Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-10 — 2 Samoela
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-10 — 2 Samoela
Mpanoratra: Gada sy Natana
Toerana Nanoratana: Isiraely
Vita Tamin’ny: 1040 al.f.i. tany ho any
Fe-potoana Voafaoka: 1077 al.f.i. – 1040 al.f.i. tany ho any
1. Manomboka amin’ny zava-niseho ara-tantara inona ny Samoela Faharoa, ary ahoana no fizotran’ilay fitantarana?
VERY toky ny firenen’Isiraely noho ilay loza tany Gilboa sy ireo fanafihana vokatr’izany nataon’ireo Filistina nandresy. Maty avokoa ireo mpitarika ny Isiraely sy ny sangany indrindra tamin’ireo lehilahy tanora teo aminy. Tao anatin’io toe-javatra io, i Davida zanak’i Jese, ilay “voahosotr’i Jehovah” tanora, dia nanao zavatra be dia be teo amin’ny sehatry ny firenena. (2 Sam. 19:22). Toy izany no anombohan’ny bokin’i Samoela Faharoa, izay azo antsoina hoe bokin’i Jehovah sy i Davida. Ny fitantarana ao anatiny dia feno karazam-panaovan-javatra rehetra. Entiny avy any amin’ny faharesena faran’izay nampietry indrindra ka hatrany amin’ny fandresena fara tampony isika, hatrany amin’ny fahorian’ny firenena iray rotidrotiky ny ady ka hatrany amin’ny fanambinan’ny fanjakana tafaray iray, hatrany amin’ny tanjaky ny fahatanorana ka hatrany amin’ny fahendren’ny taona efa mandroso. Io no fitantarana momba ny fiainana manokan’i Davida izay nitady ny hanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony rehetra. a Izy io dia fitantarana izay tokony hanosika ny mpamaky azy rehetra handinika ny fony mba hahafahany hanatanjaka ny fifandraisany manokana amin’ny Mpamorona azy sy ny lazany eo anatrehany.
2. a) Ahoana no nahatongavan’ilay boky ho nantsoina hoe Samoela Faharoa? b) Iza avy ireo mpanoratra azy io, inona avy ireo toetra tsara nananan’izy ireo, ary firaketana an-tsoratra inona ihany no notadiavin’izy ireo hotahirizina?
2 Raha ny tena izy, dia tsy voatonona akory ao amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Samoela Faharoa ny anaran’i Samoela, satria ny nanomezana io anarana io an’ilay boky dia toa noho izy nahaforona horonam-boky, na boky, iray ihany tamin’ny Samoela Voalohany tany am-boalohany. I Natana sy i Gada mpaminany, izay namita ny fanoratana ny Samoela Voalohany, dia nanohy nanoratra ny Samoela Faharoa manontolo. (1 Tant. 29:29). Nahafeno fepetra tsara izy ireo mba hanao io asa io. I Gada dia niaraka tamin’i Davida fony io natao ho mpandika lalàna natao haza lambo teo amin’ny Isiraely, ary tany amin’ny faran’ny fotoana nanjakan’i Davida izay naharitra 40 taona, izy dia mbola nanao zavatra nifandray tamin’ny mpanjaka ihany. I Gada no ilay nampiasaina mba hanambara ny tsy fankasitrahan’i Jehovah an’i Davida noho io tsy naneho fahendrena tamin’ny fanisana ny Isiraely. (1 Sam. 22:5; 2 Sam. 24:1-25). Nifanindry tamin’ny androm-piainan’i Gada, ary nihoatra azy io mihitsy aza, ny fe-potoana niasan’i Natana mpaminany, mpiara-miasa akaiky tamin’i Davida. Tombontsoany ny nampahafantatra ny fanekena lehibe nataon’i Jehovah tamin’i Davida, dia ilay fanekena ho amin’ny fanjakana mandrakizay. Izy no nanondro tamin-kerim-po sy ara-tsindrimandry ilay fahotana lehiben’i Davida nifandray tamin’i Batseba sy ny famaizana noho izany. (2 Sam. 7:1-17; 12:1-15). Araka izany, i Jehovah dia nampiasa an’i Natana, izay midika hoe “Nanome [Andriamanitra]” ny anarany, sy an’i Gada, izay midika hoe “Fanambinana Tsara” ny anarany, mba hirakitra an-tsoratra ny fanazavana ara-tsindrimandry sy mahasoa ao amin’ny Samoela Faharoa. Ireo mpanoratra tantara tsy tia sehoseho ireo dia tsy nitady ny hitahiry ny fahatsiarovana ny tenany manokana, satria tsy misy fanazavana momba ny razambeny na ny fiainany manokana. Tsy nitady afa-tsy ny hitahiry ilay firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy ireo, mba hahitan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah atỳ aoriana soa.
