Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po

Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po

Toko Faha-5

Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po

1-4. Momba ny inona moa no itarainan’ny vehivavy matetika raha ny amin’ny fomba anomezan’ny vadiny toky azy ny amin’ny fitiavany?

NY VEHIVAVY iray indray andro dia nitaraina tamin’ny namana iray hoe: “Fantatro fa tia ahy ny vadiko, nefa tsy mba milaza izany amiko mihitsy izy. Ô! ataony ihany izany indraindray, nefa rehefa mampiteny azy aho. Ho tiako kokoa aoka izany raha izy mihitsy no mba miteny izany amiko, tsy misy fangatahako azy hanao izany.”

2 “Eny e, hoy ny navalin’ilay vehivavy hafa. Toy izany ny lehilahy. Rehefa nanontany ny vadiko aho indray andro raha tia ahy izy, dia namaly ahy izy hoe: ‘Tsy nanambady anao ve aho? Manome izay ilainao aho ary miara-miaina aminao. Hanao izany ve aho raha tsy tia anao?’ ”

3 Taorian’ny fiatoana, dia nanampy teny izy hoe: “Kanefa, indray takariva dia nisy fisehoan-javatra izay nanohina ahy tokoa. Nanadio ny biraony aho tamin’ny antoandro ary nahita sary iray tao amin’ny iray amin’ireo vata sarihina. Teo aloha, dia tao amin’ny boky fitehirizan-tsary tranainy iray izay nasehoko azy indray andro no nisy azy io. Izaho manao akanjo fitondra milomano fony aho fito taona izy io. Nesoriny avy tao amin’ny boky fitehirizan-tsary izy io mba hapetrany tao amin’ilay vata sarihina ao amin’ny biraony.”

4 Nampitsiky azy io fahatsiarovana io. Avy eo dia nijery ilay namany izy ary nanohy ny teniny hoe: “Nampahafantariko azy ny zavatra hitako iny hariva iny ihany, rehefa niverina avy niasa izy. Noraisiny ilay sary, nitsiky izy ary niteny tamiko hoe: ‘Tiako ity zazavavy kely ity.’ Avy eo, rehefa nandray ny tarehiko tao anaty tanany izy dia nanampy hoe: ‘Tiako koa izy amin’izao fotoana izao.’ Dia norohany tamim-pitiavana aho. Nanganohano ny ranomasoko.”

5. Ahoana no tokony ho fitondrantenan’ny vehivavy iray mba ho tian’ny vadiny amim-piraiketam-po izy?

5 Rehefa fantatry ny vehivavy iray fa tian’ny vadiny amim-piraiketam-po izy, dia mahatsapa fifaliana tena lalina sy mahatsiaro ho tsy manana ahiahy izy. Toy izany, araka ny Tenin’Andriamanitra, no tokony hitiavan’ireo lehilahy ny vadiny. “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, (...) ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”. (Efesiana 5:28, 29, 31). Araka ny nahitantsika azy teo aloha, ny vehivavy dia tokony hanana fanajana lalina ny vadiny, nefa ny lehilahy dia tokony hitondra tena tsara mba ho mendrika izany. Toy izany koa, ry vehivavy, raha toa ny Baiboly mamporisika ny vadinareo ho tia anareo, tsy hahafoy anareo, dia tokony hanao zavatra ianareo mba hitiavany anareo amin’ny fony rehetra.

MITONDRA HO AZY NY FANOHANANAO VE IANAO?

6, 7. a) Araka ny Genesisy 2:18, ho amin’ny anjara asa inona moa no namoronan’i Jehovah ny vehivavy? b) Inona no tokony hataon’ny vehivavy iray mba hitondrany fanampiana marina tokoa ho an’ny vadiny?

6 Mba hitiavana azy amim-piraiketam-po, ny vehivavy dia tsy hoe tokony hanaiky ny fahefan’ny vadiny fotsiny. Ralehilahy dia afaka tsara tokoa mamolaka soavaly iray na alika iray izay hampiseho fandavan-tena manontolo aminy. Tao amin’ny sahan’i Edena, Adama dia voahodidin’ny biby izay nanaiky azy, nefa irery tamin’ny karazany izy. Nila namana olombelona nanan-tsaina izy, izay ho famenony sy mpanampy azy eo amin’ny asany. “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy [mpanampy iray izay ho famenony, MN] izy.” — Genesisy 2:18.

