Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-11 — 1 Mpanjaka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-11 — 1 Mpanjaka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-11 — 1 Mpanjaka

Mpanoratra: Jeremia

Toerana Nanoratana: Jerosalema sy Joda

Vita Tamin’ny: 580 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 1040 al.f.i. tany ho any – 911 al.f.i.

1. a) Ahoana no nahatongavan’ny fanambinana mamirapiratry ny Isiraely ho antontan-javatra rava sisa? b) Kanefa nahoana ny Mpanjaka Voalohany no azo lazalazaina ho “ara-tsindrimandry sady mahasoa”?

 IREO fandresen’i Davida dia nanitatra ny faritra nanapahan’ny Isiraely hatramin’ireo sisin-tany nomen’Andriamanitra, avy teo amin’ny ony Eofrata tany avaratra ka hatramin’ny onin’i Egypta tany atsimo. (2 Sam. 8:3; 1 Mpanj. 5:1). Rehefa maty i Davida ka nanapaka nandimby azy i Solomona zanany, “ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly”. (1 Mpanj. 4:20). Nanapaka tamim-pahendrena lehibe i Solomona, dia fahendrena nihoatra lavitra ny an’ireo Grika fahizay. Nanorina tempoly iray fatratra aoka izany ho an’i Jehovah izy. Kanefa, na dia i Solomona aza dia nania ka nivavaka tamin’andriamani-diso. Rehefa maty izy, dia nizara roa ny fanjakana, ka ireo mpanjaka ratsy fanahy nisesisesy tao amin’ireo fanjakana nifandrafin’ny Isiraely sy ny Joda dia nanao zavatra nitera-doza, ka nitondra fahoriana ho an’ny vahoaka, araka ny nolazain’i Samoela mialoha indrindra. (1 Sam. 8:10-18). Tamin’ireo mpanjaka 14 nanapaka teo amin’ny Joda sy ny Isiraely taorian’ny nahafatesan’i Solomona ka voalaza ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka Voalohany, dia roa monja no nahavita nanao izay tsara teo imason’i Jehovah. Moa àry ve itỳ firaketana an-tsoratra itỳ “ara-tsindrimandry sady mahasoa”? Izany dia izany tokoa, araka ny ho hitantsika avy amin’ireo fananarana sy faminaniana ary tandindona ao aminy, ary koa avy amin’ny fifandraisany amin’ilay loha hevitra manjaka ao amin’ny “Soratra rehetra”, dia ny an’ilay Fanjakana.

2. Ahoana no nahatongavan’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa ho horonam-boky roa, ary tamin’ny fomba ahoana no nanambàrana ireo fanazavana nilaina ho amin’izy ireo?

2 Ny bokin’ny Mpanjaka tany am-boalohany dia horonam-boky, na boky, iray ihany ary nantsoina hoe Mela·khimʹ (Mpanjaka) tamin’ny teny hebreo. Ireo nandika ny Septante dia niantso azy hoe Ba·si·leiʹon, “Fanjakana”, ary izy ireo no voalohany nizara azy ho horonam-boky roa mba hanamora ny fandraisana azy. Tatỳ aoriana dia nantsoina hoe Mpanjaka Fahatelo sy Fahefatra izy ireo, dia anarana mbola hita ao amin’ireo Baiboly katolika hatramin’izao andro izao. Kanefa, mazàna dia fantatra amin’ny hoe Mpanjaka Voalohany sy Faharoa izy ireo izao. Tsy mitovy amin’ny Samoela Voalohany sy Faharoa izy ireo fa manonona ireo firaketana an-tsoratra teo aloha izay loharanon’ireo fanazavana nilain’ilay mpanambatra azy ireo. Ilay mpanambatra ireo fanazavana nilaina, ao anatin’ireo boky roa, dia manisy firesahana in-15 momba “ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda”, in-18 momba ny “bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Isiraely” ary koa momba ny “bokin’ny tantaran’i Solomona”. (1 Mpanj. 15:7; 14:19; 11:41). Na dia efa very tanteraka aza ireo firaketana an-tsoratra fahizay hafa ireo, dia mbola mitoetra ireo fanazavana natambatra ara-tsindrimandry — ny fitantarana mahasoa ao amin’ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa.

3. a) Iza no tsy isalasalana fa nanoratra ireo bokin’ny Mpanjaka, ary nahoana ianao no mamaly toy izany? b) Oviana no vita ny fanoratana azy, ary fe-potoana toy inona no voafaokan’ny Mpanjaka Voalohany?

