Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa be taona

Rehefa be taona

Toko Faha-13

Rehefa be taona

1, 2. a) Inona avy no zava-manahirana mety hitranga rehefa niala tao an-tokantrano ny zanaka? b) Ahoana no fihetsiky ny olona sasany eo anoloan’ny fahanterana?

RAHA tsy misy asa ara-batana na ara-tsaina ataontsika, dia sorisorena isika. Amin’izay dia hitantsika ho foana ny fiainantsika ka very hevitra isika. Tojo zava-manahirana toy izany indraindray ny mpivady rehefa nihalehibe ireo zanany ka mandao ny tokantrano. Nandritra ny taona maro izy ireo dia sahirana aoka izany noho ireo adidiny amin’ny maha-ray aman-dreny, avy eo, vetivety dia afaka amin’izany izy ireo.

2 Afa-tsy izany koa, rehefa mandeha ny taona dia miova ara-batana isika. Miseho ny ketrona, mihafotsy sasaka ny volo, mihasola ny loha ary tsapa ny fanaintainana tsy fantatra teo aloha. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe mihantitra isika. Ny olona sasany dia tsy mety mijery ny zavatra tena misy ka manao fiezahana mihoapampana mba hampisehoana fa mbola tanora foana izy. Vetivety eo dia manjary matimaty ery amin’izao fiainana izao izy ireny, manenjika fanasana foana na mifototra mafy amin’ny fanatanjahan-tena. Mahavariana azy ireny fanaovan-javatra mahafanina ireny, nefa moa ve mitondra fahafahampo maharitra ho azy izany? Moa ve izany mahatonga azy hihevitra fa ilaina tokoa ny tenany, dia fahatsapan-javatra tena ilaina mba tena hampisy heviny tokoa ny fiainana?

3. Na dia mahafinaritra aza ny miala voly, inona moa no tokony hohalavirina?

3 Marina fa mahafinaritra ny miala voly ary, rehefa tonga eo amin’ny taona sasany ianao dia angamba mahatsikaritra fa manam-potoana hanaovan-javatra tsy azonao natao fony mbola tao an-tokantrano ny ankizy. Nefa raha ny fikatsahana fahafinaretana no manjary zavatra mitana ny sainao indrindra, dia mety hahita zava-manahirana lehibe ianao. — II Timoty 3:4, 5; Lioka 8:4-8, 14.

NY HASOAN’NY TSY FIVADIHANA

4, 5. Inona no mety hitranga rehefa mihevitra ny olona iray efa zokinjokiny fa tokony hasehony fa mbola misy vehivavy na lehilahy tia azy?

4 Eo amin’io fotoana eo amin’ny fiainany io, dia olona maro no toa mihevitra fa tokony hasehony fa mbola mety ho tian’ny vehivavy izy raha lehilahy, ary ny lehilahy raha vehivavy. Manomboka milalao fitia izy ireny amin’ny fanasana iray na amin’ny fotoana hafa. Ny lehilahy indrindra no mamelona fifandraisana amim-behivavy tanora kokoa noho izy ireo, ary amin’izao fotoana izao, amin’ny fisian’ny “fitsipi-pitondrantena vaovao”, dia vehivavy maro no mitady toky amin’ny fisetran-javatra ivelan’ny fanambadiana. Indraindray dia misy lehilahy sy vehivavy nivady hatramin’ny taona maro, manomboka manonofinofy “fiainana vaovao” miaraka amin’olon-kafa. Manandrana manamarin-tena izy amin’ny fampiharihariana ireo kileman-toetran’ny vadiny sady mody tsy mahalala ny an’ny tenany, indrindra fa ny fivadihany amin’ny vadiny sy amin’ireo fotopoto-pitsipika marina.

5 Fantany angamba ireto tenin’i Jesosy ireto: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana [pornéia: fahalotoam-pitondrantena lehibe] ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga.” Asehon’i Jesosy eo fa tsy mety ny misara-panambadiana “noho ny antony na inona na inona”, fa izy ireo kosa vonona ny hampiasa izay rehetra mety ho fanalan-tsiny lazain’ny lalàna tsy ara-pivavahana mba hisaraham-panambadiana (Matio 19:3-9). Rehefa avy eo dia mifidy vady vaovao izy, olona izay angamba efa nifandraisany talohan’ny hanombohana ny fangatahana fisaraham-panambadiana amin’ny fitsarana. Na dia fantany aza fa manameloka ny fitondrantena toy izany ny Tenin’Andriamanitra, dia mampandry ny eritreriny izy amin’ny filazana anakampo fa noho ny famindrampony lehibe dia “hahatakatra ny fiheviny” Andriamanitra.

6. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo izay manamavo ny fanekena tamin’ny fanambadiana?

6 Mba tsy hahatonga antsika ho sodokan’ny fanamarinana ratsy toy izany, dia ho tsara ny hieritreretantsika izay nambaran’i Jehovah tamin’ny Isiraelita tamin’ny alalan’i Malakia mpaminaniny: “Izao (...) no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’i Jehovah, ka tsy mba jereny [amim-pankasitrahana] intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ny tànanareo Izy. Nefa hoy hianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao (...) Koa tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely”. (Malakia 2:13-16). Eny, melohin’Andriamanitra ireo izay mamitaka ny vadiny sy tsy miraharaha ny fifanekena natao tamin’ny fanambadiana. Izay manao toy izany dia manimba ny fifandraisany amin’ilay Mpanao ny aina.

7. Nahoana no tsy mitondra ho amin’ny fahasambarana ny fanamavoana ny fanambadiana?

7 Azo atao ve ny hahita fiainana tsaratsara kokoa amin’izany fomba izany? Sarotra inoana izany. Ny fanambadiana fanindroany toy izany dia miankina amin’ny fanorenana mihozongozona. Nasehon’ireny lehilahy ireny na ireny vehivavy ireny fa tsy mendrika itokisana izy, na dia rehefa hoe hiaro ireo fifandraisana sarobidy indrindra aza. Marina fa angamba izy mahita toetra tsara ao amin’ny vadiny vaovao, tsy hita ao amin’ilay teo aloha, nefa tsy nitady afa-tsy ny fahafinaretan’ny tenany izy ireo ka tsy niahy ny amin’ny ratra na ny alahelo haterany. Azo antoka fa tsy mitondra fahasambarana ao anatin’ny fanambadiana ny fihetsika toy izany.

8. Inona no sarobidy kokoa noho ny hasoa ara-batana ao anatin’ny fanambadiana?

8 Ny tsy fivadihan’ny vady dia zavatra kanto aoka izany ka mihoatra noho ny hasoa ara-batana. Tsy maintsy malazo ny hasoa ara-batana rehefa ela ny ela, nefa kosa ny hasoan’ny tsy fivadihana dia mitombo arakaraka ny taona lasa. Ny fikatsahana ny hahasambatra olon-kafa iray sy ny fahavononana hametraka ny tombontsoany alohan’ny antsika, izany no mitondra fahafahampo maharitra, satria marina tokoa fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. (Asa. 20:35.) Raha toa ny olon-droa nivady hatramin’ny taona maro ka tsy nitsahatra ny nifamboraka ny tao am-pony sy nifampahatoky, raha niara-nandany, noho ny fitiavana, ny andro ratsy toy ny andro tsara izy ireo, dia tsy isalasalana fa miray saina tokoa izy ireo ary iray ihany ny fiainany. Manan-javatra iombonana be dia be izy ireo eo amin’ny lafiny ara-tsaina sy ara-piraiketam-po ary ara-panahy. Ny fitiavana misy nofinofy izay angamba nisakana azy ireo tsy hahita ny kileman-toetrany talohan’ny fampakaram-badiny dia ho nanome toerana ho an’ny fifikirana amim-pahatsorana izay noho izany no ahitan’ny tsirairay avy ao amin’ny fahalemen’ilay anankiray, fahafahana hanampy azy, hameno ny banga. Manjaka eo amin’izy ireo ny rivo-piainana feno fitokisana sy tsy fananana ahiahy tanteraka, satria fantany fa tsy hisara-toerana izy ireo na inona na inona fahasahiranana. Toa zavatra voajanahary tanteraka aminy ny tsy fivadihana amin’ny anankiray. Izao no ambaran’ny Mika 6:8: “Nampahafantariny anao, ry olona eto an-tany, izay tsara. Ary inona no angatahin’i Jehovah aminao ho valin’izany, fa tsy ny haneho ny rariny sy ho tia fitiavana tsy mivadika ary ny hiara-mandeha amim-panetren-tena amin’Andriamanitrao?” — New World Translation of the Holy Scriptures, fanamarihana eo ambany pejy.

