Ny ankizy — andraikitra sy valisoa
Toko Faha-7
Ny ankizy — andraikitra sy valisoa
1-4. a) Inona no toetra manokana mahagaga sasany amin’ny fitomboan’ny zazakely iray ao an-kibon-dreniny? b) Amin’ny ahoana ny fahafantarana ireo zavatra ireo no manampy anao hankamamy ny Salamo 127:3?
NY FAHATSINJOVANA ny hiteraka ankizy dia sady mamelona fifaliana no miteraka fisaintsainana. Na dia fisehoan-javatra iray faran’izay mahazatra aza izany eto amin’izao tontolo izao, ny fahaterahana tsirairay anefa dia fiafaran’ny fiovaovan-javatra iray sarotra indrindra. Rehefa fantatsika kely ny fizotrany, dia takatsika tsaratsara kokoa ny antony nahatonga ny mpanao salamo iray nahazo tsindrimandry hihiaka hoe: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” (Salamo 127:3). Aoka hojerentsika izay mitranga.
2 Ny “spermatozoïde” iray avy amin’ny lehilahy dia mikambana amin’ny “ovule” avy amin’ny vehivavy mba hahaforona “cellule” iray ihany. Hizara izy io mba ho lasa roa, ary avy eo izany dia hizara mba ho lasa efatra, avy eo dia valo ary toy izany hatrany, ka izay “cellule” tokana ihany teo am-piandohana, amin’ny farany dia ho lasa olon-dehibe iray izay ny vatany, araka ny fanombantombanana, dia voaforon’ny “cellules” eo amin’ny 60 000 000 000 000. Teo am-piandohana, dia nitovy avokoa ireo “cellules” vaovao ireo, avy eo dia nanomboka niavaka ho “cellules” momba ny taolana, ny nofo na ny ozatra, ho “cellules” ao amin’ny aty, ny maso, ny hoditra, etsetra.
3 Afaka nanazava zava-miafina sasany mifandray amin’ny fitomboana sy ny fiavahan’ny “cellules” ny olona, nefa maro hafa no mbola tsy voazava. Araka izany, inona no mampanomboka ny fiovaovan’ny fizaran’ny “cellule”? Avy eo dia
manomboka miavaka ireo “cellules”. Inona no mahatonga io fisehoan-javatra io? Inona no mitarika ny fiforonan’ny antokon’ny “cellules” samihafa manana bika, refy ary asa manokana mba hahaforona taova, toy ny aty, ny orona na ankihiben-tongotra? Ireny fiovana ireny dia mitranga araka ny fitadidianandro iray voalahatra mialoha. Nefa inona no mandahatra azy io? Fanampin’izany, ny zaza torontoronina ao an-kibon’ny reny dia tena iray hafa izay manana ny lalàny manokana momba ny toetra. Araka izay tokony ho izy, ny tenan’olombelona dia manilika ny tenan-javatra hafa rehetra, toy izay mitranga amin’ny grefy eo amin’ny hoditra na ny famindrana taova. Nahoana ny tenan’ny reny no tsy manary io zaza torontoronina hafa dia hafa eo amin’ny toetra io, fa mamelona azy mandritra ny 280 andro eo ho eo?4 Izany fiovaovan-javatra mahatalanjona rehetra izany dia mizotra amin’ny fotoana voatendry satria Jehovah Andriamanitra nandahatra izany tao amin’ny “cellule” tokana voaforon’ny “spermatozoïde” iray sy ny “ovule” iray teo am-piandohana. Izany no asehon’ny mpanao salamo rehefa manambara izy hoe: “Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry [faritra rehetra aminy, MN]”. — Salamo 139:16.
FITOMBOANA SY FAHATERAHANA
5-8. Manonòna antsipiriany sasany mifandray amin’ny fitomboan’ny zaza any am-bohoka eo anelanelan’ny herinandro fahefatra sy ny fahaterahan’ilay zazakely.
5 Ny zaza torontoronina dia mitombo haingana. Rehefa afaka efatra herinandro izy dia manana atidoha, fitambaran-kozatra, fitaovana ikorianan’ny ra ary fo izay manosika ny ra sy mandefa azy any amin’ireo lalan-dra. Mandritra ny enina herinandro, ny ra dia amboarina ao amin’ny kitapo “vitellin” ambara-pisolon’ny aty azy amin’io asa io izay hiantsorohan’ny tsokan’ireo taolana amin’ny farany. Mandritra ny herinandro fahadimy, dia manomboka miforona ireo sandry sy ranjo, ary, telo herinandro atỳ aoriana, dia miseho ny rantsan-tanana sy ny rantsan-tongotra. Amin’ny faran’ny
herinandro fahafito, dia voaforona ireo nofo lehibe indrindra, ny maso, ny sofina, ny orona ary ny vava.6 Manampy toy izao ny mpanao salamo voatonona eo aloha: “Ny tenako [ny taolako, MN] tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho”. (Salamo 139:15). Mandritra ny herinandro fahasivy, ny taola-malemy dia manjary lasa taolana arakaraka ny iforonan’ny taolana rehetra, ary ilay zazakely ao an-kibon-dreniny dia tsy antsoina intsony hoe mbola torontoronina fa zaza any am-bohoka. “Fa Hianao no nahary ny voako”. (Salamo 139:13). Ny fiovaovan-javatra nomanin’Andriamanitra, izay mamela hahazo io vokany io, dia mitranga mandritra ny volana fahefatra, ary ny voa dia manomboka amin’izay manatatavana ny ra.
