Fototra iray tsara dia tsara ho an’ny fanambadianao
Toko Faha-2
Fototra iray tsara dia tsara ho an’ny fanambadianao
1-3. Araka ny Matio 7:24-27, miankina amin’inona moa ny fahombiazan’ny fiainantsika?
NY hatsaran’ny trano iray, ny fiainana iray na ny fanambadiana iray dia miankina amin’ny fototra iray iorenany. Tao amin’ny iray amin’ny fanoharany, Jesosy dia niresaka ny amin’ny lehilahy roa, dia lehilahy hendry iray izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy sy lehilahy adala iray izay nanorina teo ambony fasika. Rehefa tonga ny tafiodrivotra ary namely ireo trano ny rano be sy ny rivotra, ilay teo ambony vatolampy dia nitoetra, fa ilay teo ambony fasika kosa dia nirodana.
2 Tsy nampianatra ny olona ny fomba fanorina trano i Jesosy. Nosoritany ny ilàn’izy ireo hanorina ny fiainany eo amin’ny fototra tsara. Tamin’ny naha-irak’Andriamanitra azy, dia hoy izy: “Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy” dia sahala amin’ilay lehilahy nanorina teo ambonin’ny vatolampy. “Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy” dia sahala amin’ilay nanorina teo ambonin’ny fasika. — Matio 7:24-27.
3 Mariho fa amin’ireo toe-javatra roa ireo dia asehon’i Jesosy fa tsy ampy fotsiny ny mandre torohevitra tsara sy ny mahafantatra izay tokony hatao. Ny fampiharana izay lazain’ny torohevitra feno fahendrena no mampiavaka ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazana. “Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.” — Jaona 13:17.
4. Inona no azontsika ianarana ny amin’ny fanambadian’ny mpivady olombelona voalohany (Genesisy 2:22 ka hatramin’ny 3:19)?
4 Marina tokoa izany raha ny amin’ny fanambadiana. Raha manorina ny fanambadiantsika eo amin’ny fototra toy ny vatolampy isika, dia hahatohitra ireo faneren’ny fiainana izy
io. Nefa avy aiza moa io fototra tsara dia tsara io? Avy amin’ny Mpamorona ny fanambadiana, dia Jehovah Andriamanitra. Nanorina ny fanambadiana Izy rehefa nampikambana ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany ho mpivady. Nomeny azy avy eo ny toromarika feno fahendrena mba hitondra soa ho azy ireo. Niankina tamin’ny fanarahany na tsia an’ireo toromarika feno fahendrena no hamaritana raha hanana ho avy mandrakizay be voninahitra izy ireo na tsy hanana ho avy mihitsy. Samy nahafantatra ireo toromarik’Andriamanitra izy, nefa mampalahelo fa navelan’izy ireo ny fitiavan-tena hisakana azy tsy hankatò ireo torolalana ireo. Nifidy ny tsy hihaino ny torohevitra izy ary, ho vokatr’izany, dia nirodana tahaka ny trano naorina teo amin’ny fasika ary nofaohin’ny tafiodrivotra, ny fanambadiany sy ny fiainan’izy ireo.5, 6. Inona moa no fanampiana omen’Andriamanitra an’ireo olona manambady sy ireo izay mikasa ny hanambady?
5 Nakamban’i Jehovah tao amin’ny fanambadiana ny olona roa voalohany, nefa tsy izy no mandahatra manokana ny olona ho mpivady amin’ny andro ankehitriny. Na dia izany aza, ny toroheviny feno fahendrena mba hahasambatra ny fanambadiana dia mbola azontsika ampiasaina hatrany. Anjaran’ny olona tsirairay izay mikasa ny hanambady amin’ny andro ankehitriny ny manapa-kevitra raha hampihatra ny torohevitra izy na tsia. Asehon’ny Tenin’Andriamanitra koa fa afaka mangataka azy isika mba hanampy antsika eo amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena momba ny fifidianana vady. — Jakoba 1:5, 6.
6 Marina aloha fa miovaova be tokoa ny toe-javatra any amin’ny faritra samihafa amin’ny tany. Ao amin’ny tany maro amin’ny andro ankehitriny, dia mifidy manokana ny ho vadiny ny lehilahy sy ny vehivavy. Nefa amin’ny mponina maro be eto an-tany dia ny ray aman-dreny no mandamina ny fanambadiana, indraindray amin’ny alalan’ny “mpampanambady” iray. Ao amin’ny faritany sasany, ny lehilahy iray dia tsy mahazo vady raha tsy efa nandoa vola ho an’ny ray aman-drenin-drazazavavy, dia vidiny izay mety tsy ho voaloan’ilay mpangataka. Na inona na inona anefa toe-javatra miseho, ny Baiboly dia manolotra torohevitra izay afaka manampy mba hahitana fahombiazana maharitra eo amin’ny fanambadiana.
