Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-12 — 2 Mpanjaka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-12 — 2 Mpanjaka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-12 — 2 Mpanjaka

Mpanoratra: Jeremia

Toerana Nanoratana: Jerosalema sy Egypta

Vita Tamin’ny: 580 al.f.i.

Fotoana Voafaoka: 920 al.f.i. tany ho any – 580 al.f.i.

1. Tantara inona avy no voalaza ao amin’ny Mpanjaka Faharoa, ary ho fanamarinana ny inona?

 NY BOKIN’NY Mpanjaka Faharoa dia manohy mitantara ny lalana misamboaravoara narahin’ireo fanjakan’ny Isiraely sy Joda. Nandray ny kapaotin’i Elia i Elisa ary notahina tamin’ny fanomezana azy anjaran-droa tamin’ny fanahin’i Elia, ka nahatanteraka fahagagana 16, raha 8 ny an’i Elia. Nanohy naminany fiafarana ratsy ho an’ny Isiraely nivadi-pinoana izy, satria tsy nisy afa-tsy i Jeho tao, no naneho zotom-po nihelina tampoka ho an’i Jehovah. Hatrany hatrany ireo mpanjakan’ny Isiraely dia tafalatsaka tao anatin’ny faharatsiana, mandra-pirodan’ny fanjakana tany avaratra teo anoloan’i Asyria tamin’ny farany tamin’ny 740 al.f.i. Teo amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo kosa, dia nisy mpanjaka niavaka vitsivitsy, ary indrindra fa i Josafata, i Joasy, i Hezekia ary i Josia, izay naharesy tosika ny firongatry ny fivadiham-pinoana nandritra ny fotoana kelikely. Tamin’ny farany anefa i Nebokadnezara dia nampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny ary ny tanin’ny Joda tamin’ny 607 al.f.i. Araka izany, dia tanteraka ireo faminanian’i Jehovah ary voamarina ny teniny!

2. Inona no azo lazaina raha ny amin’izay nanoratra sy ny maha-kanônika ny Mpanjaka Faharoa, ary fe-potoana toy inona no voafaoka ao aminy?

2 Koa satria niara-nahaforona horonam-boky iray tamin’ny Mpanjaka Voalohany ihany ny Mpanjaka Faharoa tany am-boalohany, izay efa nolazaina momba ny naha-mpanoratra azy io an’i Jeremia dia mihatra eto koa. Toy izany koa ireo porofon’ny maha-kanônika sy ny maha-azo itokiana an’ilay boky. Vita tany amin’ny 580 al.f.i. tany ho any izy io, ary mahafaoka ny fe-potoana nanomboka tamin’ny nanjakan’i Ahazia tany Isiraely tamin’ny 920 al.f.i. tany ho any ary nifarana tamin’ny taona faha-37 naha-tany an-tsesitany an’i Joiakina, tamin’ny 580 al.f.i. — 1:1; 25:27.

3. Zavatra hitan’ny arkeolojia inona avy no manohana ny Mpanjaka Faharoa?

3 Ireo zavatra hitan’ny arkeolojia manohana ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Mpanjaka Faharoa dia manome porofo fanampiny ny amin’ny maha-marina azy. Eo, ohatra, ilay Vato Moabita malaza, izay misy soratra manome ny fomba filazan’i Mesa, mpanjaka moabita, ilay ady teo amin’i Moaba sy i Isiraely. (3:4, 5). Eo koa ilay tsangambato vato sokay maintin’i Salmanesera III, mpanjaka asyriana, izay aseho amin’izao fotoana izao any amin’ny British Museum any Londres. Izy io dia manonona an’i Jeho, mpanjakan’ny Isiraely, amin’ny anarany. Eo ireo soratra nataon’i Tiglato-pilesera III (Pola), mpanjaka asyriana, izay manonona mpanjakan’ny Isiraely sy ny Joda maromaro, anisan’izany i Menahema sy i Ahaza ary i Peka. — 15:19, 20; 16:5-8. a

4. Inona no manaporofo fa ny Mpanjaka Faharoa dia tapany tsy azo esorina amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry?

4 Misy porofo mazava ny amin’ny maha-azo itokiana ilay boky hita amin’ny fahatsorana faran’izay lehibe ilazalazany ny fampiharana ireo didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny vahoakany. Rehefa rava sy potika ny fanjakan’ny Isiraely aloha, ary avy eo dia ny fanjakan’ny Joda, dia aseho mazava amintsika ny hery miavaky ny didim-pitsarana ara-paminanian’i Jehovah ao amin’ny Deoteronomia 28:15–29:27. Tamin’ny fandringanana ireo fanjakana ireo, ‘dia nirehitra tamin’izany tany izany ny fahatezeran’i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin’itỳ boky itỳ’. (Deot. 29:26; 2 Mpanj. 17:18; 25:1, 9-11). Ny fisehoan-javatra hafa voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Mpanjaka Faharoa dia hazavaina any amin’ny toerana hafa ao amin’ny Soratra Masina. Ao amin’ny Lioka 4:24-27, rehefa avy nanisy firesahana momba an’i Elia sy ilay mpitondratena tany Zarefata i Jesosy, dia niresaka momba an’i Elisa sy i Namana tamin’ny fampisehoana ny antony tsy nanekena ny tenany ho mpaminany tany amin’ny tany niaviany. Araka izany, ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa dia samy raisina ho tapany tsy azo esorina amin’ireo Soratra Masina.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MPANJAKA FAHAROA

