Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-18 — Joba

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-18 — Joba

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-18 — Joba

Mpanoratra: Mosesy

Toerana Nanoratana: Tany an’efitra

Vita Tamin’ny: 1473 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: Maherin’ny 140 taona teo anelanelan’ny 1657 al.f.i. sy ny 1473 al.f.i.

1. Inona no hevitry ny anaran’i Joba, ary fanontaniana inona avy no valian’ny bokin’i Joba?

 NY IRAY amin’ireo boky tranainy indrindra amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry! Boky iray izay raisina amim-panajana indrindra sady tononina matetika, kanefa tsy azon’ny olombelona firy. Nahoana io boky io no nosoratana, ary inona no vidin’izy io ho antsika amin’izao andro izao? Ny valiny dia asehon’ny hevitry ny anaran’i Joba hoe “Ankahalaina”. Eny, io boky io dia mandray fanontaniana lehibe roa, dia ny hoe: Nahoana no mijaly ny tsy manan-tsiny? Nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hisy eto an-tany? Manana ny fitantarana ny amin’ny fijalian’i Joba sy ny fiaretany lehibe isika hodinihintsika, mba hamaliana ireo fanontaniana ireo. Nosoratana avokoa izany, araka ny nangatahin’i Joba. — Joba 19:23, 24.

2. Inona no manaporofo fa olona tena nisy i Joba?

2 Nanjary nitovy hevitra amin’ny hoe fiaretana sy faharetana i Joba. Kanefa tena nisy tokoa ve io olona nantsoina hoe Joba io? Na dia teo aza ireo ezaka rehetra nataon’ny Devoly mba hanesorana tsy ho ao amin’ny pejin’ny tantara io ohatra faran’izay tsara ny amin’ny tsy fivadihana io, dia mazava ny valiny. Olona tena nisy i Joba! I Jehovah dia nanonona azy niaraka tamin’i Noa sy i Daniela vavolombelony, izay neken’i Jesosy ny fisiany. (Ezek. 14:14, 20; ampitahao amin’ny Matio 24:15, 37.) Ilay firenena hebreo fahizay dia nihevitra an’i Joba ho olona tena izy. I Jakoba, mpanoratra kristiana, dia nanondro ny oha-piaretana navelan’i Joba. (Jak. 5:11). Ohatra tena nisy, fa tsy noforomporonina, ihany no hanan-danja mba hampiekena ireo mpivavaka amin’Andriamanitra fa azo atao ny mihazona tsy fivadihana ao anatin’ny toe-javatra rehetra. Ambonin’izany, ny hery sy ny fihetseham-po hita ao amin’ireo lahateny voarakitra ao amin’ny Joba dia manamarina ny maha-tena izy ilay tarehin-javatra.

3. Porofo inona no manamarina ny maha-ara-tsindrimandry ny bokin’i Joba?

3 Ny maha-azo itokiana sy ny maha-ara-tsindrimandry ny bokin’i Joba koa dia voaporofo satria ireo Hebreo fahiny dia nampiditra azy io foana tao amin’ny kanônan’ny Baiboly. Zavatra miavaka izany satria i Joba dia tsy Isiraelita. Ho fanampin’ny fakan-teny nataon’i Ezekiela sy i Jakoba, ilay boky koa dia nakan’ny apostoly Paoly teny. (Joba 5:13; 1 Kor. 3:19). Porofo mahery ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry ilay boky no omen’ny fifanarahany mahatalanjona amin’ireo zava-misy ara-tsiansa voaporofo. Ahoana no nahafantarana fa i Jehovah dia “manantona ny tany amin’ny tsy misy”, kanefa ireo olona fahiny dia nanana ny fiheverana hafahafa indrindra raha ny amin’izay nanohana ny tany? (Joba 26:7). Ny fomba fihevitra iray teo amin’ny olona tamin’ny andro fahiny dia hoe ny tany dia notohanan’ny elefanta nitsangana teo ambonin’ny soka-dranomasina lehibe iray. Nahoana ny bokin’i Joba no tsy nanome taratry ny hevi-dravina toy izany? Miharihary fa satria i Jehovah Mpamorona no nanome io fahamarinana io ara-tsindrimandry. Araka ny marina aoka izany ireo filazalazana hafa maro momba ny tany sy ireo zavatra mahatalanjona eo aminy, ary koa momba ireo biby sy vorona dia ao amin’ny fonenany voajanahary, hany ka i Jehovah Andriamanitra ihany no nety ho ny Loharanon’ny bokin’i Joba sady Mpanome Tsindrimandry ny fanoratana azy. a

4. Taiza ary oviana no nitrangan’ilay tantara mampihetsi-po lalina, ary oviana no vita ny fanoratana ny bokin’i Joba?

4 I Joba dia niaina tany Oza, izay, araka ny mpahay jeografia sasany, dia tany Arabia avaratra, tany akaikin’ilay tany nonenan’ny Edomita ary tany avaratr’ilay tany nampanantenaina ny taranak’i Abrahama. Ireo Sabeana no tany atsimo, ary ireo Kaldeana tany atsinanana. (1:1, 3, 15, 17). Ny fotoana nisian’ny fisedrana an’i Joba dia ela be taorian’ny andron’i Abrahama, tamin’ny fotoana fony ‘tsy nisy tahaka an’i Joba teny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy’. (1:8). Izany dia toa ilay fotoana teo anelanelan’ny nahafatesan’i Josefa (1657 al.f.i.), lehilahy nanam-pinoana niavaka, sy ny fiandohan’ny lalan’ny tsy fivadihana narahin’i Mosesy. Faran’izay niavaka i Joba teo amin’ny fanompoam-pivavahana madio, tamin’io fe-potoana naha-voaloto ny Isiraelita tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny demonia tany Egypta, io. Ankoatra izany, ireo fanao voatonona ao amin’ny toko voalohan’ny Joba, sy ny faneken’Andriamanitra an’i Joba ho mpivavaka marina, dia manondro ny fotoana nisian’ireo patriarka, fa tsy fe-potoana taorian’ny 1513 al.f.i., izay tsy nifampiraharahan’Andriamanitra afa-tsy tamin’ny Isiraely teo ambanin’ny Lalàna ihany. (Amosa 3:2; Efes. 2:12). Araka izany, raha ekena fa nanana fiainana lava be i Joba, dia toa mahafaoka fe-potoana teo anelanelan’ny 1657 al.f.i. sy ny 1473 al.f.i., taona nahafatesan’i Mosesy, ilay boky; vitan’i Mosesy fotoana kelikely taorian’ny nahafatesan’i Joba ary fony ireo Isiraelita tany an’efitra, izy io. — Joba 1:8; 42:16, 17.