FANTARO ALOHA NY TENANAO
7-10. a) Rehefa misy olona mikasa ny hanambady, inona moa no tokony ho fantany momba ny tenany? Ahoana no hetezan’izany? b) Inona moa no lazain’ny Baiboly raha ny amin’ny vidin’ireo antony anambadiana?
7 Inona no andrasanao avy amin’ny fanambadianao? Inona ireo zavatra ilainao ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-panahy? Inona no misy vidiny eo imasonao? Inona no zava-kendrenao sy ny fomba hanatsaranao izany? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia tokony ho fantatrao ny tenanao. Tsy I Korintiana 4:4: “Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy [Jehovah no mandinika ahy, MN].
mora araka izay mety hoheverin’ny tena izany. Ilàna fahamasahana ara-pihetseham-po ny mandinika ny tena, ary na amin’izay aza dia sarotra ny mahita ny tenantsika araka ny maha-isika marina antsika amin’ny antsipiriany rehetra. Izany no nasehon’i Paoly apostoly kristiana rehefa nanoratra toy izao izy ao amin’ny8 Indray andro dia tian’ny Mpamorona ho tsapan’i Joba ny lafin-javatra sasany izay tsy takany, ary dia hoy Andriamanitra taminy: “Hanadina anao Aho, ka valio.” (Joba 38:3). Ny fanontaniana dia afaka manampy antsika hamantatra ny tenantsika sy hahita ny antony manosika antsika. Koa manontania tena ny amin’ny antony mahaliana anao amin’ny fanambadiana.
9 Moa ve ianao maniry hanambady mba hanomezana fahafaham-po izay ilainao ara-batana, toy ny sakafo, ny fitafiana ary ny fonenana? Foto-javatra ilaintsika rehetra ireo, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Ary ny filàna momba ny lahy sy ny vavy? Izany koa dia faniriana ara-dalàna. “Fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.” (I Timoty 6:8; I Korintiana 7:9). Moa ve izany mba hanana-namana? Antony iray lehibe nanorenan’Andriamanitra ny fandaharam-panambadiana io. Ny antony hafa iray dia ny hiarahan’ny olon-droa miasa (Genesisy 2:18; 1:26-28). Ny fanatanterahana asa tsara dia loharanom-pahafahampo ary tokony hanana ny valisoany: “Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” — Mpitoriteny 3:13.
10 Ny olona mpifankatia dia nihevitra hatramin’ny ela ny fo ho toy ny mariky ny fihetseham-pony. Ny Baiboly anefa dia mametraka fanontaniana mahavery hevitra momba ny fo: “Iza no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9). Azonao antoka ve fa fantatrao izay ao am-ponao?
11. Inona moa ireo zavatra fototra ilaina ara-piraiketam-po izay tokony hahita fahafahampo ao amin’ny fanambadiana?
11 Mandrakariva, ny fanintonana ara-batana dia manajamba antsika tsy hahita izay zavatra hafa ilaintsika ara-pihetseham-po. Amin’ny fitadiavana vady, moa ve ianao mandanjalanja I Jaona 3:17, MN.) Afaka manome izany rehetra izany ho an’ny vadinao ve ianao, ary moa ve izy hanome izany ho anao ho setriny?
amin’ny fomba ampy izay ilainao eo amin’ny fanirianao hanana fihevitra ho takatr’ilay ho vadinao, hanehoany hatsaram-po sy fangorahana? Ireo zavatra fototra ilain’ny rehetra amintsika dia: olona iray ho eo anilantsika mba hitokisana, mba hamborahana ny momba antsika tsy misy tahotra ny ho voaratra; olona iray izay tsy hanakatona “ny varavaran’ny fangoraham-pony amim-pitiavana” amintsika. (12. Nahoana moa ny fanomezana fahafahampo amin’izay ilaina ara-batana sy ara-piraiketam-po no tsy ampy mba hahombiazana eo amin’ny fanambadian’ny tena?
