Ny hasarobidin’ny fifehezana voamariky ny fitiavana
Toko Faha-10
Ny hasarobidin’ny fifehezana voamariky ny fitiavana
1. Inona no ilaina mba hananana zanaka mankatò?
TSY vokatry ny kisendrasendra akory ny zanaka mankatò, be fitiavana sy tsara taiza. Misy sy miseho izy ireny noho ny ohatra tsara sy ny fifehezana.
2. Ahoana no ifanoheran’ny hevitry ny mpandinika toe-tsain’ankizy maro amin’ireo torohevitra omen’ny Baiboly?
2 “Aza kasihina ny ankizy!” Izany no baiko omen’ny mpandinika toe-tsain-jaza maro. Nanambara toy izao ny anankiray tamin’izy ireny: “Ry reny, tsapanareo ve fa isaky ny mikapoka ny zanakareo ianareo dia mampahafantatra azy ireny fa mankahala azy ianareo?” Izao kosa anefa no ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny: “Izay mitsitsy tsorakazo dia mankahala ny zanany, fa izay tia azy kosa dia tsy mitsitsy fanitsiana azy.” (Ohabolana 13:24, Osty). Am-polony taona vitsivitsy izay, tany amin’ireo firenena tandrefana indrindra, ny tsena dia feno boky momba ny fanabeazan-jaza, dia boky namporisika mba hilefitra be dia be amin’izy ireny. Araka ny filazan’ireo mpanoratra, mpandinika toe-tsaina, ny fifehezana dia misakana ny fitomboan’ny zaza. Fa raha ny amin’ny kapoka, dia nahatsiravina azy ireny na dia ny nieritreritra izany fotsiny aza. Ny tsangan-keviny dia mifanohitra mivantana amin’ny torohevitr’i Jehovah Andriamanitra izay ny Teniny dia manambara fa “izay afafin’ny olona no hojinjany”. (Galatiana 6:7.) Niteraka inona àry ny voan’ny fileferana nafafy nandritra izany am-polony taona vitsivitsy izany?
3, 4. Inona avy no vokatry ny tsy fahampian’ny fifehezana ao an-tokantrano, ary, noho izany, inona izao no atoron’ny olona maro?
3 Miharihary fa amin’izao andro izao isika dia mahita fijinjana heloka bevava sy ditra be dia be. Any amin’ny tany
be fanaovan-taozavatra maro, dia 50 isan-jato mahery amin’ny fandikan-dalàna lehibe no nataon’ankizy maditra. Any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, ireo sekoly dia isehoan’ny tabataba, ady, fifanompana sy teny maloto, fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony, fihaikana, fakana an-keriny, fisavihana sy famonoana olona, tsy resahina intsony ny fampiasana zavatra mahadomelina. Nanambara ny solontenan’ny fikambanan’ny mpampianatra any amin’ny tany lehibe iray fa tompon’andraikitra amin’ireo zava-manahirana momba ny fifehezana ny sekoly izay tsy nanan-kery teo amin’ny ankizy fony izy mbola kely, ary ny ditra dia vokatry ny fahasimban’ny fianakaviana sy ny tsy fetezan’ny ray aman-dreny hampihatra fitsipi-pitondrantena mendrika amin’ny zanany. Tamin’ny fanontaniana hoe: ‘Nahoana ny mpianakavy sasany no tonga mpanao heloka nefa tsy toy izany ny hafa?’, dia izao no nambaran’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Encyclopédie britannique: Nety ho nalefaka loatra, na henjana loatra, na tsy nifanaraka loatra ny fifehezana eo anivon’ny fianakaviana. Nisy fandinihana amerikana toa nampiseho fa eo amin’ny 70 isan-jato amin’ny maditra eo no tsy voafehy tsara.”4 Niteraka fiovan’ny fiheverana teo amin’ny olona maro be sy fiverenana amin’ny fifehezana ny vokatra azo.
NY TSORAKAZO FAMAIZANA
5. Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ny kapoka?
5 Mety hahasoa ny zaza iray ny kapoka, satria izao no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Aza tsy manafay zanaka, fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; raha mamely azy amin’ny hazo hianao, dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana] ny fanahiny.” Izao koa no lazainy: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.” (Ohabolana 23:13, 14; 22:15). Raha miahy amim-pahatsorana ny amin’ny fiainan’ny zanany ny ray aman-dreny dia tsy hitsitsy fifehezana azy noho ny fahosana na ny fanaovana tsirambina. Hanosika azy ireo hanao zavatra amim-pahendrena sy fahitsiana ny fitiavana, isaky ny hilaina izany.