7 Ny lehilahy manambady iray dia mila vady izay tsy hoe tia azy sy manaja azy fotsiny, fa mpanampy marina ho azy koa ary manohana azy rehefa mandray fanapahan-kevitra izy. Tsy sarotra izany rehefa miray hevitra izy roroa ny amin’ny fanapahan-kevitra horaisina rehefa avy niara-nidinika izany. Nefa kosa mety ho sarotra amin’ny vehivavy iray ny manohana ny vadiny raha tsy mba manontany ny heviny izy io na raha tsy mankasitraka ny fanapahan-keviny ravehivavy. Amin’izay, moa ve ianao hanohana amim-pahatokiana ny vadinao amin’ny fanaovana araka izay azonao atao mba hahatonga ny fanapahan-keviny ho tsara, tsy isalasalana fa raha tahiny anefa izany tsy asa tsy ara-dalàna na mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly? Na koa, mifanohitra amin’izany, moa ve ianao hanana fironana hikiry tsy hiara-miasa aminy noho ny fanantenana fa tsy hahomby izy, mba hahafahanao milaza aminy hoe: “Efa nilaza izany tsara taminao aho!” Tsy heverinao ve fa raha manamarika izy, na dia ao aza ny fisalasalanao, fa miezaka ianao mba handray anjara amin’ny fanaovana izay hahombiazan’ny fikasany, dia hanosika azy ho tia anao bebe kokoa ihany ny fanohananao amim-pahatokiana?

8. Ahoana no azon’ny vehivavy iray amporisihana ny vadiny mba hampihatra ny fahefany amin’ny fomba mety?

8 Indrindra indrindra, aza mitady haka ny toerany amin’ny maha-filoha, satria hitsahatra tsy hahafinaritra anao ny vadinao amin’izay. Tsy hahafinaritra azy ihany koa ianao, ary izy dia tsy ho finaritra ihany koa amin’ny tenany. Angamba izy tsy mitarika araka izay tokony hataony. Raha izay no mitranga, moa ve tsy ho azonao atao ny mamporisika azy hanao izany? Maneho aminy ny fahafahamponao ve ianao rehefa manao fiezahana izy mba hiantsoroka ny fitarihana ny tokantrano? Miara-miasa aminy ve ianao rehefa mba mitari-javatra izy, sa milaza aminy ianao fa diso izy ary tsy hahomby ny volavolan-keviny? Rehefa tsy miantsoroka ny anjara asany amin’ny maha-filoha ny lehilahy manambady iray, indraindray dia manana andraikitra amin’izany ny vadiny raha ohatra ka manakiana ny heviny izy, manohitra ankitsirano ny fiezahany na koa mamerimberina aminy hoe: “Efa nilaza taminao aho fa tsy handeha io” isaky ny tsy mahita fahombiazana tanteraka ny iray amin’ny volavolan-keviny. Mety hahatonga ny lehilahy manambady iray hisalasala sy tsy hatoky loatra ny tenany ny fihetsika toy izany rehefa ela ny ela. Mifanohitra amin’izany kosa, raha manohana azy amim-pahatokiana ianao ary raha maneho fitokisana aminy, dia hahazo hery avy amin’izany izy, ary hanampy azy izany hahita fahombiazana amin’izay ataony.

“VEHIVAVY MAHAY”

9. Inona no lazain’ny Ohabolana 31:10 momba ny vehivavy mahay?

9 Mba hitiavana azy amim-piraiketam-po, ny vehivavy manambady iray dia tokony hiantsoroka amin’ny fomba mety koa ireo andraikiny ao an-tokantrano. Momba ny vehivavy toy izany dia manambara ny Baiboly hoe: “Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.” (Ohabolana 31:10). Moa ve vehivavy vady tsara ianao? Irinao ve ny ho tonga vehivavy manambady tsara dia tsara?

10, 11. Ahoana no azon’ny vehivavy manambady ampisehoana fa mifanitsy tsara amin’ny filazalazana omena ao amin’ny Ohabolana 31:15 izy?

10 Raha milaza “ny vehivavy mahay” ny bokin’ny Ohabolana dia miteny hoe: “Mifoha izy, raha mbola alina, ka manome hanina ho an’ny ankohonany”. (Ohabolana 31:15). Vehivavy tanora maro no mahita fahasahiranana rehefa manomboka ny fiainany amin’ny maha-vady satria ny reniny tsy nampianatra azy hahandro. Nefa raha hendry izy ireo, dia afaka mameno izany lesoka izany amin’ny fianarana hahay mahandro tsara, izay zava-kanto iray. Ny sakafo iray voaomana tsara dia tsy manome fahafahampo ny vavony fotsiny; manohina ny fo koa izany.

