Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-17 — Estera

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-17 — Estera

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-17 — Estera

Mpanoratra: Mordekay

Toerana Nanoratana: Sosana, Elama

Vita Tamin’ny: 475 al.f.i. tany ho any

Fotoana Voafaoka: 493 al.f.i. – 475 al.f.i. tany ho any

1. Tantara inona no mivelatra ao amin’ny bokin’i Estera?

 RAHA lazaina amin’ny teny tsotra, itỳ dia ny tantaran’i Ahasoerosy, mpanjakan’i Persia, heverin’ny sasany fa i Ksersesy I. Lasan’i Estera, vehivavy jiosy, zanak’olo-mpiray tampo tamin’i Mordekay, ny toeran’i Vasty, vadiny tsy nankato. Nitetika ny hahafaty an’i Mordekay sy ny Jiosy rehetra, i Hamana Agagita, kanefa izy no nahantona tamin’ilay hazo natsangan’ny tenany ihany, fa i Mordekay kosa dia nasondrotra ho praiminisitra, ary dia voavonjy ireo Jiosy.

2. a) Nahoana ny olona sasany no misalasala ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry ny bokin’i Estera? b) Amin’ny endrika ahoana no toa ampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Estera?

2 Mazava ho azy fa misy te hilaza fa ny bokin’i Estera dia sady tsy ara-tsindrimandry no tsy mahasoa, fa angano kanto fotsiny. Manorina ny filazany amin’ny tsy maha-ao ny anaran’Andriamanitra izy ireo. Na dia marina aza fa tsy voatonona mivantana Andriamanitra, ao amin’ilay soratra hebreo, dia misy toerana efatra samy hafa isehoan’ny acrostiche-n’ny Tetragrama. Izany dia ny fisehoan’ny hoe YHWH (hebreo: יהוה), na hoe Jehovah, voaforon’ny litera voalohany amin’ny teny efatra mifampitohy. Ireo litera voalohany ireo dia atao miavaka manokana ao amin’ny sora-tanana hebreo fahizay telo fara fahakeliny. Marihina amin’ny litera mena koa izy ireo ao amin’ireo Masora. Afa-tsy izany koa, ao amin’ny Estera 7:5, dia toa misy acrostiche irain’ilay fanambaran’Andriamanitra hoe “Hoporofoiko ny tenako”. — Jereo ireo fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Estera 1:20; 5:4, 13; 7:7 ary koa ao amin’ny 7:5, samy ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

3. Fisehoan-javatra inona avy no mampiseho finoana an’Andriamanitra sy fivavahana aminy, ary fisehoan-javatra inona avy no ahitana ny fitarihan’Andriamanitra raharaha?

3 Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay firaketana an-tsoratra, dia miharihary aoka izany fa i Mordekay dia sady nanaiky no nankato ny lalàn’i Jehovah. Nanda tsy hiankohoka mba hanome voninahitra lehilahy iray izay azo inoana fa Amalekita izy; Andriamanitra mantsy efa nanokana ny Amalekita ho amin’ny fanafoanana. (Est. 3:1, 5; Deot. 25:19; 1 Sam. 15:3). Ny tenin’i Mordekay ao amin’ny Estera 4:14 dia mampiseho fa nanantena famonjena avy tamin’i Jehovah izy, no sady nanana finoana ny fitarihan’Andriamanitra ny fizotran’ireo fisehoan-javatra manontolo. Ny nifadian’i Estera hanina sy ny zavatra nitovy tamin’izany nataon’ny Jiosy hafa, nandritra ny hateloana, talohan’ny nidirany tao amin’ny mpanjaka, dia mampiseho fianteherana tamin’Andriamanitra. (Est. 4:16). Ny fitarihan’Andriamanitra ireo fisehoan-javatra koa dia hita avy amin’ny nahitan’i Estera fitia teo imason’i Hegay, mpifehy ny vehivavy, sy ny tsy nahitan’ny mpanjaka tory tamin’ny alina nangatahany ny boky fitadidiana ka nahitany fa mbola tsy nomena voninahitra i Mordekay noho ilay asa soa nataony teo aloha. (Est. 2:8, 9; 6:1-3; ampitahao amin’ny Ohabolana 21:1.) Tsy isalasalana fa misy firesahana momba ny vavaka ao amin’ny teny hoe “ny amin’ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany”. — Est. 9:31.

