Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza mitsahatra ny mifampiresaka amin’ireo zanakao

Aza mitsahatra ny mifampiresaka amin’ireo zanakao

Toko Faha-11

Aza mitsahatra ny mifampiresaka amin’ireo zanakao

1, 2. Inona moa no atao hoe fifampiresahana, ary nahoana izany no zava-dehibe?

NY HOE mifampiresaka dia tsy miteny fotsiny akory. Araka ny nasain’ny apostoly Paoly nomarihina, raha tsy mazava amin’ilay iresahana ny teninao dia “hiteny amin’ny rivotra” ianao. (I Korintiana 14:9.) Azon’ireo zanakao tsara ve ny hevitry ny teninao, ary moa ve ny tenanao mahazo marina izay andramany lazaina aminao?

2 Mba tena hisian’ny fifampiresahana tokoa, dia tokony hisy fisainana, hevitra sy fihetseham-po hifampita ao amin’ireo atidoha. Raha azo atao ny mihevitra ny fitiavana ho toy ny fon’ny fahasambaram-pianakaviana, ny fifampiresahana kosa dia ny fanahiny (âme). Rehefa tsy mifampiresaka intsony ny mpivady, dia manomboka ny fahasahiranana. Rehefa eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka no mitsahatra izay rehetra mety ho fifampiresahana, dia lehibe toy ny amin’izany na lehibe kokoa aza ny zava-manahirana.

MAHAIZA MITSAPA NY FARANY

3. Amin’ny fotoana toy inona eo amin’ny fiainan’ny zanaka moa no azon’ny ray aman-dreny anampoizana hahita zava-manahirana momba ny fifampiresahana?

3 Iharan’ny fihenjanana mafy indrindra ny fifampiresahan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, tsy raha mbola kely dia kely izy ireny fa amin’ny fotoana maha-zatovo azy. Zava-misy tokony heken’ny ray aman-dreny izany. Tsy ho fiheverana ny zavatra tena misy ny hakana sary an-tsaina fa hoe satria azo lazaina hoe nandalo tsy nisy zava-manahirana ireo taona voalohandohany teo amin’ny fiainan’ny zaza iray, dia ho toy izany koa amin’ny manaraka. Tsy maintsy hisy fahasahiranana hitranga, ary amin’izay ny fifampiresahana tsara no mandray anjara amin’ny fanapahan-javatra, satria hahatonga ho afaka handamina ireo zava-manahirana na fara faharatsiny, hametra izany. Noho ny fahatsapana izany zava-misy izany, dia mety raha mitsapa ny farany ny ray aman-dreny, satria “tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany”. — Mpitoriteny 7:8.

4. Voafetra amin’ny resaka ve ny fifandraisana eo amin’ny mpianakavy? Hazavao.

4 Zavatra be dia be no mandray anjara amin’ny fanorenana sy ny fanolokoloana ary ny fitanana fifampiresahana tsara eo amin’ny mpianakavy. Rehefa mandeha ny taona maro, dia mety hitombo eo amin’ny mpivady ny fifampitokisana sy ny fifampahatakarana ny fihevitra lalina aoka izany, hany ka azon’izy ireo atao ny mampita, na dia tsy miteny aza, topy maso, tsiky na fihetsehana iray mahalaza zavatra be dia be. Amin’ny maha-ray aman-dreny azy ireo, dia tokony hiezaka hanome fanorenana mafy toy izany ho amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny zanany izy. Alohan’ny hahatakaran’ny zazakely iray ny hevitry ny teny akory aza, dia hain’ny ray aman-dreniny ny mampita aminy fahatsiarovana tsy fananana ahiahy sy fitiavana. Raha toa, mandritra ny fitomboan’ny ankizy, ka miasa, miala voly ary ny mbola tsaratsara kokoa, manompo an’Andriamanitra miaraka ny fianakaviana, dia hiorina eo amin’ny mpianakavy ny fifampiresahana maharitra. Hilana fiezahana sy fahendrena be dia be anefa ny fiarovana izany.

AMPORISIHO HILAZA HEVITRA NY ZANAKAO

5-7. a) Nahoana moa no tsara ny hitandreman’ny ray aman-dreny mba tsy hisakana ny ankizy iray tsy hiresaka? b) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampianarana fahalalam-pomba ny zanany?

