Omany ao anatin’ny fianakaviana ny ho avinao mandrakizay
Toko Faha-14
Omany ao anatin’ny fianakaviana ny ho avinao mandrakizay
1. Rehefa miasa mba hahasambatra ny fianakaviantsika isika, nahoana no tsara ny hieritreretana ny ho avy?
RAHA tsy isalasalana fa mamintsika ny fahatsiarovana sarobidy maro ary raha afaka maka fianarana avy amin’ny lasa isika, na dia avy amin’ny fahadisoana nataon’ny tenantsika aza, dia tena ilaina ny miaina ny ankehitriny. Nefa, na dia mbola mandeha tsara daholo aza ny zavatra rehetra amin’izao fotoana izao ao anatin’ny fianakaviantsika, dia tokony hiaiky isika fa mihelina ny ankehitriny. Tsy ho ela dia ho tonga omaly ny androany, ary vetivety dia ho lasa taloha ny ankehitriny. Noho isika maniry ny hahasambatra ny fianakaviantsika àry dia tena ilaina ny hibanjinantsika ny ho avy, ny hanomanantsika sy hitsinjovantsika izany. Miankina be dia be amin’ny fanapahan-kevitra ataontsika amin’izao fotoana izao tokoa ny ho avintsika sy ny an’ny ankohonantsika.
2. a) Nahoana no misy olona be dia be tsy mety mieritreritra ny ho avy? b) Raha maniry hahita ho avy sambatra isika, iza moa no tokony hohenointsika?
2 Inona no fahatsinjovan-javatra ho avy? Amin’ny ankapobeny ny volavolan-kevitra ataon’ny ankamaroan’olona dia tsy mihoatra ny taona vitsivitsy. Aleon’ny olona maro be tsy mijery lavitra loatra satria tsy mahatazana afa-tsy fiafarana tsy mahafinaritra izy, dia: ny fahafatesana izay manapaka ny faritry ny fianakaviana. Ho an’ny olona maro, vetivety ireo fanahiana eo amin’ny fiainana dia tonga manamatroka ny fotoam-pahasambarana fohy. Kanefa, raha henointsika Ilay “ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany Efesiana 3:14, 15.
anarana”, dia afaka hanantena zavatra tsara lavitra avy amin’ny fiainana isika. —3. a) Fahatsinjovan-javatra inona no natolotr’Andriamanitra ho an’ny olombelona voalohany? b) Nahoana no hafa ny fihodinan-javatra?
3 Rehefa namorona an’i Adama sy Eva Andriamanitra, ny fikasany dia tsy ny hoe tsy hiaina afa-tsy ao anatin’ny taon-tsarotra vitsivitsy dia ho faty ireo olona mpivady voalohany ireo sy ny taranany. Napetrany tao amin’ny fonenana paradisa iray izy ireo ary notolorany fahafahana ny ho velona mandrakizay (Genesisy 2:7-9, 15-17). Nafoiny tsy ho azy sy ny taranany anefa izany ho avy izany tamin’ny finiavana nandika ny lalàn’Andriamanitra izay niankinan’ny ainy. Izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana satria samy efa nanota izy rehetra.” — Romana 5:12.
4. Inona avy no fandaharana nataon’i Jehovah mba hahatanterahan’ny fikasany tany am-boalohany ny amin’ny olombelona?
4 Noho ny fitiavany anefa, dia nanao fandaharana Andriamanitra mba hanavotana ny taranak’olombelona. Nanome ny ain’olombelona tanteraka nananany ho an’ny taranak’i Adama rehetra Jesosy Kristy Zanany (I Timoty 2:5, 6). Navotan’i Jesosy àry izay narian’i Adama tsy ho antsika ka nomeny tamin’izany ho an’ny olona maneho finoana an’io fandaharana io ny fahafahana hahita ny ho avy natolotr’Andriamanitra ny olona mpivady voalohany. Amin’izao androntsika izao, ireo tsy lasa aloha noho ny aretina mafy na ny voina dia afaka ny ho velona eo amin’ny fitopolo na valopolo taona eo ary mihoatra ny sasany. Nefa, “fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — Romana 6:23.
5-7. a) Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra dieny ankehitriny isika, inona no azontsika antenaina ho amin’ny ho avy? b) Inona no fanontaniana azo apetraka momba ny fanampiana azo entina ho an’ny fianakavian’ny tena?
