Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra

Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra

Toko Faha-9

Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra

1-4. Inona avy no porofo ananantsika fa ny ankizy kely dia manana fahafahana be dia be hianatra?

NY SAIN’NY zaza vao teraka iray dia nampitahaina amin’ny pejy fotsy iray. Raha ny marina dia efa naharay marika maro izy raha mbola tany an-kibon-dreniny ary ny toetoetrany sasany dia efa voasoratra amin’ny fomba tsy azo kosehina noho ny fandovany toetra. Kanefa hatramin’ny vao fahaterahany, dia manana fahafahana maro be izy raha ny amin’ny fianaran-javatra. Tsy takelaka tsotra fotsiny iray izany, fa ireo bokin’ny fitehirizam-boky iray manontolo izay miandry ny hamenoana azy filazalazana.

2 Eo amin’ny fahaterahana, ny lanjan’ny atidohan’ny zaza iray dia ampahefatry ny an’ny olon-dehibe iray. Nefa mitombo haingana aoka izany izy io ka ao anatin’ny roa taona dia tratrany ny telo ampahefatry ny lanjany rehefa lehibe. Manaraka hafainganana toy izany koa ny fitomboana ara-tsaina. Misy mpanao fikarohana manambara fa ny sain’ny zaza dia mitombo amin’ny fomba mitovy ao anatin’ny efa-taona voalohany eo amin’ny fiainany sy ao anatin’ny telo ambin’ny folo manaraka. Manambara tokoa ny sasany fa “ireo hevitra izay voarain’ny zaza alohan’ny fahadimy taonany dia anisan’ireo sarotra indrindra izay tokony hianarany rahatrizay”.

3 Ny hevitra fototra toy ny fahalalana ny ankavanana sy ny ankavia, ny ambony sy ny ambany, izay feno sy izay foana, ary koa ny fifandraisana eo amin’ny habe sy ny lanja dia toa araka ny natiora tanteraka amintsika. Kanefa, tokony hianatra izany rehetra izany ny ankizy ary zavatra hafa betsaka koa. Na dia ireo fototry ny fitenenana aza dia tokony hiorina sy ho voalahatra tsara ao an-tsain’ny vao teraka.

4 Ho an’ny sasany, ny fitenenana dia “azo inoana fa ny zava-kendrena ara-tsaina sarotra indrindra angatahina amin’ny olona iray mba hotanterahina”. Raha efa nitranga taminao ny nifanandrina tamin’ireo fahasarotan’ny fiteny vahiny iray dia tsy isalasalana fa hiombon-kevitra amin’io fanambarana io ianao. Ary anefa dia manana tombontsoa efa mahalala fiteny iray ianao fara faharatsiny, dia zavatra tsy hain’ny vao teraka iray atao. Na dia izany aza, ny sainy dia afaka mandray izay atao hoe fitenenana sy mampiasa izany. Ary ny mbola tsaratsara kokoa aza, ireo ankizy kely izay velona ao amin’ny tokantrano na ny faritany izay ampiasana fiteny roa dia afaka mampiasa tsara fiteny roa alohan’ny hahatrarana ny taona fanombohana mianatra aza. Ao àry ny saina vonona ny hitombo.

MANOMBOHA AVY HATRANY

5. Amin’ny fotoana toy inona no tokony hanombohana manabe zaza iray?

5 Tao amin’ny taratasy iray nosoratany ho an’i Timoty namany, ny apostoly Paoly dia nampahatsiahy azy fa nahafantatra ny soratra masina “hatry ny fony vao zaza” izy (II Timoty 3:15.) Ny ray na ny reny izay mahatsapa fa manana hetaheta voajanahary ny hianatra ny zanany dia hendry. Tena mpandini-javatra ny ankizy kely. Mijery tanteraka ny masony ary mihaino tanteraka ny sofiny. Na tsapan’ireo ray aman-dreniny izany na tsia, izy ireny dia tsy mitsahatra manangona fanazavana, mandahatra izany, mameno izany ary manatsoaka famaranan-kevitra avy amin’izany. Raha tsy mitandrina tokoa ny ray aman-dreny, ilay zaza dia hahafantatra tsy ho ela amin’ny fomba miavaka tsara ny fomba hitondrana azy ireo mba hanarahan’izy ireo ny faniriany. Noho izany, dia mihatra raha vao eo amin’ny fahaterahana izao torohevitra manaraka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izao: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6). Mazava ho azy fa ireo lesona voalohandohany dia lesona mampiseho fitiavana arahin’ny fikarakarana amim-pahalemem-panahy sy ny firaiketam-po. Nefa, miaraka amin’izany, dia hilaina ny hampiharana ny fanitsiana amim-pahamorana nefa amin’ny fomba tsy milefitra.

6. a) Amin’ny fiteny ahoana moa no tsaratsara kokoa hiresahana amin’ny zaza iray? b) Ahoana no tokony hiheverana ireo fanontaniana maro be apetraky ny ankizy iray, ary nahoana?

6 Rehefa miresaka amin’ny zanakao ianao, dia halaviro ny manao fitenin-“jazakely”, fa mampiasà kosa fiteny tsotran’olon-dehibe, dia izay tianareo hianarany. Rehefa mianatra miteny ny zazakely iray, dia manototra fanontaniana anao izy: “Nahoana no avy ny orana? Avy aiza aho? Mankaiza ny kintana amin’ny antoandro? Manao inona ianao? Nahoana no izao? Nahoana no izany? Misesy tsy misy farany ireo fanontaniana. Henoy izy ireny, satria ireny dia anisan’ny fiasana tsara indrindra eo am-pelatanan’ilay zaza mba hianaran-javatra. Amin’ny fanakiviana azy tsy hametraka fanontaniana, dia mety hisakana ny fitomboany ara-tsaina ianao.

