Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-16 — Nehemia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-16 — Nehemia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-16 — Nehemia

Mpanoratra: Nehemia

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita: Taorian’ny 443 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 456 al.f.i. – taorian’ny 443 al.f.i.

1. Toeram-pitokiana inona no notanan’i Nehemia, ary inona no nibahana tao an-tsainy?

 I NEHEMIA, izay midika hoe “Mampionona i Jehovah” ny anarany, dia mpanompo jiosin’i Artaksersesy (Longimanus), mpanjaka persiana. Mpitondra kapoaky ny mpanjaka izy. Toeram-pitokiana sy voninahitra lehibe izany, toerana nirina fatratra, satria nanome lalana hanatona ny mpanjaka tamin’ilay fotoana naha-falifaly sy vonona ny hanaiky fangatahana azy iny. Kanefa, i Nehemia dia iray tamin’ireo olo-nahatoky tany an-tsesitany izay tia an’i Jerosalema mihoatra lavitra noho izay ‘fifalian’ny’ tenany manokana. (Sal. 137:5, 6). Tsy ny toerana na ny harena ara-nofo no nibahana tao an-tsain’i Nehemia, fa ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah.

2. Toe-javatra nampitsetra inona no nampalahelo an’i Nehemia, kanefa fotoana voatondro inona no nihananakaiky?

2 Tamin’ny 456 al.f.i., “ny sisa tamin’ny fahababoana”, ireo sisa jiosy izay niverina nankany Jerosalema, dia tsy nahita fanambinana. Nampalahelo indrindra izy ireo. (Neh. 1:3). Potika ny mandan’ny tanàna ary ilay vahoaka dia nolatsain’ireo fahavalony izay nisy foana. Nalahelo i Nehemia. Kanefa, tonga ny fotoana voatondron’i Jehovah hanaovana zavatra momba ny mandan’i Jerosalema. Na nisy fahavalo na tsy nisy fahavalo, i Jerosalema sy ny manda fiarovany dia tsy maintsy naorina mba ho fanondroam-potoana nifandray tamin’ny faminaniana iray nomen’i Jehovah an’i Daniela momba ny fahatongavan’ny Mesia. (Dan. 9:24-27). Araka izany, dia nitarika ireo fisehoan-javatra i Jehovah, ka nampiasa an’i Nehemia nahatoky sy be zotom-po mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.

3. a) Inona no manaporofo fa i Nehemia no nanoratra io boky io, ary tamin’ny ahoana izy io no nanjary nantsoina hoe Nehemia? b) Fe-potoana toy inona no nanasaraka io boky io amin’ny bokin’i Ezra, ary taona inona avy no voafaokan’ny bokin’i Nehemia?

3 Tsy isalasalana fa i Nehemia no nanoratra ilay boky mitondra ny anarany. Ilay fanambarana manomboka azy io hoe “ny tantaran’i Nehemia, zanak’i Hakalia”, sy ny fampiasana ny mpisolo anarana hoe “aho” ao amin’ilay fitantarana, dia manaporofo izany mazava tsara. (Neh. 1:1). Tany am-boalohany ny bokin’i Ezra sy i Nehemia dia boky iray ihany, nantsoina hoe Ezra. Tatỳ aoriana, ireo Jiosy dia nizara ilay boky ho Ezra Voalohany sy Faharoa, ary tatỳ aoriana indray ny Ezra Faharoa dia nanjary fantatra tamin’ny hoe Nehemia. Nisy tokony ho 12 taona teo anelanelan’ireo fisehoan-javatra namarana ny Ezra sy ireo fisehoan-javatra nanomboka ny Nehemia. Itỳ farany àry dia mahafaoka ny fe-potoana nanomboka tamin’ny faran’ny 456 al.f.i. ka hatrany aorian’ny 443 al.f.i. — 1:1; 5:14; 13:6.

4. Amin’ny ahoana ny bokin’i Nehemia no mifanaraka tsara amin’ny tapany sisa amin’ny Soratra Masina hafa?

4 Ny bokin’i Nehemia dia mifanaraka tsara amin’ny tapany sisa amin’ny Soratra ara-tsindrimandry, sady anisany amin’ny fomba ara-dalàna. Mirakitra firesahana maro momba ny Lalàna izy io, ka miresaka ny amin’ny raharaha momba ny fanambadiana olona hafa firenena, (Deot. 7:3; Neh. 10:31), ny fampisamborana, (Lev. 25:35-38; Deot. 15:7-11; Neh. 5:2-11, NW ), ary ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo. (Deot. 31:10-13; Neh. 8:14-18). Ankoatra izany, ilay boky dia manamarika ny fiandohan’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela fa hoe haorina indray i Jerosalema, kanefa tsy hoe tsy hisy fanoherana, fa “amin’izay andro mampahory” kosa. — Dan. 9:25.

