Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-13 — 1 Tantara

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-13 — 1 Tantara

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-13 — 1 Tantara

Mpanoratra: Ezra

Toerana Nanoratana: Jerosalema (?)

Vita Tamin’ny: 460 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: Aorian’ny 1 Tantara 9:44: 1077 al.f.i. – 1037 al.f.i.

1. Amin’ny heviny ahoana avy ny Tantara Voalohany no tapany tena ilaina sy mahasoa amin’ilay firaketana an-tsoratra avy amin’Andriamanitra?

 MOA ve ny Tantara Voalohany lisitra tetirazana manasatra fotsiny? Moa ve izy io famerenana ny bokin’ny Samoela sy Mpanjaka fotsiny? Tsy izany velively! Hitantsika ao ny tapany manazava sady tena ilaina iray amin’ilay firaketana an-tsoratra avy amin’Andriamanitra — tena nilaina tamin’ny andro nanoratana azy mba handaminana indray ilay firenena sy ny fanompoam-pivavahany, ary tena ilaina sy mahasoa mba hampisehoana modelin’ny fanompoam-pivavahana atolotra ho an’Andriamanitra ho an’ireo andro atỳ aoriana, anisan’izany izao andro ankehitriny izao. Ny Tantara Voalohany dia mirakitra ny sasany amin’ireo teny fiderana an’i Jehovah kanto indrindra hita ao amin’ny Soratra Masina rehetra. Izy io dia manome fahitana mialoha mahatalanjona ny amin’ny Fanjakam-pahamarinan’i Jehovah, ary tokony hianaran’izay rehetra manantena izany Fanjakana izany, mba hahitany soa. Noraisin’ny Jiosy sy ny Kristiana nandritra ireo taonjato rehetra ho sarobidy ireo boky roan’ny Tantara. Ilay mpandika ny Baiboly atao hoe Jérôme dia nanana fomba fijery ambony aoka izany momba ny Tantara Voalohany sy Faharoa, ka nihevitra azy ireo ho “famintinana ny Testamenta Taloha”. Nanambara marimarina koa izy fa “izy ireo dia lehibe sy manerinerina aoka izany, hany ka izay mihevitra ny tenany ho mahalala tsara ireo asa soratra masina, kanefa tsy mahafantatra azy ireo, dia mamita-tena fotsiny”. a

2. Nahoana no nosoratana ny bokin’ny Tantara?

2 Ireo boky roan’ny Tantara tany am-boalohany dia toa nahaforona boky, na horonam-boky, iray ihany izay nozaraina tatỳ aoriana mba hanamora ny fandraisana azy. Nahoana no nosoratana ny bokin’ny Tantara? Diniho ny tarehin-javatra tamin’ny fotoana nanoratana azy. Nifarana tokony ho 77 taona talohan’izay ny sesitany tany Babylona. Nanorim-ponenana indray tao amin’ny taniny ireo Jiosy. Kanefa, nisy fironana nampidi-doza hiala tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tao amin’ilay tempoly vao naorina tao Jerosalema. Nomen’ny mpanjakan’i Persia lalana mba hanendry mpitsara sy mpampianatra ny lalàn’Andriamanitra (ary koa ny an’ny mpanjaka) i Ezra, ary koa mba hanatsara ny tranon’i Jehovah. Nilaina ny lisitr’ireo tetirazana araka ny marina mba hahazoana antoka fa olona nomena lalana ihany no nanompo tao amin’ny fisoronana, ary koa mba hanamarinana ireo lova ara-poko, izay nahazoan’ny fisoronana fanampiana ara-pivelomana. Noho ireo faminanian’i Jehovah momba ilay Fanjakana, dia tena nilaina koa ny hananana firaketana an-tsoratra mazava sy azo nianteherana ny amin’ny filazam-pirazanan’ny Joda sy i Davida.

3. a) Inona no nirin’i Ezra hampidirina tao amin’ireo Jiosy? b) Nahoana izy no nanasongadina ny tantaran’ny Joda, ary ahoana no nanamafisany ny maha-zava-dehibe ny fanompoam-pivavahana madio?