3. Fe-potoana toy inona no voafaokan’ny Samoela Faharoa, ary oviana no vita ny fanoratana azy io?
3 Ny Samoela Faharoa dia mandray ny fitantarana ilay tantara marina ao amin’ny Baiboly taorian’ny nahafatesan’i Saoly, mpanjakan’ny Isiraely voalohany, ary manohy azy io hatrany akaikin’ny faran’ny fotoana nanjakan’i Davida izay naharitra 40 taona. Araka izany, ny fe-potoana voafaoka dia nanomboka tamin’ny 1077 al.f.i. ka hatramin’ny 1040 al.f.i. tany ho any. Ny tsy niraketan’ilay boky an-tsoratra ny nahafatesan’i Davida dia porofo mahery fa nosoratana tany amin’ny 1040 al.f.i., na taloha kelin’ny nahafatesany, izy io.
4. Noho ny antony inona avy no tsy maintsy handraisana ny Samoela Faharoa ho anisan’ny kanônan’ny Baiboly?
4 Noho ireo antony naroso momba ny Samoela Voalohany ihany, ny bokin’i Samoela Faharoa dia tsy maintsy raisina ho anisan’ny kanônan’ny Baiboly. Ny maha-azo itokiana azy dia tsy azo lavina. Ny fahatsorany mihitsy, ka tsy anafenany na dia ireo fahotana sy kileman-toetran’i Davida Mpanjaka aza, dia efa porofo amboniny mahery ny amin’izany.
5. Inona no antony mahery indrindra anekena ny Samoela Faharoa ho Soratra ara-tsindrimandry?
5 Kanefa, ny porofo mahery indrindra ny amin’ny maha-azo itokiana ny Samoela Faharoa dia hita ao amin’ireo faminaniana tanteraka, indrindra fa ireo izay mifandray amin’ilay fanekena ny amin’ilay Fanjakana natao tamin’i Davida. Nampanantena an’i Davida Andriamanitra hoe: “Ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” (7:16). I Jeremia, na dia efa tany amin’ny tapany farany tamin’ny fanjakan’ny Joda aza, dia nanonona ny fitohizan’io fampanantenana nomena ny taranak’i Davida io tamin’izao teny izao: “Izao no lazain’i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny taranak’Isiraely”. (Jer. 33:17). Tanteraka io faminaniana io satria tatỳ aoriana i Jehovah dia nampipoitra avy tamin’ny Joda an’i “Jesosy Kristy, zanak’i Davida”, araka ny hamarinin’ny Baiboly mazava tsara. — Matio 1:1.
LOHA HEVITRA RAKETIN’NY SAMOELA FAHAROA
6. Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida rehefa nahare ny amin’ny nahafatesan’i Saoly sy i Jonatana izy?
6 Fisehoan-javatra tany am-piandohan’ny fotoana nanjakan’i Davida (1:1–4:12). Nanaraka ny nahafatesan’i Saoly teo an-tendrombohitra Gilboa, ny Amalekita iray nandositra avy tamin’ny ady dia nanatona haingana an’i Davida tao Ziklaga nitondra tatitra. Nanantena ny hahazo sitraka tamin’i Davida izy, ka namorona ny tantara fa hoe ny tenany no nanaisotra ny ain’i Saoly. Tsy teny fiderana no azon’ilay Amalekita fa fahafatesana fotsiny kosa ho valisoa, satria nanamelo-tena izy tamin’ny fanamarinana fa namono “ny voahosotr’i Jehovah” ny tenany. (1:16). Namorona hira fisaonana iray, nantsoina hoe “Tsipìka”, izay nilazany ny alahelony noho ny fahafatesan’i Saoly sy i Jonatana, izao ilay mpanjaka vaovao, dia i Davida. Misandratra ho amin’ny fara tampony kanto izy io rehefa maneho amin’ny fomba mampihetsi-po ny fitiavana mitafotafo nananan’i Davida ho an’i Jonatana manao hoe: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy. Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!” — 1:17, 18, 26, 27.
7. Fisehoan-javatra hafa inona avy no nanamarika ny tapany voalohany tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida?
7 Teo ambany fitarihan’i Jehovah, dia namindra ny ankohonany ho any Hebrona tany amin’ny faritanin’ny Joda, i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy. Teo ireo loholon’io foko io dia tonga mba hanosotra an’i Davida mba ho mpanjaka tamin’ny 1077 al.f.i. I Joaba Jeneraly dia nanjary ny mpanohana an’i Davida voalohany indrindra. Kanefa, i Isboseta, zanakalahin’i Saoly iray, izay nifaninana mba ho mpanjaka teo amin’ilay firenena, dia nohosoran’i Abnera, komandin’ny miaramila. Nisy fifandonana niverimberina teo amin’ireo tafika roa nifanohitra, ary namono ny rahalahin’i Joaba iray i Abnera. Farany, dia nivadika ho ao amin’ny tafik’i Davida i Abnera. Nentiny ho an’i Davida i Mikala, zanakavavin’i Saoly, izay efa nandoavan’i Davida ny vodiondry efa ela be. Kanefa, ho famaliana ny namonoan’i Abnera ny rahalahiny, dia nahita fahafahana hamonoana azy i Joaba. Ory mafy noho izany i Davida, ka niala andraikitra tamin’ilay izy. Fotoana fohy taorian’izay, dia maty novonoina ny tenan’i Isboseta, “tamin’ilay izy nandriandry tamin’ny antoandro iny”. — 4:5.
