Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy manambady mendrika ny fanajana lalina

Lehilahy manambady mendrika ny fanajana lalina

Toko Faha-4

Lehilahy manambady mendrika ny fanajana lalina

1, 2. Ahoana no hahazoana ny fanajan’ny hafa, ary ahoana no anazavan’izay nitranga tamin’i Jesosy tsara an’io lafiny io?

TSY azo terena ny fanajana. Zavatra azo izany. Eny, mendrika izany isika amin’ny tenintsika, ny ataontsika ary ny maha-isika antsika.

2 Izay nitranga tamin’i Jesosy Kristy dia manazava tsara io lafiny io. Mpampianatra nohajaina izy noho ny fomba fampianarany. Taorian’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, “dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”. Nahoana no nanehoana fanajana toy izany izy? Satria izy niankina tamin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly, fa tsy tamin’ny fiheveran’olombelona. Ny loharano tokan’ny fampianarany dia Jehovah Andriamanitra sy ny Teny fahamarinany. Ny fanajana izay nomen’ny sakaizany ary koa ny fahavalony azy àry dia mendrika azy. — Matio 7:28, 29; 15:1-9; Jaona 7:32, 45, 46.

3. Araka ny Efesiana 5:33, inona moa no andraikitry ny vehivavy iray amin’ny vadiny, ary mitaky inona avy amin-dralehilahy izany?

3 Ao amin’ny Efesiana 5:33, dia hitantsika izao fotopoto-pitsipika izao: “Ny vehivavy manambady dia tokony hanana fanajana lalina ny vadiny.” (MN.) Marina tokoa izany, nefa ralehilahy dia tokony hanao fiezahana mba ho mendrika izany, raha tsy izany dia ho sarotra tokoa amin-dravehivavy vadiny ny hankatò an’io baiko io. Ahoana àry no azon’ny lehilahy manambady iray iantsorohana ny andraikiny, araka ny ilazalazana izany ao amin’ny Baiboly, mba hahazoana ny fanajan’ny vadiny?

MIANTSOROKA NY ANDRAIKINY AMIN’NY MAHA-FILOHA IZY

4. Inona moa ny anjara toerana omen’ny Baiboly ny lehilahy manambady?

4 Ny Baiboly dia manome ho an’ny lehilahy ny andraikitra ho filoha ao amin’ny fanambadiana. Hoy ny ambarany: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra.” (Efesiana 5:22-24). Moa ve mandray anjara marina tokoa amin’ny fahasambaran’ny tokantrano io fandaharana avy amin’Andriamanitra io? Ny vehivavy sasany dia mitsangana hanohitra izay antsoiny hoe “firehetan-dehilahy”, izany hoe ny fomba fiheverana amim-pieboeboana na tafahoatra ananan’ny lehilahy sasany raha ny amin’ny toerany eo anoloan’ny vehivavy. Nefa aoka holazaintsika avy hatrany fa ny fampianaran’ny Baiboly dia tsy manohana velively izany “firehetan-dehilahy” izany.

5. Inona moa no tokony heken’ny lehilahy manambady momba ny fahefana, ary ny ohatr’iza avy no harahiny?

5 Antitranterin’ny Baiboly fa ny lehilahy, tahaka ny vehivavy, dia manana filoha. Izao tokoa no nosoratan’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, toko faha-11, andininy faha-3: “Ary tiako ho fantatrareo kosa fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” Ny lehilahy, izay manana an’i Kristy ho filoha àry dia hianatra ny hampihatra ny fahefany amin’ny fanahafana an’Andriamanitra sy Kristy ary amin’ny fanarahana ny fampianaran’izy ireo.

6. Inona moa no azon’ireo lehilahy manambady ianarana avy amin’ny fomba ampiharan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny fahefany?