3 Iza no nanoratra ireo bokin’ny Mpanjaka? Ny fanantitranteran’izy ireo momba ny asan’ireo mpaminany, indrindra fa ny an’i Elia sy i Elisa, dia manondro fa mpaminanin’i Jehovah ilay izy. Ny fitoviana eo amin’ny teny ampiasaina sy ny fandaharana azy ireo ary ny fomba fanoratra dia toa manondro fa ny mpanoratra ny bokin’i Jeremia ihany ilay izy. Teny sy fitenenana hebreo maro no tsy hita afa-tsy ao amin’ny Mpanjaka sy ny Jeremia, ka tsy hita ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Kanefa, raha i Jeremia no nanoratra ireo bokin’ny Mpanjaka, nahoana izy no tsy voatonona ao? Tsy nilaina izany, satria ny asa nataony dia efa voafaoka ao amin’ilay boky mitondra ny anarany. Ambonin’izany, ny Mpanjaka dia nosoratana mba hanandratana an’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana Aminy, fa tsy hoe mba hampitomboana ny lazan’i Jeremia akory. Raha ny tena izy, ny Mpanjaka sy ny Jeremia dia mifameno amin’ny ankamaroan’ny fotoana, ka mameno ny tsy voalazan’ny iray ilay iray hafa. Fanampin’izany, dia misy fitantarana mitovy ao amin’izy ireo, toy ny 2 Mpanjaka 24:18–25:30 sy ny Jeremia 39:1-10; 40:7–41:10; 52:1-34, ohatra. Ny lovantsofina jiosy dia manamarina fa i Jeremia no nanoratra ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa. Tsy misy isalasalana fa nanomboka nanambatra ireo fanazavana nilainy ho an’ireo boky roa tany Jerosalema izy, ary toa vita tany Egypta tany amin’ny 580 al.f.i. tany ho any ilay boky faharoa, satria manisy firesahana momba ireo fisehoan-javatra tamin’io taona io izy ao amin’ny fifaranan’ny firaketana an-tsoratra nataony. (2 Mpanj. 25:27). Ny Mpanjaka Voalohany dia mandray ny tantaran’ny Isiraely manomboka eo amin’ny faran’ny Samoela Faharoa ary manohy azy hatramin’ny 911 al.f.i., fony maty i Josafata. — 1 Mpanj. 22:51.

4. Ahoana no anamarinan’ny tantara tsy ara-pivavahana sy ny arkeolojia ny Mpanjaka Voalohany?

4 Ny Mpanjaka Voalohany dia maka ny toerany ara-dalàna ho anisan’ny kanônan’ny Soratra Masina, satria eken’ny fahefana rehetra. Ambonin’izany, ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Mpanjaka Voalohany dia hamarinin’ireo tantara tsy ara-pivavahan’i Egypta sy i Asyria. Ny arkeolojia koa dia manohana ny maro amin’ireo fanambarana ao amin’ilay boky. Ohatra, ao amin’ny 1 Mpanjaka 7:45, 46, isika dia mamaky fa “teo amin’ny tany amoron’i Jordana (...) teo anelanelan’i Sokota sy Zaretana” no nanaovan’i Hirama an’idina an’ireo fanaka varahina ho an’ny tempolin’i Solomona. Ireo arkeology nihady ny tany teo amin’ny toerana nisy an’i Sokota fahizay dia namongatra porofo fa nisy fandrendrehana natao teo. a Fanampin’izany, dia misy sary mivohitra iray eo amin’ny rindrin’ny tempoly iray any Karnak (Thèbes fahizay) mirehareha ny amin’ny nanafihan’i Sheshonk (Sisaka) mpanjaka egyptiana ny Joda, zavatra izay asiana firesahana ao amin’ny 1 Mpanjaka 14:25, 26. b

5. Teny fanamarinana ara-tsindrimandry inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ny Mpanjaka Voalohany?

5 Ny fakan-teny ataon’ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly hafa sy ny fahatanterahan’ny faminaniana dia manohana ny maha-azo itokiana ny Mpanjaka Voalohany. I Jesosy dia niresaka momba ireo fisehoan-javatra nahakasika an’i Elia sy ilay mpitondratena tany Zarefata ho toy ny zava-nisy ara-tantara. (Lioka 4:24-26). Rehefa niresaka momba an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesosy dia nilaza hoe: “Izy no ilay Elia izay ho avy.” (Matio 11:13, 14). Teo i Jesosy dia nanisy firesahana momba ilay faminanian’i Malakia izay niresaka koa momba ny andro iray tatỳ aoriana, nanao hoe: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”. (Mal. 4:5). Nanome fanamarinana fanampiny ny amin’ny maha-kanônika ny Mpanjaka Voalohany i Jesosy, rehefa nanisy firesahana ny amin’izay voasoratra ao amin’io boky io momba an’i Solomona ary koa momba ilay mpanjakavavy avy tany atsimo. — Matio 6:29; 12:42; ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 10:1-9.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MPANJAKA VOALOHANY

6. Tao anatin’ny toe-javatra inona avy no niakaran’i Solomona teo amin’ny seza fiandrianana, ary ahoana no nahatonga azy hiorina mafy tao amin’ilay fanjakana?

6 Tonga mpanjaka i Solomona (1:1–2:46). Ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Mpanjaka Voalohany dia manomboka amin’ny fahantomoran’ny fahafatesan’i Davida teo am-pifaranan’ny fotoana nanjakany naharitra 40 taona. I Adonia zanany, nahazo ny fanampian’i Joaba komandin’ny miaramila sy i Abiatara mpisorona, dia nioko mba haka ny toeran’ny mpanjaka. Nampahafantatra izany an’i Davida i Natana mpaminany ary nampahatsiahy azy tamin’ny fomba tsy nivantana fa efa nanendry an’i Solomona ho mpanjaka aorian’ny hahafatesany, izy. Noho izany, dia nasain’i Davida nanosotra an’i Solomona ho mpanjaka i Zadoka mpisorona, dia tamin’ny fotoana nankalazan’ireo mpioko an’i Adonia ho mpandimby azy mihitsy. Nanome toromarika an’i Solomona mba hahery sy hiseho ho lehilahy ary handeha amin’ny lalan’i Jehovah Andriamaniny i Davida, ary taorian’izay dia maty izy ary nalevina tao “an-Tanànan’i Davida”. (2:10). Tatỳ aoriana i Solomona dia nandroaka an’i Abiatara ary nampihatra ny fanamelohana ho faty tamin’i Adonia sy i Joaba, mpanao korontana. Tatỳ aoriana, dia nampiharana ny fanamelohana ho faty i Simey rehefa tsy naneho fanajana ny fandaharana feno famindram-po natao mba hitsimbinana ny ainy. Mafy orina teo an-tanan’i Solomona izao ny fanjakana.