5 Araka ny ohabolana tranainy iray, “dia natao hojerena fa tsy hohenoina ny ankizy”, ary marina izany amin’ny heviny sasany. “Tokony ho fantatry ny ankizy, araka ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, fa “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. (Mpitoriteny 3:7.) Irin’ny ankizy madinika mafy anefa ny hiheverana azy ireny. Koa tokony hitandrin-tena ny ray aman-dreny mba tsy hanindry tsy amin’ny antony ny faniriany hilaza hevitra. Aza manantena ny handraisan’ny ankizy kely iray ny fisehoan-javatra toy ny hataon’ny olon-dehibe. Ho an’ny olon-dehibe, ny fisehoan-javatra iray dia zavatra iray monja mahaforona ny velarana lehiben’ny fiainana. Ny ankizy kosa anefa dia mety hirehitra amin’ny zavatra iray mahaliana eo no ho eo izay hahavariana azy tanteraka, hany ka hila hanadino ny zavatra hafa rehetra izy. Hiditra haingana ao amin’ny efitrano ny ankizy iray mba hilaza amim-pahataitairana tantara iray amin’ny rainy na ny reniny. Raha manapaka ny teniny ny rainy na ny reniny sady miteny amim-pahasosorana hoe: “Mangina!”, na miseho ho tezitra, dia ho tapaka ny hafanam-pon’ilay zaza. Toa tsy misy heviny firy aminao angamba izany fipentsompentson-jaza izany. Nefa, amin’ny famporisihana an’ireo zanakao hilaza hevitra malalaka angamba no hanalaviranao aty aoriana ny fitanany ho azy, zavatra ho tianao hoborahiny aminao ary indrindra ho nilainao ho fantatra.

6 Manamora ny fifampiresahana tsara ny fahalalam-pomba. Ny ray aman-dreny dia tokony hampianatra izany ny zanany ka hanome ohatra tsara ny tenany amin’io lafiny io, indrindra fa eo amin’ny fifandraisany amin’ireo zanany. Hilaina ny hitenenana azy ireny isaky ny ho mendrika izany izy ary hatao mafy aza izany indraindray (Ohabolana 3:11, 12; 15:31, 32; Titosy 1:13). Nefa ny ankizy izay tapahina foana ny teniny, ahitsy tsy ankijanona ny fomba firesany, na ny mbola ratsiratsy kokoa, izay tebahina, atao fihomehezana aza rehefa miteny, dia mety hiforitra na hitodika any amin’olon-kafa rehefa te-hiteny. Vao mainka ho hita izany rehefa ho lehibe kokoa ny zanakao lahy na ny zanakao vavy. Nahoana ianao androany hariva raha maka fotoana hitadidiana kely ireo resaka nifanaovanao tamin’ny zanakao lahy na ny zanakao vavy ka manontany tena hoe: Impiry aho no naneho ny fankasitrahako azy, nampahery azy na nidera azy? Etsy andaniny, impiry aho no naneho taminy ny tsy fankasitrahako na nanao resaka nirona ho amin’ny fampietrena azy na ny fanaovana izay hahatsapany fa tsy faly, sosotra sy tezitra aho? Mety hahagaga anao ny vokatr’izany fandinihana izany. — Ohabolana 12:18.

7 Matetika ny ray aman-dreny no tokony haneho faharetana sy fifehezan-tena. Ny tanora tokoa dia mirona hanao zavatra tsy amim-piheverana. Mora manapaka ny resaky ny olon-dehibe izy mba hilazana avy hatrany izay tonga ao an-tsainy. Mety hitrerona azy ny ray aman-dreny, nefa ho fahendrena kokoa indraindray ny hihainoana azy amim-pahalalam-pomba, amin’ny fanomezana azy amin’izany oha-pifehezan-tena, avy eo, aorian’ny valinteny fohy, dia hampahatsiahy azy amim-pahalemem-panahy fa ilaina ny hahalala fomba sy ny hihevitra ny hafa. Amin’izany koa aza, dia tsara ny “halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. — Jakoba 1:19.

8. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny amporisihana ny zanany mba ho tonga hangataka torohevitra amin’izy ireo?

8 Irinao ny hangatahan’ny zanakao torohevitra aminao rehefa manan-java-manahirana izy. Amporisiho àry izy ireny hanao toy izany amin’ny fampisehoana aminy fa ny tenanao koa dia mila ny hotarihina eo amin’ny fiainana ary misy olona itodihanao entina amim-pahamorana. Raha nanazava ny fomba ampiasainy mba hanorenana fifampiresahana tsara amin’ireo zanany raha mbola kely izy ireny ny ray iray, dia izao no nambarany:

“Saika isan-kariva, rehefa hatory, dia miara-mivavaka amin’ireo zanako aho. Koa satria matetika tokoa no eo am-pandriana izy ireo, dia mandohalika eo an-doha fandriany aho ary misakambina azy ireo. Manao vavaka aho ary matetika dia manao vavaka koa izy ireo rehefa vita ny ahy. Tsy mahalana izy ireo no manoroka ahy ka milaza amiko hoe: ‘Dada a, tia anao aho’, avy eo dia ambarany ahy izay ao am-pony. Rehefa mafana tsara ao am-pandriany sy tsy manana ahiahy ao anaty sandrin-drainy izy ireo, dia afaka miresaka zava-manahirana manokana sasany ilàny fanampiana na maneho fotsiny ny fihetseham-pony amim-piraiketam-po.”