NY ZANAKA EFA LEHIBE — FIFANDRAISANA VAOVAO

9-11. a) Moa ve sitrapon’Andriamanitra ny tsy hiovan’ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny andro iainana rehetra? b) Inona no vokatr’izany eo amin’ny torohevitra mety homen’ny ray aman-dreny ny zanany efa lehibe? d) Rehefa manambady ny zanany, fahefana inona no tokony hohajain’ny ray aman-dreny?

9 Raha voatendrin’ny Mpamorona ny hiarahan’ny lehilahy sy ny vadiny monina mandritra ny andro iainany rehetra, dia tsy izany no nomaniny ho an’ny ray aman-dreny sy ireo zanany. Marina fa teo am-pitomboany ireo zanakao dia nila anao isan’andro. Tsy maintsy nanome azy ireo izay rehetra nilainy teo amin’ny lafiny ara-batana ianao ary koa nitari-dalana azy teo amin’ny fiainana. Rehefa tsy nanana finiavana tsara izy ireo, dia nisy fotoana nanantitranteranao mba hanaovany zavatra sasany nahasoa azy. Nefa rehefa nanorin-tokantrano izao ny zanakao, dia tsy ho sahala amin’ny teo aloha intsony ny fifandraisanareo (Genesisy 2:24). Tsy milaza akory izany fa hoe tsy sahala amin’ny taloha intsony ny fihetseham-ponao ny aminy, fa nisy fiovan’ny andraikitra kosa. Raha tianao ny hanao zavatra sasany ho azy ireny, dia fomba hafa izao no tokony hampiasainao.

10 Mety mbola hila ny torohevitrao ihany ireo zanakao. Hiseho ho hendry tokoa izy ireny raha mandray am-po ny hevitra marim-pototr’ireo izay efa nahita fanandraman-javatra lehibe kokoa teo amin’ny fiainana (Ohabolana 12:15; 23:22). Rehefa manome torohevitra ny anankiray amin’ireo zanakao efa lehibe sy mahaleotena anefa ianao, dia asehoy azy ny fahatsapanao fa amin’ny farany dia izy no tokony hanao ny fanapahan-kevitra.

11 Ho zava-dehibe indrindra ny hanaovana toy izany raha manambady ireo zanakao. Any amin’ny tany sasany, ny fanao nisy hatramin’ny ela dia mitaky ny hametrahana ny vehivavy manambady eo ambany fahefan’ny rafozambaviny. Any an-toeran-kafa, ny rafozana dia mampihatra fitaomana mahery eo amin’ny raharahan’ilay tokantrano. Nefa moa ve tena mitondra fahasambarana tokoa izany toe-javatra izany? Ny Mpamorona ny fianakaviana izay mahafantatra ny mety indrindra amin’ny fianakaviana dia nanambara toy izao: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny”. (Genesisy 2:24). Anjaran’ilay lehilahy manambady àry fa tsy an’ny ray aman-dreniny na an’ny ray aman-drenin-dravehivavy, ny manao ny fanapahan-kevitra. “Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana”, hoy ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra (Efesiana 5:23). Ny fahafinaretana tsapanao rehefa manampy an’ireo zanakao lehibe, ary any aoriana, ireo zafikelinao, dia vao mainka ho lehibe raha manaja an’io fandaharana io ianao.

ATAOVY HO FAHAFINARETANA NY MANAMPY NY HAFA

12. a) Rehefa lasa ny zanaka, ahoana no azon’ny ray aman-dreny andalinana ny fifankatiavan’izy samy izy? b) Inona koa moa no azony atao mba hampisy heviny kokoa ny fiainan’izy ireo?

