Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-15 — Ezra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-15 — Ezra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-15 — Ezra

Mpanoratra: Ezra

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita Tamin’ny: 460 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 537 al.f.i. – 467 al.f.i. tany ho any

1. Faminaniana inona avy no nanome toky ny amin’ny famerenana an’i Jerosalema tamin’ny laoniny?

 NIHANANAKAIKY ny faran’ireo 70 taona naha-foana an’i Jerosalema teo ambany fanapahan’i Babylona voalazan’ny faminaniana. Marina fa nalaza ho tsy nanafaka ireo babony na oviana na oviana i Babylona, kanefa ny tenin’i Jehovah dia hita ho mafy kokoa noho ny herin’ny Babyloniana. Efa tazan’ny maso ny fanafahana ny vahoakan’i Jehovah. Haorina indray ilay tempolin’i Jehovah izay nirodana, ary handray ireo fanatitra ho fanavotana indray ny alitaran’i Jehovah. Handre indray ny hoby sy deran’ny mpivavaka marina amin’i Jehovah i Jerosalema. I Jeremia dia naminany ny ho halavan’ilay fahafoanana, ary i Isaia dia naminany ny fomba hitrangan’ny fanafahana ireo babo. I Isaia aza dia niantso an’i Kyrosy avy tany Persia hoe ‘ilay mpiandry ondrin’i Jehovah’, izay handrodana an’i Babylona niavonavona avy tamin’ny toerany tamin’ny naha-herim-panjakana fahatelo azy, araka ny tantara ao amin’ny Baiboly. — Isaia 44:28; 45:1, 2; Jer. 25:12.

2. Oviana ary tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana avy no nianjeran’i Babylona?

2 Tonga tamin’i Babylona ny loza tamin’ny alin’ny 5 Oktobra 539 al.f.i. (kalandrie gregoriana), fony teo am-pisotroana ho fanomezam-boninahitra ireo andriamaniny demonia ilay mpanjaka babyloniana atao hoe Belsazara sy ireo mpanolo-tsainy. Nanampy izany fanaranam-pony tamin’ny ratsy izany izy ireo tamin’ny fampiasana ireo fanaka masina avy tany amin’ny tempolin’i Jehovah ho toy ny kapoaka fisotroana ho an’ny fimamoany! Tena nety aoka izany ny naha-tao ivelan’ny mandan’i Babylona an’i Kyrosy tamin’io alina io mba hanatanteraka ilay faminaniana!

3. Fanambarana nataon’i Kyrosy inona no nahafahana namerina ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny laoniny, 70 taona katroka taorian’ny nanombohan’ny fahafoanan’i Jerosalema?

3 Io datin’ny 539 al.f.i. io dia daty fototra iray, izany hoe daty iray izay azo ampifanarahina, amin’ny tantara ivelan’ny fivavahana ary koa amin’ny tantaran’ny Baiboly. Nandritra ny taona voalohany nanapahany tao Babylona, i Kyrosy dia “nandefa teny eran’ny fanjakany” rehetra, nanome lalana ireo Jiosy hiakatra tany Jerosalema mba hanorina indray ny tranon’i Jehovah. Io didy io dia miharihary fa navoaka tany amin’ny faran’ny 538 al.f.i. na tany am-piandohan’ny 537 al.f.i. a Niverina nankany Jerosalema ara-potoana tsara ny sisa nahatoky vitsivitsy mba hanorina ny alitara sy hanolotra ireo fanatitra voalohany tamin’ny “volana fahafito” (Tisry, izay mifanitsy amin’ny Septambra-Oktobra), tamin’ny taona 537 al.f.i. — 70 taona katroka taorian’ny nanafoanan’i Nebokadnezara an’i Joda sy i Jerosalema. — Ezra 1:1-3; 3:1-6.

4. a) Inona no tarehin-javatra nanodidina ny fanoratana ny bokin’i Ezra, ary iza no nanoratra azy io? b) Oviana no nosoratana ny bokin’i Ezra, ary fe-potoana toy inona no voafaokany?