12 Hoy Jesosy: “Sambatra ireo izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy.” (Matio 5:3, MN). Inona moa no ilainao ara-panahy? Moa ve izany mifamatotra amin’ny fitadiavana asa mahomby iray, harena, fananana ara-nofo? Moa ve ny fikatsahana ireo zavatra ireo mitondra ny fiadanana anaty sy ny fahafahampo? Mandrakariva dia tsy izany. Ilaintsika àry ny mahatakatra fa ao anatin’ny olona rehetra dia misy hanoanana ara-panahy tsy mety miala, na dia efa nomena fahafahampo aza izay rehetra nilaina ara-batana. Ny saintsika dia maniry mafy hahafantatra hoe iza isika sy izay maha-isika antsika, nahoana no velona eto an-tany isika ary mankaiza isika. Moa ve ianao mahatsapa an’ireo zavatra ilaina ara-panahy ireo, sy ny fomba hanomezana fahafahampo an’izany?
NY FITOVIAN-TOETRA
13. Mba hahasambatra eo amin’ny fanambadianao, inona koa moa no tokony homarihinao, ankoatr’ireo zavatra ilainao manokana?
13 Angamba mety ho takatrao ireo zavatra ilain’ny vatana sy ny saina, nefa fantatrao ve raha mahatakatra izany koa ilay kasainao hovadina? Tsy izay ilainao manokana fotsiny no tokony ho fantatrao mba hahasambatra ao amin’ny fanambadiana, fa tokony ho voadinikao koa izay ilain’ny ho vadinao. Tsy isalasalana fa irinao koa ny hahasambatra ny vadinao. Ny fahorian’ny iray dia milaza fahorian’ny roa.
14. Nahoana moa matetika no misy tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady?
14 Fanambadiana maro no miafara amin’ny fahoriana na ny fisarahana noho ny tsy fitovian-toetra. Teny lehibe ny hoe tsy fitovian-toetra, nefa izay ambarany dia vao mainka zava-dehibe Deoteronomia 22:10). Toy izany koa amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay tsy mifanentana tsara ary anefa tafakambana ao amin’ny fanambadiana. Rehefa samy hafa ny fitiavan-javatry ny mpivady, ny karaza-namana sy ny fialam-boly tiana, ary vitsy ny zavatra iombonana, dia eo ambany fihenjanana lehibe ny fatoran’ny fanambadiana.
kokoa ao amin’ny fanambadiana. Raha tsy mifanentana tsara ny olon-droa, dia mety ho sarotra ny fiarahany. Ny toe-javatra toy izany dia mampahatsiahy antsika ny fandaharana teo ambany lalàn’i Mosesy izay nandrara tamim-pamindrampo ny fametrahana miaraka ho eo ambany zioga iray, biby roa samy hafa habe sy hery, noho ny zava-manahirana haterak’izany (15, 16. Inona moa ny sasantsasany amin’ny zavatra tokony hiarahan’ireo ho mpivady midinika mialoha ny fanambadiana, ary amin’ny fomba ahoana?
15 “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina [resaka manokana, MN]”, hoy ny Baiboly amintsika (Ohabolana 15:22). Raha misaintsaina ny fanambadiana ianao, moa ve ianao niara-nandinika ny raharaha azo tanterahina sasany amin’ilay ho vadinao? Ohatra, inona no ho vokatry ny asan-dralehilahy eo amin’ny fiainan-tokantrano? Hiankina amin’ny asany ny toerana honenanareo, ary koa ny vola izay ho azonareo ampiasaina mba hanatrehana ireo zavatra ilaina isan’andro. Iza no hitantana ny vola? Ilaina ve ny hiasan-dravehivavy ary faniry ve izany? Ahoana no ho fifandraisanareo amin’ny havam-badinareo avy, indrindra fa amin’ny ray aman-dreninareo avy? Ahoana no fihevitry ny tsirairay amin’ireo hivady ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ny ankizy ary ny fanabeazan-jaza? Moa ve ny iray amin’ny mpivady hitady hanjakazaka amin’ny iray, sa kosa ny fifampiheverana amim-pitiavana no hanamarika ny fifandraisanareo?
16 Azonareo atao ve ny miara-mandinika amim-pilaminana sy amin’ny fomba ara-dalàna ireo fanontaniana rehetra ireo sy ny hafa koa, ary ny mandamina izany amin’ny fomba mahafapo mba hahafahanareo roa hiara-miaina? Azonareo atao ve ny miara-miresaka sy miara-mandamina ireo zava-manahirana, sady mihazona ny fifampiresahana mba hivoha hatrany eo aminareo? Izany no miantoka ny fanambadiana sambatra.
17-19. Nahoana moa ny faritra ara-pianakaviana niainantsika no mandray anjara eo amin’ny fifanarahan’ireo mpivady?
