Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fiarahanay miasa amin’ny sekoly

Ny fiarahanay miasa amin’ny sekoly

Ny fiarahanay miasa amin’ny sekoly

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino fa ny fanabeazana tsara no anisan’ny lova sarobidy indrindra azony omena ny zanany. Kanefa iza no tompon’andraikitra voalohany indrindra ny amin’ny fitaizana ny ankizy? Ireo mpampianatra any an-tsekoly ihany ve?

Misy olona toa mihevitra fa izany no izy. Kanefa avy amin’ireo ray aman-dreniny no nahazoan’ireo ankizy ny fiainana ary anisan’ny fianakaviana iray izy. Tsy ny fanjakana na fikambanana ao amin’ny fitondram-panjakana no niteraka azy. Noho izany, dia ireo ray aman-dreny no nahazo ny andraikitra avy amin’Andriamanitra mba hanapa-kevitra ny amin’ny fanabeazana tokony homena ireo zanany.

Ireo mpampianatra koa anefa dia manana anjara asa lehibe tsy azo lavina ary ankasitrahanay tokoa izany. Mahatsapa izahay fa tsy mora ny asany amin’izao andro tsy isian’ny fifehezana intsony izao. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao mba hiaraha-miasa amin’izy ireo?

Ny fiaraha-miasa avy amin’ny ray aman-dreny

Ho fanombohana dia zava-dehibe ny hifankahalalan’ny ray aman-dreny amin’ny mpampianatra ireo zanany — amin’ny fanaovana fotoana mba hihaonana sy hiresahana amin’izy ireo. Izany fihaonana izany dia tsy ho toy ny hoe mifanandrina ny roa tonta fa mba hahitan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra izay fomba hiaraha-miasa mba hanampiana ilay ankizy eo amin’ny fandrosoany. Ho faly ireo ray aman-dreny ny hihaino ilay mpampianatra rehefa miteny izy, ary koa ny hiteny mba hilazana mazava izay zavatra tiany ho an’ny zanany.

Amin’ny fihaonana toy izany, ilay ray na ilay reny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hampahafantatra an’ilay mpampianatra fa manantena ny hitondran’ireo zanany tena toy ny kristiana izy, ka raha maditra izy ireo, dia maniry ny hampahafantarina ny amin’izany izy. Tokony hanome toky ilay mpampianatra koa izy fa hanohana azy rehefa mampihatra famaizana araka ny rariny amin’ilay ankizy izy, ary vonona ny hanamafy izany any an-trano.

Ireto misy fomba hafa ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny mpampianatra: Ataovy azo antoka fa nisakafo maraina tsara ny zanakao alohan’ny handehanany hianatra. Jereo raha vita tsara ny entimodiny ary raha eny aminy daholo ny bokiny. Hajao mandrakariva ireo didy aman-dalàn’ny sekoly ary ataovy izay hanarahan’ny zanakao azy rehetra koa. Ataovy izay hiresahan’ny zanakao any an-trano ny amin’ny zavatra nataony tany an-tsekoly sy izay zava-manahirana rehetra mety ho hitany any.

Ao amin’ilay bokiny hoe Ampio ny zanakao hiomana ho amin’ny asany any aoriana: Torohevitra vitsivitsy ho an’ny ray aman-dreny (anglisy), ny Ministeran’ny Fahasalamana, sy ny Fanabeazana ary ny Fanampiana ara-tsosialy any Etazonia dia manazava ny fomba azon’ny ray aman-dreny amporisihana ny zanany mba hianatra. Hoy izy: “Ampio ny zanakao hahatakatra fa hisy vokany lehibe eo amin’ny fanapahan-kevitra tsy maintsy hataony ny amin’ny asany any aoriana izay ataony any an-tsekoly izao. Asehoy azy fa ny famakian-teny sy ny kajy ary ny filazana hevitra am-bava sy an-tsoratra dia ilaina saika eo amin’ny asa rehetra. Raha lazaina amin’ny teny fohy, ampio izy hahatakatra fa raha mandeha any am-pianarana izy dia tsy mba handehanana any am-pianarana fotsiny, fa misy antony lehibe hafa maro”.

Manantena amim-pahatsorana izahay fa ireo fanazavana omen’ity bokikely ity ireo dia hampisy fiaraha-miasa mahafinaritra eo amin’ireo manam-pahefana any an-tsekoly sy ireo fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 28]

Ny ray aman-dreny no manana andraikitra voalohany indrindra hampianatra ny zanany