3 I Ezra dia naniry tamim-pahatsoram-po ny hamoha ireo Jiosy tafaverina, tamin’ny tsy firaikany. Niriny koa ny hampiditra tao amin’izy ireo ny fahatakarana fa tena mpandova ny hatsaram-panahy miharo fitiavan’i Jehovah (NW ) nasehon’ny nanaovany fanekena, tokoa izy ireo. Noho izany, ao amin’ny bokin’ny Tantara izy dia nametraka teo anoloan’izy ireo ny filazana feno momba ny tantaran’ilay firenena, sy ny an’ny fiandohan’ny taranak’olombelona, ka tonga hatrany amin’ilay olombelona voalohany, dia i Adama. Koa satria ny fanjakan’i Davida no fototra, dia nampisongadina ny tantaran’ny Joda izy, ka saika namela tanteraka ny firaketana an-tsoratra tsy manorina momba ny fanjakan’ireo foko folo. Nolazalazainy ny amin’ireo mpanjaka lehibe indrindra teo amin’ny Joda, teo am-panorenany na teo am-pamerenany tamin’ny laoniny ilay tempoly ary teo am-pitarihany tamin-jotom-po teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra. Notondroiny mazava ireo fahotana ara-pivavahana izay nitarika ho amin’ny fionganan’ilay fanjakana, no sady nohantitranteriny koa ireo fampanantenan’Andriamanitra momba ny famerenana azy tamin’ny laoniny. Nohamafisiny ny naha-zava-dehibe ny fanompoam-pivavahana madio, tamin’ny fampifantohana ny saina tamin’ireo tsipiriany maro nifandray tamin’ny tempoly, ireo mpisorona teo aminy, ireo Levita, ireo mpahay hira, sy ny sisa. Tsy maintsy ho nampahery ireo Isiraelita aoka izany ny fananana firaketana an-tsoratra ara-tantara iray izay nifantoka tamin’ny antony niverenan’izy ireo avy tany an-tsesitany — ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tao Jerosalema.

4. Porofo inona no anekena kokoa an’i Ezra ho mpanoratra ny bokin’ny Tantara?

4 Inona no porofo fa i Ezra no nanoratra ny bokin’ny Tantara? Ireo andininy roa farany amin’ny Tantara Faharoa 36:22, 23 dia mitovy amin’ireo andininy roa voalohany amin’ny Ezra 1:1, 2, ary ny Tantara Faharoa dia mifarana eo afovoan’ny fehezanteny iray izay mifarana ao amin’ny Ezra 1:3. Noho izany dia tsy maintsy ho ny mpanoratra ny Ezra ihany no nanoratra ny bokin’ny Tantara. Misy porofo fanampiny ny amin’izany eo amin’ny fitovian’ny fomba fanoratra, ny teny ampiasaina, ny firafitr’ireo teny mbamin’ny tsipelin-teny hita ao amin’ny bokin’ny Tantara sy ny an’ny Ezra. Ny sasany amin’ireo fitenenana ao amin’ireo boky roa ireo dia tsy hita ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. I Ezra, izay nanoratra ny bokin’ny Ezra, no tsy maintsy ho nanoratra ny bokin’ny Tantara koa. Manohana io fanatsoahan-kevitra io ny lovantsofina jiosy.

5. Inona avy ireo toetra ara-panahy sy ivelan’ny fivavahana nananan’i Ezra?

5 Tsy nisy nahafeno fepetra tsara kokoa noho i Ezra mba hanambatra ireo fanazavana nilaina ho an’io tantara azo itokiana sy araka ny marina io. “Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10). Nanampy azy tamin’ny alalan’ny fanahy masina i Jehovah. Nanaiky ilay mpanapaka persiana teo amin’izao tontolo izao fa tao amin’i Ezra ny fahendren’Andriamanitra, ary naniraka azy tamin’ny fanomezana azy fahefana sivily be dia be teo amin’ny zara-tanin’ny Joda, izy. (Ezra 7:12-26). Nahazo fahefana avy tamin’Andriamanitra sy ny emperora toy izany i Ezra, ka afaka nanambatra ireo tahirin-kevitra tsara indrindra azony nampiasaina ka nilainy ho an’ny fitantarany.

