Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo asa aman-draharaha mifandray amin’ny fifidianana

Ireo asa aman-draharaha mifandray amin’ny fifidianana

Ireo asa aman-draharaha mifandray amin’ny fifidianana

Any amin’ny tany maro be, dia misy mpianatra fidina mba hitana toerana na raharaha manokana iray, toy ny ho solontenan’ny kilasy iray, ohatra. Ny sekoly sasany dia nanao lanonam-pifidianana kely, fotoana izay ametahana petadrindrina sy anaovana “insignes” ho fampielezan-kevitra ho an’ireo milatsaka hofidina. Ny zava-kendren’izany dia ny mba hanazatra ireo tanora amin’ny fomba sy fanao eo amin’ny politika. Ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah anefa dia tsy mandray anjara amin’ny raharaha ara-politikan’ny sekoliny na amin’ny fanekena hofidina ho amin’ny toerana iray izany na amin’ny fifidianana olon-kafa. Noho izany raha voafidy na tondroina hanao raharaha toy izany izy, dia handa amim-pahalalam-pomba. Amin’ny fanaovana izany izy ireo dia hanaraka ny ohatr’i Jesosy izay niala sy nihataka tamin’ireo olona nitady hanao azy ho mpanjaka. — Jaona 6:15.

Mifanohitra amin’izany anefa dia heverinay fa zavatra hafa ny fanendrena avy amin’ny mpampianatra. Koa raha angatahina àry ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah mba handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny kilasy iray na hanao asa hafa tahaka izany, dia amporisihina izy ireo mba hampiseho fiaraha-miasa araka izay azo atao.

Mazava ho azy fa takatr’ireo tanora eo aminay fa tsy ara-politika daholo akory ny fifidianana rehetra. Indraindray, ohatra, dia mety hasain’ny mpampianatra ireo mpianatra mba hanome ny heviny ny amin’ny zavatra sasany. Tsy ho fandikana fitsipika ao amin’ny Baiboly ny filazana ny fitiavan’ny tena zavatra hatao iray toy izay zavatra hafa, na ny fanomezana ny hevitry ny tena momba ny famelabelarana natao am-bava na ara-tsoratra iray. Rehefa asaina manangan-tanana ny olona mba hilaza ny heviny ny amin’ny hatsaran’ny zavatra iray, izany akory tsy mitovy amin’ny toerana iray araka ireo fanao ara-politika.

[Sary, pejy 27]

Ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mandray anjara amin’ireo raharaha ara-politika any an-tsekoly