4. Ahoana no anorenana ny maha-azo itokiana sy araka ny zava-nisy ny bokin’i Estera?

4 Zava-misy maro no manorina fa azo itokiana sy araka ny zava-nisy ilay fitantarana. Neken’ny vahoaka jiosy, izay niantso tsotra fotsiny ilay boky hoe Meghil·lahʹ, izay midika hoe “horonana, horonam-boky”, izy io. Toa nampidirin’i Ezra, izay azo antoka fa tsy nanaiky azy io ho angano, tao amin’ny kanôna hebreo izy io. Hatramin’izao, ireo Jiosy dia mitandrina ny fetin’ny Porima, na Filokana, ho fankalazana ilay famonjena lehibe tamin’ny andron’i Estera. Ilay boky dia mampiseho ireo fomba amam-panao persiana araka ny tena izy sy mifanaraka amin’ireo zava-nisy ara-tantara fantatra sy amin’ireo zavatra hitan’ny arkeolojia. Ohatra, ny bokin’i Estera dia milazalaza araka ny marina ny fomba nanomezan’ny Persiana voninahitra lehilahy iray. (6:8). Ireo fihadian-tany nataon’ny arkeology dia nampiharihary fa marina tsara hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra ny filazalazana momba ilay tranon’ny mpanjaka omena ao amin’ny bokin’i Estera. a5:1, 2.

5. Zavatra marina tsara inona no mampiseho ny maha-marina ny fitantaran’ny bokin’i Estera, ary mifanaraka amin’ny fe-potoana inona ny fiteny ampiasaina ao?

5 Io maha-marina tsara azy io koa dia azo marihina ao amin’ilay fitantarana mihitsy, amin’ny fanononany amim-pitandremana ireo nanam-pahefana sy mpanampy tao an-dapa (NW ), amin’ny fanomezany ny anaran’ireo zanak’i Hamana folo lahy mihitsy aza. Ny filazam-pirazanan’i Mordekay sy i Estera dia dinihina amin’ny an-tsipiriany hatrany amin’i Kisy, ao amin’ny fokon’i Benjamina. (2:5-7). Misy firesahana momba ireo firaketana an-tsoratra ofisialin’ny fitondram-panjakana persiana, ao. (2:23; 6:1; 10:2). Ny fiteny ampiasaina ao amin’ilay boky dia ny teny hebreo tatỳ aoriana, izay nampiana teny sy fitenenana persiana sy aramiana. Mifanitsy tsara amin’ny an’ny bokin’ny Tantara sy i Ezra ary i Nehemia ny fomba fanoratra ao aminy, ka noho izany dia mifanaraka tanteraka amin’ny fe-potoana nanoratana azy.

6. a) Fe-potoana toy inona no aseho fa voafaokan’ny bokin’i Estera? b) Toa manondro inona ny porofo raha ny amin’ilay mpanoratra, ary koa ny toerana sy ny fotoana nanoratana azy?