7. Vavak’i Solomona hoe ahoana no novalian’i Jehovah, ary inona no vokany teo amin’ny Isiraely?

7 Ny fanapahana feno fahendren’i Solomona (3:1–5:14). Namatotra fifandraisana ara-panambadiana (NW ) tamin’i Egypta i Solomona tamin’ny fampakarana ny zanakavavin’i Farao ho vadiny. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hanana fo mankato (NW ) hoentiny hitsara ny vahoakan’i Jehovah amim-pahaiza-manavaka. Noho izy tsy nangataka fiainana lava na harena, dia nampanantena ny hanome azy fo hendry sy mahay manavaka ary koa harena sy voninahitra, i Jehovah. Tany am-piandohan’ny fotoana nanjakany, i Solomona dia nampiseho ny fahendreny rehefa nisy vehivavy roa niseho teo anatrehany ka samy nihambo ho renin’ny zaza iray. Nanome baiko ireo lehilahy teo aminy (NW ) i Solomona mba ‘hanasasaka ilay zaza velona’ ka hanome ny antsasany avy ho an’ny tsirairay. (3:25). Tamin’izay ilay tena reniny dia nitalaho mba hihazonana ilay zaza ho velona, tamin’ny filazana fa tokony hahazo azy ilay vehivavy iray. Fantatr’i Solomona tamin’izay ilay reniny ara-dalàna, izay nahazo ilay zaza. Noho ny fahendren’i Solomona nomen’Andriamanitra azy, dia nambinina ny Isiraely rehetra ka sambatra sy tsy nanana ahiahy. Olona avy tany amin’ny tany maro no tonga mba hihaino ireo teniny feno fahendrena.

8. a) Inona no nataon’i Solomona mba hanorenana ilay tempoly? Lazalazao ny sasany amin’ireo zavatra nampiavaka azy io. b) Fandaharam-panorenana fanampiny inona no nataony?

8 Ny tempolin’i Solomona (5:15–10:29). Tsaroan’i Solomona ireo teny nataon’i Jehovah tamin’i Davida rainy nanao hoe: “Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ny anarako.” (5:5). Noho izany, dia nanao fanomanana ho amin’izany i Solomona. Nanampy azy i Hirama mpanjakan’i Tyro tamin’ny fandefasana hazo sedera sy hazo kypreso avy tany Libanona sy tamin’ny fanomezana mpiasa kinga. Ireo, niaraka tamin’ireo mpiasan’i Solomona noterena hiasa (NW ), dia nanomboka nanao ny tranon’i Jehovah tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona, tamin’ny taona faha-480 taorian’ny nandaozan’ny Isiraelita an’i Egypta. (6:1). Tsy nisy tantanana, na fandraka na vy fiasana nampiasaina teo amin’ny toeram-panorenana, satria ny vato rehetra dia nomanina sy voavoatra tany amin’ny fihadiam-bato talohan’ny nitondrana azy rehetra mba hakambana teo amin’ny toerana nanaovana ny tempoly. Ny atin’ilay tempoly manontolo, izay nopetahana hazo sedera ny rindrina ary hazo kypreso ny gorodona aloha, dia nopetahana takela-bolamena tsara tarehy rehefa avy eo. Nisy kerobima roa natao tamin’ny hazo oliva tao, ka samy folo hakiho (4,5 m.) avy ny haavony ary folo hakiho avy hatreo amin’ny tendron’ny elany iray ka hatramin’ny tendron’ny elany iray. Nisy kerobima hafa, ary koa hazo rofia sy voninkazo mivelatra, natao sary sokitra (NW ) teo amin’ireo rindrin’ilay tempoly. Tamin’ny farany, taorian’ny asa naharitra fito taona mahery, dia vita ilay tempoly fatratra aoka izany. Nanohy ny fandaharam-panorenany i Solomona: lapa iray ho an’ny tenany, ny Trano Alan’i Libanona, ny Lavarangana Maro Andry, ny Lavarangana Hitoeran’ny Seza Fiandrianana ary trano iray ho an’ny zanakavavin’i Farao. Nanao andry varahina lehibe roa koa izy ho an’ny lavarangan’ny tranon’i Jehovah sy ny ranomasina voarendrika (NW ) ho an’ny kianja ary ireo fitoeran-tavin-drano varahina, ary koa ireo tavin-drano varahina sy fanaka volamena. c

9. Fampiharihariana an’i Jehovah inona sy vavak’i Solomona hoe ahoana no nanamarika ny fitondrana ny fiaran’ny fanekena?

9 Izao dia tonga ny fotoana hampakaran’ireo mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Jehovah sy hametrahany azy tao anatin’ny efitrano anatiny, dia ny Fitoerana Masina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima. Rehefa nivoaka ireo mpisorona, “ny voninahitr’i Jehovah [dia] nameno ny tranon’i Jehovah”, hany ka tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana intsony ireo mpisorona. (8:11). Nitso-drano ny kongregasionan’ny Isiraely (NW ) i Solomona, ary nisaotra sy nidera an’i Jehovah. Nandohalika izy sady namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra, ary nanaiky tamim-bavaka fa ny lanitry ny lanitra aza tsy omby an’i Jehovah, koa mainka fa io trano naoriny teto an-tany io. Nivavaka izy mba hihainoan’i Jehovah ireo rehetra natahotra Azy rehefa nivavaka nanatrika io trano io izy ireo, eny, na dia ny vahiny avy tany amin’ny tany lavitra aza, “mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Isiraely olonao ihany”. — 8:43.

