Ireo zavatra fanao ivelan’ny fianarana
Ireo zavatra fanao ivelan’ny fianarana
Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa tokony hisy zavatra hafa ambonin’ny fianarana sy ny asa eo amin’ny fiainana. Mitondra fahatapahany mahafinaritra sy hery vaovao ny ora fianarana any an-tsekoly. Kanefa voamarikao angamba fa ny ankamaroan’ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mandray anjara amin’ireo zavatra tsy mifandray amin’ny fianarana omanin’ny sekoly. Mety hanampy anao hahatakatra ny fihevitray ny amin’io raharaha io izao fanazavana fohy izao.
Ireo fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah dia efa manana fandaharana izay mihodinkodina eo amin’ny fanompoam-pivavahany. Ary ireo ray aman-dreny dia amporisihina mba hampiditra fialan-tsasatra ao amin’izany fandaharana arahin’ny fianakaviany izany. Rehefa manomana sy manara-maso ny fialan-tsasatra sy fialam-bolin’ireo zanany ny ray aman-dreny, ary matetika miaraka amin’izy ireo amin’izany, dia afaka manaraka tsara izay ataon’izy ireo.
Indraindray dia fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy no miaraka mba hiala voly amin’ny fomba isan-karazany. Isan-taona koa izy ireo dia manao dia maromaro mba hanatrika fiarahan’ny fianakaviana maro kokoa antsoina hoe fivoriamben’ny fizaran-tany sy fivoriamben’ny distrika. Ireny dia ireny indraindray dia manome azy ireo fahafahana hitsidika trano fitehirizana ny rakitry ny ela, toerana manan-tantara ary toerana hafa mahaliana eo amin’ny lafiny ara-tsaina. Amin’ireny fivoriambe ireny, ireo tanora kristiana dia mifankahalala amin’ny tanora maro hafa avy amin’ny toerana hafa izay manana zava-kendrena mitovy amin’ny azy, dia ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitr’izy ireo, ary faly izy ireo miaraka aminy.
Mihevitra izahay fa tena ilain’ireo tanora eo aminay izany fiarahana mahasoa izany, indrindra fa raha jerena ny fikororosin’ny fitondrantenan’ny olona amin’izao andro izao. Heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah izao fampitandreman’ny Baiboly izao: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” Ary, toy ny efa voamarika tetsy aloha, dia miezaka ny hanaraka izao tenin’i Kristy amin’ny mpanaraka azy izao izahay: “Tsy naman’izao tontolo izao hianareo.” (I Korintiana 15:33; Jaona 15:19). Ireo fotopoto-pitsipika ireo no mamaritra ny fomba fijerin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah an’ireo zavatra tsy mifandray amin’ny fianarana omanin’ny sekoly, toa an’ireto manaraka ireto:
Fanatanjahan-tena: Ny fampiasana ny tena, toy ny I Timoty 4:7, 8) Amin’ny fanarahana izany torohevitra izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatsapa fa mahasoa ny fanatanjahan-tena izay atao mandritra ny ora fianarana any an-tsekoly.
atao amin’ny fanatanjahan-tena dia tsara ho antsika. Kanefa, hoy ny Baiboly, ny amin’ny tokony hametrahana azy eo amin’ny toerana mety: “Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra.” (Heverin’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah anefa fa manome vidiny be loatra ho an’ny fanatanjahan-tena mazàna ny sekoly. Noho izany, rehefa mampianatra ny zanany izy dia miezaka ny hampihena ny herin’ny famporisihana azy ireo mba hiavaka eo amin’ny lafiny ara-panatanjahan-tena. Manantena izy ny hanirian’ireo zanany ho tonga mpanompon’Andriamanitra fa tsy ho mpanao fanatanjahan-tena. Ireo ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah àry dia mamporisika ireo zanany mba hampiasa indrindra ny fotoana aorian’ny ora fianarana any an-tsekoly ho amin’ny zavatra ara-panahy toy izay ho amin’ny fiezahana ny hiavaka amin’ny fanatanjahan-tena iray.