6 Heverina fa ireo fisehoan-javatra ao amin’ny bokin’i Estera dia nitranga tamin’ny andro naha-teo amin’ny fara tampony ilay empira persiana nahery, ary koa fa nahafaoka tokony ho 18 taona tamin’ny fotoana nanjakan’i Ahasoerosy (Ksersesy I), izy ireo. Ny fe-potoana voafaoka, nanomboka tokony ho tamin’ny 475 al.f.i., dia asehon’ny fanamarinana avy amin’ireo loharanon-kevitra grika sy persiana ary babyloniana. b I Mordekay, izay vavolombelona nanatri-maso sady mpandray anjara lehibe ao amin’ilay fitantarana, no azo inoana indrindra fa nanoratra ilay boky; ny fitantarana momba ireo zavatra manokana sy amin’ny an-tsipiriany dia mampiseho fa tsy maintsy ho niaina ireo fisehoan-javatra tao Sosana renivohitra, ilay mpanoratra. c Na dia tsy voatonona ao amin’ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly aza i Mordekay, dia tsy misy iadian-kevitra fa olona tena nisy teo amin’ny tantara izy. Mahaliana fa nisy soratra tamin’ny litera cunéiforme tsy misy daty iray hita, izay nolazalazain’i A. Ungnad tany Alemaina fa manisy firesahana momba an’i Mardukâ (Mordekay?) ho toy ny nanam-pahefana ambony tao amin’ny lapan’i Sosa (Sosana) nandritra ny fotoana nanjakan’i Ksersesy I. d Tao Sosana tao no tsy isalasalana fa namitan’i Mordekay ny fitantarana ireo fisehoan-javatra ao amin’ny bokin’i Estera, taorian’ny nitrangan’izy ireo avy hatrany, izany hoe tokony ho tamin’ny 475 al.f.i.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY ESTERA

7. Zava-nanahirana lehibe inona no nipoitra tamin’ny fanasana nataon’i Ahasoerosy, ary inona no nataon’ny mpanjaka ho vokatr’izany?

7 Naongana i Vasty, vadin’ny mpanjaka (1:1-22). Ny taona fahatelo nanjakan’i Ahasoerosy tamin’izay. Nanao fanasana goavana ho an’ireo nanam-pahefana tao amin’ny empirany izy, ka nampiseho azy ireo ny harena amam-boninahitry ny fanjakany nandritra ny 180 andro. Taorian’izany izy dia nanao fety lehibe naharitra hafitoana ho an’ny vahoaka rehetra tao Sosana. Nandritra izany fotoana izany, i Vasty, vadin’ny mpanjaka, dia nanao fanasana ho an’ny vehivavy. Nirehareha momba ny hareny amam-boninahiny ny mpanjaka, ary rehefa azon’ny divay ka faly izy, dia nampiantso an’i Vasty mba ho avy ka hampiseho ny hamevany tamin’ny vahoaka sy ireo mpanapaka. Nanda i Vasty, vadin’ny mpanjaka. Araka ny torohevitr’ireo nanam-pahefana tao an-dapa, izay nanondro fa izany ohatra ratsy izany dia afaka ny hahatonga ny mpanjaka ho afa-baraka nanerana ilay empira, dia nanaisotra an’i Vasty tsy ho vadin’ny mpanjaka i Ahasoerosy ary namoaka taratasy niantso ny vehivavy nanambady rehetra “mba samy hanome voninahitra ny vadiny avy”, ary ny lehilahy nanambady tsirairay ‘mba samy hanapaka ny ao an-tranony avy’. — 1:20, 22.

8. a) Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny fahatongavan’i Estera ho vadin’ny mpanjaka? b) Teti-dratsy inona no novakin’i Mordekay bantsilana, ary firaketana inona no natao momba izany?

8 Tonga vadin’ny mpanjaka i Estera (2:1-23). Tatỳ aoriana, ny mpanjaka dia nanendry olona mba hitady ireo virjiny tsara tarehy indrindra tao amin’ireo provansy 127 rehetra teo amin’ilay empira, ka hitondra azy ireo tao Sosana. Tao izy ireo dia nomanina tamin’ny fikarakarana ny hatsaran-tarehiny mba haseho teo anatrehan’ny mpanjaka. Anisan’ireo zazavavy voafantina i Estera. I Estera dia kamboty jiosy, “soa sady tsara tarehy”, izay notezain’i Mordekay, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, sady nanam-pahefana tao Sosana. (2:7). Ny anarana jiosin’i Estera dia hoe Hadasa, izay midika hoe “myrte” (zavamaitso madinika sy manitra ary tsy mihintsan-dravina). I Hegay, mpifehy ny vehivavy, dia faly noho i Estera ary nanome azy fikarakarana manokana. Tsy nisy nahalala fa Jiosy izy, satria nomen’i Mordekay toromarika mba hitana izany ho tsiambaratelo. Nifandimby nampidirina tao amin’ny mpanjaka ireo zazavavy. Nifidy an’i Estera mba ho vadiny vaovao izy, ary nisy fanasana natao mba hankalazana ny fanomezana azy ny satroboninahitra. Tsy ela taorian’izay, dia ren’i Mordekay fa nisy fiokoana nomanina mba hamonoana ny mpanjaka, ary nasainy nampahafantarin’i Estera azy izany, “araka ny nampilazain’i Mordekay”. (2:22). Vaky bantsilana ilay teti-dratsy, nahantona ireo mpioko ary dia noraketina tao amin’ireo tantara voalahatry ny mpanjaka izany.

