Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny antony namoahanay ity bokikely ity

Ny antony namoahanay ity bokikely ity

Ny antony namoahanay ity bokikely ity

Ity bokikely ity dia natonta mba hampitomboana ny fifankahazoana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo manam-pahefana any an-tsekoly. Ny fanirianay dia ny hiara-miasa amin’izay rehetra miasa ho an’ny fahombiazan’ireo fandaharam-panabeazana fototra atolotra any an-tsekoly.

Ireo ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah dia maniry ny handray anjara amin’ny fanaovana izay hianaran’ny zanany ao anatin’ny rivo-piainana tsara. Maniry izy ireo ny handraisan’ireo tanora ao aminy ny tombontsoa faran’izay betsaka indrindra avy amin’ny fandehanany any an-tsekoly. Ary maniry koa izy ireo ny hahafantaran’ireo mpampianatra sy manam-pahefana hafa any an-tsekoly fa hanao izay rehetra azony atao ao anatin’ny faritry ny zavatra ara-drariny izy, mba hanatrarana izany.

Mazàna ny Vavolombelon’i Jehovah dia malaza noho ny fihetsiny ara-pitondrantena tsara dia tsara na aiza na aiza toerana onenany. Voamarika noho ny fankatoavany ireo manam-pahefana eo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Misy mpampianatra sasany anefa mety hahatsapa fa tsy vonona ny hanampy azy ireo ny tanora Vavolombelona satria tsy mandray anjara amin’ny fandaharana na raharaha rehetra ao an-tsekoly. Kanefa izany fandavana tsy handray anjara izany akory dia tsy milaza hoe mpikomy ireo tanora na koa hoe mpanohitra ny fitambaran’olona misy azy. Ireo zavatra ataony dia mifototra amin’ny finoany ara-pivavahana sy ara-pitondrantena.

Ato amin’ity bokikely ity dia tianay ny mampahafantatra an’ireo manam-pahefana any an-tsekoly ny amin’ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay hisy vokany eo amin’ny fandraisany anjara amin’ny zavatra atao any an-tsekoly. Fanampin’izany, dia tianay ny hanazava hoe nahoana, noho izany zavatra inoany izany, no tsy mandray anjara amin’ny raharaha na fandaharana sasany any an-tsekoly izay fanaon’ny olona amin’ny toerana maro manerana ny tany ny tanora Vavolombelona. Manaraka izany dia tianay hazava tsara eto fa tsy fikasanay akory ny hanery ny hafa hanaiky ny fomba fihevitray.