Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo andro fety ankalazain’ny olona

Ireo andro fety ankalazain’ny olona

Ireo andro fety ankalazain’ny olona

Mety hahasakodiavatra ny mpampianatra iray ny tsy andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah anjara amin’ny ankamaroan’ireo andro fety ankalazaina, na ara-pivavahana izany na tsia. Manantena izahay fa izao fanazavana manaraka izao dia hanampy anao hahatakatra ny antony mahatonga anay hihevitra fa manan-danja eo aminay io raharaha io.

Maro be amin’ireo andro fety sy ireo fombafomba mifandray aminy no manana fiandohana teo amin’ny fivavahana tsy kristiana, ary izany dia amin’ny lafiny lehibe kokoa noho ny niheveranao azy angamba. Ary izany indrindra no mahatonga azy ireo ho tsy azo ekena eo imason’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka hanaraka izao fitsipika notononin’i Paoly apostoly kristiana izao izahay:

“Inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala [andriamanitra sandoka iray]? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? (...) ‘Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy’, hoy Jehovah.” — II Korintiana 6:14-17.

Noho izany, raha toa ny fety ara-pivavahana iray na ny andro fety hafa ka manam-pifandraisana na dia kely akory aza, amin’ireo andriamanitra sandoka, na koa raha mifanipaka amin’ny fahazoanay ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny fankalazana azy, dia tsy mandray anjara amin’izany izahay.

Fankalazana ny andro nahaterahana: Tsy ratsy mihitsy ny mankafy sakafo tsara na ny manasa olona na koa ny mampiseho fahalalan-tanana amin’ny fanomezan-javatra an’ireo hava-malalantsika. (Lioka 15:22-25; Asan’ny apostoly 20:35) Tian’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny manolotra fanomezana sy ny mandany fotoana miaraka, mandritra ny taona. Kanefa ireo fankalazana ny andro nahaterahana roa hany tantarain’ny Baiboly dia nankalazain’olona tsy mpanompon’Andriamanitra. Ny iray dia ny Faraon’Egypta ary ny faharoa dia i Heroda Antipasy, mpanjaka tany Roma, ary samy niafara tamin’ny fandatsahan-dra ireo fankalazana andro nahaterahana roa ireo. (Genesisy 40:18-22; Marka 6:21-28) Tsy mahagaga àry raha mamaky fitantarana toy izao isika ny amin’ny fihetsik’ireo kristiana voalohany teo anoloan’ny fankalazana ny andro nahaterahana:

“Hevitra tena tsy fantatr’ireo kristiana tamin’izany fotoana izany mihitsy ny fankalazana ny andro nahaterahana.” — Tantaran’ny fivavahana sy ny Fiangonana kristiana nandritra ireo taonjato telo voalohany (1848, anglisy), nataon’i Augustin Neander, pejy faha-190.

“Amin’ireo olo-masina rehetra voatantara ao amin’ny Baiboly dia tsy nisy na dia iray aza nanao fankalazana na fanasana lehibe tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Olona mpanota toa an’i Farao sy Heroda ihany no hany nanao fankalazana lehibe ny andro nahaterahany ka nidirany teto amin’ity tany ity.” — The Catholic Encyclopedia (New York, 1911), Boky faha-10, pejy faha-709 (fanambaran’i Origen Adamantius tamin’ny taonjato fahatelo).

Fanampin’izany, ny fankalazana ny andro nahaterahana dia mirona hampifantoka be loatra ny saina ho amin’ny olona iray ihany. Ary azo antoka fa izany dia anisan’ireo antony nandavan’ireo kristiana voalohany tsy hankalaza azy. (Mpitoriteny 7:1) Ho hitanao àry fa tsy mandray anjara amin’ireo fombafomba mifandray amin’ny fankalazana ny andro nahaterahana ny Vavolombelon’i Jehovah (ny fanasana, ny hira, ny fanolorana fanomezana, sy ny sisa).

