Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-19 — Salamo

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-19 — Salamo

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-19 — Salamo

Mpanoratra: Davida sy hafa koa

Vita Tamin’ny: 460 al.f.i. tany ho any

1. Inona moa ny bokin’ny Salamo, ary mirakitra inona izy io?

 NY BOKIN’NY Salamo no bokin-kira ara-tsindrimandry nampiasain’ireo mpivavaka marina tamin’i Jehovah tamin’ny andro fahiny. Izy io dia fitambaran-kira, na salamo, masina 150, natao mozika ary nalamina ho an’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso tamin’i Jehovah Andriamanitra tao amin’ny tempoliny tany Jerosalema. Ireo salamo ireo dia hira fiderana an’i Jehovah, kanefa tsy izay ihany, fa mirakitra vavaka fitalahoana famindram-po sy fanampiana koa izy ireo, ary koa teny fanehoana fitokiana sy fatokiana. Tondraky ny fisaorana sy firavoravoana ary hiakam-pifaliana lehibe, eny, fatratra, izy ireo. Ny sasany dia famerenana ny tantara ka mandinika ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana sy ireo zavatra lehibe nataony. Feno hipoka faminaniana izy ireo, ka maro aminy no efa nahita fahatanterahana niavaka. Mirakitra fampianarana be dia be izay mahasoa sy mampahery izy ireo, ka izy rehetra dia voalaza amin’ny fomba fiteny sy sarin-teny mendri-kaja izay mampihetsi-po ny mpamaky amin’ny fomba lalina aoka izany. Ireo salamo dia hanim-py ara-panahy, voaomana tamin’ny fomba kanto ary aroso eo anoloantsika amin’ny fomba mampitsiriritra.

2. a) Inona avy ireo lohateny nampiharina tamin’ny Salamo, ary inona avy ny hevitr’izy ireo? b) Inona no atao hoe salamo?

2 Inona no hevitry ny lohatenin’ilay boky, ary iza no nanoratra ny Salamo? Ao amin’ny Baiboly hebreo, ilay boky dia antsoina hoe Seʹpher Tehil·limʹ, izay midika hoe “Bokim-piderana”, na hoe Tehil·limʹ fotsiny, izany hoe “Fiderana”. Io teny io dia ny endrika milaza maro amin’ny hoe Tehil·lahʹ, izay midika hoe “Fiderana Iray” na hoe “Hiram-piderana”, izay hita eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-145. Mifanentana indrindra ilay anarana hoe “Fiderana”, satria ilay boky dia manasongadina ny fiderana an’i Jehovah. Ilay lohateny hoe “Salamo” dia avy amin’ny Septante grika, izay nampiasa ny teny hoe Psal·moiʹ, milaza hira hiraina miaraka amin’ny zavamaneno. Io teny io dia hita koa amin’ny toerana sasantsasany ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, toy ny ao amin’ny Lioka 20:42 sy ny Asan’ny Apostoly 1:20. Ny salamo iray dia hira, na tononkalo, masina iray ampiasaina eo amin’ny fiderana sy ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra.

3. Inona no lazain’ireo teny mampiditra ireo salamo, momba izay nanoratra azy?

3 Maro amin’ireo salamo no manana lohateny, na teny mampiditra azy, ary ireo matetika dia manonona ny mpanoratra azy. Lohateny 73 no mitondra ny anaran’i Davida, ilay “mpanao fihirana mahafinaritra amin’ny Isiraely”. (2 Sam. 23:1). Tsy misy isalasalana fa ny Salamo faha-2 sy faha-72 ary faha-95 koa dia nosoratan’i Davida. (Jereo ny Asan’ny Apostoly 4:25 sy ny Salamo 72:20 ary ny Hebreo 4:7.) Fanampin’izany, ny Salamo faha-10 dia toa tohin’ny Salamo faha-9 ary ny Salamo faha-71 dia toa tohin’ny Salamo faha-70, ka noho izany dia azo lazaina fa nataon’i Davida koa. Salamo 12 no lazaina fa nosoratan’i Asafa, miharihary fa ny ankohonan’i Asafa no tian’izany holazaina, satria ny sasany amin’izy ireo dia miresaka momba ny fisehoan-javatra taorian’ny andron’i Asafa. (Sal. 79; 80; 1 Tant. 16:4, 5, 7; Ezra 2:41). Salamo 11 no lazaina mivantana fa nataon’ireo Koraïta (zanakalahin’i Kora). (1 Tant. 6:16-23). Ny Salamo faha-43 dia toa tohin’ny Salamo faha-42, ka noho izany dia azo lazaina koa fa nataon’ireo Koraïta. Ho fanampin’ny fanononana “ny Koraïta”, ny Salamo faha-88 koa dia milaza ao amin’ny teny mampiditra azy fa i Hemana no nanoratra azy, ary ny Salamo faha-89 dia manonona an’i Etana ho mpanoratra azy. Ny Salamo faha-90 dia lazaina fa nataon’i Mosesy, ary ny Salamo faha-91 dia azo inoana fa nataon’i Mosesy koa. Ny Salamo faha-127 dia an’i Solomona. Maherin’ny roa ampahatelon’ireo salamo, araka izany, no lazaina fa nosoratan’ny mpanoratra samihafa.

4. Fe-potoana toy inona no voafaokan’ilay fanoratana?

4 Ny bokin’ny Salamo no boky mitokana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly. Araka ny porofoin’ny Salamo faha-90 sy faha-126 ary faha-137, dia naka fotoana lava ny fanoratana azy, fara faharatsiny nanomboka tamin’ny fotoana nanoratan’i Mosesy (1513 al.f.i. – 1473 al.f.i.) ka hatramin’ny taorian’ny fiverenana avy tany Babylona, ary azo inoana fa taorian’ny andron’i Ezra (537 al.f.i. – 460 al.f.i. tany ho any). Araka izany, ny fanoratana azy dia hita fa naharitra tokony ho arivo taona. Ny fotoana voafaokan’ireo fisehoan-javatra anefa dia lehibe lavitra, satria nanomboka tamin’ny fotoan’ny famoronana ary namintina ny tantaran’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ireo mpanompony hatramin’ny fotoana nanaovana ny farany tamin’ireo salamo.