11 Betsaka no azo ianarana ny amin’ny fomba fikarakarana ny sakafo. Hahasoa anao ny fahalalana sasantsasany momba ny sakafo mba hiarovana ny fahasalaman’ny fianakavianao, nefa tsarovy fa tsy ampy ny manolotra sakafo mahavelona iray ho an’ny vadinao mba hahazoana ny fiderany. Milaza ny Baiboly fa Rebeka, vadin’Isaka, dia nahay nanomana “hanim-py” izay naharavoravo ny vadiny (Genesisy 27:14). Vehivavy maro no hahita fahombiazana amin’ny fanarahana ny ohatra navelany.

12. Afaka manao inona moa ny vehivavy iray manao zavatra mifanaraka amin’ny Ohabolana 31:14?

12 Any amin’ny faritany sasany, ny vehivavy dia mankany an-tsena isan’andro. Any an-toeran-kafa dia eo amin’ny indray mandeha isan-kerinandro izy no miantsena ary tehiriziny ao amin’ny vata fampangatsiahany ny hanina mora simba. Amin’ilay toe-javatra voalohany toy ny amin’ny faharoa, ny lehilahy manambady dia tsy hanao afa-tsy ny hankasitraka ny vehivavy izay mandany amim-pahendrena ny volan’ny tokantrano ary tsy mihoatra ny teti-bolam-pianakaviana. Raha mianatra mahafantatra ny sakafo sy ny fitafiana tsara karazana izy ary mankamamy ny hasarobidin’izany, dia tsy hividy ny zavatra voalohany izay mianjera eo am-pelatanany izy, fa araka ny anambaran’ny Ohabolana 31:14 azy, dia “toy ny sambon’ny mpandranto izy, ka avy any amin’ny lavitra no itondrany ny haniny”.

13. Araka ny Ohabolana 31:27, inona moa no antenaina avy amin’ny vehivavy manambady iray mahay, raha ny amin’ny fikarakarana ny tokantranony?

13 Io fiahiana ny hanatanteraka amim-pieritreretana ny asany io ihany koa no tokony ho hita eo amin’ny fomba fikarakarany ny tranony. Ny Ohabolana 31:27 dia miresaka toetra hafa iray mampiavaka ny vehivavy mahay. Hoy ny fanambarany: “Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.” Tsy mba anisan’ireo izay manana fahazarana matory maraina na mandany fotoana betsaka hiresadresahana amin’ny mpifanolobodirindrina aminy izy. Na dia mety hampiadana ny asany ao an-tokantrano aza indraindray ny aretina sy ny toe-javatra tsy nampoizina, amin’ny ankapobeny ny tranony dia hadio sy hilamina. Ho afaka hatoky ny vadiny fa raha misy namana tonga tampoka, dia tsy ho menatra noho ny endriky ny tokantranony izy.

14, 15. Torohevitra inona avy mifandray amin’ny fisehoana ivelany sy ny fihaingoana moa no omen’ny Baiboly an’ireo vehivavy?

14 Ny ankamaroan’ny vehivavy dia tsy mila ny hilazana fa zava-dehibe ny hikarakarany ny fisehoany ivelany, nefa ilaina ny mampahatsiahy izany ny sasantsasany. Tsy manintona ny vehivavy iray izay ny fisehoany dia mampiseho fa tsy manaja tena velively izy. Amporisihin’ny Baiboly “ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena”. Nefa manome torohevitra koa izy mba tsy hihevitra ho zava-dehibe loatra ny taovolo voakajy, ny firavaka sy ny fitafiana tena lafo vidy izay misarika loatra ny saina ho amin’ireo izay mitondra azy. — I Timoty 2:9.

15 Eo amin’ny vehivavy iray, ny toetra dia misy vidiny lehibe kokoa noho izay mety ho fihaingoana. Araka izany no ilazan’ny apostoly Petera amin’ireo vehivavy kristiana fa ny “fanahy malemy sy miadana [saina tony sy malefaka, MN] dia soa [sarobidy, MN] indrindra eo imason’Andriamanitra”. (I Petera 3:3, 4.) Ao amin’ny filazalazany ny amin’ny vehivavy mahay, ny bokin’ny Ohabolana dia manampy fa “manatsotra ny tànany amin’ny ory izy” ary “ny lalàn’ny famindrampo no eo amin’ny lelany”. Lavitra azy no ho tia tena sy masiaka, fa malala-tanana sy tsara fanahy kosa izy (Ohabolana 31:20, 26). Mbola milaza ihany ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly hoe: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.” — Ohabolana 31:30.