8. Ahoana no nanambinan’i Jehovah ny fotoana nanjakan’i Davida teo amin’ny Isiraely rehetra?
8 Davida mpanjaka tao Jerosalema (5:1–6:23). Na dia efa mpanjaka tany Joda fito taona sy enim-bolana aza i Davida, izao izy dia nanjary mpanapaka tsy azon’iza na iza nolavina, ary solontenan’ireo foko no nanosotra azy ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely rehetra. Izany no fanosorana azy fanintelony (1070 al.f.i.). Ny iray tamin’ireo zavatra voalohany nataon’i Davida tamin’ny naha-mpanapaka azy teo amin’ilay fanjakana manontolo dia ny fakana an’i Ziona, batery fiarovana, tany Jerosalema avy tamin’ireo Jebosita niaro tena tao anaty hady, tamin’ny fanairana azy ireo avy tao amin’ny tionelin-drano. Avy eo i Davida dia nanao an’i Jerosalema ho ny renivohiny. Nitahy an’i Davida i Jehovah Andriamanitry ny maro, ka nanao izay handrosoany sy hihalehibeazany. Na dia i Hirama, mpanjaka nanankarenan’i Tyro aza, dia nampanatitra sedera sarobidy, sady naniraka mpiasa mba hanao trano ho an’ny mpanjaka. Nitombo ny fianakavian’i Davida, ary nanambina ny fotoana nanjakany i Jehovah. Nisy fifandonana roa hafa tamin’ireo Filistina liana ady. Tamin’ny voalohany tamin’ireo, dia nanatona namely ny fahavalo ho an’i Davida tao Bala-perazima i Jehovah, ka nanome azy ny fandresena. Tamin’ilay faharoa, i Jehovah dia nanao fahagagana hafa iray tamin’ny fanaovana izay hisian’ny “fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balsama”, mba hampisehoana fa nandeha teo alohan’ny Isiraely i Jehovah mba hampandosirana ireo tafiky ny Filistina. (5:24). Tena fandresena niavaka hafa iray koa ho an’ireo tafik’i Jehovah izany!
9. Lazalazao ireo fisehoan-javatra nifandray tamin’ny fitondrana ilay Fiara tany Jerosalema.
9 Naka 30 000 lahy niaraka taminy i Davida ka nitondra ilay fiaran’ny fanekena avy tany Bala-joda (Kiriata-jearima) nankany Jerosalema. Rehefa nentina tamin’ny mozika sy fifaliana be ilay sariety nisy azy, dia nitongilana ka nanakatra mba hanitsy ilay Fiara masina i Oza, izay nandeha an-tongotra teo anilany. “Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany”. (6:7). Nanjary nitoetra tao an-tranon’i Obed-edoma ilay Fiara, ary nandritra ireo telo volana nanaraka, dia nitahy be dia be ny ankohonan’i Obed-edoma i Jehovah. Rehefa afaka telo volana dia tonga mba haka sy hitondra ilay Fiara tamin’ny fomba nety tamin’ny lalana sisa tavela, i Davida. Tao anatin’ny hiakam-pifaliana sy ny mozika ary ny fandihizana, dia nampidirina tao amin’ny renivohitr’i Davida ilay Fiara. Naneho tsy nisy ahotrahotra ny hafaliany lehibe tamin’ny fandihizana teo anatrehan’i Jehovah i Davida, kanefa nanakiana izany i Mikala vadiny. Nanizingizina ihany i Davida hoe: “Eo anatrehan’i Jehovah no hankalazako.” (6:21, NW ). Ho vokatr’izany, dia nitoetra tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny i Mikala. b
10. Fanekena sy fampanantenana inona nomen’i Jehovah no misarika ny saintsika manaraka izany?
10 Ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida (7:1-29). Izao isika dia tonga amin’ny iray tamin’ireo fisehoan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny fiainan’i Davida, dia ilay mifamatotra mivantana amin’ny loha hevitra fototry ny Baiboly, izany hoe ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana tarihin’ilay Taranaka nampanantenaina. Io fisehoan-javatra io dia nipoitra avy tamin’ny fanirian’i Davida hanorina trano ho an’ilay fiaran’Andriamanitra. Nonina tao amin’ny trano sedera tsara tarehy ny tenany, ary nampahafantatra tamin’i Natana ny faniriany hanorina trano iray ho an’ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, izy. Tamin’ny alalan’i Natana, i Jehovah dia nanome toky an’i Davida indray ny amin’ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana tamin’ny Isiraely ary nanorina fanekena iray taminy, dia fanekena haharitra mandrakizay. Kanefa, tsy i Davida fa ny taranany no hanorina ilay trano ho an’ny anaran’i Jehovah. Ambonin’izany, dia nanome izao fampanantenana feno fitiavana izao i Jehovah: “Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” — 7:16.