6 Jehovah dia nampihatra ny fahefany teo amin’i Kristy tamin-katsaram-po, ka izany dia nanosika an’i Kristy hiteny hoe: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako”. (Salamo 40:8; Hebreo 10:7). Ny fahefan’i Jesosy Kristy koa dia voamariky ny fitiavana. Ho an’ireo izay ho tonga mpianany, dia hoy ny nambarany: “Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Matio 11:29). Ireo mpikambana ao amin’ny kongregasionany, izay ampitahain’ny Soratra masina amin’ny vehivavy vady, dia tena nahita fampaherezana tokoa teo ambany fitarihany. Tsy nanambaka azy ireo mihitsy izy, fa naneho taminy kosa fitiavana tonga hatramin’ny fanaovana sorona ny ainy. Toy izany no tokony hiantsorohan’ny lehilahy manambady ny andraikiny amin’ny maha-filoha azy eo amin’ny vadiny: “Hianareo lehilahy [manambady, MN], tiava [hatrany, MN] ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy (...). Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana (...). Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja [hanana fanajana lalina, MN] ny lahy.” (Efesiana 5:25-29, 33). Raha manome ohatra ianao amin’ny fanekena ny fahefan’i Kristy, dia azo antoka fa tsy hanahirana mihitsy ny vadinao ny hanaja anao amin’ny fomba lalina amin’ny maha-filoha. Hanao izany amim-pahafinaretana aza izy.

7, 8. Lazao ny hoe amin’ny ahoana ny lehilahy manambady sasany no tsy mampihatra ny fahefany amin’ny fomba mety.

7 Ny zava-manahirana dia satria, noho ny tsy fahatanterahana sy ny fitiavan-tena raiki-tapisaka ao aminy, ny lehilahy manambady dia sady maniry ny hohajaina amin’ny maha-filohan’ny fianakaviany azy no tsy mampiseho foana amin’ny vadiny ny fitiavana sy ny fiheverana tokony ho azy. Matetika no andrenesana vehivavy manambara fa mahatsapa ho tsy tian’ny vadiny izy ireny ary io dia tsy mikatsaka afa-tsy ny fahafinaretany manokana sy ny fanomezana fahafaham-po ny faniriany. Mitaraina koa ny sasany fa tsy refesi-mandidy ny vadiny. Indraindray izany dia avy amin’ny fitadiavan’ny vehivavy haka ny fahefan’ny vadiny ary manohitra izany ralehilahy. Angamba koa ralehilahy nitombo tao anatin’ny faritra iray izay misy lehilahy manambady maro miavonavona sy manao didy jadona. Na inona na inona antony, ny lehilahy izay mampiasa tafahoatra ny fahefany dia tsy mahazo ny fanajan’iza na iza.

8 Mifanohitra amin’izany, dia tsy manampatra velively ny fahefany ny lehilahy manambady sasany fa mahafoy izany tsotra izao fotsiny, amin’ny famelana ny vadiny hikarakara ny fanaovana ny fanapahan-kevitra rehetra. Na koa, sady mangataka ny vadiny izy mba “tsy handodona azy”, no mamela ny toe-javatra hitarazoka eny ka mahatonga ny tombontsoan’ny fianakaviana ho simba. Na dia tsy kamo ary tsy malaindaina aza izy, nefa tsy manao ny fiezahana ara-tsaina ilaina izy, dia atahorana ho tonga amin’ny vokatra sahala amin’izay voalazalaza ao amin’ny Ohabolana 24:33, 34 amin’ny teny toy izao: “Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohan-tànana kely hatory; dia ho tonga toy ny [mpangalatra, MN] mimaona hamely ny alahelonao, ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.”

9, 10. Rehefa mandray fanapahan-kevitra mahakasika ny fianakaviana ny lehilahy manambady, ny fihevitr’iza moa no tokony hodinihiny?