5 Mety hilaza inona izany ho an’ny fianakaviantsika? Ho avy mandrakizay, raha mihaino ny didin’Andriamanitra sy manaraka izany (Jaona 3:36). Ao amin’ny Teniny tsy mety diso Andriamanitra dia mampanantena fa hofoanany ny fandehan-javatra mampahory ankehitriny ary hataony izay hahatonga ny olombelona hotapahin’ny fitondram-panjakana marina sy tonga lafatra naoriny (Daniela 2:44). Milaza tokoa io Teny io fa ny fikasany dia ny ‘hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany”. (Efesiana 1:10.) Eny, hanjaka amin’izay ny fifandrindrana eo amin’izao rehetra izao, ka ny taranak’olombelona manontolo dia ho tafaray sy hafahana amin’ny adim-poko, ny fisaratsarahana ara-politika, ny heloka tsy mifaditrovana sy ny fandravan’ny ady. Honina tsy hanana ahiahy ireo fianakaviana ary “tsy hisy hanaitaitra azy”. (Salamo 37:29, 34; Mika 4:3, 4). Mety hisy izany toe-piainana izany satria izay rehetra ho velona amin’izany dia hanjary ‘hanahaka an’Andriamanitra tahaka ny zanaka malala’ ka hanohy ‘handeha amin’ny fitiavana’. — Efesiana 5:1, 2.
6 Eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fianakavian’olombelona dia hiasa ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny fifaliana mba hanao ny tany ho paradisa, araka ny nanomanan’ny Mpamorona azy, dia saha izay hamokatra sakafo tondraka ho an’ny olombelona rehetra. Ny vorona, hazandrano sy biby maro karazana eto an-tany dia ho eo ambany fahefan’ny olona ka hanompo azy ary hitondra fahafinaretana ho azy, satria izany no sitrapon’Andriamanitra voambara (Genesisy 2:9; 1:26-28). Tsy ho tonga hanakorontana ny fahasambaran’ny fianakavian’olombelona intsony ny aretina, ny fanaintainana, ny fahanterana na ny tahotra ny fahafatesana. Na dia ireo “ao am-pasana fahatsiarovana” aza dia hatsangana mba handray soa amin’ny zavatra kanto rehetra hatolotry ny fiainana antsika amin’izay. — Jaona 5:28, 29, MN; Apokalypsy 21:1-5.
7 Inona no azonao atao mba hanampiana ny fianakavianao ho izay hanana anjara amin’ny fahatanterahan’izany fikasan’Andriamanitra izany?
IZAY TOKONY HATAONTSIKA
8. Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra?
8 Tsy misy na dia iray monja amintsika aza tokony ho diso Lioka 10:25-28). Miharihary tokoa fa tsy ampy ny milaza fa mino an’Andriamanitra isika, ny mandeha ara-potoana any amin’ireo fivoriana iresahana ny Baiboly na ny hanaovan-tsoa indraindray amin’ny olona sasany. Ny finoana arahintsika kosa dia tokony hanan-kery lalina eo amin’ny fisainantsika sy ny faniriantsika ary ny ataontsika, ary izany dia isan’andro sy amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika.
hevitra amin’ny fieritreretana fa ampy azy ny manana izay antsoina hoe “fiainana mahitsy” mba hahafahana ho velona ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Tsy anjarantsika ny manapa-kevitra ny amin’ny hoe inona avy no fepetra takina; ara-drariny raha an’Andriamanitra izany zo izany. Indray andro, raha nampianatra tany Jodia Jesosy, dia nanontany azy toy izao ny lehilahy iray: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Izao no navalin’i Jesosy azy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra” ary, “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (9. Fotopoto-pitsipika inona avy ao amin’ny Baiboly no manampy antsika hihevitra ny zavatra eo amin’ny fiainana amin’ny fomba fijery voalanjalanja tsara?