7. Inona no fomba tsara indrindra hamaliana ireo fanontanian’ny ankizy iray, ary nahoana?

7 Kanefa aoka hotadidianao fa niteny ny apostoly hoe: “Fony mbola zaza aho dia miteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza”. (I Korintiana 13:11). Valio araka izay azonao atao àry ireo fanontanian’ny zanakao, nefa amin’ny fomba tsotra sy fohy. Rehefa manontany izy hoe nahoana no avy ny orana, dia tsy miandry fanazavana lava sy sarotra izy. Tsy isalasalana fa hianina amin’ny valinteny karazan’izao izy: “Vesaran’ny rano ny rahona ary mianjera ny rano.” Ny fifantohan’ny sain’ny ankizy dia tsy maharitra ela ary mifindra haingana ho amin’ny hevitra hafa iray izy. Noho izany, toy ny anomezanao azy ronono raha mbola tsy afaka mandray ventin-kanina izy, dia omeo azy koa ny fanazavana tsotra ambara-pahafany mandray fahalalana amin’ny antsipiriany kokoa. — Ampitahao amin’ny Hebreo 5:13, 14.

8, 9. Ahoana no azo ampianarana miandalana ankizy iray hamaky teny?

8 Tokony hatao miandalana ny fampianaranao. Araka ny efa nahitantsika azy, Timoty dia nahafantatra ny Soratra masina hatramin’ny fahakelezany indrindra. Araka ny fahatsiarovany lavitra indrindra, dia tokony ho nahatsiaro izy fa nandray fampianarana niorina tamin’ny Baiboly. Izany dia inoana fa nomena azy tsikelikely, tahaka ny anombohan’ny ray aman-dreny amin’izao andro izao mampianatra mamaky teny ny zanany. Amakio teny izy. Raha mbola vao zazakely izy, dia ampofoy, sakambino ary mamakia teny amin’ny feo malefaka. Hahatsapa tsy fananana ahiahy sy fahasambarana izy, ary ho fanandramana mahafinaritra ho azy ny vakiteny na dia tsy mahatakatra zavatra betsaka amin’izany aza izy. Any aoriana, dia ho azonao atao ny hampianatra azy ny abidia amin’ny endriky ny kilalao. Avy eo, dia mamorona teny ary, farany, dia fehezanteny fohy. Tandremo araka izay azo atao mba ho ao anatin’ny fifaliana no hianarany.

9 Toy izany no nahazatra ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray namaky teny tamin’ny zanakalahiny telo taona, sady nanondro taminy ny teny tsirairay mba hahafahany manaraka. Tamin’ny toerana sasany dia nanamarika fiatoana izy ireo, ary dia ilay zaza no nanonona ilay teny, toy ny hoe “Andriamanitra”, “Jesosy”, “lehilahy”, “hazo”, etsetra. Miandalana, dia tonga nahafantatra teny mihamaro hatrany izy, hany ka rehefa efa-taona izy dia saika afaka namaky teny tsara. Miaraka amin’ny soratra ny vakiteny: litera aloha no soratana, avy eo dia teny manontolo. Mibitaka ny zaza iray mahay manoratra ny anarany.

10. Nahoana moa no mampiseho fahendrena ny hanampiana ny ankizy tsirairay hampitombo ireo fahaizana izay azy manokana?

10 Samy hafa ny zaza tsirairay. Koa satria manana ny maha-izy azy manokana izy, dia tokony homena fahafahana hivelatra araka ny fahaizany sy ny talenta raikitra ao aminy. Raha ampianarinao hampitombo ireo lafiny mampahatanjaka sy ireo fahaizan-javatra izay azy manokana izy, dia tsy hila ny hitsiriritra ny fahombiazan’ny hafa. Tokony ho tiana sy hankamamina manokana ny zaza tsirairay. Sady manampy azy handresy na hifehy ny fironan-dratsiny ianao no tsy tokony hanandrana hamolavola azy araka ny lasitra iray voafaritra mialoha. Ampio kosa aza izy hampiasa amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azo atao ireo toetra tsarany manokana.