5. Fananarana sy fanamelohana inona no nampitain’i Elia tamin’i Ahazia, ary nahoana?

5 Ahazia, mpanjakan’ny Isiraely (1:1-18). Nianjera tao an-tranony io zanak’i Ahaba io ka narary. Naniraka olona izy mba hanontany an’i Bala-zeboba, ilay andriamanitr’i Ekrona, raha ho sitrana tamin’izany izy. Nisakana ny lalan’ireo iraka i Elia ary naniraka azy ireo hiverina tany amin’ny mpanjaka, mba hananatra azy noho izy tsy nanontany an’ilay Andriamanitra marina, ary koa mba hilaza taminy fa, noho izy tsy nitodika tany amin’ny Andriamanitry ny Isiraely, dia ho faty tokoa izy. Rehefa naniraka mpifehy iray niaraka tamin’ny 50 lahy ny mpanjaka mba haka an’i Elia ka hitondra azy tany amin’ny mpanjaka, dia niantso afo avy tany an-danitra i Elia mba handevona azy ireo. Nitovy tamin’izany ihany no nitranga tamin’ny mpifehy faharoa niaraka tamin’ny 50 fehiny. Nirahina ny mpifehy fahatelo sy ny 50 lahy, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia notsimbinin’i Elia ny ain’ireo, noho ny fitalahoana feno fanajana nataon’ilay mpifehy. Niaraka tamin’izy ireo nankany amin’ny mpanjaka i Elia ary nanambara indray ny fanamelohana ho faty nihatra tamin’i Ahazia. Maty ny mpanjaka, araka ny nolazain’i Elia indrindra. Avy eo dia i Jorama, rahalahin’i Ahazia, no tonga mpanjaka teo amin’ny Isiraely, satria tsy nanan-janakalahy haka ny toerany i Ahazia.

6. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana avy no nisarahan’i Elia tamin’i Elisa, ary ahoana no nampisehoana tsy ela fa nitoetra tamin’i Elisa “ny fanahin’i Elia”?

6 Nandimby an’i Elia i Elisa (2:1-25). Tonga ny fotoana hakana an’i Elia. Nifikitra taminy i Elisa teo amin’ny dia nataony avy teo Gilgala ka hatrany Betela, sy hatrany Jeriko ary farany dia tany ampitan’i Jordana. Nampisaraka ireo ranon’i Jordana i Elia tamin’ny fikapohana azy ireo tamin’ny kapaotiny. Rehefa nahita kalesy afo sy soavaly afo tonga teo anelanelan’ny tenany sy i Elia, i Elisa, ary nahita an’i Elia niakatra tao anaty tafio-drivotra, dia nandray anjaran-droa tamin’ny fanahin’i Elia nampanantenaina azy. Tsy ela izy dia nampiseho fa nipetraka taminy “ny fanahin’i Elia”. (2:15). Noraisiny ilay kapaoty nalatsak’i Elia, ary nampiasainy mba hampisarahana ireo rano indray. Avy eo izy dia nanasitrana (f.a.p.) ilay rano ratsy tao Jeriko. Teny an-dalana ho any Betela, dia nisy ankizilahy madinika nanakora azy nanao hoe: “Miakara, ry ilay sola; miakara ry ilay sola!” (2:23). Niantso an’i Jehovah i Elisa, ary dia nisy beravavy roa avy tany an’ala namono 42 tamin’ireo ankizy maditra ireo.

7. Noho ny inona no namonjen’i Jehovah an’i Josafata sy i Jorama?

7 Jorama, mpanjakan’ny Isiraely (3:1-27). Nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah io mpanjaka io, ka nikiribiby (NW ) tamin’ny fahotan’i Jeroboama. Nandoa hetra tamin’ny Isiraely ny Mpanjakan’i Moaba hatramin’izay, kanefa izao dia niodina, ary nahazo ny fanampian’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, sy ny an’ny mpanjakan’i Edoma, i Jorama mba handehanana hiady tamin’i Moaba. Teny an-dalana hanafika, dia tonga teo amin’ny tany tsy nisy rano ireo tafika ary nadiva ho faty. Nidina nankany amin’i Elisa mba hanontany an’i Jehovah Andriamanitr’i Elisa, ireo mpanjaka telo. Noho ny fahatokian’i Josafata, dia namonjy azy ireo i Jehovah ary nanome azy ireo ny fandresena an’i Moaba.

8. Fahagagana fanampiny inona avy no notanterahin’i Elisa?

8 Fahagagana fanampiny nataon’i Elisa (4:1–8:15). Rehefa nadiva haka ny zanaka mirahalahin’ny mpitondratena iray, vadin’ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany, ireo tompon-trosa mba hatao andevo, dia nitady ny fanampian’i Elisa ilay mpitondratena. Nampitombo tamin’ny alalan’ny fahagagana ny tahiri-menaka kely tao an-tranony i Elisa, hany ka afaka nivarotra ny sasany tamin’izany mba handoavana ireo trosany ilay mpitondratena. Nisy vehivavy sonemita iray nahafantatra fa mpaminanin’ilay Andriamanitra marina i Elisa, ary izy sy ny vadiny dia nanomana efitrano iray ho an’i Elisa rehefa tao Sonema izy. Noho ny hatsaram-panahiny, dia nitahy azy i Jehovah tamin’ny fanomezana azy zanakalahy iray. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia narary ilay zaza ka maty. Nitady an’i Elisa avy hatrany ilay vehivavy. Niaraka taminy tany an-tranony i Elisa, ary, noho ny herin’i Jehovah, dia nanangana ilay zaza ho amin’ny fiainana izy. Rehefa niverina tany amin’ireo zanak’ireo mpaminany tany Gilgala i Elisa, dia nanaisotra ilay ‘fahafatesana tao am-bilany’ tamin’ny alalan’ny fahagagana, tamin’ny fanovana ireo voatangomboalavo nisy poizina ho tsy nampaninona. Avy eo izy dia namahana lehilahy zato tamin’ny mofo vary hordea 20, kanefa mbola nisy “sisa tsy lany” ihany. — 4:40, f.a.p., 44.

