Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena arahinay

Ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena arahinay

Ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena arahinay

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino fa ny fiovana lehibe dia lehibe nisy teo amin’ny fiheverana eo amin’ny ara-pitondrantena dia nanana fitaoman-dratsy teo amin’ny tanora. Araka ny efa fantatrao, ilay antsoina hoe fihetsika ara-pitondrantena vaovao dia nanan-kery nanomboka tamin’ireo taona enimpolo. Ny evekan’i Woolwich, any Angletera, iray amin’ireo mpanohana azy voalohany, dia nanambara hoe: “Tsy misy mihitsy zavatra azo lazaina foana hoe ‘ratsy’ ao aminy fotsiny.” Tsy miombon-kevitra amin’izany izahay, kanefa tianay hazava eto fa tsy manam-pikasana ny hiady hevitra amin’ireo izay manaraka izany fiheverana izany izahay. Tianay hohazavaina eto fotsiny ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena arahinay sy ny antony anaovanay izany.

Ny mpampianatra teolojia fanta-daza iray any Etazonia, i Joseph Fletcher, dia nilaza toy izao ny amin’ny fihetsika ara-pitondrantena vaovao: “Tsy misy zavatra manohitra ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana amin’ny maha-izany azy mihitsy, ary amin’ny toerana sasany aza dia tsara izany.” Ary i Frederic C. Wood, mpampianatra fivavahana any Etazonia, dia nanazava tamin’ireo mpianany fa “Tsy misy lalàna mihitsy raha ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Averiko indray: tsy misy lalàna mihitsy. Tsy misy mihitsy izany hoe zavatra tokony hataonareo, na tsy tokony hataonareo.” — Theology Today, Oktobra 1965, pejy faha-396.

Na dia mety heken’ny maro aza izany fomba fiheverana ny amin’ny ara-pitondrantena izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra fa mifanipaka amin’ny Baiboly izany, ka noho izany dia diso. Ny toerana tananay, izay mifototra amin’ny Baiboly, dia voazava ao amin’ilay bokinay hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti, navoaka tamin’ny 1977, izay mampiseho fa ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena arahintsika dia manan-kery eo amin’ny fihetsitsika. Rehefa avy nampandinika an’io boky io tamin’ny mpianatra 100, teo amin’ny faha-12 ka hatramin’ny faha-19 taona ny mpanao fikarohana iray dia nanoratra izao teny fanakianana izao: “Ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena toa an’ireo voazava eo amin’io bokinareo io dia nety ho nisy vokany taloha, nefa misalasala aho ny amin’ny mbola hisian’ny vokany ihany amin’izao fotoana izao. Ny taranaka ankehitriny dia manan-tsaina kokoa noho ireo taranaka rehetra taloha.”

Kanefa mahita izahay fa toa tsy nahatonga ireo tanora ‘hanan-tsaina kokoa’ ny fanarahany ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena vaovao. Tao amin’ny fanadihadiana natao vao haingana tamin’ny tanora 160 000 mahery, eo amin’ny 13 ka hatramin’ny 15 taona, dia hita fa 41 isan-jato tamin’ireo ankizilahy ary 21 isan-jato tamin’ireo ankizivavy no efa nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ary tamin’ireo teo amin’ny 16 ka hatramin’ny 18 taona, dia efa ho ny telo ampahefatr’ireo ankizilahy ary ny antsasaky ny ankizivavy no efa nanao izany. Kanefa inona no vokatr’izany?

Zatovovavy bevohoka maro be, toy ny voan’ny areti-mifindra. Isan-taona any Etazonia dia eo amin’ny ankizivavy iray amin’ny folo no bevohoka — izany hoe 1 250 000 isan-taona. Amin’ireo, dia eo amin’ny 600 000 no mitazona ny zanany — ary ny sisa dia manala zaza. Fanampin’izany, dia an-tapitrisany maro amin’ireo tanora isan-taona no voan’ny aretina toy ny tety, anisan’izany ilay antsoina hoe “herpès génital” izay atahorana indrindra. Noho izany àry, dia mino izahay fa misy antony tsara ny tsy tokony hiheverana ireo zava-mitranga ireo ho toy ny vokatry ny ‘fananan-tsaina’.

Fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena tsara indrindra

Misy fisafotofotoana tokoa raha ny amin’ny fotopoto-pitsipika ampianarina ireo tanora. Ireo mpampianatra dia malahelo matetika noho ny tsy fisian’ny fomba fiheverana hentitra amin’io lafiny io. Takatray fa misy mpampianatra sasany izay maniry ny hanana fahalalahana kokoa mba hampianatra ireo fotopoto-pitsipika tsara indrindra hita ao amin’ny Baiboly amin’ireo mpianany. Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah anay, dia mino amim-pahatsorana izahay fa ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny fihetsika ara-pitondrantena dia miteraka vokany tsara kokoa.

Ireo ray aman-dreny Vavolombelona dia matetika manomboka haingana ny fampianarana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly an’ireo zanany, ary mampiasa ny boky Votre Jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti izy mba hanampy azy. Raha maniry izany ianao, ny iray amin’ireo mpianatrao Vavolombelona dia ho faly hitondra io boky io ho anao. Hampahafantatra anao ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena arahinay izany, ary hanome anao fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa ny amin’ny fihevitray momba ireto zavatra manaraka ireto.

Ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana: Mino izahay fa ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana, izay antsoina hoe fijangajangana, dia ratsy foana; faharatsiam-pitondrantena izany. Hoy ny baikon’ny Baiboly: “Mandosira ny fijangajangana.” (I Korintiana 6:18) ‘Fadio ny finjangajangana’. (I Tesaloniana 4:3) Mihevitra izahay fa tena faharatsiana lehibe atao amin’Andriamanitra ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana. “Ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly. — Hebreo 13:4; Apokalypsy 21:8.

Ny firaisan’ny samy lahy na ny samy vavy: Mino koa izahay fa ny firaisan’ny samy lahy na ny samy vavy dia ratsy. Mariho izay lazain’ny Baiboly ny amin’ireo manana firaisana amin’ny lahy tahaka azy, na vavy tahaka azy: ‘Natolotr’Andriamanitra ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady izy; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra.’ — Romana 1:26, 27; I Korintiana 6:9-11.

Ny zava-pisotro misy alikaola: Anisan’ny sakafo ny zava-pisotro misy alikaola, ary mety hahasoa raha tsy ampiasaina amin’ny fomba tafahoatra. (Salamo 104:14, 15; I Timoty 5:23) Kanefa mety hampiasaina amin’ny fomba tafahoatra izy io, ary izany no mitranga matetika. Mino izahay, satria manantitrantitra izany ny Baiboly, fa ny fanaranam-po amin’ny zava-pisotro misy alikaola dia faharatsiam-pitondrantena lehibe (Ohabolana 20:1; 23:29-35; I Korintiana 6:9, 10) Manaja ireo manam-pahefana izahay, noho izy ireo nampiseho fahendrena tamin’ny namoahana lalàna izay mametra ny habetsahan’ny zava-pisotro misy alikaola azon’ny tanora sotroina, ary miara-miasa aminy izahay raha ny amin’ireo lalàna ireo.

Ny zavatra mahadomelina: Tsy mitady fahafinaretana amin’ny fampiasana zavatra izay miteraka fahazaran-dratsy izahay. Anisan’izany ny “marijuana”, ny “héroïne”, ny “cocaïne”, ny LSD, ny “bétel”, ary ny paraky sy sigara, raha manonona vitsivitsy aminy isika. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ratsy ny fanimbana ny tenany amin’ny fampiasana zavatra izay miteraka fahazaran-dratsy na manimba ny saina, mba hahazoana fahafinaretana feno fitiavan-tena fotsiny, satria hoy ny Baiboly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra (...) amin’ny nofo.” — II Korintiana 7:1.

Ny fiteny maloto: Mihevitra izahay fa tsy mety mihitsy ny fampiasana fiteny maloto; izany fanao izany dia tsy mifanaraka amin’izao baikon’ny Baiboly izao: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza (...), na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao.” — Efesiana 5:3, 4.

