Ny anjara asan’ny ray aman-dreny
Toko Faha-8
Ny anjara asan’ny ray aman-dreny
1-3. a) Inona moa no mety ho vokatry ny fahaterahan’ny zaza iray eo amin’ny ray aman-dreniny? b) Nahoana moa no zava-dehibe ny hahatakaran’ny ray sy ny reny hoe inona no anjara asany avy?
EO AMIN’NY fiainana, dia zava-miseho maro no tsy mahakasika antsika loatra, kanefa ny hafa, toy ny fahaterahan’ny zaza iray, dia misy vokany manamarika sy maharitra eo amintsika. Ho an’ny mpivady iray, dia tsy ho toy ny teo aloha intsony mihitsy ny fiainana. Na dia mbola kely aza izy, ilay vao teraka dia tsy isalasalana fa hanao izay handrenesana azy sy hampiharihary ny fisiany ao an-tokantrano.
2 Io zava-miseho io, izay tokony hahafeno zava-tsoa kokoa sy hahasambatra kokoa ny ray aman-dreny anefa dia mampiseho zava-tsarotra iray izay, mba hahatanteraka azy, dia mitaky ny fiaraha-miasan’ny ray sy ny reny. Toy ny nilanareo ny ho roa mba hiterahana ny zanakareo, dia toy izany koa fa ny tsirairay avy aminareo dia handray anjara lehibe eo amin’ny fitomboany, ary izany dia hatramin’ny fahaterahany. Mbola tsy nilaina mihitsy toy izany ny fiaraha-miasa amim-pahatsorana, akaiky ary amim-panetren-tena.
3 Tena hahasoa anareo ny fahatakarana tsara ny anjara asanareo tsirairay avy sy ny fomba tokony hifandrindran’izany mba hahafahan’ny zanakareo mandray izay rehetra ilainy mba hivelarana. Ilaina ny mahita fandanjalanjana tsara. Marina fa manosika antsika ho hendry ny saintsika, nefa atahorana hanimba io fandanjalanjana io ny fihetseham-pontsika. Mety hanana fironana hanao zavatra amin’ny fomba mihoa-pampana isika avy amin’ny tafahoatra ka hatramin’ny kely loatra, ary ny mifamadika amin’izany. Araka izany ny ray dia tokony hampihatra ny fahefany, nefa raha mampiasa Filipiana 4:5.
izany amin’ny fomba tafahoatra izy dia manjary lozabe. Etsy andanin’izany, raha mety ny handraisan’ny reny anjara amin’ny fanabeazana sy ny fifehezana ny ankizy, dia tsy tsara ny hiantsorohany irery izany adidy izany, ka handavany ny fiaraha-miasa avy amin’ny ray satria hanimba ny firafitry ny fianakaviana izy amin’izay. Izay tsara dia tsara, nefa rehefa ampiasaina amin’ny fomba tafahoatra izany, ny zavatra tsara iray dia mety ho tonga ratsy. —NY ANJARA ASA LEHIBEN’NY RENY
4. Inona moa ny sasantsasany amin’ny zavatra ilain’ny zazakely iray ka tokony homen’ny reniny fahafahampo?
4 Miankina tanteraka amin’ny reniny ilay vao teraka mba hahazoana izay ilainy mivantana. Raha manome izany amim-pitiavana izy, dia hahatsapa tsy fananana ahiahy ny zanany (Salamo 22:9, 10). Tokony hisakafo tsara izy ary tsy avela ho lena sy atao mafana foana. Nefa tokony homena fahafahampo ny ilainy ara-piraiketam-po izay zava-dehibe ihany koa. Ny zazakely izay mahatsapa ho tsy tiana dia manjary be ahiahy. Ny reny iray dia mianatra haingana mamantatra raha toa ny zanany mila azy marina tokoa rehefa mitady hitarika ny sainy. Kanefa raha manampin-tsofina foana amin’ny kiakiakany izy dia atahorana harary ilay zaza. Rehefa tsy anehoana firaiketam-po ny zaza iray mandritra ny fotoana sasany, dia mety ho voakorontana tanteraka ny fitomboany ara-pihetseham-po.
5-7. Araka ny fandinihana natao vao haingana, inona moa no vokatry ny fitiavana sy ny fikarakarana omen-dreniny be dia be ny vao teraka iray?
5 Fandinihana maro natao tao amin’ny toerana samihafa no nanaporofo fa mety harary ireo vao teraka ary ho faty mihitsy aza raha sanatria ka tsy mahazo ny fitiavan’ny reny, izay miseho amin’ny fomba iray firesahana aminy, fikasihana azy, fanafosafoana azy ary fandrotsirotsiana azy (Ampitahao amin’ny Isaia 66:12; I Tesaloniana 2:7). Na dia misy olon-kafa afaka misolo azy aza, dia tsy azo lavina fa ny reny, izay tao an-kibony no namolavolana sy namahanana ilay zaza nandritra ireo volana voalohany teo amin’ny fiainany, no ampy fahaizana indrindra ho amin’izany. Misy fifampiankinana voajanahary miorina eo amin’ilay reny sy ny zanaka. Raha mahatsapa faniriana voajanahary ny hamihina ny zanany vao teraka ny reny, ilay zazakely kosa dia mitady avy hatrany ny nonon-dreniny.