6. Inona no atao hoe fifehezana?
Ohabolana 8:33 (MN) hoe: “Aoka ho tsapanao ny fifehezana”, fa hoe: “Henoy ny fifehezana ka hendre.” Araka ny II Timoty 2:24, 25, ny kristiana dia tokony “ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy”. Eo ny teny hoe “mananatra” dia dikan’ny teny grika izay ny heviny dia hoe fifehezana. Toy izao no andikana an’io teny io ihany ao amin’ny Hebreo 12:9: “Ary koa, isika dia nanana ny rain’ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy [fiainana ara-panahy, MN], ka ho velona isika?”
6 Tsy tokony hoheverina ho fanasaziana fotsiny akory ny fifehezana. Ny dikan’io teny io amin’ny fotopotony dia hoe “fampianarana, fampiofanana mifamatotra amin’ny fandaharana sasany, amin’ny faritra sasany”. Izany no antony tsy ilazan’ny7. Soa inona no entin’ny ray aman-dreny mifehy ny zanany ho azy ireny?
7 Ny ray aman-dreny izay tsy mifehy ny zanany dia tsy hahazo ny fanajany toy ny tsy anajan’ny vahoaka an’ireo fitondram-panjakana mamela ny handikana lalàna fa tsy manasazy. Ny fifehezana ampiharina araka ny rariny dia manaporofo amin’ilay zanaka fa mihevitra azy ny ray aman-dreniny. Manome fiadanana ho an’ny tokantrano izany satria “mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy”. (Hebreo 12:11.) Ny ankizy tsy mankatò na ratsy fitondrantena dia mahatonga fahatezerana ao amin’ny tokantrano iray. Ambonin’izany, dia tsy tena sambatra mihitsy izy ireny ary tsy faly amin’ny tenany akory aza. “Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy sy ho fifalian’ny fanahinao.” (Ohabolana 29:17). Ny zanaka ahitsy mafy nefa amim-pitiavana dia mety hiova fihetsika sy hanana fiaingana tsara ary hanjary hahafinaritra lavitra ny fiarahana aminy. Marina tokoa fa ‘mitondra vokatra hiadanana’ ny fifehezana.
8. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ifehezana ireo zanany ao amin’ny fitiavana?
8 “Izay tian’i Jehovah no faizany”. (Hebreo 12:6). Ny ray aman-dreny izay miahy marina ny amin’ny fahasambaran’ireo zanany dia manao toy izany koa. Ny fitiavana no manosika azy ireny hifehy azy. Rehefa manao hadalana ny zanaka iray, dia ara-dalàna raha mahatezitra antsika izany, nefa asehon’ny Baiboly fa tokony ‘hahalefitra’ isika. (II Timoty 2:24.) Rehefa ho tony isika, dia angamba toa tsy dia lehibe akory amintsika ny fahadisoan’ilay zanaka. “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11; jereo koa Mpitoriteny 7:8, 9). Mety hisy toe-javatra miseho mahakely ny helony. Indraindray dia vizana loatra ilay zanaka na mahatsiaro ho tsy metimety. Na mety ho tena hadinony tokoa izay nolazaina taminy ny amin’izany. Moa ve tsy mitranga amin’ny olon-dehibe koa izany? Na dia tsy azo odian-tsy hita aza ilay fahadisoana, ny fanitsiana dia tsy tokony haka endriky ny fipoahan’ny fahatezerana tsy voafehy na ho fomba fanamaivanana ny fihenjanan’ny ray na ny reny. Tsy misy fampianarana an’ilay ankizy hifehy tena anefa amin’ny fipoahan’ny fahatezerana fa mifanohitra lavitra amin’izany aza. Amin’ny toe-javatra toy izany, ilay zaza dia tsy hahatsapa fa hoe tena misy miahy azy tokoa, dia fahatsapana ho nentin’ny fifehezana nomena tsara. Tena ilaina àry ny fihetsika voalanjalanja amin’io lafiny io ary mitondra fiadanana.
MANORENA FEFY HENTITRA
9. Mifanaraka amin’ny Ohabolana 6:20-23, inona no tokony homen’ny ray aman-dreny ny zanany?
9 Tokony hametra fitsipi-pitondrantena ho an’ireo zanany ny ray aman-dreny. “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. Afatory amin’ny fonao mandrakariva ireo, ary afehezo eo am-bozonao, raha mandeha hianao, dia hitari-dàlana anao ireo; raha mandry hianao, dia hiambina anao; ary raha mifoha hianao, dia hamelona eritreritra anao. Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, ary làlan’aina ny anatra famaizana.” Ireo fitsipika omen’ny ray aman-dreny dia natao hitarihan-dalana sy hiarovana ny zanaka; hita taratra amin’izany ny fiahian’izy ireo hiaro ny fahasambarany. — Ohabolana 6:20-23.
