Ny fitiavana, “fatorana mampiray tanteraka”
Toko Faha-6
Ny fitiavana, “fatorana mampiray tanteraka”
1-6. a) Inona moa no mitranga rehefa misy mpivady tsy mahafehy ny fihetseham-pony? b) Amin’ny fanarahana fotopoto-pitsipika inona ao amin’ny Baiboly moa no ahazoana misakana ny fifandirana tsy hirehitra?
“NAHOANA no tsy afaka misakafo ara-potoana mihitsy?” hoy ny fanontaniana mainan-dralehilahy vadiny, izay vizana niandry sy trotraka taorian’ny andro iray niasana mafy.
2 “Aoka izay ny fitarainanao, efa ho vita”, hoy ny navalin-dravehivavy. Ho azy ihany koa, dia tsy namirapiratra ny zava-drehetra tamin’io andro io.
3 “Tara foana ianao. Nahoana no tsy mety vonona ara-potoana na oviana na oviana ianao?”
4 “Tsy marina izany, hoy ny antsoantsony. Ary koa, raha mba nikarakara bebe kokoa ireo ankizy ianao, dia ho kely kokoa ny fotoana hitarainanao. Raha ny marina dia zanakao koa ireo.”
5 Toy izany, rehefa avy nanitatra io fisehoan-javatra io izy ireo, no nahatonga ny lehilahy iray sy ny vadiny ho tezitra sy tsy hifampiteny. Nanohy namaly teny ny tsirairay mandra-pahatongan’izy roa ho tezitra sy tafintohina. Tsy isalasalana fa simba ny takarivan’izy ireo. Kanefa, ny tsirairay taminy dia nety ho afaka nisoroka ny fandranitana ny toe-javatra. Nefa, noho izy ireo vonton’ny fihetseham-pony manokana, dia nohadinoiny ny an’ny vadiny. Rehefa tsy nahazaka intsony izy ireo, dia nipoaka.
6 Io karazan-java-manahirana io dia mety hipoitra noho ny antony maro. Indraindray, dia raharaham-bola izany, na koa mahita ny lehilahy fa mifikitra aminy loatra ny vadiny ary manakana azy tsy handray tombontsoa amin’ny fiarahana Matio 5:39; Romana 12:17, 21.) Mba hahavitana izany, dia ilaina ny hahaizana mifehy tena sy ho matotra. Ilaina koa ny maneho fitiavana kristiana.
amin’olon-kafa. Mety toa hahatsapa ny vehivavy fa tsy miraharaha azy ny vadiny ary tsy mihevitra azy. Mety hanjary henjana ny fifandraisan’izy ireo noho ny zava-manahirana lehibe iray na ny fiavovon’ny fahasahiranana madinika. Na ahoana na ahoana, ny mahaliana antsika amin’izao fotoana izao, dia ny mahita hoe ahoana no azo andaminana io karazan-java-manahirana io. Raha ny marina, ny tsirairay amin’ny mpivady dia afaka misoroka ny fipoahan’ny toe-javatra, amin’ny fahavononana ‘hanolotra ny takolaka anankiray’ sy tsy ‘hamaly ratsy ny ratsy’, fa ‘handresy ny ratsy amin’ny soa’. (NY TENA ATAO HOE FITIAVANA
7-9. a) Ahoana no ilazalazan’ny I Korintiana 13:4-8 ny fitiavana? b) Karazam-pitiavana inona moa no resahina?
7 Ao amin’ny I Korintiana 13:4-8, dia hitantsika, ara-tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra, ny filazana izay atao hoe fitiavana sy izay tsy atao hoe fitiavana. Izao no vakintsika: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”.