6 Nisy fikarohana nanaporofo fa ny atidohan’ny zazakely iray dia tena miasa ary ny fanairana ny fikasihany, ny fandrenesany, ny fahitany ary ny fanimboloany dia mandray anjara amin’ny fitomboany ara-tsaina. Rehefa minono amin-dreniny ny zaza, dia tsapany ny hafanana sy ny fofon’ny tenan-dreniny. Saiky mitodika foana any amin’ny tarehin-dreniny ny fijeriny rehefa omen’io sakafo izy. Tsy hoe mandre fotsiny ny feony izy rehefa miresaka aminy io na mikalokalo ho azy, fa mandre koa ny fitepon’ny fony, izay efa reny rahateo fony izy mbola tany am-bohoka. Ao amin’ny boky norveziana iray, Anne-Marit Duve, mpandinika toe-tsain’ny ankizy, dia manao izao fanamarihana izao:
“Satria ny fitaran’ny anakandriamaso manambara ny herin’ny fiasan’ny atidoha, dia manana antony tsara hinoana isika fa ny fanairana maherin’ny fikasihana, indrindra fa ireo izay mitranga amin’ny fotoan’ny fampinonoana, dia mety hanaitra ny fiasan’ny atidohan’ilay zaza, ka izany, etsy andaniny, dia mety hampitombo ny fahaizany ara-tsaina rehefa lehibe izy.”
7 Araka izany, rehefa mitrotro ny zanany ny reny, mandrotsirotsy azy, mampandro azy na manolo azy, izany fifampikasihana matetika izany dia mandray anjara lehibe eo amin’ny fitomboany sy ny hoe ho tonga karazan’olon-dehibe manao ahoana izy. Marina fa ny mifoha alina be sy ny mandany fotoana hampanginana zazakely iray mitomany dia tsy ny fanalan’andro mahafinaritra indrindra misy, nefa rehefa heverina ireo tombontsoa hoentin’izany any aoriana, izany dia mahonitra be tokoa ny torimaso nafoy.
MIANATRA NY HO TIA IZY REHEFA TIANA
8-10. a) Inona moa no ampianarin’ny fitiavan’ny reny iray ny zanany kely? b) Nahoana no zava-dehibe izany?
8 Ilaina indrindra ny hahatsapan’ny vao teraka iray fa tiana izy mba hitomboany tsara eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po. Hianatra ny ho tia izy satria tiana, satria anehoana fitiavana. Raha miresaka ny amin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra ny I Jaona 4:19 dia manambara hoe: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” Ny reny indrindra no manome ho an’ny zaza ireo fampianarana voalohany ny fitiavana. Rehefa miondrika eo ambonin’ny farafaran’ny zanany kely izy, mametraka ny tanany eo amin’ny tratran-janany ary mandrotsirotsy azy moramora, sady mampanatona ny tarehiny amin’ny azy sy mimonomonona amin’ny teny vitsivitsy amim-pitiavana, ilay zazakely dia miharihary fa tsy mahatakatra ireo teniny (izay tsy voatery hanana heviny rahateo), nefa mitsipatsipaka izy ary mitoretoreom-pahafinaretana, satria ny tanan-dreniny sy ny toe-peony dia milaza aminy fa tia azy ny reniny. Mahatsiaro ho matoky tena sy tsy manana ahiahy izy.
9 Ny zazakely sy ny ankizy madinika dia tia ny hanehoana fitiavana aminy, ary izany dia manosika azy hanao toy izany koa. Rehefa mametraka ny sandry keliny manodidina ny tendan-dreniny izy ireny ary manoroka be azy, dia sambatra izy ireny noho ny fomba feno hafanana amalian’ny reniny ny mari-piraiketam-pon’izy ireny. Manomboka mianatra lesona lehibe iray izy ireny amin’izay, dia ny hoe mahasambatra koa ny manome fitiavana toy ny mandray izany ary amin’ny famafazana fitiavana dia mijinja izany koa ny tenany avy eo (Asan’ny apostoly 20:35; Lioka 6:38). Ny zava-misy dia mampiseho fa rehefa tsy manorina fifandraisana akaiky toy izany ny reny iray sy ny zanany hatramin’ny vao fahazazana indrindra, dia ho sahirana be ilay zanaka any aoriana hifikitra lalina amin’olon-kafa iray.