5. a) Ahoana no anomezan’ny bokin’ny Salamo taratry ny fahaiza-mandamin-javatra? b) Fanazavana fanampiny inona no omen’ireo teny mampiditra ireo salamo? d) Nahoana no tsy ilaina ny manonona ilay teny hoe “Seʹ lah” eo am-pamakiana ireo salamo?

5 Ny bokin’ny Salamo dia manome taratry ny fahaiza-mandamin-javatra. Ny tenan’i Davida mihitsy dia niresaka momba “[ny filaharan’ireo olon’ny Andriamanitro, NW ], Mpanjakako, ao amin’ny fitoerana masina. Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ny zatovovavy mively ampongatapaka. Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, hianareo avy amin’ny loharanon’ny Isiraely”. (Sal. 68:24-26). Izany dia manome ny antony iverenan’ilay teny hoe “Ho an’ny mpiventy hira” matetika ao amin’ireo teny mampiditra ireo salamo, ary koa ireo teny fampiasa amin’ny tononkalo sy ny mozika maro. Ny teny mampiditra ireo salamo sasany dia manazava ny fampiasana na ny zava-kendren’ny salamo iray, na manome toromarika ara-mozika. (Jereo ny teny mampiditra ny Salamo faha-6, faha-30, faha-38, faha-60, faha-88, faha-102 ary faha-120.) Ho an’ny salamon’i Davida 13 fara faharatsiny, toy ny Salamo faha-18 sy faha-51, dia tantaraina fohy ireo fisehoan-javatra nitarika ho amin’ny fanaovana azy ireo. Ny 34 amin’ireo salamo dia tsy misy teny mampiditra azy velively. Ilay teny kely hoe “Seʹlah”, izay miseho in-71 ao amin’ireo tena soratra, dia heverina mazàna ho teny teknika fampiasa amin’ny mozika na amin’ny fanononana tononkalo, na dia tsy fantatra tsara aza ny tena heviny. Nisy nanolo-kevitra fa izy io dia manondro fiatoana ho amin’ny fisaintsainana mangina teo amin’ny fihirana na teo amin’ny fihirana sy ny fitendrena zavamaneno. Noho izany, dia tsy ilaina hotononina izy ireo eo am-pamakiana.

6. a) Nozaraina ho boky mitokana inona avy ny bokin’ny Salamo? b) Iza no toa nandamina ny bokin’ny Salamo hanana ny endriny farany?

6 Hatrany amin’ny andro fahiny, ny bokin’ny Salamo dia nozaraina ho boky mitokana dimy, araka izao manaraka izao: 1) Salamo 1-41; 2) Salamo 42-72; 3) Salamo 73-89; 4) Salamo 90-106; 5) Salamo 107-150. Toa i Davida no nanao ilay fitambarana voalohany amin’ireo hira ireo. Miharihary fa i Ezra, mpisorona sady “mpanora-dalàna (...) nahay ny lalàn’i Mosesy” no nampiasain’i Jehovah mba handamina ny bokin’ny Salamo hanana ny endriny farany. — Ezra 7:6.

7. Lafiny mampiavaka ny Salamo inona avy no tokony homarihina?

7 Ny fitomboana miandalan’ilay fitambarana dia mety hanazava ny antony iverenan’ny sasany amin’ireo salamo ao amin’ireo fizarana samy hafa, toy ny Salamo faha-14 sy faha-53; faha-40:13-17 sy faha-70; faha-57:7-11 sy faha-108:1-5. Ny tsirairay amin’ireo fizarana dimy ireo dia mifarana amin’ny fisaorana an’i Jehovah, na doxologie — ka ireo efatra voalohany aminy dia misy valin-teny avy amin’ny vahoaka, ary ny farany dia ny Salamo faha-150 manontolo mihitsy. — Sal. 41:13, NW, f.a.p.

8. Hazavao ilay fomba fandahatra antsoina hoe acrostiche, ary manomeza ohatra.

8 Misy fomba fandahatra tena manokana iray ampiasaina ao amin’ny salamo sivy; antsoina hoe acrostiche izy io noho ny firafiny manaraka ny filaharan’ny abidy. (Salamo 9, 10, 25, 37, 111, 112, 119 ary 145). Ao amin’io rafitra io, ilay na ireo andininy voalohany amin’ilay andalan-kira dia manomboka amin’ny litera voalohany amin’ny abidy hebreo, ʼaʹleph (א), ny (ireo) andininy manaraka manomboka amin’ny litera faharoa, behth (ב), ary toy izany hatrany hatrany, mandra-pampiasa ny litera rehetra, na kely sisa dia izy rehetra, amin’ny abidy hebreo. Izany dia nety ho fanampiana ho amin’ny fahafahana hitadidy — eritrereto fotsiny ireo mpihira tao amin’ny tempoly izay voatery nitadidy hira lava be toy ny Salamo faha-119! Mahaliana fa misy acrostiche mahaforona ny anaran’i Jehovah hita ao amin’ny Salamo 96:11. Ny tapany voalohany amin’io andininy io amin’ny teny hebreo dia voaforona teny efatra, ka ny litera voalohany amin’ireo teny ireo, rehefa vakina avy any havanana miankavia, dia ireo renisoratra hebreo efatra amin’ilay Tetragrama hoe YHWH (יהוה).

9. a) Noho ny fototra ara-tantara inona no mahatonga ny maro amin’ireo salamo hanohina mivantana ny saina sy ny fo? b) Inona koa no manome hery sy hakanto azy ireo?