9 Hanaja anao àry ravehivavy vadinao raha miseho ho hentitra ianao, matanjaka ary mahay mandray fanapahan-kevitra. Tsy milaza akory izany hoe tsy ilaina ny manontany ny hevitry ny mpianakavy hafa ao amin’ny tokantranonao, na koa ny mandinika ny hevitry ny vadinao, satria fotsiny tsy mitovy amin’ny anao ny fomba fiheviny. Eo amin’ny fanombohan’ny fitantaran’ny Baiboly, dia ianarantsika fa Abrahama sy Saraha dia nahita zava-nanahirana lehibe iray momba ny zanakalahin’izy ireo, Isaka, sy ny an’i Hagara mpanompovaviny. Nanolotra fanafodiny i Saraha, nefa tsy niombon-kevitra taminy i Abrahama. Nanambara tamin’i Abrahama anefa Andriamanitra hoe: “Ekeo ny teniny.” — Genesisy 21:9-12.

10 Tsy tokony hotsoahina avy amin’izany fa ny lehilahy manambady iray dia tokony hanaiky foana ireo fanirian’ny vadiny. Nefa mety hahasoa ny fiaraha-midinika aminy ireo fanapahan-kevitra horaisina momba ny fianakaviana sy ny mamporisika azy hanambara amin-kahalalahana ny heviny sy ny fihetseham-pony amin’izany. Tandremo mba hisy hatrany ny fifampiresahana eo aminareo. Aoka ianao ho mora hatonina ary hevero amim-pitandremana ireo zavatra tian’ny vadinao alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra iray. Tanteraho ny andraikitrao amin’ny maha-filoha tsy misy fisehoana ho manjakazaka na lozabe, fa amim-panetren-tena. Satria tsy tanteraka ianao, dia hanao fahadisoana. Hirinao amin’izay ny hisehoan’ny vadinao ho mahatakatra ny fihevitrao. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny vehivavy izay manana vady manetry tena dia hanaja mora kokoa ny toerany amin’ny maha-filoha noho izay manana vady miavonavona.

MANOME AMIN’NY FOMBA METY IZAY ILAIN’NY FIANAKAVIANY IZY

11, 12. a) Inona moa no andraikitry ny lehilahy manambady raha ny momba ny fanomezana izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-nofo? b) Nahoana no azo atao ny milaza fa raha ny marina dia miara-miasa aminy ny vadiny amin’io lafiny io?

11 Ny lehilahy manambady dia manana andraikitra hanome izay ilain’ny fianakaviany. Vakintsika tokoa ao amin’ny I Timoty 5:8 hoe: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” Ao amin’ny tany maro, dia mila vola be amin’izao fotoana izao mba hivelomana ary anjaranao lehilahy manambady ny manapa-kevitra ny amin’ny fomba hanomezana fahafahampo amin’izay ilain’ny fianakaviana. Araka ny tsy isalasalana fa homarihinao, dia tsy ampy ny mitondra ny karamanao any an-trano, fa tokony hifanaraka amin’ny vadinao ianao mba handamina fitantanam-bola. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tokony handray fandaharana ianareo mba hifehezana ny fandanianareo. Ho mora kokoa ho anareo amin’izay ny miaina araka izay anananareo, ka izany dia hahafahana misoroka ny karazam-pifandirana izay mipoaka indraindray rehefa lany ny vola alohan’ny fandraisam-bola manaraka.

12 Na dia ny lehilahy aza amin’ny ankapobeny no manome ny vola ilain’ny fianakaviana, dia tokony hotadidiana fa noho ny fiezahana iombonana no ahazoana izany. Tsara ho an’ny lehilahy manambady izay mihevitra fa izy irery no nahazo ny vola ho an’ny tokantrano ny misaintsaina kely ka manombana izay haloany raha tsy maintsy hanakarama olona iray izy mba hividy zavatra, hahandro sakafo, hanasa lovia sy hikarakara ny efitrano, mba handravaka ny trano, mba hiambina ny ankizy, etsetra. Amin’ny ankapobeny, ny vadinao dia misoroka ho anao ireo fandaniana ireo amin’ny fanaovan’ny tenany mihitsy izany asa izany, ka izany dia mampiseho ny anjara raisiny amin’ny maha-mpanampy azy ao an-tokantrano. Raha mihazona ny lisitry ny fandaniana ao an-tokantrano izy fanampin’izany, dia mbola azonao anampy ny lisitra etsy ambony ny asan’ny mpanoratra toe-bola. Endrey àry ny fahamarinan’ireto teny voarakitra ao amin’ny Ohabolana 18:22 ireto: “Nisy nahita vady tsara va? Nahita zava-tsoa izy.” (MN.)