Ambonin’izany dia mino izahay fa ny fandraisana anjara amin’ny fanatanjahan-tena voalamina dia hampifandray an’ireo tanora Vavolombelona amin’ny namana tsy mahasoa. Tsapanay koa fa ny toe-tsaina tia fifaninanana, ilay fiheverana fa ny fandresena ihany no tena zava-dehibe, dia tena manimba tokoa. Raha mahatsapa àry ireo tanora Vavolombelona fa mila fialam-boly hafa izy, ny ray aman-dreniny dia hamporisika azy ireo mba hanao izany miaraka amin’ireo mpiray finoana aminy, eny “amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio”. — II Timoty 2:22.
Mpitarika fihobiana sy Mpanjakavavin’ny hatsaran-tarehy: Rehefa misy fihaonana eo amin’ny fanatanjahan-tena, dia andraikitr’ireo mpitarika ny manosika ny mpanatrika mba hihiaka mafy dia mafy ho famporisihana ireo mpandray anjara avy amin’ny sekoliny. Izy ireo ihany koa no mamporisika ny olona hankalaza ireo mandresy ary hitsangana rehefa atao ny hiran’ny sekoly. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra fa tsy mety ny fanaovana izany. Toy izany koa no iheveranay fa raha manaiky ny handray anjara amin’ny fifaninanana ho mpanjakavavin’ny hatsaran-tarehy ny zazavavy kristiana iray, dia manipaka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izay mampiseho fa tsy mety ny mankalaza olombelona izy. — Romana 1:25; Asan’ny apostoly 12:21-23.
Fandihizana alamin’ny sekoly: Toy ny fanatanjahan-tena, ny dihy dia mety ho fialam-boly mahasoa. Lioka 15:25). Mety ho voamarikao anefa fa amin’ny ankapobeny ny tanora Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manatrika ireny fandihizana alamin’ny sekoly na ny mpianatra ireny. Inona no antony?
Miharihary fa nankasitrahan’i Jesosy izy io matoa nasiany fitenenana ka nampidiriny ho anisan’ny fankalazana azo ekena tao amin’ilay fanoharana ny amin’ny zanaka adala. (Voalohany indrindra izany dia noho ny rivo-piainana ratsy manjaka amin’ireny fandihizana any an-tsekoly ireny. Mazàna any dia misy fifohana sigara, fisotroana zava-mahamamo be loatra, fampiasana zavatra mahadomelina ary fanao eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy mahamenatra. Noho izany, ny olona iray manatrika fanasana toy izany, dia voatery tsy maintsy ho tafaraka amin’ny naman-dratsy. Ho fanarahana ilay famporisihana mba hiaraka amin’ireo “izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio” àry, dia mazàna ny Vavolombelon’i Jehovah no mihataka amin’ireny fandihizana alamin’ny sekoly ireny.
Filalaovana fitia: Tao anatin’ireo taona faramparany, ny filalaovana fitia dia tonga fialam-boly ankasitrahan’ny maro amin’ny tany maro be. Na dia zatovo mbola kely dia kely aza dia efa milalao fitia. Hita izy ireny, eny amin’ny manodidina ny sekoly, mifampitantana, mifanoroka raha tsy manao mihoatra noho izany mihitsy aza. Ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah dia mino fa tsy mety ho an’ny zanany izay mbola tsy ampy taona mba hanambady ny mitokana miaraka amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy toy ny tenany ka manao ireo fanao mifandray matetika amin’ny filalaovana fitia.
Kilioba any an-tsekoly: Ny mpianatra izay mitovy zavatra mahaliana azy dia mety haniry ny hikambana mba hahaforona kilioba. Ireny fikambanana ireny anefa matetika dia natao indrindra mba handaminana fivoriana hialan’ireo tanora voly. Ary voamarika fa ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana toy izany miaraka amin’ny tanora sasany mazàna dia mitarika ho amin’ny faharatsiam-pitondrantena. Noho izany zavatra mety hitranga izany, dia mihevitra izahay fa tokony hitandrina tsara alohan’ny hidirana ho mpikambana amin’ny kilioba iray any an-tsekoly.