10. Inona no mety hitranga rehefa tsy mifehy ireo zanany ny ray aman-dreny?
I Samoela 2:12-17, 22-25; 3:13). Toy izany koa, ny reny tsy manatanteraka ny adidiny dia hahita fahafaham-baraka. “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.” — Ohabolana 29:15.
10 Tompon’andraikitra lehibe ny ray izay manao tsirambina amin’io lafiny io. Ely, mpisoronabe teo amin’ny firenen’Isiraely fahiny dia namela an’ireo zanany hitondra tena tamin’ny fomba nampiseho fitiavan-karena fatratra sy faharatsiam-panahy ary fahalotoam-pitondrantena. Marina fa nanohitra kely i Ely, nefa tsy nanao na inona na inona izy mba hamaranana ny helok’izy ireo. Izao no nambaran’Andriamanitra: “Hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ny tenany, nefa tsy nosakanany.” (11. Nahoana moa no ilaina ny manome fepetra ho an’ny zanaka?
11 Ilain’ny ankizy ny hamerana fefy ho azy ireo fa raha tsy izany dia tsy azoazony ny ainy. Amin’ny fanarahana izany no ahatsapany fa anisan’ny antokon’olona iray izy, raisin’io satria manaraka ny fitsipiny. Rehefa tsy misy fitsipika, dia baranahiny ny fiainan’ilay zanaka ka voatery mioitra irery izy. Asehon’ny zava-misy fa ny ankizy dia mila olon-dehibe miaiky mafy ny amin’ny maha-ara-drariny ny fefy ampihariny amin’izy ireny sady vonona ny hampihatra ny fifehezana. Tokony ho fantatr’izy ireny koa fa misy fetrany ny fahafahan’ny tsirairay avy ary mitondra fahasambarana ho an’ny rehetra izany. Tsy mety hisy fahafahana raha tsy manaja ny antsika ny hafa ka manaiky ny azy ireny isika. Izay mihoatra ny fefy noferana dia mampiseho fa ‘manao saina hifetsy ny rahalahiny [hanimba ny zony, MN]’ izy. — I Tesaloniana 4:6.
12. Nahoana moa no zava-dehibe ny fifehezan-tena, ary ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ireo zanany hampihatra izany?
12 Rehefa fantatry ny ankizy fa raha mihoatra ny fefy nomena izy dia hahitsy amin’ny fomba iray na ny fomba hafa, dia ekeny izany fefy izany ary, noho ny tsy fileferana loatra sy ny torohevitry ny ray aman-dreniny, dia hainy ny mampihatra fifehezana ny tenany tena ilaina mba hahasambatra. I Korintiana 9:25, 27). Raha mamboly fifehezan-tena isika ary raha mampianatra ny zanatsika hanao toy izany, dia ho sambatra kokoa ny fiainantsika sy ny azy koa, ary hitsimbina ny tenantsika tsy ho azon’ny fahasahiranana sy ny alahelo isika.
Na mifehy ny tenantsika ihany isika, na, hofehezin’olon-kafa (13. Inona avy moa no anton-javatra lehibe tokony hotadidian’ny ray aman-dreny ao an-tsaina rehefa manome fitsipi-pitondrantena ho an’ny zanany izy ireo?
13 Tokony ho takatry ny ankizy mazava ireo fitsipi-pitondrantena sy fefy ampiharina aminy, ary tokony ho ara-drariny izany ka hamela fisian’ny fileferana sasany. Aza mitaky zavatra be loatra na kely loatra amin’ireo zanakareo. Hevero ny taonany satria ho arakaraka izany no hataony. Aza mitaky ny haha-olon-dehibe kely azy. Nilaza ny apostoly fa fony mbola zaza izy dia nanao zavatra toy ny zaza (I Korintiana 13:11). Nefa rehefa ho avy nanorina fitsipika antonony ianao ka ho fantatry ny zanakao izany, dia ataovy izay hampiharana azy haingana ary isaky ny ilaina izany. “Aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”. (Matio 5:37). Raha ny marina, dia ankasitrahan’ny zanaka ny ray aman-dreny izay mitana ny teny nataony, manao zavatra mifanaraka amin’ny teniny ka mety ho tsinjo mialoha ny ho fihetsiny, satria hitany ho mpanohana mafy izy ireny ary fantany fa afaka matoky azy ireny izy raha misy fahasahiranana na raha mila fanampiana izy. Raha miseho ho sady marina no tsy misalasala ny ray aman-dreniny rehefa manitsy azy ireo, dia mahatsiaro ho tsy manana ahiahy sy tsy mihilangilana ny zanaka, satria tiany ny hahafantatra izay tokony hifikirana, ary azo atao izany amin’ny ray aman-dreny toy ireny.