9. Fahagagana inona avy no notanterahina nifandray tamin’i Namana, sy ilay lela-famaky?

9 Boka i Namana, ilay komandin’ny miaramila syriana. Nilaza tamin’ny vadin’i Namana ny zazavavy kely isiraelita babo iray fa nisy mpaminany iray tany Samaria afaka nanasitrana azy. Nanao dia nankany amin’i Elisa i Namana, kanefa tsy nikarakara azy manokana i Elisa, fa nandefa teny fotsiny hoe tokony handeha hisasa impito tao amin’ny Onin’i Jordana izy. Tezitra tamin’io toa tsy fanehoana fanajana io i Namana. Tsy tsara noho ny ranon’ny Isiraely ve ireo onin’i Damaskosy? Resy lahatra anefa izy ka nankato an’i Elisa, ary dia sitrana. Nanda tsy handray fanomezana ho valisoa i Elisa, kanefa tatỳ aoriana i Gehazy mpanampy azy (NW ) dia nihazakazaka nanaraka an’i Namana ary nangataka fanomezana tamin’ny anaran’i Elisa. Rehefa tafaverina i Gehazy, ka nanandrana ny hamitaka an’i Elisa, dia voan’ny habokana. Mbola nisy fahagagana hafa iray koa tanteraka rehefa nampitsinkafona lela-famaky iray i Elisa.

10. Ahoana no nisehoan’ny tafik’i Jehovah ho nahery kokoa, ary tamin’ny fomba ahoana no nandresen’i Elisa tosika ireo Syriana?

10 Rehefa nampitandrina ny mpanjakan’ny Isiraely ny amin’ny tetiky ny Syriana hamono azy i Elisa, dia naniraka miaramila tany Dotana mba hisambotra an’i Elisa ny mpanjakan’i Syria. Rehefa nahita ny tanàna voahodidin’ireo miaramilan’i Syria ny mpanampy an’i Elisa dia nanjary natahotra. Nanome toky azy i Elisa nanao hoe: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” Avy eo izy dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hamela ilay mpanampy azy hahita ilay tafika lehibe nomba an’i Elisa. “Ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.” (6:16, 17). Rehefa nanafika ireo Syriana, dia nivavaka tamin’i Jehovah indray ilay mpaminany, ary dia nanjary jambena ara-tsaina ireo Syriana ka nentina tany amin’ny mpanjakan’ny Isiraely. Tsy natao maty anefa izy ireo, fa nilaza tamin’ny mpanjaka kosa i Elisa mba hanome hanina azy ireo ary avy eo dia handefa azy ireo hody.

11. Ahoana no nahatanterahan’ireo faminanian’i Elisa momba ireo Syriana sy i Beni-hadada?

11 Tatỳ aoriana, dia nanao fahirano an’i Samaria i Beni-hadada, Mpanjakan’i Syria, ary dia nisy mosary lehibe. Nanome tsiny an’i Elisa ny mpanjakan’ny Isiraely, kanefa nilaza mialoha ilay mpaminany fa hisy sakafo tondraka ny ampitso. Tamin’ny alina, dia nahatonga ireo Syriana handre ny feon’ny tafika lehibe iray i Jehovah, hany ka nandositra ireo, ary namela ireo haniny rehetra ho an’ny Isiraelita. Rehefa afaka fotoana kelikely dia narary i Beni-hadada. Rehefa nahare tatitra izy fa hoe tonga tao Damaskosy i Elisa, dia naniraka an’i Hazaela izy mba hanontany raha ho sitrana ny tenany. Ny valin-tenin’i Elisa dia nampiseho fa ho faty ilay mpanjaka ary koa fa i Hazaela no ho tonga mpanjaka handimby azy. Nataon’i Hazaela azo antoka izany tamin’ny famonoana ilay mpanjaka sy tamin’ny fakana ny toeran’ny mpanjaka.

12. Niseho ho karazana mpanjaka nanao ahoana i Jehorama, zanak’i Josafata?

12 Jehorama, mpanjakan’ny Joda (8:16-29). Nandritra izany fotoana izany, tany Joda, dia i Jehorama zanak’i Josafata izao no mpanjaka. Tsy hita ho tsara noho ireo mpanjakan’ny Isiraely izy, fa nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah. Ny vadiny dia i Atalia, zanakavavin’i Ahaba, ary ny anadahin’io, nantsoina hoe Jorama (“Jehorama”, NW ), no nanjaka teo amin’ny Isiraely. Rehefa maty i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, dia i Ahazia zanany no tonga mpanjaka tao Jerosalema.

13. Ezaka tao anatin’ny indray nihelatra inona no nataon’i Jeho nanaraka ny fanosorana azy?

13 Jeho, mpanjakan’ny Isiraely (9:1–10:36). Naniraka ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany i Elisa mba hanosotra an’i Jeho ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely ary mba haniraka azy hamely ho faty ny tamingan’i Ahaba rehetra. Tsy nandany fotoana i Jeho. Nandeha nanenjika an’i Jorama, mpanjakan’ny Isiraely, izay tany Jezirela, notsaboina tamin’ireo fery azony tany an’ady, izy. Nahita ireo olona betsaka nanatona ilay mpitily, ary tamin’ny farany dia nanao tatitra tamin’ny mpanjaka hoe: “Ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran’i Jeho, zanak’i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.” (9:20). Nanontany ny amin’ny fikasan’i Jeho i Jorama, mpanjakan’ny Isiraely sy i Ahazia, mpanjakan’ny Joda. Namaly i Jeho tamin’ny fanontaniana hoe: “Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?” (9:22). Rehefa nihodina mba handositra i Jorama, dia nitifitra tsipìka iray hatrany amin’ny fony i Jeho. Natsipy tao amin’ny sahan’i Nabota ny fatiny, ho famaliana fanampiny ny ra marina nalatsak’i Ahaba. Tatỳ aoriana i Jeho sy ireo lehilahy mpiadiny dia nanenjika an’i Ahazia, ka namely azy, hany ka maty tao Megido izy. Mpanjaka roa no maty tamin’iny ezaka voalohany nataon’i Jeho tao anatin’ny indray mihelatra iny.

14. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Elia momba an’i Jezebela?

14 Anjaran’i Jezebela indray izao! Rehefa niditra tamim-pandresena tao Jezirela i Jeho, dia niseho teo am-baravarankeliny i Jezebela, ny tarehiny voaravaka tamin’ny fanosotra namirapiratra indrindra. Tsy taitra akory i Jeho. “Azerao io vehivavy io”, hoy izy nihiaka tamin’ny mpanampy sasany. Dia nianjera izy, ary ny rany nipitipitika tamin’ny rindrina sy tamin’ireo soavaly nanitsaka azy. Rehefa nandeha handevina azy izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy ny karandohany sy ny tongony ary ny felatanany. Izany dia fahatanterahan’ny faminanian’i Elia, satria ‘ny alika nihinana azy, ary toy ny zezika tany amin’ny tany Jezirela izy’. — 2 Mpanj. 9:33, 36, 37; 1 Mpanj. 21:23.

15. Karazana fihaonana samy hafa inona avy no nataon’i Jeho teny an-dalana ho any Samaria?

15 Nanaraka izany, dia nandidy ny hamonoana ireo zanakalahin’i Ahaba 70 i Jeho, ary nampifanaingina ny lohan’izy ireo teo am-bavavahadin’i Jezirela. Natao maty avokoa ireo mpanohana an’i Ahaba rehetra tao Jezirela. Izao dia ny fanafihana an’i Samaria, renivohitr’i Isiraely, amin’izay! Teny an-dalana izy dia nahita ireo rahalahin’i Ahazia 42, izay nanao dia ho any Jezirela ary tsy nahafantatra izay zava-nitranga. Azo izy ireo ary novonoina ho faty. Nisy fihaonana karazany hafa indray anefa izao. Nivoaka nanatona an’i Jeho i Jonadaba, zanakalahin’i Rekaba. Tamin’ny fanontanian’i Jeho hoe: “Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ny fonao?”, dia namaly i Jonadaba hoe: “Eny.” Avy eo i Jeho dia nanasa azy handeha hiaraka taminy tao amin’ny kalesiny mba hahita mivantana ny “tsy fandeferany fandrafiana an’i Jehovah” — 2 Mpanj. 10:15, 16, NW.

16. Tonga hatraiza ny zavatra nataon’i Jeho ho fanoherana ny ankohonan’i Ahaba sy an’i Bala?

16 Rehefa tonga tany Samaria i Jeho dia nandringana izay sisa rehetra tamin’ny tamingan’i Ahaba, araka ny tenin’i Jehovah tamin’i Elia. (1 Mpanj. 21:21, 22). Kanefa, ahoana ny amin’ny fivavahan’i Bala feno fahavetavetana? Hoy ny nambaran’i Jeho: “Ahaba nanompo an’i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.” (2 Mpanj. 10:18). Niantso ireo mpivavaka tamin’ny demonia ireo ho ao an-tranon’i Bala izy, ka nampanao azy ireo fitafiana famantarana ary nanao izay hahazoana antoka fa tsy nisy mpivavaka tamin’i Jehovah teo amin’izy ireo. Avy eo izy dia naniraka ireo lehilahy mpiadiny hiditra tao mba hamely azy ireo ho faty, ka tsy hamela na dia iray aza ho afa-nandositra. Rava ny tranon’i Bala, ary nanjary trano fivoahana ilay toerana, ary toy izany ihany hatramin’ny andron’i Jeremia. “Toy izany no nandravan’i Jeho an’i Bala tsy ho amin’ny Isiraely.” — 10:28.

17. Tamin’inona no tsy nahombiazan’i Jeho, ary ahoana no nanombohan’i Jehovah nampihatra famaizana tamin’ny Isiraely?

17 Kanefa, na dia i Jeho be zotom-po aza dia tsy nahomby. Tamin’inona? Noho izy nanohy nanaraka ireo ombilahy kely volamena naorin’i Jeroboama tany Betela sy Dana. “Tsy nitandrina handeha amin’ny lalàn’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ny fony rehetra” izy. (10:31). Noho ny zavatra nataony hanoherana ny taranak’i Ahaba anefa, dia nampanantena i Jehovah fa hanjaka teo amin’ny Isiraely ny taranany hatramin’ny zafindohalika. Tamin’ny androny dia nanomboka nanaisotra ny tapany atsinanana tamin’ilay fanjakana i Jehovah, ka nitondra an’i Hazaela hanohitra ny Isiraely. Rehefa avy nanjaka 28 taona i Jeho, dia maty, ary nodimbasan’i Joahaza zanany.

18. Inona no nampandamòka ny fiokoan’i Atalia tany Joda, ary inona no mendrika homarihina momba ny fotoana nanjakan’i Joasy?

18 Joasy, mpanjakan’ny Joda (11:1–12:21). I Atalia, mpanjakavavy reny, dia zanakavavin’i Jezebela ara-nofo sy ara-panahy. Rehefa nahare ny nahafatesan’i Ahazia zanany izy, dia nandidy ny hamonoana ho faty ny fianakavian’ny mpanjaka manontolo, ary dia niakatra teo amin’ny seza fiandrianana. I Joasy, zanakalahy kelin’i Ahazia, ihany no tsy niharan’ny fahafatesana rehefa nafenina. Tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Atalia, dia nasain’i Joiada mpisorona nohosorana ho mpanjaka i Joasy ary nasainy novonoina ho faty i Atalia. Nitarika ny vahoaka teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah i Joiada, nampianatra ilay mpanjaka tanora momba ireo adidiny teo anatrehan’Andriamanitra, ary nandamina ny fanamboarana ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah. Tamin’ny alalan’ny fanomezana, i Joasy dia naharesy tosika ny fanafihan’i Hazaela, mpanjakan’i Syria. Rehefa nanapaka 40 taona tao Jerosalema i Joasy, dia novonoin’ireo mpanompony, ary i Amazia zanany no nanomboka nanjaka nandimby azy.