6. Nahoana isika no mahazo matoky ny maha-marina tsara ny bokin’ny Tantara?

6 Mpanao fikarohana tsy nisy toa azy i Ezra. Nikaroka tao amin’ireo firaketana an-tsoratra tranainy kokoa momba ny tantara jiosy izay natambatra mpaminany azo nitokiana niaina tamin’ilay fotoana nitrangan-javatra, izy. Nokarohiny koa ireo izay natambatra mpirakitra an-tsoratra ofisialy sy mpitana firaketana an-tsoratra ho an’ny besinimaro. Ny sasany tamin’ireo asa soratra nakany hevitra dia nety ho tahirin-kevi-panjakana avy tany Isiraely sy Joda, firaketana tetirazana an-tsoratra, asa ara-tantara nosoratana mpaminany ary tahirin-kevitra nananan’ireo loham-poko na loham-pianakaviana. Manonona loharanon-kevitra 20 fara fahakeliny i Ezra. b Tamin’ny fanononana azy ireo mazava, i Ezra dia nanome tamim-pahamarinana an’ireo niara-niaina taminy ny fahafahana hijery ireo loharanon-kevitra nampiasainy, raha tian’izy ireo izany. Izany dia manome porofo mahery fanampiny ho an’ny maha-azo inoana sy azo itokiana ny teniny. Isika amin’izao andro izao dia afaka matoky ny maha-marina tsara ny bokin’ny Tantara, noho ny antony mitovy amin’izay nitokian’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Ezra azy ireo.

7. Oviana no nosoratana ny bokin’ny Tantara, iza no nihevitra azy ho azo itokiana, ary fe-potoana toy inona no voafaokany?

7 Koa satria i Ezra “niakatra avy tany Babylona” tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy Longimanus, mpanjaka persiana, izany hoe tamin’ny 468 al.f.i., ary tsy nirakitra an-tsoratra velively ny fahatongavana niavak’i Nehemia tamin’ny 455 al.f.i., ny bokin’ny Tantara dia tsy maintsy ho vita teo anelanelan’ireo daty ireo, azo inoana fa tany amin’ny taona 460 al.f.i. tany ho any, tany Jerosalema. (Ezra 7:1-7; Neh. 2:1-18). Ireo Jiosy tamin’ny andron’i Ezra dia nanaiky ny bokin’ny Tantara ho tapany marina amin’ny ‘Soratra rehetra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa’. Nantsoin’izy ireo hoe Div·rehʹ Hai·ya·mimʹ, izay midika hoe “Ireo Raharaha Tamin’ireo Andro”, izany hoe ny tantara tamin’ireo andro na fotoana, izy io. Roanjato taona teo ho eo tatỳ aoriana, ireo nandika ny Septante grika koa dia nampiditra ny bokin’ny Tantara ho kanônika. Nizara ilay boky ho roa izy ireo, ary nihevitra azy io ho famenon’ny bokin’ny Samoela sy Mpanjaka, na ny Baiboly manontolo tamin’izany andro izany, ka niantso azy hoe Pa·ra·lei·po·meʹnon, midika hoe “Zavatra Nandalovana (Navela ho Tsy Voalaza, Hadino)”. Na dia tsy mifanentana loatra aza ilay anarana, izany zavatra nataon’izy ireo izany dia mampiseho fa nihevitra ny bokin’ny Tantara ho Soratra azo itokiana sy ara-tsindrimandry izy ireo. Rehefa nanomana ny Vulgate latina i Jérôme, dia nanome izao fanoloran-kevitra izao: “Toa mety kokoa ny hiantsoantsika [azy ireo] hoe ny Khro·ni·konʹ-n’ny tantara manontolo avy amin’Andriamanitra.” Avy amin’io no toa niavian’ny lohateny hoe “Chroniques” na “Tantara Voalahatra”. Ny tantara voalahatra iray dia firaketana an-tsoratra ireo zava-nitranga araka ny nisehoany teo amin’ny fandehan’ny fotoana. Rehefa nanome ny lisitr’ireo tetirazana ao aminy ny Tantara Voalohany, dia manisy fitenenana indrindra ny amin’ny andron’i Davida Mpanjaka, nanomboka tamin’ny 1077 al.f.i. ka hatramin’ny nahafatesany.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TANTARA VOALOHANY

8. Inona ireo fizarana roa ao amin’ny bokin’ny Tantara Voalohany?

8 Itỳ bokin’ny Tantara Voalohany itỳ dia mizara roa avy hatrany: ireo toko 9 voalohany, izay mahakasika tetirazana voalohany indrindra, ary ireo toko 20 farany, izay milaza momba ireo fisehoan-javatra nandritra ireo 40 taona nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Saoly ka hatramin’ny faran’ny fotoana nanjakan’i Davida.