17 Mandrakariva dia misy fitovian-toetra bebe kokoa eo amin’ny olon-droa manana fiaviana mitovy. Izao no ambaran’ny boky Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible (anglisy), eo amin’ny pejy faha-1114, momba ny fanambadiana tamin’ny andron’ny Baiboly:
“Toa fanaon’ny lehilahy ny nifidy ny vadiny teo amin’ireo havany na tao amin’ny fokony. Izany fotopoto-pitsipika izany no asehon’ny fanambaran’i Labana tamin’i Jakoba hoe: ‘Aleoko homena anao izy [ny zanako vavy], toy izay homena lehilahy hafa’. (Gen. 29:19). Voamarika indrindra izany teo amin’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah, araka ny ohatra navelan’i Abrahama izay nampaniraka tany amin’ireo havany tany amin’ny taniny mba hitady vady ho an’Isaka zanany lahy fa tsy naka izany avy amin’ireo zanakavavin’ny Kananita izay niarahany nonina (Gen. 24:3, 4).”
18 Tsy milaza anefa akory izany hoe tsara, amin’izao androntsika izao, ny manambady havana akaiky iray, satria ny firaisana toy izany dia mety hiteraka zava-manahirana momba ny fandovan-toetra ary hanome zaza misy kilema. Kanefa, ny faritra iainantsika ara-pianakaviana dia mandray anjara be amin’ny fampiorenana ny fiheverantsika ny zavatra sarobidy. Mandritra ny fahazazana sy ny fahatanorana, ny fitondrantena sy ny fihetseham-pon’ny olona iray dia miankina tokoa amin’ny rivo-piainana ao an-tokantrano. Rehefa mitovy faritra niainana ny olona roa, dia mandrakariva hitan’izy ireo ho mora kokoa ny ‘mitombo eo amin’ny tany iray ihany sy ny miroborobo ao anatin’ny toetr’andro iray ihany.’ Kanefa, ny olona samy hafa faritra niainana sy fiaviana koa dia afaka mitondra fanamboarana tsara eo amin’ny fanambadiana, indrindra fa raha matotra ara-pihetseham-po izy roa.
19 Mazava fa ho tsara raha afaka mahafantatra zavatra momba ny fianakavian’ilay ho vadinao ianao. Nefa jereo koa hoe manao ahoana ny fifandraisany amin’ny fianakaviany, amin’ny ray aman-dreniny sy ireo iray tam-po aminy. Manao ahoana no fitondrany ny olona be taona, na ny fifandraisany amin’ny ankizy kely?
20, 21. Ahoana no tokony hiheverana ireo kileman’ilay kasaina hovadina?
20 Na dia ao aza anefa ny fitandremana rehetra atao, dia tokony hotadidianao hatrany izao: tsy ho tonga lafatra na oviana na oviana ny fitovian-toetra eo amin’ny olona roa. Hanana ny kileman-toetrany avy izy roa; ny sasany dia mety ho voamarik’izy ireo alohan’ny fanambadiana; ny sasany dia any aoriana vao hitany. Ahoana amin’izay?
21 Tsy ireo kileman-toetra akory no mahatonga ny fanambadiana tsy hahomby, fa ny fomba fiheveran’ny iray amin’ny mpivady azy ireny. Afaka miaiky ve ianao fa ny toetra tsaran’ny vadinao dia havesa-danja noho ny fahalemeny, sa kosa ianao mampifantoka ny sainao amin’ny ratsy eo aminy ary mamerimberina izany? Moa ve ampy fahaiza-milefitra ianao mba hampiseho fandeferana, tahaka ny ilànao izany koa ary anirianao handeferana aminao? Hoy ny apostoly Petera: “Ny fitiavana manarona fahotana maro.” (I Petera 4:8). Moa ve ianao manana io karazam-pitiavana io ho an’ilay olona izay saintsaininao hovadina? Raha tsy izany, dia ho tsara ho anao ny tsy manambady izany olona izany.
‘AFAKA HANOVA AZY AHO’
22-24. Nahoana moa no tsy fahendrena loatra ny manambady olona iray amin’ny fiorenana amin’ny fampanantenany fa hiova na amin’ny fitenenana anakampo fa hiezaka hanova azy ny tena?