19. a) Fanompoam-pivavahan-diso inona no nitohy nandritra ny fotoana nanjakan’i Joahaza sy i Joasy teo amin’ny Isiraely? b) Inona no namarana ny asan’i Elisa tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah azy?

19 Joahaza sy Joasy, mpanjakan’ny Isiraely (13:1-25). I Joahaza, zanak’i Jeho, dia nanohy ny fivavahana tamin’ny sampy, ary nanjary latsaka teo ambany fahefan’i Syria ny Isiraely, na dia tsy niala tamin’ny seza fiandrianany aza i Joahaza. Nanafaka ireo Isiraelita i Jehovah tatỳ aoriana, kanefa nanohy ny fivavahana tamin’ny ombilahy kely naorin’i Jeroboama izy ireo. Rehefa maty i Joahaza, dia naka ny toerany tamin’ny naha-mpanjakan’ny Isiraely i Joasy, zanany, dia tamin’ny fotoana nanjakan’ilay Joasy iray hafa tany Joda koa. Nanohy ny fivavahana tamin’ny sampy nataon-drainy i Joasy mpanjakan’ny Isiraely. Rehefa maty izy, dia i Jeroboama zanany no tonga mpanjaka. Nandritra ny fotoana nanjakan’i Joasy no nahararian’i Elisa sy nahafatesany, rehefa avy nilaza ny faminaniany farany izy, dia ny hoe hamely an’i Syria intelo i Joasy, zavatra izay tanteraka araka ny tokony ho izy. Ny fahagagana farany nolazaina fa nataon’i Elisa dia niseho taorian’ny nahafatesany, rehefa natsipy tao amin’ny toerana nandevenana azy koa ny lehilahy maty iray, ka nitsangana velona raha vantany vao nikasika ireo taolan’i Elisa.

20. Lazalazao ny momba ny fotoana nanjakan’i Amazia teo amin’ny Joda.

20 Amazia, mpanjakan’ny Joda (14:1-22). Nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah i Amazia, kanefa tsy nandringana ireo fitoerana avo nampiasaina teo amin’ny fanompoam-pivavahana izy. Resin’i Joasy, mpanjakan’ny Isiraely, tamin’ny ady izy. Rehefa avy nanjaka 29 taona izy, dia nisy namono tao anatin’ny fiokoana iray. I Azaria zanany no natao mpanjaka nandimby azy.

21. Inona no nitranga nandritra ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II teo amin’ny Isiraely?

21 Jeroboama II, mpanjakan’ny Isiraely (14:23-29). Ilay Jeroboama faharoa lasa mpanjakan’ny Isiraely dia nanohy ny fanompoam-pivavahan-diso nataon’ilay razambeny. Nanjaka 41 taona tao Samaria izy, ary nahomby tamin’ny fakana indray ireo faritany nafoin’ny Isiraely. I Zakaria zanany no nandimby azy teo amin’ny seza fiandrianana.

22. Inona no tantaraina momba ny fotoana nanjakan’i Azaria teo amin’ny Joda?

22 Azaria (Ozia), mpanjakan’ny Joda (15:1-7). Nanapaka 52 taona i Azaria. Nahitsy teo imason’i Jehovah izy kanefa tsy nandringana ireo fitoerana avo. Tatỳ aoriana, i Jehovah dia namely azy tamin’ny habokana, ary i Jotama zanany no nikarakara ireo adidin’ny fanjakana, ka tonga mpanjaka rehefa maty i Azaria.

23. Zava-dratsy inona avy no namely ny Isiraely rehefa nipoitra ny fandrahonana avy tany amin’ireo Asyriana?

23 Zakaria, Saloma, Menahema, Pekahia, ary Peka, mpanjakan’ny Isiraely (15:8-31). Araka ny fampanantenan’i Jehovah, ny seza fiandrianan’ny Isiraely dia nitoetra tao amin’ny taranak’i Jeho hatramin’ny zafindohaliny, dia i Zakaria. (10:30). Araka izany, dia tonga mpanjaka tao Samaria izy, ary enimbolana tatỳ aoriana, dia nisy mpamono olona namely azy. Tsy naharitra afa-tsy iray volana i Saloma, ilay mpandrombaka fahefana. Ny fanompoam-pivavahan-diso sy ny vonoana olona ary ny fiokoana dia nanohy namely ny Isiraely, rehefa nifandimby teo amin’ny fanjakana i Menahema sy i Pekahia ary i Peka. Nandritra ny fotoana nanjakan’i Peka, dia nanatona avy tany amin’ny faritra rehetra i Asyria mba hanafika farany. Namono nahafaty an’i Peka i Hosea, ary tonga mpanjakan’ny Isiraely farany.

24. Taorian’i Jotama, ahoana no nanotan’i Ahaza tany Joda raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana?

24 Jotama sy Ahaza, mpanjakan’ny Joda (15:32–16:20). Nanaraka ny fanompoam-pivavahana madio i Jotama, kanefa namela ireo fitoerana avo hitohy. I Ahaza zanany dia nanahaka ireo mpanjakan’ny Isiraely teo akaiky, tamin’ny fanaovana izay ratsy eo imason’i Jehovah. Teo ambany fanafihan’ny mpanjakan’ny Isiraely sy i Syria, dia niangavy ny mpanjakan’i Asyria izy mba hanampy azy. Tonga nanampy azy ireo Asyriana, ka namabo an’i Damaskosy, ary nankany i Ahaza mba hitsena ny mpanjakan’i Asyria. Rehefa nahita ny alitaram-panompoam-pivavahana tao i Ahaza, dia nampanao alitara iray tany Jerosalema nitovy modely taminy, ary nanomboka nanolotra fanatitra teo aminy fa tsy teo amin’ilay alitara varahina tao amin’ny tempolin’i Jehovah. I Hezekia zanany no tonga mpanjakan’ny Joda mpandimby azy.