10. Tamin’ny alalan’ny fampanantenana inona sy fampitandremana ara-paminaniana inona no namalian’i Jehovah ny vavak’i Solomona?

10 Nandritra ilay sakafo fanasana naharitra 14 andro nanaraka izay, dia nanatitra omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 i Solomona. Nilaza tamin’i Solomona i Jehovah fa efa reny ny vavaka nataony ary koa fa efa nanamasina ilay tempoly Izy tamin’ny fampitoerana “ny anarany tao hatrany amin’ny fotoana tsy voafetra”. Izao, raha nandeha tamim-pahitsiana teo anatrehan’i Jehovah i Solomona, dia haharitra ny seza fiandrianan’ny fanjakany. Kanefa, raha nandao ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah i Solomona sy ny zanany nandimby azy, ka nanompo andriamani-kafa, amin’izay, hoy i Jehovah, dia “hofongorako tsy ho amin’ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ny firenena rehetra; ary [dia hanjary antontan-javatra rava sisa itỳ trano itỳ, NW ].” — 9:3, NW, 7, 8.

11. Nanjary nanao ahoana ny habetsahan’ny harenan’i Solomona sy ny fahendreny?

11 Nila 20 taona i Solomona mba hamitana ireo trano roa, dia ny tranon’i Jehovah sy ny lapan’ny mpanjaka. Izao izy dia nanomboka nanorina tanàna maro nanerana ny faritra nanapahany, ary koa sambo nampiasaina hanaovana varotra tamin’ireo tany lavitra. Ren’ny mpanjakavavin’i Sheba araka izany ny amin’ny fahendrena lehibe nomen’i Jehovah an’i Solomona, ka tonga izy mba hitsapa azy tamin’ny alalan’ny fanontaniana nahasanganehana. Rehefa avy nahare azy sy nahita ny fanambinana sy ny fahasambaran’ny vahoakany izy, dia nihiaka hoe: “Na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory”. (10:7). Rehefa nanohy naneho fitiavana tamin’ny Isiraely i Jehovah, dia nanjary “nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany” i Solomona. — 10:23.

12. a) Inona no tsy nahombiazan’i Solomona tamin’ny fomba feno, ary voan’ny fikomiana inona no nanomboka nipoitra? b) Naminany momba ny inona i Ahia?

12 Ny tsy fahatokian’i Solomona sy ny fahafatesany (11:1-43). Nanohitra ny didin’i Jehovah i Solomona ka naka vady maro avy tamin’ny firenena hafa — vady 700 sy vady tsindrano 300. (Deot. 17:17). Voatarika hanompo andriamani-kafa ny fony. Nilaza taminy i Jehovah fa hendahana aminy ny fanjakana, tsy amin’ny androny anefa, fa amin’ny andron’ny zanany. Na dia izany aza, ny tapany iray tamin’ilay fanjakana, foko iray ho fanampin’ny an’i Joda, dia hotapahin’ireo zanak’i Solomona. Nanomboka nanangana fahavalo hanohitra an’i Solomona avy teo amin’ireo firenena teo akaiky Andriamanitra, ary i Jeroboama, avy tamin’ny fokon’i Efraima koa, dia nitsangana hanohitra ny mpanjaka. Nilaza tamin’i Jeroboama i Ahia mpaminany fa ho tonga mpanjaka teo amin’ny foko folon’ny Isiraely izy, ary dia nandositra tany Egypta hamonjy ny ainy i Jeroboama. Maty i Solomona rehefa avy nanjaka 40 taona, ary i Rehoboama zanany no tonga mpanjaka tamin’ny taona 997 al.f.i.

13. Ahoana no nitrangan’ny fizarana teo amin’ilay fanjakana rehefa nanomboka ny fotoana nanjakany i Rehoboama, ary ahoana no nanandraman’i Jeroboama hanamafy ny toerany tamin’ny naha-mpanjaka azy?

13 Nizara roa ilay fanjakana (12:1–14:20). Niverina avy tany Egypta i Jeroboama ary niakatra niaraka tamin’ny vahoaka mba hangataka an’i Rehoboama mba hanamaivana ireo enta-mavesatra rehetra napetrak’i Solomona teo amin’izy ireo. Nihaino ireo lehilahy tanora i Rehoboama, fa tsy ny torohevitra feno fahendren’ireo loholona teo amin’ny Isiraely kosa, ka nampitombo ny fahoriana. Nitsangana mba hikomy ny Isiraely ka nanao an’i Jeroboama ho mpanjaka teo amin’ireo foko folo tany avaratra. I Rehoboama, izay tsy nanana afa-tsy ny Joda sy ny Benjamina sisa, dia nanangona tafika iray mba hiady tamin’ireo mpikomy, kanefa, araka ny didin’i Jehovah, dia niverina izy. Nanorina an’i Sekema ho renivohiny i Jeroboama, kanefa mbola nahatsiaro ho feno ahiahy. Natahotra izy sao hiverina tany Jerosalema mba hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah tany ny vahoaka ka ho tonga teo ambany fanapahan’i Rehoboama indray. Mba hisorohana izany, dia nanorina ombilahy kely volamena roa izy, ny iray tany Dana ary ilay iray hafa tany Betela, ary mba hitarihana ilay fanompoam-pivavahana, dia nifidy mpisorona izy, tsy avy tamin’ny fokon’i Levy, fa avy tamin’ny vahoaka tamin’ny ankapobeny. d

14. Fampitandremana ara-paminaniana inona no nampahafantarina ny ankohonan’i Jeroboama, ary fahavoazana inona avy no nanomboka?