5. Inona no mampiseho fa i Mosesy no nanoratra ny Joba?

5 Nahoana isika no milaza fa i Mosesy no nanoratra azy io? Izany dia araka ny lovantsofina tranainy indrindra, teo amin’ireo manam-pahaizana jiosy ary koa teo amin’ireo manam-pahaizana kristiana voalohany. Ilay fomba fanoratra marina sy mahery fahita ao amin’ny tononkalo hebreo ka ampiasaina ao amin’ny bokin’i Joba, dia mampiharihary fa asa soratra voalohany izy io, natao tamin’ny teny hebreo, dia ny fitenin’i Mosesy. Tsy nety ho nadika avy tamin’ny fiteny hafa, toy ny teny arabo, izy io. Afa-tsy izany koa, ireo tapany tsy miendrika tononkalo dia mitovy kokoa amin’ny Pentateuque noho ny amin’ny asa soratra hafa rehetra ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy ho Isiraelita, toa an’i Mosesy, ilay mpanoratra, satria ireo Jiosy no “nanankinana ireo fanambarana masin’Andriamanitra”. (Rom. 3:1, 2, NW ). Rehefa tonga teo amin’ny fahamatorana i Mosesy, dia nandany 40 taona tany Midiana, tsy lavitra an’i Oza, izay nety ho nahazoany ireo fanazavana amin’ny an-tsipiriany voarakitra ao amin’ny Joba. Tatỳ aoriana, rehefa nandalo teo akaikin’ny tany niavian’i Joba i Mosesy, nandritra ireo 40 taona naharetan’ny dian’ny Isiraely tany an’efitra, dia nety ho nahafantatra sy nirakitra ireo tsipiriany namarana ilay boky.

6. Amin’ny lafiny inona avy ny bokin’i Joba no mihoatra noho ny sangan’asa eo amin’ny haisoratra?

6 Araka ny The New Encyclopædia Britannica, ny bokin’i Joba matetika dia “raisina ho anisan’ireo sangan’asa eo amin’ny haisoratra eo amin’izao tontolo izao”. b Kanefa, ilay boky dia mihoatra lavitra noho ny sangan’asa eo amin’ny haisoratra. Ny Joba dia miavaka amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly raha ny amin’ny fanandratana ny herin’i Jehovah, ny fampiharany ny rariny, ny fahendreny ary ny fitiavany. Izy io dia mampiharihary mazava indrindra ilay raharaha lehibe indrindra eo anoloan’izao rehetra izao. Manome fanazavana momba ny maro amin’izay voalaza ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly izy io, indrindra fa ny Genesisy, ny Eksodosy, ny Mpitoriteny, ny Lioka, ny Romana ary ny Apokalypsy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 3:15; Eksodosy 9:16; Lioka 22:31, 32; Romana 9:16-19 ary Apokalypsy 12:9, ny Joba 1:6-12 sy 2:1-7; ary koa amin’ny Mpitoriteny 5:15; 8:11; 9:2, 3 ary 12:13, ny Joba 1:21; 24:15; 21:23-26 ary 28:28.) Izy io dia manome ny valiny ho an’ny maro amin’ireo fanontaniana eo amin’ny fiainana. Tena tapany tsy azo esorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry izy io, ary manampy be dia be amin’ny fahazoana hevi-javatra (NW ) mahasoa.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JOBA

7. Ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana no ahitantsika an’i Joba eo am-panombohan’ilay boky?

7 Sasin-tenin’ny bokin’i Joba (1:1-5). Izy io dia mampahafantatra amintsika an’i Joba, izay lehilahy “marina sy mahitsy (...) sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy”. Tao anatin’ny fahasambarana i Joba, satria nanana zanakalahy fito sy zanakavavy telo. Olona nanankarena ara-nofo izy, nanana tany sy ondry aman’osy maro be. Nanana mpanompo maro izy ary “nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra”. (1:1, 3). Kanefa, tsy tia fatratra zavatra ara-nofo izy, satria tsy nametraka ny fitokiany tamin’ny fananany ara-nofo. Nanankarena ara-panahy koa izy, nanankarena raha ny amin’ny asa soa, ka vonona tamin’ny fotoana rehetra ny hanampy olona ory na azom-pahoriana, na hanome lamba ho an’izay nila izany. (29:12-16; 31:19, 20). Nanaja azy avokoa ny rehetra. Nivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah, i Joba. Nanda tsy hiankohoka teo anoloan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana toy ny nataon’ireo firenena mpanompo sampy, izy, fa nahatoky teo anatrehan’i Jehovah kosa, ka nihazona ny tsy fivadihany tamin’ny Andriamaniny ary nanana fifandraisana akaiky Taminy. (29:7, 21-25; 31:26, 27; 29:4). Nanompo tamin’ny naha-mpisorona ho an’ny fianakaviany i Joba, ka nanatitra fanatitra dorana tsy tapaka, raha nanota izy ireo.

8. a) Tamin’ny ahoana i Satana no nanjary nihaika ny tsy fivadihan’i Joba? b) Ahoana no naneken’i Jehovah ilay fihaikana?