11. Vavaka inona no nanehoan’i Davida ny fankasitrahany?
11 Resin’ny hatsaram-pon’i Jehovah, nasehony tamin’ny alalan’io fanekena ny amin’ilay Fanjakana io, i Davida, ka namboraka ny fankasitrahany noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra miharo fitiavana rehetra, nanao hoe: “Aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an’ny taninao teo anatrehan’ny olonao (...)? (...) ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.” (7:23, 24). Nivavaka tamin-kafanam-po ho an’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy mba hahamafy orina ny taranak’i Davida teo anatrehany, izy.
12. Ady inona avy no nataon’i Davida, ary inona no hatsaram-panahy nasehony tamin’ny tamingan’i Saoly?
12 Nanitatra ny faritra nanapahan’ny Isiraely i Davida (8:1–10:19). Kanefa, i Davida dia tsy navela hanapaka tamim-piadanana. Mbola nisy ady tsy maintsy natao. Nandresy ny Filistina, ny Moabita, ny Zobahita, ny Syriana ary ny Edomita i Davida ka nanitatra ny sisin-tanin’ny Isiraely ho amin’ireo fetra nandidian’Andriamanitra. (2 Sam. 8:1-5, 13-15; Deot. 11:24). Avy eo izy dia nampitodika ny sainy ho amin’ny tamingan’i Saoly mba hahafahany haneho hatsaram-panahy miharo fitiavana (NW ) tamin’izay rehetra tavela, noho ny amin’i Jonatana. Nisarika ny sainy ho amin’ny zanakalahin’i Jonatana iray, dia i Mefiboseta, izay nalemy tongotra, i Ziba, mpanompon’i Saoly iray. Avy hatrany i Davida dia nangataka ny hampodiana ho amin’i Mefiboseta ny fananan’i Saoly rehetra sy ny hiasan’i Ziba sy ny mpanompony ny taniny mba hanomezana hanin-kohanina ho an’ny ankohonan’i Mefiboseta. Ny tenan’i Mefiboseta anefa dia tokony hihinana teo amin’ny latabatr’i Davida.
13. Tamin’ny alalan’ny fandresena hafa inona avy no nampisehoan’i Jehovah fa nomba an’i Davida izy?
13 Rehefa maty ny mpanjakan’i Amona, dia nandefa ambasadaoro tany amin’i Hanona zanany lahy ho fanehoana hatsaram-panahy miharo fitiavana, i Davida. Niampanga an’i Davida ho naniraka azy ireo mba hisafo ny tany anefa ireo mpanolo-tsaina an’i Hanona, ka nahafa-baraka azy ireo ary nandefa azy ireo hody nila hiboridana. Tezitra noho io fanevatevana io i Davida ka naniraka an’i Joaba sy ny tafiny mba hamaly faty noho iny zava-dratsy iny. Nizara ireo tafiny izy ka nampandositra mora foana ireo Amonita sy ireo Syriana tonga mba hanampy azy ireo. Nanambatra indray ny tafiny ireo Syriana, kanefa resin’ny tafik’i Jehovah teo ambany fandidian’i Davida indray koa, ka namoy 700 lahy an-kalesy sy 40 000 lahy an-tsoavaly. Io dia porofo fanampiny ny amin’ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fitahiany an’i Davida.
14. Fahotana inona avy no nataon’i Davida raha ny amin’i Batseba?
14 Nanota tamin’i Jehovah i Davida (11:1–12:31). Ny lohataona nanaraka i Davida dia nandefa indray an’i Joaba tany Amona mba hanao fahirano an’i Raba, fa ny tenany kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Indray hariva, avy teo an-tampon’ny tranony izy dia nahita an’i Batseba, vadin’i Oria Hetita, teo am-pandroana. Nampaka azy ho ao an-tranony izy, ka nanana firaisana taminy ary dia nanana anaka ravehivavy. Nanandrana ny hanafina izany izy tamin’ny fampiverenana an’i Oria avy tany amin’ilay ady tany Raba sy tamin’ny fandefasana azy hody tany an-tranony mba haka aina. Kanefa nanda tsy hampifaly tena na hanana firaisana tamin’ny vadiny i Oria, nefa ny Fiara sy ny tafika ‘nitoetra tamin’ny trano rantsankazo’. Ho fara heriny, i Davida dia nandefa an’i Oria hiverina hankany amin’i Joaba nitondra taratasy iray nanao hoe: “Arosoinareo amin’ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.” (11:11, 15). Tamin’izany fomba izany no nahafatesan’i Oria. Rehefa afa-tsaona i Batseba, dia nampaka azy avy hatrany (NW ) ho any an-tranony i Davida, ary dia nanjary vadiny ravehivavy, ka teraka ny zanak’izy ireo, dia zanakalahy iray.