9. Tamin’ny ahoana i Mordekay no nampahatezitra an’i Hamana, ary didin’ny mpanjaka inona no azon’itỳ farany ho famelezana ny Jiosy?

9 Ny fiokoan’i Hamana (3:1–5:14). Tokony ho efa-taona no lasa. I Hamana, izay toa taranak’i Agaga, ilay mpanjaka amalekita novonoin’i Samoela, dia tonga praiminisitra. (1 Sam. 15:33). Nanandratra azy ny mpanjaka ary nandidy ny mpanompony rehetra izay teo am-bavahadin’ny mpanjaka, mba hiankohoka teo anatrehan’i Hamana. Anisan’izany i Mordekay. Kanefa nanda tsy hanao izany izy, tamin’ny fampahafantarana tamin’ny mpanompon’ny mpanjaka fa Jiosy ny tenany. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 17:14, 16.) Tezitra aoka izany i Hamana, hany ka, rehefa fantany fa Jiosy i Mordekay, dia noraisiny ho toy ny fahafahana nalaza hanafoana mandrakizay an’i Mordekay sy ny Jiosy rehetra, izany. Nisy nanao filokana (pora) mba hamantarana izay andro tsara hanafoanana ireo Jiosy. Nampiasa ny nahitany fitia tamin’ny mpanjaka i Hamana ka niampanga ireo Jiosy ho tsy mpankato lalàna ary nangataka ny hanaovana an-tsoratra ny baiko handringanana azy ireo. Nanolotra ny hanao fanomezana talenta volafotsy 10 000 (mitovy vidy amin’ny 125 514 000 000 FMG any ho any) izy mba handoavana ny vidin’ilay fandripahana olona. Nanaiky ny mpanjaka, ary nalefa nanerana ilay empira ny baiko vita an-tsoratra sady voatomboka tamin’ny tombo-kasen’ny mpanjaka, ka nametra ny faha-13 Adara ho ny andro hamonoana ireo Jiosy.

10. Inona no nataon’i Mordekay sy i Estera tamim-panehoana finoana ny herin’i Jehovah?

10 Rehefa nahare ny amin’io lalàna io i Mordekay sy ny Jiosy rehetra, dia nalahelo ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona. Nisy ‘fifadian-kanina sy fitomaniana ary fidradradradrana’. (Est. 4:3). Rehefa nampahafantarin’i Mordekay ny amin’ny fahoriana nanjo ny Jiosy i Estera, dia nisalasala ny hanelanelana izy aloha. Fahafatesana mantsy no sazy ho an’izay niseho teo anatrehan’ny mpanjaka, nefa tsy nahazo lalana. Kanefa nampiseho ny finoany ny herin’i Jehovah i Mordekay tamin’ny fanambarana fa raha nandiso fanantenana azy ireo i Estera, dia ho faty ihany ary ny famonjena dia “hiseho avy amin’ny fitoerana hafa”. Ambonin’izany, sao àry dia “ho amin’izao andro izao mihitsy” no nahatongavan’i Estera ho vadin’ny mpanjaka? (4:14). Hitan’i Estera ilay raharaha tafiditra tamin’izay, ka nanaiky ny hanao vivery ny ainy izy, ary dia niara-nifady hanina taminy nandritra ny hateloana ny Jiosy rehetra tao Sosana.

11. Ahoana no nampiasan’i Estera ny fahitany fitia tamin’ny mpanjaka, kanefa teti-dratsy inona no nataon’i Hamana ho famelezana an’i Mordekay?