Raha toa ireo vavaka tononinao amin’ny fotoan’ny sakafo na amin’ny fotoana hafa ka tsy famerimberenan-teny fotsiny fa avy amin’ny fo sy ahitana taratry ny fahatsoran’ny fifandraisanao amin’ny Mpamorona sady Rainao any an-danitra, izany dia mety handray anjara be dia be amin’ny fanorenana fifandraisana tsara amin’ireo zanakao. — I Jaona 3:21; 4:17, 18.

IREO TAONA FIAMPITANA

9. Inona no azo lazaina ny amin’ny zava-manahirana sy ny zavatra ilain’ny zatovo raha oharina amin’ny an’ny ankizy kely kokoa?

9 Ny andro maha-zatovo dia fotoana fiampitana, taona tsy maha-zaza intsony, nefa koa mbola tsy maha-olon-dehibe ny zanakao lahy na vavy. Miova ny vatany, ary misy heriny eo amin’ny fihetseham-pony izany fiovana izany. Tsy sahala amin’ny tao anatin’ireo taona vitsivitsy teo aloha intsony ny zava-manahirana sy ny ilain’ny zatovo. Noho izany, dia tokony hifankazatra amin’ireny toe-piainana vaovao ireny ny ray aman-dreny, satria izay nandaitra taloha dia mety tsy hety intsony. Maniry hahazo fanazavana misimisy kokoa tsy toy ny fony izy mbola kely ny zatovo, ka milaza izany fa ilaina kokoa tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny fifampiresahana tsara.

10. a) Nahoana moa ny fanazavana fohy momba ny raharaha ny amin’ny lahy sy ny vavy no tsy ampy? b) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anombohana resaka amin’ireo zanany ny amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy?

10 Ireo fanazavana fohifohy nomenao ny zanakao kely momba ny lahy sy ny vavy, ohatra, dia tsy ho ampy ny zatovo. Manomboka mahatsapa hery manosika eo amin’ny lahy sy ny vavy izy ireo, nefa mety ho sakodiavatra tokoa izy hametraka fanontaniana amin’ny rainy na ny reniny. Anjaran’ny ray aman-dreny àry ny mitari-javatra, ka tsy ho mora izany raha tsy nanorina sy nitana fifampiresahana tsara teo amin’izy samy izy ireo, indrindra fa tamin’ny fahatongavana ho namana tsara ho an’ireo zanany tamin’ny asa sy ny lalao. Tsy ho very hevitra kokoa ny zazalahy rehefa misy zavatra mifafy voalohany avy aminy ary ny zazavavy rehefa tonga fotoana voalohany, raha nohazavaina tamin’izy ireo mialoha izany zavatra izany (Levitikosy 15:16, 17; 18:19). Ohatra, rehefa miara-mitsangantsangana amin’ny zanany lahy ny ray dia afaka manisy fitenenana ny amin’ny “masturbation” (fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy mba hahazoana fahafinaretana irery). Eo am-panazavana aminy fa mahita an’io zava-manahirana io be na kely ny ankamaroan’ny zatovolahy, dia azony atao ny manontany azy hoe: “Manao izany ve ianao?” Azo atao koa ny mandinika zava-manahirana sasany hitan’ny zatovo amin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny fianakaviana izay samy anomezan’ny ray sy ny reny torohevitra amim-pahatsorana, nefa ao anatin’ny rivo-piainana tsy misy fihenjanana.

FANTARO IZAY ILAIN’NY ZATOVO

11. Amin’ny ahoana moa ny zatovo no hafa noho ny olon-dehibe?

11 “Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.” (Ohabolana 4:7). Ry ray aman-dreny, hevero amim-pahendrena ny ataon’ny zatovo ary mahaiza mamantatra ny fihetseham-pony. Aza hadinoina fa efa mba zatovo koa ny tenanao. Tadidio koa fa raha efa zatovo ny olon-dehibe rehetra ka noho izany dia mahalala ny atao hoe fahatanorana, dia tsy misy mihitsy tanora efa be taona kokoa taloha. Tsy irin’ny zatovo ny hitondrana azy toy ny zaza na dia tsy mbola olon-dehibe aza izy ka tsy liana loatra amin’ny raharahan’ny olon-dehibe. Mbola tia milalao fatratra izy ary mila manokana fotoana ho amin’izany.

12. Ahoana no irin’ny zatovo hitondran’ny ray aman-dreniny azy ireo?

12 Eo amin’io ambaratongam-piainana io, ny zatovo dia manantena zavatra sasany avy amin’ny ray aman-dreniny indrindra. Tiany ny hahatakarana ny fiheviny. Iriny tsy misy toy izany ny hoentina toy ny olona manana ny maha-izy azy. Takiny ny hanomezana azy fitsipika sy torohevitra mifandrindra misy fiheverana fa efa ho tonga eo amin’ny taonan’ny olon-dehibe izy. Iriny fatratra indrindra ny hahatsiaro fa ilaina sy ankasitrahana izy.