15. Ahoana no nanambaran’i Natana didim-pitsarana ara-paminaniana tamin’i Davida?
15 Ratsy teo imason’i Jehovah izany. Naniraka an’i Natana mpaminany tany amin’i Davida nitondra hafatra nisy didim-pitsarana izy. Nilaza tamin’i Davida momba ny lehilahy nanankarena iray sy ny lehilahy nahantra iray i Natana. Ilay iray nanana ondry aman’osy maro, fa ilay iray hafa kosa nanana zanak’ondry vavy iray, izay biby nokolokoloin’ny fianakaviany ary “toy ny zanani-vavy”. Kanefa, rehefa hanao fanasana iray ilay lehilahy nanankarena, dia naka, tsy ondry iray avy tamin’ny andian’ondriny, fa ilay zanak’ondry vavin’ilay lehilahy nahantra. Nisafoaka i Davida nahare izany, ka nihiaka hoe: “Raha velona koa i Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany”. Avy hatrany dia hoy ny tenin’i Natana: “Hianao no izy.” (12:3, 5, 7). Avy eo izy dia nanambara didim-pitsarana ara-paminaniana fa hoe ireo vadin’i Davida dia hosavihin’ny lehilahy hafa iray ampahibemaso, fa ny taranany dia tsy hialan’ny ady an-trano ary koa fa ilay zanany tamin’i Batseba dia ho faty.
16. a) Dikany inona avy no mifamatotra amin’ireo anaran’ny zanakalahin’i Davida faharoa tamin’i Batseba? b) Inona no vokatra faran’ilay fanafihana an’i Raba?
16 Tamin’alahelo sy fibebahana feno fahatsorana, i Davida dia niaiky an-karihary hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” (12:13). Marina ny tenin’i Jehovah fa ilay zanaka avy tamin’ilay fanambadiana izay tsy inona fa fanitsakitsaham-bady, dia maty rehefa avy narary hafitoana. (Tatỳ aoriana, i Davida dia niteraka zanakalahy hafa iray tamin’i Batseba; io kosa dia nantsoin’izy ireo hoe Solomona, ka ny anarany dia avy tamin’ny fototeny midika hoe “fiadanana”. Kanefa i Jehovah dia naniraka an’i Natana mba hiantso azy io koa hoe Jedidia, izay midika hoe “Tian’i Jehovah”.) Taorian’io fanandraman-javatra nampahory mafy ny fanahiny io i Davida dia nantsoin’i Joaba mba ho any Raba, izay nanomanana ny fanafihana farany. Rehefa avy namabo ny famorian-dranon’ilay tanàna i Joaba, dia namela tamim-panajana ho an’ny mpanjaka ny voninahitra hamabo ilay tanàna.
17. Zava-nanahirana anaty inona avy no nanomboka namely ny ankohonan’i Davida?
17 Zava-tsarotra tao amin’ny fianakavian’i Davida (13:1–19:1). Nanomboka ny zava-nanahirana tao amin’ny ankohonan’i Davida rehefa raiki-pitia tamim-pahamaimaizana tamin’i Tamara, anabavin’i Absaloma rahalahiny iray ray taminy, i Amnona, iray tamin’ireo zanakalahin’i Davida. Mody narary i Amnona ary nangataka ny handefasana an’i Tamara tsara tarehy hikarakara azy. Nisavika azy izy ary avy eo dia nanjary nankahala azy fatratra, hany ka nandroaka azy tamim-pietrena. Nanao tetika hamaliana faty i Absaloma, ka niandry ny fotoana nety ho amin’izany. Roa taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nanomana fanasana iray nanasany an’i Amnona sy ny zanakalahin’ny mpanjaka hafa rehetra, izy. Rehefa faly noho ny divay ny fon’i Amnona, dia notampohin’izy ireo izy ka novonoiny ho faty araka ny baikon’i Absaloma.
18. Hafetsena inona no nahatafaverina an’i Absaloma avy tany an-tsesitany?
18 Natahotra ny tsy fankasitrahan’ny mpanjaka i Absaloma ka nandositra nankany Gesora, izay nitoerany toy ny tany an-tsesitany nandritra ny telo taona. Nandritra izany fotoana izany, i Joaba, lohan’ny tafik’i Davida, dia nanao tetika mba hihavanan’i Davida sy i Absaloma indray. Nandamina izy ny hihamboan’ny vehivavy hendry iray avy tany Tekoa ho tao anatin’ny tarehin-javatra iray tsy tena nisy teo anoloan’ny mpanjaka, momba ny famaliana sy ny fandroahana ary ny sazy. Rehefa nilaza didim-pitsarana ny mpanjaka, dia nampiharihary ny tena antony naha-teo azy ilay vehivavy, satria ny zanaky ny mpanjaka mihitsy, dia i Absaloma, dia noroahina tany Gesora. Takatr’i Davida fa i Joaba no nanao io tetika io, kanefa nanome lalana ny zanany lahy hiverina tao Jerosalema izy. Mbola nisy roa taona hafa nandalo talohan’ny naneken’ny mpanjaka hifanatri-tava tamin’i Absaloma.