16. Fihetseham-po inona moa no tsapan’ny vadin’ny vehivavy mahay iray?

16 Tsy isalasalana fa ny vehivavy toy izany dia hahazo fitiavana amim-piraiketam-po avy amin’ny vadiny izay manana ny fomba fihevitry ny Mpamorona amin’io raharaha io. Hahatsapa ho an’ny vadiny fihetseham-po mitovy amin’izay asehon’ny mpanoratra ny Ohabolana amin’izao teny izao izy: “Maro no zazavavy nanao soa, fa hianao manoatra noho izy rehetra.” (Ohabolana 31:28, 29). Ary tsy hilaina akory ny hangatahana azy, dia hanana faniriana avy amin’ny tenany izy hampahafantatra amin’ny vadiny fa tia azy aoka izany izy.

ZAVA-DEHIBE NY FIHETSIKAO RAHA NY AMIN’NY LAHY SY NY VAVY

17, 18. Amin’ny ahoana moa ny fihetsiky ny vehivavy eo anoloan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy no mety hanan-kery eo amin’ny fihetseham-pon’ny vadiny aminy?

17 Ny tsy fahitana fahafahampo eo amin’ny lahy sy ny vavy no fototry ny zava-manahirana maro ara-panambadiana. Amin’ny toe-javatra sasany, ny tsy fahampiam-piheverana avy amin’ny lahy na ny tsy fahafantarany izay ilain’ny vadiny ara-batana sy ara-pihetseham-po no mahatonga izany. Nefa mety ho avy amin’ny vehivavy koa ny zava-manahirana raha tsy mandray anjara ara-batana sy ara-pihetseham-po amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy izy. Rehefa mifanome an-tsitrapo sy amin-kafanam-po ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, ny firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’izay dia fisehoana miafin’ny fifankatiavan’izy ireo.

18 Raha mety ho avy amin’ny tsy fahampiam-piheverana avy amin’ny vadiny no mahatonga ny fangatsiahana eo amin’ny vehivavy, ralehilahy kosa dia mety ho tohina noho ny tsy firaikan’ny vadiny. Raha ny amin’ny vehivavy izay mampiseho harikoriko ho an’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, dia mety hahatonga ny vadiny ho tsy manan-kery izy ary hanosika azy mihitsy haniry vehivavy hafa iray. Raha manaraka fihetsika manaiky ny vehivavy no sady mamela hahita fa tsy mahita fahafinaretana mihitsy amin’izany izy, ny lehilahy dia mety handray izany ho toy ny porofo fa tsy tia azy izy. Ny fihetsika eo anoloan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia tapahin’ny fihetseham-po, ary ny vehivavy izay mangatsiaka foana dia tsara raha mandinika indray ny fihetsiny eo anoloan’io raharaha io.

19. a) Ahoana moa no ampisehoan’ny Baiboly fa ho ratsy ny tsy fetezana ho an’ny vadin’ny tena mandritra ny fe-potoana lava? b) Nahoana moa no tsy tokony hilaina ny hangatahana olona fahatelo mba hanapa-kevitra ho an’ny mpivady iray raha toa mendrika na tsia ny fitondrantena toy izao eo amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy?

