Ny fanalahidin’ny fahasambaram-pianakaviana
Toko Voalohany
Ny fanalahidin’ny fahasambaram-pianakaviana
1, 2. Inona no mety ho hitantsika eo anivon’ny fianakaviana iray tafaray? Inona avy àry no fanontaniana mipetraka?
ZAVATRA maro ilain’ny olombelona mba hahasambatra azy no azo omena fahafaham-po ao anatin’ny faritry ny fianakaviana. Ao no mety hahitantsika ireo zavatra izay ara-dalàna ny aniriantsika rehetra azy fatratra: ny fahatsapana fa ilaina, ankasitrahina, tiana ny tena. Ny fifandraisana mafana ao amin’ny fianakaviana dia afaka mameno ireo faniriana ireo amin’ny fomba mahatalanjona. Afaka miteraka rivo-pitokisana, fahatakarana ny hevitry ny hafa ary fangorahana izany. Amin’izay ny tokantrano dia tonga tena fialofam-piadanana amin’ny fahasahiranana sy ny fikorontanana any ivelany. Afaka mahatsapa tsy fananana ahiahy ny ankizy ary afaka mivelatra amin’ny heriny feno ny maha-izy azy ireo.
2 Izany no fiainam-pianakaviana tiantsika ho hita sy hiainana. Nefa tsy misy amin’izany tonga ho azy avy hatrany. Ahoana no mety hahatrarana izany? Nahoana moa ny fiainam-pianakaviana no ao anatin’ny fahasahiranana lalina aoka izany any amin’ny faritra maro eto ambonin’ny tany? Inona no manampy mba hahitana ny fahasambarana eo anivon’ny fianakaviana? Inona no tokony hatao mba hanjaka ao ny rivo-piainana mafana sy ny firaisan-tsaina?
3. Inona no asehon’ny Tantara raha ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana?
3 Manana antony tsara hiahiana lalina ny fahasambarana sy ny fahombiazan’ny fianakavianao ianao. Raha milazalaza ny maha-zava-dehibe ny faritry ny fianakaviana ny “encyclopédie” iray (The World Book Encyclopedia, 1973) dia manao hoe:
“Ny fianakaviana no fandaharan’olombelona tranainy
indrindra. Amin’ny lafiny maro dia izy no lehibe indrindra. Io no fototra voalohany iorenan’ny fitambaran’olona. Sivilizasiona manontolo maro no mbola velona ihany na nanjavona, arakaraka ny nampahatanjaka na nampahalemy ny fiainam-pianakaviana.”4, 5. Fihetsika tsy faniry inona moa no voadinikao eo amin’ny fianakaviana maro?
4 Nefa fianakaviana firy moa amin’izao andro izao no ampiraisin’ny fatorana mafy dia mafin’ny fitiavana? Firy moa no mifaly amin’ny rivo-piainana mafana entin’ny fifanehoana fahalemem-panahy, fankasitrahana ary fahalalahan-tanana? Firy moa no nianatra ny fahamarinan’ny fitenenana hoe, “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”?
5 Amin’izao fotoana izao dia miely maneran-tany ny toe-tsaina hafa dia hafa tokoa. Na dia eo amin’izao tontolo izao tandrefana aza izy io no miseho indrindra, dia tafiditra koa any Atsinanana sy any amin’ny toeran-kafa izay nahitana fiainam-pianakaviana mafy orina tokoa hatramin’izay. Re matetika ny fitenenana karazan’izao: ‘Ataovy izay irinao hatao, nefa aza sakanana ny hafa hanao izay tiany.’ ‘Ny lalàm-pifehezana dia lany andro; avelao ny ankizy hifidy ny lalany manokana.’ ‘Aza manao fitsarana mihitsy ny amin’izay tsara na ratsy.’ Ao amin’ny tany maro hatrany ihany, ny fisaraham-panambadiana, ny ditran’ny tanora ary ny fahalotoam-pitondrantena dia mitombo haingana aoka izany. Ny mpandinika ny toe-tsaina, ny mpitsabo ny aretin-tsaina, ny mpitondra fivavahana ary ny mpanolo-tsaina hafa dia manome ny heviny. Tsy manamafy ny firaisam-pianakaviana anefa ny maro amin’ireny mpanome torohevitra ireny, fa manala tsiny kosa na mamporisika mihitsy aza ny fahalotoam-pitondrantena ho toy ny fomba hanalavirana ny fahadisoam-panantenana. Ny vokatra ratsy avy amin’izany rehetra izany dia manamarina ny fitenenana hoe: “izay afafin’ny olona no hojinjany.”
MANAPOROFO NY MAHA-ZAVA-DEHIBE NY FIANAKAVIANA NY TANTARA
6. Amin’ny ahoana moa izay nitranga tany Gresy sy Roma fahiny no mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana?
6 Ny lesona ampianarin’ny tantara momba ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana dia mendrika ny hosaintsainina lalina.