19. Fiokoana inona izao no nanjary vaky bantsilana, ary nitondra vokatra inona ho an’i Davida izany?
19 Na dia teo aza ny hatsaram-panahy niharo fitiavan’i Davida, tsy ela i Absaloma dia nanomana fiokoana mba handrombaka ny seza fiandrianan-drainy. I Absaloma dia niavaka raha ny amin’ny hatsaran-tarehy teo amin’ireo lehilahy maherin’ny Isiraely, ka izany dia nampitombo ny fanirian-dazany sy ny avonavony. Isan-taona ny volon-dohany nandrobona ka noharatana dia nilanja tokony ho 2,3 kilao. (2 Sam. 14:26, NW, f.a.p.). Tamin’ny alalan’ny fanaovan-tetika feno hafetsen-dratsy, i Absaloma dia nanomboka nametsy ho azy ny fon’ny lehilahy tamin’ny Isiraely. Farany, dia nanjary vaky bantsilana ilay fiokoana. Nahazo lalana tamin-drainy mba ho any Hebrona i Absaloma, ka nanambara tany ny fikasany hikomy ary nangataka ny fanohanan’ny Isiraely rehetra tamin’io fitsanganany hanohitra an’i Davida io. Rehefa maro be no nanjary nomba ny zanany mpikomy, dia nandositra avy tao Jerosalema i Davida, niaraka tamin’ny mpanohana vitsivitsy tsy nivadika taminy, ka ny niavaka indrindra tamin’ireo dia i Itahy Gatita, izay nanambara hoe: “Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran’ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ny mpanomponao.” — 15:21.
20, 21. a) Fisehoan-javatra inona avy no nitranga nandritra ny fandosiran’i Davida, ary ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Natana? b) Ahoana no niafaran’i Ahitofela mpamadika?
20 Teny am-pandosirana avy tao Jerosalema i Davida, dia nahafantatra ny amin’ny famitahan’ny iray tamin’ireo mpanolo-tsaina azy nitokiany indrindra, dia i Ahitofela. Nivavaka izy hoe: “Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’i Ahitofela.” (15:31). I Zadoka sy i Abiatara, mpisorona tsy nivadika tamin’i Davida, ary i Hosay Arkita dia nalefa hiverina tany Jerosalema mba hiambina sy hanao tatitra momba ireo zavatra nataon’i Absaloma. Nandritra izany fotoana izany, tany an’efitra, i Davida dia nihaona tamin’i Ziba, mpanompon’i Mefiboseta, izay nanao tatitra taminy fa ny tompony izao dia nanantena ny hiverenan’ny fanjakana ho amin’ny tamingan’i Saoly. Rehefa nandalo i Davida, dia nanozona azy i Simey, tamingan’i Saoly, ary nitora-bato azy, kanefa nisakana ireo lehilahy niaraka taminy tsy hamaly faty i Davida.
21 Tany Jerosalema kosa, noho ny fanoloran-kevitr’i Ahitofela, i Absaloma mpandrombaka fahefana dia nanao firaisana (NW ) tamin’ireo vaditsindranon-drainy “teo imason’ny Isiraely rehetra”. Izany dia fahatanterahan’ny didim-pitsarana ara-paminaniana nolazain’i Natana. (16:22; 12:11). Ankoatra izany, i Ahitofela dia nanoro hevitra an’i Absaloma mba haka 12 000 lahy ary hanao haza lambo an’i Davida tany an’efitra. Kanefa i Hosay, izay nahavita nahazo ny fatokian’i Absaloma, dia nanoro ny hanarahana lalana hafa. Ary araka ilay vavaka nataon’i Davida mihitsy, dia nandamòka (NW ) ny torohevitr’i Ahitofela. Araka ny fomban’i Jodasy, dia nody i Ahitofela diso fanantenana ka nananton-tena. I Hosay dia nanao tatitra mangingina momba ireo tetik’i Absaloma tamin’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona, izay nampitondra ilay hafatra indray kosa tany amin’i Davida tany an’efitra.
22. Nohalefahin’ny alahelo inona ny fandresen’i Davida?
22 Izany dia nahatonga an’i Davida ho afaka nita an’i Jordana sy hifidy ny saha fiadiana tao an’alan’i Mahanaima. Tao izy dia nandamina ny tafiny ary nandidy azy ireo mba hitondra an’i Absaloma tamim-pahamoram-panahy (NW ). Niharan’ny faharesena namaivay ireo mpikomy. Rehefa nandositra nitaingina ampondra tao anatin’ilay ala feno hazo i Absaloma, dia voaray tao anatin’ireo rantsankazo ivan’ny hazo nikirindro iray ny lohany, ka niraviravy teny amin’ny rivotra izy. Rehefa nahita azy tao anatin’io toerana sarotra io i Joaba, dia namono azy ho faty, tsy nisy firaharahana an-kitsirano ny baikon’ny mpanjaka. Ny alahelo lalina tsapan’i Davida nahare ny nahafatesan’ny zanany dia hita taratra tamin’ny fanehoany alahelo nanao hoe: “Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!” — 19:1.