14 Raha mbola nanao fanatitra teo amin’ilay alitara tany Betela i Jeroboama, dia naniraka mpaminany iray i Jehovah mba hampitandrina azy fa hanangana mpanjaka iray avy tamin’ny firazanan’i Davida, nantsoina hoe Josia, Izy, ka izy io dia hanao asa mahery iray ho fanoherana io alitaran’ny fanompoam-pivavahan-diso io. Ho famantarana ara-paminaniana (NW ), dia nitresaka teo no ho eo ilay alitara. Ilay mpaminany kosa tatỳ aoriana dia novonoin’ny liona iray satria tsy nankato ny toromarik’i Jehovah tsy hihinana na hisotro teo am-panaovana ny asa nanirahana azy. Nanomboka namely ny ankohonan’i Jeroboama izao ny fahavoazana. Maty ny zanany, araka ny didim-pitsaran’i Jehovah, ary i Ahia, mpaminanin’Andriamanitra, dia nanambara mialoha fa hofongorana tanteraka ny ankohonan’i Jeroboama noho ny fahotana lehibe nataony tamin’ny fananganana andriamani-diso teo amin’ny Isiraely. Rehefa avy nanjaka 22 taona i Jeroboama, dia maty ary i Nadaba zanany no tonga mpanjaka nandimby azy.

15. Fisehoan-javatra inona avy no nitranga nandritra ny fotoana nanjakan’ireo mpanjaka telo nanaraka teo amin’ny Joda?

15 Teo amin’ny Joda: Rehoboama sy Abia ary Asa (14:21–15:24). Nandritra izany fotoana izany, teo ambany fanapahan’i Rehoboama, dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah koa ny Joda, tamin’ny fivavahana tamin’ny sampy. Nanafika ny mpanjakan’i Egypta, ka naka maro tamin’ireo rakitry ny tempoly. Rehefa avy nanjaka 17 taona i Rehoboama dia maty, ary i Abia zanany no tonga mpanjaka. Tsy nitsahatra nanota tamin’i Jehovah koa izy, ary maty rehefa avy nanjaka telo taona. Nanapaka izao i Asa zanany, ary, nifanohitra taminy kosa, dia nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo ka nanary ireo sampy avy teo amin’ilay tany. Nisy ady tsy an-kijanona teo amin’ny Isiraely sy ny Joda. Nahazo fanampiana avy tamin’i Syria i Asa ary dia voatery niala ny Isiraely. Nanapaka nandritra ny 41 taona i Asa ary nodimbasan’i Josafata zanany.

16. Fisehoan-javatra nisamboaravoara inona avy izao no nitranga teo amin’ny Isiraely, ary nahoana?

16 Teo amin’ny Isiraely: Nadaba, Basa, Elaha, Zimry, Tibny, Omry ary Ahaba (15:25–16:34). Olon-dratsy re izany! Namono nahafaty an’i Nadaba, izay nanjaka roa taona monja, i Basa, ary nanohy izany ihany tamin’ny fanafoanana ny mpianakavin’i Jeroboama rehetra. Nanohy ny fanompoam-pivavahan-diso sy ny ady tamin’ny Joda izy. Nanambara mialoha i Jehovah fa hamongotra ny taranak’i Basa, toy ny nataony tamin’ny an’i Jeroboama. Rehefa avy nanjaka 24 taona i Basa, dia nodimbasan’i Elaha zanany, izay novonoin’i Zimry mpanompony, roa taona tatỳ aoriana. Raha vantany vao nahazo ny seza fiandrianana i Zimry, dia namely ho faty ny mpianakavin’i Basa rehetra. Rehefa nahare izany ny vahoaka, dia nampanjaka an’i Omry, komandin’ny miaramila, ary nanafika an’i Tirza, renivohitr’i Zimry. Rehefa hitan’io fa tsy nisy fanantenana intsony, dia nodorany ny lapan’ny mpanjaka, hany ka may tao izy, dia maty. Izao i Tibny dia nitady ny hanjaka ho toy ny rafin’ny mpanjaka, kanefa rehefa afaka kelikely dia naharesy azy ny mpanara-dia an’i Omry ary namono azy.

17. a) Inona no nanamarika ny fotoana nanjakan’i Omry? b) Nahoana ny fanompoam-pivavahana marina no latsaka tany amin’ny farany ambany nandritra ny fotoana nanjakan’i Ahaba?