13. Fihetsika inona eo anoloan’ny fananana ara-nofo moa no tokony harian’ny mpivady, ary fahasoavana inona no haterak’izany?

13 Ny fiezahana ataonao mba hanomezana izay ilain’ny fianakavianao eo amin’ny ara-nofo dia matetika manolotra loza iray maharitra, ho anao sy ny vadinao: dia ny fananana tsikelikely fomba fihevitra mifantoka loatra amin’ny ara-nofo eo amin’ny fiainana. Vitsy ny zavatra manimba aoka izany ny fanorenan’ny fahasambaram-pianakaviana toa an’io toe-piainana io. Paoly, iray amin’ireo mpanoratra ny Baiboly, dia nanoratra hoe: “Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” Na inona na inona fananana mety homen’ny fiainana feno fiheverana ny ara-nofo antsika, izany dia tsy ho afaka na oviana na oviana hanonitra ny alahelo tsapa rehefa mihamalefaka ny fatoram-pianakaviana ary tapaka. Ny fahavoazana ara-panahy sy ara-piraiketam-po dia be lavitra noho ny tombontsoa ara-nofo. — I Timoty 6:7-10.

14. Inona no mamela hamaritra raha maka toerana lehibe loatra ny zavatra ara-nofo eo amin’ny fiainan’ny olona iray?

14 Ny materialisma dia tsy ny fananana fa ny fitiavana ny fananana ara-nofo. Ny olona iray dia mety ho mahantra sady materialista, nefa mety ho manan-karena ny tena no sady mifikitra amin’ny zava-tsarobidy ara-panahy. Miankina amin’izay misy ny fontsika ny zava-drehetra. Nanambara Jesosy hoe: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” — Matio 6:19-21.

15, 16. Ankoatra ny fanomezana amin’ny fomba mety izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-nofo, inona moa no mbola tokony hataon’ny lehilahy manambady iray mba hahazoana antoka ny amin’ny fahasambaran’ny fianakaviany?

15 Ny lehilahy tsara iray dia hanao tsara raha misaintsaina ireo torohevitra araka ny Baiboly ireo, ary sady hanome ny fianakaviany ny ilaina eo amin’ny fiainana izy no haka fotoana koa mba hanomezana izay ilainy ara-panahy. Mahasoa inona moa ny fanokanana fotoana be ho an’ny asa fivelomanao mba hanomezana ireo zavatra ara-nofo ilain’ny fianakavianao, raha toa tsy manana fotoana na hery intsony ianao mba hampiorenana azy ara-panahy? Mba hahazoan’ireo anisan’ny ankohonanao ny fahendrena ilaina handaminana ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, dia tokony hanokana fotoana ho azy ireo ianao ary hampitombo ao aminy, fifikirana mafy orina amin’ireo fotopoto-pitsipika marina. Ho tonga amin’izany ianao raha manokana fotoana mba hamakiana sy hanazavana ny Tenin’Andriamanitra ary mba hivavahana miaraka aminy. Anjaranao, lehilahy sady filoham-pianakaviana, ny mitarika eo amin’io lafiny io. Ny fitahiana ho azo avy amin’izany dia hahonitra be tokoa ny fotoana sy ny fiezahana notakin’izany taminao. Tsy maintsy ho tanteraka izao fampanantenan’Andriamanitra manaraka izao: “Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. — Ohabolana 3:6.