9 Ireo tononkalo masina natao an-kira ireo dia nosoratana araka ny andinin-teny hebreo tsy miady rima, ary maneho hakanto izay tapitra ohatra raha ny amin’ny fomba fanoratra sy ny filanton’ny hevitra misy ba. Manohina mivantana ny saina sy ny fo izy ireo. Milazalaza sary toy ny hitan’ny maso erỳ izy ireo. Ny halalin’ny foto-kevitra sy ireo fihetseham-po mahery lazainy, izay mahatalanjona, dia noho ireo fanandraman-javatra mahavariana hitan’i Davida teo amin’ny fiainany, amin’ny lafiny iray. Ireo dia nanome ny fototra ara-tantara ho an’ny maro amin’ireo salamo. Olona vitsy no nahita fanandraman-javatra maro karazana toy izany teo amin’ny fiainany — zazalahy mpiandry ondry, mpiady samirery tamin’i Goliata, mpanao mozika tao an-dapa, nentina toy ny mpandika lalàna teo amin’ireo namany tsy nivadika sy teo amin’ireo mpamitaka, mpanjaka sady mpandresy, raim-pianakaviana be fitiavana izay nampahorin’ireo fisaratsarahana tao amin’ny ankohonany ihany, nahatsapa indroa ny ngidin’ny fanaovana fahotana lehibe, ary anefa dia mpivavaka feno risi-po tamin’i Jehovah sady tia ny Lalàny. Rehefa jerena ny toe-javatra toy izany, dia tsy mahagaga firy raha miresaka momba ny fihetseham-po rehetran’ny olombelona ny bokin’ny Salamo! Ny mahatonga ny heriny sy ny hakantony koa dia ireo fitovian-kevitra sy fifanoheran-kevitra fampiasa amin’ny tononkalo ka mampiavaka aoka izany ny andinin-teny hebreo. — Sal. 1:6; 22:20; 42:1; 121:3, 4.

10. Inona no manamarina ny maha-azo itokiana ny Salamo?

10 Ny maha-azo itokiana ireo hira tranainy indrindra ho fiderana an’i Jehovah ireo dia voaporofo tsara noho ny fifanarahany tanteraka amin’ny tapany sisa amin’ny Soratra Masina. Ny bokin’ny Salamo dia tononin’ireo mpanoratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana imbetsaka. (Sal. 5:9 [Rom. 3:13]; Sal. 10:7 [Rom. 3:14]; Sal. 24:1 [1 Kor. 10:26]; Sal. 50:14 [Matio 5:33]; Sal. 78:24 [Jaona 6:31]; Sal. 102:25-27 [Heb. 1:10-12]; Sal. 112:9 [2 Kor. 9:9]). Hoy ny tenan’i Davida mihitsy tao amin’ilay hirany farany: “Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako”. Io fanahy io no niasa teo aminy nanomboka tamin’ny fotoana nanosoran’i Samoela azy. (2 Sam. 23:2; 1 Sam. 16:13). Ho fanampin’izany, ireo apostoly dia nanonona ireo Salamo. I Petera dia niresaka momba “ilay tenin’ny Soratra Masina nampilazain’ny Fanahy Masina rahateo an’i Davida”. Ary tao amin’ny fakan-teny sasantsasany avy tao amin’ny Salamo, ny mpanoratra ny Hebreo dia niresaka momba azy ireo ho toy ny fanambarana nolazain’Andriamanitra, na nampiditra azy ireo tamin’ny teny hoe “araka izay lazain’ny Fanahy Masina”. — Asa. 1:16; 4:25; Heb. 1:5-14; 3:7; 5:5, 6.

11. Amin’ny fomba ahoana ny fanamarinana fanohanana no hamafisin’ireo fanambarana nataon’ny tenan’i Jesosy?

11 Tonga eo amin’ny porofo mahery indrindra ny amin’ny maha-azo itokiana azy isika, ka manonona izao teny nataon’i Jesosy, ny Tompo nitsangana tamin’ny maty, tamin’ny mpianany, izao: “Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, (...) fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.” Teo i Jesosy dia nanambatra ny Soratra Hebreo manontolo araka ny fomba narahin’ireo Jiosy sy fantatr’izy ireo tsara. Ny fanononany ny Salamo teo dia nahatafiditra ilay fitambarana fahatelo manontolo amin’ireo Soratra Masina, antsoina hoe Hagiographes (na Asa Soratra Masina), ka ny Salamo no boky voalohany tamin’izany. Izany dia hamarinin’izay nolazainy ora vitsivitsy talohan’izay tamin’ireo mpianany roa teny an-dalana ho any Emaosy, rehefa “nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” izy. — Lioka 24:27, 44.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY SALAMO

12. Ahoana no andraisan’ny Salamo avy hatrany ny loha hevitra momba ny fahasambarana, ary koa ny loha hevitra momba ilay Fanjakana?

12 Boky Voalohany (Salamo 1-41). Izy rehetra ireo dia samy lazaina mivantana fa nosoratan’i Davida, afa-tsy ny Salamo voalohany, faha-2, faha-10 ary faha-33. Ny Salamo voalohany dia mandray avy hatrany ny hevitra fototra dieny eo am-piandohana. Ambarany fa sambatra ny olona izay finaritra (NW ) noho ny lalàn’i Jehovah, mandinika azy andro aman’alina mba hanaraka azy, mifanohitra amin’ireo mpanota tsy matahotra an’Andriamanitra. Izany no fanambarana voalohany momba ny fahasambarana hita ao amin’ny Salamo. Ny Salamo faha-2 dia manomboka amin’ny fanontaniana mihaika iray ary milaza ny fiombonan’ireo mpanjaka sy mpanapaka rehetra amin’ny tany “hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany”. Maneso azy ireo i Jehovah ary avy eo dia miresaka amim-pahatezerana mirehitra toy izao aminy: “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.” Izy no ilay hanorotoro sy hanamontsamontsana ny fanoherana rehetra. Ianareo mpanjaka sy mpanapaka hafa, “manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana” ary ekeo ny Zanany sao ho very ianareo! (2 And. 2, 6, 11). Araka izany, ny Salamo dia mandray avy hatrany ny loha hevitry ny Baiboly, dia ilay Fanjakana.