9. Nahoana no tsy misy antony tokony hanekena kokoa daty iray atỳ aoriana ho fotoana nanoratana ny bokin’ny Tantara?

9 Ireo tetirazana (1:1–9:44). Ireo toko ireo dia manome ny lisitry ny tetirazana nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny firazanan’i Zerobabela. (1:1; 3:19-24). Ireo fomba nandikan’ny fandikan-teny maro dia mitondra ny firazanan’i Zerobabela hatrany amin’ny taranaka fahafolo. Koa satria niverina tany Jerosalema tamin’ny 537 al.f.i. i Zerobabela, dia tsy ho ampy ny fotoana hahaterahan’ny taranaka maro toy izany mandra-pahatongan’ny 460 al.f.i., taona niharihary fa namitan’i Ezra ny fanoratany. Kanefa, tsy feno ilay soratra hebreo eo amin’io fizarana io, ary tsy azo fantarina hoe inona no fifandraisan’ny ankamaroan’ireo lehilahy voatanisa ireo tamin’i Zerobabela. Noho izany, dia tsy misy antony tokony hanekena kokoa daty iray tatỳ aoriana ho ny fotoana nanoratana ny bokin’ny Tantara, toy ny ataon’ny olona sasany.

10. a) Taranaka iza avy no omena voalohany? b) Tetirazana inona no soritana ho azy avy hatrany, eo am-piandohan’ny toko faharoa? d) Lisitra hafa inona avy no omena, ary mamarana ny inona izy ireo?

10 Voalohany aloha dia omena ireo taranaka folo nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’i Noa, ary avy eo dia ireo taranaka folo hatramin’i Abrahama. Tanisaina ireo zanak’i Abrahama sy ny taranak’izy ireo avy; ny taranak’i Esao sy i Seïra, izay nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seïra; ary ireo mpanjakan’i Edoma voalohany. Manomboka eo amin’ny toko faharoa, anefa, ilay firaketana an-tsoratra dia manisy fitenenana ny amin’ireo taranak’i Isiraely, na Jakoba, izay ny tetirazany avy tamin’i Joda aloha no soritana ary avy eo dia ireo taranaka folo hatramin’i Davida. (2:1-14). Atao koa ny fitanisana ireo foko hafa, ka asiana firesahana manokana ny fokon’i Levy sy ireo mpisoronabe, ary faranana amin’ny tetirazan’ny fokon’i Benjamina ho fampidirana an’i Saoly Mpanjaka, Benjamita, izay anombohan’ilay filazana ara-tantara amin’ny heviny hentitra. Indraindray dia toa mety hisy fifanipahan-javatra amin’ireo tetirazan’i Ezra sy ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly. Kanefa tsy maintsy hotadidina ao an-tsaina fa nisy olona sasany fantatra koa tamin’ny anarana hafa ary koa fa miova ny fiteny, no sady afaka manova ny fomba fanoratra ny anarana sasany ny fandehan’ny fotoana. Ny fandinihana amim-pitandremana dia manesotra ny ankamaroan’ireo zava-manahirana.

11. Manomeza ohatra ny amin’ny fanazavana mahasoa hafa nampidirina etsy sy eroa ao amin’ny firaketana tetirazana an-tsoratra.

11 Mampiditra etsy sy eroa ao amin’ireo tetirazana ao aminy, fanazavana ara-tantara sy ara-jeografia izay manome fanazavana sy fampahatsiahivana lehibe, i Ezra. Ohatra, rehefa nitanisa ireo taranak’i Robena izy, dia nanampy izao fanazavana lehibe izao: “Ary ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny fitantaram-pirazanana ireo; fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’i Josefa ihany)”. (5:1, 2). Be dia be no hazavain’ireo teny vitsy ireo. Fanampin’izany, dia ao amin’ny bokin’ny Tantara ihany no ianarantsika fa i Joaba sy i Amasa ary i Abisay dia samy zanak’anabavin’i Davida avokoa, zavatra izay manampy antsika hahatakatra ireo fisehoan-javatra samihafa nanodidina azy ireo. — 2:16, 17.