16 Ny lehilahy manambady izay manaiky hotarihin’ny Mpamorona dia hankamamy izao torohevitra feno fahendrena tanteraka voarakitra ao amin’ny Mpitoriteny 7:12 izao: “Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” Raha miasa mafy aza izy mba hanomezana izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-nofo, dia tsy manorina ny fanantenany amin’ny “harena miovaova, fa amin’Andriamanitra”. Manome ohatra izy amin’ny fanomezana ny toerana voalohany ho an’ny zavatra ara-panahy, mba hahafahan’ny vadiny sy ny tenany ‘mihazona ny tena fiainana’. (I Timoty 6:17-19.) Raha manao fiezahana ny lehilahy manambady iray mba hanome fahafahampo amin’izay ilain’ny ankohonany eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy, dia hahazo ny fanajan’ny vadiny izay matahotra an’Andriamanitra.

MAMPISEHO FANAJANA AZY IZY

17-19. Amin’ny ahoana ny torohevitry ny Baiboly milaza mba haneho ‘fanajana’ ny vadin’ny tena no mihatra amin’ny lafiny momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy?

17 Raha niresaka tamin’ireo lehilahy manambady ny apostoly Petera, dia nangataka azy ireo mba hampiseho ‘fanajana ny vavy tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa, dia ny fanaka vehivavy’. (I Petera 3:7, MN.) Ao amin’io andininy io ihany, dia marihin’i Petera fa ireo lehilahy manambady izay miara-mitoetra amin’ny vadiny dia tokony haneho aminy io fanajana io “araka ny marina [fahalalana, MN]”.

18 Tsy isalasalana fa tena azo raisina io torohevitra io ao amin’ny faritry ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ny fangatsiahana eo amin’ireo vehivavy dia matetika avy amin’ny tsy fiheveran’ny lehilahy manambady ny toetra ara-batana sy ara-pihetseham-pon’izy ireo. “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy”, hoy ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, nefa aoka izany hataony “araka ny fahalalana, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa”. (I Korintiana 7:3.) Raha ‘maneho fanajana’ marina tokoa ny vadinao ianao, dia hanalavitra ny fisehoana ho henjana na mitaky be loatra ka hikiry hanao izay hanomezana fahafahampo ny fanirianao manokana, na dia vizana aoka izany aza ny vadinao na koa amin’ny fotoan’ny fahasorisorenany ara-potoana (ampitahao amin’ny Levitikosy 20:18). Amin’ny firaisana amin’ny vadinao, dia aza mitady ny fahafinaretanao fotsiny, ka manadino ny azy. Amin’io lafiny io, mandrakariva ny vehivavy dia mamaly miadana kokoa tsy toy ny lehilahy ary mila indrindra fampisehoam-pitiavana sy firaiketam-po izy. Rehefa milaza amin’ny lehilahy ny Baiboly mba “hanao izay mety hatao amin’ny vavy”, dia antitranteriny ny ilàna hanomezana fa tsy ny hoe handraisana.

19 Mazava ho azy fa ny lehilahy manambady iray dia tokony hametra io karazam-panomezana io ho an’ny vadiny ihany. Marina aloha fa amin’izao androntsika izao dia lehilahy maro no “misakaiza” amim-behivavy hafa. Nefa inona moa no azon’izy ireny raha ny marina? Tsy manao afa-tsy ny manimba ny fahasambaran’ny tokantranony izy ireny. Noho ny tsy ‘fanehoana fanajana’ ny vadiny, dia tsy manome ho azy antony azo ekena mba hanajana azy izy. Ary ambonin’izany, dia manala baraka ny fanambadiany mihitsy izay Andriamanitra no Loharanony, izy ireny. Rehefa jerena ny fanaintainana ateraky ny fanitsakitsaham-bady, dia takatra ny antony anaovan’ny Hebreo 13:4 izao fananarana izao: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.”