4 Famerenana amin’ny laoniny! Izany no mampahafantatra ny tarehin-javatra tamin’ny fotoana nanoratana ny bokin’i Ezra. Ny fampiasana ny mpisolo anarana hoe “aho” ao amin’ilay fitantarana, manomboka eo amin’ny toko faha-7 andininy faha-27 ka hatramin’ny toko faha-9, dia mampiseho mazava tsara fa i Ezra no nanoratra azy. I Ezra dia “mpanora-dalàna sady mpahay ny lalàn’i Mosesy” ary lehilahy nanana finoana niasa, izay ‘nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah sy hankato ary hampianatra’ azy io. Koa tamin’ny naha-izany azy, izy dia nahafeno fepetra tsara mba hirakitra an-tsoratra io tantara io, na dia efa nanao ilay firaketana tao amin’ny bokin’ny Tantara aza izy. (Ezra 7:6, 10). Koa satria ny bokin’i Ezra dia tohin’ny bokin’ny Tantara, dia inoana mazàna fa nosoratana tamin’ny fotoana mitovy ihany izy ireo, tokony ho tamin’ny 460 al.f.i. Mahafaoka 70 taona izy io, nanomboka tamin’ny fotoana naha-firenena torotoro sy niparitaka ireo Jiosy, izay nomarihina ho toy ny “zanaky ny fahafatesana”, ka hatramin’ny famitana ilay tempoly faharoa sy ny fanadiovana ny fisoronana taorian’ny niverenan’i Ezra tany Jerosalema. — Ezra 1:1; 7:7; 10:17; Sal. 102:20, f.a.p.

5. Inona no ifandraisan’ny bokin’i Ezra amin’ny bokin’ny Nehemia, ary tamin’ny fiteny inona avy no nanoratana azy io?

5 Ny hevitry ny anarana hebreo hoe Ezra dia hoe “Fanampiana”. Ireo bokin’i Ezra sy i Nehemia dia horonam-boky iray ihany tany am-boalohany. (Neh. 3:32, NW, f.a.p.). Tatỳ aoriana, ireo Jiosy dia nizara io horonam-boky io ary niantso azy hoe Ezra Voalohany sy Faharoa. Ireo Baiboly hebreo maoderina dia miantso ireo boky roa ireo hoe Ezra sy Nehemia, toy ny Baiboly maoderina hafa. Misy tapany amin’ny bokin’i Ezra, (4:8 ka hatramin’ny 6:18, sy 7:12-26), nosoratana tamin’ny teny aramiana, ary ny ambiny tamin’ny teny hebreo, satria kinga tamin’ny fampiasana ireo fiteny roa ireo i Ezra.

6. Inona no manamarina ny maha-araka ny marina ny bokin’i Ezra?

6 Amin’izao andro izao ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana dia manaiky ny maha-araka ny marina ny bokin’i Ezra. Mikasika ny maha-kanônika azy io, i W. F. Albright dia nanoratra toy izao ao amin’ilay boky nosoratany hoe The Bible After Twenty Years of Archaeology: “Ireo zava-misy arkeolojika dia nanaporofo tsy misy isalasalana araka izany ny toetra miavak’ireo Bokin’i Jeremia sy i Ezekiela, ary i Ezra sy i Nehemia; izy ireo dia nanamarina ilay sary araka ny lovantsofina momba ireo fisehoan-javatra ary koa ny filaharan’ny nisehoan’izy ireo.”