8 Nihaika an’Andriamanitra i Satana (1:6–2:13). Tamin’ny fomba mahagaga, dia nesorina ny tsy fahafahana hahita, mba hahafahantsika hijery ireo zavatra any an-danitra. Hita nitarika ny fivorian’ireo zanak’Andriamanitra i Jehovah. Tonga teo amin’izy ireo koa i Satana. Nisarika ny sainy ho amin’i Joba, mpanompony nahatoky, i Jehovah. Nihaika ny tsy fivadihan’i Joba anefa i Satana, tamin’ny fiampangana azy ho nanompo an’Andriamanitra noho ireo soa ara-nofo azony. Raha avelan’Andriamanitra haka izany taminy i Satana, dia hamoy ny tsy fivadihany i Joba. Nanaiky ilay fihaikana i Jehovah, kanefa tsy nahazo nikasika an’i Joba i Satana.

9. a) Fitsapana mafy inona avy no nanjo an’i Joba? b) Inona no manaporofo fa nihazona tsy fivadihana izy?

9 Nisy loza maro nanomboka nianjady tamin’i Joba tsy nanahy na inona na inona. Nanaisotra taminy ireo harem-beny ny fanafihana tampoka nataon’ny Sabeana sy ny Kaldeana. Namono ny zanany lahy sy ny zanany vavy ny rivo-mahery iray. Tsy nahavita nanao izay hanozonan’i Joba (NW ) an’Andriamanitra na nampivadika azy taminy anefa io fitsapana mafy io. Hoy kosa izy: “Isaorana anie ny anaran’i Jehovah.” (1:21). Niseho teo anatrehan’i Jehovah indray i Satana, izay resy sy voaporofo fa mpandainga tamin’iny indray nitoraka iny, ary niampanga hoe: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” (2:4). Nilaza i Satana fa, raha navela hikasika ny tenan’i Joba izy, dia ho afaka hanao izay hanozonan’i Joba an’Andriamanitra teo imasony. Nahazo lalana hanao na inona na inona afa-tsy ny haka ny ain’i Joba i Satana, ka namely azy tamin’ny aretina nahatsiravina iray. Nanjary ‘nitafy olitra sy baingan-tany’ ny nofon’i Joba, ary ny tenany sy ny fofonainy dia nanjary naharikoriko ny vadiny sy ny havany. (7:5; 19:13-20). Nampirisika azy toy izao ny vadiny, no sady nampiseho tamin’izany fa tsy niala tamin’ny tsy fivadihany i Joba: “Mbola mitana ny [tsy fivadihanao, NW ] ihany va hianao? [Manozòna, NW ] an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Niteny azy mafy i Joba ary “tsy nanota tamin’ny molony”. — 2:9, 10.

10. ‘Fampiononana’ mangina inona no nomen’i Satana?

10 Nampipoitra sakaiza telo, izay tonga mba “hampionona” an’i Joba, izao i Satana. Izany dia i Elifaza sy i Bildada ary i Zofara. Avy teny lavitra dia tsy nahafantatra an’i Joba izy ireo, kanefa avy eo, dia nanandratra ny feony ary nitomany sy nanopy vovoka hiraraka tamin’ny lohany. Avy eo, dia nipetraka tamin’ny tany teo anoloany izy ireo, kanefa tsy niteny na dia indraim-bava aza. Rehefa afaka hafitoan’andro sy hafitoan’alina nisian’io ‘fampiononana’ nangina io, tamin’ny farany dia nofaranan’i Joba ilay fanginana tamin’ny fanokafana ady hevitra lava be iray tamin’ireo nihambo ho mpitsapa alahelo ireo. — 2:11.

11-13. Ahoana no nanombohan’i Joba ilay ady hevitra, fiampangana inona no nataon’i Elifaza, ary inona no valin-teny nataon’i Joba tamin-kery?

11 Fihodinana voalohany tamin’ilay ady hevitra (3:1–14:22). Manomboka eto, ilay tantara mampitaintaina dia mivelatra amin’ny tononkalo faran’izay kanto amin’ny teny hebreo. Nanozona ny andro nahaterahany i Joba ary nanontany tena hoe nahoana Andriamanitra no namela azy ho velona ihany.

12 Ho valiny, dia niampanga an’i Joba ho tsy nanana tsy fivadihana i Elifaza. Tsy very na oviana na oviana ny olo-mahitsy, hoy ny nambarany. Tsaroany ny fahitana iray tamin’ny alina (NW ) izay nandrenesany feo nilaza taminy fa tsy natoky ny mpanompony Andriamanitra, indrindra fa ireo izay natao tamin’ny tany, dia ny vovoky ny tany. Nasehony fa ny fijalian’i Joba dia famaizana avy tamin’Andriamanitra Tsitoha.

13 Namaly an’i Elifaza tamin-kery i Joba. Nihiaka toy ny hataon’ny zavaboary rehetra ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahoriana, izy. Ho fanamaivanana ny fahafatesana. Nanakiana mafy ireo sakaizany izy noho izy ireo niteti-dratsy hamely azy ary namaly hoe: “Mampianara ahy, dia hangina aho; ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.” (6:24). Nanizingizina ny amin’ny fahamarinan’ny tenany teo imason’Andriamanitra, ilay “Mpandinika ny olombelona”, i Joba. — 7:20.

14, 15. Inona no hevitra naroson’i Bildada, ary nahoana i Joba no natahotra sao tsy haharesy lahatra an’Andriamanitra ny tenany?

14 Nandroso ny heviny izao i Bildada, tamin’ny fanipazana ilay hevitra fa nanota ny zanak’i Joba ary koa fa ny tenan’i Joba mihitsy dia tsy mahitsy, raha tsy izany dia ho efa nahare azy Andriamanitra. Nomeny toromarika i Joba mba handray ny taranaka teo aloha sy ny hevitra hitan’ny razambeny, ho mpitari-dalana.