20. Araka ny Efesiana 5:28, eo amin’ny lafiny hafa inona moa ny lehilahy manambady no tokony haneho fanajana ny vadiny?

20 Tsy eo amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy ihany no hampisehoan’ny lehilahy iray fanajana ny vadiny. Ny lehilahy manambady izay hajain’ny vadiny marina tokoa dia manaporofo fa manana fiheverana betsaka azy izy amin’ny lafiny maro hafa koa. Tsy milaza akory izany hoe hanindrahindra azy izy ary ho tonga mpanompony. Tsia, fa araka ny efa novakintsika teo aloha tao amin’ny Efesiana 5:28, “ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.” Ny lehilahy manao toy izany dia inoana fa tsy hitondra ny vadiny toy ny hoe olona ambany izy. Eo am-pisakafoana, dia tsy hihevitra izy fa ny tenany manokana no mendrika hahazo ny anjara tsara indrindra, fa ny an’ny vadiny dia afaka mianina amin’ny ambinambiny. Azo antoka fa tsy ho izany, raha tia ny vadiny ‘tahaka ny tenany mihitsy’ izy. Tsy hiahy fotsiny ny amin’ny fisehoany manokana izy, fa mbola hihevitra am-po bebe kokoa ny an’ny vadiny ka, ohatra, hanao izay rehetra azony atao izy mba hahafahan-dravehivavy mitondra akanjo izay mahafinaritra azy. Tsy mikapoka ny tenany ny lehilahy iray rehefa tsy mahita fahombiazana araka izay naniriany azy izy eo amin’ny zavatra iray. Toy izany koa, ny lehilahy kristiana manambady dia tsy hikapoka ny vadiny satria io tsy manao hatrany ny zavatra araka izay naniriany azy. Raha misy kosa aza olona mitondra azy amin-kasiahana, dia hiseho ho mahatoky izy ka hitondra ny fanampiana ho azy. Tiany tahaka ny tenany manokana izy.

21, 22. Inona no azon’ny lehilahy manambady iray atao mba hiantsorohan’ny vadiny amim-pifaliana ny andraikiny?

21 Mba ‘hanajana’ ny vadinao, dia ilainao, tsy ny mahafantatra fotsiny ireo lafiny itovian’ny zavatra ilainareo, fa ny mahatakatra koa ireo fahasamihafana ara-toe-tsaina izay misy eo aminy sy ianao. Amin’ny fitsipika ankapobeny, dia tian’ireo vehivavy ny miasa eo ambany fahefan’ny lehilahy iray, raha toa anefa ka ampiharina amin’ny fomba tsara izany. Noforonin’i Jehovah Andriamanitra toy izany izy ireny. Noforonina ny vehivavy mba ho ‘mpanampy sy fameno ho an’ny lehilahy’. (Genesisy 2:18, MN.) Kanefa, raha mafy loatra ny fanaraha-maso, raha tsy omena mihitsy fahafahana hitari-javatra manokana na hampiasa ny talentany izy, ny vehivavy iray amin’ny farany dia hahatsikaritra fa tsy manana ny fifaliana miaina ary hahatsapa alahelo.

22 Ny lafin-javatra hafa iray lehibe tokony hoheverina koa dia ny faniriana voajanahary eo amin’ny vehivavy hahatsapa fa ilaina izy. Ny ankamaroan’ny vehivavy dia mankasitraka ny vady iray be fiheverana, fa ny lehilahy izay manilika ny vadiny mba handray an-tanana ny zavatra rehetra kosa dia hahatsikaritra angamba fa manimba be kokoa ny zotom-pony fa tsy manasoa. Hanao zavatra betsaka ianao mba hahazoana antoka fa hanohana anao amim-pahatokiana ny vadinao, tsy amin’ny fanehoana hatsaram-po sy fahaiza-mankasitraka azy fotsiny, fa amin’ny fampisehoana aminy koa fa mila azy ianao, fa manome haja azy ianao ary miara-miasa aminy, ohatra amin’ny fitenenana hoe “isika” sy “ny antsika”, fa tsy hoe “izaho” sy “ianao” na “ny ahy” sy “ny anao”. Mampiseho marina tokoa amin’ny vadinao ve ianao fa mankasitraka azy aoka izany ary mila azy? Tsy amin’ny fandoavana karama aminy no hampisehoanao izany azy, fa amin’ny fomba maro hafa.