17 Nividy ny tendrombohitr’i Samaria i Omry ka nanorina ny tanànan’i Samaria teo. Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jeroboama izy, ka nampahatezitra an’i Jehovah tamin’ny fivavahana tamin’ny sampy. Raha ny tena izy, dia ratsy noho izay rehetra teo alohany izy. Rehefa avy nanjaka 12 taona izy, dia maty ary i Ahaba zanany no tonga mpanjaka. Nanambady an’i Jezebela, zanakavavin’ny mpanjakan’i Sidona i Ahaba, ary avy eo dia nanorina alitara iray ho an’i Bala tao Samaria. Nihoatra lavitra izay rehetra nialoha azy izy raha ny amin’ny faharatsiana. Tamin’io fotoana io no nanorenan’i Hiela Betelita indray ny tanànan’i Jeriko, ka ny ain’ny lahimatoany sy ny an’ny faralahiny no nafoiny tamin’izany. Latsaka tany amin’ny farany ambany ny fanompoam-pivavahana marina.

18. Fanambarana inona no nanombohan’i Elia ny asan’ny mpaminany nataony teo amin’ny Isiraely, ary ahoana no nanondroany marina ny tena antony nahatonga ireo zava-manahirana teo amin’ny Isiraely?

18 Ny asan’ny mpaminany nataon’i Elia teo amin’ny Isiraely (17:1–22:40). Niseho sehatra tampoka ny mpitondra hafatra iray avy tamin’i Jehovah. Izany dia i Elia Tisbita. e Tena nanaitra aoka izany ny fanambarana voalohany nataony tamin’i Ahaba Mpanjaka nanao hoe: “Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.” (17:1). Tampoka tsy nisy hafa tamin’izany koa ny nisintonan’i Elia nankany amin’ny lohasaha iray (NW ) tany atsinanan’i Jordana, araka ny torohevitr’i Jehovah. Nisy hain-tany teo amin’ny Isiraely, kanefa goaika no nitondra hanina ho an’i Elia. Rehefa ritra ny renirano tamin’ilay lohasaha, dia naniraka ny mpaminaniny tany Zarefata tany Sidona i Jehovah. Noho ny hatsaram-panahy nasehon’ny mpitondratena iray tamin’i Elia, dia nohazonin’i Jehovah tsy ho lany ny tahiry kelina koba sy diloilo tao aminy, hany ka tsy matin’ny hanoanana izy sy ny zanany lahy. Tatỳ aoriana dia narary ilay zanany ka maty, kanefa rehefa nitalaho i Elia, dia namerina indray ny ain’ilay zaza i Jehovah. Avy eo, tamin’ny taona fahatelo nisian’ny hain-tany, dia naniraka an’i Elia tany amin’i Ahaba indray i Jehovah. Niampanga an’i Elia ho nampidi-doza tamin’ny Isiraely i Ahaba, kanefa nilaza tamim-pahasahiana tamin’i Ahaba i Elia “fa hianao sy ny mpianakavin’ny rainao ihany” no nanao izany tamin’ny fanarahana ireo Bala. — 18:18.

19. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoana mazava tsara ilay raharaha ny amin’izay andriamanitra marina, ary ahoana no nanaporofoana ny maha-fara tampony an’i Jehovah?

19 Nangataka an’i Ahaba mba hanangona ireo mpaminanin’i Bala rehetra teo amin’ny Tendrombohitra Karmela i Elia. Tsy ho azo atao intsony ny hiroa saina. Naseho mazava tsara ilay raharaha tafiditra: i Jehovah sa i Bala! Teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, ireo mpisoron’i Bala 450 dia nanomana ombilahy iray, nametraka azy teo ambonin’ny kitay hazo teo amin’ny alitara, ary nivavaka mba hilatsahan’ny afo handevona ilay fanatitra. Hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, izy ireo dia niantso an’i Bala, kanefa tsy nisy vokany, sady nanebaka ihany i Elia. Niantso mafy sady nitetika ny tenany izy ireo, kanefa tsy nisy namaly! Nanaraka izany, ilay mpaminany irery, i Elia, dia nanorina alitara iray tamin’ny anaran’i Jehovah ary nanomana ny kitay hazo sy ny ombilahy hatao fanatitra. Nasainy noleman’ny vahoaka tamin’ny rano intelo ilay fanatitra sy ilay kitay hazo, ary dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: “Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra”. Tamin’izay, dia nisy afo nitselatra avy tany an-danitra ka nandevona ilay fanatitra, ilay kitay afo, ny vato teo amin’ny alitara, ny vovoka ary ny rano. Rehefa nahita izany ny vahoaka rehetra, avy hatrany (NW ) dia niankohoka ka nanao hoe: “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.” (18:37, 39). Vonoy ho faty ireo mpaminanin’i Bala! I Elia mihitsy no nikarakara ny famonoana azy ireo ho faty, hany ka tsy nisy afa-nandositra na dia iray akory aza. Avy eo i Jehovah dia nanome orana, ka namarana ilay hain-tany teo amin’ny Isiraely.

20. a) Ahoana no nisehoan’i Jehovah tamin’i Elia tany Horeba, ary toromarika sy fampiononana inona no nomeny azy? b) Fahotana sy heloka inona no nataon’i Ahaba?