7. Ahoana no isehoan’ny bokin’i Ezra marina ho anisan’ny firaketana avy amin’Andriamanitra?

7 Na dia mety ho tsy tononin’ireo mpanoratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana na asiany firesahana mivantana aza ny bokin’i Ezra, dia tsy misy iadian-kevitra ny toerany ao amin’ny kanônan’ny Baiboly. Izy io dia misy ny firaketana momba ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ireo Jiosy hatramin’ny fotoana nanambàrana ny katalaogin’ireo soratra hebreo. Ny ankabeazan’io asa fanambàrana io dia notanterahin’i Ezra, araka ny lovantsofina jiosy. Ambonin’izany, ny bokin’i Ezra dia manamarina ireo faminaniana rehetra momba ny famerenana tamin’ny laoniny, ka manaporofo fa tena tapany tsy azo esorina amin’ilay firaketana avy amin’Andriamanitra, izay ifanarahany tanteraka koa, izy io. Ho fanampin’izany, izy io dia manome voninahitra ny fanompoam-pivavahana madio ary manamasina ilay anarana lehiben’i Jehovah Andriamanitra.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY EZRA

8. Lazalazao ny amin’ireo fisehoan-javatra nisesy nitarika ho amin’ny faran’ireo 70 taona nisian’ilay fahafoanana.

8 Nisy sisa niverina (1:1–3:6). Notairin’i Jehovah ny fanahin’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, ka namoaka ilay didy hiverenan’ny Jiosy sy hanorenany ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema, izy. Nampirisika ireo Jiosy izay nety ho nijanona tany Babylona mba hanao fanomezana tamim-pahalalana ho amin’ilay tetik’asa izy, ary nandamina ny hitondran’ireo Jiosy niverina ireo fanaka avy tao amin’ilay tempoly voalohany. Olona iray izay mpitarika tao amin’ny fokon’ny mpanjaka, dia ny an’ny Joda, sady taranak’i Davida Mpanjaka, izany hoe i Zerobabela (Sesbazara), no notendrena ho governora hitarika ireo nafahana, ary i Jesoa (Josoa) no mpisoronabe. (Ezra 1:8; 5:2; Zak. 3:1). Nisy sisa, izay voaforon’ny mpanompo nahatokin’i Jehovah 42 360, anisan’izany lehilahy sy vehivavy ary ankizy, nanao ilay dia lava be. Tamin’ny volana fahafito, araka ny kalandrie jiosy, dia efa niorim-ponenana tao amin’ny tanànany avy izy ireo. Avy eo izy ireo dia niangona tao Jerosalema mba hanolotra fanatitra teo amin’ilay toerana nisian’ny alitaran’ny tempoly, ary koa mba hankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana ao Amin’ny Trano Rantsan-kazo tamin’ny fararanon’ny 537 al.f.i. Araka izany, dia nifarana ara-potoana tsara ilay fahafoanana naharitra 70 taona! b

9. Ahoana no nanombohan’ny asa teo amin’ny tempoly, kanefa inona no nitranga tamin’ireo taona nanaraka?

9 Fanorenana indray ny tempoly (3:7–6:22). Nangonina ireo fitaovana ary tamin’ny taona faharoa taorian’ny niverenan’izy ireo, dia napetraka ny fanorenan’ny (NW ) tempolin’i Jehovah, tao anatin’ny hobim-pifaliana kanefa koa tao anatin’ny fitomanian’ireo efa be taona izay nahita ilay trano voalohany. Ireo vahoaka teo akaiky, izay fahavalo, dia nanolotra ny hanampy tamin’ilay asa fanorenana. Nilaza izy ireo fa nitady ny Andriamanitr’ireo Jiosy koa ny tenany, kanefa nanda an-kitsirano tsy hanao fanekena taminy ireo sisa jiosy. Nanandrana hatrany hatrany ny hampahalemy sy hanakivy ny Jiosy ary hampandamòka ny asany ireo fahavalo, nanomboka tamin’ny fotoana nanjakan’i Kyrosy ka hatramin’ny nanjakan’i Dariosy. Farany, tamin’ny andron’i “Artaksersesy” (Bardiya na angamba ny Magy iray fantatra tamin’ny anarana hoe Gaumata, tamin’ny 522 al.f.i.), dia nasaina an-keriny hampitsahatra ilay asa izy ireo, noho ny didin’ny mpanjaka. Io fandrarana io dia nitohy “hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, mpanjakan’i Persia” (520 al.f.i.), izany hoe maherin’ny 15 taona taorian’ny nametrahana ny fanorenan’ilay tempoly. — 4:4-7, 24.