8 Ankoatra ny zavatra hafa, ny fitiavana dia mety hiorina amin’ny fifanintonana ara-batana, amin’ny fatorana ara-pianakaviana na amin’ny fahafinaretana omen’ny fifaneraserana sasany. Asehon’ny Baiboly anefa fa mba hampisy vidiny lehibe azy, ny fitiavana dia tokony hihoatra noho ny fifanehoana firaiketam-po na fifanintonana; tokony hotapahin’ny fiahiana ny hanao zavatra mba hahasambatra be indrindra ilay olona tiana izany. Mety hitaky mihitsy fananarana na fifehezana io fitiavana io, toy izay mitranga amin’ny ray aman-dreny manitsy ny zanany na amin’i Jehovah Andriamanitra izay mifehy ny mpivavaka aminy (Hebreo 12:6). Ny fihetseham-po sy ny fientanam-po dia marina fa tafiditra, nefa izany tsy avela handresy ny fahaiza-mandinika voahevitra na ireo fotopoto-pitsipika tsara eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Io fitiavana io dia manosika antsika hitondra ny olona rehetra amim-piheverana sy araka ny rariny.
9 Mba hankamamiana tsaratsara kokoa ny fitahiana rehetra azon’ny fitiavana omena ny fianakaviana iray, araka ny ilazalazana azy ao amin’ny I Korintiana 13:4-8, dia aoka hodinihintsika amin’ny antsipiriany kokoa io filazalazana io:
10, 11. Inona moa no azo antenaina avy amin’ny vady iray mahari-po sady mora fanahy?
10 “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy”. Moa ve mahari-po amin’ny vadinao ianao? Na dia rehefa mirona hahasosotra anao aza ny toe-javatra iray, na koa rehefa ampangaina tsy ara-drariny angamba ianao, moa ve mifehy ny fahatezeranao ianao? Mahari-po amin’ny rehetra Jehovah ary ‘ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia maniry hitondra antsika ho amin’ny fibebahana’. Ny fahari-po, toy izany koa ny fahamoram-panahy dia vokatry ny fanahin’Andriamanitra. — Romana 2:4; Galatiana 5:22.
11 Tsy mankasitraka ny ratsy ny fitiavana, nefa tsy “sarotiny loatra” izy. Tsy miseho ho tsy maharitra izy. Mihevitra ny toe-javatra mahakely ny heloka izy (I Petera 4:8; Salamo 103:14; 130:3, 4). Vonona hamela heloka izy, na dia fahadisoana lehibe aza. Nieritreritra marina tokoa ny apostoly Petera fa nahari-po izy raha nanontany an’i Jesosy hoe: “Impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?” Nefa namaly azy Jesosy hoe: “Tsy (...) hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” (Matio 18:21, 22; Lioka 17:3, 4). Tsy mety ketraka mamela heloka ny fitiavana ary miseho ho mora fanahy tsy misy farany. Maneho izany karazam-pitiavana izany ve ianao?
12, 13. Ahoana no mety hisehoan’ny fahasarotam-piaro, ary nahoana no tokony hanao fiezahana mba hifehy azy?
12 “Ny fitiavana tsy mialona [saro-piaro, MN]”. Tsy mora ny miaina miaraka amin’ny vady iray izay saro-piaro tsy aman’antony. Ny fahasaro-piaro toy izany dia mampiseho toetra miahiahy sy mifikitra amin’ny fomba tafahoatra. Izany dia fihetsi-jaza izay manakana ilay olona iharan’ny fahasaro-piaro
tsy ho tsotra sy sariaka amin’ny hafa. Amin’ny fanomezana an-tsitrapo fa tsy amin’ny fanomezana fahafahampo izay takin’ny saro-piaro iray no ahitana ny tena fahasambarana.13 “Iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro?”, hoy ny fanontanian’ny Baiboly. Ny fahasaro-piaro dia iray amin’ny asan’ny nofo tsy lavorary (Ohabolana 27:4; Galatiana 5:19, 20). Moa ve ianao afaka mahatsikaritra eo aminao ny famantarana faran’izay kely amin’io karazam-pahasaro-piaro ateraky ny fahatsapana fananana ahiahy sy kolokoloin’ny eritreritra io? Mandrakariva dia tsy sarotra ny manamarika ny kileman’ny hafa, nefa mahasoa kokoa ny mandini-tena. “Fa izay misy fialonana [na fahasaro-piaro] sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.” (Jakoba 3:16). Ny fahasaro-piaro dia mety hanimba ny fanambadiana iray. Tsy amin’ny fampiharana amim-pahasarotam-piaro fanerena aminy no hahazoanao antoka fa tsy hivadika ny vadinao, fa amin’ny fampisehoana aminy kosa, fiheverana feno fitiavana, fanajana ary fitokisana.