12. Inona avy no toe-javatra nanodidina ny nahafatesan’i Saoly?

12 Nitarika ho amin’ny fahafatesany ny tsy fahatokian’i Saoly (10:1-14, ampitahao amin’ny NW.) Ilay fitantarana dia manomboka amin’ny faneren’ireo Filistina ny fanafihany tamin’ilay ady teo amin’ny Tendrombohitr’i Gilboa. Maty ireo zanak’i Saoly telo mirahalahy, anisan’izany i Jonatana. Avy eo dia naratra i Saoly. Tsy niriny ny ho azon’ny fahavalo, ka nampirisika ny mpitondra ny fiadiany izy hoe: “Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irerỳ tsy mifora irerỳ ka hanao ahy ho fihomehezana.” Rehefa nanda ilay mpitondra ny fiadiany, dia namono tena i Saoly. Eny, maty i Saoly “noho ny tsy nitandremany ny tenin’i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’izay nanao azy ho tsindrian-javatra ary noho ny tsy nanontaniany tamin’i Jehovah”. (10:4, 13, 14). Nomen’i Jehovah an’i Davida ny fanjakana.

13. Nanao ahoana ny fanambinana azon’i Davida tao amin’ilay fanjakana?

13 Nohamafisina ny toeran’i Davida tao amin’ilay fanjakana (11:1–12:40). Tatỳ aoriana dia niangona nankeo amin’i Davida tao Hebrona ireo foko 12 ary nanosotra azy ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely rehetra. Nahazo babo an’i Ziona izy ary dia ‘nandroso nihalehibe, fa i Jehovah, Tompon’ny maro, no nomba azy’. (11:9). Lehilahy mahery no natao hiandraikitra ny miaramila, ary tamin’ny alalan’izy ireo, i Jehovah dia “nanao famonjena lehibe”. (11:14). Nahazo ny fanohanana tafarain’ireo miaramila i Davida rehefa nilahatra izy ireo ka niray fo mba hampanjaka azy. Nisy firavoravoana sy fifaliana teo amin’ny Isiraely.

14. Inona no fiafaran’ny ady tamin’ireo Filistina raha ny amin’i Davida, ary tarehin-javatra nampitombo finoana inona no niteraka hira falifaly?

14 Davida sy ny fiaran’i Jehovah (13:1–16:36). Naka saina tamin’ny mpifehy teo amin’ny firenena i Davida, ary niray hevitra izy ireo mba hamindra ilay Fiara tany Jerosalema avy tany Kiriata-jearima, izay nitoerany nandritra ny 70 taona teo ho eo. Teny an-dalana, dia maty i Oza satria tsy niraharaha tamim-panamavoana ireo toromarik’Andriamanitra, ary dia navela nandritra ny fotoana kelikely tao an-tranon’i Obeda-edoma ilay Fiara. (Nom. 4:15). Nanohy ireo fanafihany indray ny Filistina, kanefa nandresy azy tanteraka indroa i Davida, tany Bala-perazima sy tany Gibeona. Nahazo toromarika tamin’i Davida izao ireo Levita ka nanaraka ny fomba fanaovan-javatra teokratika mba hamindrana ilay Fiara tamim-piarovana tany Jerosalema. Tany izy dia natao tao anaty tranolay naorin’i Davida ho azy, tao anatin’ny fandihizana sy ny fifaliana. Nisy fanaterana fanatitra sy fihirana, ary ny tenan’i Davida dia nanao fanomezana hiram-pankasitrahana iray ho an’i Jehovah (NW ) tamin’io tarehin-javatra io. Nahatratra ny fara tampony malaza io hira io tamin’ilay loha hevitra hoe: “Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; ary aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.” (1 Tant. 16:31). Tarehin-javatra mampihetsi-po sy mampitombo finoana re izany! Tatỳ aoriana, io hiran’i Davida io dia natao ho fototry ny hira vaovao, ka ny iray tamin’izany dia ny Salamo faha-96. Ny iray hafa dia noraketina an-tsoratra ao amin’ireo andininy 15 voalohany amin’ny Salamo faha-105.