9 Raha tadidiantsika ao an-tsaina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra amin’ny fiheverana izany ho sarobidy tokoa, dia ho moramora kokoa amintsika ny hanao zavatra amim-pahendrena, ka izany dia hiantoka ho antsika ny fankasitrahana sy ny fanampian’Andriamanitra (Ohabolana 4:10). Raha atoditsika any amin’Andriamanitra sy ny fikasany daholo ny zavatra rehetra, dia ho afaka hampiasa ny fiainantsika amin’ny fomba mety isika. Marina fa ilaina ny miasa mba hahazoana izay ilaintsika ara-nofo, nefa mampahatsiaro antsika ny Zanak’Andriamanitra fa tsy amin’ny fanahiana sy amin’ny fikatsahana fatratra ny fananana ara-nofo no hahafahantsika hanalava na dia kely foana aza ny faharetan’ny fiainantsika. Nefa kosa, raha mikatsaka voalohany ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany isika, dia hanalava izany tsy misy farany (Matio 6:25-33; I Timoty 6:7-12; Hebreo 13:5). Irin’Andriamanitra ny hananantsika fiainam-pianakaviana sambatra. Nefa, raha tsy miahy afa-tsy azy io isika ka tsy mampiseho fitiavana marina amin’ny olona any ivelany, dia hanimba tena, satria hanome ho an’ny fianakaviantsika fomba fijery ny fiainana tery loatra ka tsy hahazo ny fitahian’Andriamanitra. Mitondra ny fifaliana lehibe indrindra ny fahafinaretana sy ny fialam-boly ao anatin’ny fianakaviana rehefa omena ny toerana tandrifina azy, izany hoe rehefa tsy avela hanilika ny fitiavantsika an’Andriamanitra ho any amin’ny toerana faharoa (I Korintiana 7:29-31; II Timoty 3:4, 5). Na manokana na ao anatin’ny fianakaviana, raha manao zavatra mifanaraka foana amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra feno fahendrena isika, dia hitondra fahafahampo lehibe ho antsika ny fiainantsika, hahatsiaro ho nahavita zavatra isika, ary ambonin’izany dia hametraka fototra tsara ho an’ny ho avy mandrakizay. Noho izany antony izany, “na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo [Jehovah, MN], satria fantatrareo fa ny Tompo [Jehovah, MN] no handraisanareo ny lova ho valiny”. — Kolosiana 3:18-24.
MANORENA AO ANATIN’NY FIANAKAVIANA
10. Inona no maha-zava-dehibe ny fiarahana mandinika tsy tapaka ny Baiboly ao an-tokantrano?
10 Mba hanohizan’ny mpianakavy miasa amin’ny fananana zava-kendrena mitovy, dia mahasoa ary tena ilaina mihitsy aza, ny hiarahany midinika ao an-tokantrano ny amin’ny Tenin’Andriamanitra. Isan’andro izy ireo dia manana fahafahana maro be hampifandray ireo zavatra hitany na nataony amin’ny fikasan’ny Mpamorona (Deoteronomia 6:4-9). Tsara ny hanokanana fotoana tsy tapaka hamakian’ny mpianakavy rehetra ny Baiboly sy hiarahany mandinika izany, angamba amin’ny fampiasana boky manazava ny Baiboly. Manamafy ny firaisam-pianakaviana izany. Amin’izay ny mpianakavy dia ho afaka hampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hifanampiana eo amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana hiseho. Rehefa manome ohatra tsara ny ray aman-dreny amin’ny tsy famelana ny fanaovan-javatra hafa haka ny toeran’ny fiaraha-mandinika ny Baiboly ao anatin’ny fianakaviana, dia ampahafantariny ny zanany ny maha-zava-dehibe tokoa ny hanajana sy hankamamiana ny Tenin’Andriamanitra. Izao tokoa no nolazain’ny Zanak’Andriamanitra: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” — Matio 4:4.
11. Fironana inona no tokony hohalavirin’ny mpianakavy raha ny amin’ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy?
11 Zava-dehibe ny ‘tsy hisian’ny fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahian’ny momba ny tena rehetra”. (I Korintiana 12:25.) Tokony ho toy izany koa ao amin’io tena hafa io, dia ny fianakaviana. Tsy ho variana loatra eo amin’ny fanaovana izay handrosoan’ny tenany manokana amin’ny fahalalana sy ny fahatakarana ny zavatra ara-panahy ny lehilahy na ny vehivavy ka hanadino ny an’ny vadiny. Raha tsy ampy fiahiana ny amin’izay ilain’ny vadiny amin’ny ara-panahy, ohatra, ny lehilahy, rehefa ela ny ela, dia mety tsy hitovy zava-kendrena aminy intsony ravehivavy. Raha tsy ampy fiheverana ny handrosoan’ireo zanany amin’ny ara-panahy ny ray aman-dreny, raha tsy manampy azy ireny izy hahafantatra ny fomba hampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny hoe mitondra fahasambarana ny fampiharana izany, dia mety hahatsikaritra izy indray andro any fa voatariky ny toe-tsaina fatra-pitia ny zavatra ara-nofo eo amin’izao tontolo izao ny fo sy ny sain’ireo zanany. Mba hahasambatra mandrakizay ny fianakavianao manontolo àry, dia ataovy izay hanokanany fotoana tsy tapaka hianarana ny Tenin’Andriamanitra sy hiheverany an’io asa io ho antoky ny aina.