15 Namaly i Joba, tamin’ny fanantitranterana fa tsy mba tsy marina akory Andriamanitra. Tsy voatery hampamoahin’olombelona koa Andriamanitra, satria “manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa”, Izy. (9:10). Tsy afaka ny haharesy tamin’ilay ady ara-pitsarana (NW ) tamin’Andriamanitra i Joba. Tsy afaka afa-tsy ny mifona amin’Andriamanitra izy. Kanefa, nisy soa azo avy tamin’ny fanaovana izay mahitsy ve? “Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa”. (9:22). Tsy nisy fitsarana marina teto an-tany. Natahotra i Joba sao tsy haharesy lahatra an’Andriamanitra koa aza ny tenany. Nila mpanalalana izy. Nanontany ny antony nitsapana azy izy ary nitalaho tamin’Andriamanitra mba hahatsiaro fa notefena tamin’ny “tanimanga” izy. (10:9). Nankasitraka ireo fanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy (NW ) tamin’ny lasa izy. Nilaza koa anefa izy fa hampitombo ny fahatezeran’Andriamanitra fotsiny ny tenany raha nifamaly taminy, na dia nanana ny rariny aza. Raha mba afaka ny hiala aina mantsy izy!

16, 17. a) Torohevitra feno fanamarinan-tena inona no nomen’i Zofara? b) Ahoana no nanombantombanan’i Joba ireo “mpampionona” azy, ary fatokiana mafy inona no nolazainy?

16 Niditra tao amin’ilay ady hevitra izao i Zofara. Ny fototry ny teniny dia hoe: Ankizy angaha izahay no hihaino bedibedy? Nilaza ianao fa tsy nanan-tsiny, kanefa enga anie ka hiteny Andriamanitra, dia hampiharihary ny maha-meloka anao. Nanontany an’i Joba izy hoe: “Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra?” (11:7). Nanoro hevitra an’i Joba izy mba hanary ny fanao manimba, satria ny olona nanao izany no hahazo fitahiana, “fa ny mason’ny ratsy fanahy kosa ho pahina”. — 11:20.

17 Nihiaka tamim-panesoana mafy toy izao i Joba: “Marina ary fa hianareo ihany tokoa no olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!” (12:2). Nety ho natao fihomehezana ny tenany, kanefa tsy latsaka noho izy ireo. Raha mba nijery ny zavatra noforonin’Andriamanitra mantsy ireo sakaizany, fa na dia ireo aza dia hanome fianarana azy ireo. Ny hery sy ny tena fahendrena dia an’Andriamanitra, izay mifehy ny zavatra rehetra, na dia ny ‘mahalehibe ny firenena sy ny mandringana azy’ aza. (12:23). Nahita fahafinaretana i Joba nandaha-teny tamin’Andriamanitra, fa ireo “mpampionona” telo azy kosa — “hianareo (...) dia mpamoron-dainga; dokotera tsy mahomby hianareo rehetra”. (13:4). Ho naneho fahendrena izy ireo raha nangina! Naneho ny fatokiany ny amin’ny maha-araka ny rariny ny fandaharany izy ary nangataka tamin’Andriamanitra mba hihaino azy. Nitodika tany amin’ilay hevitra hoe “ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana”, izy. (14:1). Mandalo vetivety ny olona, toy ny voninkazo mitsimoka na ny aloka. Tsy misy madio ateraky ny tsy madio. Rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra mba hampiery azy tany amin’ny Sheola mandra-pahafaky ny fahatezerany i Joba, dia nanontany hoe: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” Ho valiny, dia naneho fanantenana mafy izy hoe: “Hiandry (...) aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako.” — 14:13, 14.

18, 19. a) Fanesoesoana inona no nanombohan’i Elifaza ny fihodinana faharoan’ilay ady hevitra? b) Ahoana no niheveran’i Joba ny ‘fampiononan’ireo’ sakaizany, ary inona no nampitodika azy tany amin’i Jehovah?

18 Fihodinana faharoa tamin’ilay ady hevitra (15:1–21:34). Teo am-panombohana ilay ady hevitra faharoa, dia nanesoeso ny fahalalan’i Joba i Elifaza, ka nilaza fa ‘nameno ny kibony tamin’ny rivotra avy tany atsinanana’ izy. (15:2). Teo indray koa dia nanazimba ny filazan’i Joba momba ny fihazonany tsy fivadihana izy, ka nanantitrantitra fa na ny zanak’olombelona na ny anjely any an-danitra dia tsy afaka ny hihazona finoana teo imason’i Jehovah (NW ). Niampanga an-kolaka an’i Joba ho nirehareha hanohitra an’Andriamanitra sy ho nivadi-pinoana sy nandray kolikoly ary namitaka (NW ), izy.

19 Namaly i Joba fa ireo sakaizany dia ‘mpampionona mahasorisorena tia bedibedy foana’. (16:2, 3). Raha teo amin’ny toerany izy ireo, dia tsy ho niteny ratsy azy ireo, ny tenany. Naniry mafy ny ho voamarina izy, ary nitodika tany amin’i Jehovah, izay nahalala ny tantarany ary hanapa-kevitra ny amin’ny raharahany. Tsy nahita fahendrena tao amin’ireo sakaizany i Joba. Nanaisotra ny fanantenana rehetra izy ireo. Ny ‘fampiononan’izy’ ireo dia toy ny filazana hoe andro ny alina. Ny hany fanantenana dia ny “midina any amin’ny vavahadin’ny Sheola”. — 17:15, 16, f.a.p.

20, 21. Fahatezerana inona no nolazain’i Bildada, inona no navalin’i Joba, ary taiza no nasehon’i Joba fa nametrahany ny fitokiany?

20 Nihanafana ilay fifamaliana. Tezitra mafy izao i Bildada, satria nihevitra fa nampitaha ireo namany tamin’ny biby tsy nanam-pahalalana i Joba. Nanontany an’i Joba izy hoe: “Noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao”? (18:4). Nampitandrina izy fa ho latsaka ao anatin’ny fandrika mahatsiravina i Joba, ho ohatra ho an’ny hafa. Tsy hanana fara aman-dimby (NW ) i Joba.

21 Namaly i Joba hoe: “Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?” (19:2). Efa namoy fianakaviana sy namana izy, ny vadiny sy ny ankohonany efa niala taminy, ary raha ny tenany, dia ‘ny akanjo-nifiny ihany no hany sisa azony nenti-nandositra’. (19:20). Nitoky tamin’ny fisehoan’ny mpanavotra iray izy mba handamina ilay raharaha ho famonjena azy, mba ‘hahitany an’Andriamanitra’ amin’ny farany. — 19:25, 26.