19 Raha ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ny Baiboly dia manoro hevitra ny lehilahy sy ny vehivavy manambady mba tsy ‘hisara-pandriana [hanafoana izany eo amin’izy ireo, MN]’. Ny Tenin’Andriamanitra dia manameloka an’izay hampiasa ny firaisana miafina mba hanafaizana ny vadiny na mba hanehoana aminy ny tsy fahafaliany, araka ny mety hataon’ny vehivavy iray amin’ny tsy fanomezana ny tenany ho an’ny vadiny mandritra ny herinandro maro, ny volana maro mihitsy aza. “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy”, nefa, hoy ny anampiny, “mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy”. (I Korintiana 7:3-5.) Tsy milaza akory izany fa tokony hanaiky hampiharana fihetsika tsy araka ny natiora izay maharikoriko ho an’ny fieritreretany ny vehivavy. Ny lehilahy manambady iray izay tia sy manaja ny vadiny dia tsy hitaky izany aminy. “Ny fitiavana (...) tsy manao izay tsy mahamendrika”. (I Korintiana 13:4, 5). Tsy ilaina akory ny hisian’ny olon-kafa hanapa-kevitra ho an’ny mpivady ny amin’izay mendrika sy izay tsy toy izany. Ao amin’ny I Korintiana 6:9-11, ny Baiboly dia mitanisa mazava ireo fanao izay tokony harian’ny mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra: ny fijangajangana, ny fakam-badin’olona ary ny fandrian’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy (ampitahao amin’ny Levitikosy 18:1-23). Amin’ireo mpiaro ny fahalalahana ara-pitondrantena na ny “fitsipi-pitondrantena vaovao” (raha ny marina dia ny tsy fisian’izay mety ho fitsipi-pitondrantena), dia ao ireo izay manao fihetsiketsehana mba hampanekena ny sasany amin’ireo fanao momba ny lahy sy ny vavy voarara ireo, fa ny hafa kosa, sarotiny amin’ny fomba tafahoatra, dia hanitatra ny lisitr’ireny zavatra voarara ireny. Raha ny amin’ny Baiboly, dia mampiseho fihevitra iray voalanjalanja izy. Amin’ny ankapobeny, raha tahiny ny olon-droa mpivady mikolokolo fifandraisana tsara voamariky ny fitiavana sy ny fanajana eo amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainana, raha tahiny mifampiresaka izy ireo ary mifampahatakatra hevitra tsara, dia tsy hametraka zava-manahirana amin’izy ireo akory ny firaisana miafina.

20. Raha tahiny mampiasa ny amin’ny lahy sy ny vavy ho fampitambazana ny vehivavy iray, inona no ho vokatr’izany?

20 Ny vehivavy iray tiana amim-piraiketam-po dia tsy hampiasa ny amin’ny lahy sy ny vavy ho zavatra iadiam-barotra. Raha marina fa tsy manao toy izany akory ny vehivavy rehetra, dia misy manana io fihetsika io. Amin-kafetsena indraindray, dia mampiasa ny firaisana miafina izy ireny mba hahazoana tombontsoa sasany avy amin’ny vadiny. Inona no vokatr’izany? Tsy inona fa toy ny tsy ahatsapanao marina tokoa firaiketam-po amim-pitiavana ho an’ilay mivarotra akanjo iray ho anao, no tsy hananan’ny lehilahy manambady firaiketam-po amim-pitiavana koa ho an’ny vadiny raha tahiny ka tsy manana firaisana aminy izy raha tsy mba handraisana tombontsoa. Ny vehivavy manao toy izany dia angamba mahazo eo amin’ny lafiny ara-nofo, nefa mamoy zavatra betsaka izaitsizy izy eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po sy ara-panahy.

IREO VEHIVAVY MPITOMANY SY TIA ADY

21-23. Araka ny asehon’ny ohatr’i Samsona, amin’ny ahoana ny ranomaso sy ny adin’ny vehivavy iray no mety hanimba ny fahasambaran’ny mpivady?

21 Lehilahy iray natanjaka i Samsona, nefa tsy afaka nahatohitra ny vehivavy roa izay nandrotsa-dranomaso sy nampihatra fanerena taminy mba hanatrarana ny zava-nokendreny. Indray mandeha, ilay tokony ho tonga vadiny dia nandrotsaka ranomaso be mba hahazoana izay niriny. Araka ny Mpitsara 14:16, 17, izy dia “nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin’ny zanaky ny fireneko hianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka hianao va no hilazako?” Ireo fiezahan’i Samsona mba hampisaintsainana azy dia tsy nisy vokany, toy izay mitranga mandrakariva amin’ny olona iray izay manampatra ny fihetseham-pony. “Dia nitomany teo anatrehany tamin’ny hafitoana izay nisian’ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin’ny andro fahafito dia nolazain’i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin’ny zanaky ny fireneny.”

22 Aza mihevitra hoe tsy tia anao ny vadinao satria fotsiny tsy manaiky foana hatrany ireo fanirianao izy. Ilay ho vadin’i Samsona dia niampanga azy ho tsy tia azy kanefa raha ny marina dia izy no tsy tia azy. Nasiany matetika izy mandra-pilefiny. Raha vantany vao nohazavainy taminy ny ankamantatra, dia namadika ny fitokisany izy ary nihazakazaka nanambara ny tsiambaratelony tamin’ireo fahavalony. Tamin’ny farany dia lasa vadin’ny lehilahy hafa iray izy.