12 Ny olona rehetra dia mahatsapa fa mila ny hanana fiainana hitany ho mahasoa sy misy heviny. Zava-dehibe ny hahazoana fahafahampo amin’izany mba hahasambatra. Ankoatra ireo zanakao, dia afaka manampy olon-kafa maro ianao, ny vadinao, ohatra. Raha mbola teo am-pitomboana ireo zanakao, dia izy ireo no nitana indrindra ny sainao. Hatramin’izao, dia afaka mihevitra bebe kokoa ny vadinao ianao ka manamafy kokoa ihany ny fifandraisanao aminy. Fa nahoana no hoferana amin’ny fianakavianao ny fanehoanao hatsaram-po? Afaka ny ‘hihamalalaka’ ianao amin’ny fanampiana mpiara-monina marary, amin’ny fiaraha-mandany fotoana amin’olona be taona sy manirery, sy amin’ny fanampiana ara-nofo, araka ny anananao, ireo sahirana noho ny antony tsy miankina amin’ny sitrapony (II Korintiana 6:11, 12). Ny Baiboly dia miresaka amintsika an’i Dorkasy ho vehivavy be mpitia aoka izany satria “be ny asa soa sy ny fiantrana” nataony ho an’ny mpitondratena (Asan’ny apostoly 9:36, 39). Derain’ny Soratra Masina ireo izay mampiseho hatsaram-po amin’ny ory (Ohabolana 14:21). Ampianariny fa lafiny iray tena lehibe eo amin’ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra ny “mikarakara ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany” (Jakoba 1:27, MN). Farany, ny Baiboly dia manome ho an’ny rehetra izao fampianarana manaraka izao: “Aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” — Hebreo 13:16.

13. Amin’ny ahoana ihany isika no tena hahatsapa fahafahampo amin’ny fanampiana ny hafa?

13 Milaza ve izany fa ny fanalahidin’ny fahasambarana dia ny ho variana manao asa fanasoavana olona ranofotsiny? Tsia, satria raha tsy ara-panahy ny antony manosika anao ka tsy manana faniriana ny hanahaka an’Andriamanitra amin’ny asam-pitiavana ianao, dia mety hahatsapa fahadisoam-panantenana ianao (I Korintiana 13:3; Efesiana 5:1, 2). Nahoana? Satria mety ho kivy ianao rehefa mahita fa be dia be no tsy mankasitraka ny hatsaram-ponao na manandrana manararaotra tsy ara-drariny ny fahalalahan-tananao.

14, 15. Inona no tena mitondra fahasambarana sy fahafahampo eo amin’ny fiainana?

14 Nefa kosa, ny fahafahampo lehibe indrindra ananan’izay tena manokana tokoa ny fiainany hanompoana an’Andriamanitra dia avy amin’ny fahafantarany fa ankasitrahan’ny Mpamorona azy ny ataony. Afa-tsy izany koa, ny fanampiana azony atolotra ny mpiara-belona aminy dia tsy voafetran’ny fananany ara-nofo. Ananany “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra”, dia Jehovah, ka tombontsoan’izy ireo ny mampahafantatra izany ny mpiara-belona aminy (I Timoty 1:11, MN). Noho ny Baiboly, dia fantany ny fomba fandaminana ireo zava-manahirana ankehitriny ary manana ny fanantenana kanto omen’Andriamanitra antsika izy. Toy inona moa ny fahafinaretana mampita izany vaovao tsara izany amin’ny olon-kafa sy mampahafantatra azy ireo manaraka izany ilay Loharanon’izany, dia Jehovah Andriamanitra! Rariny ny anambaran’ny mpanoratra ny Salamo 147:1 toy izao: “Haleloia; fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika; eny mamy sady mendrika ny fiderana.”

15 Misy heviny tokoa ny fiainantsika rehefa fantatsika ny sitrapon’Andriamanitra momba ny fiainana ka manome voninahitra an’i Jehovah isika (Apokalypsy 4:11). Hahita fahafahampo tsy misy fangarony ianao raha mandray anjara amin’ny fomba feno araka izay azonao atao amin’ny asa natao hampitana amin’ny hafa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tonga lehibe ireo zanakao, nefa afaka manovo fifaliana foana ianao amin’ny fanampiana “zanaka ara-panahy” hitombo. Arakaraka ny hahitanao azy ireny mitombo mba ho tonga kristiana matotra, ny fihetseham-ponao dia hitovy amin’ny an’ny apostoly Paoly izay nanoratra toy izao ho an’ny sasany izay nampiany toy izany: “Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo (...)? Fa hianareo no voninahitray sy fifalianay.” — I Tesaloniana 2:19, 20.