13. Inona koa no omen’ilay fitambarana salamo voalohany toerana lehibe?

13 Ao amin’io fitambarana voalohany io, dia mitana toerana miavaka ireo vavaka, tsy ho fangatahana ihany fa ho fisaorana koa. Ny Salamo faha-8 dia mampifanohitra ny halehibiazan’i Jehovah amin’ny hakelezan’ny olombelona, ary ny Salamo faha-14 dia mampiharihary ny hadalan’ny olona tsy mety manaiky ny fahefan’Andriamanitra. Ny Salamo faha-19 dia mampiseho fa ny zavatra mahatalanjona noforonin’i Jehovah Andriamanitra dia manambara ny voninahiny, ary ireo 19andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-14 dia mankalaza ireo valisoa azo avy amin’ny fanarahana ny lalàna tanterak’Andriamanitra, izay hita taratra amin’ny lafiny lehibe kokoa atỳ aoriana ao amin’ny Salamo faha-119. Ny Salamo faha-23 dia eken’ny rehetra ho iray amin’ireo sangan’asa amin’ny haisoratra rehetra. Kanefa misandratra kokoa aza izy io raha ny amin’ny fahatsorany kanto, rehefa maneho fitokiana tsy mivadika amin’i Jehovah. Enga anie isika rehetra ‘hitoetra ao an-tranon’i Jehovah, ilay Mpiandry Lehibe, andro lava’! (23:1, 6). Ny Salamo faha-37 dia manome torohevitra tsara ho an’ny olona matahotra an’Andriamanitra izay miaina eo anivon’ny mpanao ratsy, ary ny Salamo faha-40 dia maneho ny fahafinaretana manao ny sitrapon’Andriamanitra, toa an’i Davida.

14. Inona no lazaina momba ny fanavotana ao amin’ny Boky Faharoan’ny Salamo, ary vavaka nataon’i Davida inona avy no asongadina?

14 Boky Faharoa (Salamo 42-72). Itỳ fizarana itỳ dia manomboka amin’ny salamo valon’ireo Koraïta. Ny Salamo faha-42 sy faha-43 dia samy lazaina fa nataon’ireo zanakalahin’i Kora, satria miaraka izy ireo, raha ny tena izy, mba hahaforona tononkalo iray misy andalan-kira telo izay ampiraisin’ny andininy iray miverimberina. (42:5, 11; 43:5). Ny Salamo faha-49 dia manantitrantitra ny tsy fahafahan’ny olombelona manome mpanavotra ho an’ny tenany ihany, ary manondro an’Andriamanitra ho ilay ampy hery mba hanavotra ny olombelona “amin’ny herin’ny Sheola”. (49And. 15, f.a.p.). Ny Salamo faha-51 dia vavaka iray nataon’i Davida, rehefa avy nanao ilay fahotana nahatsiravina tamin’i Batseba, vadin’i Oria Hetita, izy, ary mampiseho ny fibebahany marina. (2 Sam. 11:1–12:24). Io fizarana io dia mifarana amin’ny salamo iray “momba an’i Solomona” (NW ), dia vavaka iray mba hananany fiadanana mandritra ny fotoana hanjakany ary mba hitahian’i Jehovah azy. — Sal. 72.

15. Inona no ambaran’ny Boky Fahatelo momba ny tantaran’ny Isiraely sy ireo didim-pitsaran’i Jehovah, ary ny fanekeny ny amin’ilay Fanjakana?

15 Boky Fahatelo (Salamo 73-89). Ny roa amin’ireo fara faharatsiny, ny Salamo faha-74 sy faha-79, dia natao taorian’ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Izy ireo dia milaza ny alahelo noho io loza lehibe io ary mitalaho amin’i Jehovah mba hanampiany ny vahoakany ‘noho ny voninahitry ny anarany’. (79:9). Ny Salamo faha-78 dia milaza ny tantaran’ny Isiraely nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy ka hatramin’ny fotoana ‘niandrasan’i Davida azy ireo araka ny hitsin’ny fony’, (78and. 72), ary ny Salamo faha-80 dia manondro an’i Jehovah ho ilay tena “Mpiandry ny Isiraely”. (80And. 1). Ny Salamo faha-82 sy faha-83 dia fitalahoana mahery amin’i Jehovah mba hampiharany ny didim-pitsarany amin’ny fahavalony sy amin’ny fahavalon’ny vahoakany. Tsy fanehoana famaliana faty velively ireo fangatahana ireo fa “mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô, ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”. (83:16, 18). Ny farany amin’io fizarana io dia ny Salamo faha-86, izay manasongadina ireo “famindrampon’i Jehovah”, araka ny asehon’ilay fanekena nataony tamin’i Davida indrindra indrindra. Izy io dia mba hisian’ny mpandova mandrakizay eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, izay hanjaka mandrakizay eo anatrehan’i Jehovah! — 89And. 1, 34-37.