5. a) Porofo avy amin’ny loharanon-kevitra inona avy no manondro tsara ny 475 al.f.i. ho ny taona nahatongavan’i Artaksersesy ho mpanjaka? b) Daty inona no manamarika ny taona faha-20 nanjakany? d) Amin’ny ahoana ny bokin’i Nehemia sy i Lioka no mifamatotra amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela momba ny Mesia?

5 Ahoana ny amin’ny 455 al.f.i., izay voalaza fa ny daty nanaovan’i Nehemia dia nankany Jerosalema mba hanorina indray ny mandan’ny tanàna? Ny porofo ara-tantara azo ianteherana avy amin’ny loharanon-kevitra grika sy persiana ary babyloniana dia manondro ny 475 al.f.i. ho ny taona nahatongavan’i Artaksersesy ho mpanjaka, sy ny 474 al.f.i. ho ny taona voalohany nanjakany. a Noho izany, ny taona faha-20 nanjakany dia ny 455 al.f.i. Ny Nehemia 2:1-8 dia manondro fa tamin’ny lohataonan’io taona io, tamin’ny volana Nisana araka ny kalandrie Jiosy, i Nehemia, ilay mpitondra kapoaky ny mpanjaka, no nahazo lalana avy tamin’ny mpanjaka mba hamerina amin’ny laoniny sy hanorina indray an’i Jerosalema sy ny mandany ary ireo vavahadiny. Ny faminanian’i Daniela dia nanambara fa hisy herinandro taona 69, na 483 taona, “hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana” — faminaniana izay tanteraka tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny nanosorana an’i Jesosy tamin’ny 29 am.f.i., daty izay azo ampifanarahina amin’ny tantara ivelan’ny fivavahana ary koa amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly. b (Dan. 9:24-27; Lioka 3:1-3, 23). Tena mifamatotra amin’ny fomba miavaka amin’ny faminanian’i Daniela ny bokin’i Nehemia sy i Lioka mba hampisehoana fa i Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny faminaniana marina sady Mpanatanteraka azy! Tena anisan’ny Soratra ara-tsindrimandry marina ny Nehemia.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY NEHEMIA

6. a) Tatitra inona no nahatonga an’i Nehemia hivavaka tamin’i Jehovah, ary fangatahana inona no neken’ny mpanjaka? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny Jiosy teo anoloan’ny zavatra nokasain’i Nehemia hatao?

6 Nirahina hankany Jerosalema i Nehemia (1:1–2:20). Sahiran-kevitra mafy i Nehemia noho ilay tatitra avy tamin’i Hanany, izay niverina nankany Sosana avy tany Jerosalema ary nitondra vaovao ny amin’ny fahoriana mafy nahazo ireo Jiosy tany sy ny faharavan’ny manda sy ireo vavahady. Nifady hanina izy ary nivavaka tamin’i Jehovah, “Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny”. (1:5). Nitsotra ny amin’ny heloky ny Isiraely izy ary nangataka tamin’i Jehovah mba hahatsiaro ny vahoakany noho ny anarany, araka ny nampanantenainy an’i Mosesy. (Deot. 30:1-10). Rehefa nanontany an’i Nehemia ny amin’ny antony naha-nalahelo endrika azy ny mpanjaka, dia nilaza taminy ny amin’ny toetran’i Jerosalema i Nehemia ary nangata-dalana hiverina sy hanorina indray ilay tanàna sy ny mandany. Nekena ny fangatahany, ary avy hatrany izy dia nanao ny dia nankany Jerosalema. Rehefa avy nizaha ny mandan’ilay tanàna tamin’ny alina izy mba hahafantarany ny asa niandry azy, dia nampiharihary tamin’ireo Jiosy ny nokasainy hatao, tamin’ny fanantitranterana ny amin’ny tanan’Andriamanitra tamin’ilay raharaha. Tamin’izay dia hoy izy ireo: “Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy.” (Neh. 2:18). Rehefa hitan’ireo Samaritana sy ny hafa teo akaiky fa natomboka ny asa, dia nanomboka nanaraby sy naneso izy ireo.

