Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fomba fijerinay ny ho avy

Ny fomba fijerinay ny ho avy

Ny fomba fijerinay ny ho avy

Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly iray izay manana vokany lalina eo amin’ny fomba fijerinay ny fiainana dia ilay hita ao amin’ny Apokalypsy 21:3 sy 4. Izao no vakina ao: “Andriamanitra no hitoetra eo aminy [ny olona]. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”.

Ny Baiboly dia manome fanazavana miverimberina ny amin’ny izao tontolo izao iray tsara kokoa izay hataon’Andriamanitra. “Isika, araka ny teny fikasan’[Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” — II Petera 3:13; Salamo 37:9-11, 29; Isaia 11:6-9; 35:5, 6.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino fa ny fahatanterahan’io faminaniana io no ho hany fanafodin’ireo zava-manahirana ny olombelona, toy ny nilazan’i Jesosy azy raha nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao, etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Araka ny finoanay, ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana tena misy. (Isaia 9:5, 6) Izy irery no fitondram-panjakana afaka manafoana eto amin’ny tany ireo toe-javatra rehetra miteraka fahorian’olombelona ary mitondra fiadanana maharitra.

Ny dikan’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny fitondram-panjakana rehetra amin’izao andro izao dia voalaza ao amin’ny faminaniana iray hafa ao amin’ny Baiboly: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay. Ary (...) ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.

Koa satria matoky izahay fa efa akaiky dia akaiky io fiovan-javatra io, ireo tanora eo aminay dia mino fa fiheverana ny zavatra tena misy ny fiomanana ho amin’ny asa iray eo amin’ny fiainany izay hifanaraka amin’ny finoanay fa tena misy tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny zava-kendrenay voalohany indrindra dia ny hilaza amin’ny olona ny amin’ny ho avy mamirapiratra eo anoloany. Izahay dia tena miandry ary manantena tokoa ny fanjavonan’ireo zavatra mampalahelo sy manahirana misy amin’izao andro izao ary ny ho tafita velona mba hankamamy ireo fitahiana hatokan’Andriamanitra ho an’ireo izay manompo Azy. Izao no fampanantenana azo antoka omen’Andriamanitra: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — I Jaona 2:17.

Tafasaraka amin’izao Tontolo izao

Toy ny mety hampoizintsika, izany fomba fijery ny ho avy izany dia nisy vokany tsy azo lavina teo amin’ireo kristiana voalohany. Izany dia nahatonga azy ireo ho olona niavaka, tafasaraka amin’izao tontolo izao. Hoy ny nomarihin’ilay mpanao tantara hoe E. G. Hardy ao amin’ny bokiny hoe Ny kristianisma sy ny Fitondram-panjakana romana (anglisy): “Ireo kristiana dia tsy tompon-tany sy mpivahiny teo amin’izao tontolo izao nanodidina azy; vahoaky ny firenena iray izay any an-danitra izy; ilay fanjakana izay nantenainy dia tsy avy amin’ity izao tontolo izao ity. Vao tamin’ny voalohany àry, ny tsy fandraisan’ny kristiana anjara tamin’ny raharaham-bahoaka, izay vokatr’izany fihetsika izany, dia tonga toetra nampiavaka ny kristianisma”.

Nolazain’i Jesosy nazava tsara fa ny maha-tafasaraka azy ireo amin’izao tontolo izao no ho toetra hampiavaka indrindra an’ireo mpianany. “Tsy naman’izao tontolo izao izy”, hoy izy. (Jaona 17:16; 15:19) Amin’ny fanarahana io fotopoto-pitsipika io, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka ny tsy ho “naman’izao tontolo izao”. Tsy milaza akory izany fa mamporisika ny fitokana-monina izahay ka mitady ny tsy hifandray mihitsy amin’izao tontolo izao. Mihevitra amim-pahatsorana kosa ny amin’izay mahasoa ny mpiara-belona aminay aza izahay eo amin’ny toerana misy anay sy any an-tsekoly. Ireo tanora eo aminay dia maniry ny handray anjara amin’ireo asa atao any am-pianarana ary hanolotra ny fanampiany amin’izany.

Mino koa anefa izahay fa hazavain’ny Baiboly tsara fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (I Jaona 5:19; Jaona 12:31; II Korintiana 4:4) Noho izany dia mampanahy anay ny vokatra ratsy mety hoentin’ny fitaoman’ity izao tontolo izao ity eo amin’ny zanakay. Matetika dia asehony ho toy ny manintona aoka izany ireo fomba fiaina izay inoanay fa tsy mahasoa. Ary voakasik’izany ireo sekoly. Noho izany, araka izay azony atao, dia irin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny handosiran’ireo zanany an’izany fitaomana manimba izany.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Mandalo izao fiainana izao (...) fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — I Jaona 2:17

[Sary, pejy 9]

Ireo ankizy Vavolombelona dia maniry ny handray anjara amin’ireo asa atao any am-pianarana araka izay azony atao