7 Amin’izay fotoana izay, dia mihetsika ilay zaza eo am-pitomboana, miolanolana, mamoritra ny rantsan-tanany sy ny rantsan-tongony rehefa mahare hitikitika ao amin’ny felatanany na eo amin’ny faladiany. Afaka manery zavatra eo anelanelan’ireo rantsan-tanany sy ny ankihibeny izy, manomboka mitsetsitra izany rahateo izy, ka mampiasa amin’izany ireo nofo izay hilainy mba hinonoana amin-dreniny. Mandre azy mibitaka ny reniny rehefa sendra tsakoahina izy. Amin’ny faran’ny volana fahenina, dia taova maro no azo lazaina hoe vita. Misokatra ny vavorona, miseho ny volomaso ambony, tsy ela dia hihiratra ny maso ary hiasa ny sofina, hany ka mety hampitsamboatra ny zaza mbola ao an-kibo ny tabataba mafy.
8 Rehefa afaka efapolo herinandro, dia manomboka ny fihetsehan-jaza. Mikainkona ny tranon-jaza ary miomana hiditra eo amin’izao tontolo izao ilay zazakely. Mandritra ny famoahana, dia mitranga indraindray ny hoe miharatsy bika ny lohan’ilay zaza, nefa satria tsy mbola voatambatra miaraka ireo taolan’ny karandoha, dia maka ny bikany ara-dalàna izany aorian’ny fahaterahana. Hatramin’izao, dia nanao ny zavatra rehetra ho an’ilay zazakely ny reny. Nanome azy ny “oxygène” izy, ny sakafo, ny fiarovana ary ny hafanana izay nilainy, ary niahy mihitsy ny amin’ny fanariana sisan-javatra. Izao ny vatan’ilay zaza dia tokony hanomboka hiasa tsy miankina ary avy hatrany, raha tsy izany dia ho faty izy.
9. Inona moa ireo fiovana tokony hitranga haingana mba hahafahan’ny zazakely iray ho velona any ivelan’ny kibon-dreniny?
9 Ilay zaza vao teraka dia tokony hanomboka hiaina mba hahatonga ny avokavony hanome “oxygène” ho an’ny rany. Nefa mba hahatanterahan’izany, dia misy fanovana mampitolagaga tokony hitranga eo no ho eo: tsy maintsy manaraka lalana vaovao iray ny ran’ilay zaza. Raha mbola ao an-kibon-dreniny ny zaza, ny rindrina misy lavaka, izay mampisaraka ny tapany ankavanana amin’ny tapany ankavia amin’ny fo, dia misakana tapany betsaka amin’ny ra tsy hikoriana mankany amin’ny avokavoka. Raha ny amin’ny ra izay mankany ihany na dia izany aza, izy io amin’ny ankabeazany dia manaraka lalana mivily, dia lalan-dra goavana iray, ka mahatonga ny avokavoka tsy handray afa-tsy eo amin’ny folo isan-jato amin’ny habetsahan’ny ra ao amin’ny zaza ao an-kibo izany. Nefa aorian’ny fahaterahana avy hatrany, dia tsy maintsy mandalo ao amin’ny avokavoka izao ny ra rehetran’ilay zaza vao teraka. Izany no antony, ao anatin’ireo segondra manaraka, ifintinan’ilay lalan-dra goavana izay nampivily ny ra tsy ho any amin’ny avokavoka, ka izany dia manokatra ny fikorianan’ny ra mankany amin’ny avokavoka. Amin’io fotoana io ihany, dia mikatona ilay lavaka teo amin’ny rindrin’ny fo, ary ny ra rehetra izay nampakarin’ny ilany ankavanan’ny fo dia alefa mankany amin’ny avokavoka izao mba handray “oxygène”. Miaina ilay zazakely, mandray “oxygène” ny ra. Nisy fiovana mampitolagaga nitranga, ary miaina ilay zaza. Amin’ny fomba kanto no amintinan’ny mpanao salamo teo ihany amin’izao teny izao izany fiovaovan-javatra rehetra izany: “Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy”. —10. Rehefa jerena ny fomba mahatalanjona itomboan’ilay zazakely ao an-kibon-dreniny, fihetseham-po inona moa no tokony ho tsapan’ny ray aman-dreny amin’ny zanany?