10 Koa satria ny ankizy manomboka miana-javatra hatramin’ny fahaterahana, ireo taona voalohany eo amin’ny fiainany dia tena zava-dehibe. Mandritra izany fe-potoana izany, ny fitiavan’ny reny dia tena zava-dehibe. Raha vitany ny maneho izany amin’ilay zaza (tsy misy fampiantana azy) sy ny mampianatra azy mba ho tia, dia hanao soa maharitra ho azy izy; raha tsy izany, dia hanimba azy amin’ny fomba maharitra izy. Ny asan’ny renim-pianakaviana dia iray amin’ireo izay mitaky be indrindra avy amin’ny vehivavy iray, nefa izany koa no hanolotra ireo valisoa tsara indrindra. Marina fa mamizana sy manery io asa io ho an’ny vehivavy iray, nefa “asa” inona eo amin’izao tontolo izao moa no ho afaka indrindra hanome heviny lalina aoka izany ny fiainany sy hitondra fahafinaretana maharitra toy izany ho azy?
NY ANJARA ASA LEHIBEN’NY RENY
11. a) Amin’ny ahoana moa ny ray no hanana ny toerany ao an-tsain’ny zaza? b) Nahoana no tena zava-dehibe izany?
11 Ara-dalàna eo am-panombohana raha manapaka eo amin’ny fiainan’ny zaza ny anjara asan’ny reny. Nefa ny ray koa dia tokony ho tafiditra eo amin’ny fiainan’ilay zazakely hatramin’ny vao fahaterahany. Eny fa na dia mbola faran’izay kely aza ilay zaza, ny ray dia afaka ary tokony hiantsoroka ny anjara asany, amin’ny fikarakarana azy indraindray, amin’ny filalaovana miaraka aminy sy amin’ny fanambatambazana azy rehefa mitomany izy. Amin’izany no andraisan’ny ray toerana ao an-tsain’ny zaza. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tokony ho lasa lehibe kokoa amin’ny fomba miandalana ny anjara asany. Raha miandry ela loatra izy, izany dia mety ho ny loharanon-java-manahirana izay hiseho indrindra amin’ny fotoana maha-zatovo azy, fe-potoana izay manjary sarotra kokoa ny mifehy ny ankizy. Amin’io taona io, ireo zazalahy dia mila indrindra ny fanampian’ny rainy. Kanefa, raha tsy efa naorina ny fifandraisana tsara teo aloha, dia tsy ao anatin’ny herinandro vitsivitsy akory no hahafahana manototra ny hantsana nolavahina nandritra ny taona maro.
12, 13. a) Inona moa no anjara asan’ny ray ao amin’ny fianakaviana? b) Raha miantsoroka tsara ny andraikiny ny ray, inona moa no hery hananan’izany eo amin’ny fomba hiheveran’ireo ankizy ny fahefana?
12 Noho ireo toetran’ny lehilahy ananany, ny ray dia mitondra fanampiana tena lehibe eo amin’ny fivelaran’ny maha-izy ny zanany lahy toy izany koa ny zanany vavy. Araka ny Tenin’Andriamanitra, ny ray dia tokony ho ny filoham-pianakaviana ary manana andraikitra izy hanome izay ilain’ny ankohonany eo amin’ny ara-nofo (I Korintiana 11:3; I Timoty 5:8). Kanefa, “tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah”. Ny ray dia maharay koa ny baiko hitaiza ny zanany “ao amin’ny fifehezana sy ny fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah”. (Deoteronomia 8:3; Efesiana 6:4, MN.) Na dia tokony hanosika hanao toy izany aza ny firaiketam-po voajanahary ananany amin’ny terany, dia noho ny fahatsapany alohan’ny zava-drehetra ny andraikiny eo anatrehan’ny Mpamorona no hanaovany araka izay azony atao mba hanatanterahana ny anjara asa nankinin’io taminy.
13 Ny hafanana, ny firaiketam-po ary ny fangorahana asehon’ny reny dia hampian’ny ray ny hery sy ny fahefana antonona, ka amin’izany izy dia hampihatra hery mandanjalanja ao an-tokantrano. Ny fomba iantsorohany ny asa nankinin’Andriamanitra taminy dia ho hita taratra eo amin’ny fihetsika horaisin’ireo zanany any aoriana eo anoloan’ny fahefana, na an’olombelona izany na an’Andriamanitra, rehefa hasehon’izy ireny raha manaja izany fahefana izany izy sy hoe hatraiza no ahaizany miasa eo ambany fitarihan’olon-kafa kanefa tsy mimonjomonjo na mikomy.