12. Ny fiarahana amin’iza no tsy tokony hataontsika tsirambina?
12 Raha marina fa “manomboka ao an-trano ny fitiavana”, dia tsy tokony hijanona ao izany. Ao amin’ny Teniny, dia nambaran’Andriamanitra fa ny tena mpanompony dia hahaforona, na dia ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny aza, fianakaviamben’ny mpirahalahy sy mpianadahy. Mananatra antsika izy, “araka ny ananantsika andro hanaovana”, mba “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”, izany hoe amin’ireo ‘rahalahintsika rehetra eran’izao tontolo izao’. (Galatiana 6:10; I Petera 5:9.) Tokony hahafaly ny fianakaviantsika ny miara-mivory tsy tapaka amin’izany “fianakaviana” lehibe lavitra izany ka izany dia tokony hoheveriny ho fifaliana tsy havelany mora foana noho ny zavatra hafa. — Hebreo 10:23-25; Lioka 21:34-36.
13. Inona no andraikitra ananantsika eo anoloan’ny olona tsy anisan’ny kongegasiona kristiana?
13 Ny fitiavantsika anefa dia tsy tokony ho voafetra ho “ao an-tranon’Andriamanitra”, izany hoe ho amin’ireo anisan’ny kongregasionany (I Timoty 3:15). Araka ny nolazain’ny tenan’ny Zanak’Andriamanitra mihitsy, raha izay tia antsika ihany no tiavintsika ary raha voafetra ho an’ireo rahalahintsika ihany ny firaiketam-pontsika, ‘inona no ataontsika mihoatra noho ny sasany’? Mba hanahafana ny Raintsika any an-danitra, dia tokony hihevitra amim-pahatsorana ny olona rehetra isika ka hiseho ho be hatsaram-po aminy amin’ny fiezahana foana hampita aminy ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy amin’ny fitarihan-javatra amin’io lafiny io. Rehefa maneho fitiavana toy izany ny fianakaviantsika manontolo, dia tena misy heviny sy zava-kendrena ny fiainantsika. Ny mpianakavy rehetra, ny ray aman-dreny sy ny zanaka, dia mianatra amin’ny alalan’ny fanandraman-javatra ny dikan’ny hoe maneho fitiavana amin’ny fomba feno, noho izany dia manahaka ny ohatra omen’Andriamanitra antsika amin’izany (Matio 5:43-48; 24:14). Tsapany koa ny fahasambarana feno tsy mety ho azo afa-tsy amin’ny fanomezana atao amim-pahatsorana. — Asa. 20:35.
14. Torohevitra inona avy no tokony hampiharina mba hanampy amin’ny fahazoana fiainam-pianakaviana sambatra?
14 Endrey ny fahatsinjovan-javatra kanto ho an’ireo fianakaviana izay maneho fitiavana toy izany! Fantany fa amin’ny fanarahana ireo torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no hahazoany antoka fa hanana fiainana sambatra. Na dia ao aza ireo zava-manahirana sy fahasahiranana mahazo ny olona rehetra, ireo fianakaviana manao toy izany dia mahazo vokatra tsara dieny izao. Mijery any ambadiky ny ankehitriny anefa izy ireo ary tsy taona vitsivitsy monja voafefin’ny fahafatesana akory no eritreretiny. Noho ny finoany mafy fa mendrika itokisana ny fampanantenan’Andriamanitra, ireny mpianakavy ireny dia manorina amim-pifaliana amin’ny fikendrena ho avy mandrakizay.
15. Inona avy no fanontaniana ho azonao apetraka amin’ny tenanao raha ny amin’ny soa azo avy amin’ny fampiharana ireo torohevitra voambara tato anatin’ity boky ity?