11 Avy eo, dia niakanjo ny akanjo fiandrianana tsara indrindra i Estera ka niseho teo anatrehan’ny mpanjaka. Nahita fitia teo imasony izy, ary dia naninjitra ny tehiny volamena tany aminy ny mpanjaka izay nitsimbina ny ainy tamin’izany. Nanasa ny mpanjaka sy i Hamana ho amin’ny fanasana iray izao i Estera. Nandritra ilay fanasana, dia nampirisika azy hampahafantatra ny fangatahany ny mpanjaka, tamin’ny fanomezana toky fa homena azy izany, “hatramin’ny antsasaky ny fanjakana” mihitsy aza. Tamin’izay dia nanasa azy mirahalahy ho amin’ny fanasana hafa iray ny ampitson’iny, i Estera. (5:6). Faly i Hamana nivoaka avy tao. Kanefa, indro indray i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka! Nanda tsy hanome voninahitra an’i Hamana, na hihetsika hitsaoka azy, indray izy. Nivadika ho fahatezerana ny fifalian’i Hamana. Nanolo-kevitra azy mba hanangana hazo, nanana haavo 50 hakiho (22,3 m.), ny vadiny sy ireo sakaizany, ka hanao izay hahazoana didy avy tamin’ny mpanjaka mba hanantonana an’i Mordekay tamin’izany hazo izany. Nasain’i Hamana natao avy hatrany ilay hazo.

12. Fiovan-javatra inona no nitarika ho amin’ny fanomezan’i Ahasoerosy voninahitra an’i Mordekay, ka nampietry an’i Hamana?

12 Nitsimbadika ny rasa (6:1–7:10). Ny alin’iny, dia tsy nahita tory ny mpanjaka. Nasaina nentina teo aminy sy novakina taminy ny bokin’ny firaketana an-tsoratra, ary hitany fa tsy namaly soa an’i Mordekay noho izy io namonjy ny ainy, izy. Tatỳ aoriana ny mpanjaka dia nanontany hoe iza no tao an-kianja. I Hamana no tao, ary tonga mba hangataka taratasy fanomezan-dalana ho amin’ny famonoana ho faty an’i Mordekay izy. Nanontanian’ny mpanjaka i Hamana ny amin’izay tokony hatao mba hanomezam-boninahitra ny olona iray nahafaly azy. Nihevitra i Hamana fa ny tenany no tao an-tsain’ny mpanjaka, ka nanoritra fandaharam-panomezam-boninahitra be filatro izy. Nandidy azy toy izao anefa ny mpanjaka: “Ataovy araka izany amin’i Mordekay Jiosy”! (6:10). Tsy afa-nanoatra i Hamana fa tsy maintsy nampitafy an’i Mordekay araka ny famirapiratan’ny mpanjaka, nampitaingina azy tamin’ny soavalin’ny mpanjaka ary nitondra azy teny an-kalalahana teo an-tanàna, sady niantsoantso teo alohany. Nampietrena i Hamana ka nody faingana tamin’alahelo. Tsy nanana teny fampiononana ho azy ny vadiny sy ireo sakaizany. Ho ratsy ny fiafaran’i Hamana!

13. Inona no nahariharin’i Estera tamin’ilay fanasana, ka nitarika ho amin’ny fiafarana ratsy inona ho an’i Hamana?

13 Tonga izao ny fotoana hanatrehan’i Hamana ilay fanasana niaraka tamin’ny mpanjaka sy i Estera. Nambaran’ny vadin’ny mpanjaka fa namidy mba haripaka ny tenany sy ny fireneny. Iza no sahy hanao izany faharatsiana izany? Hoy i Estera: “Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo!” (7:6). Nitsangana ny mpanjaka fa tezitra dia tezitra ary nivoaka nankany an-jaridaina (NW ). Rehefa tavela irery niaraka tamin’ny vadin’ny mpanjaka i Hamana, dia nangataka ny ainy, ary rehefa tafaverina ny mpanjaka dia vao mainka koa romotra nahita an’i Hamana teo amin’ny farafaran’ny vadiny. Teo no ho eo ihany izy dia nandidy ny hanantonana an’i Hamana tamin’ilay hazo nomanin’i Hamana ho an’i Mordekay! — Sal. 7:16.