16. Ahoana no anandratan’ny Boky Fahefatra ny maha-mpanjaka an’i Jehovah sy ny fihazonany fanekena?

16 Boky Fahefatra (Salamo 90-106). Toy ilay Boky Fahatelo, izy itỳ dia mirakitra salamo 17, ary manomboka amin’ny vavaka nataon’i Mosesy, izay mampifanohitra amin’ny fomba manaitra ny faharetan’Andriamanitra mandrakizay amin’ny hafohin’ny fiainan’ny olombelona mety maty (NW ). Ny Salamo faha-92 dia manandratra ireo toetra ambonin’i Jehovah. Avy eo dia eo ilay fitambarana malaza, dia ny Salamo faha-93 ka hatramin’ny faha-100, izay manomboka amin’ilay antso mampihetsi-po hoe: “Jehovah no Mpanjaka”. Noho izany, “ny tany rehetra” dia antsoina mba ‘hihira ho an’i Jehovah, hisaotra ny anarany, fa lehibe i Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra’. (93:1; 96:1, 2, 4; 99:2). Ny Salamo faha-105 sy faha-106 dia misaotra an’i Jehovah noho ireo zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny vahoakany, sy noho ny fihazonany tamim-pahatokiana ilay fanekena nataony tamin’i Abrahama tamin’ny fanomezana ilay tany ho an’ny taranany, na dia teo aza ireo fimenomenonana sy faniasiavana tsy hita isa nataon’izy ireo.

17. Noho ny inona no mahatonga ny Salamo faha-104 hahaliana satria tsy mahazatra, ary loha hevitra inona no averina manomboka eto?

17 Mahaliana satria tsy mahazatra ny Salamo faha-104. Izy io dia mankalaza an’i Jehovah noho ny famirapiratany sy ny voninahiny izay anafiany ny tenany, ary milazalaza ny fahendreny izay miseho amin’ireo asa sy zavatra maro nataony teto an-tany. Avy eo, dia aroso amin’ny heriny feno ny loha hevitry ny bokin’ny Salamo manontolo, rehefa miseho voalohany ilay hiaka hoe: “Haleloia [“Miderà an’i Jah, ianareo ry olona”, NW ].” (104And. 35). Io antso io, izay atao amin’ny mpivavaka marina mba hanome an’i Jehovah ny fiderana mendrika ny anarany, dia teny iray monja, dia ny hoe ha·lelu–Yahʹ, amin’ny teny hebreo, na hoe “Haleloia”, ka itỳ endriny farany no fantatry ny olona manerana ny tany rehetra amin’izao andro izao. Manomboka amin’io andininy io, dia miverina in-24 ilay teny, ka ny salamo sasantsasany dia manomboka sy mifarana aminy.

18. a) Andalan-kira miverina isan’andininy inona no mampisongadina ny Salamo faha-107? b) Inona moa ireo antsoina hoe Salamo Hallel?

18 Boky Fahadimy (Salamo 107-150). Ao amin’ny Salamo faha-107, isika dia manana filazalazana momba ireo famonjena nataon’i Jehovah, izay arahin’ilay andalan-kira miverina isan’andininy hoe: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!” (107And. 8, 15, 21, 31). Ny Salamo faha-113 ka hatramin’ny faha-118 dia antsoina hoe Salamo Hallel. Araka ny Mishnah, izy ireo dia nohirain’ireo Jiosy tamin’ny Paska sy tamin’ny andro firavoravoan’ny Pentekosta sy Fitoerana Tamin’ny Trano Rantsan-kazo ary Fitokanana.

19. Amin’ny ahoana ny Salamo faha-117 sy faha-119 no mifanohitra, ary inona avy no sasany amin’ireo lafiny mampiavaka itỳ farany?

19 Ny Salamo faha-117 dia mahery noho ny fahatsorany, satria izy io no fohy indrindra amin’ireo salamo sy toko rehetra ao amin’ny Baiboly. Ny Salamo faha-119 no lava indrindra amin’ireo salamo sy toko ao amin’ny Baiboly rehetra, satria misy fitambaran’andininy 176, izay mizara ho andalan-kira 22 milahatra araka ny abidy ary misy andininy 8 avy. Ireo andininy rehetra ireo, afa-tsy ny roa aminy (119:90 sy 122), dia manisy firesahana momba ny teny na lalàn’i Jehovah Andriamanitra, ka mamerina maromaro, na ny rehetra, amin’ireo fitenenana (lalàna, teny vavolombelona, fandidiana, didy, fitsipika) ao amin’ny Salamo 19:7-14, ao amin’ny andalan-kira tsirairay. Ny tenin’Andriamanitra dia asiana firesahana maherin’ny in-170 amin’ny alalan’ny iray amin’ireto fitenenana valo manaraka ireto: didy, fandidiana, fitsipika, lalàna, teny ary teny vavolombelona.

20, 21. a) Inona moa ireo Fihirana Fiakarana? b) Ahoana no anehoan’izy ireo ny fahatakaran’i Davida fa ilaina ny fanompoam-pivavahana tafaray?

20 Manaraka izany, dia mahita fitambarana salamo hafa koa isika, dia ireo Fihirana Fiakarana 15, dia ny Salamo faha-120 ka hatramin’ny faha-134. Nandika io fitenenana io tamin’ny fomba samihafa ireo mpandika teny, satria tsy fantatra tsara ny heviny. Misy milaza fa miresaka momba ireo loha hevitra misandratra ao amin’ireo salamo ireo izy io, na dia toa tsy misy antony mazava hanandratana azy ireo ho ambony noho ny salamo ara-tsindrimandry hafa aza. Mpivaofy teny maro no manolo-kevitra fa io lohateny io dia noho ireo mpivavaka nampiasa ireo hira ireo rehefa “niakatra” nankany Jerosalema mba hankalaza ireo andro firavoravoana fanao isan-taona izy ireny. Ny dia hatrany amin’ilay renivohitra mantsy dia noheverina ho toy ny fiakarana, satria teny an-tampon’ireo tendrombohitr’i Joda no nisy ilay tanàna. (Ampitahao amin’ny Ezra 7:9.) I Davida indrindra indrindra dia nahatakatra tamin’ny fomba lalina fa nilain’ny vahoakan’Andriamanitra ny ho tafaray teo amin’ny fanompoam-pivavahana. Faly izy nahare ilay fanasana hoe: “Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah”; ary dia niakatra nankany izy ireo, “mba hisaotra ny anaran’i Jehovah”. Noho izany antony izany, izy dia nitady tamim-pahatsoram-po mba hisian’ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy ary ny fanambinana tao Jerosalema, tamin’ny fivavahana hoe: “Noho ny tranon’i Jehovah Andriamanitsika dia hitady izay hahatsara anao aho.” — Sal. 122:1, 4, 9.