11. Nahoana moa no tsy fahendrena loatra ny fampitahana amin’ny fomba ratsy ankizy iray amin’ny hafa iray?

11 Ny ray iray na ny reny iray dia mety hamporisika ny fitiavan-tena sy ny toe-tsaina tia fifaninanana eo amin’ny zanany raha mamela azy hihevitra fa ambony na ambany noho ny olon-kafa iray izy. Na dia manomboka aloha be mampiseho famantarana ny fitiavan-tena raikitra ao aminy aza ny ankizy, dia tsy manana mialoha fiheverana ny amin’ny laharana ara-tsosialy na ny fahamboniana na koa fiheverana tafahoatra ny amin’ny tenany izy ireo. Izany no antony nahafahan’i Jesosy naka ohatra ny amin’ny zazakely iray mba hanitsiana ireo mpianany izay, tamin’ny fotoana sasany, dia resin’ny fitiavana hisondrotra sy ny faniriana ho eo amin’ny toerana aloha (Matio 18:1-4) Halaviro àry ny mampitaha amin’ny fomba manambany, zaza iray amin’ny hafa iray. Mety hahatsapa ho nailika izy. Eo am-piandohana, dia hahatsapa alahelo noho izany izy, dia fihetseham-po izay mety hivadika ho fankahalana anao raha mikiry amin’ireo fanamarihanao ianao. Mifanohitra amin’izany, raha avelanao hieritreritra ny ankizy iray fa ambony noho ny hafa iray izy, dia mety hiavonavona izy ary ho hitan’ireo namany amin’ny fomba ratsy. Ny ray aman-dreny dia tokony ho tia sy handray ny zaza iray, tsy misy fanaovana fampitahana amin’ny hafa. Zavatra mahatalanjona ny fahasamihafana. Araka izany, ny orikesitra iray dia voaforon’ny zava-maneno isan-karazany izay sady mandray anjara tsirairay amin’ny fahasamihafana sy ny hatsaran’ny mozika no mahaforona fitambaran-javatra mirindra. Ny toetra samy hafan’ireo mpianakavy dia mahatonga ny fianakaviana hahafinaritra kokoa sy hahaliana kokoa tsy misy fanimbana ny firindrany raha tahiny ny rehetra mampifanaraka ny fiainany amin’ireo fotopoto-pitsipika marin’ilay Mpamorona azy.

AMPIO NY ZANAKAREO MBA HITOMBO

12. Toe-javatra inona mahakasika ny olon-dehibe moa no manaporofo fa mila ny hotarihina tsara ny ankizy iray?

12 Nanambara ny Tenin’Andriamanitra fa “tsy (...) an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”. (Jeremia 10:23.) Ny olona dia milaza ny mifanohitra amin’izany. Noho izany, satria tiany kokoa ny fitarihan’olombelona noho ny an’Andriamanitra, dia tafalentika bebe kokoa hatrany ao amin’ireo zava-manahirana azy izy ary mampiseho amin’izany ny fahamarinan’io fanambaran’Andriamanitra io. Milaza Jehovah Andriamanitra fa misy lalana toy izao izay heverin’ny olona iray ho mahitsy, nefa ny fiafarany dia ny lalan’ny fahafatesana (Ohabolana 14:12). Hatramin’ny ela ny olona no nanaraka ny lalana izay toa nahitsy teo imasony, nefa izany dia nitarika azy ho amin’ny ady, ny mosary, ny aretina ary ny fahafatesana. Raha mitarika ho amin’ny fahafatesana ny lalana iray izay heverin’ny olon-dehibe iray nahita fanandraman-javatra fa tsara, ahoana moa no mety hitarihan’izay toa mahitsy amin’ny zaza iray ho amin’ny zavatra hafa? Raha tsy an’ny olona izay mandeha ny hitarika ny diany, moa ve an’ilay zaza izay mihazakaza-madinika ny hitarika ny fiainany? Soa ihany fa amin’ny alalan’ny Teniny, ny Mpamorona dia manome fitarihan-dalana sady ho an’ny ray aman-dreny no ho an’ny zanaka.

13, 14. Ahoana moa no azon’ny ray aman-dreny ampianarana ny zanany mifanaraka amin’ny torohevitra voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 6:6, 7?

13 Ho an’ny ray aman-dreny, dia hoy Andriamanitra: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:6, 7). Amin’ny fotoana rehetra, isaky ny misy fahafahana hanao izany, dia tokony hampianatra ny zanakao ianao. Raha miara-misakafo maraina ny fianakaviana ary na dia atao haingana aza izany matetika isa-maraina satria tokony handeha hiasa na hianatra ny tsirairay, ny teny vitsivitsy fankasitrahana noho io sakafo io dia hitarika ny eritreriny rehetra ho any amin’ny Mpamorona. Izany vavaka amin’ny maraina izany dia mety hahafaoka koa hevitra vitsivitsy mampandroso ara-panahy ho an’ny fianakaviana manontolo. Mandritra ny sakafo maraina dia hisy angamba ny fotoana hiresahana kely ny amin’ireo asa hatao amin’ilay andro na ny amin’ny fianarana, sy hanomezana torohevitra mahasoa sasantsasany momba ny fomba handaminana ireo zava-manahirana izay atahorana hiseho. Ny hariva, ‘rehefa handry’, dia angamba izany fotoana mahafaly ho an’ny ankizy kely raha tahiny ny ray aman-dreniny amin’izay manokana ho azy ny fiheverana manokana. Ny zaza madinika dia tia ny hilazana aminy tantara iray alohan’ny hatoriana, ka izany dia fomba tsara mba hampianarana azy ireny. Ny Baiboly dia mirakitra foto-kevitra maro be izay tsy mitaky afa-tsy fahakingan-tsaina sy hafanam-po kely mba hanaovana izany ho tantara hahafinaritra ny ankizy. Hahaliana azy indrindra koa ny fisehoan-javatra izay niainanao manokana ka ho azonao anatsoahana fianarana mahasoa. Mety ho sarotra angamba ny hanavaozanao ny antontan-tantaranao, nefa ho voamarikao fa ny ankamaroan’ny ankizy dia tia ny hamerimberenana imbetsaka aminy, tantara mitovy. Any aoriana, tsy isalasalana fa ho hitanao fa ny fotoana izay natokanao ho azy ireo ny hariva dia ho nandray anjara tamin’ny fihazonana fifampiresahana tsara eo aminy sy ianao. Ny vavaka miaraka amin’ireo mbola kely amin’ny fotoana hatoriana dia hanampy azy ireny koa hanorina aloha be, fifandraisana amin’Ilay afaka manao be indrindra mba hitarihana sy hiarovana azy ireny. — Efesiana 3:20; Filipiana 4:6, 7.