14. Ahoana no namalian’ny mpanjaka soa an’i Estera sy i Mordekay, ary didy an-tsoratra inona no navoakany ho fanasoavana ny Jiosy?

14 Nasondrotra i Mordekay, novonjena ireo Jiosy (8:1–10:3). Nomen’ny mpanjaka an’i Estera ny fananan’i Hamana rehetra. Nampahafantarin’i Estera an’i Ahasoerosy ny fihavanany tamin’i Mordekay, izay nasondrotry ny mpanjaka ho eo amin’ny toerana notanan’i Hamana teo aloha sy nomeny ny peratra fanombohan’ny mpanjaka. Nanao vivery ny ainy indray koa i Estera tamin’ny fidirana teo anoloan’ny mpanjaka mba hangataka ny tsy hampanan-kery ilay didy an-taratasy mba handringanana ny Jiosy. Tsy azo nofoanana anefa “ny lalàn’i Persia sy Media”! (1:19). Noho izany, ny mpanjaka dia nanome an’i Estera sy i Mordekay lalana mba hanoratra lalàna vaovao iray ary hanomboka izany tamin’ny peratry ny mpanjaka. Io didy an-tsoratra io, izay nalefa nanerana ilay empira tsy nisy hafa tamin’ilay teo aloha, dia nanome ho an’ny Jiosy ny zo “hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ny vady aman-janak’ireny ary handroba ny fananany”. Tamin’ilay andro tokony hampanan-kery ilay lalàn’i Hamana indrindra no hanaovana izany. — 8:11.

15. a) Inona no vokatr’ilay ady, ary fety inona no naorin’i Mordekay? b) Nasandratra ho amin’ny toerana inona i Mordekay, ary ho amin’ny zava-kendrena inona no nampiasany ny fahefany?

15 Rehefa tonga ilay andro voatondro, ny faha-13 Adara, dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloan’ny Jiosy. Araka ny fangatahana nataon’i Estera tamin’ny mpanjaka, tany Sosana dia nitohy hatramin’ny andro faha-14 ilay ady. Tamin’ny fitambarany, dia 75 000 tamin’ireo fahavalon’ny Jiosy no voavono nanerana ilay empira. Nisy 810 fanampiny voavono tany Sosana renivohitra. Anisan’ireo ny zanak’i Hamana folo mirahalahy, izay voavono tamin’ny andro voalohany ary nahantona tamin’ny hazo tamin’ny andro faharoa. Tsy nisy fandrobana natao. Tamin’ny faha-15 Adara, dia nisy fitsaharana, ary dia tsy nahatan-tena tsy hanao fanasana sy hiravoravo ny Jiosy. Nanome toromarika an-tsoratra izao i Mordekay mba hitandreman’ny Jiosy io fetin’ny “pora (filokana izany)” io isan-taona amin’ny faha-14 sy faha-15 Adara, ary izany no ataon’izy ireo mandrak’androany. (9:24). Nankalazaina tao amin’ilay fanjakana i Mordekay, ary nampiasa ny toerana notanany nanarakaraka an’i Ahasoerosy Mpanjaka, mba “hahasoa ny fireneny (...) sady nilaza fiadanana tamin’ny olona rehetra iray firazanana aminy”. — 10:3.

MAHASOA — NAHOANA?

16. Fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra inona avy ary modely mendrika inona no hitan’ny Kristiana ao amin’ny bokin’i Estera?