22 Angamba ianao mety miteny hoe, ‘Afaka hanova azy aho’. Nefa raiki-pitia amin’iza moa ianao? Amin’ilay olona araka ny maha-izy azy ankehitriny ve, sa araka izay ho toetrany aorian’ny fiezahanao manova azy? Efa sarotra ny manova ny tenantsika, mainka fa izany hoe hanova ny hafa. Kanefa, ireo fahamarinana mahery avy amin’ny Tenin’Andriamanitra dia afaka manosika ilay olona hanova ny tenany. Azon’ny olona iray atao ny ‘miala amin’ny toetra taloha’, amin’ny fihavaozana noho ny hery miasa eo amin’ny saina (Efesiana 4:22, 23). Nefa aza matoky loatra ny fampanantenan’ny olona iray hovadina fa hanao fiovana tampoka izy ho anao! Na dia azo ahitsy sy amboarina aza ny fahazaran-dratsy, dia mety haka fotoana izany, mety ho taona maro aza. Ary tsy azontsika odian-tsy hita koa fa ireo toetra nolovana sy ny toe-javatra manodidina dia manome antsika toetoetra voafaritra ary namolavola antsika amin’ny fomba sasany mba hahatonga antsika ho olona miavaka. Ny tena fitiavana dia afaka manosika antsika mba hifanampy eo amin’ny fanatsarana sy ny fandresena ireo fahalemena, nefa izany tsy hanosika antsika hitady hanery ny vadintsika hanana toetra vaovao tsy araka ny natiora izay hamono ny maha-izy azy.
23 Ny sasany dia manao sary an-tsaina ny idealin’izy ireny, ary miezaka mampifanitsy ny haitraitra mandalo rehetra ao amin’izany sary izany. Marina aloha fa tsy misy olona afaka manatanteraka nofy sarotra iray, nefa ilay be haitraitra dia mifikitra mafy amin’izany ary manao fiezahana manery ilay olon-kafa hanatanteraka izany. Rehefa tsy mahomby ilay izy, dia kivy izy ary mikaroka any an-toeran-kafa mba hahita ilay sary idealy. Ny olona toy ireny anefa dia tsy mahita na oviana na oviana ny idealiny. Mikaroka olona iray nofinofy izay tsy ho hitany na oviana na oviana izy. Ny olona izay mihevitra toy izany dia tsy tsara hovadina.
24 Angamba nanonofinofy toy izany ianao. Manao izany ny ankamaroantsika amin’ny fotoana sasany eo amin’ny fiainantsika; tanora maro no manao izany. Nefa rehefa mitombo ny fahamasahantsika ara-pihetseham-po dia tsapantsika fa tokony hailika ny nofinofy tsy mahasoa toy ireny. Ao amin’ny fanambadiana dia ny zavatra tena izy no misy vidiny, fa tsy ny eritreritra fotsiny.
25. Inona moa no fahasamihafana eo amin’ny tena fitiavana sy ny fahamaimaizana mihelina?
25 Ny tena fitiavana dia tsy jamba araka ny fihevitry ny maro. Hanarona kilema maro izy, nefa koa tsy mody tsy mahita izany. Ny fahataitairana, fa tsy ny fitiavana, no jamba, ka tsy te-hijery ireo zava-manahirana azon’ny hafa jerena mialoha. Manarona tanteraka hatramin’ireo fisalasalana mahery indrindra izany; nefa aoka ho azonao antoka fa hipoitra izany any aoriana. Akimpio amin’ireo toe-javatra tsy mahafinaritra ny masonao mandritra ny fifaneraserana dia hanatrika izany marina tokoa ianao aorian’ny fampakaram-bady. Ny fironantsika voajanahary dia ny miseho amin’ny maha-tsara indrindra antsika eo anoloan’ny olona iray antenaintsika hahazoana sitraka na hosintonina, nefa rehefa mandeha ny fotoana dia ho hita ny tena maha-isika antsika. Avelao handeha izany fotoana izany mba hahitanao ilay olona amin’ny I Korintiana 14:20 dia azo ampiharina koa eo amin’ny fitadiavana vady: “Aza mba ho zaza amin’ny fahalalana (...) fa amin’ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.”
maha-izy azy marina tokoa, ary manàna fahatsorana amin’ny fisehoanao araka izay maha-ianao marina anao. Ny torohevitry ny apostoly ao amin’nyNY FANAMBADIANA DIA FANEKENA