14. Nahoana moa no zava-dehibe ny hisehoan’ny ray aman-dreny ho hentitra rehefa tsy manaiky an-tsitrapo ny toromariny ireo zanany?
14 Tokony haneho fahatapahan-kevitra ny ray aman-dreny mba hisehoana ho hentitra rehefa tsy mety manao izay asainy atao ireo zanany. Amin’izay ny sasany dia mampiasa fandrahonana, miditra hiady hevitra tsy misy antony amin’ilay ankizy na manambitamby azy mba hitarihana azy hankatò. Matetika tokoa, dia ho ampy ny haha-hentitra dia Ohabolana 6:21.
hentitra sy ny hilazana amin’ilay zanaka amin’ny feo tsy manaiky valiny mihitsy fa tsy maintsy manao izany izy ary miaraka amin’izay. Rehefa mivonona ny hiampita arabe ny zaza iray nefa misy fiarakodia tamy, dia hain’ny ray aman-dreniny ny milaza mazava sy hentitra aminy izay tokony hataony. Nanao izao fanamarihana izao ny mpanao fikarohana sasany: “Saika ny ray aman-dreny rehetra dia manery ny zanany ho any an-tsekoly, (...) hiborosy nify, tsy hiakatra eny an-tafontrano, handro, ets. Matetika no manohitra ny ankizy, nefa mankatò ihany na dia izany aza satria fantany fa tsy manao vazivazy ny ray aman-dreniny amin’izany.” Tsy afaka hanantena hahita an’ireo zanakao ‘mamatotra mandrakariva ny didinao sy ny lalànao eo amin’ny fony’ ianao raha tsy manohy manao izay hampiharana izany tsy tapaka. —15. Rehefa tsy manao izay hampiharana tsy tapaka ireo fitsipika naoriny ny ray aman-dreny, inona no vokatr’izany eo amin’ny ankizy?
15 Rehefa tsy manao izay hanajana ny didiny afa-tsy indraindray arakaraka ny toe-tsainy amin’izay fotoana izay ny ray aman-dreny, na miandry ela vao manitsy ireo zanany rehefa tsy mankato izy, dia mamporisika an’ireo izy hitady hoe hatraiza no azony aleha amin’ny tsy fankatoavana nefa tsy ho voasazy. Rehefa ela vao ampiharina ny sazy, dia manahaka ny olon-dehibe ny ankizy amin’ny fahasahisahiana manao ratsy. “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” (Mpitoriteny 8:11). Mitenena àry amim-pahatsorana ary manaova zavatra araka ny teninao. Ho tsapan’ny zanakao izany ary ho takany fa tsy misy mihitsy ilàna ny hidongy, hiady hevitra na hanao zavatra toy ny hoe lozabe na ratsy fanahy ianao.
16. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba hanalavirana ny fanomezana baiko mafy loatra?
16 Tena ilaina àry ny hieritreretana alohan’ny hanaovan-javatra. Matetika no tsy mety ny fitsipika na ny baiko omena amin’ny fomba tsy voahevitra. “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.” (Jakoba 1:19). Raha tsy araka ny marina sy araka ny fifanarahan-kevitra no ampiharanao ny fifehezana, ny zanaka izay mahay manavaka ny rariny amin’ny fomba voajanahary dia ho tafintohina amin’izany ka hahatsiaro fahasosorana.
ARAHO MASO NY FIALAM-BOLIN’IZY IREO
17. Inona no tokony hampianarina ny ankizy momba ny asa sy ny lalao?
17 Araka ny natiora ny maha-anisan’ny fiainan’ny ankizy iray ny lalao (Zakaria 8:5). Tokony ho fantatry ny ray aman-dreny izany, sady hampianatra miandalana ny ankizy izy mba hankamamy ny asa sy hahay handray andraikitra. Ho fantany amin’izany amin’ny ankapobeny fa miasa aloha vao milalao.
18. Inona no mety ho vokatry ny fifaneraseran’ny ankizy eo amin’ny tenany?
18 Ny ankizy sasany dia saika miafara amin’ny fiainana eny amin’ny arabe na ny fahatongavana ho vahiny ao an-tokantrano noho izy milalao any ivelany foana. Misy vokany manimba anefa ny fifaneraserana ratsy (I Korintiana 15:33). Marina fa ilaina ny hifampikasohan’ny ankizy amin’ny any ivelan’ny tokantrano mba hanitarana ny fahalalany olona, nefa raha maro loatra sy tsy voara-maso ireny fifaneraserana any ivelany ireny, dia mety hihaosa ny faritry ny fianakaviana ary mety ho rava mihitsy aza.
