Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-14 — 2 Tantara

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-14 — 2 Tantara

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-14 — 2 Tantara

Mpanoratra: Ezra

Toerana Nanoratana: Jerosalema (?)

Vita Tamin’ny: 460 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 1037 al.f.i. – 537 al.f.i.

1. Oviana i Ezra no namita ny bokin’ny Tantara, ary inona no fikasany tamin’izany?

 KOA satria ny bokin’ny Tantara Voalohany sy Faharoa dia miharihary fa boky iray ihany tany am-boalohany, ireo hevitra naroso tao amin’ny toko teo aloha ka manohana ny toe-javatra nanodidina ny fanoratana azy, ny mpanoratra azy, ny fotoana nanoratana azy, ny maha-kanônika azy ary ny maha-azo itokiana azy, dia mihatra amin’ireo boky roa ireo. Araka ny porofo naroso, i Ezra dia namita ny Tantara Faharoa tokony ho tany amin’ny 460 al.f.i., azo inoana fa tany Jerosalema. Ny fikasan’i Ezra dia ny hitahiry fanazavana ara-tantara izay natahorana ho very. Ny fanampian’ny fanahy masina, narahin’ny fahaizana tamin’ny naha-mpanoratra tantara azy hahazo sy hifantina tsipirian-javatra, dia nahatonga an’i Ezra hanao firaketana an-tsoratra araka ny marina sy maharitra iray. Nitahiry ho amin’ny hoavy izay noheveriny ho zava-nisy ara-tantara izy. Tena tamin’ny fotoana nety indrindra ny asan’i Ezra, satria izao dia tena nilaina koa ny hanangonana ny fitambaran’ireo asa soratra masina hebreo manontolo izay noraketina nandritra ireo taonjato maro lasa.

2. Nahoana no tsy misy antony hisalasalana momba ny maha-marina tsara ny bokin’ny Tantara?

2 Ireo Jiosy tamin’ny andron’i Ezra dia nandray soa be dia be avy tamin’ny fitantarana ara-tsindrimandry nataon’i Ezra. Nosoratana ho fampianarana azy ireo sy ho fampirisihana azy ireo hiaritra, izy io. Tamin’ny alalan’ny fampiononana avy tamin’ny Soratra Masina, dia afaka nanana fanantenana izy ireo. Nanaiky ny bokin’ny Tantara ho anisan’ny kanônan’ny Baiboly izy ireo. Fantatr’izy ireo fa mendrika hitokiana izy io. Afaka nanamarina azy io tamin’ny alalan’ireo asa soratra ara-tsindrimandry hafa sy ireo tantara ivelan’ny fivavahana maro notononin’i Ezra izy ireo. Na dia namela ireo tantara ivelan’ny fivavahana tsy ara-tsindrimandry ho levona aza izy ireo, dia nitahiry ny bokin’ny Tantara tamim-pitandremana. Ireo nandika ny Septante dia nampiditra ny bokin’ny Tantara ho anisan’ny Baiboly Hebreo.

3. Ahoana no ampisehoan’ny andinin-teny hafa ny maha-azo itokiana ny bokin’ny Tantara?

3 I Jesosy Kristy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana dia nanaiky azy io ho azo itokiana sy ara-tsindrimandry. Tsy isalasalana fa tao an-tsain’i Jesosy ny zava-nitranga toy izay voarakitra ao amin’ny 2 Tantara 24:21 rehefa nanameloka an’i Jerosalema ho mpamono sy mpitora-bato ny mpaminanin’i Jehovah sy ny mpanompony, izy. (Matio 23:35; 5:12; 2 Tant. 36:16). Rehefa niresaka momba an’i Abrahama ho toy ny “sakaizan’Andriamanitra” i Jakoba, dia angamba izy nanisy firesahana momba ilay tenin’i Ezra ao amin’ny 2 Tantara 20:7. (Jak. 2:23). Ilay boky koa dia mirakitra faminaniana izay tanteraka tsy nisy diso. — 2 Tant. 20:17, 24; 21:14-19; 34:23-28; 36:17-20.

4. Zavatra hitan’ny arkeolojia inona no manamarina ny maha-azo itokiana ny Tantara Faharoa?

4 Ny arkeolojia koa dia manamarina ny maha-azo itokiana ny Tantara Faharoa. Ny fihadiana tany natao teo amin’ny toerana nisy an’i Babylona fahizay dia namongatra takela-tanimanga nifandray tamin’ny fe-potoana nanjakan’i Nebokadnezara, ka ny iray tamin’izany dia nanonona an’i “Yaukin, mpanjakan’ny tanin’i Yahud”, izany hoe, i “Joiakina, mpanjakan’ny tanin’i Joda”. a Izany dia mifanentana tsara amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny nitondrana an’i Joiakina ho babo tany Babylona nandritra ny taona fahafito nanjakan’i Nebokadnezara.

5. Fe-potoana toy inona no voafaokan’ny Tantara Faharoa, ary nahoana ny tantaran’ny Joda no asongadina fa tsy ny an’ny fanjakan’ireo foko folo?

5 Ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Tantara Faharoa dia mandinika amin’ny an-tsipiriany ireo fisehoan-javatra tany Joda nanomboka tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona, izay nanomboka tamin’ny 1037 al.f.i., ka hatramin’ny didy navoakan’i Kyrosy tamin’ny 537 al.f.i. hanamboatra indray ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema. Ao anatin’io tantara nisy 500 taona io, ny fanjakan’ireo foko folo dia tsy asiana firesahana afa-tsy rehefa nanjary tafiditra tamin’ireo raharahan’ny Joda ihany, ary tsy tononina akory aza ny fandringanana io fanjakana tany avaratra io tamin’ny 740 al.f.i. Fa nahoana? Satria i Ezra mpisorona niahy voalohany indrindra ny amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tany amin’ny toerana nananany zo, dia ny tranony tany Jerosalema, sy ny fanjakana tao amin’ny firazanan’i Davida, izay nanaovan’i Jehovah ny fanekeny. Araka izany, dia ilay fanjakana tany atsimo no nampifantohan’i Ezra ny saina mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana marina sy hiandrasana ilay mpanapaka ho avy, avy tamin’ny Joda. — Gen. 49:10.