20 Rehefa tonga tany amin’i Jezebela ny vaovao ny amin’ny fietren’i Bala, dia nitady ny hampamono an’i Elia izy. Natahotra i Elia ka nandositra tany an’efitra niaraka tamin’ny mpanampy azy, ary dia nitarika azy tany Horeba i Jehovah. Niseho taminy teo i Jehovah — tsia, tsy tamin’ny fisehosehoana be tao anaty rivotra na ny horohoron-tany na ny afo akory, fa tamin’ny “feo nitsoka malemy” kosa. (19:11, 12). Nilaza taminy mba hanosotra an’i Hazaela ho mpanjakan’i Syria, an’i Jeho ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely ary an’i Elisa ho mpaminany handimby azy, i Jehovah. Nampionona an’i Elia izy tamin’ny alalan’ilay vaovao fa nisy 7 000 teo amin’ny Isiraely tsy niankohoka tamin’i Bala. Nandeha nanosotra an’i Elisa teo no ho eo i Elia tamin’ny fanipazana ny kapotiny hanarona azy. Nahazo fandresena roa tamin’ireo Syriana izao i Ahaba, kanefa notenenin’i Jehovah mafy noho izy nanao fanekena tamin’ny mpanjakan’izy ireo fa tsy namono azy kosa. Avy eo dia teo ny raharaha ny amin’i Nabota, izay notsiriritin’i Ahaba ny tanimboalobony. Nataon’i Jezebela izay hiampangan’ny vavolombelona nandainga an’i Nabota sy hamonoana azy mba hahafahan’i Ahaba haka ny tanimboalobony. Heloka tsy hahazoana famelana re izany!

21. a) Fiafarana inona no nambaran’i Elia momba an’i Ahaba sy ny taranany, sy momba an’i Jezebela? b) Faminaniana inona no tanteraka tamin’ny nahafatesan’i Ahaba?

21 Niseho indray i Elia. Nilaza tamin’i Ahaba izy fa teo amin’ny nahafatesan’i Nabota no hilelafan’ny alika ny rany koa, ary koa fa ho ripaka tanteraka toy ny an’i Jeroboama sy i Basa ny taranany. Hihinana an’i Jezebela eny amin’ny mandan’i Jezirela ny alika. “Fa tsy nisy tahaka an’i Ahaba, izay nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.” (21:25). Kanefa, satria nanetry tena i Ahaba rehefa nahare ny tenin’i Elia, dia nilaza i Jehovah fa tsy ho tonga amin’ny androny ny loza fa amin’ny andron’ny zanany. Niray tetika tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, izao i Ahaba tamin’ny fiadiana tamin’i Syria, ary nifanohitra tamin’ny torohevitr’i Mikaia, mpaminanin’i Jehovah, dia nandeha niady izy ireo. Maty noho ny ratra (NW ) azony tany an’ady i Ahaba. Rehefa nosasana teo amin’ny farihin’i Samaria ny kalesiny, dia nilelaka ny rany ny alika, araka ny faminanian’i Elia indrindra. I Ahazia zanany no tonga mpanjakan’ny Isiraely nandimby azy.

22. Inona no nampiavaka ny fotoana nanjakan’i Josafata teo amin’ny Joda, sy ny an’i Ahazia teo amin’ny Isiraely?

22 Nanjaka teo amin’ny Joda i Josafata (22:41-53). I Josafata, izay niaraka tamin’i Ahaba teo amin’ny ady natao tamin’i Syria, dia nahatoky teo anatrehan’i Jehovah, toa an’i Asa rainy, kanefa tsy nanadio tanteraka ireo fitoerana masin’ny fanompoam-pivavahan-diso izy. Rehefa avy nanapaka 25 taona izy, dia maty ary i Jehorama zanany no tonga mpanjaka. Tany avaratra, teo amin’ny Isiraely, kosa, i Ahazia dia nanaraka ny dian’ny rainy, ka nampahatezitra an’i Jehovah tamin’ny fanolorany fanompoam-pivavahana ho an’i Bala.

MAHASOA — NAHOANA?

23. Toky sy fampaherezana inona no omen’ny Mpanjaka Voalohany raha ny amin’ny vavaka?

23 Misy soa lehibe azo raisina avy amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ao amin’ny Mpanjaka Voalohany. Diniho aloha ny amin’ny vavaka, izay asongadina matetika aoka izany ato amin’itỳ boky itỳ. Rehefa niatrika ny andraikitra goavana tamin’ny naha-mpanjaka teo amin’ny Isiraely i Solomona, dia nivavaka tamin’i Jehovah tamim-panetren-tena toy ny ankizy iray. Tsy nangataka afa-tsy fahaiza-manavaka sy fo mankato izy, kanefa ho fanampin’ny fahendrena nitafotafo, dia nomen’i Jehovah harena sy voninahitra koa izy. (3:7-9, NW, 12-14). Enga anie isika hanana toky amin’izao andro izao fa ireo vavaka ataontsika amim-panetren-tena mba hahazoana fahendrena sy fitarihana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia tsy maintsy ho voavaly! (Jak. 1:5). Enga anie isika hanao vavaka mafana avy amin’ny fo, noho ny fankasitrahana lalina ny hatsaram-pon’i Jehovah rehetra, toy ny nataon’i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly! (1 Mpanj. 8:22-53). Enga anie ny vavaka ataontsika hitondra ny mariky ny fitokiana sy ny fatokiana an’i Jehovah tsy misy fihambahambana mandrakariva, toy ny vavaka nataon’i Elia tamin’ny fotoam-pisedrana na rehefa niatrika firenena iray nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny demonia izy! Mamaly amin’ny fomba mahatalanjona ireo izay mitady azy amim-bavaka i Jehovah. — 1 Mpanj. 17:20-22; 18:36-40; 1 Jaona 5:14.

24. Ohatra fampitandremana inona avy no aroso ao amin’ny Mpanjaka Voalohany, ary nahoana, indrindra indrindra, ireo mpiandraikitra no tokony hanamarika azy ireo?