23. Fandaharana inona avy no nanamarika ny fiverenan’i Davida tamin’ny naha-mpanjaka azy?
23 Fisehoan-javatra namarana ny fotoana nanjakan’i Davida (19:2–24:25). Nanohy nisaona mafy i Davida, hany ka nampirisika azy haka indray ny toerany ara-dalàna tamin’ny naha-mpanjaka azy i Joaba. Izao izy dia nanendry an’i Amasa mba ho komandin’ny miaramila, ho solon’i Joaba. Rehefa niverina izy, dia noharahabain’ny vahoaka, anisan’izany i Simey, izay notsimbinin’i Davida ny ainy. I Mefiboseta koa dia tonga mba hitalaho ny momba ny tenany, ary dia nanome azy lova nitovy tamin’ny an’i Ziba i Davida. Izao indray ny Isiraely sy ny Joda rehetra dia tafaray teo ambany fanapahan’i Davida.
24. Fizotran-javatra hafa inona avy no nitranga ka nahatafiditra ny fokon’i Benjamina?
24 Kanefa dia mbola nisy zava-nanahirana niandry. I Seba Benjamita, dia nanambara ny tenany ho mpanjaka ary nampiodina olona maro hiala tamin’i Davida. I Amasa, izay nodidian’i Davida mba hanangona lehilahy mba hampijanona ilay fikomiana, dia notsenain’i Joaba ka novonoiny ho faty tamim-pitaka. Avy eo i Joaba dia nandray ny fitarihana ny miaramila ary nanaraka an’i Seba hatrany amin’ny tanànan’i Abela Beti-maka ka nanao fahirano azy. Nanaraka ny torohevitry ny vehivavy hendry iray tao amin’ilay tanàna ireo mponina tao ka namono ho faty an’i Seba, ary dia nisintona i Joaba. Satria i Saoly namono Gibeonita, ary mbola tsy voavaly ihany ilay trosan-dra, dia nisy mosary telo taona tao Isiraely. Mba hanesorana ilay trosan-dra, dia zanakalahy fito tamin’ny taranak’i Saoly no novonoina. Tatỳ aoriana, tamin’ny ady natao tamin’ny Filistina indray, dia zara raha voavonjin’i Abisay, zanak’anabaviny, ny ain’i Davida. Nianiana ireo olony fa tsy tokony handeha an’ady niaraka tamin’izy ireo intsony izy “fandrao hovonoinao ny fahazavan’ny Isiraely”. (21:17). Ny telo tamin’ireo lehilahy natanjaka niaraka taminy dia nanao zavatra niavaka tamin’ny famonoana Filistiana goavam-be.
25. Naneho inona ireo fihiranan’i Davida noraketina an-tsoratra manaraka izany?
25 Eto ilay mpanoratra dia mampiato ilay fitantarana tamin’ny alalan’ny fihirana iray nataon’i Davida ho an’i Jehovah, izay mifanitsy amin’ny Salamo faha-18 ary maneho fisaorana noho ny famonjena “tamin’ny tànan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tànan’i Saoly”. Tamim-pifaliana, dia nanambara izy hoe: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.” (22:1, 2, 51). Nanaraka izany ny fihirana farany nataon’i Davida, izay nanekeny fa “ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako”. — 23:2.
26. Inona no ambara momba ireo lehilahy maherin’i Davida, ary ahoana no nanehoan’i Davida fanajana ny ran’ny ain’izy ireo?
26 Miverina any amin’ilay firaketana an-tsoratra ara-tantara indray isika ka mahita ny lisitr’ireo lehilahy maherin’i Davida, ka ny telo taminy dia niavaka. Izy ireo dia tafiditra tao amin’ny zava-nitranga iray fony nisy tobin’ny miaramila filistina naorina tao Betlehema, tanàna niavian’i Davida. Naneho ny faniriany toy izao i Davida: “Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady!” (23:15). Tamin’izay, ireo lehilahy mahery telo dia namaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina, nanovo rano tamin’ilay fantsakana ary nitondra azy io teo amin’i Davida. Nanda tsy hisotro azy io anefa i Davida. Naidiny tamin’ny tany kosa ilay izy, ka hoy izy: “Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity?” (23:17). Taminy ilay rano dia toy ny hoe ran’ny aina izay nataon’izy ireo vivery. Nomena nanaraka izany ny lisitr’ireo lehilahy 30 nahery indrindra tao amin’ny tafiny ary koa ny zava-bitan’izy ireo.
27. Fahotana farany inona no nataon’i Davida? Ahoana no nitsaharan’ilay loza vokatr’izany?
27 Farany, dia nanota i Davida tamin’ny fanisana ny vahoaka. Nitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra izy, ka nomena safidy tamin’ny sazy telo: mosary fito taona sa faharesena ara-tafika telo volana sa areti-mandringana hateloana teo amin’ilay tany. Namaly i Davida hoe: “Aleontsika ho azon’ny tànan’i Jehovah, — fa lehibe ny famindrampony — toy izay ho azon’izay tànan’olona.” (24:14). Nahafaty olona 70 000 ilay areti-mandringana nanerana ilay firenena, ka tsy nitsahatra raha tsy nividy ny famoloan’i Araona i Davida, ho fanarahana ny toromarik’i Jehovah nomeny tamin’ny alalan’i Gada, ka nanolotra teo fanatitra dorana sy fanati-pihavanana ho an’i Jehovah.
MAHASOA — NAHOANA?