21 Ny Salamo faha-132 dia milaza ny voady nataon’i Davida fa tsy hipetraka ny tenany mandra-pahitany toeram-pitsaharana mendrika iray ho an’i Jehovah, araka ny asehon’ny fiaran’ny fanekena. Rehefa avy naorina tao Ziona ilay Fiara, dia voalazalaza amin’ny alalan’ny fitenenana kanto iray fampiasa amin’ny tononkalo, fa i Jehovah dia nilaza fa efa nifidy an’i Ziona, “fitsaharako mandrakizay doria; eto no honenako, fa efa niriko ity”. Nekeny io foibe ho an’ny fanompoam-pivavahana io, “fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana”. “Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah”. — 132:1-6, 13, 14; 133:3; 134:3; jereo koa ny Salamo faha-48.

22. a) Ahoana no ankalazana ny maha-mendri-piderana an’i Jehovah? b) Ahoana no iakaran’ny loha hevitra be voninahitr’ilay boky miandalana ka ahatratrarany fara tampony ao amin’ireo salamo farany?

22 Ny Salamo faha-135 dia mankalaza an’i Jehovah amin’ny maha-Andriamanitra mendri-piderana azy, izay manao izay sitrapony rehetra, mifanohitra amin’ireo sampy tsinontsinona sy foana, izay ny mpanao azy dia ho tahaka azy. Ny Salamo faha-136 dia natao ho an’ny fihirana mifamaly, ka ny andininy tsirairay dia mifarana amin’ny hoe: “Fa mandrakizay ny famindrampony”. Ireo valin-teny ireo dia aseho fa nampiasaina tamin’ny toe-javatra maro. (1 Tant. 16:41; 2 Tant. 5:13; 7:6; 20:21; Ezra 3:11). Ny Salamo faha-137 dia mitantara ilay faniriana mafy an’i Ziona tao am-pon’ireo Jiosy fony izy ireo tany Babylona. Izy io koa dia manamarina fa tsy nanadino ireo hira, na salamon’i Ziona izy ireo, na dia lavitra ny tany niaviany aza. Ny Salamo faha-145 dia manandratra ny hatsaram-pon’i Jehovah sy ny maha-mpanjaka azy, ka mampiseho fa “miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany”. (145And. 20). Avy eo, ho famaranana feno fandrisihana, ny Salamo faha-146 ka hatramin’ny faha-150 dia mamerina indray ny loha hevitra be voninahitr’ilay boky, ka ny tsirairay aminy dia manomboka sy mifarana amin’ny hoe “Haleloia [“Miderà an’i Jah, ianareo ry olona”, NW ].” Io hiram-piderana io dia miakatra miandalana ka mahatratra fara tampony malaza ao amin’ny Salamo faha-150, izay miantso in-13 ao anatin’ny andininy enina, ny zavatra noforonina rehetra mba hidera an’i Jehovah.

MAHASOA — NAHOANA?

23. a) Hafatra velona inona no raketin’ny Salamo? b) Ahoana no anandratana ny anaran’i Jehovah sy ny fiandrianany?

23 Noho ny hakantony sy ny fomba fanoratra ao aminy tonga lafatra, ireo salamo ao amin’ny Baiboly dia tokony hampidirina ho anisan’ny haisoratra lehibe indrindra na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona. Kanefa mihoatra lavitra noho ny haisoratra izy ireo. Hafatra velona avy amin’ilay Tompom-piandrianana Tampony eo amin’izao rehetra izao manontolo, dia i Jehovah Andriamanitra mihitsy, izy ireo. Manome fahatakarana hevi-dalina feno momba ireo fampianarana fototry ny Baiboly izy ireo, ka miresaka voalohany indrindra sy ambonin’ny zavatra rehetra momba an’i Jehovah, ilay Loharanony. Aseho mazava tsara ho ny Mpamorona izao rehetra izao sy ny zavatra rehetra ao aminy, Izy. (8:3-9; 90:1, 2; 100:3, f.a.p.; 104:1-5, 24; 139:14). Ny anarana hoe Jehovah dia tena asandratra ao amin’ny bokin’ny Salamo, izay isehoany in-700 eo ho eo. Fanampin’izany, ilay endrika nohafohezina hoe “Jah” dia hita in-43 (NW ), hany ka, amin’ny fitambarany, ny anaran’Andriamanitra dia voatonona in-5 eo ho eo amin’ny antsalany ao amin’ny Salamo tsirairay. Ankoatra izany, i Jehovah dia resahina in-350 eo ho eo ho ʼElo·himʹ, na hoe Andriamanitra. Ny fanapahan’i Jehovah tampony dia aseho amin’ny firesahana momba azy ho “Tompo Manam-piandrianana”, ao amin’ny salamo sasantsasany. — 68:20, NW; 69:6, NW; 71:5, NW; 73:28, NW; 140:7, NW; 141:8, NW.