19. Inona no mety ho tsara raha jeren’ny ray aman-dreny indray mba hahitana raha ataony toerana mahafinaritra ho an’ireo zanany ny tokantranony?
19 Tokony hampiasa fifehezana ny ray aman-dreny mba hanitsiana izany toe-javatra izany. Nefa ho tsara koa ny hanontaniany tena ny amin’izay azon’izy ireo atao mba hahatonga ny tokantrano hahafinaritra ho an’ireo zanany sy ny hoe ampy ve ny fotoana lanin’izy ireo iarahana aminy, tsy hoe mba hampianarana azy ireo sy hifehezana azy fotsiny, fa mba hahatongavana ho tena sakaiza sy namana tsara ho azy ireny koa. Sahirana loatra foana ve ianao ka tsy afaka manokana fotoana ho azy ireo na mba hiaraha-milalao aminy? Rehefa avelanao handalo fotsiny ny fahafahana hanao zavatra sasany miaraka amin’ny zanakao, dia fantaro fa tsy hiseho intsony izany. Lalana iray ihany no Ohabolana 3:27.
izoran’ny fotoana ary tsy mijanona ho toy ny taloha akory ilay zaza: tsy mitsahatra ny mitombo sy miova izy. Mandeha ny fotoana ary na dia mihevitra aza ianao fa vao omaly ny zanakao lahy no zazakely niana-nandeha voalohany, dia hitanao vetivety fa tonga zazalahy izy ary ny zanakao vavy kely dia niova ho zazavavy. Amin’ny fahaiza-mandanjalanja ihany sy amin’ny fifehezana ny tenanao raha ny amin’ny fomba fampiasana ny fotoananao, no hanalaviranao ny famelana handalo fotsiny ny fahafahana atolotr’ireny taona sarobidy ireny anao sy hahita ireo zanakao manalavitra anao na dia mbola kely dia kely aza. —20, 21. Ao amin’ireo tokantrano misy televiziona, inona no andraikitra tokony hiantsorohan’ny ray aman-dreny, ary nahoana?
20 Any amin’izay anaovana ny televiziona ho loharanom-pialam-boly mahazatra, dia tsy isalasalana fa hilaina ny hamerana ny fampiasana azy. Ho an’ny ray aman-dreny sasany, ny televiziona dia ampiasaina ho mpiambin-jaza. Mety ho toa mora ampiharina sy tsy andaniana vola be izany, nefa raha ny marina dia mety ho lafo vidy tokoa io fomba io. Ny fandaharana ao amin’ny televiziona izay matetika feno herisetra sy ny amin’ny lahy sy ny vavy, dia mahatonga hihevitra fa ny herisetra dia fomba tsara iray fandaminana ireo zava-manahirana ary ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna dia anisan’ny zavatra azo ekena eo amin’ny fiainana. Fitsapana maro no nampiharihary fa ny vokatr’izany dia tsy fahatairan’ny olona, indrindra fa ny tanora, eo anoloan’ireny fanao ireny. Tsy isalasalana fa tianao ny hihinanan’ny zanakao sakafo mahasalama fa tsy voaloto. Vao mainka tokony hiahy bebe kokoa ihany ny amin’izay amahanana ny sainy ianao. Araka ny nasehon’i Jesosy, dia tsy ny sakafo fa izay raisin’ny saina no miditra ao am-po. — Marka 7:18-23.
21 Ny fanarahanao maso an’ireo fandaharana jeren’ny zanakao sy ny fotoana laniny eo anoloan’ny televiziona dia mety hisy heriny lehibe eo amin’ny fitomboany. Marina fa ny televiziona dia mety hampiala voly na hahitana fianarana mihitsy aza, nefa, rehefa ampiasaina tsy misy fetra izy io dia mety hanjary zavatra hilaina izay haka be dia be amin’ny fotoanantsika. Ny fotoana anefa dia ny fiainana,
ary ny tapany amin’ny fotoana lany eo anoloan’ny televiziona dia tsy isalasalana fa ho azo ampiasaina amin’ny fomba mahasoa kokoa. Ny televiziona tokoa dia fialam-boly mahatonga antsika hiandry fotsiny fa tsy hiasa. Tsy ny toeran’ny asa ara-batana ihany fa ny famakian-teny sy ny resaka koa no alain’izy io. Ny mpianakavy dia mila ny hiaraka sy hifampiresaka, nefa tsy hita izany rehefa mianina amin’ny fipetrahana mangina eo anoloan’ny televiziona izy ireo. Ao amin’ireo tokantrano izay maha-zava-manahirana ny fitiavana televiziona loatra, ireo ray aman-dreny dia afaka manampy ny zanany hankamamy fialam-boly hafa, toy ny lalao mahasoa, ny famakian-teny na ny asa ao an-tokantrano, indrindra fa raha ny tenan’izy ireo mihitsy no mitarika izany sy manome ohatra.REHEFA MIFEHY AN’IREO ZANAKAO IANAO, DIA MIFAMPIRESAHA AMINY