15. Tamin’ny fampanantenana mahatalanjona inona no namalian’i Jehovah ny fanirian’i Davida hanao trano ho an’ny fanompoam-pivavahana tafaray?

15 Davida sy ny tranon’i Jehovah (16:37–17:27). Nisy fandaharana tsy nahazatra izao nanjary nanjaka teo amin’ny Isiraely. Ny fiaran’ny fanekena dia nitoetra tao amin’ny tranolay iray tany Jerosalema, nikarakaran’i Asafa sy ireo rahalahiny azy, kanefa tany Gibeona, kilaometatra vitsivitsy tany avaratra-andrefan’i Jerosalema, i Zadoka mpisoronabe sy ireo rahalahiny dia nanohy nanatitra teo amin’ny tabernakely ireo fanatitra nasaina nataony. Nahatsiaro foana ny hanandratra sy ny hampiray ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah i Davida, ka nampiseho ny faniriany hanao trano iray ho an’ny fiaran’ny faneken’i Jehovah. Nanambara anefa i Jehovah fa tsy i Davida, fa ny zanany, no hanao trano ho Azy ary koa fa “hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay” Izy, ka tamin’izany dia nampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka. (17:11-13). Io fampanantenana mahatalanjona nomen’i Jehovah io — io fanekena ny amin’ny fanjakana mandrakizay iray io — dia nanohina ny fon’i Davida. Nitafotafo ny fankasitrahany ka nangataka izy mba ho ‘hita ho mahatoky ny anaran’i Jehovah, ka ho tonga lehibe hatrany amin’ny fotoana tsy voafetra’, ary koa mba ho eo amin’ny ankohonan’i Davida ny fitahiany. — 17:24, NW.

16. Fampanantenana inona no notanterahin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Davida, kanefa ahoana no nanotan’i Davida?

16 Ireo fandresen’i Davida (18:1–21:17). Tamin’ny alalan’i Davida, i Jehovah izao dia nanatanteraka ny fampanantenana nataony mba hanome ny Tany Nampanantenaina manontolo ho an’ny taranak’i Abrahama. (18:3). Tamin’ny alalan’ny ezaka nitohitohy haingana, i Jehovah dia nanome “famonjena an’i Davida” teny amin’izay rehetra nalehany. (18:6, NW ). Tamin’ny alalan’ny fandresena ara-tafika niezinezina, i Davida dia nampilavo lefona ireo Filistina, namely ho faty ireo Moabita, nandresy ireo mponin’i Zoba, nanery ireo Syriana handoa hetra, ary nandresy an’i Edoma sy i Amona ary koa i Amaleka. Kanefa i Satana nanome saina an’i Davida hanisa ny Isiraely ka hanota tamin’izany. Nandefa areti-mandringana ho famaizana i Jehovah, kanefa namarana ilay loza tamim-pamindram-po teo amin’ny famoloan’i Araona izy, rehefa avy natao maty ny 70 000.

17. Fanomanana inona no nataon’i Davida ho an’ny fanorenana ny tranon’i Jehovah, ary ahoana no nampirisihany an’i Solomona?

17 Ny fanomanana nataon’i Davida ho an’ny tempoly (21:18–22:19). Nahazo teny avy tamin’ny anjely tamin’ny alalan’i Gada i Davida mba “hanangana alitara ho an’i Jehovah ao amin’ny famoloan’ny Araona Jebosita”. (21:18). Rehefa avy nividy ilay toerana tamin’i Araona i Davida, dia nanatitra fanatitra tamim-pankatoavana teo ary niantso an’i Jehovah, ka novaliany “tamin’ny afo avy tany an-danitra izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana”. (21:26). Nanatsoaka hevitra tamin’izany i Davida fa naniry ny hanaovana ilay trano teo i Jehovah, ka nanomboka ny asa izy tamin’ny famolavolana sy fanangonana ireo zavatra nilaina. Hoy izy: “Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an’i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy.” (22:5). Nanazava tamin’i Solomona izy fa tsy namela azy hanao ilay trano i Jehovah, satria lehilahin’ady sy nandatsa-dra izy. Nampirisika ny zanany mba hahery sy hatanjaka amin’io asa io izy ka nanao hoe: “Koa mitsangàna hianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.” — 22:16.