24. Inona no lazaina ao amin’ny Salamo momba ny olombelona mety maty, ary torohevitra marim-pototra inona no omena?

24 Mifanohitra amin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ny olombelona mety maty dia aseho ho teraka tao anatin’ny fahotana ka mila mpanavotra. Ary aseho ho toy ny mora maty sy miverina ho amin’ny “vovoka”, midina any amin’ny Sheola, ny fasana iombonan’ny taranak’olombelona, izy. (6:4, 5, f.a.p.; 49:7-20, f.a.p.; 51:5, 7, f.a.p.; 89:48; 90:1-5; 115:17; 146:4). Ny bokin’ny Salamo dia manantitrantitra fa ilaina ny mitandrina ny lalàn’Andriamanitra sy ny mitoky amin’i Jehovah. (1:1, 2; 62:8; 65:5; 77:12; 115:11; 118:8; 119:97, 105, 165). Mampitandrina amin’ny fahasahisahian-dratsy sy ny “ota miafina” izy io, (19:12-14, NW; 131:1), ary mampirisika ny fifaneraserana mahasoa miavaka noho ny fanaovana ny marina. (15:1-5; 26:5; 101:5). Asehony fa ny fitondran-tena mahitsy dia ahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah. (34:13-15; 97:10). Manolotra fanantenana mamirapiratra izy io amin’ny filazana fa “an’i Jehovah ny famonjena”, ary koa fa, ho an’ireo izay matahotra azy, dia “hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana” izy. (3:8; 33:19). Izany dia mitondra antsika eo amin’ny lafiny ara-paminaniana.

25. a) Feno hipoka inona ara-bakiteny ny bokin’ny Salamo? b) Ahoana no nampiasan’i Petera ny Salamo mba hampahafantarana ilay Davida Lehibe?

25 Ny bokin’ny Salamo dia feno hipoka ara-bakiteny faminaniana manondro an’i Jesosy Kristy, ilay “zanak’i Davida”, sy ny anjara asa hotontosainy amin’ny maha-Voahosotr’i Jehovah sady Mpanjaka voatendriny azy. a (Matio 1:1). Rehefa nipoitra ny kongregasiona kristiana tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nanomboka nanome fahazavana ho an’ireo apostoly ny fanahy masina raha ny amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo. Tamin’io andro io ihany, i Petera dia naka teny imbetsaka avy tao amin’ny Salamo mba hamelabelarana ny loha hevitr’ilay lahateniny malaza. Izy io dia niompana tamin’ny olona iray, dia i “Jesosy avy any Nazareta”. Ny tapany farany tamin’ny hevitra narosony dia saiky nifototra tanteraka tamin’ny fakana teny avy tao amin’ny Salamo, mba hanaporofoana fa i Kristy Jesosy no ilay Davida Lehibe, ary koa fa i Jehovah dia tsy hamela ny fanahy (âme) an’i Jesosy ao amin’ny Hadesy fa hanangana azy amin’ny maty. Tsia, “tsy Davida no niakatra tany an-danitra”, fa ny Tompony, araka ny nambarany mialoha tao amin’ny Salamo 110:1. Iza moa ilay Tompon’i Davida? Nahatratra ny fara tampony lehibe tamin’ny lahateniny i Petera tamin’ny famaliana tamin-kery hoe: “Iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny”! — Asa. 2:14-36; Sal. 16:8-11; 132:11.

26. Amin’ny ahoana no isehoan’ny lahatenin’i Petera ho mahasoa?

26 Nahasoa ve ny lahatenin’i Petera niorina tamin’ny Salamo? Ampy mba hamaliana izany ny batisan’ny olona tokony ho 3 000 izay nanampy ny kongregasiona kristiana. — Asa. 2:41.

27. Ahoana no nanazavan’ny “Fanahy Masina” ny Salamo faha-2?

27 Fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny fiaraha-mivory manokana iray, ireo mpianatra dia nitalaho tamin’i Jehovah ary nanonona ny Salamo 2:1, 2. Nilaza izy ireo fa izy io dia tanteraka tamin’ireo mpanapaka izay tafaray mba hanohitra ‘ny mpanompon’Andriamanitra masina, dia i Jesosy izay nohosoran’Andriamanitra’. Ary manohy milaza ilay fitantarana fa “feno ny Fanahy Masina izy rehetra”. — Asa. 4:23-31.

28. a) Tamin’ny fampiasana ny Salamo, hevitra inona no velabelarin’i Paoly ao amin’ny Hebreo toko voalohany ka hatramin’ny faha-3? b) Ahoana no anomezan’ny Salamo 110:4 fototra ho an’ny fandinihan’i Paoly ny fisoronan’i Melkizedeka?

28 Jereo izao ny taratasy ho an’ny Hebreo. Ao amin’ireo toko roa voalohany, isika dia mahita fakan-teny sasantsasany avy ao amin’ny Salamo momba ny maha-ambony kokoa an’i Jesosy, amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra nahazo seza fiandrianana any an-danitra azy, raha oharina amin’ireo anjely. Asehon’i Paoly avy ao amin’ny Salamo 22:22 sy ny fakan-teny hafa fa i Jesosy dia manana kongregasiona (NW ) iray voaforon’ny “rahalahy”, izay tapany amin’ny taranak’i Abrahama sy “mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra”. (Heb. 2:10-13, 16; 3:1). Avy eo, manomboka eo amin’ny Hebreo 6:20 ka hatramin’ny Heb.toko faha-7, ilay apostoly dia manitatra izany amin’ny firesahana momba ny anjara toerana fanampiny tanan’i Jesosy amin’ny maha-“Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka” azy. Izany dia manisy firesahana momba ilay fampanantenana mifandray amin’ilay voady nataon’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 110:4, izay resahin’i Paoly matetika aoka izany, mba hanaporofoana ny maha-ambony kokoa ny fisoronan’i Jesosy raha oharina amin’ny an’i Arona. Manazava i Paoly fa, noho ny fianianan’i Jehovah, dia mpisorona i Jesosy Kristy, tsy eto an-tany, fa any an-danitra, ary “mitoetra ho mpisorona mandrakariva” — ho mandrakizay ireo soa hoentin’ny fisoronany. — Heb. 7:3, 15-17, 23-28.