14, 15. a) Nahoana moa izay midera tena no tsy ampy fitiavana? b) Toy izay hanaratsy ny vadin’ny tena, inona moa no tokony hatao?
14 Ny fitiavana “tsy mirehareha [midera tena, MN], tsy mieboebo”. Raha marina fa olona maro no tia ny mirehareha, dia vitsy no mahita fahafinaretana amin’ny fihainoana mpirehareha iray. Mety hanahirana mihitsy an’ilay mahafantatra tsara azy aza izany. Raha mbola midera tena ny sasany amin’ny fanaovana filazalazana mandoka loatra ny tenany, ny hafa dia manao zavatra amin’ny fomba hafa. Manakiana sy manaratsy ny hafa izy, ka mahatonga azy ho toa tsaratsara kokoa noho izy ireo izany. Toy izany no anamboniany tena amin’ny fanambaniana ny hafa. Izay manambany ny vadiny dia tsy manao afa-tsy ny midera tena raha ny marina.
15 Efa nahatratra ny tenanao teo am-panakianana ampahibemaso ny vadinao ve ianao? Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny nety ho fihetseham-pony tamin’io fotoana io? Raha navelatra teo anoloan’ny hafa ireo kileman-toetranao, inona no ho noeritreretinao? Moa ve ianao ho nahatsapa fa tiana? Tsia, ny fitiavana “tsy mirehareha [midera tena, MN]”, na amin’ny fireharehana na amin’ny fanaratsiana ny hafa. Aoka ianao ho manorina rehefa miresaka ny amin’ny vadinao; hanamafy ny Ohabolana 27:2 izao: “Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao”.
fatorana mampiray anareo izany. Nefa rehefa hoe hiresaka ny aminao, dia araho kosa izao torohevitra voarakitra ao amin’ny16. Inona moa ny sasantsasany amin’ireo zavatra tsy mahamendrika izay tokony hohalavirina raha irina ny hitondra tena amin’ny fitiavana?
16 Ny fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika”. Anisan’ireo zavatra tena tsy mendrika tokoa, dia aoka hotononintsika ny fijangajangana, ny fimamoana ary ny fipoahan’ny fahatezerana (Romana 13:13). Mifanohitra amin’ny fitiavana, ny fanaovan-javatra toy ireo dia manimba ny fatoran’ny fanambadiana. Ny tsy fahalalam-pomba, ny teny sy ny fihetsika tsinontsinona ary ny fahalotoan’ny vatana dia tsy mendrika koa. Hatraiza no fiezahanao mba tsy hampahasosotra ny vadinao amin’io lafiny io? Maneho fiheverana sy fanajana azy ve ianao? Manana fahazarana tsara ve ianao? Izany rehetra izany dia manamafy ny fatoran’ny fanambadiana ary mampitombo ny fahasambarana.