Noely: Araka ny mety ho efa fantatrao dia tsy daty nahaterahan’i Jesosy Kristy ny 25 Desambra. Mety hihevitra ianao fa tsy izany no zava-dehibe fa ilay zava-nitranga. Kanefa ny tantaran’ny fetin’ny Noely dia mampiseho fa misy zavatra hafa tafiditra amin’io. Hoy ny fanazavan’ireto “encyclopédies” manaraka ireto:

“Tsy avy amin’Andriamanitra ny fankalazana ny Noely, ary tsy hita ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] koa. Ny T[estamenta] V[aovao], na boky hafa, na inona izany na inona, dia tsy afaka mampahafantatra amintsika mihitsy izay tena andro nahaterahan’i Kristy. Ireo ‘ray’ tamin’ireo taonjato telo voalohany dia tsy miresaka ny amin’ny fankalazana ny andro nahaterahan’i Jesosy Kristy.” — Cyclopedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature (Grand Rapids, Michigan, fanontana vaovao tamin’ny 1981), nataon’i John McClintock sy James Strong, Boky faha-II, pejy faha-276.

“Ny ankabeazan’ireo fanao amin’ny Noely fahita amin’izao fotoana izao any Eoropa, na koa voaray an-tsoratra avy tany aloha tany, dia tsy tena fomba kristiana marina fa fomban’ny mpanompo sampy izay noraisin’ny Eglizy na noleferiny (...) Ireo Satornaly romana no nakana tahaka ny ankamaroan’ireo fomba mampifalifaly fanao amin’ny andron’ny Noely.” — Encyclopoedia of Religion and Ethics (Edinburgh, 1911), natontan’i James Hastings, Boky faha-III, pejy 608, 609.

Fantatry ny rehetra fa tsy natao hankalazana ny nahaterahan’i Kristy ny Noely tany am-boalohany. Ny gazety U.S. Catholic tamin’ny Desambra 1981, pejy faha-32, dia nanambara izao: “Tsy azo atao ny mampisaraka ny Noely amin’ny fiandohany avy amin’ny mpanompo sampy.” Hoy ny fanazavan’io gazety io:

“Ny fety tian’ireo Romana indrindra dia ny Satornaly, izay nanomboka tamin’ny faha-17 Desambra ary nifarana tamin’ny ‘nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy’ (Natalis solis invicti) tamin’ny faha-25 Desambra. Tao anatin’ireo 25 taona faharoa tamin’ny taonjato fahefatra, dia nisy manam-pahefana tao amin’ny Eglizin’i Roma izay nanapa-kevitra fa ny faha-25 Desambra no andro mety indrindra mba hankalazana ny andro nahaterahan’ny ‘masoandron’ny fahamarinana’. Teraka tamin’izay ny Noely.”

Rehefa avy nahafantatra izany zavatra marina momba ny Noely izany ny olona sasany, dia nanao ahoana ny fihetsiny? Izao no fanambarana nataon’ny The World Book Encyclopedia (1982) teo ambanin’ny lohateny hoe “Noely”: “Nandritra ny taonjato faha-17, (...) ny fetin’ny Noely dia natao fety tsy ara-dalàna tany Angletera sy tany amin’ny zanatany anglisy sasany tany Amerika.” Koa satria nisy olona tany aloha tany nanda tsy hankalaza ny Noely noho izy io avy amin’ny mpanompo sampy, dia tokony ho azo mora foana ny antony tsy ankalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy amin’izao andro izao. Izahay dia tsy mandray anjara amin’ireo fanasana atao amin’ny Noely, ireo lalao, hira, fifanakalozana fanomezana, na izay zavatra rehetra mifandray amin’ny Noely.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitana izany fihetsika izany eo anoloan’ireo fety manam-pifandraisana lehibe na kely amin’ny fivavahana, mandritra ny taom-pianarana, ka tsy mandray anjara amin’izy ireny velively. Ny antony dia satria ireny fety ireny koa dia avy amin’ny fanompoam-pivavahana tsy kristiana; raha ny marina aza, ny zavatra sasany mampiavaka izany fanompoam-pivavahana izany dia mazàna mampiavaka koa ireny fety ireny. Diniho ohatra ireto fety manaraka ireto:

Paka: Na dia heverina ho fankalazana ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty aza io fety io, dia mariho izay lazain’ny manam-pahefana sasany momba azy:

“Paka. Tany am-boalohany izy io dia fety natao tamin’ny lohataona ho fankalazana ilay andriamani-bavin’ny fahazavana sy ny lohataona antsoina hoe ‘Eastre’ amin’ny fiteny ‘Anglo-Saxon’. Vao tamin’ny taonjato fahavalo, io anarana io dia efa noraisin’ny Anglo-Saxons mba hanondroana ilay fety fankalazana ny nitsanganan’i Kristy. [Izany no antony iantsoana ny fetin’ny Paka hoe “Easter” amin’ny teny anglisy, ary “Oster” amin’ny teny alemana].” — The Westminster Dictionary of the Bible (Philadelphia, 1944), nataon’i John D. Davis, pejy faha-145.

“Mitady hatraiza hatraiza ireo atody miloko isan-karazan’ny Paka, entin’ilay bitron’ny Paka, izy ireo. Tsy kilalaon-jazakely akory izany, fa zavatra sisa tavela tamin’ireo fombafomba mampiseho ny fiterahana maro, ny atody sy ny bitro dia samy ohatra mampiseho ny fiterahana maro avokoa.” — Standard Dictionary of Folklore Mythology and Legend, nataon’i Funk sy Wagnalls (New York, 1949), Boky I, pejy 335.

“Halloween”: Na dia heverina ho fety kristiana aza ny ‘Halloween’ (andro mialoha ny “Toussaint”) toy ny any Kanada, izy io dia niandoha tamin’ny fankalazana nisy talohan’ny andron’ny kristianisma, izay nampiely hevi-diso momba ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ity misy fanambarana mahaliana: “Taorian’ny “Réforme”, ireo Protestanta dia nanda tsy hankalaza io fety io niaraka tamin’ny fety lehibe hafa toy ny Noely sy ny Paka. Na dia izany aza anefa, dia mbola nanan-daza ihany ireo fanaom-bahoaka avy amin’ny fanompoam-tsampy mifandray amin’ny ‘Halloween’. — Encyclopœdia Britannica (1959), Boky faha-11, pejy faha-107.

Ny Fetin’ny maty: “Tsy azo lavina mihitsy fa nitady hanafoana na hanolo ny fetin’ny matin’ireo ‘Druides’ ny eglizy kristiana tamin’ny fametrahana ny fankalazana ny andron’ny Olo-masina rehetra (Toussaint) tamin’ny voalohan’ny Novambra, ho solony. Io fety io dia naorina mba hankalazana ireo olo-masina rehetra, na fantatra na tsy fantatra, kanefa tsy nahavita nanafoana ny fankalazana avy amin’ny mpanompo sampin’i ‘Samhain’ izy”. — Encyclopœdia Britannica (1959), Boky faha-11, pejy faha-107.

Ny Taom-baovao: “Tany Roma fahiny, ny andro voalohan’ny taona dia natokana mba hankalazana an’i Janus, ilay andriamanitry ny vavahady sy ny varavarana, ny fiandohana sy ny fiafarana (...). Tonga andro masina tamin’ny eglizy kristiana ny Voalohan’ny Taona tamin’ny 487 amin’ny fanisan-taona iraisana.” — The World Book Encyclopedia (1982), Boky faha-14, pejy faha-237.

Ny ‘Saint-Valentin’: “Ny fetin’ny ‘Saint-Valentin’ dia mianjera amin’ny andro ankalazana maritiora kristiana roa samy hafa antsoina hoe Valentin. Kanefa ireo fombafomba fanao amin’io andro io (...) dia mety ho avy amin’ny fety romana fahiny antsoina hoe “lupercales” izay nankalazaina tamin’ny faha-15 Febroary. Izy io dia natao ho fankalazana an’i Junon, ilay andriamani-bavy romana an’ny vehivavy sy ny fanambadiana, ary i Pan, ilay andriamanitry ny zavaboary.” — The World Book Encyclopedia (1973), Boky faha-20, pejy faha-204.