18. Noho ny zava-kendrena inona no nanaovana ny fanisana ny vahoaka?

18 Nandamina ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah i Davida (23:1–29:30). Natao ny fanisana ny vahoaka, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia araka ny sitrapon’Andriamanitra, mba handaminana indray ny asan’ireo mpisorona sy Levita. Ireo asan’ireo Levita dia lazalazaina amin’ny an-tsipiriany betsaka kokoa eto noho ny any amin’ny toerana hafa ao amin’ny Soratra Masina. Avy eo dia soritana ireo fizaran’ny asa ho an’ny mpanjaka.

19. Tamin’ny teny hoe ahoana no nanirahan’i Davida an’i Solomona, maritrano inona avy no nomeny, ary ohatra faran’izay tsara inona no nomeny?

19 Tany akaikin’ny faran’ny fotoana nanjakany feno fisehoan-javatra, i Davida dia nanangona ireo solontenan’ilay firenena manontolo, dia ny “kongregasionan’i Jehovah”. (28:8, NW ). Nitsangana ny mpanjaka. “Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako!” Avy eo izy dia niresaka tamin’izy ireo momba ny fanirian’ny fony, dia ny hanao ny “tranon’i Jehovah”. Teo anatrehan’izy ireo izy dia naniraka an’i Solomona hoe: “Ary hianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy hianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa hianao, dia hariany mandrakizay. Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.” (28:2, 9, 10, 12). Nanome ny tsipirian’ireo maritrano azony ara-tsindrimandry tamin’i Jehovah an’i Solomona tanora izy, ary nanao fanomezana harena manokana tsy toko tsy forohana ho an’ilay tetik’asa fanorenana — talenta volamena 3 000 sy talenta volafotsy 7 000, izay notahiriziny ho an’izany. Noho io ohatra faran’izay tsara teo anoloany io, ireo lehibe sy ny vahoaka dia namaly izany tamin’ny fanomezana talenta volamena 5 000 sy darika 10 000 ary talenta volafotsy 10 000, ary koa vy sy varahina be dia be. c (29:3-7). Faly ilay vahoaka noho io tombontsoa io.

20. Tampony manerinerina inona no tratra tamin’ny vavaka farany nataon’i Davida?

20 Avy eo i Davida dia nidera an’i Jehovah tamim-bavaka, tamin’ny fanekena fa io fanomezana tondraka rehetra io, raha ny tena izy, dia avy tamin’ny tanany ihany, sy tamin’ny fangatahana ny hitahiany hatrany ny vahoakany sy i Solomona. Io vavaka farany nataon’i Davida io dia nahatratra tampony manerinerina raha ny amin’ny fanandratana ny fanjakan’i Jehovah sy ny anarany be voninahitra, tamin’ny hoe: “Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tànanao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tànanao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitra ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.” — 29:10-13.

21. Amin’ny hevitra mendri-kaja inona no ifaranan’ny Tantara Voalohany?

21 Nohosorana fanindroany i Solomona ka nanomboka nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” nandimby an’i Davida nihantitra. Rehefa avy nanjaka 40 taona i Davida, dia maty “rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra”. (29:23, 28). Avy eo i Ezra dia mamarana ny Tantara Voalohany amin’ny hevitra mendri-kaja iray, tamin’ny fanantitranterana momba ny maha-ambony kokoa ny fanjakan’i Davida noho ny fanjakana rehetra teo amin’ireo firenena.

MAHASOA — NAHOANA?

22. Ahoana no nahazoan’ireo Isiraelita, mpiray firenena tamin’i Ezra, fampaherezana avy tamin’ny Tantara Voalohany?

22 Nahazo soa be dia be avy tamin’ny bokin’i Ezra ireo Isiraelita mpiray firenena taminy. Nanana io tantara feno, izay manana fomba fijery velombelona sy mahita ny lafy tsaran-javatra, io, izy ireo ka nankasitraka ireo fanehoana famindram-po feno fitiavana nataon’i Jehovah taminy, noho ny tsy fivadihany tamin’ilay fanekena ny amin’ny Fanjakana nataony tamin’i Davida Mpanjaka, ary koa noho ny anarany ihany. Nahazo fampaherezana izy ireo ka afaka nandray ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah tamin-jotom-po vaovao indray. Ireo tetirazana dia nanatanjaka ny fatokiany tamin’ny fisoronana izay niasa tao amin’ilay tempoly vao naorina.