29. Oha-pandavan-tena miavaka inona no tokony harahintsika, araka ny ambara ao amin’ny Salamo ary hazavaina ao amin’ny Hebreo 10:5-10?

29 Ankoatra izany, ao amin’ny Hebreo 10:5-10, isika dia ilazana ny amin’ny fahatakaran’i Jesosy tamin’ny fomba tsara dia tsara ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanarahany ny lalan’ny fanaovana sorona ny tenany. Ilazana ny amin’ny fahatapahan-kevitr’i Jesosy hanatanteraka izany sitrapo izany, koa isika. Izany dia miorina amin’ny tenin’i Davida amin’ny Salamo 40:6-8. Io toe-tsaina feno fandavan-tena fakan-tahaka io dia mahasoa indrindra raha dinihintsika sy tahafintsika, mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra. — Jereo koa ny Salamo 116:14-19.

30. Ahoana no nanambaran’ny Salamo mialoha amin’ny an-tsipiriany, ny lalana harahin’i Jesosy, ary ahoana no tsy maintsy nanovozany fampiononana avy tamin’izany?

30 Ny lalana narahin’i Jesosy, izay nifarana tamin’ilay fisedrana mafy fony izy niaritra teo amin’ny hazo fijaliana, dia nambara mialoha tamin’ny an-tsipiriany miavaka tao amin’ireo Salamo. Anisan’izany ny fanolorana azy vinaingitra hosotroiny, ny fanaovana loka ny fizarana ny fitafiany, ny habibiana nampiharina tamin’ny tanany sy ny tongony, ny fanesoana ary ny fangirifiriana ara-tsaina mbola mafy kokoa aza nasehon’ilay hiaka nampiseho ny naha-fadiranovana azy hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” (Matio 27:34, 35, 43, 46; Sal. 22:1, 7, 8, 14-18; 69:20, 21). Araka ny asehon’ny Jaona 19:23-30, na dia nandritra ireo ora ireo aza, i Jesosy dia tsy maintsy ho nanovo fampiononana sy nandray fitarihana lehibe avy tamin’ireo Salamo, tamin’ny fahafantarana fa tsy maintsy ho tanteraka hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra, ireny andininy rehetra ireny. Fantatr’i Jesosy fa niresaka momba ny hitsanganany amin’ny maty sy ny hanandratana azy, koa ny Salamo. Tsy isalasalana fa tao an-tsainy ireo zavatra ireo rehefa nitarika ny ‘fihirana fiderana’, na salamo, niara-nataony tamin’ireo apostoliny izy tamin’ny alina farany talohan’ny nahafatesany. — Matio 26:30.

31. Inona no nambaran’ny bokin’ny Salamo mialoha mifandray amin’ny Taranaka handova ilay Fanjakana sy ny kongregasionan’i Jesosy?

31 Araka izany, ny Salamo dia mampahafantatra mazava fa ilay “zanak’i Davida” sy ny Taranaka handova ilay Fanjakana dia i Jesosy Kristy, izay misandratra izao, amin’ny maha-Mpanjaka sady Mpisorona any Ziona any an-danitra azy. Tsy ampy ny toerana hanomezana filazalazana amin’ny an-tsipiriany momba ireo andalan-teny ao amin’ny Salamo izay tononina ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ka tanteraka tamin’io Voahosotr’i Jehovah io. Kanefa misy ohatra vitsivitsy hafa koa tanisaina eto: Sal. 78:2Matio 13:31-35; Sal. 69:4Jaona 15:25; Sal. 118:22, 23Marka 12:10, 11 sy Asa. 4:11; Sal. 34:20Jaona 19:33, 36; Sal. 45:6, 7Heb. 1:8, 9. Afa-tsy izany koa, ny kongregasionan’ireo mpanara-dia marina an’i Jesosy dia nambara mialoha tao amin’ireo Salamo, tsy amin’ny maha-isam-batan’olona, fa amin’ny maha-fitambaran’olona nanjary nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary avy amin’ny firenena rehetra, mba handray anjara amin’ny asa fiderana ny anaran’i Jehovah. — Sal. 117:1Rom. 15:11; Sal. 68:18Efes. 4:8-11; Sal. 95:7-11Heb. 3:7, 8; 4:7.

32. a) Inona no ahariharin’ny fianarana ny Salamo momba ny fanamarinana an’i Jehovah sy ireo zava-kendren’ilay Fanjakana? b) Ho fankasitrahana ny maha-mpanjaka azy, ahoana no tokony hanehoantsika tsy fivadihana sy fankasitrahana?

32 Ny fianarantsika ny Salamo dia mampitombo ny fahatakarantsika ny maha-mpanjaka an’i Jehovah Andriamanitra, izay ampihariny amin’ny alalan’ilay Taranaka nampanantenaina sady Mpandova ilay Fanjakana, ho fanomezam-boninahitra sy ho fanamarinana Azy. Enga anie isika ho anisan’ireo olona tsy mivadika ireo mandrakizay. Izy ireo dia miravoravo ao amin’ny ‘lazan’ny voninahitry ny fiandrianan’i Jehovah’ ary resahina amin’izao fomba izao, ao amin’ny Salamo faha-145, izay antsoina hoe “Fideran’i Davida”: “Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao, mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.” (Sal. 145:5, 11-13). Marina io salamo ara-paminaniana io, satria ankehitriny aza ny famirapiratan’ny Fanjakan’Andriamanitra voaorina tarihin’i Kristy, dia ampahafantarina ny zanak’olombelona ao amin’ny firenena rehetra. Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho izany Fanjakana izany sy ny Mpanjakany! Tena mifanentana ireo teny mamarana ny Salamo hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia.” — Sal. 150:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1250-1251.

[Fanontaniana]