7. Nanao ahoana ny fizotran’ny asa, ary tarehin-javatra inona no nitaky ny hanaovana fandaminana indray?

7 Tafaorina indray ny manda (3:1–6:19). Nanomboka tamin’ny andro fahatelo tamin’ny volana fahadimy ny asa tamin’ilay manda, ka samy nandray anjara tamin’izany avokoa ireo mpisorona sy komandy ary ny vahoaka. Voavoatra haingana ny simba tamin’ireo vavahady sy ny mandan’ilay tanàna. Nanaraby toy izao i Sanbala Horonita: “Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? (...) Hahatsangana indray andro va ireo?” Tamin’izay, dia nanampy ny fanesoesoany toy izao i Tobia Amonita: “Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin’izay atsangany, dia haharava ny mànda vato ataony.” (4:2, 3). Rehefa tonga hatramin’ny antsasany miakatra ilay manda, dia nirehitra ny fahatezeran’ireo fahavalo nikambana, ary niray tetika izy ireo mba hiakatra hamely an’i Jerosalema. Nampirisika ireo Jiosy anefa i Nehemia mba hahatsiaro “ny Tompo lehibe sy mahatahotra” sy hiady ho an’ny fianakaviany sy ny ankohonany avy. (4:8). Nalamina indray ny asa mba hiatrehana ilay tarehin-javatra feno fihenjanana; ny sasany niambina nitan-defona ary ny hafa nanana ny sabany voafehy tamin’ny valahany teo am-panaovana ny asa.

8. Ahoana no nandaminan’i Nehemia ireo zava-nanahirana nisy teo amin’ny samy Jiosy ihany?

8 Kanefa, nisy zava-nanahirana koa teo amin’ny samy Jiosy ihany. Ny sasany taminy dia nangataka zana-bola tamin’ireo mpiara-mivavaka tamin’i Jehovah taminy, nifanohitra tamin’ny lalàna. (Eks. 22:24). Nanitsy ilay tarehin-javatra i Nehemia, ka nanome torohevitra nanameloka ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, ary dia nanaiky izany an-tsitrapo ny vahoaka. Raha ny amin’i Nehemia, nandritra ireo 12 taona rehetra naha-governora azy, nanomboka tamin’ny 455 al.f.i. ka hatramin’ny 443 al.f.i., dia tsy nitaky na oviana na oviana izay anjara-fiveloman’ny governora izy, noho ilay fanompoana mafy efa nianjady tamin’ny vahoaka.

9. a) Ahoana no niatrehan’i Nehemia ireo tetika an-kolaka natao mba hampitsaharana ilay asa fanorenana? b) Hafiriana no nahavitana ilay manda?

9 Ny fahavalo izao dia nitady tetika an-kolaka hafa mba hampitsaharana ilay asa fanorenana. Nanasa an’i Nehemia hidina hanatrika fihaonana iray izy ireo, kanefa namaly izy fa tsy afaka nandao ilay asa lehibe nataony. Niampanga an’i Nehemia ho nikomy sy nikasa ny hanao ny tenany ho mpanjaka tao Joda izao i Sanbala, ary nanamby Jiosy iray mba hampitahotra an’i Nehemia hanao zava-dratsy tamin’ny fiafenana tao amin’ny tempoly. Nanda tsy ho raiki-tahotra noho izany i Nehemia ary nanohy nanao tamim-pahatoniana sy tamim-pankatoavana ilay asa nanendren’Andriamanitra hataony. Vita “tamin’ny roa amby dimam-polo andro” ilay manda. — Neh. 6:15.

10. a) Taiza no nonenan’ny vahoaka, ary fakana isa inona no natao? b) Fivoriambe inona izao no nasaina hatao, ary inona no fandaharana tamin’ny andro voalohany?