14 Na “ao an-tranonao” ianao na “eny an-dalana”, dia mivelatra eo anoloanao ny fahafahana isan-karazany mba hampianarana ny zanakao amin’ny fomba mahaliana sy mandaitra. Mety haka ny endriky ny kilalao aza izany fanabeazana izany. Ny lehilahy iray dia nitantara ny fomba nanampian’ny vadiny sy ny tenany ankizy, tamin’ny alalan’ny kilalao, hitadidy foto-kevitra nodinihina tao amin’ny fivoriana iray fianarana Baiboly. Hoy izy:

“Indray hariva, dia nentinay niaraka taminay ny zazalahy kely iray enin-taona izay mandrakariva dia tsy nihaino loatra nandritra ireo fivoriana. Teny an-dalana ho any amin’ny efitrano, dia hoy aho taminy: “Hanao kilalao isika. Eny an-dalana mandeha mody dia hojerentsika raha afaka mitadidy ireo hira nohiraina isika ary koa ireo hevitra lehibe noresahina tao amin’ny fivoriana”. Rehefa nody izahay dia talanjona. Navela hiteny voalohany izy, ary izy izay varimbariana aoka izany mandrakariva, dia nahatadidy zavatra maro. Ireo zanakay, rehefa tonga ny anjarany, dia nanampy fanazavana hafa, ary dia ny vadiko sy ny tenako no namarana tamin’ny hevitra vitsivitsy. Tsy hitany ho enta-mavesatra izany fa toy ny fialam-boly kosa.’

15. Ahoana moa no azo amporisihana ankizy iray hihatsara eo amin’izay ataony?

15 Rehefa mihalehibe ny zaza dia mianatra manambara ny heviny, manao sary, manatanteraka asa sasany ary mitendry na mitsoka kely zavamaneno iray. Mahatsapa ho manatanteraka zavatra iray izy, ary izay ataony, amin’ny heviny iray, dia fitohizan’ny tenany ihany. Izany dia zavatra izay tena manokana ho azy. Raha mijery azy ianao ary miteny aminy hoe: “Tsara izao”, dia ho ravoravo ilay zaza. Raha ohatra ny zava-bitany manolotra fahafahana azonao iderana azy amim-pahatsorana, dia ataovy izany, satria hampahery azy. Mifanohitra amin’izany, raha kianinao amin’ny fomba henjana izy, dia hikatona ao aminy ary ho kivy. Azonao atao ny manao fanamarihana amin’ny lafiny toy izao na izao amin’ny asany raha ilaina izany, nefa aza avela hieritreritra izy hoe tsy misy vidiny izay nataony. Ohatra, toy izay handray ny sary nataony sy hamerina izany, dia ho tsaratsara kokoa ny hampisehoana aminy eo amin’ny taratasy hafa iray ny fomba azo anaovana izany tsaratsara kokoa ihany. Amin’ny fampaherezana azy eo amin’ny fiezahany, dia hanamora ny fitomboany ianao. Mifanohitra amin’izany, raha manakiana azy mafy ianao, dia mety hanakivy azy ary hamono ny faniriany hanohy ny fiezahany. Mihatra koa amin’ny ankizy ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny Galatiana 6:4; hoy ny voalaza: “Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa.” Mila fampaherezana ny ankizy iray, indrindra fa mandritra ireo fanandramany voalohany. Raha ohatra tsara ho an’ny taonany izay nataony, dia derao izy. Raha tsy tena nahomby izany, dia derao izy noho ny fiezahany ary amporisiho izy mba hamerina indray. Raha ny marina dia tsy nahay nandeha avy hatrany izy.

AHOANA NO FIRESAKA IREO RAHARAHA MOMBA NY LAHY SY NY VAVY

16. Rehefa jerena izay azo vakina ao amin’ny Baiboly, ahoana no tokony hamaliana ankizy iray izay manontany antsika momba ny raharaha mifandray amin’ny lahy sy ny vavy?

16 Mamaly ireo fanontanian’ny zanakao ianao ary mamporisika azy mba hifampiresaka aminao. Nefa, indro, indray andro, fa manontany anao tampoka ny amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy izy. Hamaly azy amim-pahatsorana ve ianao, sa kosa handainga aminy amin’ny filazana, ohatra, fa tany amin’ny hopitaly no nahazoanao ny zandry keliny lahy na vavy? Hanome azy filazana marina ve ianao, sa hamela azy handeha hitady eo amin’ny ankizy be taona kokoa, valiny indraindray diso izay aseho amin’ny fomba maloto? Ny Baiboly dia miresaka matetika sy amim-pahatsorana ny amin’ny lahy sy ny vavy ary ny faritra momba ny fiterahana (Genesisy 17:11; 18:11; 30:16, 17; Levitikosy 15:2). Ao amin’ireo toromarika nomeny ny vahoakany momba ireo fivoriambe izay tokony hamakiana ny Teniny, dia nanambara Andriamanitra hoe: “Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, (...) hihainoany sy hianarany”. (Deoteronomia 31:12). Araka izany, ireo ankizy kely dia handre firesahana ny amin’ny zavatra momba ny lahy sy ny vavy ao amin’ny rivo-piainana maotina sy feno fanajana, fa tsy amin’ny teny tsy mendrika.

17-19. Ahoana no ahazoana manazava miandalana ireo zavatra mifandray amin’ny lahy sy ny vavy?