26. Araka ny Soratra masina, karazana fanekena inona moa ny fanambadiana (Romana 7:2, 3)?
26 Tokony hodinihin’ny tsirairay amin’ny fomba lalina ny fanekena tafiditra amin’ny fanambadiana. Raha tsy matanjaka sy mafy ny fanajana ny fanekena eo amin’ny tsirairay, dia hitoetra eo amin’ny fanorenana mihozongozona ny fanambadiana. Ao amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia misy fanambadiana malaky rava toy ny nanaovana azy. Matetika izany dia noho ny tsy fiheveran’ireo olona miditra amin’ny fanambadiana ny fanekena, ka ilazan’izy ireo kosa fa raha tsy mandeha tsara izany, dia hofaranany. Ao amin’izay ahitana izany fomba fihevitra izany, ny fanambadiana dia saika voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana dieny eo am-piandohana ary ho loharanom-pahoriana aza fa tsy ho fahasambarana. Asehon’ny Baiboly kosa fa ireo izay mivady dia mikambana raha mbola velona koa. Raha ny amin’i Adama sy Eva, mpivady olombelona voalohany, dia nambaran’Andriamanitra fa tokony ho ‘tonga nofo iray’ izy. (Genesisy 2:18, 23, 24.) Ny lehilahy iray dia tsy tokony hanana afa-tsy vehivavy iray ho vadiny, ary ny vehivavy, dia lehilahy iray. Nohamafisin’ny Zanak’Andriamanitra io fotopoto-pitsipika io raha nanambara izy hoe: “Tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” Ny fanitsakitsaham-bady ihany no hany antony azo ekena mba hanapahana ny fatoran’ny fanambadiana. — Matio 19:3-9.
27-29. a) Inona moa no tokony hotadiavin’ny vehivavy iray eo amin’ilay lehilahy kasainy hovadina? b) Inona moa no ho tsara raha tadiavin’ny lehilahy iray eo amin’ilay vehivavy kasainy hovadina?
27 Zava-dehibe àry ny fanambadiana, ary ny vehivavy izay maniry hahita fahombiazana eo amin’ny azy dia hanao tsara raha manambady lehilahy iray ho azony hajaina, izany hoe
lehilahy mitoetra tsara sy mahay mandanjalanja, manana fahaiza-mitsara zavatra, afaka miantsoroka ireo andraikiny ary ampy fahamasahana mba hanaiky fanamarihana manorina. Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana ireto: Hahay hanome izay ilain’ny fianakavianay ve izy? Moa ve izy ho ray tsara ho an’ireo ankizy ho teraka avy amin’ny fanambadianay? Moa ve izy manana fotopoto-pitsipika ambony ara-pitondrantena, ka noho izany dia tapa-kevitra tanteraka izahay roa hihazona ny fanambadiana ho mendri-kaja ary ny fandrian’ny mpivady tsy ho voaloto? Miseho ho manetry tena sy tsotra ve izy, sa kosa miavonavona, kirina ary maniry hampiharihary ny fahefany, amin’ny fiheverana fa manana ny rariny hatrany izy sy amin’ny fandavana tsy hiara-midinika amim-pilaminana ny zava-manahirana? Raha mifanerasera amin’ny tovolahy toy izany elaela ianao alohan’ny hanambadianao, dia ho afaka handinika io karazan-javatra io, indrindra fa raha aorinao amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny fandinihanao.28 Toy izany koa, ny lehilahy iray maniry tokoa hahita fahombiazana eo amin’ny fanambadiana dia hitady vehivavy iray izay ho azony tiavina toy ny tenany sy ho fanampiana ary namana ho azy ao an-tokantranony (Genesisy 2:18). Ny vehivavy mpikarakara tokantrano tsara iray dia tokony hampiseho toetra maro sy hiantsoroka andraikitra samihafa. Tokony hanana indrindra talenta amin’ny maha-mpahandro, mpandravaka, mpitahiry vola, amin’ny maha-reny sy mpampianatra izy. Ny anjara asany, izay mety ho mamoron-javatra sy mamporisika, dia manolotra ho azy fahafahana maro mba hitombo sy hampiseho ny maha-izy azy. Ny vehivavy manambady tsara iray, toy izany koa ny lehilahy manambady mahay iray, dia mazoto miasa. “Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.” — Ohabolana 31:27.
29 Eny, ny tovolahy toy ny tovovavy dia manao tsara raha misaintsaina izay nomarihiny eo amin’ilay olona izay kasainy hovadina. Moa ve razazavavy mahakarakara vatana sy milamina sa tsia? Moa ve izy mazoto miasa sa kamo, mahay mandanjalanja sy mamalifaly sa kosa kirina sy tia tena? Moa ve izy mahay mitsitsy sa mpandanilany? Moa ve ny fahaizany ara-tsaina hamela azy hanao resadresaka mahaliana sy handroso amin’ny ara-panahy, sa kosa izy maneho hakamoana
ara-tsaina izay hahatonga ny fiaraha-miaina ho tsy miova sy mahamonamonaina, ary tsy miahy afa-tsy ny hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilaina ara-batana isan’andro?30, 31. Nahoana moa ny fitondrantena maloto mandritra ny maha-mpifamofo no mety hanimba ny fahombiazan’ny fanambadiana any aoriana?