10 Fanomezana toromarika ny vahoaka (7:1–12:26). Tsy nisy afa-tsy olona sy trano vitsy tao anatin’ilay tanàna, satria ny ankamaroan’ireo Isiraelita dia nonina tany ivelany, araka ireo lovan’ny fokony avy. Notarihin’Andriamanitra i Nehemia mba hanangona ny manan-kaja mbamin’ny vahoaka rehetra, mba halaina isa araka ny firazanany avy. Mba hanaovana izany, dia nijery ny boky nirakitra ny anaran’ireo izay niverina avy tany Babylona izy. Nisy fivoriambe naharitra valo andro natao nanaraka izany teo amin’ny kianja (NW ) akaikin’ny Vavahadin-drano. I Ezra no nanokatra ny fandaharana avy teo amin’ny lampihazo iray. Nisaotra an’i Jehovah izy ary avy eo dia namaky avy tao amin’ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, hatramin’ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ny andro. Nampian’ny Levita hafa tamim-pahombiazana, izay nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka, izy, ary nanohy ‘namaky mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nanazava tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina’. (8:8). Nampirisihin’i Nehemia ny vahoaka hanao fety sy hifaly ary hahatakatra ny herin’ny teny hoe: “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo”. — 8:10.

11. Fivoriana manokana inona no natao tamin’ny andro faharoa, ary nanao ahoana ny fizotran’ilay fivoriambe tamim-pifaliana?

11 Tamin’ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe, ireo lohan’ny fianakaviana dia niara-nanao fivoriana manokana tamin’i Ezra mba hahazoana hevi-dalina momba ny Lalàna. Nianaran’izy ireo fa tokony hankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo tamin’io volana fahafito io indrindra izy ireo, ary dia nataony ny fandaharana hanao trano rantsan-kazo ho amin’io fety ho an’i Jehovah io. “Nisy fifaliana lehibe indrindra” fony izy ireo nipetraka hafitoana tao amin’ny trano rantsan-kazo, sady nahare isan’andro ny famakiana ny Lalàna. Tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fara fivoriana “araka ny fanao”. — Neh. 8:17, 18; Lev. 23:33-36.

12. a) Fivoriambe inona no natao tatỳ aoriana kokoa tamin’io volana io ihany, ary inona no loha hevitra tamin’izay? b) Tolo-kevitra inona no nolanina? d) Fandaharana inona no natao mba hisian’ny mponina tao Jerosalema?

12 Tamin’ny andro faha-24 tamin’io volana io ihany, ireo zanak’Isiraely dia niara-nivory indray ary nisaraka tamin’ireo olona hafa firenena rehetra. Nihaino antokona levita nanolotra famakiana manokana ny Lalàna, ary avy eo dia fandinihana mandalina ny fo momba ireo fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely, izy ireo. Ny loha hevitra tamin’izany dia hoe: “Mitsangàna, ka misaora an’i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin’ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.” (Neh. 9:5). Nitsotra ny amin’ny fahotan’ireo razambeny izy ireo ary nangataka ny fitahian’i Jehovah tamim-panetren-tena. Izany dia naseho ho toy ny tolo-kevitra nolanina, izay nohamafisin’ny tombo-kasen’ireo solontenan’ilay firenena. Nanaiky ny tsy hifanambady tamin’ireo olona teo amin’ilay tany ilay antokon’olona manontolo, hitandrina ireo Sabata, ary hanao fanomezana ho an’ny fanompoana sy ireo mpiasa tao amin’ny tempoly. Ampahafolon’ny vahoaka no nofidina araka ny filokana mba honina maharitra tao Jerosalema, tao anatin’ny manda.

13. Fandaharam-pivoriambe inona no nanamarika ny fitokanana ilay manda, ary inona avy ireo fandaharana natao ho vokatr’izany?

13 Notokanana ny manda (12:27–13:3). Ny fitokanana ilay manda vaovao vao naorina dia fotoam-pihirana sy fahasambarana. Fotoana hanaovana fivoriambe iray hafa koa tamin’izay. I Nehemia dia nandamina ny hisian’ny mpanao fiderana roa tonta handeha teo ambonin’ilay manda ka hifanena, ary tamin’ny farany dia tafaraka hanao fanatitra teo amin’ny tranon’i Jehovah. Nisy fandaharana natao mba hanaovana fanomezana ara-nofo ho fanohanana ireo mpisorona sy Levita tao amin’ny tempoly. Ny famakiana ny Baiboly fanampiny dia nampiharihary fa tsy tokony havela hiditra tao amin’ny kongregasiona (NW ) ny Amonita sy ny Moabita, ka navahany hiala tamin’ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.

14. Lazalazao ny amin’ireo fanao ratsy nipoitra nandritra ny tsy naha-teo an’i Nehemia, ary dingana inona no nataony mba hanafoanana azy ireo.