17 Raha ny marina, mifanohitra amin’izay heverin’ny ray aman-dreny matetika, dia tsy sarotra loatra ny manazava ireo raharaha momba ny lahy sy ny vavy. Vetivety dia tsapan’ny ankizy iray ny tenany izay ahitany ireo faritra samihafa. Ampy ny anononanao azy ireo amin’ny tanana, ny tongotra, ny orona, ny vavony, ny fitombenana, ny faritra maha-lahy (na filahiana), ny faritra maha-vavy. Tsy hahasanganehana ilay ankizy kely izany, raha tsy hoe miova fihetsika tampoka angaha ianao, ka mangina tsy amin’ny antony raha vao ny faritra momba ny fiterahany no resahina. Matoa matahotra ny miresaka ny amin’ireo zavatra ireo ny ray aman-dreniny, dia satria mihevitra izy fa tsy maintsy hanazava ny zava-drehetra raha vao hanomboka hametraka fanontaniana ilay zaza. Raha ny tena izy, dia tsikelikely no ametrahan’ilay zaza izany, amin’ny fotoana samy hafa eo amin’ny fitomboany. Ampy àry, isaky ny fisehoan-javatra, ny mampiasa ny voambolana mety sy ny manome fanazavana ankapobeny tena tsotra.

18 Indray andro, ohatra, dia hanontany anao ny zanakao hoe: “Avy aiza ny zazakely?” Afaka mianina amin’izao valinteny tsotra izao ianao: “Mitombo ao an-kibon-dreniny izy ireny.” Mandrakariva, dia tsy hilainao ny hanampy zavatra hafa amin’io andro io. Any aoriana, dia hanontany anao angamba ny zanakao hoe: “Ahoana no ivoahan’ny zazakely avy ao an-kibon’ny neniny?” “Misy lavaka manokana ho amin’izany.” Matetika dia ho ampy azy io valinteny io.

19 Any aoriana kokoa, dia tsy isalasalana fa hametraka izao fanontaniana hafa izao ilay ankizy: “Ahoana no nanombohan’ilay zazakely?” Ho afaka hamaly ianao hoe: “Rehefa maniry hahazo zazakely iray ny dada iray sy ny neny iray, dia misy voan-javatra avy amin’ilay dada mikambana amin’ny atody iray ao anaty kibon’ilay neny, ary manomboka mihalehibe ilay zazakely, toy ny voan-javatra izay maniry ao amin’ny tany ary ho tonga voninkazo iray na hazo.” Izy io àry dia tantara mitohitohy izay ny fisehoany tsirairay avy, amin’io fotoana io, dia ampy hanomezana fahafahampo ny fahalianan’ilay zaza hahafanta-javatra. Avy eo, dia hanontany angamba ilay zaza hoe: “Ahoana no idiran’ny voan-javatr’ilay dada ao an-kibon’ilay neny?” Azonao atao ny mamaly tsotra fotsiny hoe: “Fantatrao ny fomba nanaovana ny zazalahy. Manana filahiana izy. Misy lavaka afaka mandray ny filahiana ao amin’ny tenan’ilay zazavavy. Amin’izany no ambolena ny voa. Vita amin’ny fomba toy izany ny olona mba hahafahan’ilay zazakely manomboka mitombo ao an-kibon’ilay neny sy mivoaka avy ao rehefa ampy fahalehibeazana izy.”

20. Nahoana moa no mety raha ny ray aman-dreny no mamaly ireo fanontaniana mifandray amin’ny lahy sy ny vavy izay mety hapetrak’ireo zanany?

20 Tsy isalasalana mihitsy fa tsaratsara kokoa ny hiresahana amim-pahatsorana amin’ny fampiasana fomba toy izany, toy izay hitantara lainga na hanao izany ho zava-miafina toy ny hoe zavatra iray maharikoriko izany (ampitahao amin’ny Titosy 1:15). Fanampin’izany, dia tsaratsara kokoa raha toa ny ankizy ka nahazo filazalazana avy amin’ny ray aman-dreniny, izay afaka hanazava avy eo hoe nahoana no tsy tokony hiteraka afa-tsy ny lehilahy sy ny vehivavy manambady izay mifankatia ary nanaiky ny andraikitra ho tia sy hikarakara ilay zazakely. Araka izany, ny ankizy dia mianatra mandinika io foto-kevitra io amin’ny fomba fijery tsara ara-panahy, toy izay handre firesahana ny amin’izany ao anatin’ny toe-javatra izay manova izany ho zavatra maloto.

AHOANA NO FAMPITA IREO FIANARANA LEHIBE INDRINDRA EO AMIN’NY FIAINANA

21. Noho ny fironan’ny ankizy inona no tena maha-zava-dehibe ny hitandreman’ny ray aman-dreny mba hanome azy ireny ohatra tsara?

21 Indray andro Jesosy dia nampitaha ny olona tamin’ny androny tamin’ny “ankizy madinika mipetraka eny an-tsena (...) izay miantso ny namany ka manao hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra hianareo.” (Matio 11:16, 17). Tao amin’ny lalaony, ireny ankizy ireny dia nanahaka ny olon-dehibe, ny fetiny sy ny fandevenany. Koa satria ny ankizy voatosika hanahaka ireo izay manodidina azy, ny ohatra omen’ny ray aman-dreny dia mandray anjara lehibe eo amin’ny fanabeazana azy ireny.