17. Ahoana moa no ahazoan’izay tsy mitady ny azy manalavitra ny fifandirana?
17 Ny fitiavana “tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra”. Tsy tia tena izy. Ho faran’izay nahasoa kokoa an’ilay mpivady noresahina teo am-piandohan’ity toko ity ny nanao toy izany. Tsy ho niteny tamin’ny fomba maina tamin’ny vadiny ralehilahy noho ny sakafo tsy vonona ara-potoana, ary tsy ho namaly azy tamin’ny fomba henjana ravehivavy. Raha takany fa ny fahasosoran’ny lahy dia misy avy amin’ny havizanany, dia tsy ho sorena izy, fa ho afaka namaly azy hoe: “Efa ho vita ny sakafo. Tsy maintsy ho vizana ianao. Hanome anao ranom-boankazo mangatsiatsiaka tsara iray vera aho, ary hosotroinao izany mandra-pametrako ny lovia aman-tsotro.” Raha tahiny ralehilahy, tetsy andaniny, ka nahatakatra kokoa ny fihevitry ny vadiny, toy izay tsy hieritreritra afa-tsy ny tenany, dia ho nanontany ny vadiny izy raha afaka nanao zavatra hanampiana azy.
18. Ahoana moa no ahazoan’ny fitiavana manampy antsika mba tsy ho sosotra?
18 Mora sosotra ve ianao noho izay lazain’ny vadinao na ataony, sa kosa miezaka ianao hamantatra ao amin’ny teniny Efesiana 4:26.) Aoka anefa hataontsika hoe tsy faly marina tokoa ny vadinao ary miteny na manao zavatra amin’ny finiavana hampalahelo anao. Nahoana raha miandry ny haha-tony anareo avy vao miara-midinika ny amin’izany? Raha mandinika ilay zava-manahirana amin’ny fandraisana am-po ny fahasambaranareo roa ianareo, dia hahita mora kokoa ny teny mety ianareo. “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany.” “Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka.” Tsy mamelona ny fifandirana izy (Ohabolana 16:23; 17:9). Raha manohitra ny fakam-panahy hanohy ny adihevitra mandra-panaporofonao fa manana ny rariny ianao, dia hamela ny fitiavana hivoaka ho mpandresy.
sy ny fihetsiny ireo fikasana miafina? Angamba izy niteny na nanao zavatra toy izao tamim-pahatsorana, noho ny tsy fahampiam-piheverana, tsy nisy faniriana ny hampahasosotra anao. Raha manana fitiavana ianao, dia ‘tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao’. (19. a) Amin’ny fomba ahoana moa no mety hahatonga mpivady ‘hifaly amin’ny tsy fahamarinana’? b) Nahoana no tokony hitandrin-tena amin’izany zavatra izany?
19 Ny tena fitiavana dia “tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa”. Izay tia marina tokoa ny vadiny dia tsy mieritreritra hoe miseho ho kinga amin’ny famitahana azy ny tenany, na momba ny fampiasany ny fotoanany sy ny volany izany na momba ireo olona izay ifaneraserany. Tsy manova ny fahamarinana ny fitiavana mba hanamarinan-tena. Manimba ny fitokisana ny famitahana. Mba hisian’ny fitiavana amim-pahatsorana eo aminareo, dia tokony hahita fahafinaretana ianareo amin’ny fifampilazana ny marina.
MATANJAKA SY MAHAY MIARITRA NY TENA FITIAVANA
20. Asehoy hoe amin’ny ahoana ny fitiavana no a) “maharitra ny zavatra rehetra”, b) “mino ny zavatra rehetra”, d) “manantena ny zavatra rehetra” ary e) “maharitra [miaritra, MN] ny zavatra rehetra”.