22, 23. a) Nahoana no tohina i Zofara, ary inona no noteneniny momba ireo fahotana nolazainy fa nataon’i Joba? b) Hevitra tsy azo narodana inona no naroson’i Joba mba hamaliana izany?

22 Tohina i Zofara, toa an’i Bildada ihany, rehefa nahare ny “anatra mampahamenatra” nataon’i Joba. (20:3). Naveriny fa voasazy noho ireo fahotany ihany i Joba tamin’ny farany. Nahazo famaizana avy tamin’Andriamanitra foana ny ratsy fanahy, sady tsy nanam-pitsaharana, hoy i Zofara, na dia nahita fanambinana aza.

23 Namaly tamin’ny fandrosoana hevitra tsy azo narodana iray, i Joba: Raha nanasazy ny ratsy fanahy toy izany foana Andriamanitra, nahoana àry no velona ny ratsy fanahy, ka sady tratrantitra no be hery? Nandany ny androny tao anatin’ny fahafinaretana izy ireo. Indraindray foana no mba tonga ny loza manjo azy. Nasehony fa samy maty avokoa na ny nanankarena na ny nahantra. Raha ny marina aza, matetika ny ratsy fanahy iray no “miadana tokoa ka tsy manana ahiahy”, kanefa ny olo-marina iray mety ho faty ao “amin’ny fahorian’ny fanahiny”. — 21:23, 25.

24, 25. a) Fanendrikendrehana nilazana lainga inona no namelezan’i Elifaza an’i Joba tamim-panamarinan-tena? b) Fanoherana sy fihaikana inona no namalian’i Joba izany?

24 Fihodinana fahatelo tamin’ilay ady hevitra (22:1–25:6). Niverina nanafika tamin’ny fomba nahery vaika i Elifaza, ka nanesoeso ny filazan’i Joba ho tsy nanan-tsiny teo anoloan’ny Tsitoha. Nanendrikendrika nilaza lainga ny amin’i Joba izy, tamin’ny filazana fa ratsy izy, nanambaka ny mahantra, tsy nahafoy hanina ho an’ny noana, ary nitondra ireo mpitondratena sy kamboty tamin’ny fomba ratsy. Nilaza i Elifaza fa tsy nadio toy ny filazany akory ny fiainan’i Joba manokana, ka izany no nanazava ny toe-javatra ratsy nisy azy. Kanefa, ‘raha miverina amin’ny Tsitoha ianao’, hoy izy, “dia hihaino anao Izy”. — 22:23, 27.

25 Ho valin’izany, dia nanohitra ny fiampangana nahatsiravina nataon’i Elifaza i Joba, tamin’ny filazana fa naniry ny hohenoin’Andriamanitra, izay nahafantatra ny lalana marina narahiny, izy. Nisy nampahory ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny mahantra, ary koa namono olona sy nangalatra ary nanitsakitsa-bady (NW ). Nety ho toa nambinina nandritra ny fotoana kelikely izy ireny, kanefa hahazo ny valin’ny nataony ihany. Holevonina izy ireny. “Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy”, hoy ny fihaikan’i Joba. — 24:25.

26. Zavatra hafa inona koa no nolazain’i Bildada sy i Zofara?

26 Namaly izany fohy i Bildada, tamin’ny fanizingizinana ny amin’ny heviny hoe tsy nisy olona afaka ny ho madio teo imason’Andriamanitra. Tsy nandray anjara tamin’io fihodinana fahatelo io i Zofara, satria tsy nanan-kolazaina.

27. Ahoana izao no nankalazan’i Joba ny halehibiazan’ny Tsitoha?

27 Ny hevitra naroson’i Joba ho famaranana (26:1–31:40). Tao amin’ny lahateniny farany, i Joba dia nampangina tanteraka ireo sakaizany. (32:12, 15, 16). Hoy izy, naneso mafy: “Endrey! nanohana ny tsy manan-kery hianao (...)! Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry”! (26:2, 3). Tsy nisy na inona na inona, anefa, afaka nanafina na inona na inona tsy ho hitan’Andriamanitra, na dia ny Sheola aza. Nilazalaza ny fahendren’Andriamanitra hita teo amin’ny habakabaka, ny tany, ny rahona, ny ranomasina ary ny rivotra — izay samy hitan’ny olombelona avokoa — i Joba. Ireo dia sisintsisin’ny alehan’ny Tsitoha ihany. Zara raha siosion-teny mamelovelo ny amin’ny halehiben’ny Tsitoha, izy ireo.

28. Fanambarana tsy niolakolaka inona no nataon’i Joba momba ny tsy fivadihana?

28 Niaiky ny amin’ny tsy fananany tsiny izy ka nanambara hoe: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hesoriko amin’ny tenako ny tsy fivadihako!” (27:5, NW ). Tsia, tsy nanao na inona na inona mendrika ny hahazoany izao nanjo azy izao i Joba. Nifanohitra tamin’ny fiampangan’izy ireo, dia hamaly soa ny tsy fivadihany Andriamanitra, ka hanao izay handovan’ny olo-marina ireo zavatra nangonin’ny ratsy fanahy nahita fanambinana.

29. Ahoana no nilazalazan’i Joba ny fahendrena?

29 Ny olona dia mahafantatra hoe avy aiza ny haren’ny tany (volafotsy, volamena, varahina), fa “dia avy aiza [kosa] ary ny fahendrena”? (28:20). Nikaroka azy io teo amin’ny velona izy; nitady azy io tany anaty ranomasina; tsy azo vidina amin’ny volamena sy volafotsy izy io. Andriamanitra no mahazo ny hevitry ny atao hoe fahendrena. Mitsinjo hatramin’ny faran’ny tany sy ny lanitra izy, mamatra ny rivotra sy ny rano, ary mifehy ny ranonorana sy ny kotrokorana. Namarana toy izao i Joba: “Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin’ny ratsy no [fahazoana hevi-javatra, NW ].” — 28:28.