14 Fanesorana ny fahalotoana (13:4-31). Rehefa avy nandany fe-potoana sasany tao Babylona i Nehemia dia niverina nankany Jerosalema ary nahita fa nisy fanao ratsy hafa tafatsofoka teo amin’ireo Jiosy. Haingana erỳ ny nitrangan’ny fiovan-javatra! Nanao efitrano fisakafoana (NW ) tao amin’ny kianjan’ny tempoly mihitsy aza i Eliasiba mpisoronabe, mba hampiasain’i Tobia Amonita, izay iray tamin’ireo fahavalon’Andriamanitra. Tsy nangataka andro i Nehemia. Navoakany tao amin’ilay tanàna ny fanak’i Tobia ary nasainy nodiovina ireo efitrano fisakafoana rehetra. Hitany koa fa natsahatra ny fanaovana fanomezana ara-nofo ho an’ireo Levita, hany ka nankany ivelan’i Jerosalema izy ireo mba hamelon-tena. Nihanaka ny toe-tsaina fatra-pitady tombony. Tsy notandremana ny Sabata. Hoy i Nehemia tamin’izy ireo: “Hianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ny Isiraely amin’ny andotoanareo ny Sabata.” (13:18). Nohidiany ireo vavahadin’ny tanàna tamin’ny Sabata mba hisakanana ireo mpivarotra tsy hiditra, ary nandidy azy ireo hiala teo amin’ny mandan’ny tanàna izy. Nisy zava-dratsy ratsy kokoa noho izany anefa, zavatra izay efa neken’izy ireo ampahibemaso ny tsy hanaovana azy intsony. Nitondra vady mpanompo sampy hafa firenena tao an-tanàna izy ireo. Ireo zanaka avy tamin’ny fanambadiana toy izany aza dia efa tsy niteny ny fiteny jiosy intsony. Nampahatsiahy azy ireo i Nehemia fa i Solomona dia nanota noho ireo vadiny hafa firenena. Noho io fahotana io, dia noroahin’i Nehemia ny zafikelin’i Eliasiba mpisoronabe. c Avy eo dia nandamina ny fisoronana sy ny asan’ny Levita izy.

15. Fangatahana feno fanetren-tena inona no nataon’i Nehemia?

15 Namarana ny bokiny tamin’izao fangatahana tsotra sy feno fanetren-tena izao i Nehemia: “Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.” — 13:31.

MAHASOA — NAHOANA?

16. Tamin’ny lafiny inona avy i Nehemia no ohatra namirapiratra ho an’izay rehetra tia ny fanompoam-pivavahana marina?

16 Ny fifikiran’i Nehemia tamin’Andriamanitra dia tokony ho fandrisihana ho an’izay rehetra tia ny fanompoam-pivavahana marina. Nandao toerana feno tombontsoa izy mba ho mpiandraikitra nanetry tena teo amin’ny vahoakan’i Jehovah. Nanda mihitsy aza izy ny fanomezana ara-nofo izay zony ny hahazo azy, ary nomelohiny tanteraka ho toy ny fandrika ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. Ny fikatsahana sy ny fanarahana amin-jotom-po ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah no nampirisihan’i Nehemia harahin’ilay firenena manontolo. (5:14, 15; 13:10-13). Ohatra namirapiratra iray ho antsika i Nehemia, izay lehilahy tsy tia tena sady hendry, nanao zavatra fa tsy nipetra-potsiny, tsy nisy tahotra raha ny amin’ny rariny teo anoloan’ny loza. (4:8, 13, 14; 6:3, 15). Nanana ny fahatahorana an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy, izy ary liana ny hampiorina ireo mpiara-nanompo taminy tao amin’ny finoana. (13:14; 8:9). Nampihatra tamin-kery ny lalàn’i Jehovah izy, indrindra, fa rehefa nisy fifandraisana tamin’ny fanompoam-pivavahana marina sy ny fandavana ireo fitaomana avy tany ivelany, toy ny fanambadiana mpanompo sampy. — 13:8, 23-29.