28. Fampitandremana manaitra inona avy no raketin’ny Samoela Faharoa?
28 Be dia be ny zavatra mahasoa hitan’ny mpamaky maoderina ao amin’ny Samoela Faharoa! Saiky ny fihetseham-pon’olombelona rehetra dia voalazalaza ato amin’ny loko mahery indrindra, dia ny fihetseham-po hita eo amin’ny tena fiainana. Ampitandremana amin’ny alalan’ny teny manaitra isika, ohatra, ny amin’ireo vokatra mampidi-dozan’ny fanirian-daza sy ny famaliana faty, (3:27-30), ny amin’ny fahatsapana filan-dratsy ho an’ny vadin’olon-kafa, (11:2-4, 15-17; 12:9, 10), ny amin’ny fanaovan-javatra amim-pitaka, (15:12, 31; 17:23), ny amin’ny fitiavana tsy mifototra afa-tsy amin’ny fahamaimaizana, (13:10-15, 28, 29), ny amin’ny fitsarana atao maimaika, (16:3, 4; 19:26-31), ary ny amin’ny tsy fanajana ny asam-pivavahan’ny hafa. — 6:20-23.
29. Ohatra faran’izay tsara inona avy ny amin’ny fitondran-tena sy asa tsara no hita ao amin’ny Samoela Faharoa?
29 Kanefa, ny soa lehibe indrindra azo avy amin’ny Samoela Faharoa dia eo amin’ny lafiny manorina, rehefa arahina ireo ohatra faran’izay tsara maro ny amin’ny fitondran-tena sy asa tsara. I Davida dia modely raha ny amin’ny fifikirany tsy nizarazara tamin’Andriamanitra, (7:22), ny fanetren-tenany teo anatrehan’Andriamanitra, (7:18), ny fanandratany ny anaran’i Jehovah, (7:23, 26), ny fomba fijeriny araka ny tokony ho izy ao anatin’ny toe-javatra sarotra, (15:25), ny fibebahany tamim-pahatsorana noho ny ota, (12:13), ny fahatokiany tamin’ny fampanantenany, (9:1, 7), ny fihazonany ny fandanjalanjany tao anatin’ny fisedrana, (16:11, 12), ny fianteherany tsy niovaova tamin’i Jehovah, (5:12, 20), mbamin’ny fanajany lalina ny fandaharana sy ny fanendrena nataon’i Jehovah. (1:11, 12). Tsy mahagaga raha nantsoina hoe ‘lehilahy araka ny fon’i Jehovah’ i Davida! — 1 Sam. 13:14.
30. Fotopoto-pitsipika inona avy no ampiharina sy aseho ao amin’ny Samoela Faharoa?
30 Ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika maro ao amin’ny Baiboly koa dia hita ao amin’ny Samoela Faharoa. Anisan’izany ireo fotopoto-pitsipika ny amin’ny andraikitra iombonana, (2 Sam. 3:29; 24:11-15), ny hoe tsy manova ny zavatra takin’Andriamanitra ny fikasana tsara, (6:6, 7), ny hoe tokony hohajaina ny fandaharana teokratikan’i Jehovah ny amin’izay lohany, (12:28), ny hoe tokony hoheverina ho masina ny ra, (23:17), ny hoe takina ny fanavotana noho ny trosan-dra, (21:1-6, 9, 14), ny hoe afaka misakana loza ho an’ny maro ny olona hendry iray, (2 Sam. 20:21, 22; Mpit. Mpto 9:15), ary koa ny hoe tsy maintsy hazonina ny tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ireo solontenany “na ho faty na ho velona”. — 2 Sam. 15:18-22.
31. Ahoana no anomezan’ny Samoela Faharoa fahitana mialoha momba ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny hamarinina ao amin’ny Soratra Grika Kristiana?
31 Ny zava-dehibe indrindra amin’ny rehetra, dia noho ny Samoela Faharoa manondro ny Fanjakan’Andriamanitra sady manome fahitana mialoha mamirapiratra momba azy io, izay naoriny teo an-tanan’ilay “zanak’i Davida”, dia i Jesosy Kristy. (Matio 1:1). Ny fianianana nataon’i Jehovah tamin’i Davida momba ny faharetan’ny fanjakany, (2 Sam. 7:16), dia voatonona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:29-36 izay manisy firesahana an’i Jesosy. Ny hoe tena nanondroan’ilay faminaniana hoe “Izaho ho rainy, ary izy ho zanako”, (2 Sam. 7:14), an’i Jesosy dia asehon’ny Hebreo 1:5. Izany koa dia nohamarinin’ny feon’i Jehovah niteny avy tany an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17; 17:5). Farany, ilay fanekena ny amin’ilay Fanjakana natao tamin’i Davida dia nasian’i Gabriela firesahana tao amin’ny teniny tamin’i Maria momba an’i Jesosy nanao hoe: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:32, 33). Mampientana toy inona moa ny fahitana ny fampanantenana momba ny Taranak’ilay Fanjakana arakaraka ny ivelaran’ny fizotrany eo imasontsika!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 745-747.
b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1001.
[Fanontaniana]