6. Amin’ny lafiny inona avy ny Tantara Faharoa no mampahery sy mandrisika?

6 Maka fomba fijery mampahery i Ezra. Amin’ireo toko 36 ao amin’ny Tantara Faharoa, ireo 9 voalohany dia natokana ho an’ny fotoana nanjakan’i Solomona, ka ny 6 amin’ireo dia natokana manontolo ho an’ny fanomanana sy ny fitokanana ny tranon’i Jehovah. Tsy manonona ny fivadihan’i Solomona ilay firaketana an-tsoratra. Amin’ireo toko 27 sisa, ny 14 dia momba ireo mpanjaka dimy izay nanaraka ny ohatr’i Davida tamin’ny fifikirana tsy mizarazara tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, raha ny tena izy: i Asa, i Josafata, i Jotama, i Hezekia ary i Josia. Na dia ao amin’ireo toko 13 hafa aza i Ezra dia mitandrina mba hanasongadina ireo toetra tsaran’ireo mpanjaka ratsy. Manantitrantitra ireo fisehoan-javatra nifandray tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny sy ny fiarovana ny fanompoam-pivavahana marina foana izy. Mandrisika tokoa izany!

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TANTARA FAHAROA

7. Ahoana no ‘nanandratan’i Jehovah indrindra’ an’i Solomona?

7 Ny voninahitry ny fotoana nanjakan’i Solomona (1:1–9:31). Rehefa manomboka ny Tantara Faharoa, dia mahita ny fitomboan’ny herin’i Solomona zanak’i Davida tamin’ny fanjakany isika. Nomba azy i Jehovah ary “nanandratra azy indrindra”. Rehefa nanatitra fanatitra tao Gibeona i Solomona, dia niseho taminy tamin’ny alina i Jehovah, ka nanao hoe: “Angataho izay tianao homeko anao.” Nangataka fahalalana sy fahendrena i Solomona mba hanapahana teo amin’ny vahoakan’i Jehovah araka ny tokony ho izy. Noho io fangatahany tsy nampiseho fitiavan-tena io, dia nampanantena Andriamanitra ny hanome an’i Solomona, tsy fahendrena sy fahalalana ihany, fa vola aman-karena sy voninahitra koa, “mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao”. Betsaka aoka izany ny harena nikoriana tao amin’ilay tanàna, hany ka tatỳ aoriana dia nanjary nataon’i Solomona “ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema”. — 1:1, 7, 12, 15.

8. Nanao ahoana ny fizotran’ny asa teo amin’ny tempoly, ary inona ny tsipiriany sasany tamin’ny fanorenana azy io?

8 Naka an-tery mpiasa ho an’ilay asa fanorenana ny tranon’i Jehovah i Solomona, ary nandray anjara tamin’izy io koa i Hirama Mpanjakan’i Tyro tamin’ny fandefasana hazo sy mpiasa kinga. “Tamin’ny taona fahefatra” nanjakan’i Solomona, dia natomboka ny fanorenana, ary vita izy io fito taona sy tapany tatỳ aoriana, tamin’ny 1027 al.f.i. (3:2). Teo anoloan’ilay tempoly mihitsy dia nisy lavarangana fidirana nalalaka iray izay nahatratra 120 hakiho (53,4 m.) ny haavony. Nisy andry varahina makadiry roa, ka ny iray nantsoina hoe Jakina, izay midika hoe “[Jehovah] Anie Hanorina Mafy”, ary ilay iray hafa nantsoina hoe Boaza, izay toa nidika hoe “Amin-kery”, nitsangana teo anoloan’ilay lavarangana. (3:17). Raha ilay trano mihitsy, dia kely ihany, satria 60 hakiho (26,7 m.) ny halavany, 30 hakiho (13,4 m.) ny haavony ary 20 hakiho (8,9 m.) ny sakany, fa ny rindriny sy ny valindrihany kosa dia nopetahana takela-bolamena; ny efitrano anatiny tao aminy mihitsy, ny Masina Indrindra, dia noravahana volamena fatratra. Nisy ireo kerobima volamena roa koa tao, teo amin’ny ilany avy tamin’ilay efitrano, ka ny elatr’izy ireo dia samy nivelatra ary nifampikasoka teo afovoany.

9. Lazalazao ny amin’ireo fanaka tao amin’ny kianja sy tao amin’ny tempoly.

9 Tao amin’ilay kianja anatiny, dia nisy alitara varahina goavana 20 hakiho (9 m.) ny lafiny tsirairay taminy ary 10 hakiho (4,5 m.) ny haavony. Ny zavatra nanaitra hafa koa tao amin’ilay kianja dia ilay ranomasina voarendrika (NW ), dia tavin-drano varahina makadiry iray izay nitaingina teo amin’ny omby varahina 12, izay nitodika tany ivelany, ka ny vazan-tany iray no nitodihan’ny telo. Io ranomasina io dia nahalany rano “telo arivo bata” (66 000 l.), izay nampiasain’ireo mpisorona mba hisasana. (4:5). Tao amin’io kianja io koa dia nisy lovia varahina kely folo nipetraka teo ambonin’ny fitoeran-tavin-drano varahina voaravaka, ary tao amin’io rano io no nanakobanana ireo zavatra nifandray tamin’ireo fanatitra dorana. Nofenoina avy tamin’ny rano tao amin’ilay ranomasina voarendrika izy ireo ary nentina tany amin’izay nilana ilay rano. Fanampin’izany, dia teo ireo fanaovan-jiro volamena folo sy fanaka maro hafa, ka ny sasany volamena ary ny hafa varahina, ho an’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly. b