22. Inona moa no mety ho herin’ny fitondrantenan’ny ray aman-dreny eo amin’ireo zanany?

22 Hatramin’ny vao fahaterahany, ny zanakao dia mianatra zavatra betsaka eo anilanao, tsy avy amin’izay lazainao fotsiny, fa amin’ny fomba ilazanao izany koa, amin’ny toetry ny feonao rehefa miteny aminy ianao, rehefa miresaka amin’ny vadinao na ny olon-kafa ianao. Mandinika ny fomba ifampitondran’ireo ray aman-dreny izy ary ny fomba fihetsiny eo anatrehan’ny mpianakavy hafa sy ny vahiny. Ireo fianarana hotsoahiny avy amin’ny fitondrantenanao amin’ireo toe-javatra ireo dia mety mbola ho zava-dehibe kokoa ho an’ny zanakao noho ny fahaizana mandeha, manisa na mamaky teny fotsiny. Ireny tokoa no ho fototry ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina izay mitarika ho amin’ny tena fahasambarana. Ny ohatra omenao dia mety hahatonga ny zanakao ho mora mandray kokoa ny fampianarana ireo fotopoto-pitsipika marina rehefa ho ampy fahalehibeazana izy mba hianatra amin’ny alalan’ny fitenenana sy ny vakiteny.

23, 24. Raha irin’ny ray aman-dreny ny hanarahan’ny zanany fitsipi-pitondrantena tsara, tokony ho vonona ny hanao inona moa izy ireo?

23 Nananatra ny kristiana toy izao ny apostoly: “Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana [hatrany, MN] amin’ny fitiavana.” Aloha kelin’io, dia nasehony ny dikan’ny atao hoe manahaka an’Andriamanitra, tamin’ny filazana hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Koa amin’izany, dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala.” (Efesiana 4:31, 32; 5:1, 2). Raha sanatria, avy amin’izay reny sy hitany, na hamafin’ny feo izany, na kiakiaka, na fifendrofendroana, teny mandidy na fipoahan’ny fahatezerana, ka mianatra izay atao hoe fahasarotam-po ilay ankizy, dia sarotra kosehina ny soritra tavela eo aminy. Raha tahiny kosa maneho hatsaram-po sy fiheverana amin’ny rehetra ianao, raha tahiny manana fitondrantena tsara sy fotopoto-pitsipika tsara dia tsara ianao, dia hirona hanahaka anao amin’izany ny zanakao. Mitondrà àry tena toy izay irinao hitondrany tena ary aoka ianao ho tahaka izay tianao haha-izy azy.

24 Ny ray aman-dreny dia tsy tokony hanana karazam-potopoto-pitsipika roa, dia izay ampianariny sy izay arahiny, ny sasany ho an’ny zanany ary ny hafa ho azy ireo. Inona no ilana hitenenana amin’ny ankizy iray mba tsy handainga raha ny tenanao aza mandainga? Raha tsy manatanteraka ny fanekenao amin’ireo zanakao ianao, moa ve ianao afaka manantena ny hitanany ny teny nataony rehefa hampanantena anao zavatra iray izy? Raha misy ray aman-dreny tsy mifanaja amin’izy samy izy, moa ve afaka manantena ny hisehoan’ny zanany hahay hanaja izy ireo? Raha ohatra ilay zaza tsy mandre mihitsy ny rainy na ny reniny miteny amim-panetren-tena, ahoana no ahafahany manana io toetra io? Rehefa misy ray aman-dreny te-hilaza fa manana ny rariny hatrany izy, ilay zaza dia atahorana hihevitra fa izay rehetra ataon’izy ireo dia tsara, kanefa diso izy indraindray ary ahitana taratry ny toetrany mpanota sy tsy lavorary ny ataon’izy ireo. Ny olona iray tsy manao zavatra mifanaraka amin’ny teniny dia mitovy amin’ireo Fariseo mpihatsaravelatsihy izay noresahin’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.” Ry ray aman-dreny, raha tsy tianareo ny hanana Fariseo kely ao amin’ny fianakavianareo, dia aoka tsy ho Fariseo lehibe ianareo! — Matio 23:3.

25. Ahoana no tokony hampianarana ireo ankizy mba haneho fitiavana?

25 Tsapan’ny ankizy ny atao hoe fitiavana rehefa mahita izany miasa izy, ary amin’ny fandraisana mari-pitiavana no ianarany manome amin’izany. Mety hisy ray aman-dreny hanototra fanomezana ny zanany, nefa, raha ny marina, ny fitiavana dia tsy vidina. Alohan’ny zavatra rehetra, izany dia toetra ara-panahy izay avy amin’ny fo fa tsy avy amin’ny poketra. Ny fanomezana fotsiny dia tsy afaka manolo na oviana na oviana ny fitiavana marina. Izay manandrana mividy izany dia tsy manao afa-tsy ny mampihem-bidy azy. Toy izay fanomezana, dia manomeza avy amin’ny tenanao mihitsy, avy amin’ny fotoananao, avy amin’ny herinao sy ny fitiavanao. Handray araka ny fatra namaranao ianao (Lioka 6:38). Araka ny ambaran’ny I Jaona 4:19 ny amin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra, “isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha”.

26, 27. Ahoana no azon’ny ankizy ianarana hahatsapa ny fifaliana manome?