10. a) Ahoana no nifanarahan’ny fampaherezana avy tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra sy ny didin’ny mpanjaka mba hamitana ilay asa? b) Fifaliana inona no nanamarika ny fitokanana io tempoly faharoa io?

10 Izao i Jehovah dia naniraka an’i Hagay sy i Zakaria mpaminaniny mba hanaitra an’i Zerobabela sy i Jesoa, ary dia natomboka tamin-jotom-po vaovao indray ilay asa fanorenana. Nitaraina tamin’ny mpanjaka indray ireo fahavalo, kanefa nitohy ihany ilay asa, tamin-kery tsy nety lefy. I Dariosy I (Hystaspis), rehefa avy nanisy firesahana momba ilay didy voalohany navoakan’i Kyrosy, dia nandidy ny hanohizana ny asa tsy nisy fanakantsakanana, ary nanome baiko an’ireo mpanohitra mba hanome fitaovana hanamorana ilay asa fanorenana mihitsy aza izy. Noho ny fampaherezana nitohy avy tamin’ireo mpaminanin’i Jehovah, ireo mpanorina dia namita ilay tempoly tao anatin’ny dimy taona latsaka. Izany dia tamin’ny volana Adara tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy, na tany akaikin’ny lohataonan’ny 515 al.f.i. Tokony ho 20 taona monja no nahavitan’ilay asa fanorenana manontolo. (6:14, 15). Notokanana tamim-pifaliana lehibe sy tamin’ny alalan’ny fanatitra nety tsara izao ny tranon’Andriamanitra. Avy eo, ilay vahoaka dia nankalaza ny Paska ary nitandrina “ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ny fifaliana”. (6:22). Eny, fifaliana sy firavoravoana no nanamarika ny fitokanana io tempoly faharoa io, ho fiderana an’i Jehovah.

11. Ahoana no nanomezan’ny mpanjaka an’i Ezra “izay rehetra nangatahiny”, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Ezra teo anoloan’izany?

11 Niverina tany Jerosalema i Ezra (7:1–8:36). Efa ho 50 taona no lasa, ka izany dia mitondra antsika hatramin’ny 468 al.f.i., dia ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy, mpanjaka persiana, (fantatra tamin’ny anarana hoe Longimanus satria lava kokoa noho ny tanany havia ny tanany havanana). Nanome an’i Ezra, mpanora-dalàna nahay, “izay rehetra nangatahiny” ilay mpanjaka, raha ny amin’ny fanaovana dia iray nankany Jerosalema, mba hanomezana fanampiana tena nilaina tany. (7:6). Rehefa nanome lalana azy ilay mpanjaka, dia nampirisika ireo Jiosy mba hiaraka taminy, ary nanome an’i Ezra fanaka volafotsy sy volamena hampiasaina tao amin’ny tempoly, ary koa vary tritika, divay, diloilo ary sira. Tsy nampandoa hetra ireo mpisorona sy mpiasa tao amin’ny tempoly izy. Nataon’ilay mpanjaka ho tompon’andraikitra hampianatra ny vahoaka i Ezra, ary nambarany fa na iza na iza tsy nety nankato ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’ny mpanjaka dia homelohina ho faty. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho io nanehoany hatsaram-panahy miharo fitiavana (NW ) tamin’ny alalan’ny mpanjaka io i Ezra, ka nanao ilay asa nanirahana azy avy hatrany.

12. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nomba ilay antokon’olona nisy an’i Ezra izy nandritra ilay dia?