10. Inona no nitranga rehefa nampidirina tao amin’ny Masina Indrindra ilay Fiara?

10 Farany, taorian’ny asa naharitra fito taona sy tapany, dia vita ilay tranon’i Jehovah. (1 Mpanj. 6:1, 38). Ny andro nitokanana azy no fotoana nampidirana ilay famantarana ny fanatrehan’i Jehovah tao amin’ilay efitrano anatiny indrindra tamin’io trano kanto dia kanto io. ‘Nampidirin’ireo mpisorona tao amin’ny fitoerany tao anatin’ny efitrano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima, ilay fiaran’ny faneken’i Jehovah.’ Inona no nitranga avy eo? Rehefa tafaray tamin’ny hira iray mba hiderana sy hisaorana an’i Jehovah ireo mpihira sy mpahay mozika levita, dia feno rahona ilay trano, ary tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ireo mpisorona, satria “feno ny voninahitr’i Jehovah” ny tranon’ilay Andriamanitra marina. (2 Tant. 5:7, 13, 14). Toy izany no nampisehoan’i Jehovah ny fankasitrahany ilay tempoly sy nanomezany porofon’ny fanatrehany tao.

11. Vavaka inona no natolotr’i Solomona, ary inona no nangatahiny?

11 Nisy lampihazo varahina iray, nanana haavo telo hakiho (1,3 m.), naorina ho an’ilay fotoana, ary napetraka tao amin’ny kianja anatiny izy io, teo akaikin’ilay alitara varahina goavana. Teo amin’io toerana avo io, i Solomona dia hitan’ireo vahoaka sesehena tafavory ho an’ny fitokanana ilay tempoly. Taorian’ny fanehoana nahagaga ny fanatrehan’i Jehovah tamin’ny alalan’ilay rahom-boninahitra, i Solomona dia nandohalika teo anoloan’ilay vahoaka ary nanolotra vavaka nampihetsi-po nanehoany fankasitrahana sy dera. Nirakitra fitohitohizana fangatahana famelan-keloka sy fitahiana tamim-panetren-tena koa izy io. Ho famaranana, dia nitalaho izy hoe: “Ankehitriny, ry Andriamanitra ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, ary aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity. Ry Jehovah Andriamanitro ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindrampo nampanantenaina an’i Davida mpanomponao.” — 6:40, 42.

12. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’i Solomona, ary nifarana tamin’ny lafin-javatra falifaly inona ilay fankalazana naharitra 15 andro?

12 Nahare io vavaka nataon’i Solomona io ve i Jehovah? Raha vantany vao avy nivavaka i Solomona, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra, ka “feno ny voninahitr’i Jehovah ny trano”. Izany dia nitarika ny vahoaka rehetra hiankohoka sy hidera an’i Jehovah, “fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony”. (7:1, 3). Avy eo dia nisy fanatitra goavana natao ho an’i Jehovah. Ny fitokanana niravoravoana nandritra ny herinandro dia narahin’ny Andro Firavoravoana Amin’ny Herinandro naharitra herinandro sy sabata iray tsy niasana. Taorian’io fankalazana falifaly sy nampahatanjaka ara-panahy io, izay naharitra 15 andro, dia nampodin’i Solomona tany an-dainy avy ny olona, faly sy ravoravo. (7:10). I Jehovah koa dia faly. Nanamafy ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana tamin’i Solomona izy, no sady nampitandrina azy ny amin’ireo vokatra nahatahotry ny tsy fankatoavana.

13. a) Asa fanorenana inona no nanaraka ny an’ilay tempoly? b) Nanao ahoana ny tenin’ny mpanjakavavin’i Sheba rehefa nahita ny fanjakan’i Solomona izy?

13 Nanao asa fanorenana be dia be nanerana ny faritra nanapahany izao i Solomona. Tsy nanorina lapa ho an’ny tenany ihany izy, fa tanàna mafy, tanàna fitahirizana, tanàna fitoeran-kalesy, tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly koa, ary koa izay rehetra niriny haorina. Fe-potoana nisian’ny fanambinana sy fiadanana be voninahitra tamin’izay, satria ny mpanjaka sy ny vahoaka dia samy nahatsiaro ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Na dia ny mpanjakavavin’i Sheba, avy tany amin’ny maherin’ny 1 900 kilaometatra aza dia nahare ny amin’ny fanambinana sy ny fahendren’i Solomona ary nanao ilay dia lavitra sady nanasatra, mba hahitan’ny tenany izany. Diso fanantenana ve izy? Tsy izany velively, satria niaiky toy izao izy: “Tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko hianao. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto”. (9:6, 7). Tsy nisy mpanjaka hafa teto an-tany nihoatra ny haren’i Solomona sy ny fahendreny. Nanjaka 40 taona tao Jerosalema izy.

