ny fananana finiavana dia azonao atao ny manery ny sainao hikolokolo eritreritra manorina sy manantena fahombiazana. Atodiho any amin’ny eritreritra toy izany ny sainao (Filipiana 4:8). Raha sarotra aminao ny manatratra izany, dia miezaha manatanteraka asa ara-batana iray, na dia mafy aza izany, toy ny manapaka ny ahi-dratsy na ny mikosoka gorodona. Mivoaha avy ao an-tranonao, mandehana mitsangatsangana na mihazakazaha any anaty ala. Ny mbola tsaratsara kokoa, dia manaova zavatra mahasoa ho an’ny hafa. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia manaova izay rehetra mety hampanalavitra ny sainao sy ny herinao ny eritreritra tsy mahomby rehetra. Tsaratsara kokoa ny hamelomana ny toetoetra tsara toy izay hikolokolo ny ratsy. Tena hahafinaritra kokoa anao izany, ary tsy isalasalana fa ny vadinao koa.

19. Ahoana moa no azontsika isehoana ho mahatakatra ny mitranga amin’ny vadintsika rehefa manana toetoetra manjombona izy?

19 Kanefa dia mety hisy fisehoan-javatra izay hiteraka alahelo mafy ho anao na koa mety hampahorin’ny aretina lehibe sy mampanaintaina iray ianao. Ankoatra izany, eo amin’ny vehivavy, ny fadimbolana sy ny fananana anaka dia mampiovaova be ny famoahana “hormones” faran’izay mahery izay manan-kery eo amin’ny fitambaran-kozatra sy ny fihetseham-pony. Mety ho henjana kokoa ny vehivavy iray mialoha ny fadimbolany indrindra nefa tsy hahatsapa izany. Izany dia anton-javatra lehibe tokony hoheverin’ny lehilahy manambady iray, mba hanaovan-javatra amim-pahaiza-manavaka fa tsy ho sosotra amin’ny fihetsiky ny vadiny. Amin’ireny fotoana manokana ireny, ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy tokony hahafantatra ny antony mahatonga io fiovan’ny toetoetra io sy hifanome fampaherezana. “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena eo amin’ny molony.” Fanampin’izany, “izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” — Ohabolana 16:23; 17:17.

20-22. a) Nahoana moa no tokony hohalavirina ny fahasarotam-piaro tsy misy antony? b) Inona moa no azo atao mba hanomezana toky ny vadin’ny tena?

20 Moa ve saro-piaro ny vadinao? Zavatra voajanahary izany hoe mihazona amim-pahasarotam-piaro ny lazan’ny tena sy ny fanambadian’ny tena. Tahaka ny anatanjahan’ny “adrénaline” ny fo iray izay nitsahatra tsy nitepo, no anosehan’ny fahasarotam-piaro ny fanahy hiaro zavatra iray izay maminy. Ny mifanohitra amin’ny fahasarotam-piaro dia ny tsy firaikana. Tsy tokony tsy hiraika ny amin’ny fanambadiantsika anefa isika.

21 Na izany aza, dia misy fahasarotam-piaro karazany hafa iray, ateraky ny fananana ahiahy sy volavolain’ny eritreritra. Izany fahasarotam-piaro tsy voahevitra izany ary diso tafahoatra amin’ny fisehoana ho tompony dia manova ny fanambadiana ho tranomaizina iray manjombona izay tsy ahafahan’ny fitokisana sy ny tena fitiavana hanohy hanjaka. “Ny fitiavana tsy mialona” amin’izany fomba izany, ary ny fahasarotam-piaro tafahoatra dia “mahalo ny taolana”. — I Korintiana 13:4; Ohabolana 14:30.

22 Raha manana antony sasany hahasaro-piaro ny vadinao, dia foany avy hatrany izay mahatonga izany. Raha tahiny kosa tsy manana antony haha-toy izany azy izy, dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hahazoana ny fitokisany amin’ny teninao, indrindra fa amin’ny asanao. Manaova fiezahana mba hanohina ny fony.

23. Inona moa no tsara hoheverina rehefa mirona hitady ny fanampian’ny olona iray fahatelo ny olona iray mba handaminana ny zava-manahirana azy ara-panambadiana?