17. Tamin’ny ahoana i Nehemia no ohatra koa raha ny amin’ny fahalalana sy ny fampiharana ny lalàn’Andriamanitra?

17 Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky, dia hita miharihary fa i Nehemia dia nanana fahalalana tsara ny lalàn’i Jehovah, sady nampiasa izany tamin’ny fomba tsara. Nangataka ny fitahian’Andriamanitra izy noho ilay fampanantenan’i Jehovah tao amin’ny Deoteronomia 30:1-4, tamim-pinoana feno fa hanao zavatra ho azy amin’ny tsy fivadihana i Jehovah. (Neh. 1:8, 9). Nandamina ny hisian’ny fivoriambe maro izy, indrindra fa mba hampahafantarana tamin’ireo Jiosy ireo zavatra nosoratana tamin’ny andro taloha. Tamin’ny famakiany ny Lalàna, i Nehemia sy i Ezra dia niezaka tamim-pitandremana mba hanazava ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny vahoaka ary koa mba hanara-maso ny fampiharana azy io. — 8:8, 13-16; 13:1-3.

18. Fianarana inona avy no tokony hataon’ny fitarihan’i Nehemia nahatsiaro hivavaka hatrany, latsa-paka ao an-tsain’ny mpiandraikitra rehetra?

18 Ny fianteheran’i Nehemia tamin’i Jehovah tamin’ny fomba feno sy ny fangatahany feno fanetren-tena dia tokony hampirisika antsika hamboly fihetsika toy izany, izany hoe hiankina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Mariho fa ireo vavaka nataony dia nanome voninahitra an’Andriamanitra, nampiseho ny fiekena ireo fahotan’ny fireneny, ary nangataka ny hanamasinana ny anaran’i Jehovah. (1:4-11; 4:8; 6:14; 13:14, 29, 31). Ny naha-fitaomana nampahatanjaka teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra an’io mpiandraikitra be zotom-po io dia nasehon’ny fahavononan’izy ireo hanaraka ny fitarihany feno fahendrena sy ny fifaliana hitan’izy ireo tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra teo anilany. Tena ohatra mandrisika tokoa! Kanefa, rehefa tsy nisy mpiandrakitra feno fahendrena, dia haingana aoka izany ny nitsofohan’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, ny fandraisana kolikoly ary ny fivadiham-pinoana tsotra izao! Azo antoka fa izany dia tokony hahatonga ho latsa-paka ao an-tsain’ny mpiandraikitra rehetra eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao, fa ilain’izy ireo ny harisika, ho mailaka sy ho be zotom-po ho an’ny tombontsoan’ireo rahalahiny kristiana, ary hahatakatra ny fiheviny sy ho hentitra eo amin’ny fitarihana azy ireo eo amin’ny lalan’ny fanompoam-pivavahana marina.

19. a) Ahoana no nampiasan’i Nehemia ny Tenin’Andriamanitra mba hanatanjahana ny fatokiana tamin’ireo fampanantenana momba ilay Fanjakana? b) Ahoana no andrisihan’ny fanantenana momba ilay Fanjakana ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao?

19 I Nehemia dia nampiseho fianteherana mafy tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe mpampianatra be zotom-po ny Soratra Masina fotsiny izy, fa nampiasa azy io koa mba hanorenana ireo lova ara-pirazanana sy ny fanompoana nataon’ireo mpisorona sy Levita teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra tafaverina tamin’ny laoniny. (Neh. 1:8; 11:1–12:26; Josoa 14:1–21:45). Tsy maintsy ho fampaherezana lehibe ho an’ireo sisa jiosy izany. Nanatanjaka ny fatokian’izy ireo ireo fampanantenana lehibe nomena taloha momba ilay Taranaka sy ny famerenana amin’ny laoniny lehibe kokoa eo ambany fanapahany, izany. Ny fanantenana ny famerenana amin’ny laoniny eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana no mandrisika ireo mpanompon’Andriamanitra hiady amin-kerim-po ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana sy ho be zavatra hatao amin’ny fanorenana ny fanompoam-pivavahana marina manerana ny tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1168-1169.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1413-1414.

c Ny mpanoratra tantara jiosy sasany dia milaza fa io zafikelin’i Eliasiba io dia nantsoina hoe Manase, ary koa fa, niaraka tamin’i Sanbala rafozan-dahiny, izy dia nanorina ilay tempoly teo an-tendrombohitra Gerizima, izay nanjary ny foiben’ny fanompoam-pivavahan’ny Samaritana ary nanaovany ny asa fisoronany nandritra ny androm-piainany. I Gerizima dia ilay tendrombohitra nasian’i Jesosy firesahana ao amin’ny Jaona 4:21. — The Second Temple in Jerusalem, 1908, W. Shaw Caldecott, pejy 252-255; jereo La Tour de Garde, 1 Jolay 1961, pejy 205-206.

[Fanontaniana]