Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-2 — Eksodosy

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-2 — Eksodosy

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-2 — Eksodosy

Mpanoratra: Mosesy

Toerana Nanoratana: Tany an’efitra

Vita Tamin’ny: 1512 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 1657 al.f.i. - 1512 al.f.i.

1. a) Inona avy ireo hevitra misongadina ao amin’ny Eksodosy? b) Inona avy ireo anarana nomena ny Eksodosy, ary fitohizan’ny fitantarana inona izy io?

 IREO fitantarana mampihetsi-po momba ireo famantarana sy fahagagana lehibe nataon’i Jehovah mba hanafahana ilay vahoakany nitondra ny anarany tamin’ireo fampahorian’i Egypta, ny nandaminany ny Isiraely, fananany manokana, “ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina”, ny niandohan’ny tantaran’ny Isiraely tamin’ny naha-firenena teokratika azy — ireo rehetra ireo no hevitra misongadina ao amin’ny bokin’ny Eksodosy ao amin’ny Baiboly. (Eks. 19:6). Amin’ny teny hebreo izy io dia antsoina hoe Weʼelʹleh shemohthʹ, izay midika hoe “Ankehitriny dia ireto no anarana”, na hoe Shemohthʹ fotsiny, izay midika hoe “Anarana”, araka ireo teny voalohany amin’io boky io. Ilay anarany ankehitriny dia avy amin’ny Septante grika izay miantso azy hoe Eʹxo·dos, izay nanjary hoe Exodus tamin’ny teny latina, ary midika hoe “Fialana” na “Fandehanana”. Ny maha-tohin’ny fitantarana ao amin’ny Genesisy ny Eksodosy dia asehon’ilay teny voalohany ao aminy hoe “Ankehitriny” (NW ) (ara-bakiteny hoe “Ary”), sy ny fanomezana indray ny lisitry ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakoba, noraisina avy tamin’ny firaketana an-tsoratra feno kokoa ao amin’ny Genesisy 46:8-27.

2. Inona no ahariharin’ny Eksodosy momba ny anarana hoe JEHOVAH?

2 Ny bokin’ny Eksodosy dia mampiharihary ny anarana misandratr’Andriamanitra, dia ny hoe JEHOVAH, ao amin’ny famirapiratan’ny voninahiny sy ny fahamasinany rehetra. Rehefa hampiseho ny halalin’ny hevitry ny anarany Andriamanitra, dia nilaza tamin’i Mosesy hoe: “HOPOROFOIKO FA HO IZAY HOPOROFOIKO NY TENAKO”, ary nanampy teny fa tokony hilaza amin’ny Isiraely izy hoe: “I HOPOROFOIKO NY TENAKO [Hebreo: אהיה, ʼEh·yehʹ, avy amin’ny matoanteny hebreo hoe ha·yahʹ ] no naniraka ahy ho atỳ aminareo.” Ilay anarana hoe JEHOVAH (יהוה, YHWH) dia avy amin’ny matoanteny hebreo iray fiaviana aminy hoe ha·wahʹ, “manjary”, ary midika, raha ny tena izy, hoe “Mahatonga Izy”. Azo antoka fa ireo asa mahery sy mahatahotra natombok’i Jehovah ho famonjena ny Isiraely olony izao dia nanandratra sy nanafy voninahitra namirapiratra an’io anarana io, ka nahatonga azy ho fahatsiarovana “hatramin’ny taranaka fara mandimby”, dia ilay anarana hohajaina hatrany amin’ny mandrakizay. Ny mahasoa indrindra amin’ny zavatra rehetra dia ny hahafantarantsika ny tantara mahatalanjona manodidina io anarana io sy ny hivavahantsika amin’ilay hany Andriamanitra marina, dia Ilay nanambara hoe: “Izaho no Jehovah”. aEks. 3:14, 15, NW; 6:6.

3. a) Ahoana no ahafantarantsika fa i Mosesy no nanoratra ny Eksodosy? b) Oviana no nosoratana ny Eksodosy, ary fe-potoana toy inona no voafaoka ao aminy?

3 I Mosesy no mpanoratra ny Eksodosy, araka ny asehon’ny maha-boky faharoan’ny Pentateuque azy io. Ilay boky dia milaza amin’ny toerana telo fa i Mosesy dia nirakitra an-tsoratra araka ny toromarik’i Jehovah. (17:14; 24:4; 34:27). Araka ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly antsoina hoe Westcott sy Hort, i Jesosy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana dia nanonona na naka teny avy tao amin’ny Eksodosy maherin’ny in-100, toy ny rehefa niteny i Jesosy hoe: “Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna?” Ny Eksodosy dia nosoratana tany an’efitr’i Sinay, tamin’ny taona 1512 al.f.i., herintaona taorian’ny nandaozan’ny zanak’Isiraely an’i Egypta. Mahafaoka fe-potoana naharitra 145 taona izy io, nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Josefa tamin’ny 1657 al.f.i. ka hatramin’ny nananganana ny tabernakely natao ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny 1512 al.f.i. — Jaona 7:19; Eks. 1:6; 40:17.