24 Ankoatra izany, dia tokony hahazo fampitandremana avy amin’ny ohatr’ireo izay tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah isika. Tena “manohitra ny miavonavona” toy izany tokoa i Jehovah! (1 Pet. 5:5). Teo i Adonia, izay nihevitra fa afaka nanao tsirambina ny fanendrena teokratika nataon’i Jehovah, (1 Mpanj. 1:5; 2:24, 25); i Simey, izay nihevitra fa afaka nihoatra ny fefy sy hiverina indray, (2:37, 41-46); i Solomona tamin’ireo taona farany niainany, izay tsy nankato ka nahatonga an’i Jehovah hampipoitra fahavalo hanohitra azy, (11:9-14, 23-26); ary ireo mpanjakan’ny Isiraely, izay nanaraka fivavahan-diso ka nitondra loza. (13:33-34; 14:7-11; 16:1-4). Ambonin’izany, dia teo i Jezebela feno fitsiriritana tamin-karatsiana. Izy no ilay fahefana tao ambadiky ny seza fiandrianan’i Ahaba, ary ny ohatra malaza ratsy nomeny no nampiasaina ho fampitandremana ny kongregasiona tany Tyatira toy izao, arivo taona tatỳ aoriana: “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy.” (Apok. 2:20). Tsy maintsy mihazona ny kongregasiona ho madio sy afaka amin’ny hery mitaona rehetra toa an’i Jezebela, ireo mpiandraikitra! — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:28-30.

25. Faminaniana inona avy, ao amin’ny Mpanjaka Voalohany, no nahita fahatanterahana niavaka, ary ahoana no ahafahan’ny fitadidiantsika azy ireo manampy antsika amin’izao andro izao?

25 Ny herin’i Jehovah haminany dia naseho mazava tamin’ny fahatanterahan’ny faminaniana maro nomena ao amin’ny Mpanjaka Voalohany. Ohatra, teo ilay filazana mialoha niavaka, izay natao 300 taona mahery talohan’ny fotoana, fa i Josia no ho ilay hanatresaka ny alitaran’i Jeroboama tao Betela. Nanao izany tokoa i Josia! (1 Mpanj. 13:1-3; 2 Mpanj. 23:15). Kanefa, ny niavaka indrindra dia ireo faminaniana mifandray amin’ny tranon’i Jehovah, naorin’i Solomona. Nilaza tamin’i Solomona i Jehovah fa ny faniasiavana mba hanompoana andriamani-diso dia hitarika ho amin’ny famongoran’i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo amin’ny tany sy ho amin’ny famongorany tsy ho eo imasony ilay trano izay nohamasininy ho an’ny anarany. (1 Mpanj. 9:7, 8). Ao amin’ny 2 Tantara 36:17-21 isika dia mamaky fa hita ho marina tanteraka io faminaniana io. Ambonin’izany, i Jesosy dia nampiseho fa ilay tempoly tatỳ aoriana, izay naorin’i Heroda Lehibe teo amin’io toerana io ihany, dia hiharan’izany fiafarana izany ihany koa ary noho izany antony izany ihany koa. (Lioka 21:6). Tena hita ho marina tokoa izany! Tokony hahatadidy ireny loza ireny sy ny antony nitrangany isika, ary tokony hampahatsiahy antsika mandrakariva ny tokony handehanana amin’ireo lalan’ilay Andriamanitra marina izy ireny.

26. Fahitana mialoha mandrisika inona ny amin’ny tempolin’i Jehovah sy ny Fanjakany no omena ao amin’ny Mpanjaka Voalohany?

26 Tonga avy tany amin’ny taniny lavitra be ny mpanjakavavin’i Sheba mba hitolagaga noho ny fahendren’i Solomona sy ny fanambinana teo amin’ny vahoakany ary ny voninahitry ny fanjakany, anisan’izany ilay tranon’i Jehovah fatratra aoka izany. Kanefa, na dia i Solomona aza dia niaiky tamin’i Jehovah hoe: “Ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!” (1 Mpanj. 8:27; 10:4-9). Taonjato maro tatỳ aoriana anefa i Kristy Jesosy dia tonga mba hanao asa fanorenana ara-panahy, izay nifandray indrindra tamin’ny famerenana ho amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tao amin’ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. (Heb. 8:1-5; 9:2-10, 23). Taminy, izay lehibe noho i Solomona, dia hita fa marina ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Hampitoeriko mandrakizay amin’ny Isiraely ny seza fiandrianan’ny fanjakanao”. (1 Mpanj. 9:5; Matio 1:1, 6, 7, 16; 12:42; Lioka 1:32). Ny Mpanjaka Voalohany dia manome fahitana mandrisika ny amin’ny voninahitry ny tempoly ara-panahin’i Jehovah sy ny amin’ny fanambinana, ny fifaliana ary ny fahasambarana maharavoravon’ireo rehetra hiaina eo ambany fanapahana feno fahendren’ny Fanjakan’i Jehovah hotarihin’i Kristy Jesosy. Mitombo mandrakariva ny fankasitrahantsika ny maha-zava-dehibe ny fanompoam-pivavahana marina sy ny fandaharana mahatalanjon’i Jehovah ny amin’ny Fanjakany tarihin’ilay Taranaka!

[Fanamarihana ambany pejy]

a The International Standard Bible Encyclopedia, Boky 4, 1988, navoakan’i G. W. Bromiley, pejy 648.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 109-110; Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 952.

c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 750-751.

d Insight on the Scriptures, Boky 1, Pejy 947-948.

e Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 949-950.

[Fanontaniana]