20 [Ny fitiavana] “mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra [miaritra, MN] ny zavatra rehetra.” Ny fitiavana dia mahatohitra ireo fihenjanana sy fanerena eo amin’ny fiainana miaraka,
ary ireo olon-droa mpivady dia mianatra maneho fahaiza-milefitra sy mifanaraka amin’izy samy izy ao anatin’ny firaisana akaiky, dia ny fanambadiana. Ny fitiavana dia mino ny hasarobidin’ny torohevitra rehetra voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary miezaka mampihatra izany izy, na dia toa tsy tsara aza ny toe-javatra. Na dia tsy mety hofitahina aza izy rehefa mifampiraharaha amin’olona tsy marina, ny fitiavana dia tsy miahiahy tsy amin’ny antony koa, fa matoky ny hafa an-tsitrapo kosa. Fanampin’izany, dia manantena ny tsaratsara kokoa izy, satria matoky mafy fa amin’ny fampiharana ireo torohevitry ny Baiboly no hahazoana ny vokatra tsaratsara kokoa. Mety hanorina àry ny fitiavana, hanantena fihatsaran-javatra ary hatoky ny ho avy. Farany, dia tsy miovaova izy ary tsy misy iombonana amin’ireo fahamaimaizana mihelina. Ny tena fitiavana dia mahay miaritra. Manatrika ireo zava-manahirana izy rehefa miharatsy ny toe-javatra. Mpanohana mahery izy, nefa na dia matanjaka aza, dia tsara fanahy, malemy fanahy, mahay milefitra ary mora iainana koa.21, 22. Manonòna toe-javatra sasany izay ahafahana mampiseho fa ny fitiavana dia tsy ho levona mandrakizay.
21 Ny fitiavana toy izany dia “tsy ho levona mandrakizay”. Inona no hitranga raha sanatria, noho ny zava-manahirana sasany, ka tsy maintsy mandamina olana lehibe ara-bola ny mpivady? Ravehivavy, izay mampiseho fitiavana toy izany amin’ny vadiny, dia tsy hitady any an-toeran-kafa fiainana moramora kokoa, fa hijanona amim-pahatokiana eo anilany, hitsitsy araka izay azony atao ary hiasa mihitsy aza raha ilaina izany mba hamenoana ny karaman’ny vadiny (Ohabolana 31:18, 24). Etsy andanin’izany, inona no hataon’ny lehilahy iray izay tratran’ny aretina maharitra ny vadiny? Raha manana io karazam-pitiavana io izy, dia hanao izay rehetra azony atao mba hanome azy ireo fikarakarana ilainy, mba hanao ireo asa ao an-tokantrano tsy vitany intsony sy mba hanome toky azy ny amin’ny fifikirany lalina aminy. Andriamanitra mihitsy no manome ny ohatra amin’io lafiny io. Na inona na inona tarehin-javatra mitranga amin’ireo mpanompony mahatoky, dia tsy misy na inona na inona ‘afaka mampisaraka azy amin’ny fitiavan’Andriamanitra’. — Romana 8:38, 39.
22 Zava-manahirana inona no ho afaka handresy an’io fitiavana io? Moa ve miharihary ao amin’ny tokantranonao io karazam-pitiavana io? Miezaka mampihatra izany ve ianao?
NY FOMBA HAMPITOMBOANA NY FITIAVANA
23. Inona moa no mamaritra raha hanao zavatra amim-pitiavana isika na tsia?
23 Toy ny nofo sy ozatra, ny fitiavana dia mihamatanjaka rehefa ampiasaina, ary sahala amin’ny finoana, dia maty izy raha tsy misy asa. Rehefa ny fihetseham-po lalina no mahatonga ny teny sy ny atao, izany dia lazaina fa avy amin’ny fo, izay mampiseho ny antony miafina manosika antsika. “Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava. Ny rakitra tsara no amoahan’ny olona tsara fanahy zavatra tsara”. Mifanohitra amin’izany, raha kolokoloina ao amin’ny tena ny fihetseham-po ratsy, dia “avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy”. — Matio 12:34, 35; 15:19; Jakoba 2:14-17.
24, 25. Ahoana no ahafahanao manamafy ny antony manosika izay mamporisika anao haneho fitiavana?
24 Hevitra inona sy fihetseham-po inona moa no volenao ao am-ponao? Raha misaintsaina isan’andro ny fomba nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ianao ary raha miezaka hanahaka azy, dia hanamafy ireo antony tsara manosika anao ianao. Arakaraka ny hampiasanao io fitiavana io, no hanaovanao zavatra sy hitenenanao mifanaraka aminy ary hiraketan’izany lalina ao am-ponao. Ny fampiharana isan’andro ny fitiavana ao amin’ny zava-madinika dia hahatonga izany hahazatra anao. Amin’izay, rehefa mitranga ireo zava-manahirana lehibe dia ho eo io fitiavana io, lalim-paka mafy ao aminao, ary hanampy anao izany handresy ireo. — Lioka 16:10.