15 Nasehon’ity boky ity tamin’ny alalan’ny Baiboly fa fony namorona ny tany Andriamanitra, ny fikasany dia ny hahatonga azy honenana. Noho ny fikendrena izany no nanorenany ny fianakaviana. Nanorina fitsipika ara-pitondrantena koa Jehovah Andriamanitra ho an’ireo ray, ireo reny sy ireo zanaka, dia fitsipika nodinihina tato amin’ity boky ity. Afaka nampihatra sasantsasany tamin’ireny fotopoto-pitsipika ireny tao anatin’ny fianakavianao ve ianao? Moa ve izany nanampy anao hahatonga ny fiainam-pianakavianao ho sambatra kokoa? Manantena izany izahay. Inona anefa no tehirizin’ny ho avy ho anao sy ny ankohonanao?
16-18. Toe-piainana mahafinaritra inona avy no nomanin’i Jehovah ho an’ny tany?
16 Ho tianao ve ny handray anjara amin’ny fikarakarana ny tany? Ho tianao ve ny hamboly azy mba hamokarany be dia be ka hahatonga ny efitra ho feno voninkazo? Hahafinaritra anao ve ny hahita ny tsilo sy ny karazany manome toerana ho an’ny saha voavoly hazo mamoa sy ny ala kanto? Hahita fahafinaretana ve ianao sy ny fianakavianao hampanaiky ny biby amin’ny tany, tsy amin’ny alalan’ny basy, ny karavasy na ny langilangy, fa noho ny fitiavana sy ny fifampitokisana?
17 Raha irinao fatratra ny hahita fotoana hanovana ny sabatra ho fangady ary ny lefona ho fanetezam-boaloboka, tsy hisian’ny mpanamboatra baomba na ny mpitarika ady intsony, dia ho sambatra ianao ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’i Jehovah. Ny fanapahana ara-politika mpampijaly, ny fitiavan-karena fatratra sy ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana dia ho zavatra efa lasa. Hitoetra amim-piadanana eo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny fianakaviana tsirairay avy. Hanakoako eto an-tany ny horakora-pifalian’ireo ankizy ho tafatsangana amin’ny maty sy ny kalom-boronkely tsy tambo isaina, ary rivotra hameroveroan’ny hanitry ny voninkazo no hofohintsika fa tsy fofona maimbo manempotra avy amin’ny fandotoana vokatry ny fanaovan-taozavatra. — Mika 4:1-4.
18 Raha irinao amim-pahatsorana ny hahita ny mandringa Apokalypsy 21:1-4.
hitsambikina toy ny diera sy ny mason’ny jamba hahiratra, ny handre ny moana mihira, ny hahafantatra fa mahare indray ny marenina, ny hahatsapa fa ny fisentoana sy ny fitomaniana dia nanome toerana ho an’ny fitsikiana, ny ranomaso sy ny alahelo, ho an’ny hehy, ny aretina sy ny fahafatesana, ho an’ny fahasalamana sy ny fiainana mandrakizay, dia miezaha, ianao sy ny fianakavianao, hameno ireo fepetra takin’i Jehovah mba hiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ampanantenainy antsika izay hisian’ny toe-piainana toy izany mandrakizay. —19. Ahoana no mety hahatonga anao sy ny fianakavianao ho anisan’ireo izay hahazo ny fitahiana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao haorin’Andriamanitra?
19 Moa ve ny fianakavianao ho anisan’ny vahoaka falifaly hameno ny tany? Miankina aminao izany. Ampiharo dieny izao ao anatin’ny fianakavianao ireo torohevitra omen’i Jehovah anao. Miaraha miezaka, ianareo ray aman-dreny sy zanaka, hanaporofo hatramin’izao fa ho hainareo ny hanaraka ireo fitsipi-piainan’io fandehan-javatra vaovao io. Ianaro ny Tenin’Andriamanitra, ampiharo izany ary ampahafantaro ny mpiara-belona aminao ny fanantenanao. Amin’ny fanaovana toy izany, ny fianakavianao dia hahazo “anarana tsara” eo anilan’Andriamanitra. Ary anefa, “aleo anarana tsara toy izay harena be dia be; tsara kokoa ny fankasitrahana noho ny volafotsy sy ny volamena”. Tsy hanadino anarana toy izany Jehovah. “Voatokana ho amin’ny fitahiana ny fahatsiarovana ny marina.” (Ohabolana 22:1, New World Translation of the Holy Scriptures, fanamarihana ambany pejy; 10:7, MN). Noho ny fankasitrahan’i Jehovah an’izay tsy mendrika akory àry dia mety hahazo fiainana sambatra sy mandrakizay ianao sy ny fianakavianao.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 189]