13. Ahoana no mety ho fihetsiky ny zatovo rehefa manome fepetra azy ireo ny ray aman-dreniny, ary nahoana?

13 Tsy tokony ho gaga ny ray aman-dreny rehefa mahita ireo zanany zatovo somary manohitra ireo fepetra ampihariny amin’izy ireo. Ny antony dia satria izy ireo manatona ny taona hahatongavany ho olona mahaleotena ary mahatsapa faniriana voajanahary ny hanana fahalalahana misimisy kokoa eo amin’ny fihetsehana sy ny safidy. Tsy manam-piarovana ny zazakely ary mila foana ny fikarakaran’ny ray aman-dreny, ka tsy maintsy tandremana tsara mba tsy hahita loza ny zaza madinika. Arakaraka ny itomboan’ny ankizy anefa, dia mitatra ny sahan’asany ary manjary maro kokoa sy mahery kokoa ny fifamatorany amin’ny olona any ivelan’ny faritry ny fianakaviana. Ny fitsapatsapana ataon’ny zanakao lahy na ny zanakao vavy dia mety hahatonga ho sarotra ny fiaraha-miaina aminy mandritra ny fotoana sasany. Marina fa tsy azon’ny ray aman-dreny atao ny mandefitra eo anoloan’ny tsy firaharahana ny fahefany na ny fandavana izany, ary hahasoa ny zanany rahateo izany. Azony atao anefa ny mandamina amim-pahendrena an’io zava-manahirana io sy mitana fifandraisana tsara amin’izy ireo, raha toa ka tadidiany ao an-tsaina ny antony anarahan’ny zatovo fitondrantena mampanahirana indraindray.

14. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao rehefa maneho faniriana ny hanana fahaleovantena lehibe kokoa ireo zanany?

14 Rehefa maneho faniriana hanana fahaleovantena lehibe kokoa ny zanany lahy na ny zanany vavy, inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny? Izany faniriana izany dia sahala amin’ny vy miaina hoterenao ao an-tananao. Alefaso tampoka izany, dia hipitika tsy nahy ka tsy ho hita izay halehany. Raha tananao ela loatra ilay izy, dia ho vizana ianao ary hihena ny heriny. Nefa raha alefanao tsikelikely izany ka arahinao maso ny fivelarany, dia hivelatra izy sady ho eo amin’ny toerany ihany.

15. Inona no mampiseho fa natao teo ambany fanaraha-mason’ny ray aman-dreniny ny fitomboan’i Jesosy?

15 Ny fahatanoran’i Jesosy dia manome antsika ohatra ny amin’ny fitomboana voara-maso manatona ny fahaleovantena. Ny filazana ara-tantara ao amin’ny Lioka 2:40 dia manambara amintsika fa nandritra ny fahazazany, “ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy.” Tsy isalasalana mihitsy fa nandray anjara lehibe tamin’ny fitomboany ny ray aman-dreniny satria na dia tanteraka aza izy dia tsy tonga tao aminy avy hatrany akory ny fahendrena. Nataon’ireo ray aman-dreniny foana izay handraisany soa tamin’ny rivo-piainana ara-panahy nilaina ho fampiofanana azy, araka ny asehon’ny tohin’ny fitantarana. Teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany, raha tany Jerosalema ny fianakaviany mba hankalaza ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, dia nankany amin’ny tempoly i Jesosy ka nanomboka niresaka tamin’ireo mpampianatra ara-pivavahana tao. Miharihary tokoa fa namela fahafahana hanao zavatra ho an’ny zanany lahy roa ambin’ny folo taona Maria sy Josefa. Nandao an’i Jerosalema izy nefa tsy nahatsapa hoe nijanona tany i Jesosy. Tsy isalasalana fa noheveriny hoe niaraka tamin’ny namana na havana nody avy any koa izy. Hitany indray tao amin’ny tempoly izy rehefa afaka hateloana, nefa tsy teo am-pitadiavana izay hampianarana ireo zokiny izy, fa “nihaino sady nanontany azy”. Rehefa nilaza taminy ny reniny fa velom-panahiana aoka izany noho ny aminy izy ireo, dia namaly azy Jesosy, tsy hoe tsy nisy fanajana azy akory, fa raha ny marina dia tsy maintsy ho fantatr’izy ireo hoe aiza no hahitana azy tamin’ny fotoana niaingana. Na dia nanana fahafahana nanao zavatra sasany aza i Jesosy, dia ampian’ny fitantarana fa taorian’izany dia “nanoa azy” izy, nanaraka ny fitsipiny sy ny fandrarany nandritra ny fotoana naha-zatovo azy, ary “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.” — Lioka 2:41-52.