25. Ahoana no nahalasa ny Isiraely tany amin’ny fahababoana, ary nahoana?

25 Hosea, mpanjakan’ny Isiraely farany (17:1-41). Nanjary latsaka teo ambany fahefan’i Asyria izao ny Isiraely. Niodina i Hosea ary nitady fanampiana avy tany Egypta, kanefa tamin’ny taona fahasivy nanjakany, dia resin’i Asyria ny Isiraely ary nentiny ho babo. Toy izany no niafaran’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely. Fa nahoana? “Noho ny nanotan’ny Zanak’Isiraely tamin’i Jehovah Andriamaniny (...) Fa [izy ireo dia] nanompo sampy, izay nandraran’i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany hianareo. Koa dia tezitra indrindra tamin’ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy”. (17:7, 12, 18). Ireo Asyriana dia nitondra olona avy tany atsinanana mba honina teo amin’ilay tany, ka nanjary ‘i Jehovah no natahoran’ireo’ na dia nanohy nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamaniny ihany aza izy ireo. — 17:33.

26, 27. a) Ahoana no nanaovan’i Hezekia mpanjakan’ny Joda izay mahitsy eo imason’i Jehovah? b) Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka nataon’i Hezekia mba handresena tosika ireo Asyriana? d) Nanana fahatanterahana fanampiny inona ny faminanian’i Isaia?

26 Hezekia, mpanjakan’ny Joda (18:1–20:21). Nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah i Hezekia, araka izay rehetra nataon’i Davida razambeny. Namongotra ny fanompoam-pivavahan-diso izy ary nanjera ireo fitoerana avo. Ary satria nivavaka tamin’ilay menarana varahina nataon’i Mosesy izao ny vahoaka, na dia io koa aza dia naringan’i Hezekia. Nanafika ny Joda izao i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria ary namabo tanàna mimanda maro. Nitady ny hividy azy tamin’ny fandoavana hetra mavesatra i Hezekia. I Sankeriba anefa naniraka an’i Rabsake, mpitondra hafany, izay tonga teo amin’ny mandan’i Jerosalema ary nangataka azy ireo mba hitolo-batana, no sady naneso an’i Jehovah ho ren’ny vahoaka rehetra. Nanome toky an’i Hezekia nahatoky tamin’ny alalan’ny hafatra nilaza fiafarana ratsy ho an’i Sankeriba, i Isaia mpaminany. “Izao no lazain’i Jehovah: Aza matahotra”. (19:6). Rehefa nanohy nandrahona i Sankeriba, dia nifona tamin’i Jehovah i Hezekia hoe: “Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ny tànany, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.” — 19:19.

27 Namaly izany vavaka tsy nisy fitiavan-tena izany ve i Jehovah? Voalohany aloha, tamin’ny alalan’i Isaia, dia nandefa ny hafatra izy fa hoe “ny zotom-pon’i Jehovah an’ireo tafika mihitsy” no haharesy tosika ny fahavalo. (19:31, NW ). Avy eo, tamin’io alina io ihany, dia nandefa ny anjeliny izy mba hamely ho faty 185 000 teo amin’ny tobin’ny Asyriana. Ny marainan’iny, dia “maty avokoa ireo”. (19:35). Lasa nody tao anatin’ny faharesena i Sankeriba ary nitoetra tany Ninive. Tany dia nandiso fanantenana azy indray koa i Nisroka andriamaniny, satria, rehefa niankohoka mba hivavaka izy, dia novonoin’ny zanany roa lahy, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia. — 19:7, 37.

28. Inona no nampahalaza an’i Hezekia, kanefa ahoana no nanotany?

28 Nanjary narary ho faty i Hezekia, kanefa nihaino ny vavaka nataony indray i Jehovah ka nanome azy 15 taona fanampiny. Naniraka mpitondra hafatra nitondra fanomezana ny mpanjakan’i Babylona, ary sahisahy ratsy i Hezekia nampiseho azy ireo ny trano rehetra fitahirizany zava-tsoa. Avy eo i Isaia dia naminany fa izay rehetra tao an-tranony dia hoentina any Babylona indray andro any. Avy eo dia maty i Hezekia, nalaza noho ny heriny sy ilay lakan-drano nataony mba hitarihana ny tahirin-dranon’i Jerosalema tao an-tanàna.

29. Fanompoan-tsampy inona no naorin’i Manase, loza inona no nambaran’i Jehovah mialoha, ary fahotana fanampiny inona no nataon’i Manase?

29 Manase, Amona, ary Josia, mpanjakan’ny Joda (21:1–23:30). Nandimby an’i Hezekia rainy i Manase, ary nanjaka 55 taona, nefa nahery nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah. Namerina ireo fitoerana avo nanolorana fanompoam-pivavahan-diso izy, nanorina alitara ho an’i Bala, nanao tsato-kazo masina (NW ) toy izay nataon’i Ahaba, ary nanao ny tranon’i Jehovah ho toeram-panompoan-tsampy. Nanambara mialoha i Jehovah fa hahatonga loza amin’i Jerosalema toy ny nataony tamin’i Samaria izy, ka ‘sady hamaoka no hanohoka azy koa’. Nandatsaka ra marina “be dia be” koa i Manase. (21:13, 16). Nodimbasan’i Amona zanany, izay nanohy nanao izay ratsy nandritra ny roa taona, mandra-pamelin’ny mpamono olona azy ho faty, izy.