30. Famerenana tamin’ny laoniny inona no nirin’i Joba, kanefa nanao ahoana ny tarehin-javatra nisy azy?

30 I Joba vontom-pahoriana avy eo dia nanolotra ny tantaran’ny fiainany. Naniry ny haverina ho amin’ny fisakaizana tamin’Andriamanitra nananany teo aloha izy, fony izy nohajain’ireo mpanapaka tao an-tanàna mihitsy aza. Mpamonjy ireo ory izy, ary efa maso ho an’ny jamba. Tsara ny fanolorany saina, ary niandry ny teniny ny olona. Ankehitriny anefa, dia tsy nanan-danja aman-kaja izy, fa nihomehezan’ireo mbola zandriny mihitsy aza, dia ny zanak’ireo izay tsy mendrika ny niaraka tamin’ny amboa niandry ny ondriny akory. Nandrora azy izy ireo ary nanohitra azy. Ankehitriny, tao anatin’ilay fara fahoriana nahazo azy, dia tsy nanome fitsaharana ho azy izy ireo.

31. Tamin’ny fitsaran’iza no nanehoan’i Joba fatokiana, ary inona no nolazainy raha ny amin’ny tantara marin’ny fiainany?

31 Nilazalaza ny tenany ho toy ny olona be fandavan-tena i Joba ary nangataka ny hotsarain’i Jehovah. “Enga anie ka holanjain’Andriamanitra eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny [tsy fivadihako, NW ]”. (31:6). Niaro ireo zavatra nataony tamin’ny lasa i Joba. Tsy nanitsakitsa-bady izy, tsy niteti-dratsy hamely ny hafa izy. Tsy nanao tsirambina ny fanampiana ny tsy ampy fivelomana izy. Tsy nitoky tamin’ny harena ara-nofo izy, na dia nanankarena aza. Tsy nivavaka tamin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana izy, satria “heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany; fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra Izay any ambony aho”. (31:28). Nanasa ilay nanana ady ara-pitsarana taminy mba hiampanga io tantara marin’ny fiainany io izy.

32. a) Iza izao no niteny? b) Nahoana no nirehitra tamin’i Joba sy ireo sakaizany ny fahatezeran’i Eliho, ary inona no nanery azy hiteny?

32 Niteny i Eliho (32:1–37:24). Nandritra izany fotoana izany, i Eliho, taranak’i Boza, zanak’i Nahora, ka noho izany dia havana lavitr’i Abrahama, dia nihaino ilay ady hevitra. Niandry izy noho ny fahatsapana fa ireo be taona kokoa no tokony hanana fahalalana kokoa. Tsy ny taona anefa, fa ny fanahin’Andriamanitra, no manome fahazoana hevi-javatra. Nirehitra tamin’i Joba ny fahatezeran’i Eliho “satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra” izy. Kanefa nihatezitra kokoa ihany izy tamin’ireo sakaizan’i Joba telo lahy noho ny tsy fananany fahendrena nampalahelo tamin’ny fanambarany an’Andriamanitra ho ratsy fanahy. Nanjary ‘feno teny ny fon’i Eliho’, ary ny fanahin’Andriamanitra dia nanery azy haneho izany tsy nisy ahotrahotra, kanefa tsy nisy fizahan-tavan’olona na ‘fandroboana olona’. — Joba 32:2, 3, NW, 18-22; Gen. 22:20, 21.

33. Tamin’inona i Joba no diso, kanefa famindram-po inona no hasehon’Andriamanitra azy?

33 Niteny tamin-kitsim-po i Eliho, tamin’ny fanekena fa Andriamanitra no Mpamorona azy. Nasehony fa niahy kokoa ny amin’ny fanamarinana ny tenany manokana fa tsy ny an’Andriamanitra, i Joba. Tsy nilain’Andriamanitra ny hamaly ny teny rehetra nataon’i Joba (f.a.p.), toy ny hoe voatery hanamarina ny asany rehetra izy, ary anefa i Joba dia nifandahatra tamin’Andriamanitra (NW ). Kanefa, rehefa nanakaiky ny fahafatesana ny fanahin’i Joba, dia namindra fo taminy Andriamanitra ka nandefa iraka (NW ), tamin’ny filazana hoe: “Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy”. (Joba 33:24, 25). Haverina amin’ny toe-piainany taloha ny olo-marina!

34. a) Fananarana fanampiny inona avy no nomen’i Eliho? b) Tsy fanandratana ny fahamarinan’ny tenany no tokony hataon’i Joba, fa inona kosa?

34 Niantso ireo olon-kendry mba hihaino i Eliho. Nananatra toy izao an’i Joba izy noho izy io nilaza fa tsy nisy soa azo avy tamin’ny fihazonana tsy fivadihana: “Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy”. (34:10, 11). Afaka manaisotra ny fofon’aina izy, ary dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra. Mitsara tsy misy fizahan-tavan’olona Andriamanitra. Nasongadin’i Joba loatra ny fahamarinan’ny tenany. Maika tsy faingana izy, tsy fanahy iniany anefa, fa ‘tsy tamim-pahalalana’; ary nahari-po taminy Andriamanitra. (34:35). Be kokoa no ilaina holazaina ho fanamarinana an’Andriamanitra. Tsy hampiala ny masony amin’ny marina Andriamanitra, kanefa hananatra azy ireo. “Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ny ory.” (36:6). Koa satria Andriamanitra no Mpampianatra tampony, dia tokony hankalaza ny asany i Joba.

35. a) Inona no tokony hampifantohan’i Joba ny sainy? b) Iza no hanehoan’i Jehovah famindram-po?

35 Tao anatin’ny rivo-mahery niforona izay nanjary nahatahotra, dia niteny momba ireo zavatra lehibe nataon’Andriamanitra sy momba ny fahaizany mifehy ny herin’ny natiora, i Eliho. Hoy izy tamin’i Joba: “Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra.” (37:14). Diniho ny mazava mitarehim-bolamena sy ny voninahitra mahatahotr’Andriamanitra, izay ambony lavitra noho izay hitan’ny olombelona. “Izay lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.” Eny, hijery ireo izay matahotra azy i Jehovah, fa tsy ireo izay “manao azy ho hendry”. — 37:23, 24.