14. Inona moa no mety ho vokatry ny ohatra tsaran’ny ray eo amin’ny zanany lahy na ny zanany vavy?
14 Ny ohatry ny ray sy ny fomba ikarakarany ny raharahan’ny fianakaviana dia handray anjara be dia be amin’ny fanaovana ny zazalahy iray na ho olon-dehibe malemy sy be fisalasalana, na ho lehilahy matanjaka, hentitra, manana herim-po amin’ny zavatra inoany ary vonona ny hiantsoroka ireo andraikiny. Izany dia mety handray anjara koa any aoriana amin’ny fanaovana azy ho lehilahy manambady sy ray henjana, tsy misaina ary masiaka, na, ny mifanohitra amin’izany, mahay mandanjalanja, feno fahaiza-manavaka sy hatsaram-po. Araka ireo fifandraisana hananany amin’ny zanany vavy, ny ray iray dia hanan-kery eo amin’ny fiheverana hananany momba ny lehilahy, hery izay mety hanampy na hanohitra ny fahavanonan’ny fanambadiany. Kanefa, ny herin’ny ray dia tsapa hatramin’ny fahazazana kely indrindra.
15, 16. a) Araka ny Baiboly, inona moa ny andraikitry ny ray raha ny amin’ny fampianarana? b) Ahoana no azony iantsorohana izany?
15 Ny toromarika nomen’Andriamanitra ny vahoakany ao amin’ny Deoteronomia 6:6, 7 dia manipika hoe hatraiza ny ray no tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny zanany. Izao no vakintsika: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”.
16 Tsy ireo tenin’Andriamanitra fotsiny no tokony halentika isan’andro ao an-tsain’ny zaza, fa ny hafatra izay ampitainy. Mitranga foana ny fahafahana manao izany. Voninkazo Salamo 19:1, 2). Raha mitandrina izy mba hampiasa ny zavatra noforonina ary koa ohatra eo amin’ny fiainana andavanandro mba hampisongadinana ireo fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra sy hampisehoana ny fahendrena sy ny soa avy amin’ny torohevitr’Andriamanitra, ny ray dia ho afaka hanorina ao an-tsaina sy ao am-pon’ny zanany ny fanorenana lehibe indrindra ho an’ny ho aviny, dia ny fiaikena fa tsy hoe misy fotsiny Andriamanitra, fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” koa. — Hebreo 11:6.
ao an-jaridaina, bibikely, vorona sy vontsira eny ambony hazo, akorandriaka eny amoron-dranomasina, voan’ny “pin” any an-tendrombohitra sy kintana manjelanjelatra eny amin’ny lanitra, ireny zava-mahatalanjona rehetra ireny dia miresaka ny amin’ny Mpamorona ka tokony hanazava izany amin’ireo zanakao ianao. Manambara ny mpanao salamo hoe: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy. Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.” (17, 18. a) Ahoana no tokony hifehezan’ny ray ireo zanany? b) Inona moa no mandaitra kokoa noho ny fitsipika maro be?
17 Ny ray dia manana andraikitra koa hifehy ny zanany. “Fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?”, hoy ny fanontanian’ny Hebreo 12:7. Nefa tsy maintsy manao izany amim-pandanjalanjana izy, tsy amin’ny fanitsiana azy amim-pahasiahana loatra, satria mety hampahasosotra na hampahory ilay zaza izany. Manambara toy izao amin’ireo raim-pianakaviana ny Tenin’Andriamanitra: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Ilaina ny manorina fitsipika tsara, nefa mety hitranga amintsika indraindray ny mampitombo sy ny manitatra ireny amin’ny fomba tafahoatra, ka mahatonga ireny ho mavesatra sy manakivy ny ankizy.
18 Fahiny, ireo Fariseo dia tia fitsipika; nanangona maro aoka izany izy ireo ka namokatra taranaka mpihatsaravelatsihy. Iray amin’ny fahalemen’olombelona ny mieritreritra fa ampy ny manorina fitsipika vaovao mba handaminana ny zava-manahirana. Ny fanandramana eo amin’ny fiainana dia manaporofo fa ny fanohinana ny fo no fanafodiny. Aoka àry Hebreo 8:10.
ianao ho vitsy fitsipika ary miezaha kosa handentika fotopoto-pitsipika ao an-tsain’ireo zanakao, amin’ny fanahafana amin’izany ny fitsipi-pitondrantena narahin’Andriamanitra mihitsy izay nanambara hoe: “Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony”. —NY RAY SY NY RENY DIA MPINAMANA