22. Nahoana moa no zava-dehibe ny hahazoan’ny ankizy tsara ny hevitry ny teny ampiasain’ny ray aman-dreniny?
22 Nilaza izao tantara kely manaraka izao ny ray iray:
“Zara raha feno telo taona ny zanako lahy kely rehefa nanao toriteny iray manontolo taminy momba ny lainga aho. Nanazava taminy aho fa halan’Andriamanitra ny lainga tamin’ny fampiasana ny Ohabolana 6:16-19 mbamin’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly. Nihaino izy ary toa nandray tsara ny teniko. Nihevitra anefa aho fa tsy tena takany izay tiako holazaina. Koa nanontany azy aho hoe: ‘Fantatrao ve ny atao hoe lainga?’ ‘Tsia’, hoy ny navaliny ahy. Taty aoriana dia nofantariko tsara foana raha azony ny teny nampiasaiko sy ny antony nifehezako azy.”
23. Inona no azo atao mba hanampiana ny ankizy hahatakatra hoe nahoana no tsara ny fomba fanaovan-javatra toy izany?
23 Raha mbola kely dia kely ny ankizy, ny ray aman-dreny dia mandrakariva tokony hianina amin’ny filazana hoe “tsia” mba handrarana azy ireny tsy hanao zavatra sasany toy ny fikasihana lapoaly mahamay. Nefa, na dia amin’ireny fampitandremana tsotra voalohany ireny aza, dia azo atao ny manome ny antony. Araka izany, dia “mahamay” ny lapoaly ka “harary” izay mikasika azy. Na ahoana na ahoana, Matio 7:12; Romana 13:10.
raha vao eo am-piandohana dia ampahatsiarovy mandrakariva fa mba hahasoa azy no anomezana ireny fandrarana ireny. Atỳ aoriana, dia asehoy azy hoe nahoana ny toetra toy ny hatsaram-po, ny fiheverana sy ny fitiavana no faniry. Ampio izy ireo hahatakatra fa izany dia fototry ny didy rehetra sy ny fandrarana rehetra. Sorito koa ny hoe amin’ny ahoana ny fanaovan-javatra sasany no manome taratr’ireo toetra ireo fa tsy toy izany ny hafa. Raha manao izany tsy tapaka ianao, dia azo inoana fa hahomby amin’ny fanohinana, tsy ny sain’ilay zanaka ihany, fa ny fony koa. —24. Nahoana moa no zava-dehibe ny hanajan’ny zaza iray ny fahefana?
24 Toy izany koa, dia tokony hampianarina miandalana ny ankizy fa ilaina ny mankatò sy manaja ny fahefana. Raha vao eo amin’ny taona voalohany amin’ny fiainany, dia manomboka mampiseho ilay zaza na vonona ny hankatò ny ray aman-dreniny izy na tsia. Raha vao mamela azy hanao izany ny fitomboan’ny sainy, dia ataovy izay hahatakarany tsara fa hadinin’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Mety hisy heriny lehibe eo amin’ny ataony izany. Raha tsy misy izany fahalalana izany, dia mety hihevitra ny ankizy fa tsy maintsy mankatò ny ray aman-dreniny izy ireo noho izy ireny lehibe kokoa sy matanjaka kokoa noho izy fotsiny. Raha asehon’ny ray aman-dreny an’ilay zaza, ohatra, fa tsy ny hevitry ny tenan’izy ireo, fa ny an’ny Mpamorona, izay ampianarin’ny Teniny, no atorony azy ireo, dia hisy heriny tsy misy toy izany ireo torohevitra sy fitarihana homeny azy ireo. Ho afaka hanovo hery ilaina avy amin’izany ilay zanaka rehefa hanomboka ho tojo fahasahiranana eo amin’ny fahatanorany ka hiharam-panerena samihafa noho ny fifikirany amin’ireo fotopoto-pitsipika marina na dia ao aza ny fakam-panahy na ny fanerena. — Salamo 119:109-111; Ohabolana 6:20-22.