23 Moa ve ny olona iray fahatelo mety hanampy ny olon-droa mpivady handamina ny tsy fifanarahany? Mety ho izany, nefa tsy tokony hisalovana io raha tsy efa mifanaiky ireo mpivady mba hangataka ny fanampiany. Voalohany, dia “miadia ihany ny adinao amin’ny namanao, kanefa aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina.” (Ohabolana 25:9.) Mila fitandremana indrindra ny fangatahana havam-badin’ny tena mba hitsara; atahorana mihitsy hiangatra izy ireny. Amim-pahendrena no anambaran’ny Baiboly hoe: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.” (Genesisy 2:24). Mazava ho azy fa mihatra amin-dravehivavy koa io fitsipika io. Ho tsaratsara kokoa ny hiraisan’ny mpivady saina sy ny hanekeny fa zava-manahirana azy manokana izany ka izy ihany no tokony handamina izany, toy izay hifidy ho mpitsara ray aman-dreny na rafozana izay hiandany amin’ny iray na ny iray hafa. Izay miantso olona iray fahatelo tsy misy faneken’ny vadiny dia manambany tena ary mampietry ny vadiny eo imason’ny hafa. Raha manaiky hifampiresaka tsy an-kifonofono, amim-pahatsorana ary amim-pitiavana ianareo, dia tsy misy antony tokony tsy hahafahanareo, dia ianareo ihany, mandamina ny zava-manahirana anareo. Azonareo atao ny mangataka ny hevitry ny olon-kafa matotra, nefa dia anjaranareo, raha ny marina, ny manao ny fanapahan-kevitra farany.

24, 25. Inona no azontsika atao raha tahiny ny avonavona misakana antsika tsy handamina zava-manahirana iray ara-panambadiana?

24 “Aza mieboebo ary aza manana fiheverana tafahoatra loatra ny amin’ny tenanareo.” Izany no anoroan’ny apostoly Paoly hevitra antsika (Romana 12:3, New English Bible). Dia hoy ny anampiny: “Raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra, dia manomeza ohatra.” (Romana 12:10, MN). Raha tahiny voakasika ny hambom-pontsika, dia mahasoa ny mitadidy fa tena tsinontsinona isika. Azo antoka fa tsy dia lehibe loatra isika raha ampitahaina amin’ny tany, ary ny tany indray dia kely tokoa ao anatin’ny fandehan-javatra miankina amin’ny masoandro izay teboka bitika indray ao amin-izao rehetra izao. Eo imason’i Jehovah, “ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona (...) ka ataony ho naman’ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy”. (Isaia 40:17.) Ny hevitra toy ireny dia manampy antsika hahita ny toe-javatra amin’ny tena endriny tokoa sy hahatakatra fa raha ny marina, dia tsy zava-dehibe loatra ireo tsy fifanarahantsika.

25 Ny fahaizana vazivazy dia hanampy antsika indraindray koa tsy hihevi-tena ho zavatra. Rehefa afaka mihomehy ny amin’ny tenantsika isika, dia mampiseho fa olona matotra isika, ary mandray anjara amin’ny fampihenana fahasahiranana maro eo amin’ny fiainana izany.

“ATSIPAZO ENY AMBONIN’NY RANO NY HANINAO”

26, 27. Fotopoto-pitsipika inona avy ao amin’ny Baiboly moa no tokony hampiharina rehefa tsy miraika amin’ny fiezahantsika mba handamina ny tsy fifanarahantsika ao anatin’ny fihavanana ny vadintsika, ary nahoana?

26 Inona no hatao raha tahiny ny vadinao tsy miraika amin’ny fiezahana ataonao mba handaminana ireo tsy fifanarahanareo ao anatin’ny fiadanana? Araho izao torohevitra ao amin’ny Baiboly izao: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza.” Manahafa an’i Jesosy, ilay modelintsika: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva.” Fanao mahazatra eo amin’ny olona ny mamaly ratsy, nefa raha manao toy izany ianao dia mamela ny hafa hamolavola ny toetranao, izany hoe hamolavola anao araka ny endriny. Izany dia hilaza fa nolavinao ny tenanao, izany hoe nafoinao ny maha-ianao marina anao sy ireo fotopoto-pitsipika izay maminao. Manahafa kosa an’i Jesosy izay nitoetra ho nahatoky tamin’ny tenany na dia tao aza ny kileman-toetran’ireo izay nanodidina azy. “Fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.” — Romana 12:17; I Petera 2:23; II Timoty 2:13.