Ny fanajana ireo manam-pahefana: Ho fanarahana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia ataonay izay hanajan’ireo tanora eo aminay ny manam-pahefana voatendry rehetra, anisan’izany ireo mpampianatra. (Romana 13:1-7; I Petera 2:13-17) Jehovah Andriamanitra, izay hajain’ireo tanora eo aminay amin’ny fomba lalina, araka ny ampianaranay azy izany, dia milaza fa tokony ho marina sy hilaza ny marina hatrany isika ary hiahy ny amin’ny hafa. — Hebreo 13:18; Kolosiana 3:9; Efesiana 4:25; Matio 7:12.

Ny hasarobidin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly

Tsapanay fa ny fanarahana ireo fopotopo-pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly dia tena nahatonga ny fiainanay ho tsara kokoa. Marina fa manan-java-manahirana koa izahay ary tsy tanteraka akory ireo zanakay, kanefa amin’ny ankapobeny, dia afaka amin’ny fanao ratsy toy ny halatra sy ny lainga ary ny famitahana izahay ary tsy manisy ratsy ny namanay. Raha mbola manaraka ireo lalàn’Andriamanitra foana izahay sy ny zanakay dia tsy misy aretin-dratsy toy ny tety eo aminay, na ankizivavy miteraka tsy manambady, na zazasary, na fanalana zaza; tsy mahatsiaro alahelo koa izahay ary tsy manenjika anay ny fieritreretanay. Miara-miaiky amin’i John Adams, iray amin’ireo prezidàn’i Etazonia voalohany, izahay fa ny Baiboly no “boky tsara indrindra eran’izao tontolo izao.” Mino koa izahay fa marina ny filazan’i Prezidà Abraham Lincoln raha nilaza izy fa amin’ny fanarahana ny Baiboly, dia “hiaina sy ho faty amin’ny maha-olona sambatra kokoa sy tsara kokoa ianao.”

Kanefa, fantatrao fa maro be ny fitaomana mihatra amin’ny ankizy avy amin’ireo namany mba hanao izay raran’ny Baiboly, mba ‘hiara-mihazakazaka aminy amin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy’. Ary rehefa tsy manaiky ny sasany, ny hafa dia “gaga (...) ka dia teneniny ratsy [ireo].” (I Petera 4:4) Ihomehezana indraindray ireo tanora eo aminay noho izy tsy mandray anjara amin’ny fanao toy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana sy ny tahaka izany. Ankasitrahanay àry raha manampy ireo zanakay ireo mpampianatra rehefa miezaka ny hanaja ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izy ireo, satria manome fampaherezana azy ireo izany.

Ho hitanao fa ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mahatsiaro tena ho matiantoka noho ny fanarahany ireo fandrarana ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany no izy, satria hoy ny tanora Vavolombelon’i Jehovah iray, rehefa avy nampitaha ny fiainany tamin’ny an’ireo mpiara-mianatra aminy izy: “Ny hany zavatra mety tsy ho hitako dia fahasahiranana maro.” Araka ny fahitanay azy, ireo fitsipik’ilay Andriamanitra Tsitoha dia natao ho fiarovana antsika, ary tsy handray afa-tsy zavatra tsara isika amin’ny fanarahana azy ireo. — Salamo 19:7-11.

[Teny notsongaina, pejy 13]

‘Amin’ny fanarahana ny Baiboly dia hiaina sy ho faty amin’ny maha-olona tsara kokoa ianao.’ — Abraham Lincoln

[Sary, pejy 10]

Boky iray izay mandinika ny fomba ikasihan’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ny fitondrantena. Mampiasa azy io ny ray aman-dreny Vavolombelona mba hampianarana ireo zanany

[Sary, pejy 11]

Nampitombo ny zava-manahirana ara-tsosialy ny fihetsika ara-pitondrantena vaovao

[Sary, pejy 11]

Manomboka mampianatra ny zanany aloha be ireo fotopoto- pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly ny ray aman-dreny Vavolombelona