19. Inona moa no azo atao mba hiarovana ny firindran’ny tokantrano?
19 Mandrakariva dia ny ray no mahazo ny volan’ny tokantrano. Rehefa tonga avy amin’ny asany izy, dia tsy isalasalana fa vizana ary angamba mbola misy asa hafa hotontosainy. Na dia izany aza dia ilainy ny manokana fotoana ho an’ny vady aman-janany, mba hahafahana mifampiresaka sy miresadresaka amin’ny ankohonany, manao volavolan-kevitra miaraka sy miala voly miaraka amin’izy ireo. Amin’izany no hanamafisany ny firaisana sy ny fifanampian’ny fianakaviana. Talohan’ny hiterahana ny lehilahy iray sy ny vadiny angamba dia nanana fahazarana nivoaka matetika. Nefa raha manohy manao toy izany izy, amin’ny fandehanana foana etsy sy eroa sy amin’ny fodiana diso aoriana loatra ny hariva, dia tsy ho azo lazaina fa miantsoroka amin’ny fomba mety ireo andraikiny amin’ny maha-ray aman-dreny izy. Tsy ara-drariny izany ho an’ny zanany. Na ho ela na ho haingana, ireny ray aman-dreny ireny dia tsy maintsy handoa ny vidin’ny fanaovany tsirambina sy ny tsy fiheverany. Ny ankizy, toy ny olon-dehibe dia mihatsara noho ny fiainana miorina mafy sy tsy miovaova izay manampy azy ireo hanana fahasalamana tsara ara-tsaina, ara-batana ary ara-pihetseham-po. Ny fanao mahazatra eo amin’ny fiainam-pianakaviana dia hitondra fikorontanana ka tsy ilain’ny ray aman-dreny ny manampy izany tsy amin’ny antony. — Ampitahao amin’ny Matio 6:34; Kolosiana 4:5.
20. Inona moa no azon’ny ray aman-dreny atao hampiraisana ny fiezahany mba hifehezana tsara ireo zanany?
20 Hiara-miasa ny ray sy ny reny eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny zanany, na mba hanabeazana azy, hanitsiana azy izany, na mba hanehoana fitiavana aminy. ‘Ny fianakaviana miady an-trano dia tsy haharitra.’ (Marka 3:25). Hanao tsara ny ray aman-dreny raha miara-midinika mialoha ny amin’ny karazam-pifehezana izay hampihariny amin’ireo zanany, ka izany dia hisoroka ny fampisehoana eo anoloan’ireo ny tsy fifanarahana sendra mitranga momba io raharaha io. Raha tsy mitandrina izany izy, dia hamporisika ireo zanany hanandrana ‘hampizarazara azy ireo mba hanjakana’. Indraindray ny iray amin’ny ray aman-dreny dia manao zavatra amim-pahamaikana loatra na koa ao anatin’ny fipoahan’ny fahatezerana ary manitsy amim-pahasiahana loatra zaza iray na manome azy sazy koa aza izay, rehefa nodinihina tsara, dia tsy mendrika ho an’ilay zaza. Amin’izay, ny ray aman-dreny dia angamba ho afaka hiara-midinika izany mitokana, avy eo ilay nanao zavatra tamin’ny fomba tsy voahevitra kely dia ho afaka ny hanapa-kevitra ny hanitsy mihitsy ny toe-javatra miaraka amin’ilay zaza. Na koa, raha tsy azo atao ny manao resadresaka mitokana, ny ray na ny reny, izay mihevitra fa hanao zavatra tsy ara-drariny izy raha miandany amin’ny vadiny, dia afaka milaza aminy toy izao, ohatra: “Takatro fa tezitra ianao ary, raha teo amin’ny toeranao aho, dia ho nanao toy izany koa, nefa tsy fantatrao angamba izao...” Dia azony hazavaina ny lafiny tsy takatry ny vadiny. Amin’ny fanaovana toy izany dia hampitony ireo saina izy sady tsy hampiseho ny tsy fifanarahany eo anatrehan’ilay zaza izay nahitsy. Izao no ambaran’ny bokin’ny Ohabolana momba izany: “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; fa ao amin’ny mino anatra no misy fahendrena.” — Ohabolana 13:10; jereo koa Mpitoriteny 7:8.
21. Moa ve ny fifehezana tokony ho raharahan’ny iray amin’ny ray aman-dreny fotsiny? Hamarino ny valinteninao.
21 Mampiseho ny Soratra hebreo fa ny fifehezana dia mihatra amin’ny alalan’ny asa roa: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. Manamafy indray io hevitra io ny Soratra grika kristiana amin’ny filazana hoe: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany.” Indraindray dia mihevitra ny ray fa anjaran’ny vadiny ny manitsy ny ankizy. Any an-toeran-kafa, dia ny reny no manana ny fomba fihevitra mifanohitra amin’izany ary mianina amin’ny filazana amin’ny toe-peo mandrahona amin’ny zanany izay manao hadalana hoe: “Andraso kely fa ho tonga ny rainao!” Nefa mba hahasambatra Ohabolana 1:8; Efesiana 6:1.
ny fianakaviana sy hifalian’ny ray sy ny reny amin’ny fitiavana sy ny fanajana ireo zanany, dia tokony samy hiantsoroka ny andraikiny hifehy ireo zanany izy mivady. —22. Rehefa manontany zavatra ny zaza iray, inona moa no tokony hohalavirina, ary nahoana?