Ireto misy fanontaniana lehibe tokony hoheverin’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah sy ny ray aman-dreniny: Moa ve voafetra ho amin’ny ora fianarana any an-tsekoly ihany ny zavatra omanin’ilay kilioba? Moa ve izany arahin’ny sekoly maso akaiky? Moa ve izany mitaky fotoana aorian’ny ora fianarana, fotoana izay tsara kokoa ny handaniana azy hanaovan-javatra miaraka amin’ny fianakaviana na ny kongregasiona? Ny fanapahan-kevitra farany dia an’ny ray aman-dreny
Vavolombelon’i Jehovah izay manana andraikitra ny hifidy na tsia ny hampidirana ny zanany amin’ny kilioba na fikambanana any an-tsekoly toy izao na izao, raha ilaina izany.Fampisehoana tantara an-tsehatra: Tsy mampaninona ny Vavolombelon’i Jehovah velively ny filalaovana an-tsehatra. Ny fampisehoana tantara ao amin’ny Baiboly aza dia anisan’ny mahaforona ny fandaharan’ireo fivoriamben’ny distrika ataony. Kanefa ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah dia handinika lafin-javatra sasany alohan’ny hanapahana hevitra raha hamela ny zanany handray anjara amin’ny fampisehoana tantara an-tsehatra iray na tsia. Ohatra, moa ve izay asehon’ilay tantara mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly? Ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah dia tsy handray anjara amin’ny fampisehoana iray izay mankasitraka fitondrantena melohin’ny Baiboly. Manaraka izany, tafiditra amin’ny zavatra tokony hoheverina koa ny fotoana ho lany amin’ny famerenana, ary ny fifandraisana amin’ny naman-dratsy. Noho izany àry, dia handinika ireo lafin-javatra ireo amim-pitandremana ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafahany manapa-kevitra raha havelany handray anjara amin’ny fampisehoana tantara an-tsehatra iray ny zanany na tsia.
Fanomezana ra sy fanomezana hafa: Any amin’ny sekoly maro be dia angatahina indraindray ny mpianatra mba hanao fanomezana ho an’ny fikambanana itsy na iroa. Indraindray izany dia fanomezana ra izay hampiasaina amin’ny fampidiran-dra amin’ny marary. Kanefa, araka ny fahazoany ny Baiboly, ilay baiko hita ao ny amin’ny tokony ‘hifadiana ny ra’, dia mandidy anay sady tsy hihinana ra no tsy hampiasa azy amin’ny fomba hafa. Noho izany, noho ny antony momba ny fieritreretana, dia sady tsy manome ra izahay no tsy mandray ra koa. — Genesisy 9:4-6; Levitikosy 17:10-14; Asan’ny apostoly 15:19, 20, 28, 29.
Araka ireo antony efa nohazavaina tany aloha tato amin’ity bokikely ity ihany, raha misy fangatahana mba hanome vola ho fampandrosoana hevitra ara-politika iray, na ho amin’ny fankalazana fety ara-pivavahana iray, dia tsy hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izany koa, izy ireo dia tsy handray anjara amin’ny loteria, na amin’ny lalao mifandray amin’ny vintana, na izay misy filokana rehetra. Misy tarehin-javatra sasany anefa izay hanapahan’ny kristiana iray hevitra manokana ny amin’ny tokony handraisany anjara amin’ny fanomezana na tsia. Ohatra, raha misy mpiara-mianatra aminy maratra na marary ka misy fangatahana mba hanome vola hividianana voninkazo na fanomezana hafa ho azy, dia ho faly izy ny handray anjara amin’izany, arakaraka ny fahafahany. — Asan’ny apostoly 20:35.