ANKAMAMIO NY TOETRAM-BEHIVAVY ANANANY

23. Amin’ny ankapobeny, inona moa no fahasamihafana eo amin’ny fihetsehana ara-pihetseham-pon’ny lehilahy sy ny vehivavy?

23 Ny vehivavy mpandinika ny toe-tsaina iray dia nanoratra hoe: “Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy dia mahatsapa fa ny lehilahy kosa dia mieritreritra.” Tsy hoe tsara kokoa noho ny mahatsapa akory ny mieritreritra, ary toy izany koa raha ampifamadihina. Samy hafa tsotra fotsiny ireo asa roa ireo. Tsy mba tiantsika ny olona tsy mangoraka, toy izany koa ireo izay tsy misaina. Marina aloha fa ny vehivavy dia afaka mahatsapa sy mieritreritra ihany koa, ary toy izany koa ny lehilahy. Kanefa, eo amin’ny vehivavy, dia hitady handresy ny fihetseham-po, fa ny lehilahy kosa, dia mirona kokoa hanao fiezahana hifehy ny fihetseham-pony noho izay heveriny fa fomba ara-dalàna fijery ny zava-misy. Na dia miharihary aza fa misy ny zava-maningana, io fahasamihafana fanampiny io dia mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy hifameno amin’izy samy izy. Ankoatra ny toetrany voajanahary mora mihetsi-po kokoa amin’ny ankapobeny, ny fiheverana mafy ny hafa dia manosika ny vehivavy hiresaka bebe kokoa noho ny lehilahy. Nefa maniry hanana olona iray hiresahana koa izy. Amin’io lafiny io, ny fihetsiky ny lehilahy manambady maro dia tsy mahafapo loatra.

24. Nahoana moa no zava-dehibe ny hihainoan’ny lehilahy manambady iray ny vadiny sy ny hiresahany aminy?

24 Miresaka amin’ny vadinao ve ianao, tsy hoe ny amin’ny asanao manokana fotsiny, fa momba ny azy ihany koa? Mahaliana anao ve izany ary asehonao azy? Nanao ahoana ny fandehan’ny androny manontolo? Nanao ahoana ny fitondrantenan’ny ankizy? Raha vantany vao tonga ao an-trano ianao, dia aza manontany avy hatrany hoe: “Inona no hohanintsika anio hariva?” Rehefa vita ny sakafo, aza milentika ao amin’ny famakiana ny gazetinao amin’ny tsy famaliana afa-tsy amin’ny ngenongenona ireo fiezahan’ny vadinao hanomboka resadresaka. Manehoa fiheverana azy, ny eritreriny, ny asany ary ny fihetseham-pony. Ampaherezo izy eo amin’izay ataony ary derao izy noho ny fahombiazany. Raha midera azy ianao amin’izay notanterahiny, dia angamba izy hanao zavatra hafa izay nataony tsirambina hatramin’izao. Mety hahaketraka ny fanakianana ka ho poizina hisoko mangina, fa ny fiderana amim-pahatsorana omena amin’ny fotoana mety kosa dia fanafody sy fanatanjahana izay manala ny faharerahan-tsaina amin’ny fomba mahatalanjona. — Ohabolana 12:18; 16:24.

25, 26. a) Ahoana no fandraisan’ny vehivavy iray ny fanomezana ataon’ny vadiny aminy? b) Karazam-panomezana inona moa no misy vidiny indrindra aminy?