36. Tamin’ny alalan’ny fisehoan-javatra inona avy ho fanomezana fianarana sy fitohitohizam-panontaniana inona avy izao no nampianaran’ny tenan’i Jehovah an’i Joba?

36 Namaly an’i Joba i Jehovah (38:1–42:6). Nangataka tamin’Andriamanitra mba hiresaka taminy i Joba. Izao i Jehovah dia namaly avy tao anatin’ilay rivo-mahery, tamin’ny fomba heni-kaja sy fahamboniana. Nilaza fitohitohizam-panontaniana teo anoloan’i Joba izy. Izy ireo dia fisehoan-javatra ho fanomezana fianarana momba ny hakelezan’ny olombelona sy ny halehibiazan’Andriamanitra. “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? (...) Iza no nametraka ny vato fehizorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?” (38:4, 6, 7). Izany dia ela be talohan’ny andron’i Joba! Nisesy ireo fanontaniana izay tsy nisy hain’i Joba novaliana, rehefa nasehon’i Jehovah ny ranomasin’ny tany, ny rahona ho fitafiany, ny mangiran-dratsy, ny vavahadin’ny fahafatesana mbamin’ny mazava sy ny maizina. “Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka hianao tamin’izay, ary maro ny isan’ny andronao!” (38:21). Ary ahoana ny amin’ireo firaketana ny orampanala sy ny havandra, ny tafio-drivotra (NW ) ary ny ranonorana sy ny ranon’ando, ny ranomandry sy ny vongam-panala, ireo fitambaran-kintana (NW ) mahery eny amin’ny lanitra, ireo tselatra sy rahona matevina, ary ireo biby sy ireo vorona?

37. Fanontaniana fanampiny inona avy no nampanetry tena an’i Joba, ary inona no voatery nekeny sy nataony?

37 Niaiky tamim-panetren-tena i Joba hoe: “Indro, tsinontsinona aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.” (40:4). Nandidy an’i Joba mba hiatrika ilay raharaha i Jehovah. Nilaza fitohitohizam-panontaniana nampiaiky fanampiny Izy, fanontaniana izay nanandratra ny voninahiny, ny fahamboniany, ary ny tanjany, izay asehon’ny zavatra noforoniny. Na dia i Behemota sy i Leviatana (f.a.p.) aza dia nahery lavitra noho i Joba! Nanjary nanetry tena tanteraka i Joba ka nanaiky fa diso ny fomba fiheviny, ary niaiky izy fa niteny tamin’ny tsy fahalalana. Nahita an’Andriamanitra izy izao, tsy noho ny honohono (NW ), fa tamim-pahazoana hevi-javatra, ary niaiky sy nibebaka teo “amin’ny vovoka sy ny lavenona”. — 42:6.

38. a) Ahoana no namaranan’i Jehovah ilay raharaha tamin’i Elifaza sy ireo sakaizany? b) Fanehoana fitia sy fitahiana inona no narotsany tamin’i Joba?

38 Ny fitsaran’i Jehovah sy ny fitahiany (42:7-17). Avy eo i Jehovah dia niampanga an’i Elifaza sy ny sakaizany roa lahy noho izy ireo tsy nilaza ny marina momba Azy. Tsy maintsy nanome fanatitra izy ireo ary nanasa an’i Joba hivavaka ho azy ireo. Taorian’izay, i Jehovah dia nampody ny fiadanan’i Joba, ka nitahy azy indroa toraka izay nananany teo aloha. Niverina tany aminy, sady nitondra fanomezana, ny rahalahiny sy ny anabaviny ary ireo namany taloha. Notahina koa izy ka nahazo ondry, rameva, omby ary borikivavy avo roa heny noho ny teo aloha. Nanan-janaka folo hafa indray izy, ka ireo zanany telo mirahavavy no vehivavy tsara tarehy indrindra teo amin’ilay tany. Nohalavaina 140 taona fanampiny tamin’ny fomba mahagaga ny fiainany, hany ka nahita hatramin’ny zafin-dohaliny izy. Maty izy “rehefa tratrantitra ka ela niainana”. — 42:17.

MAHASOA — NAHOANA?

39. Amin’ny fomba samihafa inona avy ny bokin’i Joba no manandratra sy mankalaza an’i Jehovah?

39 Ny bokin’i Joba dia manandratra an’i Jehovah ary manamarina ny fahendreny sy ny heriny tsy hay fantarina. (12:12, 13; 37:23). Ao amin’io boky io fotsiny, Andriamanitra dia resahina in-31 ho ny Tsitoha, izany hoe matetika kokoa noho ny ao amin’ny tapany sisa amin’ny Soratra Masina. Ilay boky dia manandratra ny maha-mandrakizay azy sy ny toerany misandratra, (10:5; 36:4, NW, 22, 26; 42:2), ary koa ny fampiharany ny rariny, ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana ary ny famindram-pony. (36:5-7; 10:12, NW; 42:12). Manamafy ny fanamarinana an’i Jehovah ho ambony noho ny famonjena ny olombelona izy io. (33:12; 34:10, 12; 35:2; 36:24; 40:8). I Jehovah, ilay Andriamanitry ny Isiraely, dia aseho ho ny Andriamanitr’i Joba koa.

40. a) Ahoana no anandratan’ny bokin’i Joba sy anazavany ireo asa famoronan’Andriamanitra? b) Ahoana no anomezany fahitana mialoha ireo fampianarana ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ary ifanarahany aminy?