12 Eto i Ezra no manomboka ny fitantarany tamin’ny naha-vavolombelona nanatri-maso azy, ka nanoratra tamin’ny fampiasana ny mpisolo anarana hoe “aho”. Namory ireo Jiosy tafaverina teo amin’ny ony Ahava izy mba hanomezana azy ireo toromarika farany, ary nampiany Levita sasantsasany ilay antokon’olona nisy lehilahy tokony ho 1 500 efa tafavory teo. Fantatr’i Ezra ireo loza teny amin’ny lalana tokony harahina, kanefa tsy nangataka mpanotrona tamin’ny mpanjaka izy, sao horaisina ho toy ny fanehoana tsy fananana finoana an’i Jehovah izany. Niantso andro fifadian-kanina kosa izy ary nitarika ilay toby tamin’ny fitalahoana tamin’Andriamanitra. Novaliana io vavaka io, ary dia nomba azy ireo ny tanan’i Jehovah hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay dia lava be. Noho izany, dia afaka nitondra soa aman-tsara ireo zava-tsarobidiny (nahatratra 81 700 000 000 FMG mahery ny vidiny) tany amin’ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema, izy ireo. — 8:26, 27, sy ireo fanamarihana ambany pejy ao amin’ny NW.

13. Inona no nataon’i Ezra mba hanesorana ny fahalotoana teo amin’ireo Jiosy?

13 Fanadiovana ny fisoronana (9:1–10:44). Tsy nandeha tsara avokoa anefa ny zava-drehetra nandritra ireo 69 taona nonenana tao amin’ilay tany tafaverina tamin’ny laoniny. Nahare momba ny toe-javatra sasany nanelingelina azy i Ezra, dia ny amin’ny vahoaka sy ireo mpisorona ary ireo Levita izay nifanambady tamin’ny Kananita mpanompo sampy. Ankona (NW ) i Ezra nahatoky. Napetrany teo anatrehan’i Jehovah tamim-bavaka ilay raharaha. Nitsotra noho ilay ratsy nataony ny vahoaka ary nangataka an’i Ezra mba ‘hatoky sy hanao zavatra’. (10:4). Nasainy nisaotra ireo vadiny hafa firenena izay nalainy noho ny tsy fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, ireo Jiosy, ary dia niala ilay fahalotoana tao anatin’ny fotoana naharitra tokony ho telo volana. — 10:10-12, 16, 17.

MAHASOA — NAHOANA?

14. Inona no asehon’ny bokin’i Ezra raha ny amin’ireo faminanian’i Jehovah?

14 Mahasoa ny bokin’i Ezra, indrindra indrindra fa mba hampisehoana ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Jehovah araka ny marina tsy misy diso. I Jeremia, izay nanambara mialoha araka ny marina aoka izany ny amin’ny fahafoanan’i Jerosalema, dia nanambara mialoha koa ny amin’ny famerenana azy amin’ny laoniny rehefa afaka 70 taona. (Jer. 29:10). Ara-potoana tsara ny nanehoan’i Jehovah ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana tamin’ny famerenana indray ny vahoakany, dia sisa nahatoky, tany amin’ny Tanin’ny Fampanantenana mba hanarahana ny fanompoam-pivavahana marina.

15. a) Tamin’ny ahoana ilay tempoly tafaverina tamin’ny laoniny no nahatanteraka ny fikasan’i Jehovah? b) Tamin’ny heviny inona avy izy io no tsy nanana ny voninahitr’ilay tempoly voalohany?

15 Ilay tempoly tafaverina tamin’ny laoniny dia nanandratra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo amin’ny vahoakany, no sady vavolombelona nanamarina fa mitahy amin’ny fomba mahatalanjona sy amim-pamindram-po ireo izay mitodika any aminy noho ny faniriana hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina, izy. Na dia tsy nanana ny voninahitry ny tempolin’i Solomona azy izy io, dia nahatanteraka ny zava-kendreny izay nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy teo intsony ilay famirapiratana hitan’ny maso. Somary ambany koa izy io raha ny amin’ireo zava-tsarobidy ara-panahy, satria tsy nanana, ankoatra ny zavatra hafa, ny fiaran’ny fanekena. c Ny fitokanana ilay tempolin’i Zerobabela koa dia tsy nitovy tamin’ny fitokanana ilay tempoly tamin’ny andron’i Solomona. Ireo fanatitra omby sy ondry dia tsy nahaforona ny iray isan-jaton’ireo fanatitra tao amin’ny tempolin’i Solomona akory. Tsy nisy voninahitra niendrika rahona nameno itỳ trano faharoa, toy ilay trano voalohany, no sady tsy nisy afo nidina avy tany amin’i Jehovah mba handevona ireo fanatitra dorana. Ireo tempoly roa ireo anefa dia nahatanteraka zava-kendrena lehibe, dia ny hanandratra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.