26 Amin’ny fandraisana no hianaran’ireo ankizy manome. Azo atao ny manampy azy hankamamy ireo fifaliana tsapa rehefa manome ho an’ny hafa, manompo azy ary mizara amin’izy ireny. Ampio izy ireo hahatsapa fa ahitana fahasambarana ny manome ho an’ny ray aman-dreniny, ho an’ny ankizy hafa na ho an’ny olon-dehibe. Matetika ny olon-dehibe dia tsy maniry handray izay atolotry ny ankizy ho azy satria mihevitra amim-pahadisoana izy fa maneho fitiavana azy ireny amin’ny famelana azy hihazona ny zava-drehetra ho an’ny tenany. Nefa hoy ny nambaran’ny lehilahy iray:

“Nanana fahazarana ny nanda aho rehefa nanolotra ahy iray tamin’ny vatomaminy ny ankizy iray. Nihevitra aho fa naneho hatsaram-po tamin’ny tsy fakana taminy izay tiany aoka izany, araka ny nahafantarako azy. Nefa rehefa nolaviko izay natolotry ny ankizy iray ahy, ka navelako ho azy ny zava-drehetra dia tsy nampiseho ny fifaliana izay nandrasako avy aminy izy. Takatro tamin’izay fa nailiko ny fihetsiny malala-tanana, ny fanomezany, izany hoe nailiko izy. Izany no antony, hatramin’izay, anekeko hatrany izay atolotry ny ankizy iray ahy, mba hahafahana mamela azy hahatsapa ny fifaliana manome.”

27 Tao amin’ny fianakaviana iray, ny ray aman-dreny dia naniry hanampy ny zanakalahiny kely ho tonga ‘malala-tanana sy vonona ny hizara’, dia toetra voalazalaza ao amin’ny I Timoty 6:18 (MN). Izany no antony, rehefa nankany amin’ny fivoriana fianarana ny Baiboly izy ireo, nanankinany tamin’ny zanakalahiny vola tian’izy ireo hatao fanomezana, mba ho izy mihitsy no mametraka izany ao amin’ny vata ho an’ny fanomezana. Izany dia nanampy azy handentika ao an-tsaina fa zava-dehibe ny manohana ny zavatra ara-panahy sy ny mandray anjara amin’ny zavatra lany aterak’izany.

28, 29. Ahoana no azo ampianarana ireo ankizy ny maha-zava-dehibe ny hialan-tsiny rehefa manao fahadisoana?

28 Toy ny ahafahan’ny ankizy mianatra maneho fitiavana sy fahalalahan-tanana raha tahiny mandray torohevitra tsara sady mahita ohatra tsara izy, dia toy izany fa afaka mianatra ny miala tsiny izy rehefa ilaina izany. Izao no lazain’ny ray iray: “Rehefa sendra nampiseho fihetsika ratsy tamin’ireo zanako aho dia miaiky amin’izy ireo ny fahadisoako. Hazavaiko aminy fohy fa diso aho ary lazaiko ny antony naha-diso ahy. Amin’izany, dia mora kokoa amin’izy ireo ny miaiky ny fahadisoany eo anatrehako rehefa fantany fa tsy tanteraka aho ary hahatakatra ny fihevitr’izy ireo.” Izany fihetsika izany dia hazavain’ny tantara kely manaraka notantarain’ny lehilahy iray nitsidika tokantrano iray ka nampifankahalalain’ny ray tamin’ny mpianakaviny samihafa. Hoy izy:

Nampifankahalalaina tamiko ireo rehetra nanatrika teo, avy eo dia niditra tao amin’ny efitrano ny zazalahy kely nitsikitsiky iray. ‘Ary indro ny faralahy kelinay, hoy ny nanampin’ilay ray, ilay manana kaonfitiora eo amin’ny lobany.’ Nitsahatra ny tsikitsikin’ilay zaza ary nahitana taratry ny alahelo ny tarehiny. Rehefa hitan’ny rainy fa menatra aoka izany ilay zaza ka handeha hitomany, dia notarihiny haingana ho eo aminy izy ary nitenenany hoe: ‘Malahelo aho. Tsy tokony ho niteny izany aho.’ Nifokofoko nitomany kely ilay zaza dia nandao ny efitrano. Nefa tsy ela izy dia niverina niaraka tamin’ny tsikitsiky mbola lehibe kokoa, ka izao dia nitondra lobaka iray madio tanteraka.”

29 Ny fatorana ara-piraiketam-po mampiray ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia mihamafy tokoa amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanetren-tena toy ireny. Miharihary fa avy eo ny ray aman-dreny dia afaka manampy ireo zanany hanana fomba fihevitra araka ny marina ny amin’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, na lehibe izany na kely. Hampianatra azy ireny izy mba tsy hihevitra ny zavatra madinika ho zava-dehibe loatra, mba hahay mihomehy ny amin’ny tenany manokana ary tsy hanantena na oviana na oviana ny haha-tanteraka ny hafa, dia tahaka ny anirian’izy ireny ny tsy hitakiana fahatanterahana aminy.

MANOMEZA AZY IREO FANDAHARANA TSARA NY AMIN’NY ZAVATRA MISY VIDINY

30-32. Nahoana moa no tena zava-dehibe ny hanampian’ny ray aman-dreny aloha be ireo zanany mba hanavaka ireo zavatra tena misy vidiny eo amin’ny fiainana?