16. Tokony hitadidy inona ao an-tsaina ireo ray aman-dreny mahita zava-manahirana ny amin’ny zatovo iray?

16 Toy izany koa, ny ray aman-dreny dia tokony hanome fahafahana sasany ny zatovo, ka hampitomboina tsikelikely izany arakaraka ny anatonany ny taona maha-olon-dehibe, ary izany dia hamela azy ireny hanao fanapahan-kevitra manokana kokoa, mazava ho azy fa eo ambany fitarihana sy fanaraha-mason’izy ireo. Rehefa misy fahasahiranana mitranga, ireo ray aman-dreny dia tokony hitady izay hahafantarana ny antony, mba tsy hiheverana ho zava-dehibe ny zavatra tsy dia manao ahoana. Matetika dia tsy hoe minia mitady hikomy amin’ny ray aman-dreniny akory ny zatovo fa mitady hahazo fahafahana sasany kosa, nefa tsy fantany tsara ny fomba fanaovana izany. Mety ho diso hevitra àry ny ray aman-dreny ka tsy handinika ny tena zava-manahirana. Raha tsy dia lehibe loatra ilay raharaha, dia avelao amin’izao, fa raha tsy izany kosa, dia aza milefitra. Aza ‘manatantavana ny moka’ na ‘mitelina ny rameva’. — Matio 23:24.

17. Inona avy moa no anton-javatra tokony hoheverin’ny ray aman-dreny rehefa manome fepetra ho an’ny zanany zatovo izy ireo?

17 Ny ray aman-dreny dia ho afaka hitana fifandraisana tsara amin’ireo zanany zatovo raha araka ny antonony ny fepetra ampihariny amin’izy ireo. Tadidio fa raha ‘madio aloha ny fahendrena izay avy any ambony’, izany koa dia “mandefitra” sy “be famindrampo” ary “tsy mihatsaravelatsihy”. (Jakoba 3:17.). Asehon’ny Baiboly fa ny halatra, ny fijangajangana, ny fanompoan-tsampy mbamin’ny fahotana lehibe hafa karazan’izany dia tsy azo ekena tanteraka (I Korintiana 6:9, 10). Amin’ny lafiny maro hafa, dia manao zavatra tsara na ratsy ny tena arakaraka ny fihetsika arahina; raharaha ny amin’ny ambaratonga izany. Araka izany, dia tsara ny mihinana, nefa izay mihinana be loatra dia manjary tendan-kanina. Toy izany koa amin’ny karazam-pialam-boly sasany toy ny dihy, ny lalao, ny fanasana, ets. Matetika, ny mahaforona ny zava-manahirana, dia tsy ireny fialam-boly ireny mihitsy, fa ny fomba anaovana azy sy ny karazan’olona miara-mandray anjara amin’ny tena amin’izany. Koa toy ny anamelohantsika ny hatendan-kanina fa tsy ny fihinanana fotsiny, dia toy izany koa fa ny ray aman-dreny dia tsy tokony hanameloka amin’ny ankapobeny ny fanaovan-javatra iray mampiavaka ny tanora, nefa raha ny marina dia tsy azony kianina afa-tsy amin’ny sasany amin’ny endriny mihoa-pampana ataon’ny sasany na amin’ny tarehin-javatra tsy faniry mety haterany. — Ampitahao amin’ny Kolosiana 2:23.

18. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana an’ireo zanany hitandrina ny fifaneraserany?

18 Ny tanora rehetra dia mahatsiaro ho mila namana. Mety ho vitsy dia vitsy amin’izy ireny no hitanao fa namana “filamatra” ho an’ireo zanakao. Nefa rehefa dinihina, moa ve tsy mba manana ny kilemany koa ireo zanakao? Ho voatery angamba ianao handrara azy tsy hifanerasera amin’ny tanora sasany izay ny fiarahana aminy dia mety hanimba (Ohabolana 13:20; II Tesaloniana 3:13, 14; II Timoty 2:20, 21). Hisy koa tanora izay hankasitrahanao ny toetoetrany sasany fa tsy toy izany ny hafa. Tsy horaranao tanteraka ny fifaneraseran’ny zanakao lahy na vavy amin’ny anankiray amin’izy ireny noho ny kileman-toetra sasany, fa ho azonao atao ny hampiseho amin’ny zanakao fa ankamaminao ireo toetra tsaran’ilay namany sady hampitandrina azy amin’ireo fahalemeny ianao. Ho azonao atao koa ny hamporisika azy hiseho ho ampy fahatanjahana mba hampihatra fitaomana tsara amin’ireo lafiny ireo, mba hahasoa indrindra an’ilay namany.

19. Mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny Lioka 12:48, ahoana no azo anampiana ny zanaka hanaraka fihetsika tsara eo anoloan’ny fahafahana?