ATAOVY IZAY HAHAZATRA AMIN’NY TOE-JAVATRA MISEHO

16, 17. a) Inona no tokony hohalavirina rehefa tojo zava-manahirana ny tena? b) Rehefa maty vady ny olona iray, inona no mety hanampy azy tsy hahatsiaro ho manirery rehefa handresy fahasahiranana vaovao?

16 Mazava ho azy fa ny ankamaroan’olona dia mahatsapa fa araka ny fandehan’ny fotoana, dia tsy mahavita izay vitany taloha intsony izy. Amin’izay no ilaina ny hahay hampifanara-javatra sy hiseho ho vonona ny hizatra amin’ny toe-javatra miseho. Tokony hitandrina izany ireo manan-java-manahirana ara-pahasalamana. Mety anefa ny hahaizana mandanjalanja hatrany, ny tsy hanekena ho voatanan’izany raharaha izany ka hanadino ny hanararaotra izay atolotry ny andro tsirairay avy ho antsika. Tsy ho afaka ny hanalavitra izany karazan-java-manahirana izany isika. Mazava ho azy fa tsy ho fahendrena ny tsy hanandramana hitady fanafodiny raha afaka manao izany isika. Tsy manova na inona na inona anefa ny fanahiana sy ny alahelo noho izany toe-javatra izany. Aza manembona ny lasa fa aleo manararaotra izay atolotry ny ankehitriny ho anao.

17 Mihatra koa io torohevitra io raha maty vady ianao rehefa mandroso fahalehibeazana. Raha nahita fahasambarana ianao tao anatin’ny fanambadiana dia azo antoka fa ho maminao ny fahatsiarovana sarobidy. Mitohy anefa ny fiainana ary ilainao ny hizatra amin’izany. Ho voatery handamina zava-manahirana vaovao ianao, nefa raha asehonao eo amin’ny fiainanao fa mino an’Andriamanitra ianao, dia tsy ho irery akory ianao. — Salamo 37:25; Ohabolana 3:5, 6.

18-20. Inona no mety hampisy heviny ny fiainana na dia mandritra ny fahanterana aza?

18 Mety hitondra fifaliana be dia be ho antsika ny fiainana na dia ao aza ny lafiny mahasosotra aminy: namana tsara, ny fahafahana hanampy ny hafa, ny fahafinaretana misakafo tsara, masoandro mody kanto, ny kalom-boronkely. Ambonin’izany, ary na dia tsy tonga lafatra aza ny toe-piainana ankehitriny dia manome antoka antsika Andriamanitra fa hofoanany ny faharatsiana ary hanafaka ny olombelona amin’ny alahelo, ny fanahiana, ny aretina ary na dia ny fahafatesana koa aza izy. — Apokalypsy 21:4.

19 Azo antoka fa izay nanana fihetsika tia ny zavatra ara-nofo indrindra nandritra ny andro niainany rehetra dia mety hahita izany taona fahalehibeazana izany ho tena foana. Nilazalaza ny vokatry ny fomba fiaina toy izany tamin’izao teny izao ny mpanoratra ny Mpitoriteny: “Zava-poana ny zavatra rehetra!” (Mpitoriteny 12:8). Mifanohitra amin’izany, ny Baiboly dia milaza ny amin’ny olona nanam-pinoana toa an’i Abrahama sy Isaka fa izy ireo dia nahatratra ny faran’ny fiainany “tratrantitra sy voky andro”. (Genesisy 25:8; 35:29, MN.) Inona no mahatonga izany tsy fitoviana izany? Ny hoe nanana finoana an’Andriamanitra ireny olona ireny. Nino mafy izy ireny fa amin’ny fotoana voatendriny dia ho velona indray ny maty ka nandrasany ny andro hanorenan’ny tenan’Andriamanitra mihitsy fitondram-panjakana marina ho an’ny olombelona rehetra. — Hebreo 11:10, 19.

20 Raha toa, na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra hitanao ankehitriny, ka tsy avelanao ireo zava-manahirana misy, hanakona aminao ny zavatra kanto rehetra manodidina anao sy ny ho avy mahatalanjona atolotr’Andriamanitra ny mpanompony, dia hisy heviny koa ny fiainanao ary ny andro tsirairay avy dia hitondra fifaliana ho anao foana, na dia rehefa be taona aza ianao.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 176]

Manamafy ny firaisan’ny mpivady ny taona maro lasa.