10 Amin’ny fankasitrahana toy inona moa no tokony hiheveran’ny lehilahy iray sy ny vadiny an’io fanomezan’i Jehovah io, dia ny fahafahana miteraka zavaboary olombelona vaovao iray, zaza iray izay silak’izy ireo mihitsy nefa miavaka
ihany koa! “Lova avy amin’i Jehovah” marina tokoa izany.KOLOKOLOY IO “LOVA” IO
11. Fanontaniana inona avy moa no tokony hapetrak’ireo izay mikasa ny hanan-janaka iray amin’ny tenany, ary nahoana?
11 Tsy noho ny raharaha ara-pitondrantena fotsiny no nanomezan’i Jehovah didy fa ny mpivady ihany no ho afaka hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Nieritreritra koa an’ireo zaza hateraka izy, satria ireo mila ray iray sy reny iray izay mifankatia ary mankamamy ny taranany. Ilain’izy ireo koa ny hafanana sy ny tsy fananana ahiahy ao amin’ny tokantrano iray handraisan’ny ray aman-dreniny azy amim-pifaliana sy hanomezany azy ireo ny toe-javatra manodidina ilaina amin’ny fitomboany sy ny fandrosoan’ny maha-izy azy. Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mikasa ny hanan-janaka dia tokony hametraka amin’ny tenany ireto fanontaniana ireto: Maniry marina tokoa azy io ve isika? Afaka hanome izay ilainy rehetra ve isika, tsy ny ara-nofo fotsiny fa ny ara-piraiketam-po sy ara-panahy koa? Ho haintsika ve ny hitaiza azy amin’ny fomba mety sy ny hanome azy ny ohatra tsara? Vonona hiantsoroka ireo andraikitra vokatry ny fahaterahan’ny zaza sy hanaiky ny fahafoizan-tena tafiditra amin’izany ve isika? Fony zaza isika, dia angamba nieritreritra ho toa nampijalin’ny ray aman-drenintsika, nefa rehefa tonga ray aman-dreny mihitsy isika, dia hitantsika hoe hatraiza no maha-raharaha sarotra ny fitaizan-jaza. Andraikitra lehibe àry izany, nefa dia mitondra fifaliana lehibe koa.
12-14. Nahoana moa ny vehivavy bevohoka iray no mandray anjara amin’ny fitomboana tsaran’ny zaza ao an-kibony a) amin’ny fitandremana ny sakafony? b) amin’ny fifadiana alkaola, sigara na paraky ary zavatra mahankona? d) amin’ny fifehezana ny fihetseham-pony?
12 Indro fa bevohoka ianao, na satria ianao sy ny vadinao nanapa-kevitra ny ho tonga amin’izany, na taorian’ny toe-javatra biolozika tsotra fotsiny. Tsy maintsy manomboka mikarakara sahady an’io “lova avy amin’i Jehovah” io ianao. Hitandrina ianao mba hihinana sakafo sasany ary hifady hafa na koa tsy hihinana amin’izany afa-tsy kely dia kely. * dia zava-dehibe, satria, ao an-kibon-dreniny, ilay zazakely dia manangona vy ho fitsinjovana ireo enim-bolana voalohany hanaraka ny fahaterahany. Tokony hihinana ronono (na fromazy) bebe kokoa ianao mba hanomezana ho an’ny zanakao ny sokay ilaina amin’ny fiforonan’ny taolany rehetra. Ny fihinanana amin’ny fomba antonony sakafo be “hydrates de carbone” * dia hisakana anao tsy hitombo lanja be loatra. Tsy isalasalana fa hihinana ho an’olon-droa ianao, nefa ny iray amin’izy roa dia bitika.
Ireo sakafo be vy13 Angamba tokony hitandrina zavatra hafa ianao, araka ny fahazaranao. Araka izany, satria ny alkaola hanin’ny reny mandalo ao amin’ny zaza mbola any am-bohoka, dia tokony hisotro amim-pahalalana onony izy, satria ny fampiasana tafahoatra zava-pisotro misy alkaola dia mety hitarika fahavoazana ara-batana na fahavotsan-tsaina eo amin’ny zanany. Misy zazakely teraka tao anatin’ny fahamamoana satria mpisotro alkaola ny reniny. Raha mifoka ny reny, dia hampiditra “nicotine” ao amin’ny ran’ilay zaza mbola any am-bohoka, ka izany dia manolo ny “oxygène” ao amin’ny rany amin’ny gaza karibonika. Araka izany, alohan’ny hahaterahana, ny zaza iray dia efa mety hanary ny fanantenana rehetra hifaly amin’ny fahasalamana tsara. Ny zaza afaka sy maty eo am-pahaterahana dia fahita matetika kokoa eo amin’ny vehivavy izay mifoka. Ny reny izay mampiasa zavatra mahankona dia mety hiteraka zaza ho zatra zavatra mahankona. Na dia ny fanafody sasany tsy mitarika filana azy foana aza dia mety hampidi-doza ary hiteraka kilema ara-batana eo amin’ilay zaza. Mihevitra mihitsy aza ny sasany fa ny fisotroana kafe tafahoatra dia mety hisy vokany manimba.