30. Nahoana i Josia no niverina tamin’i Jehovah tamin’ny fony rehetra ary tamin’ny fomba ahoana?

30 Nanao an’i Josia, zanak’i Amona, ho mpanjaka izao ny vahoaka. Nandritra ny fotoana nanjakany naharitra 31 taona, izy dia namadika vetivety ny fikororosian’ny Joda nankany amin’ny fandringanana, ‘tamin’ny fandehanana tamin’izay rehetra nalehan’i Davida rainy’. (22:2). Nanomboka nanamboatra ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah izy, ka tao no nahitan’ilay mpisoronabe ny bokin’ny Lalàna. Izy io dia nanamarina fa ho tonga amin’ilay firenena ny fandringanana noho ny tsy fankatoavany (NW ) an’i Jehovah. Nomena toky anefa i Josia fa, noho ny fahatokiany, dia tsy ho tonga amin’ny androny izany. Nanadio ny tranon’i Jehovah sy ilay tany manontolo tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny demonia izy. Nanitatra ny fanamontsamontsanany ireo sampy hatrany Betela, izay nandringanany ny alitaran’i Jeroboama, koa izy, ho fahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny 1 Mpanjaka 13:1, 2. Naorina indray ny Paskan’i Jehovah. “Tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’i Jehovah tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’i Mosesy rehetra”. (23:25). Na dia izany aza, dia mbola nirehitra ihany ny fahatezeran’i Jehovah noho ireo zavatra nampahatezeran’i Manase azy. Maty nandritra ny fifandonana tamin’ny mpanjakan’i Egypta tao Megido i Josia.

31. Faharesena inona avy no nihatra tamin’ny Joda taorian’ny nahafatesan’i Josia?

31 Joahaza, Joiakima, ary Joiakina, mpanjakan’ny Joda (23:31–24:17). Rehefa avy nanjaka telo volana i Joahaza, zanak’i Josia, dia nataon’ny mpanjakan’i Egypta babo, ary i Eliakima rahalahiny, izay novana hoe Joiakima ny anarany, no napetraka teo amin’ny seza fiandrianana. Nanaraka ny lalan-dratsin’ireo razambeny izy ary nanjary nofehezin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Niodina taminy anefa izy rehefa afaka telo taona. Rehefa maty i Joiakima, dia i Joiakina zanany no nanomboka nanjaka. Nanao fahirano an’i Jerosalema i Nebokadnezara, namabo azy ary nitondra ireo rakitra tao an-tranon’i Jehovah tany Babylona, “araka izay nolazain’i Jehovah” tamin’ny alalan’i Isaia. (24:13; 20:17). Nentina natao sesitany tany Babylona i Joiakina sy an’arivony maro tamin’ireo olom-peheziny.

32. Fisehoan-javatra nampihetsi-po lalina inona avy no nitarika ho amin’ny fahafoanan’i Jerosalema sy ilay tany?

32 Zedekia, mpanjakan’ny Joda farany (24:18–25:30). Nanao an’i Matania, rahalahin-drain’i Joiakina, ho mpanjaka i Nebokadnezara ary nanova ny anarany ho Zedekia. Nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy ary nanohy nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah. Niodina tamin’i Babylona izy, hany ka tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, dia tonga ka nanorina manda ho fanaovana fahirano nanodidina an’i Jerosalema, i Nebokadnezara sy ny miaramilany rehetra. Rehefa afaka 18 volana dia rotidrotiky ny mosary ilay tany. Avy eo dia novakina sy nidirana ireo manda, ary dia voasambotra i Zedekia teo am-pitadiavany handositra. Novonoina teo imasony ireo zanany ary dia natao jamba ny tenany. Ny volana nanaraka, ireo trano lehibe indrindra tao amin’ilay tanàna, anisan’izany ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny mpanjaka, dia nodorana ary ireo mandan’ilay tanàna dia narodana. Nentina ho babo tany Babylona ny ankamaroan’ireo tsy maty. Notendrena ho governora teo amin’ireo tantsaha jiosy vitsivitsy nijanona tany ambanivohitr’i Joda, i Gedalia. Kanefa dia nisy namono izy, ary nandositra nankany Egypta ilay vahoaka. Araka izany, nanomboka tamin’ny volana fahafito tamin’ny 607 al.f.i., dia foana tanteraka ilay tany. Ireo teny farany ao amin’ny Mpanjaka Faharoa dia milaza ny amin’ny fanehoam-piheverana nasehon’ny mpanjakan’i Babylona an’i Joiakina tamin’ny taona faha-37 naha-babo azy.

MAHASOA — NAHOANA?

33. Ohatra tsara dia tsara inona avy no omen’ny Mpanjaka Faharoa natao harahintsika?

33 Milaza momba ny fikororosian’ireo fanjakan’ny Isiraely sy ny Joda izay nitarika ho amin’ny fiafarany, ny Mpanjaka Faharoa. Na dia izany aza, dia misy ohatra mamirapiratra maro ny amin’ny nitahian’i Jehovah olona izay nampiseho fitiavana azy sy ireo fotopoto-pitsipiny marina, ao. Toy ilay mpitondratena tany Zarefata talohany, ilay vehivavy sonemita dia nahazo fitahiana tondraka noho ny fahaiza-mampiantrano vahiny nasehony tamin’ny mpaminanin’Andriamanitra. (4:8-17, 32-37). Ny fahaizan’i Jehovah hanome foana izay ilaina dia naseho fony i Elisa namahana lehilahy zato tamin’ny mofo 20, tsy misy hafa amin’ny fahagagana toy izay hotanterahin’i Jesosy atỳ aoriana. (2 Mpanj. 4:42-44; Matio 14:16-21; Marka 8:1-9). Mariho ny nandraisan’i Jonadaba fitahiana rehefa nasaina mba hiaraka tamin’i Jeho tao amin’ny kalesiny izy, mba hahita ny fandringanana ireo mpivavaka tamin’i Bala. Ary nahoana? Satria nanao zavatra nanorina izy rehefa nandeha nivoaka mba hiarahaba an’i Jeho be zotom-po. (2 Mpanj. 10:15, 16). Farany, dia teo ny ohatra faran’izay tsaran’i Hezekia sy i Josia, noho ny fanetren-tenany sy ny fanajany araka ny tokony ho izy ny anaran’i Jehovah sy ny Lalàny. (19:14-19; 22:11-13). Ireo dia ohatra faran’izay tsara natao harahintsika.