27 Raha ampy fahatanjahana ianao mba hanapahana ny fihodinkodinan-dratsin’ny famaliana ratsy ny ratsy, dia angamba ianao hanamafy fihodinan-javatra vaovao iray, dia ny famaliana tsara ny tsara. “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” (Ohabolana 15:1). Ny valinteny mora dia tsy mariky ny fahalemena akory, fa mariky ny hery, ary ho tsapan’ny vadinao izany. Koa satria olona maro aoka izany no mamaly mitovy amin’izay atao aminy, amin’ny fanaovan-javatra amin-katsaram-po dia azonao ovana ny fihodinkodinan-javatra ratsy ho lasa tsara. Izany no asehon’ny andalan-teny sasany ao amin’ny Soratra masina, toy ireto: “Izay mandena dia mba holemana kosa.” “Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” “Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.” (Ohabolana 11:25; Lioka 6:38; Mpitoriteny 11:1). Angamba hilaina ny fotoana mba hahatonga ny fahamoram-panahinao hamokatra kosa mariky ny hatsaram-po eo amin’ny vadinao. Nefa amin’izao fotoana izao dia tsy mijinja izay nafafy vao omaly ny tena. Na ahoana na ahoana, “izay afafin’ny olona no hojinjany (...). Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika”. — Galatiana 6:7-9.

28. Inona moa ny sasantsasany amin’ireo fotopoto-pitsipika tsara dia tsara ary voarakitra ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, izay afaka manampy antsika mba hahita fahombiazana eo amin’ny fanambadiantsika, ary ahoana no anampian’izany antsika?

28 Ho hitanao eto ambany ny andininy sasantsasany avy ao amin’ny Baiboly arahin’ny fanontaniana izay anasanay ireo mpivady mba hodinihina:

Ohabolana 14:29: “Be saina izay mahatsindry fo; fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.” Raha maka fotoana hieritreretana ianao, moa ve tsy ho hitanao saiky mandrakariva fa tsy misy antony tokony hahatezerana?

Ohabolana 17:27: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.” Moa ve mitoetra ho tony ianao ary mifady mba tsy hanonona teny izay mety hahasosotra ny vadinao?

Ohabolana 25:11: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” Ny teny mety amin’ny fotoana iray dia angamba tsy ho toy izany amin’ny fotoana hafa. Moa ve ianao ampy fahiratan-tsaina mba hilazana izay tokony holazaina rehefa ilaina izany?

Ohabolana 12:18: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” Moa ve ianao, alohan’ny hitenenanao, mieritreritra ny vokatra hateraky ny teninao eo amin’ny vadinao?

Ohabolana 10:19: “Ny teny maro tsy ilaozan’ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.” Ao anatin’ny fientanam-po, ny tenintsika matetika dia mihoatra ny eritreritsika, ka manenina ny amin’izany isika avy eo. Moa ve ianao mitandrina mba tsy ho tonga amin’izany?

Ohabolana 20:3: “Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; fa ny adala rehetra kosa misafoaka.” Tsy maintsy ho olon-droa vao afaka hifamaly. Moa ve ianao ampy fahamatorana mba ho ilay mandositra ny ady?

Ohabolana 10:12: “Ny fankahalana dia manetsika ady; fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.” Moa ve iverimberenanao hatrany ireo ady tamin’ny lasa, sa ampy fitiavana ny vadinao ianao mba hanadinoana izany?

Ohabolana 14:9, “New English Bible”: “Ny adala dia be avonavona loatra ka tsy ho afaka hanonitra ny fahadisoany; ny olona mahitsy dia mahafantatra izay atao hoe fampihavanana.” Moa ve ianao miavonavona loatra ka tsy ho afaka handefitra na hitady fihavanana ao anatin’ny tokantranonao?

Ohabolana 26:20: “Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo.” Hainao ve ny mamarana ny fifandirana, sa tsy maintsy mametraka ny teny farany hatrany ianao?

Efesiana 4:26: “Ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” Moa ve manavesa-tena amin’ny tsy fifanarahanareo ianao, ka mampaharitra amin’izany ny fahorianao sy ny an’ny vadinao?

29. Fotopoto-pitsipika fototra inona avy moa no tokony hotadidiana ao an-tsaina rehefa mitady hiaro ny fahasambaran’ny fanambadiany ny olona iray?

29 Tsy mahasoa ireo torohevitra tsara raha tsy ampiharina. Andramo arahina àry izany, toy izany koa ireo fanoloran-kevitra mety hataon’ny vadinao aminao. Ho hitanao tsara raha azo raisina izany. Rehefa mihodina ho ratsy ny toe-javatra, ny zava-dehibe indrindra dia tsy ny hahafantarana hoe iza no tompon’andraikitra amin’izany, fa ny handaminana izany kosa. Mahaiza milefitra, iaraho midinika amin’ny vadinao ireo tsy fifanarahana sendra mitranga ary aza mihevi-tena ho zavatra loatra. Mifampiresaha. Raha ‘tianao tahaka ny tenanao ny vadinao’, dia tsy ho sarotra aminao loatra ny manorina fifandraisana tsara ara-panambadiana sy ny manao amin’izany izay hahatonga ny fanambadianareo ho sambatra. — Matio 19:19.

[Fanontaniana]