14 Fanampin’izany, ny fihetseham-po mafy dia mety hanafaingana ny famoahana “hormones” eo amin’ny reny ary noho izany, dia hanaitra ny zaza mbola ao am-bohoka, ka hahatonga ilay zaza vao teraka hikofokofoka sy ho sorisorena izany. Marina aloha fa ny zaza any am-bohoka dia voaro ao anatin’ny kibon-dreniny, nefa tsy tokony hinoana fa tafasaraka tanteraka amin’izao tontolo izao manodidina I Samoela 4:19.
azy izy. Manan-kery eo aminy izany amin’ny alalan’ny reniny. Amin’ny maha-hany mpampifandray azy amin’izao tontolo izao any ivelany, dia anjaran-dreniny indrindra ny manapa-kevitra na ho tsara izany hery izany na ho ratsy. Ny zava-drehetra dia miankina amin’ny fomba ikarakarany ny tenany, ary koa amin’ny fihetsiny eo anoloan’ny fisehoan-javatra eo amin’ny fiainana. Mazava ho azy fa amin’izay izy dia hila ny fiaraha-miasan’ireo izay manodidina azy, ary indrindra fa fitiavana sy fiheverana be dia be avy amin’ny vadiny. — Ampitahao amin’nyFANAPAHAN-KEVITRA TSY MAINTSY RAISINA
15, 16. Fanapahan-kevitra inona moa no angamba tokony horaisina momba ny toerana hahaterahana sy ny fomba hampiasaina?
15 Hateraka any amin’ny hopitaly sa ao an-trano ny zanakao? Tsy afaka misafidy foana hatrany ny tena. Any amin’ny toerana maro tokoa dia angamba tsy misy hopitaly eo akaiky. Any an-toeran-kafa kosa, dia zavatra maningana ny fiterahana ao an-tranon’ny tena rehefa jerena ny loza mety hoentin’izany raha tsy manana ny fanampian’olona za-draharaha, indrindra fa ireo mpampivelona, ny tena. Na aiza na aiza azo anaovana izany, dia tsaratsara kokoa ny handinihan’ny mpitsabo tsy tapaka ny vehivavy iray mandritra ny fananany anaka, mba hahafantarana raha tokony hanampo fiterahana ara-dalàna izy na fahasarotam-piterahana.
16 Hiteraka eo ambany fanatoranana ve ianao sa amin’ny fomba voajanahary? Anjaranao sy ny vadinao ny manapa-kevitra ny amin’izany rehefa avy nandanjalanja ny lafy tsara sy ny lafy ratsiny. Amin’ny fiterahana voajanahary, ny lehilahy vady dia afaka mandray anjara amin’io fitrangan-javatra lehibe io ary apetraka avy hatrany eo akaikin-dreniny ilay zazakely. Mihevitra ny sasany fa tombontsoa azo tombanana izany, raha manondro ny fandinihana ara-pitsaboana fa hitranga tsy misy fahasarotany ny fahaterahana. Misy mpanao fikarohana miombon-kevitra fa ireo zazakely izay teraka ao anatin’ny toe-piainana milamin’ny fiterahana voajanahary dia mahita zava-manahirana ara-piraiketam-po sy fikorontanana ara-tsaina miteraka aretina ara-batana kely kokoa.
17-19. Araka ny fandinihana sasany, nahoana moa no mahasoa ny hanankinana ilay zaza amin’ny reniny haingana araka izay azo atao aorian’ny fahaterahany?
17 Ny gazety Psychology Today tamin’ny desambra 1977 dia nilaza hoe:
“Ireo mpandinika toe-tsaina dia mahafantatra hatramin’ny am-polo taona maro fa ny taona voalohany eo amin’ny fiainan’ny zazakely iray dia mety hisy vokany maharitra eo amin’ny fitomboany aoriana, na ara-tsaina izany na ara-batana. Hita ankehitriny fa ny andro voalohan’ilay zaza (angamba aza ny ora voalohany iainany) dia zava-dehibe toy izany koa. Ny fatorana ara-piraiketam-po izay aorin’ilay reny amin’ny zanany sy ny karazam-pikarakarana atombony omena azy dia zava-dehibe indrindra aorian’ny fiterahana. Misy fandinihana natao vao haingana mampiseho koa fa ireo ora voalohandohany ireo dia mandray anjara lehibe eo amin’ny fihetsika harahin’ilay reny eo anoloan’ny zanany sy eo amin’ny herin’ny fifikirany aminy sy ny fomban’ny reny.”