14. Nahoana no vetivety aoka izany dia nosintonina tamin’ny Isiraely ny voninahiny?

14 Ny fanjakan’i Rehoboama sy i Abia (10:1–13:22). Ny fanapahana nasiaka sy nampahory nataon’i Rehoboama zanak’i Solomona dia nahatonga ireo foko folo tany avaratra teo ambany fanapahan’i Jeroboama hikomy tamin’ny 997 al.f.i. Kanefa ireo mpisorona sy Levita tamin’ireo fanjakana roa ireo dia niandany tamin’i Rehoboama, ka nametraka ny tsy fivadihany tamin’ilay Fanjakana ho ambonin’ny fanindrahindram-pirenena. Tsy ela i Rehoboama dia nandao ny lalàn’i Jehovah, ary dia nanafika i Sisaka Mpanjakan’i Egypta ka niditra tao Jerosalema sy namabo ireo zava-tsarobidy tao amin’ny tranon’i Jehovah. Nampalahelo erỳ fa zara raha nisy mahery kelin’ny 30 taona taorian’ny nanorenana azy, dia efa nosintonina tamin’ireo trano noravahana tamin’ny fomba kanto dia kanto ireo, ny voninahiny! Ny antony: “Nivadika tamin’i Jehovah” ilay firenena. Nanetry tena (NW ) ara-potoana tsara i Rehoboama, hany ka tsy nandringana tanteraka ilay firenena i Jehovah. — 12:2.

15. Ady inona avy no nanaraka ny nahafatesan’i Rehoboama, ary nahoana ny Joda no hita ho ambony kokoa noho ny Isiraely?

15 Rehefa maty i Rehoboama, dia i Abia, ny iray tamin’ireo zanany 28, no natao mpanjaka. Ireo telo taona nanjakan’i Abia dia voamariky ny ady feno ra nandriaka tamin’ny Isiraely tany avaratra. Avo roa heny noho ny an’ny Joda ny tafik’i Jeroboama izay nisy 800 000 lahy, raha 400 000 ny an’ny Joda. Nandritra ireo ady nahatsiravina nanaraka, dia nihena ka latsaka ny antsasany sisa ireo mpiadin’ny Isiraely, ary ringana ireo mpivavaka tamin’ny ombilahy kely nisy antsasa-tapitrisa. Ny taranak’i Joda no ambony kokoa (NW ) satria “niankina tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny razany”. — 13:18.

16. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka maika nataon’i Asa?

16 Asa, Mpanjaka natahotra an’Andriamanitra (14:1–16:14). Nodimbasan’i Asa zanany i Abia. I Asa dia mpiady ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. Nanao ezaka manokana izy mba hanadiovana ilay tany tamin’ny fivavahana tamin’ny sary. Kanefa, indro, fa norahonan’ny miaramila nahatahotra voaforona Etiopiana iray tapitrisa ny Joda. Nivavaka i Asa hoe: “Vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto.” Namaly izany i Jehovah tamin’ny fanomezana azy fandresena niezinezina. — 14:10.

17. Ahoana no nahazoan’i Asa fampaherezana mba hanova ny fanompoam-pivavahana tao Joda, kanefa notenenina mafy noho ny inona izy?

17 Tonga tamin’i Azaria ny fanahin’Andriamanitra mba hilaza tamin’i Asa hoe: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy”. (15:2). Nahazo fampaherezana lehibe avy tamin’izany i Asa ka nanova ny fanompoam-pivavahana tao Joda, ary nanao fanekena ny vahoaka fa na iza na iza tsy hitady an’i Jehovah dia hatao maty. Kanefa, rehefa nanangana fefy mba hisakanana ny fifindran’ny Isiraelita be dia be ho any Joda i Basa, mpanjakan’ny Isiraely, dia nanao fahadisoana lehibe i Asa tamin’ny fangatahana an’i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, mba hiady tamin’ny Isiraely, fa tsy nitodika tany amin’i Jehovah kosa mba hahazoana fanampiana. Noho izany dia notenenin’i Jehovah mafy izy. Na dia izany aza, dia “nahitsy ny fon’i Asa tamin’ny androny rehetra”. (15:17). Maty teo amin’ny faha-41 taona nanjakany izy.

18. a) Inona no ezaka manokana nataon’i Josafata ho an’ny fanompoam-pivavahana marina, ary inona avy ny vokany? b) Saika nitarika ho amin’ny loza inona ny fanekem-panambadiana nataony?

18 Ny fanjakana tsaran’i Josafata (17:1–20:37). I Josafata, zanak’i Asa, dia nanohy ny ady nataony tamin’ny fivavahana tamin’ny sary ary nanomboka ny ezaka fampianarana manokana vaovao iray. Izany dia ny fandehanan’ny mpampianatra nanerana ireo tanànan’ny Joda sy ny nampianarany ny vahoaka avy tamin’ny bokin’ny Lalàn’i Jehovah. Nisy fotoam-panambinana sy fiadanana lehibe nanaraka izany, ary i Josafata dia “nihanahery indrindra”. (17:12). Avy eo anefa dia nanao fanekem-panambadiana (NW ) tamin’i Ahaba, Mpanjaka ratsin’ny Isiraely izy ary nidina hanampy azy hiady tamin’ilay herim-panjakana syriana nihanitombo. Tamin’izay izy dia nanao tsinontsinona an’i Mikaia mpaminanin’i Jehovah ary dia zara raha nahavonjy ny ainy, rehefa maty an’ady tany Ramota-gileada i Ahaba. Notenenin’i Jeho, mpaminanin’i Jehovah, mafy i Josafata noho izy niray tetika tamin’i Ahaba ratsy fanahy. Taorian’izay i Josafata dia nanendry mpitsara nanerana ilay tany, ary nanome toromarika azy ireo mba hisahana ny adidiny noho ny tahotra an’Andriamanitra.