34. Inona no ampianarin’ny Mpanjaka Faharoa antsika momba ny fanajana ireo mpanompo nomena fahefana, sy momba ny trosan-dra?

34 Tsy milefitra eo anoloan’ny tsy fanajana ireo mpanompony nomeny fahefana i Jehovah. Rehefa naneso an’i Elisa, mpaminanin’i Jehovah, ireo zaza maditra, dia nampihatra famaliana tsy nisy hataka andro tamin’izy ireo Izy. (2:23, 24). Ambonin’izany, dia manaja ny ran’ny marina i Jehovah. Nitambesatra tamin’ny ankohonan’i Ahaba ny didim-pitsarany, tsy noho ny fanolorany fanompoam-pivavahana ho an’i Bala ihany, fa noho ny fandatsahan-dra niaraka tamin’izany koa. Araka izany, dia nohosorana i Jeho mba hamaly “ny ran’ny mpanompon’i Jehovah rehetra” nalatsakin’i Jezebela (NW ). Rehefa nampiharina tamin’i Jorama ny didim-pitsarana, dia tadidin’i Jeho ny fanambaran’i Jehovah fa izany dia noho ny “ran’i Nabota sy ny ran’ny zanany”. (9:7, 26). Toy izany koa, ny trosan-dran’i Manase no nanapaka farany ny amin’ny ho fiafarana ratsy ho an’ny Joda. Nanampy ny fahotany ny amin’ny fanompoam-pivavahan-diso i Manase, ka ‘nameno ra an’i Jerosalema rehetra’. Na dia nibebaka noho ny lalana ratsy narahiny aza i Manase tatỳ aoriana, dia mbola teo ihany ny trosan-dra. (2 Tant. 33:12, 13). Na dia ny fotoana nanjakan’i Josia tamin’ny fomba tsara sy ny fanesorany ny fanompoan-tsampy rehetra aza dia tsy afaka namafa ilay trosan-dra niombonana avy tany amin’ny fotoana nanjakan’i Manase. Taona maro tatỳ aoriana, rehefa nanomboka nitondra ireo mpampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema i Jehovah, dia nanambara fa izany dia satria i Manase ‘nameno an’i Jerosalema tamin’ny ra marina, koa izany no tsy netezan’i Jehovah hamela ny helony’. (2 Mpanj. 21:16; 24:4). Toy izany koa, i Jesosy dia nanambara fa i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. dia tsy maintsy ho levona, satria ireo mpisorona teo aminy dia zanak’ireo izay nandatsaka ny ran’ireo mpaminany, ‘mba hanody azy ny ra marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ny tany’. (Matio 23:29-36). Mampitandrina izao tontolo izao Andriamanitra fa hamaly ny ra marina izay nalatsaka izy, indrindra fa ny ran’izay “voavono noho ny tenin’Andriamanitra”. — Apok. 6:9, 10.

35. a) Ahoana no nanamarinana ny naha-mpaminany marina an’i Elia sy i Elisa ary i Isaia? b) Mifandray amin’i Elia, inona no lazain’i Petera raha ny amin’ny faminaniana?

35 Aseho ao amin’ny Mpanjaka Faharoa koa fa azo antoka tsy misy diso mihitsy ny fanatanterahan’i Jehovah ireo didim-pitsarany ara-paminaniana. Mpaminany lehibe telo no ampitodihana ny saintsika, dia i Elia sy i Elisa ary i Isaia. Ireo faminaniana nataon’ny tsirairay avy taminy dia aseho fa nahita fahatanterahana manaitra. (2 Mpanj. 9:36, 37; 10:10, 17; 3:14, 18, 24; 13:18, 19, 25; 19:20, 32-36; 20:16, 17; 24:13). I Elia koa dia nohamarinina ho mpaminany marina rehefa niara-niseho tamin’i Mosesy sy ilay Mpaminany Lehibe, dia i Jesosy Kristy, izy tamin’ilay fiovan-tarehy teny an-tendrombohitra. (Matio 17:1-5). Rehefa nanisy firesahana momba ny hafatratr’io tarehin-javatra io i Petera, dia hoy izy: “Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’andro”. — 2 Pet. 1:19.

36. Nahoana i Jehovah no nampiseho famindram-po tamin’ny vahoakany, ary ahoana no itomboan’ny fatokiantsika ny Fanjakan’ilay Taranaka?

36 Ireo fisehoan-javatra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Mpanjaka Faharoa dia mampiharihary mazava fa ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ireo mpanaraka ny fivavahan-diso rehetra sy ireo mpandatsaka ra marina rehetra dia ny fandripahana azy. Kanefa nampiseho famindram-po sy fiantrana tamin’ny vahoakany i Jehovah “noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba”. (2 Mpanj. 13:23). Nitsimbina azy ireo izy “noho ny amin’i Davida mpanompony”. (8:19). Hampiseho famindram-po toy izany izy amin’ireo izay mitodika any aminy amin’izao andro izao. Rehefa mandinika ny firaketana an-tsoratra sy ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly isika, dia amin’ny fatokiana mihamitombo toy inona moa no iandrasantsika amim-panantenana ny Fanjakan’ilay “zanak’i Davida”, dia i Jesosy Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina, rehefa tsy hisy intsony ny fandatsahan-dra sy ny faharatsiana! — Matio 1:1; Isaia 2:4; Sal. 145:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 152, 325; Boky 2, pejy 908; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1467.

[Fanontaniana]