19 Ny fomba iray hanampiana zatovo hanaraka fihetsika tsara eo anoloan’ny fahafahana mitombo azony tsikelikely dia ny fampahafantarana azy fa ny fahafahana lehibe kokoa dia arahin’ny andraikitra lehibe kokoa. “Izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy”. (Lioka 12:48). Arakaraka ny hisehoan’ny zanaka iray ho mendrika itokisana no hahafahan’ny ray aman-dreny kokoa hametraka ny fitokisana aminy. — Galatiana 5:13; I Petera 2:16.

ATAOVY IZAY HIRESAHANA REHEFA MANORO HEVITRA SY MANITSY IANAO

20. Ankoatra ny fahefana, inona avy moa no toetra tsara hanampy ny ray aman-dreny hanohy hifampiresaka amin’ireo zanany?

20 Raha misy manome torohevitra anao nefa tsy mahafantatra ny toeranao, dia ho hitanao fa tsy mampiseho fahendrena izany. Raha manana fahefana hanery anao hanaraka ny baikony izy izao, dia azo inoana fa ho hitanao ho tsy ara-drariny sy mampahatezitra izany. Tokony hotadidian’ny ray aman-dreny fa “ny fon’ny manan-tsaina mitady fahendrena” ary “be hery ny lehilahy hendry”. (Ohabolana 15:14; 24:5.) Marina fa manana fahefana eo amin’ny zanakao ianao, nefa raha ampianao fahalalana sy fahaiza-manavaka izany, dia hisy vokany lavitra ny fifampiresahanao aminy. Izay tsy ampy fahiratan-tsaina eo amin’ny fomba fanitsiany ny zatovo dia mety hamorona “hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny amin’ny zanaka” ka hanapaka izay rehetra mety ho fifampiresahana amin’izy ireny.

21. Ahoana no tokony hataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka izay manao fahadisoana lehibe?

21 Inona no hataonao raha miditra ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra ny zanakao lahy na ny zanakao vavy na manao fahadisoana lehibe na zava-dratsy tsy nampoizinao? Marina fa tsy tokony hankasitraka ny ratsy na oviana na oviana ianao (Isaia 5:20; Malakia 2:17). Fantaro anefa fa eo indrindra no fotoana tokony hanampianao ny zanakao amim-pahiratan-tsaina sy hitarihana azy amim-pahakingana. Sahala amin’i Jehovah Andriamanitra, dia afaka milaza sahalahala amin’izao ianao: ‘Avia ka aoka halamintsika indray ny zavatra; ratsy angamba ny tarehin-javatra, nefa tsy hoe tsy azo amboarina akory izany.’ (Isaia 1:18). Ny fipoahan’ny fahatezerana mafy na ny fanamelohana mitratrevatreva dia mety hisakana izay rehetra mety ho fifampiresahana. Tanora be dia be loatra izay nanao ratsy no nanambara hoe: “Tsy afaka niresaka izany tamin’ireo ray aman-dreniko aho, ho nisafoaka tamiko izy raha nanao izany aho.” Izao no vakina ao amin’ny Efesiana 4:26: “Raha sosotra ianao, dia aza avela hampanota anao ny fahatezeranao.” (New English Bible). Fehezo ny fihetseham-ponao rehefa mihaino izay holazain’ny zanakao lahy na ny zanakao vavy ianao. Raha mihaino azy amim-pahatoniana ianao, dia ho mora hanaiky kokoa ny fifehezana hampiharinao aminy izy.

22. Nahoana moa ny ray aman-dreny no tsy tokony hanao izay handrenesana mihitsy fa very fanantenana izy ireo raha ny amin’ny hahitana ny zanany mifehy tena?

22 Nefa mety tsy ho fisehoan-javatra iray monja izany fa vanim-potoan-tsarotra na kileman-toetra sasany miseho tsy tapaka. Amin’izay ny ray aman-dreny dia tokony hanohy hifehy an’ilay zaza, nefa tsy hilaza aminy na oviana na oviana na hanao izay hiheverany fa mihevitra azy ho very ireo. Amin’ny fahari-ponao no hitsapana ny halalin’ny fitiavanao (I Korintiana 13:4). Aza miady hanisy ratsy ny ratsy fa reseo amin’ny tsara hatrany izany (Romana 12:21). Ho ratsy ny hanambaniana ny tanora iray amin’ny filazana eo imason’ny olon-kafa fa “kamo” izy, “mpikomy”, “tsy misy ilàna azy” na “tsy misy antenaina”. Manantena foana ny fitiavana (I Korintiana 13:7). Mety haniasia ny tanora iray ka hanjary haditra ary handao ny tokantrano. Na dia tsy hampiseho mihitsy aza ireo ray aman-dreniny fa mankasitraka ny ataony izy ireo, dia azony atao ihany ny mamela hivoha ny lalana ho amin’ny fiverenany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fampisehoana fa ny fitondrantenany fa tsy izy mihitsy no lavin’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny manohy manome toky azy ny amin’ny finoan’izy ireo mafy fa manana toetra tsara ao aminy izy ka antenain’izy ireo handresy ny ratsy izany. Raha izany no izy, sahala amin’ilay zanaka adala voalazan’ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia ho azony atao ny hody any an-tokantranon-drainy amin’ny fananana toky fa izany fiverenana vokatry ny fibebahana izany dia tsy horaisina amim-pahasiahana na amim-pangatsiahana. — Lioka 15:11-32.