18 Raha tsy nampiharana fanatoranana ankapobeny ny reny tamin’ny fotoan’ny fiterahana, ny zazakely dia hifoha tsara, hampihiratra ny masony izy hijery manodidina azy, hanaraka ny fihetsehan’ireo izay manodidina azy, hitodika any amin’ny feon’olona ary ho mora taitra indrindra amin’ny faneno maranitry ny feom-behivavy. Afaka manorina haingana fifandraisana eo amin’ny fijery ny reny sy ny zanaka. Toa zava-dehibe izany, satria nandritra ny fandinihana sasany, dia reny maro no nanambara fa raha vao nijery azy ny zanakeliny, dia nahatsapa ho akaiky be kokoa azy izy ireny. Heverina koa fa ny fifampikasihana ara-batana, hoditra manolo-koditra, eo amin’ny reny sy ny zanaka, aorian’ny fahaterahana avy hatrany, dia mahasoa ho an’ny andaniny roa.
19 Misy mpanao fikarohana manamafy fa ny antony mahatonga eo amin’ny ankizy fikorontanana sasany izay ilàna fikarakarana dia miandoha amin’ireo ora voalohandohany eo amin’ny fiainana. Tamin’ny fampitahana ankizy teraka tany amin’ny hopitaly, izay mandrakariva itazonana ireo zaza vao teraka mihataka amin’ny reniny, amin’ny hafa izay napetraka avy hatrany teo anilan’ny reniny, dia nomarihina
fa rehefa afaka iray volana dia nihasalama kokoa ireto farany. Ny gazety Psychology Today dia manambara hoe: “Ny mbola manaitra kokoa, dia ny hoe rehefa dimy taona, ireo zaza izay nandray tombony tamin’ny fifampikasihana maharitra tamin’ny reniny dia nanana fahaizana ara-tsaina ambony kokoa ary nahazo vokatra tsaratsara kokoa tamin’ny fitsapana momba ny fahakingam-pitenenana noho ireo ankizy nokarakaraina araka ny fomba mahazatra ao amin’ny trano fampiterahana.”20. Inona moa no tokony hotadidiana ao an-tsaina mba handraisana fanapahan-kevitra tsara?
20 Kanefa, alohan’ny handraisan’ny tena fanapahan-kevitra, dia mety ny handanjalanjana tsara ireo lafin-javatra samihafa tafiditra. Tsy tokony hohadinoina fa ireo ray aman-drenintsika voalohany dia namindra tamintsika ny tsy fahalavorariana. Izany zava-misy izany dia tsy maintsy manaisotra amin’izao andro izao amin’ny “fiterahana voajanahary”, tapany amin’ny maha-voajanahary azy, ary ny kilema nolovana dia mety hitarika fahasarotan-javatra (Genesisy 3:16; 35:16-19; 38:27-29). Raiso àry ny fanapahan-kevitrao amin’ny fiheverana ny toe-javatra miseho aminao manokana sy araka izay toa hitanao fa fahendrena indrindra ho anao, na mifanitsy na tsia amin’ny fiterahana “tsara indrindra” derain’ny sasany izany.
21, 22. Inona moa no sasantsasany amin’ireo tombontsoa entin’ny fampinonoan’ny reny?
21 Hampinono ny zanakao ve ianao? Misy tombony maro io fanao io ho anao sy ny zanakao. Ny rononon-dreny tokoa mantsy no sakafo tsara indrindra ho an’ilay zaza vao teraka. Mora levonina izy ary manome azy ny foto-javatra izay hiaro azy amin’ny areti-mifindra, ny fikorontanan-tsinay ary ny aretina mahakasika ny lalan-drivotra. Amin’ireo andro voalohany manaraka ny fiterahana, ireo nono dia mamoaka “colostrum”, ranon-javatra mavomavo tena mahasoa indrindra ho an’ilay vao teraka satria 1) kely dia kely ny tenan-javatra matavy sy ny “hydrates de carbone” ao anatiny ary 2) ny asany miaro amin’ny aretina dia lehibe kokoa noho ny an’ny ronono izay havoakan’ilay reny rehefa afaka andro vitsivitsy ary 3) somary mampivalana izy io, ka
izany dia manamora ny famoahana ireo “cellules”, ireo tsiloliloly ary ny ranon’afero izay niangona tao amin’ny tsinain’ilay zazakely talohan’ny hahaterahany.22 Ireo reny izay mampinono ny zanany dia mandray soa koa. Mampihena ny loza ny amin’ny fandehanan’ny ra be loatra ny fampinonoan’ny reny satria ny fitsentsefan’ilay zazakely dia mampikainkona ny tranon-jaza. Ny fitsentsefana dia misy tombony koa satria mampiforona haingana ny ronono, hany ka nahita ny reny maro izay natahotra ny tsy ho ampy nono fa namokatra izany tamin’ny fomba ampy izy. Ny fampinonoana indraindray dia mety hampihemotra ny fahavokaran’ny “ovule” indray sy ny fotoan’ny fadimbolana, noho izany dia miasa amin’ny lafiny sasany ho toy ny tsy fampiterahana voajanahary. Fanampin’izany, ny Fikambanana amerikana miady amin’ny homamiadana dia manambara fa “vitsy kokoa ny voan’ny homamiadana amin’ny nono eo amin’ireo reny izay mampinono”. Farany, ny fampinonoana dia tsy andaniam-bola be.