19. Teo amin’ny fara tampon’ny fotoana nanjakan’i Josafata, ahoana moa no nahitana fa an’Andriamanitra ny ady?

19 Tonga izao ny fara tampony tamin’ny fotoana nanjakan’i Josafata. Ireo miaramila tafarain’i Moaba sy i Amona ary ny avy tany an-tendrombohitr’i Seïra dia tonga hamely ny Joda, tamin-kery nahatahotra. Tonga nirohotra namakivaky ny efitr’i En-jedy izy ireo. Raiki-tahotra ny vahoaka. Nitsangana teo anatrehan’i Jehovah i Josafata sy ny Joda rehetra “mbamin’ny vadiny aman-janany”, ary nitady azy tamim-bavaka. Tonga teo amin’i Jahaziela Levita (NW ), izay niantsoantso toy izao tamin’ilay vahoaka sesehena tafavory, ny fanahin’i Jehovah: “Mihainoa hianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary hianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. Rahampitso dia midìna hiady aminy hianareo (...) fa Jehovah no momba anareo.” Nifoha maraina koa ny Joda ka niainga ary ny mpihira levita no nitarika. Nampahery azy ireo toy izao i Josafata: “Minoa an’i Jehovah (...) minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo.” Nankalaza an’i Jehovah tamim-pifaliana ireo mpihira, “fa mandrakizay ny [hatsaram-panahiny miharo fitiavana, NW ]”. (20:13, 15-17, 20, 21). Naneho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana tamin’ny fomba nahatalanjona i Jehovah, tamin’ny fanisiana otrika hamely ireo miaramila nanafika, hany ka nifandripaka izy ireo. Rehefa tonga teo amin’ilay fitazanana tany an’efitra ireo mponin’ny Joda feno haravoana, dia tsy nahita afa-tsy faty. Tena marina fa an’Andriamanitra ny ady! Hatrany amin’ny faran’ireo 25 taona nanjakany i Josafata dia nandeha tamim-pahatokiana teo anatrehan’i Jehovah.

20. Loza inona avy no nanamarika ny fotoana nanjakan’i Jehorama?

20 Ny fanjakana ratsin’i Jehorama sy i Ahazia ary i Atalia (21:1–23:21). I Jehorama, zanak’i Josafata, dia nanomboka tamin’ny fomba ratsy, rehefa namono ireo rahalahiny rehetra. Kanefa notsimbinin’i Jehovah ny ainy noho ilay fanekena nataony tamin’i Davida. Nanomboka niodina i Edoma. Avy tany amin’ny toerana tsy fantatra, i Elia dia nandefa taratasy iray, nampitandrina an’i Jehorama fa hamely ny ankohonany amin’ny areti-mandringana i Jehovah ary koa fa ho faty amin’ny fomba mahatsiravina ny tenany. (21:12-15). Marina tokoa ilay faminaniana, satria tena nanafika sy nandroba an’i Jerosalema ireo Filistina sy ireo Arabo, ary matin’ny aretin-tsinay naharikoriko ilay mpanjaka, rehefa avy nanjaka valo taona.

21. Zavatra ratsy inona avy no vokatry ny nanapahan’i Atalia tany Joda, kanefa ahoana no nahombiazan’i Joiada hamerina ny seza fiandrianan’i Davida tamin’ny laoniny?

21 I Ahazia (Jehoahaza), ny hany zanak’i Jehorama tsy maty, no nandimby azy, kanefa niharan’ny fitaomana ratsin’i Atalia reniny sady zanak’i Ahaba sy i Jezebela, izy. Tapitra tampoka ny fanjakany rehefa afaka herintaona, noho ny fanesoran’i Jeho ny taranak’i Ahaba. Tamin’izay i Atalia dia namono ireo zafikeliny ary nandrombaka ny seza fiandrianana. Kanefa, tsy maty tamin’izay ny iray tamin’ireo zanak’i Ahazia. Izany dia i Joasy, zaza herintaona, izay nampidirin’i Joseba anabavin-drainy an-tsokosoko tao an-tranon’i Jehovah. Nanjaka enin-taona i Atalia, ary avy eo, i Joiada mpisoronabe, vadin’i Joseba, dia naka an’i Joasy mbola kely tamin-kerim-po ary nanambara azy ho mpanjaka, tamin’ny naha-iray tamin’ireo “taranak’i Davida” azy. Rehefa tonga tao an-tranon’i Jehovah i Atalia dia nandriatra ny fitafiany ka nihiaka hoe: “Fikomiana! Fikomiana!” Very maina foana anefa izany. Nasain’i Joiada natsipy tany ivelan’ny tempoly sy natao maty izy. — 23:3, 13-15.

22. Ahoana no naha-tsara fiantombohana nefa ratsy fiafara ny fanjakan’i Joasy?

22 Tsara fiantombohana fa ratsy fiafara ny fanjakan’i Joasy sy i Amazia ary i Ozia (24:1–26:23). Nanjaka 40 taona i Joasy, ary raha mbola velona koa i Joiada mba hampihatra fitaomana tsara taminy, dia nanao izay mahitsy izy. Nampiseho fahalianana tamin’ny tranon’i Jehovah, izay nasainy namboarina, mihitsy aza izy. Rehefa maty anefa i Joiada, dia niharan’ny fitaoman’ireo mpanapaka ny Joda i Joasy ka niodina tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ary nanompo tsato-kazo masina (NW ) sy sampy. Rehefa netsehin’ny fanahin’Andriamanitra mba hiteny mafy ny mpanjaka i Zakaria, zanak’i Joiada, dia nasain’i Joasy notoraham-bato ho faty ilay mpaminany. Tsy ela taorian’izay, dia nisy miaramila syriana vitsivitsy nanafika, ary tsy afaka nandresy tosika azy ireo akory ireo miaramila jodiana izay betsaka lavitra, “noho ny nahafoizany an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany”. (24:24). Izao dia ny mpanompon’i Joasy mihitsy no nitsangana ary namono nahafaty azy.