ATAOVY IZAY HAHATSAPANY NY HASAROBIDIN’NY TENANY

23. Nahoana moa no zava-dehibe ny hahatsapan’ny zatovo fa mpianakavy ankamamina izy?

23 Ny olona rehetra dia mila ny hanehoana fiheverana sasany azy; iriny ny hahatsiaro fa ekena sy ankasitrahana ary raisina. Mazava ho azy anefa fa amin’izany dia tsy tokony hiolonolona loatra izy. Tokony harahiny ny fitsipi-pitondrantena ankasitrahan’ilay antokon’olona tiany hiarahana. Mahatsapa fa mila ny ho an’ny fianakaviana ny zatovo. Ataovy tsapany àry fa mpikambana sarobidy ao anatin’ny faritry ny fianakaviana izy ireny, fa mitondra fahasambarana ho azy ary azon’izy ireny atao aza ny mandray anjara amin’ny famoronana volavolan-kevitra sy fanapahan-kevitra sasany ao amin’ny fianakaviana.

24. Inona no tsy tokony hataon’ny ray aman-dreny na oviana na oviana raha tsy tiany hanjary hialona ny ankizy hafa iray ny zanaka iray?

24 Izao no nambaran’ny apostoly: “Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.” (Galatiana 5:26). Ny ray aman-dreny izay midera ny zanany lahy na ny zanany vavy rehefa manao zavatra tsara izy ireny, dia manohitra ny fitomboan’ny toe-tsaina toy izany; raha mampitaha azy amin’ny tanora hafa kosa izy ireo, amin’ny filazana foana fa ambany noho io izy, dia hiteraka fialonana sy lolompo ao aminy izy ireo. Tsaratsara koa, araka ny filazan’ny apostoly, raha toa ‘ny olona rehetra samy mizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa”. (Galatiana 6:4.) Ny tanora tsirairay avy dia maniry ny horaisina sy hotiavin’ny ray aman-dreniny noho izay maha-izy azy sy izay hainy atao.

25. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana an’ireo zanany hampiseho fa mendrika itokisana izy ireny?

25 Azon’ny ray aman-dreny atao ny manampy ny zanany hampiseho fa misy vidiny izy ireo amin’ny fanazarana azy ireny hiantsoroka andraikitra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Nampianariny azy ireo hatramin’ny vao fahazazany ny fanaovana ny marina, ny fahatsorana sy ny fanajana ny hafa. Hanorina eo amin’izany fototra voalohany izany izy ireo amin’ny fampisehoana aminy ny fomba fanehoana ireo toetra ireo ao anatin’ny fitambaran’olona, indrindra fa amin’ny fiantsorohana andraikitra hanao asa iray sy amin’ny fisehoana ho mendrika itokisana. Nandritra ny fotoana naha-zatovo azy, rehefa “nitombo saina” Jesosy dia nianatra asa niaraka tamin’i Josefa, ray nitaiza azy. Teo amin’ny fahatelopolo taonany tokoa, rehefa niditra hanao ny asan’ilay Fanjakana ampahibemaso izy, dia niresaka azy ho toy ny “mpandrafitra” ny olona. (Marka 6:3.) Mandritra ny fotoana maha-zatovo azy, ny zazalahy indrindra dia tokony hianatra ny atao hoe miasa sy manome fahafahampo ny mpampiasa na ny mpifampiraharaha, na dia amin’ny asa tsotra toy ny an’ny zazalahy fanirakiraka aza. Azo aseho azy fa raha mpiasa marisika sy maotina ary mendrika itokisana izy, dia mahazo fanajan-tena ary koa fanajana sy fankasitrahan’ny hafa, ary tsy vitan’ny hoe manome voninahitra ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany izy ireo, fa ankoatr’izany dia ‘mampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra’. — Titosy 2:6-10.

26. Inona no fanao fahizay nampiseho fa sarobidy tokoa teo imason’ny ray aman-dreniny ny zazavavy iray?

26 Ny zazavavy koa, etsy andaniny, dia afaka mianatra mba ho tonga mpikarakara tokantrano mahay, ka izany dia hahatonga azy hahazo ny fankasitrahana sy ny fideran’ny mpianakaviny sy ny olona any ivelany koa. Tamin’ny andro nanoratana ny Baiboly, dia fanao ny fitakian’ny ray aman-dreny haren-jazavavy na vidiny amin’ny zazalahy naniry hampakatra ny zanany vavy. Mampiseho tsara izany fa nekena ho sarobidy ny zazavavy. Io vola io dia noheverina ho toy ny onitra noho ny fatiantoka hihatra amin’ilay fianakaviana tsy hahazo ny fanampian’ilay zazavavy intsony. — Genesisy 34:11, 12; Eksodosy 22:16.