23 Taty aoriana, dia voasinton’ny vehivavy hafa iray atao hoe Delila i Samsona. Angamba tsara tarehy izy io, nefa niseho ho mendrika ny ho tiana amim-piraiketam-po ve izy? Mba hanangolena azy amin’ny fikendrena hahazo filazalazana izay hitondra tombontsoa feno fitiavan-tena ho an’ny tenany, Delila dia nampahory azy tamin’ny fanebahana tsy nisy farany. Manambara ny fitantarana hoe: “Ary rehefa nitorikisina taminy isan-andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.” Nahatsiravina ny vokany farany. — Mpitsara 16:16.

24-27. a) Inona moa no lazain’ny bokin’ny Ohabolana momba ny vehivavy tia ady? b) Nahoana moa no ny vehivavy indrindra no andefasany izany torohevitra izany? d) Inona moa no mety hamporisika indrindra ny lehilahy manambady mba hanao izay hahafinaritra ny vadiny?

24 Ny vehivavy iray tia ady na mitaraina mandrakariva dia tsy hendry. Manimba ny fanambadiany izy ary mampanalavitra ny vadiny. Mampitandrina antsika amin’ny fihetsika toy izany ny Baiboly. Izao no azo vakina ao: “Izay mamerimberina zavatra iray mampisaraka ny tena mpisakaiza.” (Baibolin’i Osty.) “Ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.” “Aleo mitoetra any an-efitra toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina.” “Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be ny vehivavy tia ady. Izay misakana azy dia toy ny misakana rivotra, sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.” — Ohabolana 17:9; 19:13; 21:19; 27:15, 16.

25 Nahoana moa ny Soratra masina no manome io torohevitra io ho an’ny vehivavy indrindra? Tsy isalasalana fa satria mientam-po kokoa ary mora mampiseho kokoa ny fihetseham-pony izy ireny amin’ny ankapobeny, indrindra fa raha misy zavatra manorisory azy. Angamba mihevitra koa izy ireny fa izany ihany no fiadiany. Amin’ny maha-filoham-pianakaviana azy, ny lehilahy manambady dia mety hanao zavatra araka izay tiany amin’ny fomba jadona. Hieritreritra ny vadiny amin’izay fa tokony hamely azy matetika amin’ny fampisehoana ara-pihetseham-po toy izany mba hahazoana izay iriny. Ry vehivavy manambady, aza mampiasa izany karazan-kafetsena izany, ary ianareo, ry lehilahy manambady, aza avela hisaintsaina ny vadinareo hoe voatery hanana fihetsika toy izany izy.

26 Marina fa indraindray, rehefa mahatsapa ho tsy tsaratsara izy, ny vehivavy iray dia tsy afaka ny tsy hitomany. Nefa dia zavatra hafa iray tanteraka ny fanaovana fihetsiketsehana amin’ny vadinao, amin’ny alalan’ny ranomaso be, mba hahatongavana amin’ireo zava-kendrenao.

27 Ny ankamaroan’ny lehilahy manambady izay tia marina tokoa ny vadiny dia hitady ny hahafaly azy fa tsy ny tenany rehefa hoe fitiavan-javatra manokana no tafiditra. Raha miezaka hanao izay hahafaly an-dralehilahy vadinao ianao, dia azo antenaina tsara fa hiezaka koa izy hanao izay hahafinaritra anao.

“AO NY ANDRO ANGINANA, ARY AO NY ANDRO ITENENANA”

28-35. a) Inona moa, raha ny amin’ny resadresaka, no fahazarana sasany izay mety hanakivy ny lehilahy manambady iray tsy hiresaka amin’ny vadiny? b) Inona no azon’ny lehilahy iray atao mba hanamora ireo resadresaka ataony amin’ny vadiny?