22 Ilain’ireo ny mahatsapa fa ny ray aman-dreniny dia miara-miasa akaiky amin’io lafiny io sy manaiky an-tsitrapo samy hiantsoroka ny anjara andraikiny. Raha tahiny ilay zaza izay mangata-javatra mahare hatrany ny rainy mamaly azy hoe: “Andeha mangataka amin-dreninao”, na koa raha toa ny reniny mamela foana ny rainy handray ny fanapahan-kevitra, ilay vady izay voatery toy izany hilaza hoe “tsia” dia heverin’ilay zaza ho toy ny mpanakorontana. Marina aloha fa hitranga ny fitenenan’ny ray hoe: “Eny, afaka mandeha milalao any ivelany vetivety ianao, nefa anontanio aloha ny reninao hoe amin’ny firy no ho vonona ny sakafo.” Na koa, sady mahatsapa ny reny iray fa ara-dalàna ny fangatahan’ny zanany, no hihevitra izy fa tokony hanome ny heviny ny vadiny. Kanefa ny tsirairay avy aminy dia tokony hitandrina mba tsy hamporisihana na hanomezan-dalana ilay zaza hampitsangana ny rainy hanohitra ny reniny na ny mifanohitra amin’izany, mba hanatrarana ny zava-kendreny. Ankoatr’izany, ny vehivavy vady hendry iray dia hitandrina mba tsy hampihatra ny fahefany amin’ny toe-tsaina tia fifaninanana amin’ny fitadiavana, amin’ny alalan’ny fanomezan-javatra, hahazo ny tapany lehibe indrindra amin’ny firaiketam-pon’ilay zanany aminy fa hampihena ny hasehon’io amin’ny vadiny.
23. Ao amin’ny fianakaviana iray, moa ve ny ray ihany no mandray fanapahan-kevitra?
23 Raha ny marina, ny tsirairay amin’ny mpianakavy dia mety hanana ny anjara raharahany ka ao anatin’izany ny heviny dia mendrika hodinihina. Ny ray dia manana andraikitra handamina ireo raharaha mifandray amin’ny hahasoa ny ankohonany amin’ny ankapobeny, fanapahan-kevitra horaisiny matetika aorian’ny fiaraha-midinika izany amin’izy ireo sy amin’ny fiheverana ny faniriany sy ny zavatra tiany kokoa. Raha ny amin’ny reny dia izy no mandray ireo fanapahan-kevitra momba ny lakozia sy raharaha maro hafa Ohabolana 31:11, 27). Arakaraka ny hitomboan’ireo ankizy, no hanomezan-dalana azy handray fanapahan-kevitra sasany momba ny fialam-boliny sy ny fifidianany ny fitafiany na zavatra azy manokana. Nefa hitandrina ny ray aman-dreny mba tsy handika ny fotopoto-pitsipika tsara ny fanapahan-kevitr’ireo zanany, ary tsy hahatandindomin-doza ny tsy fananana ahiahin’ny ankizy na hanitsakitsaka ny zon’ny hafa. Toy izany no azon’ny ray aman-dreny ampianarana tsikelikely ny zanany handray fanapahan-kevitra.
mifandray amin’ny trano (RY Ray AMAN-DRENY, MOA VE MORA NY MANAJA ANAREO?
24. Koa satria ireo ankizy tokony hanaja ny ray sy ny reniny, inona moa no andraikitra apetrak’izany amin’ny ray aman-dreny?
24 Izao no voalaza ho an’ny ankizy: “Manajà ny ray sy ny reninao.” (Efesiana 6:2; Eksodosy 20:12). Amin’ny fanarahana an’io baiko io, dia manaja koa an’Andriamanitra izy ireo. Hamorainareo ve ny andraikitr’izy ireo? Angatahina amin’ny vehivavy ny hanome voninahitra sy ny hanaja ny vadiny. Moa ve tsy toa sarotra ho azy izany raha kely ny fiezahana ataon’ny lahy mba hanarahana izay angatahin’ny Tenin’Andriamanitra aminy? Ny lehilahy manambady indray dia tokony ho tia sy hanaja ny vadiny, amin’ny fiheverana azy ho toy ny namana malala. Nefa moa ve tsy sarotra izany raha tsy mety miara-miasa aminy ravehivavy? Ampio àry ireo zanakareo hankatò ny baikon’Andriamanitra izay mandidy azy mba hanaja anareo, dia ianareo ray aman-dreniny. Mba hahatongavana amin’izany, dia ataovy izay hahazoana ny fanajany, amin’ny fanaovana izay hiainany ao amin’ny tokantrano iray milamina sy tapahin’ny fotopoto-pitsipika tsara izay hananany ho ohatra ny fitondrantena tsaranareo, izay handraisany fampianarana sy fanabeazana mahasoa, ary hanitsiana azy amim-pitiavana indraindray.
25. Inona moa ny zava-manahirana mety hitranga rehefa misy ray aman-dreny tsy miray hevitra ny amin’ny fomba hitaizana ireo zanany?