NY FITOMBOAN’NY ZAZAKELY — AHOANA NO HITARIHANAO NY ZANA-TSIPÌKA?
23. Fotopoto-pitsipika inona mifandray amin’ny fanabeazan-jaza moa no tiana holazaina ao amin’ny Salamo 127:4, 5?
23 “Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny” (Salamo 127:4, 5). Ny vidin’ny zana-tsipìka iray dia miankina amin’ny fahamarinan’ny fanamboaran’ilay mpandefa zana-tsipìka azy. Tokony ho tena mampifantoka ny sainy sy kinga izy io mba handefasana izany ao amin’ny zava-kendreny. Toy izany koa, dia tena zava-dehibe, amin’ny maha-ray aman-dreny anareo, ny hieritreretanareo amim-pahendrena, sady mivavaka amin’Andriamanitra, ny amin’ny fanombohana homenareo ny zanakareo. Any aoriana any, moa ve izy ho tonga olon-dehibe mijoro tsara, matotra sy hajaina, izay hanome voninahitra ny Andriamaniny?
24. a) Karazana rivo-piainana ara-pianakaviana inona moa no tokony hiezahan’ny ray aman-dreny hoforonina ho an’ny zanany? b) Nahoana moa no zava-dehibe izany?
Efesiana 4:31, 32.) Na toy inona izany na toy inona, ny rivo-piainana ao amin’ny fianakaviana dia ho hita taratra eo amin’ilay zaza. Ataovy àry izay hitomboany ao amin’ny izao tontolo izao iray milamina sy azo antoka, ao amin’ny rivo-piainana mafana sy feno fitiavana. Ireo toe-piainana tsara rehetra ireo dia hanamarika an’ilay zaza tiana amim-piraiketam-po ary hamolavola ny fahatsiarovany. Ho mora mandray ireo fihetseham-ponao izy ary hanaraka ny ohatrao. Ireo lalàn’ny fandovan-toetra nomanin’ny Mpamorona antsika dia namela an’ilay zaza hitombo amin’ny fomba mahatalanjona tao an-kibon-dreniny, nefa ahoana no hamolavolanao azy izao rehefa ho niditra eo amin’izao tontolo izao izy? Hiankina be tokoa amin’ny rivo-piainana ao an-tokantrano hoforoninao izany, satria izany no hamaritra, tsy misy hafa amin’ny toetoetra lovain’ilay zaza avy amin’ny ray aman-dreny, izay ho avin’izy io rehefa ho tonga olon-dehibe izy. “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” — Ohabolana 22:6.
24 Alohan’ny hahaterahan’ilay zaza mihitsy no tokony horaisina ny fanapahan-kevitra sasany mifandray amin’ny fikarakarana sy ny fanabeazana izay homena azy. Raha ny amin’ny zaza voalohany, dia ny ray aman-dreniny no saika mahaforona ny izao rehetra izao manontolony. Nefa hanao ahoana io izao rehetra izao io? Moa ve izany hampiseho miharihary fa ireo ray aman-dreny dia nandray am-po izao torohevitra manaraka izao, omen’ny Tenin’Andriamanitra: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy”? (25, 26. Nahoana moa no mety ny hanokanan’ny ray aman-dreny fotoana sy fikarakarana betsaka ho an’ny zanany?