4, 5. Porofo arkeolojika inona no manohana ny fitantarana ao amin’ny Eksodosy?

4 Rehefa heverina fa ireo fisehoan-javatra voalaza ao amin’ny Eksodosy dia nitranga teo amin’ny 3 500 taona lasa izay, dia mahagaga ny habetsahan’ireo porofo arkeolojika sy porofo ivelany hafa manamarina ny maha-araka ny marina tsara ilay firaketana an-tsoratra. Ireo anarana egyptiana dia ampiasaina araka ny tena izy ao amin’ny Eksodosy, ary ireo anaram-boninahitra voalaza ao dia mifanitsy amin’ireo soratra egyptiana. Ny arkeolojia dia mampiseho fa fanaon’ny Egyptiana ny namela vahiny honina tao Egypta saingy tsy nanana fifandraisana taminy izy ireo. Ny ranon’i Neily dia nampiasaina mba handroana, ka izany dia mampahatsiahy fa nandro tao ny zanakavavin’i Farao. Nisy biriky vita tamin’ny mololo sy biriky tsy vita tamin’ny mololo hita. Ankoatra izany, tamin’ny andro nampahalaza an’i Egypta, dia nalaza ireo ombiasy. — Eks. 8:18; 2:5; 5:6, 7, 18; 7:11.

5 Misy tsangambato mampiseho fa ny tenan’ireo Farao mihitsy no nitarika ireo mpitondra kalesy ho any an’ady, ary ny Eksodosy dia mampiseho fa ilay Farao tamin’ny andron’i Mosesy dia nanaraka io fanao io. Endre ny halehiben’ny fietrena nety ho tsapany! Kanefa nahoana ireo firaketana an-tsoratra egyptiana fahiny no tsy manisy firesahana momba ny nivahinian’ny Isiraelita tao amin’ny taniny na momba ny loza nanjo an’i Egypta? Ny arkeolojia dia nampiseho fa fanaon’ny tarana-mpanjaka egyptiana vaovao iray ny namafa izay rehetra nahafa-baraka tao amin’ireo firaketana an-tsoratra teo aloha. Tsy nirakitra an-tsoratra ireo faharesena nampietry na oviana na oviana izy ireo. Ireo famelezana nahavoa an’ireo andriamanitr’i Egypta — toy ny andriamanitra Neily sy ny andriamanitra sahona ary ny andriamanitra masoandro — izay nanala baraka ireny andriamani-diso ireny ary nampiseho an’i Jehovah ho fara tampony, dia tsy hifanentana amin’ny tantara voalahatry ny firenena miavonavona iray. — 14:7-10; 15:4. b

6. Toerana aiza avy mazàna no lazaina fa nisy ireo tobin’ny Isiraelita tamin’ny voalohany?

6 Ireo 40 taona nanompoan’i Mosesy ho toy ny mpiandry ondrin’i Jetro dia nahatonga azy hahafantatra tsara ireo toe-piainana sy ireo toerana nisy rano sy sakafo teo amin’ilay faritra, ka nahatonga azy hahafeno fepetra tsara mba hitarika ilay Fifindrana Rodobe. Tsy azo soritana amin’ny an-tsipiriany tsara amin’izao andro izao ilay tena lalana narahin’ilay Fifindrana Rodobe, satria tsy hita mazava ireo toerana samihafa voalaza ao amin’ilay fitantarana. Kanefa i Mara, ny iray tamin’ireo fitobiana voalohany tao amin’ny Saikinosin’i Sinay, matetika no lazaina fa i ʽEin Hawwara, 80 kilaometatra any atsimo-atsimo-atsinanan’i Suez ankehitriny. I Elima, ilay toerana nitobiana faharoa, dia nolazaina hatramin’ny ela fa i Wadi Gharandel, eo amin’ny 88 kilaometatra any atsimo-atsimo-atsinanan’i Suez. Mahaliana fa io toerana maoderina io dia fantatra ho toy ny toerana ahitan-drano misy zavamaniry sy hazo rofia, ka mampahatsiahy ilay Elima ao amin’ny Baiboly, izay nisy “loharano roa ambin’ny folo sy hazo rofia fito-polo”. c Ny maha-azo itokiana ny fitantaran’i Mosesy anefa dia tsy miankina amin’ny fanamafisan’ny arkeology ny fisian’ireo toerana samihafa teny amin’ny lalana narahiny. — 15:23, 27.