25 Nanao izao fanamarihana izao i Solomona mpanjaka: “Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.” (Mpitoriteny 4:9). Raha miara-mandeha ny olona roa ka mianjera ny iray, dia eo ilay hafa mba hampiarina azy. Toy izany koa, ao amin’ny fianakaviana, ny mpivady dia afaka mifanohana sy mifamporisika hatrany eo amin’ny anjara asany avy. Koa satria mifampiditra ireo anjara asa ireo amin’ny lafiny maro, dia mafy orina ny firaisam-pianakaviana avy amin’izany. Ny ankizy tokoa mantsy dia tokony hampifanakaiky ny ray aman-dreny amin’ny fampiraisana azy ao amin’ny asa fanabeazana iray iombonana. Kanefa dia misy indraindray ny zava-manahirana rehefa tsy miray hevitra ny mpivady ny amin’ny fomba hitaizana sy hanitsiana zaza iray. Indraindray ny reny dia mikarakara an’ilay zaza aoka izany hany ka mahatsapa fa atao tsirambina ralehilahy ary mahatsiaro hasosorana mihitsy avy amin’izany aza. Angamba ho hita taratra eo amin’ny fihetsiny amin’ilay zaza izany: hitondra azy amim-pangatsiahana kely izy, na, ny mifanohitra amin’izany, haneho aminy firaiketam-po tena lehibe izy, nefa hampihena be ny fiheverana ny vadiny. Rehefa tsy ampy fandanjalanjana ny lehilahy manambady iray, na ny vadiny, ka tonga hatramin’izany, dia mety ho tena ratsy ny vokany.
26. Rehefa teraka ny zazakely iray izay tokony hanokanan-dreniny fotoana betsaka, inona moa no azo atao mba hisorohana ny fialonan’ilay zokiny?
26 Mety hipetraka ny zava-manahirana hafa iray amin’ny fahaterahan’ny zaza faharoa. Mazava ho azy fa ho variana aoka izany amin’ilay vao teraka ny reny. Mba tsy hahatsapan’ilay zokiny hoe tsy raharahaina izy ary mba tsy hahatongavany hialona, dia tokony hikarakara bebe kokoa azy ny ray.
27. Rehefa tsy mpino ny iray amin’ny mpivady, ahoana moa no azon’ilay mpino anampiana ny ankizy eo amin’ny ara-panahy?
27 Tsy isalasalana fa tsara ny roa noho ny iray, nefa tsara ny iray noho ny tsy misy. Indraindray ny toe-javatra dia mahatonga ny reny ho voatery mitaiza ny zanany tsy misy fiaraha-miasan’ny ray, raha tsy hoe ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Tokantrano maro no voazarazara amin’ny heviny ara-pivavahana rehefa ny iray monja amin’ny mpivady no mpanompon’i Jehovah Andriamanitra izay mametraka ny fitokisany feno amin’ireo torohevitry ny Baiboly. Rehefa ny lehilahy manambady no kristiana, amin’ny maha-loham-pianakaviana I Petera 3:1-4.
azy dia tena tsara toerana izy mba hitarihana ny fanabeazana sy ny fifehezana ny ankizy. Na dia izany aza anefa dia hilainy ny faharetana lehibe, ny fifehezan-tena ary ny fiaretana. Tokony ho hentitra izy amin’ireo raharaha lehibe, sady hiseho ho mandanjalanja sy tsara fanahy na dia rehefa ankasiahina aza, ary mahay milefitra isaky ny mamela hanao izany ny toe-javatra. Raha ny vehivavy, izay tokony hanaiky ny vadiny, no ilay vady mpino, ny fomba fanaovany zavatra dia hiankina be dia be amin’ny fihetsiky ny vadiny. Moa ve izy tsy miraika fotsiny amin’ny Baiboly, sa kosa toheriny ny hanarahan’ny vadiny ny kristianisma sy ny hampianarany izany ny zanany? Amin’ilay toe-javatra faharoa, dia tokony hanaraka ny lalana atoron’ny apostoly Petera izy, dia ny fiantsorohana ny anjara asany amin’ny maha-vehivavy vady amin’ny fomba faka tahaka sy hiseho ho feno fanajana, mba ‘ho voataona tsy amin’ny teny’ ny vadiny. Hohararaotiny koa ny fahafahana rehetra hatolotra azy mba hampianarana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly an’ireo zanany. —NY RIVO-PIAINANA AO AN-TOKANTRANO
28, 29. Karazan-drivo-piainana ara-pianakaviana manao ahoana moa no faniry, ary nahoana?