28 Matetika no fandre ny vehivavy iray mitaraina fa tsy miresaka aminy na oviana na oviana ny vadiny. Angamba mety ho avy amin’ny fahadisoan’ny tenany izany. Matetika anefa ny lehilahy manambady iray no maniry hiresaka amin’ny vadiny, fa ravehivavy no tsy manamora ny ataony. Amin’ny ahoana izany? Marina aloha fa tsy mitovy avokoa ny vehivavy. Kanefa, manontania tena ianao sao dia mitovy amin’ny iray amin’ireo vehivavy voalazalaza eto ambany:

29 Ao ny vehivavy izay tsy mahita fahasahiranana mihitsy miresaka amin’ireo vehivavy mpifanolobodirindrina aminy. Nefa ahoana moa no fizotran’ny resadresaka? Raha vao miato ilay miresaka aminy, dia mandray fitenenana izy. Angaika anefa ny lehilahy manambady iray no maniry hiresaka amin’ny vadiny, fa ravehivavy no tsy manamora ny ataony. Amin’ny ahoana izany? Marina aloha fa tsy mitovy avokoa ny vehivavy. Ksaka. Na ilay iray na ilay hafa dia toa tsy misy voahelingelin’izany resak’olon-droa tsy misy tohiny izany.

30 Tonga izao ny ora iverenan-dralehilahy ao an-trano. Manana vaovao hambara amin’ny vadiny izy. Zara raha vao tafiditra izy dia mihiaka hoe: “Tsy ho hainao vinanina na oviana na oviana izay nitranga tany am-piasana...” Tsy ho lasa lavitra kokoa noho izay izy, satria manapaka azy avy hatrany ny vadiny hoe: “Ahoana no nahazoanao io pentina eo amin’ny palitaonao io? Tandremo izay ametrahanao ny tongotrao, vao avy nanadio ny gorodona aho.” Aorian’izany, dia tsy isalasalana fa hiahotrahotra ny hanohy ny fitantarany izy.

31 Na koa, mandritra ny resadresaka iray ifanaovan’ny mpinamana, dia manomboka mitantara zavatra iray izy. Koa satria hadinony ny antsipiriany sasany na koa tsy amin’ny fomba marina araka no tokony ho izy no itantarany azy, dia manapaka azy ny vadiny, mba hanitsiana ireo fahadisoany aloha, avy eo dia mba hanampiana ireo antsipiriany tsy ampy. Tsy ho ela dia hiteny amim-pisentoana izy hoe: “Nahoana no tsy ianao mihitsy no mitantara azy?”

32 Ao koa ny vehivavy izay mitady hampiteny ny vadiny. Amin’ny toe-peo miavaka, nefa miredaredan’ny fahalianana ta-hahafanta-javatra, dia manontany izy hoe: “Taiza ianao?” Ny mahaliana azy, dia tsy ireo zavatra mahazatra eo amin’ny fiainana, fa ireo antsipiriany tsiambaratelo. Angoniny ireo filazalazana sombiny kely azony tsimponina ary izay tsy ampy dia fenoiny amin’ny fakana sary an-tsaina kely. Angamba ny vadiny tsy tokony ho nampiely antsipiriany sasany. Ny hafa, izay nety ho nambara taminy, dia tokony hitoetra ho tsiambaratelo. Raha mamerina izany ravehivavy, dia hamoy ny fitokisan’ny vadiny. Ny Ohabolana 25:9 dia manome antsika izao torohevitra izao: “Aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina.” Raha tsy manaraka izany ny vehivavy iray dia mety hampiteraka zava-manahirana. Ankoatr’izany, moa ve ny vadiny haniry hiresaka aminy amim-palalahana amin’ny ho avy?

33 Farany, dia ao ny vehivavy tsy mpiresaka firy. Miantsoroka tsara ny asany ao an-tokantrano izy, nefa mahalana ny resadresaka ataony no mihoatra ny teny vitsivitsy. Na iza na iza maniry hiresaka aminy dia voatery miresaka irery. Angamba sarokenatra izy, raha tsy hoe angaha tsy nanana fahafahana hianatra izy nandritra ny fahazazany. Na inona na inona fisehoan-javatra, dia tsy mahomby izay fanandramana rehetra atao mba hiresadresahana aminy.

34 Afaka miova ny vehivavy toy izany ary mianatra manao resadresaka. Raha toa, aorian’ny fanatanterahany ny asany ao an-tokantrano, ka mamaky boky tsara izy ary manao soa manodidina azy, dia hanan-javatra mahaliana holazaina amin’ny vadiny izy. Ny resadresaka tsara iray dia mitaky fifanakalozan-kevitra ary koa fanajana, eny, fanajana ampy mba hamelana ilay miresaka amin’ny tena hamita izay lazainy, mba hamelana azy hanambara hevitra amin’ny fombany sy mba hamantarana hoe amin’ny fotoana inona no tokony hohazonina ho an’ny tena ny tsiambaratelo iray. Araka ny ambaran’ny Mpitoriteny 3:7, dia “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”.