7. Porofo hafa inona, anisan’izany ny fanamboarana ny tabernakely, no manamafy fa ara-tsindrimandry ny Eksodosy?

7 Ny fitantarana ny fanorenana ilay tabernakely teo amin’ireo lemaka teo anoloan’i Sinay dia mifanentana amin’ireo toe-javatra eo an-toerana. Hoy ny nambaran’ny manam-pahaizana iray: “Raha ny amin’ny endriny sy ny firafiny ary ireo zavatra nanamboarana azy, dia zavatra anisan’ny tany efitra ilay tabernakely iray manontolo. Tondraka any ilay hazo nampiasaina tamin’ilay rafitra.” d Na momba ny anarana izany, ny fanao, ny fivavahana, ireo toerana, ny jeografia, na ireo zavatra nanaovana azy, ny habetsahan’ny porofo ivelany dia manamafy ny maha-ara-tsindrimandry ny fitantaran’ny Eksodosy, izay efa eo amin’ny 3 500 taona izao.

8. Ahoana no ampisehoana fa mifampiditra ny Eksodosy sy ny tapany sisa amin’ny Soratra Masina, amin’ny maha-ara-tsindrimandry sady mahasoa azy?

8 Ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly hafa dia naka tsy tapaka teny avy tao amin’ny Eksodosy, ka izany dia mampiseho ny heviny sy ny hasarobidiny ara-paminaniana. Maherin’ny 900 taona tatỳ aoriana, i Jeremia dia nanoratra momba ilay “Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany”, izay nitondra ny Isiraely olony hivoaka avy tany Egypta “tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tànana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe”. (Jer. 32:18-21). Maherin’ny 1 500 taona tatỳ aoriana, i Stefana dia nampiorina ilay teny fanamarinana mampihetsi-po nataony ka nitarika ho amin’ny fanaovana azy ho maritiora, tamin’ny fanazavana ao amin’ny Eksodosy. (Asa. 7:17-44). Ny fiainan’i Mosesy dia tononina ho toy ny oha-pinoana ho antsika ao amin’ny Hebreo 11:23-29, ary i Paoly dia nanonona matetika ny Eksodosy mba hanomezana ohatra sy fananarana ho antsika amin’izao andro izao. (Asa. 13:17; 1 Kor. 10:1-4, 11, 12; 2 Kor. 3:7-16). Izany rehetra izany dia manampy antsika hahatakatra fa mifampiditra ireo tapany ao amin’ny Baiboly, ka ny fizarana tsirairay dia samy mandray anjara amin’ny fanambarana ny fikasan’i Jehovah amin’ny fomba mahasoa.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY EKSODOSY

9. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana avy no nahaterahan’i Mosesy sy nitaizana azy?

9 Naniraka an’i Mosesy i Jehovah, ka nanantitrantitra ny Anaran’ny Tenany ho Fahatsiarovana (1:1–4:31). Rehefa avy nanonona ireo zanak’Isiraely izay tonga tao Egypta ny Eksodosy, dia noraketiny an-tsoratra ny amin’ny nahafatesan’i Josefa. Tatỳ aoriana, dia nisy mpanjaka vaovao tao Egypta. Rehefa hitan’io fa “nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra” ny Isiraelita, dia nampiasa fomba hisakanana izany izy, anisan’izany ny asa an-tery vozona, sady nitady hampihena ny isan’ny mponina lahy teo amin’ny Isiraely tamin’ny fandidiana ny handringanana ireo ankizilahy kely vao teraka rehetra. (1:7). Tao anatin’izany tarehin-javatra izany no niteraka zazalahy ny Isiraelita iray avy tamin’ny mpianakavin’i Levy. Io zaza io no zanaka fahatelo tao amin’ilay fianakaviana. Rehefa telo volana izy, dia nanafina azy tao anaty fiara zozoro iray tao amin’ireo zozoro teo amoron’ny Onin’i Neily, ny reniny. Hitan’ny zanakavavin’i Farao, izay tia azy sy nandray azy ho zanany, ilay zazalahy kely. Ny reniny ihany no lasa mpitaiza azy, ary ho vokany, dia nihalehibe tao amin’ny ankohonana isiraelita izy. Tatỳ aoriana izy dia nentina tao an-dapan’i Farao. Nantsoina hoe Mosesy, izay midika hoe “Nalaina avy Tamin’ny [izany hoe novonjena avy tao amin’ny rano]”, izy. — Eks. 2:10; Asa. 7:17-22.