Ny mpanoratra tantara antsoina hoe Will Durant (ao amin’ny boky nosoratany The Story of Civilization, fizarana II) dia milazalaza ny fikororosian’ny fianakaviana tany Gresy fahiny, ary manampy teny toy izao: “Ny antony lehibe indrindra nandresen’i Roma an’i Gresy dia ny fisaratsarahan’ny sivilizasiona grika avy ao anatiny.” Dia manohy ny teniny izy avy eo amin’ny fampisehoana fa ny herin’i Roma dia ny fianakaviana, nefa rehefa rava ny fandaharana momba ny fianakaviana noho ny fahalotoam-pitondrantena ny amin’ny lahy sy ny vavy, dia nanomboka nikororosy ny empira.7. Nahoana moa ny olona sasany tao amin’ny Empira romana no nanana fiainam-pianakaviana sambatra, nefa ny hafa nahita zava-manahirana lehibe?
7 Raha ny marina, ny tantara dia manamarina ny fanambarana tranainy hoe, ‘Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany’. Nefa mampiseho koa izany fa misy loharano iray ambony noho ny fahendren’olombelona, izay azo itodihana mba hahazoana fitarihana, ka ny vokatr’izany dia ny firoboroboan’ny firaisam-pianakaviana. Ireo mpanao tantara dia milaza fa raha mbola nikororosy ny Empira romana, “ny fiainam-pianakavian’ny Jiosy dia faka tahaka, ary ireo fikambanan’olona kristiana madinika dia nanelingelina ny izao tontolo izao mpanompo sampy adalam-pahafinaretana, tamin’ny toetrany tia fivavahana sy ny fahamendrehany”. (The Story of Civilization, fizarana III, p. 366). Inona moa no nahatonga ireny fianakaviana ireny hiavaka? Nanana loharano hafa nitarika azy izy, dia ny Baiboly. Arakaraka ny nampiharany ny toroheviny amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra no ifaliany amin’ny fananana fianakaviana sambatra sy milamina. Ireny vokatra ireny dia nahatonga ny Romana nikororosy hahatsapa fahamelohana.
8. Nahoana moa no tsara ny handinihana ny Baiboly rehefa hoe handamina zava-manahirana ara-pianakaviana (Salamo 119:100-105)?
8 Ireo fanambarana voatonona tao amin’ireo fehintsoratra teo aloha dia avy amin’ny Baiboly koa. Ao amin’io boky io no ahitantsika ny tenin’i Jesosy Kristy milaza fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray, ny fanambarana ara-tsindrimandry nataon’ny apostoly Paoly fa hijinja izay afafintsika isika, ary ny fanambaran’i Jeremia mpaminanin’Andriamanitra Asan’ny apostoly 20:35; Galatiana 6:7; Jeremia 10:23). Voaporofo ny fahamarinan’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ireo. Nilaza koa Jesosy hoe: “Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.” (Matio 11:19). Raha mandaitra marina tokoa ny torohevitry ny Baiboly eo amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana ara-pianakaviana, moa ve izy tsy mendrika ny fiheverantsika amim-panajana?
fa tsy an’ny olombelona ny hahalavorary ny diany (9, 10. a) Nahoana moa ny torohevitra mahasoa sy ny firaiketam-po voajanahary no tsy ampy mba hananana fiainam-pianakaviana sambatra? b) Inona koa moa no ilaintsika (Apokalypsy 4:11)?
9 Amin’izao fotoana izao dia misy boky an’arivony maro miresaka ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana. Ny ankamaroany dia mirakitra fara fahakeliny filazalazana mahasoa sasany. Kanefa dia tsy mitsahatra ny mihasimba ny fiainam-pianakaviana. Zavatra hafa no mbola ilaina, zavatra izay hanome hery mba hanoherana ireo fanerena izay mahatandindomin-doza ny faritry ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Ny firaiketam-po voajanahary eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady ary eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia mampiorina mafy ny fianakaviana. Nefa na izany aza dia tsy ampy mba hihazonana fianakaviana maro ho tafaray rehefa tonga ny fotoan-tsarotra. Inona moa no mbola ilaina?
10 Ilaina, tsy ny fahatsapana andraikitra sy ny fananana fandavan-tena amin’ny vady na ny zanaka na ny ray aman-drenin’ny tena fotsiny, fa ny fahatsapana andraikitra amin’Ilay resahin’ny Baiboly ho “ny Ray Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana” koa. Io Olona io no Loharanon’ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana, dia Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny olombelona. — Efesiana 3:14, 15.
MAMPISEHO FIHEVERANA NY FIANAKAVIANA ANDRIAMANITRA
11-13. Inona moa no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny fianakavian’olombelona?