23. Modelin’ny tsy fahatokiana inona no narahin’i Amazia?

23 Nandimby an’i Joasy rainy i Amazia. Nanomboka ireo 29 taona nanjakany tamin’ny fomba tsara izy. Tatỳ aoriana anefa, dia tsy nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah izy, satria nanorina sy nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ireo sampin’ireo Edomita. “Andriamanitra mikasa hahafaty anao”, hoy ny fampitandreman’ny mpaminanin’i Jehovah. (25:16). Kanefa, dia tonga mpirehareha i Amazia ary nihaika ny Isiraely tany avaratra. Marina ilay tenin’Andriamanitra, fa tena niharan’ny faharesena nampietry teo an-tanan’ireo Isiraelita izy. Taorian’iny fahareseny iny, dia nisy mpioko nitsangana ka namono azy.

24. Ahoana no nahatongavan’ny tanjak’i Ozia ho ny fahalemeny, ary inona no vokany?

24 Nanaraka ny dian-drainy i Ozia, zanak’i Amazia. Nanjaka tamin’ny fomba tsara izy nandritra ny tapany lehibe indrindra tamin’ireo 52 taona, ka nahazo laza noho izy nanam-pahaizana manokana ara-tafika, nanorina tilikambo ary “tia asa tany”. (26:10). Nanome fitaovana milina enti-miady ho an’ny miaramila izy. Kanefa dia nanjary fahalemeny ny tanjany. Nanjary niavonavona izy ary sahisahy ratsy naka ny adidin’ny mpisorona tamin’ny fanolorana ditin-kazo manitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Noho izany, dia namely azy tamin’ny habokana i Jehovah. Vokatr’izany, dia voatery niaina nitokana izy, lavitra ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny mpanjaka, izay nitsaran’i Jotama zanany ny vahoaka teo amin’ny toerany.

25. Nahoana i Jotama no nahomby?

25 Nanompo an’i Jehovah i Jotama (27:1-9). Tsy nitovy tamin-drainy i Jotama, satria “tsy niditra an-keriny tao amin’ny tempolin’i Jehovah” (NW ). “Nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah” kosa izy. (27:2). Nandritra ireo 16 taona nanjakany, dia nanao asa fanorenana be dia be izy ary nahavita namarana fikomiana iray teo amin’ireo Amonita.

26. Latsaka tao anatin’ny faharatsiana tsy nisy toa azy inona avy i Ahaza?

26 Ahaza, Mpanjaka ratsy fanahy (28:1-27). Hita ho anisan’ireo ratsy indrindra tamin’ireo mpanjaka jodiana 21 i Ahaza, zanak’i Jotama. Zavatra tafahoatra mihitsy no vitany tamin’ny fanolorana ireo zanany ho fanatitra dorana ho an’andriamanitra sampy. Noho izany, dia nandao azy ho resin’ireo miaramilan’i Syria, i Isiraely, i Edoma ary i Filistia, koa i Jehovah. Nampietry ny Joda àry i Jehovah satria i Ahaza “nanaram-po nanao ratsy teo amin’ny Joda ka nivadika tamin’i Jehovah”. (28:19). Nanao zavatra ratsy kokoa hatrany i Ahaza rehefa nanao fanatitra ho an’ireo andriamanitr’i Syria, satria hita ho nahery noho izy tany an’ady ireo Syriana. Nandrindrina ny varavaran’ny tranon’i Jehovah izy ary nanolo ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’andriamanitra sampy. Nifarana rehefa afaka 16 taona ny fotoana nanjakan’i Ahaza, ary tsy haingana loatra akory izany.

27. Ahoana no nampisehoan’i Hezekia zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah?

27 Hezekia, Mpanjaka nahatoky (29:1–32:33). Nanjaka 29 taona tao Jerosalema i Hezekia, zanak’i Ahaza. Ny zavatra voalohany nataony dia ny nanokatra indray ary nanamboatra ny varavaran’ny tranon’i Jehovah. Avy eo izy dia namory ireo mpisorona sy Levita, ka nanome azy ireo toromarika mba hanadio ny tempoly sy hanamasina azy io ho an’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanambara izy fa naniry hanao fanekena tamin’i Jehovah ny tenany mba hialana tamin’ny fahatezerany nirehitra. Narahina indray tamin’ny fomba nalaza ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah.

28. Fety nanetriketrika inona no notandreman’i Hezekia tany Jerosalema, ary ahoana no nanehoan’ny vahoaka ny fifaliany?

28 Nokasaina ny hanaovana Paska nanetriketrika iray, kanefa satria tsy ampy ny fotoana hanomanana azy io tamin’ny volana voalohany, dia nohararaotina ny fandaharana iray tao amin’ny Lalàna, ka nankalazaina tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Hezekia, ilay izy. (2 Tant. 30:2, 3; Nom. 9:10, 11). Tsy ny Joda rehetra ihany no nasain’ny mpanjaka mba hanatrika izany, fa ny Isiraely koa, ary, na dia nihomehy an’ilay fanasana aza ny sasany tany Efraima sy Manase ary Zebolona, dia nisy hafa nanetry tena ka tonga tany Jerosalema niaraka tamin’ny Joda rehetra. Nanaraka ny Paska, dia notandremana ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Endre izany fety falifaly naharitra hafitoana! Tena nampahery aoka izany ilay izy, hany ka nanitatra ilay fety hafitoana fanampiny ilay kongregasiona (NW ) manontolo. “Nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin’ny andron’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.” (2 Tant. 30:26). Taorian’izany ilay vahoaka tafaorina ara-panahy indray dia nanao ezaka manokana niavaka aoka izany mba hanesorana ny fanompoan-tsampy tamin’ny Joda sy ny Isiraely. I Hezekia kosa dia namerina ny fanaovana ny fanomezana ara-nofo ho an’ireo Levita sy ireo asa tao amin’ny tempoly.

