Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky fianarana ny Baiboly hafa koa ho an’ny fianakavianao

Boky fianarana ny Baiboly hafa koa ho an’ny fianakavianao

Boky fianarana ny Baiboly hafa koa ho an’ny fianakavianao

Ho tianao ve ny hanana boky fianarana ny Baiboly hafa koa ho an’ny fianakavianao? Ireto misy vitsivitsy amin’izany:

Ecoutez le grand Enseignant. Io boky io, natao manokana ho an’ny ankizy kely, dia mampiasa fomba fampianarana manamora ny fifandraisana akaiky amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ka manao ny famakian-teny ho raharaha mahafinaritra. Ny zava-kendreny lehibe indrindra dia ny fampianarana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly ny ankizy. Amin’ny fanomezana fitsipi-pitondrantena tsara dia tsara ho an’ireo zanakao kely no hanomananao azy handamina ireo zava-manahirana amin’izao androntsika izao. Io boky mifono baoritra 192 pejy azo atao am-paosy io dia vita amin’ny sora-baventy sy be sary.

Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. Io boky io dia hanampy ny zatovo hanohitra ireo fitaomana maloto eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny tsy fanaovana ny marina, ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola sy ny zavatra mahadomelina, ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny filalaovana fitia sy ny fifaneraserana alohan’ny fanambadiana dia sasantsasany amin’ireo foto-kevitra velabelarina ao amin’io boky io. Izy io dia boky mifono baoritra 192 pejy, fanao am-paosy.

Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Io boky io, izay 90 tapitrisa no efa natonta, dia anankiray amin’ireo izay naely indrindra maneran-tany. Manampy ny mpamaky ho tonga amin’ny fahalalana tsara ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly izy io. Misy amin’ny fiteny 100 mahery izy io amin’izao fotoana izao. Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoana ireo boky ireo, dia manorata amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy manaraka.