25 Na ny lehilahy na ny vehivavy dia tsy afaka mamokatra singan-dravi-maitso kely akory, nefa izy roa dia afaka miteraka
olombelona hafa iray, zavaboary iray be kojakojany tsy misy fetra ary miavaka amin’ny olombelona hafa rehetra eto an-tany. Zava-bita mahatalanjona aoka izany izy io hany ka toa tsy mampino ny fisian’olona maro tsy mankasitraka amin’izao andro izao ny maha-masina ny andraikitra avy amin’izany. Mamboly voninkazo izy, manondraka azy, manisy zezika aminy, miava azy, izany rehetra izany dia amin’ny fikendrena hanana zaridaina tsara tarehy iray. Moa ve isika tsy tokony hanokana fotoana betsaka lavitra sy hanao fiezahana bebe kokoa ihany mba hamokarana zaza tsara tarehy?26 Raha manana zo hanan-janaka ny mpivady iray, ireo ankizy koa dia manana zo hanana ray aman-dreny tsy hoe amin’ny anarana fotsiny, fa miantsoroka marina tokoa ireo andraikiny koa. Ny kristiana iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra angamba dia hanokana betsaka amin’ny fotoanany sy ny heriny mba hampianarana Baiboly ny olon-kafa amin’ny fanantenana ny hanao mpianatra, kanefa tsy mahatratra izany foana akory. Moa ve ireo ray aman-dreny kristiana tsy tokony hanokana fotoana misimisy kokoa mba ‘hitaizana ny zanaky ny tenany ao amin’ny fifehezana sy ny fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah’? (Efesiana 6:4, MN.) Raha toa, noho ny fanabeazana azy, ka tonga mpanompo mahatokin’i Jehovah Andriamanitra, Loharanon’ny fiainana, ny zanany, moa ve izy ireo tsy hanana antony tsara hifaliana? Amin’izay, dia tsy isalasalana fa hahatsapa fihetseham-po ho novalian-tsoa be dia be tokoa izy noho ny niterahana zazalahy iray na zazavavy iray. — Ohabolana 23:24, 25.
27. Eo am-pitarihana ny fitomboan’ny zaza iray, nahoana moa no tokony hoheverina ny maha-izy azy?
27 Ao amin’ny Salamo 128:3, ireo ankizy dia ampitahaina amin’ny zanak’oliva. Izao no vakintsika: “Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao, ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao.” Azo atao ny mampaka bika samihafa ny hazo. Ny sasany maniry mandady amin’ny rindrina; ny hafa misandrahaka amin’ny tany. Azo atao aza ny manao izay hijanonan’ny hazo sasany ho kely sy botry amin’ny fikikisana ny fakany sy amin’ny fanerena azy, toy ny “bonsais” ohatra. Mba hampisehoana hoe hatraiza ny fanabeazana voalohany no misy asany eo amin’ny famolavolana ny zaza iray, dia hoy ny sasany: “Toy ny bikan’ny tsimoka, dia toy izany koa ny bikan’ny hazo.” Nefa ilaina ny hahay hampifandanja zavatra amin’io lafiny io. Raha tokony hitarika ilay zaza ny ray aman-dreny mba hanarahany fitsipika ara-pitondrantena tsara, dia tsy tokony hanantena anefa izy hoe hifanitsy tanteraka amin’ny tarigetra novolavolain’izy ireo momba azy ny maha-izy azy sy ny fitondrantenany. Tsy afaka mampamokatra aviavy sy hazo oliva iray ianao. Ampianaro hanao ny tsara ny zanakao, nefa aza mitady hamolavola azy an-tery araka ny lasitra iray voafaritra mialoha izay tsy hamela na ny maha-izy azy na ny toetrany raiki-tapisaka hiseho amin’ny fomba ara-dalàna. Makà fotoana hianarana hahafantatra io zaza izay naterakareo io. Avy eo, toy ny hoe hazo madinika marefo iray izany, dia tariho amin’ny fomba hentitrentitra izy mba ho voaro sy voahazona ao amin’ny lalana tsara, nefa amin’ny fahaiza-milefitra antonona mba tsy hanakana ny fivelarana fenon’ireo fahaizany hanao ny tsara.
VALISOA AVY AMIN’I JEHOVAH
28. Fianarana inona moa no azontsika tsoahina avy amin’ny Genesisy 33:5, 13, 14 izay iresahana ny amin’ny fihetsik’i Jakoba tamin’ireo zanany?
28 Tamin’ny andro fahiny, Jakoba dia nampiseho fa niahy ny zanany izy. Rehefa nanipy hevitra taminy i Esao rahalahiny mba hanao dia izay ny hafaingany dia natahorana ho haingana loatra ho an’ny ankizy, dia hoy Jakoba taminy: “Fantatr’itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman-osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman-osy rehetra. Trarantitra hianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ny omby aman-ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ny zaza”. Eo aloha kely, rehefa nifanena tamin’i Esao izy ka nanontany azy izy hoe: “Iza moa ireto miaraka aminao ireto?”, dia namaly Jakoba hoe: “Ny zaza izay nomen’Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany” Genesisy 33:5, 13, 14). Amin’izao androntsika izao, ny ray aman-dreny dia tsy hoe tokony hanana fiheverana amim-piraiketam-po an’ireo zanany toy ny nataon’i Jakoba fotsiny, fa sahala aminy, dia hihevitra azy ireny ho toy ny fitahiana avy amin’i Jehovah koa izy. Miharihary fa alohan’ny hanambadiana, ny lehilahy iray dia tokony hanontany tena amin’ny fomba lalina mba hahafantarana raha ho afaka hanome izay ilain’ny fianakaviana iray izy. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Amboary ny asanao any ivelany, ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao hianao.” Mifanaraka amin’io torohevitra mahasoa io, ny lehilahy iray dia tokony hiomana mialoha mba hahita fahombiazana eo amin’ny fanambadiany sy ny fiainam-pianakaviany. Amin’izay, na dia ny fananana anaka tsy nampoizina aza dia horaisina amim-pifaliana fa tsy hatahorana ho toy ny andraikitra ara-bola mavesatra loatra.