25 Mahamarika eo amin’ny vadinao zavatra izay mendri-koderaina ve ianao? Raha izay, dia lazao azy izany. Maniry hanao zavatra mahafinaritra aminy ve ianao? Araho izany hery manosika izany. Tokony hampihatra ny fitiavana isika raha maniry ho tiana ny tenantsika. Raha manao toy izany ianao, dia ho tafaray kokoa ianao sy ny vadinao; ho iray ihany ianareo ary hitombo ny fitiavanareo.
26, 27. Amin’ny ahoana moa ny fizarana zavatra no mampitombo ny fitiavantsika?
26 Mba hampitomboana ny fitiavanao, dia asehoy amin’ny hafa izany. Adama, lehilahy voalohany, dia velona tao amin’ny paradisa iray izay nahitan’ny zavatra nilainy ara-batana fahafahampo feno. Tamin’ny naha-mpiambina ny tany azy, dia voahodidin’ny zavatra tsara tarehy izy: tsy toerana maitso mavana sy voninkazo, hazo sy renirano fotsiny, fa karazam-biby maro koa izay nampanekena azy. Kanefa, nisy zavatra tsy ampy teo aminy: olombelona iray izay ho azony niaraha-nanana io paradisa nahafinaritra io. Efa nitranga taminao ve ny nandinika irery filentehan’ny masoandro kanto sy ny naniry ny fiarahana tamin’olon-tiana iray izay ho azonao nizarana io fahasambarana io? Na koa, tsy mbola naharay mihitsy vaovao iray faran’izay tsara va ianao kanefa tsy nisy olona azonao nizarana izany? Jehovah Andriamanitra dia nahatsikaritra io zavatra nilaina io teo amin’i Adama ary nanome azy namana iray izay ho azony ampahafantarana ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. Amin’ny fizarana izay ananany sy raisiny no anamafisan’ny olon-droa mpivady ny fitiavany ary ampitomboany azy.
27 Ny fanambadiana dia milaza fifanomezana eo amin’ireo mpivady, izay mety hiseho amin’ny fijery be fitiavana iray, ny fanafosafoana na ny teny malefaka, raha tsy hoe angaha mipetraka fotsiny amim-pilaminana sy amim-panginana mifanakaiky izy roa. Ny atao rehetra dia mety ho fisehoan’ny fitiavana, na fanamboarana fandriana izany na fanasana lovia, fanaovana fitsitsiana mba hividianana ny zavatra iriny nefa tsy sahiny angatahina noho ny vidiny, fanampiana ny vadiny rehefa tratra aoriana eo amin’ny asany izy. Ny hoe tia olona iray dia ny mandray anjara amin’ny asany sy ny fialam-boliny, ary ny miara-manana ny fanahiany sy ny fifaliany, ny fahombiazany sy ny tsy fahombiazany, ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. Aoka ianareo hametra zava-kendrena mitovy ary miezaha manatratra izany miaraka. Toy izany no maha-iray ihany ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray: izany no mampitombo ny fitiavan’izy ireo.
28. Ahoana moa no ampitomboana ny fitiavana amin’ny fanampiana ny vadin’ny tena?
Asan’ny apostoly 20:35). Nilaza tamin’ny mpianany izy fa “izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo”. (Matio 23:11.) Manaisotra ny toe-tsaina rehetra tia fifaninanana ny fihetsika toy izany ary mampitombo ny fahasambarana. Rehefa manampy ny vadintsika isika, dia mahatsapa fa ilaina sy mahasoa, ka miteraka fahafahampo sasany sy fifaliana izany. Koa satria ny fanambadiana manome be dia be ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy, fahafahana hifanampy amin’ny fomba mifamaly sy hahita amin’izany ny fahafahampo, dia amin’izany fomba izany no ahafahan’izy ireo manamafy kokoa ny firaisany amin’ny alalan’ny fitiavana.