Ny voalohan’ny volana May: “Ny fankalazana ny voalohan’ny volana May [latina, maius mensis, volan’ny andriamani-bavy Maia] dia mifandray amin’ireo finoan’ny mpanompo sampy taloha elabe. Nambolena tamin’izany tany an-tsaha ilay hazo antsoina hoe “mai”, mampiseho ny fifohazan’ny natiora amin’ny lohataona.” — Grand Larousse encyclopédique (1962), Boky faha-6, pejy faha-977.

Ny Fetin’ny reny: “Fankalazana iray avy amin’ny fanompoam-pivavahana natao ho an’ny reny, fanao tany Grisia fahiny. Io fanompoana ny reny io, izay nisy fombafomba ho fankalazana an’i Cybele, na Rhea, ilay Reny Lehiben’ireo andriamanitra, dia natao tamin’ny fahadimy ambin’ny folon’ny volana martsa, eran’i Azia Minora.” — Encyclopédie britannique (1959), Boky faha-15, pejy faha-849.

Santionany vitsivitsy amin’ireo fety ankalazain’ny olona fotsiny ireo, fety izay antenaina matetika ny handraisan’ireo mpianatra anjara aminy amin’ireo fomba sy fanao sasany. Kanefa noho ny fieritreretany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mandray anjara amin’ireny fety ireny mihitsy — na amin’ny fihirana, na amin’ny fitendrena zava-maneno, na amin’ny filalaovana amin’ny fampisehoana, na amin’ny fiarahana amin’ny filaharana voalamina eny an-dalam-be, na amin’ny fanaovana sarisary, na amin’ny fanatrehana fanasana, na amin’ny fihinanana, na ny fisotroana, sy ny tahaka izany. Ary anefa tsy mampaninona azy ny hanaovan’ny hafa izany ary tsy manandrana ny hanakana azy ireo tsy hanao izany izy. Ankasitrahanay tokoa ny hatsaram-panahin’ireo mpampianatra izay mamela an’ireo zanakay tsy handray anjara amin’ireo fanao rehetra izay manana fifandraisana, na kely na lehibe, amin’ireny fety ireny.

Ireo fetim-pirenena

Misy fety hafa koa, kanefa tsy mitovy amin’ireo. Izany dia tsy ankalazaina maneran-tany toy ireo, fa amin’ny tany iray ihany. Mety ho androm-pirenena atao ho fanolorana fisaorana izany, ohatra. Any amin’ny toerana sasany dia mety hisy koa andro iray atokana ho fahatsiarovana ireo maty ho an’ny fireneny tamin’ny ady iray, na koa andro iray natao hahatsiarovana ny fahaleovantenan’ilay firenena, na ny prezidà, filoha na olona nanan-daza sasany teo amin’ilay firenena.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mandray anjara koa, amim-panajana, amin’ireny fetim-pirenena ireny. Na dia manaja ireo manam-pahefana eo amin’ny toerana misy anay aza izahay, noho ny fieritreretanay dia tsy manolotra ho azy ireo fankalazana izay heverinay fa mitovy amin’ny fanompoam-pivavahana izahay. Miseho ho tsy an’ny atsy na ny aroa izahay eo anoloan’ireny fankalazana ireny, ary izany dia mifanaraka amin’ireo tenin’i Jesosy ny amin’ireo mpanaraka azy, manao hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — Jaona 17:16.

[Teny notsongaina, pejy 16]

“Ny Noely dia fety tsy ara-dalàna tany Angletera sy tany amin’ny zanatany anglisy sasany tany Amerika taloha”

[Teny notsongaina, pejy 18]

Noho ny fieritreretany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mandray anjara amin’ireo fanao rehetra amin’ny andro fety

[Sary, pejy 14]

Ireo kristiana voalohany dia tsy nankalaza ny andro nahaterahany.

[Sary, pejy 16]

“Tsy kilalaon-jaza fotsiny akory, fa zavatra sisa tavela tamin’ireo fombafomba mampiseho ny fiterahana maro, ny atody sy ny bitro, samy ohatra mampiseho ny fiterahana maro avokoa”