16. Tempoly hafa inona anefa no mihoatra noho ireo tempoly eto an-tany raha ny amin’ny voninahitra?

16 Ilay tempoly naorin’i Zerobabela sy ilay tabernakely namboarin’i Mosesy ary ireo tempoly naorin’i Solomona sy i Heroda, miaraka amin’ireo lafin-javatra nampiavaka azy avy, dia tandindona na sary. Izy ireo dia nampiseho “ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona”. (Heb. 8:2). Io tempoly ara-panahy io no fandaharana natao mba hanatonana an’i Jehovah eo amin’ny fanompoam-pivavahana miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy. (Heb. 9:2-10, 23). Ny tempolin’i Jehovah lehibe ara-panahy dia tapitra ohatra raha ny amin’ny voninahitra ary tsy manana ny mitovy aminy raha ny amin’ny hakanto sy ny hatsaran-tarehy; tsy mety vasoka ny famirapiratany ary ambony noho izay fanorenana hita maso hafa rehetra.

17. Fianarana sarobidy inona avy no hita ao amin’ny bokin’i Ezra?

17 Ny bokin’i Ezra dia mirakitra fianarana misy vidiny faran’izay ambony ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao. Mamaky ny amin’ny vahoakan’i Jehovah nanao fanatitra an-tsitrapo ho an’ny asany isika ao. (Ezra 2:68; 2 Kor. 9:7). Mahazo fampaherezana isika mianatra momba ny fanampiana sy ny fitahiana tsy mety lany omen’i Jehovah an’ireo vahoaka tafavory ho fiderana azy. (Ezra 6:16, 22). Mahita ohatra tsara dia tsara isika amin’ireo Netinima sy vahiny hafa nino, izay niara-niakatra tamin’ireo sisa mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny fony rehetra. (2:43, 55). Diniho koa ny fibebahan’ilay vahoaka tamim-panetren-tena rehefa nampahafantarina ny amin’ny lalan-diso narahiny tamin’ny fifanambadiana tamin’ny mpanompo sampy nonina teo akaiky, izy ireo. (10:2-4). Ny fifaneraserana ratsy dia nitarika ho amin’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. (9:14, 15). Ny zotom-po falifaly ho an’ny asany kosa dia nitondra ny fankasitrahany sy ny fitahiany. — 6:14, 21, 22.

18. Nahoana ny famerenana tamin’ny laoniny ny vahoakan’i Jehovah no dingana lehibe iray mitarika ho amin’ny fisehoan’ny Mesia, dia ilay Mpanjaka?

18 Na dia tsy nisy mpanjaka intsony aza teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah tao Jerosalema, ilay famerenana tamin’ny laoniny dia nanaitra fiandrasana fa hoe, amin’ny fotoana mety, i Jehovah dia hampipoitra ilay Mpanjaka avy tamin’ny firazanan’i Davida nampanantenainy. Ilay firenena tafaverina tamin’ny laoniny izao dia teo amin’ny toerana tsara mba hiarovana ireo fanambarana masina sy ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra, mandra-pahatongan’ny fotoana hisehoan’ny Mesia. Raha tsy naneho finoana io sisa io tamin’ny fiverenana tany amin’ny taniny, teo amin’iza moa no ho nahatongavan’ny Mesia? Tena marina fa ireo fisehoan-javatra ao amin’ny bokin’i Ezra dia tapany lehibe iray amin’ny tantara izay mitarika ho amin’ny fisehoan’ilay Mesia sady Mpanjaka! Tena mahasoa indrindra ho an’ny fianarantsika amin’izao fotoana izao izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 452-454, 458.

b Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 332.

c Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1449.

[Fanontaniana]