(29. Nahoana moa no ilaina ny hieritreretana amin’ny fomba lalina alohan’ny hanapahana hevitra fa hanana zaza iray?
29 Mazava fa tokony hieritreritra lalina alohan’ny hanapahana hevitra hoe hanan-janaka iray, ary tsy amin’ny voalohan-teraka fotsiny. Moa ve ny ray aman-dreny sahirana mamelona, mitaiza ary manabe ireo zaza izay efa ananany? Amin’izay, raha manaja ny Mpamorona azy izy ary raha manana fitiavana, dia azo antoka fa hieritreritra ny amin’ny fomba azony ifehezana ny tenany mba hampiadanana ny fitomboan’ny fianakaviany.
30. a) Nahoana moa no azo lazaina fa an’Andriamanitra ny zaza iray raha ny marina? b) Amin’ny ahoana izany no tokony hanan-kery eo amin’ny fihetsiky ny ray aman-dreny?
30 Raha ny marina, an’iza moa ny zanakao? Tsy isalasalana fa anao, nefa koa an’ny Mpamorona. Nankininy taminao izany, sahala amin’ny nanankinany anao, fony zaza, tamin’ny ray aman-dreninao. Nefa tsy tena fananan’ny ray aman-dreninao ianao, ary tsy nanana fahalalahana nitondra anao tamin’izay tiany izy. Amin’io heviny io, ny zanakao dia tsy fanananao koa. Tsy afaka manapaka ny fotoana marin’ny fahatorontoronina ny ray aman-dreny na mitarika ny fitomboan’ny zaza ao an-kibon-dreniny. Tsy afaka mahita Salamo 139:13, 15; Mpitoriteny 11:5). Raha sanatria, noho ny antony ara-batana iray, ka tsy tonga ara-dalàna ilay zaza na koa maty eo am-piterahana azy, ny ray aman-dreny dia tsy afaka mamerina azy ho amin’ny fiainana. Tokony hiaiky amim-panetren-tena izy fa Andriamanitra no Loharanon’ny fiainana rehetra ary azy isika. “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.” — Salamo 24:1.
akory na mahatakatra amin’ny fomba feno ny fiovaovan-javatra mahavariana tafiditra amin’izany izy ireo (31, 32. a) Manana andraikitra inona moa ny ray aman-dreny eo anatrehan’Andriamanitra? b) Inona no ho vokany raha miantsoroka izany andraikitra izany amin’ny fomba mety izy?
31 Tompon’andraikitra amin’ireo zaza aterakao ianao ary hampamoahin’ny Mpamorona koa ny amin’ny fomba nitaizanao azy. Rehefa namorona ny tany mba honenana izy, dia nametraka tao amin’ireo ray aman-drenintsika voalohany ny fahafahana hiteraka. Nefa rehefa nanda an’Andriamanitra izy ireo, dia niandany tamin’ilay Fahavalo izay nanohitra ny fahamarinan’ny fanapahan’Andriamanitra teo amin’ny fianakaviany voaforon’ny zavaboary any an-danitra sy eto an-tany. Raha mitaiza ireo zanakao mba hahatongavany ho olon-dehibe tsy mivadika amin’ny Mpamorona azy ianao, dia ho afaka, ianao sy ny fianakavianao, hanaporofo fa mpandainga ilay Fahavalo ary marina Jehovah Andriamanitra. Mamaky toy izao tokoa isika ao amin’ny Ohabolana 27:11: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”
32 Raha miantsoroka ireo adidinao amin’ny zanakao sy ny andraikitrao amin’Andriamanitra ianao, dia hahatsapa fa nahatanteraka marina tokoa zavatra iray teo amin’ny fiainanao. Ho azonao raisina amim-pahatsorana ho anao ireto teny voamariky ny fankasitrahana voarakitra ao amin’ny Salamo 127:3 ireto: “Tamby [valisoa, MN] ny ateraky ny kibo.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 12 Ohatra, ny hena sy ny anana lena na tsy be tavolo.
^ feh. 12 Ny zavatra be tavolo sy siramamy.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 93]
Ny fifandraisana akaiky amin’izao fotoana izao dia hisoroka ny hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka any aoriana.