25. Ahoana no mety hanampian’ny torohevitra voalaza ao amin’ny Ohabolana 17:9 ny ray aman-dreny mba hifehy tsara an’ireo zanany?
25 “Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena sakaiza.” (Ohabolana ). Mihatra eo amin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka io fotopoto-pitsipika io. Rehefa takatr’ilay zaza fa nanao fahadisoana izy ary nahoana no mila fifehezana izy, ary nampiharina ny fanitsiana, ny fitiavana dia tokony hanosika ny ray aman-dreny tsy hampahatsiahy an’ilay fahadisoana. Na toy inona na toy inona fahadisoana, dia asehoy mazava amin’ilay zanaka fa tsy izy akory no halanao fa ny ratsy ( 17:9Joda 23). Ny zanaka nosazina dia mihevitra fa efa “nandoa” noho ny fahadisoany izy. Koa raha ampahatsiarovina azy matetika izany fisehoan-javatra izany, dia hahatsapa fa iharan’ny fampietrena tsy amin’ny antony izy ka angamba aza hahatsiaro fankahalana anao na ireo rahalahiny sy anabaviny na anadahiny sy rahavaviny. Raha velom-panahiana ny ray aman-dreny satria mamerimberina fahadisoana tsy tapaka ny zanany, dia azo atao ny mandinika ilay raharaha ao amin’ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy any aoriana. Aza mianina amin’ny fitanisana sy ny famisavisana ny nataony tany aloha rehetra, fa diniho kosa ireo fotopoto-pitsipika voakasika, avy eo dia hazavao ny fomba azo ampiharana izany ary nahoana no zava-dehibe tokoa izany mba hahatongavana amin’ny fahasambarana maharitra.
KARAZAM-PIFEHEZANA
26. Nahoana no tsy mitovy ny fandraisan’ny ankizy rehetra tsara ny karazam-pifehezana iray ihany?
26 “Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala.” (Ohabolana 17:10). Koa satria tsy mitovy ny ankizy, dia tsy amin’ny fomba mitovy akory no hifehezana azy rehetra. Tokony hoheverina ny toe-panahy sy ny toe-tsain’ny tsirairay. Raha mora tohina aoka izany ny ankizy iray dia tsy hilaina foana akory ny fikasihan-tanana toy ny kapoka. Amin’ny hafa iray dia tsy hisy hilana ny fanitsiana toy izany mihitsy. Etsy andaniny koa, ny zaza iray dia mety hitovy amin’ilay mpanompo resahina ao amin’ny Ohabolana 29:19 izay ‘raha teny fotsiny ihany dia tsy ampy hananarana azy; fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny’. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia hila fikasihan-tanana ho sazy izy.
27. Ahoana no nanampian’ny ray iray ny zanany lahy kely mba tsy hanoratra eo amin’ny rindrina intsony?
27 Mitantara toy izao ny reny iray:
“Fony mbola vao teo amin’ny roa taona teo ny zanako lahy, dia nanipitsipika mena teo amin’ny rindrina, teo akaikin’ny gorodona. Nasehon-drainy azy izany ary nanontaniany ny amin’izany izy. Ho hany valiny dia nivandravandra tsy niteny na inona na inona ilay zaza. Nanampy teny toy izao àry ny rainy: ‘Hitanao? Fony aho mbola kely toa anao, dia nanoratra teo amin’ny rindrina koa aho. Mahafinaritra an, sa tsy izany?’ Tamin’izay dia tsy nihenjana intsony ilay ankizilahy kely, nitsiky ary nitantara tamin-kafanam-po ny fahafinaretana azony rehetra tamin’ny fanaovana izany. Fantany fa nahatakatra ny fiheviny ny rainy. Nanazava taminy anefa ny rainy fa na dia mahafinaritra tokoa aza ny manoratra eo amin’ny rindrina, dia tsy natao ho amin’izany io. Voaorina ny fifampiresahana tsara ary fanazavana fanampiny vitsivitsy monja no nilain’ilay zaza mba hanatsoahana fianarana avy amin’izany.”
28. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny analavirana ny fiadian-kevitra maharitra amin’ny zanany?