23. Ahoana no nampiasan’i Matio sy i Lioka ary i Stefana tamin’ny fomba tsara ny Tantara Voalohany?

23 Nandraisan’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany soa be dia be koa ny Tantara Voalohany. I Matio sy i Lioka dia afaka niorina tamin’ireo tetirazana ao aminy mba hanorenana mazava fa i Jesosy Kristy no ilay “zanak’i Davida” sady Mesia nanana ny zo ara-dalàna. (Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38). Rehefa namarana ny fanambarana nataony farany i Stefana, dia niresaka momba ny fangatahan’i Davida hanao trano ho an’i Jehovah sy momba ny nanaovan’i Solomona mihitsy ilay fanorenana. Avy eo dia nasehony fa “ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin’izay nataon-tànan’olona”, ka nampiseho tamin’izany fa ilay tempoly tamin’ny andron’i Solomona dia sarin’ireo zavatra any an-danitra be voninahitra lavitra. — Asa. 7:45-50.

24. Inona teo amin’ny ohatra mamirapiratr’i Davida no azontsika alaina tahaka amin’izao andro izao?

24 Ahoana ny amin’ny Kristiana marina amin’izao andro izao? Ny Tantara Voalohany dia tokony hanorina sy handrisika ny finoantsika. Misy zavatra be dia be azontsika alaina tahaka amin’ny ohatra mamirapiratr’i Davida. Endre ny tsy fitoviany tamin’i Saoly tsy nahatoky, tamin’ny fanontaniana tamin’i Jehovah mandrakariva! (1 Tant. 10:13, 14, NW; 14:13, 14; 17:16; 22:17-19). Tamin’ny fitondrana ny fiaran’i Jehovah tany Jerosalema, tamin’ireo salamom-piderana nataony, tamin’ny fandaminany ireo Levita hiasa, ary tamin’ny fangatahany hanao trano be voninahitra iray ho an’i Jehovah, i Davida dia nampiseho fa i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana taminy no nibahana tao an-tsainy. (16:23-29). Tsy mpimenomenona izy. Tsy nitady tombontsoa manokana ho an’ny tenany izy, fa ny hanao ny sitrapon’i Jehovah fotsiny kosa. Araka izany, rehefa nanendry ny zanany hanao ilay trano i Jehovah, dia nanome toromarika tamin’ny fony rehetra ho an’ny zanany i Davida, ary nanome ny fotoanany, ny heriny ary ny hareny ho an’ny fanomanana ilay asa izay hanomboka aorian’ny fahafatesany. (29:3, 9). Tena ohatra faran’izay tsara ny amin’ny fandavan-tena tokoa izany! — Heb. 11:32.

25. Ho amin’ny fankasitrahana manao ahoana ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany no tokony hanosehan’ny Tantara Voalohany antsika?

25 Avy eo, dia eo ireo toko famaranana fara tampony. Ny fomba fiteny fatratra aoka izany nideran’i Davida an’i Jehovah sy nanomezany voninahitra ny “anarany kanto” dia tokony hanosika antsika ho feno fankasitrahana sy fifaliana noho ny tombontsoantsika amin’izao andro maoderina izao mampahafantatra ireo voninahitr’i Jehovah sy ny Fanjakan’i Kristy. (1 Tant. 29:10-13). Enga anie ny finoantsika sy ny fifaliantsika ho tahaka ny an’i Davida mandrakariva, eo am-panehoantsika ny fankasitrahantsika noho ny Fanjakan’i Jehovah mandrakizay amin’ny fandaniana ny herintsika eo amin’ny fanompoana azy. (17:16-27). Tena marina fa ny Tantara Voalohany dia mahatonga ny loha hevitry ny Baiboly, ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’ilay Taranany, hamirapiratra amin’ny fomba kanto kokoa noho ny hatramin’izay. Izy io àry dia mahatonga antsika hiandry ny fampahafantarana mampientana fanampiny ireo fikasan’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Commentary, nataon’i Clarke, Boky II, pejy 574.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 274-275.

c Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 1076.

[Fanontaniana]