25 Manolotra fanomezana ho azy ve ianao indraindray? Tsy ilaina ho lafo vidy akory izany; ampy ny zava-madinika iray izay ilazanao aminy sahalahala amin’ny hoe: “Nieritreritra anao aho.” Manao izany avy hatrany ve ianao, satria fotsiny maniry hanao izany fa tsy hoe mba hanamarihana indrindra fotoana sasany? Mahafinaritra foana ny zavatra tsara tsy nampoizina. Moa ve tsy faly ianao rehefa mandroso ho anao amin’ny fomba tsy nampoizina sakafo iray tianao indrindra ny vadinao? Anaovy zavatra tsara tsy ampoizina koa izy. Ataovy izay mahafinaritra azy. Ny fanomezana kely atolotra amim-pitiavana dia misy vidiny kokoa noho ny fanomezana lafo vidy atao an-tery, na tsy fidiny mihitsy aza. “Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”. (II Korintiana 9:7). Tian’ny vehivavy koa. Na dia tsotra aza ny sakafo ataonareo, dia tadidio fa “aleo sakafo anana ampian-tsetsetra [ahitana fitiavana, MN] toy izay omby mifahy asian-dromoromo [miaraka amin’ny fankahalana, MN]”. — Ohabolana 15:17.

26 Kanefa ny fanomezana tsara indrindra mety hataonao amin’ny vadinao dia ny an’ny tenanao, izany hoe ny fanomezana azy avy amin’ny fotoananao sy ny herinao, ny fanokanana ho azy ny fiheveranao sy ny fizarana aminy ny eritreritrao, indrindra fa ireo izay mamin’ny fonao indrindra. Sarotra amin’ny lehilahy sasany ny fahatongavana amin’izany. Heveriny ho toy ny fisehoan’ny fihetseham-po mahatsikaiky sy tsy mifanentana amin’ny lehilahy loatra ny fihetsika iray maneho fitiavana. Kanefa, raha tianao ny vadinao, dia hevero fa raisiny ho zava-dehibe ny fijery iray, ny fihetsika iray na ny teny iray. Ny tsy fanomezana azy izany dia mety hahatonga azy ho malahelohelo, vizana sy ory. Araho àry ny ohatra omen’ny Tonon-kiran’i Solomona, boky ao amin’ny Baiboly, antsika. Ankoatra izany, izay maneho fiheverana sy firaiketam-po amin’ny hafa dia, mandray soa mihitsy avy amin’izany. Tsy maintsy voasintona hanatona ny olona sariaka isika. Inona anefa no atao hoe olona sariaka? Moa ve izany tsy izay mampiseho ny fihetseham-pony sy ny hafanam-pony amin’ireo olon-tiany? Mamindra ny hafanana toy izany, ary izay manome izany dia hoentina amin-kafanam-po koa avy eo. — Tonon-kiran’i Solomona 1:2, 15; Lioka 6:38.

27, 28. a) Fanontaniana inona avy moa no azon’ireo lehilahy manambady apetraka amin’ny tenany mba hamantarana raha mampihatra ny fahefany amin’ny fomba mety izy? b) Nahoana moa no tsara ny hiahiana ny amin’ireo zavatra ireo?

27 Ry lehilahy manambady, manontania tena hoe: Mora amin’ny vadiko ve ny manaiky ny fahefako? Moa ve aho tia azy tahaka ny tenako, sa mitady voalohany indrindra ny fahafinaretako sy izay hanomezana fahafahampo ny zavatra ilaiko? Hatraiza no iheverako ny zavatra ilainy? Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra iray mahakasika ny fianakaviana, moa ve aho manontany ny heviny sy mihevitra ny faniriany? Moa ve aho mandray ireo fanapahan-kevitro amin’ny fieritreretana ny fahasambarany? Moa ve aho maneho fanajana azy toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny fanaka vehivavy? Moa ve aho mifampiresaka aminy ary manokatra aminy ny foko?

28 Tsy ho vitanao ny manao izany rehetra izany amin’ny fomba lavorary. Nefa raha tahiny, amim-panetren-tena, manao fiezahana maharitra amin’io lafiny io ianao, dia afaka mahazo antoka fa izany dia handray anjara betsaka amin’ny fanaovana anao ho lehilahy manambady hajain’ny vadiny lalina sy ankasitrahan’Andriamanitra.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 49]

Zavatra kely izay misy vidiny