30 Mba hahombiazana eo amin’ny fanambadiana, dia ilain’ny mpivady, ankoatra ny toe-javatra fototra hafa, ny mifanaja amim-pahatsorana. Izany fifanajana izany dia tokony hiharihary rehefa misy tanora mifaneho fihetsika mampiseho firaiketam-po mandritra ny maha-mpifamofo azy ireo. Ny fifankazarana tafahoatra na ny firehetam-po tsy voafehy dia mety hanimba ny hatsaran’ny fifandraisan’izy ireo na dia alohan’ny fanambadiana aza. Tsy fototra tsara velively ho an’ny fanambadiana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’izany, fa manambara kosa tsy firaharahana amim-pitiavan-tena ny fahasambarana ho avin’ny vadin’ny tena. Ny firehetam-po mivaivay izay toa manefy fatorana tsy azo vahana mandritra ny fotoana fohy, dia mety hihamangatsiaka haingana ary, rehefa afaka herinandro vitsivitsy, na andro vitsivitsy monja aza, dia hampirodana tanteraka ny fanambadiana iray. — Jereo ny fitantarana momba ny fahamaimaizana nananan’i Amnona tamin’i Tamara ary voatantara ao amin’ny II Samoela 13:1-19.
31 Rehefa misy mpifamofo resin’ny fahamaimaizana, any aoriana dia mety hipoitra ao an-tsain’izy ireo ny fisalasalana, raha ny amin’ny antony nanosika marina ny vadiny hanambady. Moa ve izany mba hahitana fahafahampo fotsiny amin’ny fahamaimaizana, sa kosa satria naniry tamim-pahatsorana izy hizara ny fiainany amin’ny olona iray izay nankamaminy sy tiany marina tokoa? Na iza na iza tsy ampy fifehezan-tena alohan’ny fanambadiana dia atahorana mafy tsy hanana izany koa aoriana, ka izany dia hiteraka fanitsakitsaham-bady sy alahelo (Galatiana 5:22, 23). Ny mpivady tanora nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy nandritra ny naha-mpifamofo azy dia mety hitahiry fahatsiarovana mampahory ka tsy ho afaka hahita ny fifandanjana ara-piraiketam-pony amin’ny maha-mpivady.
32. Amin’ny ahoana moa ny fitondrantena maloto mandritra ny maha-mpifamofo no mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?
32 Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, dia ny fanimbana entin’ny fitondrantena maloto eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Mpamorona, kanefa dia ilaintsika aoka izany ny fanampiany. “Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana (...) mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny [na, mazava ho azy, ny anabaviny] amin’izany (...). Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.” —FANORENANA IRAY EO AMBONY VATOLAMPY
33, 34. Rehefa hoe hifidy vady iray, toetra inona avy moa, araka ny Soratra masina, no mbola lehibe kokoa noho ny fisehoana ara-batana?
33 Hanorina ny tokantranonao, ny fanambadianao, eo ambony vatolampy ve ianao, sa eo ambony fasika? Hisy fiankinana sasany amin’ny fahendrena nasehonao teo am-pifidianana vady izany. Tsy ampy ny hatsaran-tarehy sy ny fanintonana momba ny lahy sy ny vavy. Tsy afaka mameno ny tsy fitovian-toetra ara-tsaina sy ara-panahy izany. Fa ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra kosa no hanampy anao hanome fanorenana mafy ho an’ny fanambadianao.
34 Asehon’ny Baiboly fa ny maha-izy lalina ny olona iray dia zava-dehibe kokoa noho ny fisehoany ivelany. Ny bokin’ny Ohabolana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia manambara hoe: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hoderaina.” (Ohabolana 31:30). Ny apostoly Petera, izay nanambady, dia nilaza fa “ny toetra miafina ao am-po” sy ny “fanahy malemy sady miadana [saina tony sy malefaka, MN]” dia “soa indrindra [misy vidiny lehibe, MN] eo imason’Andriamanitra”. (I Petera 3:4.) Amin’ny fanahafana an’Andriamanitra, izay tsy “mijery ny miseho eo ivelany”, isika dia hanalavitra ny fitaomana tafahoatra ampiharin’ny fisehoana ivelany ara-batan’ilay kasaintsika hovadina. — I Samoela 16:7.
35, 36. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hanambadiana olona iray izay mino an’Andriamanitra sy ny Teniny? b) Hatraiza no anirianao hahita an’ilay kasainao hovadina mampiseho an’izany finoana izany?