16 Na dia tsy misy mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly aza naka teny mivantana avy tao amin’ny bokin’i Estera, io boky io dia mifanaraka tanteraka amin’ny tapany sisa amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry. Raha ny tena izy, izy io dia manome ohatra mamirapiratra fampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sasany izay nambara tatỳ aoriana ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ary mihatra amin’ny mpivavaka amin’i Jehovah amin’ny fotoana rehetra. Ny fandinihana ireto andininy manaraka ireto dia tsy mampiseho izany fotsiny, fa hampahatanjaka ny finoana kristiana koa: Estera 4:5Filipiana 2:4; Estera 9:22Galatiana 2:10. Ilay fiampangana natao tamin’ny Jiosy, fa hoe tsy nankato ireo lalàn’ny mpanjaka izy ireo, dia nitovy tamin’ilay fiampangana natao tamin’ireo Kristiana voalohany. (Est. 3:8, 9; Asa. 16:21; 25:7). Ny mpanompo marin’i Jehovah dia miatrika ny fiampangana toy izany tsy amin-tahotra ary amin’ny fianteherana amim-bavaka amin’ny herin’Andriamanitra hamonjy azy, araka ny modely mamirapiratra navelan’i Mordekay sy i Estera ary ireo Jiosy namany. — Est. 4:16; 5:1, 2; 7:3-6; 8:3-6; 9:1, 2.

17. Ahoana no nanomezan’i Mordekay sy i Estera ohatra raha ny amin’ny lalana tokony harahina tamin’ny fanekeny an’Andriamanitra sy “ny fahefana lehibe”?

17 Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia tsy tokony hieritreritra isika fa hafa noho ny an’i Mordekay sy i Estera ny toerana misy antsika. Isika koa dia miaina eo ambany fanapahan’ny “fahefana lehibe” ao amin’ny tontolo vahiny iray. Ny faniriantsika dia ny ho olom-pirenena mpankato lalàna na aiza na aiza tany onenantsika. Etsy an-danin’izany anefa, dia maniry hametra fefy araka ny tokony ho izy isika eo amin’ny ‘fandoavana ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara sy ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’. (Rom. 13:1; Lioka 20:25). I Mordekay Praiminisitra sy i Estera, Vadin’ny Mpanjaka, dia nanome ohatra tsara raha ny amin’ny fandavan-tena sy ny fankatoavana teo amin’ny adidiny ivelan’ny fivavahana. (Est. 2:21-23; 6:2, 3, 10; 8:1, 2; 10:2). Kanefa, tsy natahotra i Mordekay nametra ny fefy raha ny amin’ny fankatoavana ny didin’ny mpanjaka hiankohoka teo anoloan’i Hamana, ilay Agagita tsy mendrika. Ambonin’izany, dia nataony koa izay hisian’ny famerenam-pitsarana mba hanitsiana araka ny lalàna ilay fiokoan’i Hamana handringana ny Jiosy. — 3:1-4; 5:9; 4:6-8.

18. a) Inona no manaporofo fa ny bokin’i Estera dia “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”? b) Ahoana no ampirisihan’izy io ny fiarovana ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

18 Ny porofo rehetra dia manondro fa ny bokin’i Estera dia anisan’ny Baiboly Masina, “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. Na dia tsy misy fanononana mivantana an’Andriamanitra na ny anarany aza ao, izy io dia manome antsika oha-pinoana faran’izay tsara. Tsy olona noforomporonina tao an-tsain’ny mpanoratra tantara iray akory i Mordekay sy i Estera, fa mpanompon’i Jehovah Andriamanitra tena nisy, dia olona izay nametraka fatokiana tsy nisy fihambahambana ny herin’i Jehovah hamonjy. Na dia niaina teo ambany fanapahan’ny “fahefana lehibe” tao amin’ny tany hafa iray aza izy ireo, dia nampiasa izay fomba araka ny lalàna rehetra mba hiarovana ny tombontsoan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. Isika amin’izao andro izao dia afaka manaraka ny ohatra navelany mba ‘hiarovana sy hampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsaran’ny’ Fanjakan’Andriamanitra mitondra famonjena. — Fil. 1:7, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 496; Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 327-331.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1168-1169.

c Cyclopedia, nataon’i McClintock sy i Strong, fanontana vaovao tamin’ny 1981, Boky III, pejy 310.

d “Keilinschriftliche Beiträge zum Buch Esra und Ester”, Zeitschrift für die alttestamentliche Wissenschaft, nataon’i A. Ungnad, LVIII (1940-1941), pejy 240-244.

[Fanontaniana]