28 Ny anjara asan’ny ray, toy izany koa ny reny dia ny mampitombo ao an-tokantrano, rivo-piainana izay ahitana taratry ny fitiavana. Raha vitany izany, ireo zanany dia tsy hitahiry ho azy ny ahiahiny sy ny fahadisoany. Tsy hatahotra ny hiresaka izany aminy izy ireo, satria fantany fa azon’izy ireo atao ny mifampiresaka aminy, fa ho takatra ny fomba fihevitr’izy ireo ary ny ray aman-dreniny dia hihevitra ny zava-manahirana azy ireo amim-pahamoram-panahy (ampitahao amin’ny I Jaona 4:17-19; Hebreo 4:15, 16). Amin’izay, ny tokantrano dia tsy ho tafontrano iray fotsiny, fa ho fialofana iray izay hahitana ny firaiketam-pon’ny ray sy ny reny manamora ny fitomboana sy ny fivelaran’ny maha-izy an’ilay zaza.
29 Tsy azonao atao ny manatsoboka sipaonjy iray ao amin’ny vinaingitra ary hanantena ny hibontsinan’izany amin’ny rano. Tsy afaka mifoka afa-tsy ny ranon-javatra izay nandrobohana
azy izany. Ny ankizy koa dia mifoka ny rivo-piainana ao an-tokantrano. Mora andairan’ny toe-tsain’ireo izay manodidina azy izy, mandinika izay mitranga ao an-tokantrano izy ary, toy ny sipaonjy dia mifoka an’izany rehetra izany. Ny ankizy dia mahatsapa raha manana toetra mora sosotra ianao na tony sy milamina kosa. Satria ny zazakely aza andairan’ny rivo-piainana ao amin’ny fianakaviana, ny tokantrano iray izay anjakan’ny finoana, ny fitiavana, ny ara-panahy ary ny fitokisana an’i Jehovah Andriamanitra dia manana hasarobidy tsy hay tombanana.30. Fanontaniana inona moa no azon’ny ray aman-dreny apetraka amin’ny tenany mba hahalalana raha mitaiza tsara ny zanany izy?
30 Saintsaino ireto fanontaniana ireto: Sori-dalana ara-pitondrantena inona moa no irinao harahin’ny zanakao? Moa ve izany izay arahin’ny tenanao ihany? Inona moa no heverin’ny fianakaviana ho zava-dehibe? Ohatra inona moa no omenao ny zanakao? Moa ve ianao eo am-pitarainana, eo am-panakianana ny hafa ary eo am-pamerimberenana hevitra tsy manorina lalandava? Irinao ve ny hananan’ny zanakao fihetsika mitovy amin’izany? Moa kosa va ianao manaraka fotopoto-pitsipika tsara dia tsara ho an’ny fianakavianao? Manaraka izany ve ny tenanao mihitsy ary mampianatra izany an’ireo zanakao ve ianao? Takany ve fa mba hoanisan’ny fianakavianao dia tokony hameno fepetra sasany ilaina izy, fa ny fitondrantena toy izao dia azo ekena, fa ny fanao na ny fihetsika toy izao dia tsy azo ekena? Tian’ny ankizy ny mahatsapa ho tsy manana ahiahy, ary izany no mitranga rehefa mahatsapa izy ireny fa an’olona iray. Ataovy takany àry fa mankasitraka azy ianao ary manaiky azy rehefa manaraka ireo fotopoto-pitsipika izay mifehy ny fianakaviana izy. Mandrakariva ny olona no manaraka izay andrasana aminy. Raha manana fiheverana ratsy ny zanakao ianao, dia azo inoana fa hanamarina ny faminavinanao izy. Matokia azy àry, ampaherezo izy dia tsy handiso fanantenana anao.
31. Inona moa no tokony hanamafy hatrany ny tenin’ny ray aman-dreny?
31 Tsaraina bebe kokoa ny olona araka ny asany fa tsy araka ny teniny. Ny ankizy koa dia tsy mihevitra kokoa ny teny noho ny atao ary manamarika avy hatrany ny fihatsarambelatsihy I Jaona 3:18.
izy. Mety hampikorontan-tsaina ireo ankizy ny teny be dia be; aoka ho azonao antoka kosa fa mampihatra mihitsy ireo torohevitra izay omenao azy ny tenanao. —32. Ny torohevitr’iza moa no tokony harahina hatrany?
32 Na ray ianao na reny, ny anjara asanao dia ilàna fiezahana mafy. Nefa azonao tanterahina izany ary afaka mahazo vokatra tsara dia tsara ianao raha manaraka ireo torohevitr’ilay Loharanon’ny fiainana. Tontosay tsara ny anjara asanao toy ny ho Azy (Kolosiana 3:17). Halaviro ny fanaovan-javatra tafahoatra na amin’inona na amin’inona, mitoera ho mahay mandanjalanja ary “aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo”, ao anatin’izany ireo zanakareo. — Filipiana 4:5.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 100]
Amin’ny fijeriny, ny fanafosafoany ary ny toe-peony, ny reny iray dia mampahafantatra ny zanany kely fa tia azy fatratra izy.
[Sary, pejy 104]
Moa ve ianao mandamina fanaovan-javatra miaraka amin’ny zanakao?