27. Nahoana moa ny zatovo no tokony hanararaotra ny fahafahana hianatra atolotra azy ireo?

27 Ny tanora dia tokony hanararaotra araka izay farany azo atao ireo fahafahana hianatra atolotra azy, mba ho tsara fitaovana araka izay azo atao koa eo amin’ny fisetrana ireo fahasahiranana eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Izy ireo dia anisan’ireo nomen’ny apostoly izao fampaherezana manaraka izao: “Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara [asa amim-pahamarinana, New English Bible] hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.” — Titosy 3:14.

NY LALÀNA ARA-PITONDRANTENA AO AMIN’NY BAIBOLY, FIAROVANA

28, 29. a) Inona no torohevitra omen’ny Baiboly momba ny fifaneraserana? b) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana an’ireo zanany hanaraka an’io torohevitra io?

28 Ara-dalàna raha toa ny ray aman-dreny ka velom-panahiana raha sanatria ny faritany onenan’izy ireo na ny sekoly ianaran’ireo zanany ka mahatonga azy ireo ho voatery ho tafaraka amin-jatovo maditra izay tsy manaja ny ain’ny tenany akory aza. Tsapan’izy ireny ny fahamarinan’ny fanambarana ao amin’ny Baiboly ilazana fa “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. Tsy hanaiky ho voatarik’izao fanaporofoan-kevitry ny zanany izao àry izy ireny: “Ny hafa rehetra manao izany ka nahoana aho no tsy mba hanao?” Tsy azo inoana loatra hoe manao izany ny hafa rehetra, nefa raha izany aza no hita, dia tsy antony ampy izany mba hamelana ny zanakao hanahaka azy ireny, raha fanaovan-javatra tsy mampiseho fahendrena izany. “Aza mialona ny olona [na ny ankizy] ratsy fanahy, na maniry ho namany; fa fandravana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no tenenin’ny molony. Fahendrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy.” — I Korintiana 15:33; Ohabolana 24:1-3.

29 Tsy afaka manaraka ny zanakao foana ianao amin’ny fianarany rehetra na amin’ny fiainany rehetra koa aza. Nefa, amin’ny fampiorenana mafy ny fianakavianao amim-pahendrena, dia azonao atao ny manome azy lalàna ara-pitondrantena tsara sy fotopoto-pitsipika marina izay hitari-dalana azy. “Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronan-omby.” (Mpitoriteny 12:11). Ny fanindronan’omby dia hazo lava, maranitra ny lohany iray, nanindronana ny biby mba hampandehanana azy ireny tamin’ny lalana tsara. Ny tenim-pahendren’Andriamanitra dia hanosika antsika ho eo amin’ny lalana mahitsy ary raha mihataka amin’izany isika, dia hatosiny ny fieritreretantsika hanindrona antsika mba hamerenana antsika eo. Mba hahitan’ny zanakao fahasambarana maharitra, dia ampianaro azy ny fahendrena toy izany. Omeo azy amin’ny teny sy ny ohatra izany fahendrena izany. Raha ampidirinao ao an-tsainy ny fahatsaram-pitondrantena marina, dia izany no hotadiavin’ireo zanakao eo amin’ireo izay hofidiny ho namana akaiky. — Salamo 119:9, 63.

30. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anomezana ho an’ireo zanany lalàna ara-pitondrantena noraisintsika avy amin’Andriamanitra?

30 Alohan’ny zavatra rehetra, dia tadidio fa ho azo antoka kokoa ny fahafahanao mamboly izany fahatsaram-pitondrantena izany ao anatin’ny rivo-piainam-pianakaviana anajana izany. Aoka ny ataonao ho araka izay irinao ho hita ao amin’ireo zanakao. Ao an-tokantranonao, ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, dia fantaro tsara raha toa ireo zanakao mahita eo amin’ny olon-dehibe, ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy ny fitiavana ary ny famindrampo, fa manana fahafahana sy fahaleovantena amin’ny antonony izy, fa hitany miasa ny rariny sy ny tsy fiangarana, ary farany, fa tsapany ho anisan’ny fianakaviana sy eken’io izy. Ampitao aminy toy izany ny lalàna ara-pitondrantena noraisintsika avy amin’Andriamanitra izay hoentin’izy ireo hiaraka aminy any ivelan’ny faritry ny fianakaviana. Tsy misy lova tsara kokoa noho izany azonao afindra aminy. — Ohabolana 20:7.

[Fanontaniana]