35 Noho izany, toy izay hitaraina fa zara raha miresaka aminao ny vadinao, nahoana raha manandrana manao izay hahatsapany fahafinaretana amin’ny firesahana aminao? Manehoa fahalianana amin’ireo zavatra tantarainy aminao. Henoy amim-pitandremana izy rehefa miteny. Aoka ny valinteninao hahitana taratry ny fitiavana mafana sy ny fanajana lalina anananao ho azy. Aoka ho azonao antoka fa manorina sy mampahery indrindra ireo foto-dresakao. Tsy ela angamba dia ho tsikaritrao fa mahita fahafinaretana amin’ny resadresaka ianareo roa.

‘VOATAONA TSY AMIN’NY TENY’

36-38. Inona no azon’ny vehivavy iray atao mba hanohinana ny fon’ny vadiny izay tsy mitovy finoana aminy?

36 Indraindray dia miteny kokoa noho ny fitenenana ny atao, indrindra fa rehefa tsy manaraka ny finoan’ireo vadiny ny Tenin’Andriamanitra ireo lehilahy manambady. Izao no nambaran’ny apostoly Petera momba azy ireny: “Mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza, rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana [miaraka amin’ny fanajana lalina, MN].” (I Petera 3:1, 2). Lehilahy tsy mpino mihoatra ny iray, sosotra, no nitaraina fa tsy nitsahatra “nitory” taminy ny Baiboly ny vadiny. Mifanohitra amin’izany, ny hafa dia tonga mpino rehefa nahamarika ireo fiovana nentin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra teo amin’ireo vadiny. Matetika ny olona no taitra kokoa amin’ny vokatra mahafalin’ny toriteny iray noho ny amin’ilay toriteny mihitsy.

37 Rehefa miresaka amin’ny vadinao tsy mpino ianao, “aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva”, ho tsara tsiro na, araka ny ilazan’ny Soratra masina azy, “ho mamy sira”! Ao ny fotoana iresahana. “Ny teny atao amin’ny antony [amin’ny fotoany, MN], hoy ny Baiboly, dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” Moa ve kivy ny vadinao noho ny antony iray na ny antony hafa? Angamba izy nanan-java-manahirana tany am-piasana. Amin’izay no ho toa tena sarobidy aminy ny teny vitsivitsy amim-pahamoram-panahy. “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” (Kolosiana 4:6; Ohabolana 25:11; 16:24). Na koa amin’ny toe-javatra sasany, raha ataonao fotsiny ao anaty tanany ny tananao, dia ho takany fa te-hilaza aminy ianao hoe: “Takatro; eto anilanao aho, hanampy anao aho raha azoko atao izany.”

38 Na dia tsy mitovy finoana aminao aza izy, ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho fa tsy hoe ho latsa-danja kokoa ny fanekenao azy. Araka ny fandehan’ny fotoana, dia angamba ho azonao izy noho ny fitondrantena tsaranao ary hanaiky ny finoanao izy amin’ny farany. Endrey ny ho hatsaran’ny andro amin’izay! Raha mitranga izany, dia ho tsapany fa mbola manana antony maro kokoa hitiavana anao izy tsy araka ny niheverany azy mihitsy, satria ny fandavan-tenanao miampy ny fijoroanao ho an’izay fantatrao fa marina dia ho nanampy azy hihazona ny “tena fiainana”. — I Korintiana 7:13-16; I Timoty 6:19.

39, 40. Toetra inona avy voalaza ao amin’ny Titosy 2:4, 5 moa no mahatonga vehivavy iray ho sarobidy, tsy amin’ny vadiny fotsiny, fa amin’i Jehovah koa?

39 Ny Soratra masina dia mangataka amin’ireo vehivavy kristiana, na mpino ny vadiny na tsia, mba “ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.” — Titosy 2:4, 5.

40 Raha manao izany araka izay azonao atao ianao, dia tsy ny vadinao ihany no ho tia anao amim-piraiketam-po, fa Jehovah Andriamanitra koa.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 57]

“Ny vehivavy tsara [mahay, MN], (...) ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.” — Ohabolana 31:10.

[Sary, pejy 64]

Ireo vehivavy sy Samsona