40 Ny fitantarana ao amin’ny Joba dia manandratra sady manazava ny asa famoronan’Andriamanitra. (38:4–39:30; 40:15, 19; 41:1; 35:10). Izy io dia mifanaraka amin’ilay fanambarana ao amin’ny Genesisy, izay milaza fa ny olona dia natao avy tamin’ny vovoka ary hiverina any. (Joba 10:8, 9; Gen. 2:7; 3:19). Mampiasa ny teny hoe “Mpanavotra” sy “avotra” ary “velona indray” izy io, ka manome araka izany, fahitana mialoha ireo fampianarana miavaka indrindra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. (Joba 19:25; 33:24; 14:13, 14). Ireo mpaminany sy mpanoratra kristiana dia nampiasa maro tamin’ireo fitenenana ao amin’ilay boky, na nampifanitsy ny azy tamin’izy ireo. Ampitahao, ohatra, ny Joba 7:17 sy ny Salamo 8:4; ny Joba 9:24 sy ny 1 Jaona 5:19; ny Joba 10:8 sy ny Salamo 119:73; ny Joba 12:25 sy ny Deoteronomia 28:29; ny Joba 24:23 sy ny Ohabolana 15:3; ny Joba 26:8 sy ny Ohabolana 30:4; ny Joba 28:12, 13, 15-19 sy ny Ohabolana 3:13-15; ny Joba 39:30 sy ny Matio 24:28. c

41. a) Fari-pitsipika teokratika inona avy no antitranterina ao amin’ny Joba? b) Amin’inona indrindra indrindra i Joba, mpanompon’Andriamanitra, no ohatra tsara dia tsara ho antsika amin’izao andro izao?

41 Ireo fari-pitsipika marin’i Jehovah momba ny fiainana dia aseho ao amin’ny andininy maro. Ilay boky dia manameloka mafy ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, (Joba 31:24, 25), ny fanompoan-tsampy, (31:26-28), ny fanitsakitsaham-bady, (31:9-12, NW ), ny fifaliana noho ny fahavoazan’ny hafa, (31:29), ny tsy rariny sy ny fizahan-tavan’olona, (31:13; 32:21), ny fitiavan-tena, (31:16-21) ary ny fanaovana ny tsy marina sy ny lainga, (31:5). Asehony koa fa ny olona iray manao ireo zavatra ireo dia tsy afaka ny hahita fitia amin’Andriamanitra na hahazo fiainana mandrakizay. I Eliho dia ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fanajana lalina sy ny fiheveran-tena araka ny tena izy, miaraka amin’ny fahasahiana, ny herim-po ary ny fanandratana an’Andriamanitra. (32:2, 6, 7, 9, 10, 18-20; 33:6, 33). Ny fanehoan’i Joba fahefana tamin’ny naha-loham-pianakaviana azy, ny fanehoany fiheverana ny fianakaviany ary ny fahaizany nampiantrano vahiny koa dia manome fianarana tsara dia tsara. (1:5; 2:9, 10; 31:32). Kanefa, ny tena tadidy indrindra momba an’i Joba dia ny fihazonany tsy fivadihana sy ny fiaretany tamim-paharetana. Tamin’izany izy dia nanome ohatra izay hita ho nanatanjaka ny finoan’ny mpanompon’Andriamanitra nandritra ireo taonjato rehetra, ary indrindra fa amin’izao fotoana misedra ny finoana izao. “Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” — Jak. 5:11.

42. Raharaha fototra inona momba ilay Fanjakana no manjary mazava ao amin’ny Joba, ary lafin-javatra mahaliana inona avy amin’io raharaha io no hazavaina?

42 I Joba akory tsy iray tamin’ireo taranak’i Abrahama nomena ireo fampanantenana momba ilay Fanjakana, kanefa ilay firaketana an-tsoratra momba ny tsy fivadihany dia manampy be dia be mba hahazoana ny hevitr’ireo fikasan’ilay Fanjakan’i Jehovah. Ilay boky dia tapany tena ilaina amin’ilay firaketana an-tsoratra avy amin’Andriamanitra, satria mampiharihary ilay raharaha fototra eo amin’Andriamanitra sy i Satana, izay mahafaoka ny tsy fivadihan’ny olombelona amin’i Jehovah amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy eo amin’izy ireo. Izy io dia mampiseho fa ireo anjely, izay noforonina talohan’ny tany sy ny olombelona, dia mpitazana koa ary liana mafy ny amin’itỳ tany itỳ sy ny ho fiafaran’ilay fifandirana. (Joba 1:6-12; 2:1-5; 38:6, 7). Izy io dia mampiseho fa efa nisy talohan’ny andron’i Joba ilay fifandirana ary koa fa i Satana dia persona ara-panahy tena izy. Raha i Mosesy no nanoratra ny bokin’i Joba, dia ao no voalohany isehoan’ilay fitenenana hoe has·Sa·tanʹ ao amin’ny soratra hebreo amin’ny Baiboly, ka izany dia fampahafantarana fanampiny an’ilay “menarana tany am-boalohany”. (Joba 1:6, NW, f.a.p.; Apok. 12:9). Ilay boky koa dia manaporofo fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny fijalian’ny taranak’olombelona sy ny aretiny ary ny fahafatesany. Hazavainy koa hoe nahoana ny marina no enjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny faharatsiana kosa avela hitohy. Asehony fa i Jehovah dia liana amin’ny fitarihana ilay raharaha hatramin’ny fandaminana azy farany.

43. Mifanaraka amin’ireo zavatra ahariharin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Joba, lalana inona no tsy maintsy arahin’izay rehetra mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

43 Izao no fotoana tsy maintsy amalian’izay rehetra maniry hiaina eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny fanarahana ny lalan’ny tsy fivadihana, ny fihaikan’i Satana, dia “ilay mpiampanga”. (Apok. 12:10, 11). Na dia eo anivon’ny ‘fisedrana mahasanganehana’ aza, ireo mpihazona tsy fivadihana dia tsy maintsy manohy mivavaka mba hohamasinina ny anaran’Andriamanitra ary mba ho tonga ny Fanjakany mba hanafoana an’i Satana sy ny taranany mpanaraby rehetra. Izany no ho ‘andron’Andriamanitra hisy fiadiany sy ady’, izay harahin’ilay fanamaivanana sy fitahiana nantenain’i Joba ho azo. — 1 Pet. 4:12; Matio 6:9, 10; Joba 38:23; 14:13-15.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 184-185, 42-43, 1459-1460, 594, 155-156.

b 1987, Boky 6, pejy 562.

c Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 829.

[Fanontaniana]