Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny zava-kendrenay eo amin’ny fiainana

Ny zava-kendrenay eo amin’ny fiainana

Ny zava-kendrenay eo amin’ny fiainana

Eto am-piandohana, dia hanampy antsika tokoa ny fanazavana fohy momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zava-kendrenay eo amin’ny fiainana. Izahay dia fitambaran’olona kristiana iraisam-pirenena izay hita amin’ny tany maherin’ny 200. Tafiditra ao amin’ny fanompoanay an’Andriamanitra ny fomba fijerinay zavatra sy ny fomba fiainanay iray manontolo.

Koa satria mino izahay fa Andriamanitra dia tena misy tokoa, dia mihevitra izahay fa iankinan’ny aina ny hitanana fifandraisana akaiky sy manokana aminy amin’ny maha-Raintsika azy. (Matio 6:9) Anisan’izany ny fahafantarana azy amin’ny anarany. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Salamo 83:18: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”.

Amin’ny maha-kristiana anay, dia miezaka koa izahay ny hampifanaraka ny fiainanay amin’ny ohatr’ilay zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy. Ny fanabeazana tsara sy mahatalanjona nananany dia hita miharihary amin’ny fahendren’ireo fampianarany. Kanefa Jesosy dia nampiasa ny fahalalany ho tombontsoan’ny hafa fa tsy mba hahazoana toerana azo antoka eo amin’ny ara-bola na toerana ambony. Ny zavatra lehibe indrindra teo amin’ny fiainany dia ny fanompoany an’Andriamanitra. “Ny haniko”, hoy Jesosy, “dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany”. — Jaona 4:34.

Izany koa no tsapanay. Amin’ny fananana izany ho zava-kendrena, ny Vavolombelona maneran-tany dia manome vidiny ny fanabeazana tsara. Mamporisika ny tanora eo aminay izahay mba hanitatra ny faritry ny fiainany — mba hahafantatra sy hahatakatra ny manodidina azy sy ny hoe inona no tena fiainana. Amin’ny fananana izany ho zava-kendrena, izy ireny dia mamaky, ary matetika dia mampiasa amin’ny zavatra ataony any am-pianarana, ny gazetinay mitondra ny lohateny hoe Réveillez-vous! izay mahakasika saika ny lafiny rehetra eo amin’ny fahalalan’ny olombelona. Misy mpanabe sasany koa mampiasa io gazety io mba hanomanana ireo lesony any am-pianarana.

Ny fampiofanana sy fanabeazana azon’ireo zanakay dia nanampy ny maro be tamin’izy ireo mba hampitombo ny fahafahany mamoron-javatra. Nanamarika izany ny Gazety momba ny toetra (anglisy) tao amin’ny lahatsoratra momba ny fikarohana iray natao tany Aostralia ny amin’ny “fahaizana mamoron-javatra” ananan’ireo ankizy 12 taona. Nilaza izao ireo mpanao fikarohana: “Marihina indrindra fa ireo ankizy manana fahaizana mamoron-javatra ambony dia ambony, izay be dia be lavitra noho ny ankizy hafa ny isany, dia Vavolombelon’i Jehovah”. Izany dia azo hazavaina avy amin’ny fivavahan’ny Vavolombelona izay mamporisika azy ireo hampiasa ny fahaizany mieritreritra.

Na dia mahaliana an’ireo tanora Vavolombelona aza ny hahazo fanabeazana tsara, izy ireo dia tsy manohy ny fianarany amin’ny fikasana ny hahazo laza na toerana ambony. Ny zava-kendreny lehibe indrindra eo amin’ny fiainana dia ny hanompo amin’ny fomba mety amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra, ary ankasitrahany ny sekoly satria manampy azy amin’ny fanatrarana izany zava-kendreny izany. Mazàna àry izy ireny no mifidy fianarana izay hanampy azy hivelona amin’izao fandehan-javatra izao. Noho izany dia maro be aminy no mety hifidy fianarana mampianatra asa iray na mankany amin’ny sekoly mampianatra asa iray. Rehefa mandao ny sekoly izy ireny dia maniry ny hahazo asa iray izay hamela azy hifantoka amin’ilay asany lehibe indrindra, dia ny fanompoana kristiana.

Fomba fiheverana ny Baiboly

Araka ny mety ho efa hitanao avy amin’izay voalaza teo aloha, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandray ny Baiboly ho mpitari-dalana azy isan’andro amin’ny fomba hentitra kokoa noho ny olona maro be hafa. Tena mino izy ireo fa “ny soratra rehetra (dia) nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. — II Timoty 3:16.

Mifanaraka amin’ireo teny ireo, izahay dia mino fa izay zavatra rehetra voarakitra ao amin’ny Baiboly dia marina ary tokony hitarika ny kristiana iray eo amin’ny fiainana. Ho vokatr’izany, ny fomba fijerin’ny tanora Vavolombelona iray ny zavatra atao any an-tsekoly sasany dia mety ho hafa tanteraka noho ny an’ny mpianatra iray izay mety tsy handray ny fampianaran’ny Baiboly amin’ny fomba hentitra tahaka azy. Ity bokikely ity dia handinika ireo asa any an-tsekoly tafiditra amin’izany ary hiezaka hanampy anao hahatakatra ny antony anarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany fihetsiny izany momba ireo asa ireo.

Koa satria, araka ny mety ho fantatrao, ny Baiboly dia boky ara-paminaniana mahatalanjona, dia maniry izahay ny handinihanao ny vokatra ateraky ny finoana izany faminaniana izany eo amin’ny fomba fihetsik’ireo Vavolombelona eo anoloan’ny sekoly.

[Sary, pejy 6]

Ny Vavolombelona maneran-tany dia manome vidiny ny fanabeazana tsara

[Sary, pejy 7]

Ampiasaina ho toy ny mpitari-dalana isan’andro