28 Rehefa fehezina ny zaza iray, dia tsara ny hanazavana aminy ny antony, mba hampianarana azy. Nefa, amin’ny ankapobeny, dia tsy fahendrena ny hiadian-kevitra aminy. Rehefa tsy nety nanao asa sasany nankininy taminy ny zanany, dia izao fotsiny no nolazain’ny reny iray taminy: “Rehefa vitanao dia ho any an-jaridaina isika”, fivoahana nandrasan’ilay zaza izany. Ny fivoahana na fialam-boly hafa nomanina ho amin’io andro io dia tsy azo natao raha tsy efa vita ny asa nasaina natao. Raha toa, rehefa mamantatra ny fahavitany ilay reny, ka hitany fa tsy mbola vita, dia hoy izy: “Oadray, mbola tsy vita ihany? Handeha isika rehefa vita io.” Tsy niady hevitra izy, nefa nahazo vokatra.
29. Inona no azo atao mba hanampiana zaza iray hahatsapa ny voka-dratsin’ny fahadisoany?
29 Azo atao ny manampy ny ankizy fa mampiseho fahendrena ireo fotopoto-pitsipika marina amin’ny fanaovana izay hahatsapany ny voka-dratsin’ny fanaovan-javatra tsy mendrika. Nandoto na nanakorontan-javatra ve ilay zaza? II Tesaloniana 3:6, 14, 15). Amin’ny ankizy kely dia mety ho tsara kokoa noho ny avy amin’ny kapoka ny vokatra azo rehefa sarahina vetivety amin’ny mpianakavy hafa izy. Ny fihetsika tafahoatra anefa, toy ny famelana azy any ivelany, ohatra, dia hihoatra izay takin’ny fitiavana amintsika. Na inona na inona fomba ampiasaina, dia tokony hampahafantarina ny ankizy fa tsy maintsy mizaka ny vokatry ny fomba narahiny izy. Amin’izany no ampianarana azy ireo hiantsoroka ny andraikiny.
Mety ho ny maha-voatery hanadio sy handamina ny zavatra rehetra no mahakasika azy indrindra. Nanao zavatra tsy ara-drariny na tsy nahalala fomba ve izy? Ny fomba tsara indrindra hanitsiana izany fironan-dratsy izany angamba dia ny fampianarana azy hiala tsiny. Aoka hataontsika hoe namaky zavatra tao anatin’ny fipoahan’ny fahatezerana izy. Raha efa lehibe izy, dia ho azo atao ny hangataka aminy hanao izay hahazoana ny vola ilaina mba hanoloana an’ilay zavatra. Misy ankizy izay, ny fandavana tsy hanome tombontsoa sasany mandritra ny fotoana kelikely dia mahatonga ho afaka hampianatra azy ireo ny lesona ilainy. Ao anatin’ny kongregasiona kristiana, ireo tsy voafehy dia tsy mahazo ny fiarahana amin’ny rahalahy mba hitarihana ny sasany aminy ho menatra (MIFEHEZA AMIN’NY FITIAVANA
30. Nahoana moa no zava-dehibe ny hahaiza-mandanjalanja rehefa manorina fitsipika ho an’ireo zanatsika isika?
30 ‘Fantaro tsara ny zavatra lehibe indrindra’ ary tadidio fa ‘ny fahendrena avy any ambony dia mandefitra’. (Filipiana 1:10, MN; Jakoba 3:17.) Tadidio fa manana hery mitady hitobaka ny ankizy kely ary liana ny hianatra sy hamantatra ary hanandrana zava-baovao. Rehefa manome fepetra sy fitsipika ho azy ireny ianao, dia manaova zavatra amim-pahendrena sy fahaiza-mandanjalanja. Tokony ho hay ny mandanja izay tena ilaina sy izay tsy toy izany. Rehefa avy nanome fepetra ho azy ireo ianao, dia aza manandrana manara-maso ny fihetsehany madinika indrindra, fa avelao ny zanakao hanao zavatra malalaka sy milamina ao anatin’izany fetra izany (Ohabolana 4:11, 12). Raha tsy izany no izy, dia mety ‘hampahasosotra’ sy ‘hampamoy fo’ azy ireny ianao, ary amin’izany koa ny tenanao dia hanasa-tena hihevitra ho zava-dehibe ny fisehoan-javatra tsy dia manao ahoana raha ny marina. — Kolosiana 3:21.
31. Inona no ohatra nomen’i Jehovah Andriamanitra antsika ny amin’ny fomba fampiharana ny fifehezana?
31 Noho izany, ry ray aman-dreny, dia “faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany”, nefa ataovy araka ny fomban’Andriamanitra izany, amim-pitiavana. “Fa izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.” Aoka ny fifehezanao sady hisy vokany no ho feno fitiavana sahala amin’ny an’ny Mpamorona anao, satria “làlan’aina ny anatra famaizana”! — Ohabolana 19:18; 3:12; 6:23.
[Fanontaniana]