30 Amin’izao androntsika izao, satria ray aman-dreny maro no tsy mahay manavaka intsony ireo tena zavatra misy vidiny eo amin’ny fiainana, dia ankizy maro be no mihalehibe tsy nianatra nahafantatra izany na oviana na oviana. Manontany tena mihitsy aza ny ray aman-dreny sasany raha manana zo hamolavola ny toe-tsain’ireo zanany izy. Nefa raha sanatria tsy manao izany izy, ny ankizy hafa, ny mpifanolobodirindrina, ny sarimihetsika ary ny televiziona dia hiandraikitra ny fanaovana izany eo amin’ny toerany. Zavatra maro no mampahatahotra ny ray aman-dreny: ny hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny fikomian’ny tanora, ny zavatra mahadomelina, ny fitsipi-pitondrantena vaovao ary ny fivoarana momba ny lahy sy ny vavy. Raha ny marina, dia efa tena lasa lavitra ny maha-izy ilay zaza alohan’ny tsy maintsy hanatrehany ireo zava-manahirana ireo aza.

31 Taorian’ny fandinihana natao dia nanambara ny gazety ara-tsiansa iray fa “ny maha-izy ny olona iray dia azony amin’ny ankabeazany alohan’ny hanombohany mandeha any an-tsekoly aza. Fantatra tsara marina tokoa fa ny ankizy tsy mbola mankany an-tsekoly dia faran’izay mora taitra sy mora toroana. (...) Tsapa anefa fa ireo toe-tsaina sy toe-javatra hitan’ilay ankizy dia mamolavola ny fitondrantenany amin’ny fomba maharitra sy amin’ny fomba raikitra aza indraindray”.

32 Marina fa azo atao ny manolo ireo fahazaran-dratsy amin’ny tsara, nefa raha nampiseho izay mitranga rehefa lanilanina foana ny taona maro sarobidy ny mpanao fikarohana hafa iray, dia nanambara toy izao: “Mitoetra ho mora toroana ny ankizy iray mandritra ny fito taona voalohany eo amin’ny fiainany, nefa arakaraka ny hiandrasana ela no ilàna amin’ny fomba hentitra hanavaozana ny manodidina azy. Ankoatr’izany, ny taona tsirairay lasa dia mampihena ny fanantenana ny hanovana azy.”

33. Inona moa ireo fotopoto-pitsipika lehibe indrindra tokony hianaran’ny ankizy?

33 Ny ankizy kely dia tokony hanana fotopoto-pitsipika fototra maro izay ny lehibe indrindra dia ireo izay mamela hamaritra izay atao hoe marina na diso sy tsara na ratsy. Rehefa nanoratra ho an’ny kristiana tany Efesosy ny apostoly Paoly dia namporisika azy ireo hanana ny fahalalana marina, tamin’ny filazana hoe: “Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana; fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy”. (Efesiana 4:13-15). Raha miandry ela ny ray aman-dreny vao mampitombo ao amin’ireo zanany ny fitiavana ny fahamarinana, ny fahitsiana ary izay marina sy tsara, dia hamela azy ireo tsy hanam-piarovana eo anoloan’ny fahadisoana sy ny ratsy izy. Ray aman-dreny maro no mamela handalo ireo taona tsy mbola handehanan’ny zanany any an-tsekoly, ka tsy mahatsapa izany akory. Tandremo mba tsy ho toy izany no izy. Hararaoty ireo taona laninao miaraka amin’ny zanakao ireo izay lehibe aoka izany ho an’ny famolavolana azy, mba hanomezana azy ireo fandaharana tsara ny amin’ny zavatra misy vidiny. Amin’ny fanaovana toy izany, dia hisoroka alahelo betsaka ho an’ny tenanao angamba ianao any aoriana. — Ohabolana 29:15, 17.

34. Nahoana moa no zava-dehibe ny fotopoto-pitsipika maharitra ary aiza no mety hahitana izany?

34 “Mandalo ny fanaon’izao fiainana izao”, hoy ny nosoratan’ilay apostoly nahazo tsindrimandry. Tsy isalasalana fa voamarika izany eo amin’ny fivoaran’ny fiheverana ny amin’ireo raharaha ara-nofo, ara-piraiketam-po ary ara-pitondrantena (I Korintiana 7:31). Vitsy ny zavatra miorina mafy eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ny ray aman-dreny dia tokony hanaiky fa izy ireo koa, amin’ny maha-olombelona, dia mety tsy hahomby amin’ireo lafiny ireo. Noho izany, raha ao am-pony ny fahasambarana ankehitriny sy ho avin’ireo zanany, dia hitarika azy ireo ho amin’ny fotopoto-pitsipika tena maharitra izy. Hanao izany izy amin’ny fampianarana azy ireo hatramin’ny vao fahakeliny fa, na inona na inona raharaha tsy maintsy tapahina na zava-manahirana tsy maintsy alamina, dia any amin’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, ny Baiboly, no tokony hitodihana mba hahitana valiny mazava sy mahasoa. Na dia mety hiseho ho misafotofoto sy maizina tsy misy toy izany aza ny fiainana indraindray ho azy ireo, izany Teny izany dia hitoetra ho ‘fanilon’ny tongony sy fanazavana ny lalany’. — Salamo 119:105.

35. Toy inona moa ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ireo zanany ho an’ny ray aman-dreny?

35 Eny, ny fahazazana vao manomboka no azo antoka fa ny vanim-potoana mety indrindra mba hampiorenana ao amin’ireo zanakareo, fandaharana iray ny amin’ny zavatra misy vidiny izay hanohana azy ireo mandritra ny fiainany rehetra. Tsy misy raharaha tsara kokoa na asa lehibe kokoa noho ny fanabeazana ireo zanakareo. Raha vao eo amin’ny fahaterahany sy mandritra ny fahazazany vao manomboka no tokony hampianarana azy ireo.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 117]

Ataovy fanazaran-tena mahafinaritra ny famakian-teny