29. Ahoana no namalian’i Jehovah soa ny fitokian’i Hezekia taminy tsy nisy fihambahambana?

29 Avy eo, i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, dia nanafika ny Joda ary nandrahona an’i Jerosalema. Nisikina herim-po (NW ) i Hezekia, nanamboatra izay simba tamin’ireo toeram-piarovan’ilay tanàna, ary nihaika ireo fanebahana nataon’ny fahavalo. Nametraka fitokiana feno tamin’i Jehovah izy, ka tsy nitsahatra nivavaka mba hahazoana fanampiana (NW ). Namaly tamin’ny fomba nampihetsi-po lalina izany vavaka naneho finoana izany i Jehovah. “Naniraka anjely [iray, NW ] izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asyria” izy. (32:21). Niverina nody tamin-kenatra i Sankeriba. Na dia ireo andriamaniny aza dia tsy afaka nanampy azy tsy ho afa-baraka, satria tatỳ aoriana dia novonoin’ireo zanany naterany ihany teo amin’ny alitarany izy. (2 Mpanj. 19:7). Nohalavain’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga ny androm-piainan’i Hezekia, ary dia nanjary nanana harena sy voninahitra be indrindra izy, ary ny Joda rehetra dia nanome voninahitra azy rehefa maty izy.

30. a) Niverina ho amin’ny faharatsiana inona i Manase, kanefa inona no nanaraka ny fibebahany? b) Inona no nanamarika ny fotoana fohy nanjakan’i Amona?

30 Nanjaka tamin-karatsiana i Manase sy i Amona (33:1-25). I Manase, zanak’i Hezekia, dia niverina nanaraka ny lalan-dratsin’i Ahaza raibeny, ka nandrava ny tsara rehetra notanterahina nandritra ny fotoana nanjakan’i Hezekia. Nanorina ireo fitoerana avo izy, nanorina ireo tsato-kazo masina (NW ), ary nanolotra ireo zanany ho fanatitra ho an’andriamani-diso mihitsy aza. Farany, dia nentin’i Jehovah hamely ny Joda ny mpanjakan’i Asyria, ka nentina ho babo tany Babylona i Manase. Tany izy dia nibebaka noho ny ratsy nataony. Rehefa naneho famindram-po i Jehovah tamin’ny famerenana azy teo amin’ny toeran’ny mpanjaka, dia niezaka hamongotra ny fanompoam-pivavahana tamin’ny demonia sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina, izy. Kanefa, rehefa maty i Manase rehefa avy nanjaka ela 55 taona, dia i Amona zanany no niakatra teo amin’ny seza fiandrianana ary nanohana mafy tamin-karatsiana ny fanompoam-pivavahan-diso indray. Rehefa afaka roa taona, dia ny mpanompony ihany no namono azy.

31. Inona avy ireo zavatra nisongadina tamin’ny fanjakana feno herim-pon’i Josia?

31 Ny fanjakana feno herim-pon’i Josia (34:1–35:27). I Josia, zanak’i Amona mbola kely, dia nanao ezaka tamin-kerim-po mba hamerina ny fanompoam-pivavahana marina. Nasainy noravana ireo alitaran’i Bala sy ireo sarin-javatra voasokitra, ary namboariny ny tranon’i Jehovah, izay nahitana “ny bokin’ny lalàn’i Jehovah, ilay nampilazaina an’i Mosesy”, tsy isalasalana fa ilay kopia tany am-boalohany. (34:14). Kanefa nilazana i Josia, olo-marina, fa ho avy eo amin’ilay tany ny loza noho ny tsy fahatokiana izay efa nitranga, saingy tsy ho amin’ny androny. Tamin’ny taona faha-18 nanjakany, dia nandamina ny fankalazana ny Paska tamin’ny fomba niavaka izy. Rehefa avy nanjaka 31 taona i Josia, dia maty tamin’ny ezaka very maina foana nataony hisakanana ireo tafika egyptiana tsy handalo tao amin’ilay tany tamin’ny dian’izy ireo ho any Eofrata.

32. Ahoana no nitarihan’ireo mpanjaka efatra farany an’i Joda ho any amin’ny fiafarany nahatsiravina?

32 Joahaza, Joiakima, Joiakina, Zedekia ary ny fahafoanan’i Jerosalema (36:1-23). Ny faharatsian’ireo mpanjaka jodiana efatra farany dia nitondra haingana ilay firenena tany amin’ny fiafarany nahatsiravina. I Joahaza, zanak’i Josia, dia tsy nanapaka afa-tsy telo volana monja, satria nesorin’i Neko, Faraon’i Egypta. Nodimbasan’i Eliakima rahalahiny, izay novana ho Joiakima ny anarany, izy, ary nandritra ny fotoana nanjakan’io, ny Joda dia nanjary nofehezin’i Babylona, ilay herim-panjakana vaovao teo amin’izao tontolo izao. (2 Mpanj. 24:1). Rehefa nikomy i Joiakima, dia niakatra tany Jerosalema i Nebokadnezara mba hanasazy azy tamin’ny 618 al.f.i., kanefa maty tamin’io taona io ihany i Joiakima, rehefa avy nanjaka 11 taona. Nodimbasan’i Joiakina zanany, izay 18 taona, izy. Rehefa zara raha nanjaka telo volana i Joiakina, dia nitolo-batana tamin’i Nebokadnezara ary nentina ho babo tany Babylona. Izao i Nebokadnezara dia nametraka an’i Zedekia, ny zanakalahy fahatelon’i Josia, sady rahalahin-drain’i Joiakina, teo amin’ny seza fiandrianana. Nanjaka tamin-karatsiana 11 taona i Zedekia, ka nanda ‘tsy hanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin’Andriamanitra’. (2 Tant. 36:12). Tamin’ny fanehoana tsy fahatokiana tamin’ny lafiny lehibe, ireo mpisorona sy ny vahoaka dia samy nandoto ny tranon’i Jehovah.