Mpitoriteny 12:13). Norarana tanteraka ny Isiraelita, izay niditra hanao fanekena iray mba hotapahin’ny Lalàn’Andriamanitra, tsy hifanambady amin’olona izay tsy manaraka ny fanompoam-pivavahany, sao ireny mampiodina azy amin’Andriamanitra. “Ary aza mifanambady anaka aminy; ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin’ny zanakao-lahy. Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa”. — Deoteronomia 7:3, 4.
35 Solomona mpanjaka hendry, izay nieritreritra betsaka ny amin’ny fiainana, dia tonga tamin’izao famaranan-kevitra izao: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (36 Noho ny antony mitovitovy amin’izany, ireo mpikambana amin’ny kongregasiona kristiana, izay niditra tao amin’ny “fanekena vaovao” iray tamin’Andriamanitra, dia amporisihina hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”. (Jeremia 31:31-33; I Korintiana 7:39.) Tsy hoe ahitana taratra toe-tsaina mitompo teny fantatra izany torohevitra izany, fa baikon’ny fahendrena sy ny fitiavana kosa. Tsy misy tokoa mantsy zavatra afaka manamafy ny fatoram-panambadiana tsaratsara kokoa mihoatra noho ny fiaraha-mifikitra amin’ny Mpamorona. Raha tahiny ianao manambady olona iray izay maneho finoana an’Andriamanitra, mino ny Teniny ary mahatakatra izany toa anao, dia ho azonareo roa atao ny hitodika any amin’ny fahefana iray mitovy mba handraisana torohevitra. Angamba mety tsy ho ny zava-dehibe indrindra aminao izany, kanefa “aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (I Korintiana 15:33.) Eny, fa na dia mifidy ny vadinao eo anivon’ny kongregasiona kristiana aza ianao, dia ho tsara ny hahazoanao antoka fa manompo tsara an’i Jehovah amin’ny fony rehetra izany olona izany ary tsy anisan’ireo izay miaina eny an-tsisin’ny kristianisma, no sady voasinton’ny toe-tsaina sy ny fahazaran’izao tontolo izao. Tsy azo atao ny miara-mandeha amin’Andriamanitra sady miara-mihazakazaka amin’izao tontolo izao. — Jakoba 4:4.
37, 38. a) Nahoana moa no tokony hohalavirina ny mifanerasera na ny manambady maika loatra? b) Ny torohevitr’iza moa no ho tsara raha henoin’ireo mikasa hanambady?
Lioka 14:28, 29). Azo ampiharina koa amin’ny fanambadiana io fotopoto-pitsipika io. Satria heverin’Andriamanitra ho toy ny fikambanana raha mbola velona koa, ny fanambadiana, dia marina tokoa fa tsy ho fahendrena loatra ny mifidy ny vadin’ny tena amim-pahamaikana. Aoka ho azon’ny tenanao antoka mihitsy fa vonona ny hanatanteraka izay natombokao ianao. Na dia ny fifaneraserana aza dia tsy tokony hoheverina ho zava-maivana, toy ny hoe fialam-boly fotsiny. Ny filalaovana amin’ny fihetseham-pon’ny olona hafa iray dia fanatanjahan-tena mampiseho halozana izay mety hiteraka alahelo sy ratra ara-tsaina maharitra. — Ohabolana 10:23; 13:12.
37 Nametraka izao fanontaniana izao Jesosy: “Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? fandrao, (...) nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita”. (38 Ireo tanora mandinika tsara izay mikasa ny hanambady dia hanao tsara raha mihaino ny torohevitry ny olona be taona kokoa, indrindra fa ny an’ireo izay mampiseho fa miahy ny fahasambaran’izy ireo. Ny Joba 12:12 dia mampahatsiahy antsika ny hasarobidin’izany torohevitra izany amin’izao fanambarana manaraka izao: “Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.” Henoy ny feon’ireo za-draharaha ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia “matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. — Ohabolana 3:5, 6.
39. Nahoana moa ny Baiboly no mety hahasoa an’ireo izay efa manambady?
39 Maro amin’izay mamaky ireo teny ireo no angamba manambady. Nefa na dia efa nametraka ny fanorenana ny fanambadiany aza izy ireny amin’ny fetra sasany, ny Baiboly dia afaka manampy azy hitondra ireo fanovana ilaina ao amin’izay tsapa fa ilàna izany. Na inona na inona toetry ny fanambadianao, dia azonao hatsaraina izany amin’ny fisaintsainana ireo torohevitra omen’ny Mpamorona mba hananana fiainam-pianakaviana sambatra.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 12]
Hahatohitra ny tafiodrivotra ve ny fanambadianao?