28 Rehefa manampy ny vadinao ianao, raha ny marina dia mampitombo ny fivelarana fenon’ny fitiavanao azy. Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy iray dia manampy ny vadiny amin’ny fahandroana sakafo, ny fanamboarana fandriana, ny tokantrano, amin’ny fanasan-damba, ary amin’ny fikarakarana raharaha ao an-trano. Raha ny amin’ny lehilahy kosa, izany dia amin’ny fiasana mba hividianana ny sakafo izay omanin’ny vadiny, ireo fandriana izay ataony, ny trano izay karakarainy ary ny fitafiana izay sasàny. Amin’ny fanampiana sy ny fanomezana, ny tsirairay avy dia mampitombo ny fahasambaran’izy ireo ary mikolokolo ny fitiavany. Nilaza i Jesosy fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Ho azo atao koa ny milaza fa mahasambatra kokoa ny manampy noho ny ampiana (29. Nahoana moa na dia ireo tsy mpanompon’Andriamanitra aza no mankasitraka ny fanehoam-pitiavana?
29 Nefa ahoana rehefa iray ihany amin’ny mpivady no mpanompo kristiana an’Andriamanitra izay mampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly? Moa va izany tokony hanova zavatra eo amin’ny fomba fitondran’ilay kristiana ny tenany? Tsia raha ny marina. Marina tokoa fa angamba izy tsy hiresaka be loatra ny amin’ny fikasan’Andriamanitra, nefa ny fitondrantenany dia tsy hiova. Ilay vady tsy mpino dia mila ireo zavatra fototra sahala amin’ny ilain’ilay mivavaka amin’i Jehovah ary, amin’ny lafiny sasany, dia mamaly amin’ny fomba mitovy izy. Izany no tian’ny Romana 2:14, 15 holazaina, izay amakiantsika hoe: “Fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza”. Ny fitondrantena kristiana faka tahaka dia mandrakariva no ankamamina ary mandray anjara amin’ny fitomboan’ny fitiavana eo amin’ny mpivady izany.
30. Moa ve ny fitiavana tsy tokony hiseho raha tsy amin’ny toe-javatra manaitra? Hamarino ny valinteninao.
30 Tsy miandry fisehoan-javatra manaitra ny fitiavana vao miseho. Amin’ny lafiny sasany dia sahala amin’ny akanjo iray izy. Inona tokoa moa no mihazona ireo tapany samihafa amin’ny akanjo iray ho tafakambana? Vona lehibe vitsivitsy vita amin’ny tady madinika ve sa teboka madinika an’arivony maro nozairina tamin’ny kofehy? Teboka madinika an’arivony maro, raha ny marina. Azo atao koa ny milaza toy izany ny amin’ny “fitafiana ara-panahy”. Ny fiavovona maharitra isan’andron’ny teny vitsivitsy sy ny fihetsika madinika no “mampitafy” antsika ary mampiseho ny maha-isika antsika. Mifanohitra amin’ny fitafiana ara-bakiteny, io “fitafiana” ara-panahy io dia tsy atahorana ny ho tonta na ho tonga tsy mahasoa, satria, araka ny Baiboly, dia “tsy mety lo” izy io. — I Petera 3:4.
31. Torohevitra tsara inona momba ny fitiavana moa no hitantsika ao amin’ny Kolosiana 3:9, 10, 12, 14?
31 Irinao ve ny ho tafaray akaiky hatrany amin’ny vadinao noho ny “fatorana mampiray tanteraka” iray? Raha izany, dia araho ireto torohevitra omena ao amin’ny Kolosiana 3:9, 10, 12, 14 ireto. “Fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao (...). Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fandeferana (...). [Mitafia] fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana [fatorana mampiray tanteraka, MN] izany.”
[Fanontaniana]