33. a) Ahoana no nanombohan’ilay fahafoanana naharitra 70 taona, “hanatanterahana ny tenin’i Jehovah”? b) Didy ara-tantara inona no noraketina tao amin’ireo andininy roa farany amin’ny Tantara Faharoa?

33 Farany, i Zedekia dia nikomy tamin’ny ziogan’i Babylona, ary tamin’itỳ indray mandeha itỳ, i Nebokadnezara dia tsy naneho famindram-po. Feno ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy nisy nahavonjy azy. Nianjera i Jerosalema, norobaina sy nodorana ny tempoliny ary ireo olona sisa tsy maty tamin’ilay fahirano naharitra 18 volana dia nentina ho babo tany Babylona. Navela ho foana i Joda. Noho izany, tamin’io taona 607 al.f.i. io ihany, dia nanomboka ilay fahafoanana, “hanatanterahana ny tenin’i Jehovah nampilazaina an’i Jeremia (...) mandra-pahatapitry ny fito-polo taona”. (36:21). Avy eo ny mpanoratra ilay fitantarana dia nitsambikina fe-potoana efa ho 70 taona, mba hiraketana ao amin’ireo andininy roa farany, ilay didy manan-tantara navoakan’i Kyrosy tamin’ny 537 al.f.i. Hafahana ireo Jiosy babo! Tsy maintsy mitsangana indray i Jerosalema!

MAHASOA — NAHOANA?

34. Inona no antitranterina ao amin’ireo fanazavana nofantenan’i Ezra, ary tamin’ny ahoana izany no nahasoa an’ilay firenena?

34 Ny Tantara Faharoa dia manampy ny teny fanamarinany mahery amin’ny an’ireo vavolombelona hafa momba io fe-potoana feno fisehoan-javatra io, nanomboka tamin’ny 1037 al.f.i. ka hatramin’ny 537 al.f.i. Ambonin’izany, izy io dia manome fanazavana sarobidy fanampiny izay tsy hita ao amin’ireo tantara kanônika hafa. Ohatra ny amin’izany ny 2 Tantara toko faha-19 sy faha-20 ary faha-29 ka hatramin’ny faha-31. Ny fanazavana nofantenan’i Ezra dia nanantitrantitra ireo lafin-javatra fototra sy naharitra teo amin’ny tantaran’ilay firenena, dia ny an’ny fisoronana sy ny fanompoany, ny tempoly ary ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana. Izany dia nahasoa satria nampiray ilay firenena teo am-piandrasana ilay Mesia sy ny Fanjakany.

35. Hevi-dehibe inona avy no porofoin’ireo andininy mamarana ny Tantara Faharoa?

35 Ireo andininy mamarana ny Tantara Faharoa, (36:17-23), dia manome porofo mafy orina ny amin’ny fahatanterahan’ny Jeremia 25:12. Ho fanampin’izany, izy ireo dia mampiseho fa 70 taona feno no tsy maintsy isaina nanomboka tamin’ny fahafoanana fenon’ilay tany mandra-pamerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tany Jerosalema tamin’ny 537 al.f.i. Noho izany, io fahafoanana io dia nanomboka tamin’ny 607 al.f.i. cJer. 29:10; 2 Mpanj. 25:1-26; Ezra 3:1-6.

36. a) Fananarana mahery inona no raketin’ny Tantara Faharoa? b) Ahoana no anatanjahan’izany ny fiandrasana ilay fanjakana?

36 Ny Tantara Faharoa dia mirakitra fananarana mahery ho an’ireo izay mandeha ao amin’ny finoana kristiana. Maro be aoka izany tamin’ireo mpanjakan’ny Joda no nanomboka tamin’ny fomba tsara kanefa avy eo dia latsaka tao anatin’ny fanao ratsy. Mampiseho amin-kery toy inona moa io firaketana ara-tantara io fa miankina amin’ny fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra ny fahombiazana! Noho izany, dia tokony hahazo fampitandremana isika mba tsy ho “naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa [ho] naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. (Heb. 10:39). Na dia i Hezekia, Mpanjaka nahatoky, aza dia nanjary niavonavona rehefa sitrana tamin’ny aretiny, ka noho izy nanetry tena haingana ihany vao afaka nisoroka ny fahatezeran’i Jehovah. Ny Tantara Faharoa dia manandratra ireo toetra mahatalanjon’i Jehovah ary mankalaza ny anarany sy ny fiandrianany. Ilay tantara manontolo dia aseho avy amin’ny lafiny iray, dia ny an’ny fifikirana tsy mizarazara amin’i Jehovah. Rehefa manisy fanantitranterana ny amin’ny firazanan’i Joda, dia ny tarana-mpanjaka, izy io, dia manatanjaka ny fanantenantsika ny hahita ny fanompoam-pivavahana madio hisandratra eo ambany fanapahana mandrakizain’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy, ilay “zanak’i Davida” tsy nivadika. — Matio 1:1; Asa. 15:16, 17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 108.

b Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 750-751; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1447-1449.

c Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 294; Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 326.

[Fanontaniana]