11 Fantatr’i Jehovah Andriamanitra izay ilain’ny olombelona ary iriny ny hahasambatra antsika, koa dia nomeny antsika ny torohevitra momba ny fiainam-pianakaviana. Nefa ny fiahiany Isaia 45:18.
an’ireo fianakaviana dia mampiseho fikasana iray lehibe kokoa. Hazavain’ny Baiboly hoe inona izany fikasana izany. Asehony fa tsy nitranga ho azy tamin’izao ny tany. Tsy nitranga ho azy tamin’izao isika. Jehovah Andriamanitra no namorona ny tany, no nikasa fa hisy mandrakizay izany ary honenana mandrakizay. Nanoratra toy izao Isaia mpaminany: “Izy no nandamina azy [nampiorina mafy azy, MN]; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana”. —12 Mba hanatanterahana io fikasany io, Andriamanitra dia namorona ny mpivady olombelona voalohany ary nilaza taminy mba hanana fianakaviana: “Lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:27, 28). Ny fikasany dia nitaky koa azy ireo sy ny taranany hankatò azy ary hikarakara ny tany. Ny Genesisy 2:15 dia manambara hoe: “Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.” Amin’ny farany ireo toe-piainana nisy tao amin’io zaridaina io dia tokony hitarina hanerana ny tany manontolo. Ny fikarakarana ny tany sy ny fampiasana ireo tahiriny dia hanome ho an’ny fianakavian’olombelona maneran-tany fahafahana tsy misy farany hianatra sy hahita fahafaham-po amin’ny fampiasany ny fahaizany.
13 Ankehitriny dia olona maherin’ny efatra arivo tapitrisa no eto an-tany, nefa ireo vahoaka be ireo dia tsy manatanteraka ny fikasan’i Jehovah amin’ny tany. Ny ankamaroany dia tsy mankatò azy, ary tsy mitandrina ny tany. Manimba azy kosa aza no ataony, amin’ny fandotoana ny rivotra, ny rano ary ny vohon’ny tany. Mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, dia nambara mialoha fa tsy hoe hamarana fotsiny izany rehetra izany izy, fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ koa. — Apokalypsy 11:18.
FANONTANIANA TOKONY HAPETRATSIKA AMIN’NY TENANTSIKA
14. Nahoana no afaka matoky isika fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny fiainam-pianakaviana?
14 Tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny fiainam-pianakaviana. “Ny teniko izay Isaia 55:11). Nanorina ny fianakaviana Andriamanitra ary nanome torohevitra ny amin’ny fomba fiasany. Ny toromarika omeny dia mamaly ireo fanontaniana tena lehibe momba ny fiainam-pianakaviana, ka ny sasany amin’ireny dia mety ho fametratsika amin’ny tenantsika.
aloaky ny vavako (...) tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako”, hoy ny fanambarany (15-17. a) Inona moa no heverinao fa fanontaniana sasany lehibe momba ny fiainam-pianakaviana? b) Nahoana moa no tsara ny hitadiavana valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo?
15 Ohatra: Fomba ahoana no hahitan’ny olona iray vady mifanentana aminy? Ao anatin’ny fanambadiana, ahoana no mety hahatongavana amin’ny fifanarahana momba ireo zava-manahirana mampifanolana? Tsara kokoa ny saina roa noho ny iray, nefa rehefa avy nifandinika, iza moa no manao ireo fanapahan-kevitra? Ahoana no mety hahazoan’ny lehilahy manambady ny fanajan’ny vadiny, ary nahoana izany no zava-dehibe ho azy? Nahoana ny vehivavy manambady iray no mila ny fitiavan’ny vadiny, ary inona no azony atao mba ho azo antoka izany?
16 Ahoana no fiheveranao ny ankizy? Ny sasany dia mihevitra azy ireny ho mariky ny toe-piainana iray, ho loharanon’asan-tanana tsy mandany vola na antoka amin’ny fahanterana; ny hafa dia mihevitra azy ireny ho toy ny enta-mavesatra. Nefa antsoin’ny Baiboly hoe fitahiana izy ireny. Inona moa no hamaritra raha hiseho ho izany tokoa izy ireny? Ary amin’ny fotoana toy inona no tokony hanombohana ny famolavolana azy ireny? Tokony hisy ve ny lalàm-pifehezana? Raha eny, toy inona ny habetsahany ary karazany manao ahoana? Tokony hisy ve ny hantsana mampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka ao anatin’ny fianakaviana? Azo tampenana ve izany? Ary ny mbola tsara kokoa, azo sakanana mialoha tsy hisokatra mihitsy ve izany?
17 Ny fahitana valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo dia azo antoka fa handray anjara betsaka eo amin’ny fahasambaran’ny fiainam-pianakavianao. Ambonin’izany koa aza, afaka manome toky anao izy fa misy Olona iray manana hery, hatsaram-po sy fahendrena tsy misy toa azy, izay azonao itodihana amin’ny fotoana rehetra ilàna izany, ary afaka mitarika ny fianakavianao ho amin’ny fahasambarana tsy misy farany.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 4]