10. Fisehoan-javatra inona avy no nitarika ho amin’ny fanirahana an’i Mosesy hanao fanompoana manokana?

10 Io Mosesy io dia liana ny amin’izay hahasoa ireo Isiraelita tahaka azy. Namono ho faty Egyptiana iray izay nampijaly Isiraelita iray izy. Ho vokatr’izany, dia voatery nandositra izy, hany ka tonga tany amin’ny tany Midiana. Tany izy dia nanambady an’i Zipora, zanakavavin’i Jetro, ilay mpisoron’i Midiana. Tatỳ aoriana i Mosesy dia niteraka zanaka mirahalahy, dia i Gersoma sy i Eliezera. Avy eo, teo amin’ny faha-80 taonany, rehefa avy nandany 40 taona tany an’efitra i Mosesy, dia nirahin’i Jehovah hanao fanompoana manokana iray ho fanamasinana ny anaran’i Jehovah. Indray andro, teo am-piandrasana ny andian’ondrin’i Jetro teo akaikin’i Horeba, “tendrombohitr’Andriamanitra”, i Mosesy, dia nahita roimemy nirehitra afo nefa tsy levona. Rehefa nandeha hizaha izany izy, dia nohatonin’ny anjelin’i Jehovah iray, izay nilaza taminy ny amin’ny fikasan’Andriamanitra hitondra ‘ny Zanak’Isiraely olony hivoaka avy tany Egypta’. (Eks. 3:1, 10). Ho fitaovana hampiasain’i Jehovah mba hanafahana ny Isiraely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana, i Mosesy. — Asa. 7:23-35.

11. Tamin’ny heviny manokana inona izao no nampahafantaran’i Jehovah ny anarany?

11 Avy eo i Mosesy dia nanontany ny fomba hampahafantarany an’Andriamanitra tamin’ireo zanak’Isiraely. Teto, vao voalohany, no nampahafantaran’i Jehovah ny tena hevitry ny anarany, ka nampifandraisany azy io tamin’ny fikasany voafaritra ary nanorenany azy io ho fahatsiarovana. “Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: IZAHO IZAY IZY [“HOPOROFOIKO NY TENAKO”, NW ] no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo (...) Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo”. Ny anarany hoe Jehovah dia mampahafantatra azy ho ilay mahatonga ireo fikasany mifandray amin’ilay vahoaka mitondra ny anarany, ho tanteraka. Ho an’ny vahoakany, izany hoe ireo taranak’i Abrahama, dia hanome ilay tany nampanantenainy ny razambeny izy, dia “tany tondra-dronono sy tantely”. — Eks. 3:14, 15, 17.

12. Inona no nohazavain’i Jehovah tamin’i Mosesy raha ny amin’ny fanafahana ny Isiraelita, ary ahoana no naneken’ny vahoaka ireo famantarana?

12 Nanazava tamin’i Mosesy i Jehovah fa ny mpanjakan’i Egypta dia tsy hamela ny Isiraelita handeha, ka tsy maintsy hamely an’i Egypta tamin’ireo asany mahatalanjona rehetra aloha Izy. I Arona, rahalahin’i Mosesy, dia nomena azy ho mpitondra teniny, ary izy mirahalahy ireo dia naharay famantarana telo, izay hotanterahiny mba handresena lahatra ny Isiraelita fa tonga tamin’ny anaran’i Jehovah ny tenany. Teny an-dalana ho any Egypta, dia tsy maintsy noforana ny zanakalahin’i Mosesy mba hisorohana ny fahafatesana tao amin’ny fianakaviany, ka izany dia nampahatsiahy an’i Mosesy ireo fepetra notakin’Andriamanitra. (Gen. 17:14). Namory ireo loholona teo amin’ny zanak’Isiraely i Mosesy sy i Arona ary nampahafantatra azy ireo ny amin’ny fikasan’i Jehovah hitondra azy ireo hivoaka avy tany Egypta sy hitarika azy ireo ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Nanatanteraka ireo famantarana izy ireo, ary dia nino izany ny vahoaka.

13. Inona avy no vokatry ny fihaonan’i Mosesy voalohany tamin’i Farao?

13 Ireo loza namely an’i Egypta (5:1–10:29). I Mosesy sy i Arona izao dia nankany amin’i Farao ary nanambara fa i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Isiraely, dia nilaza hoe: “Alefaso ny oloko”. Tamin’ny feo namingavinga, dia namaly toy izao i Farao niavonavona: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.” (5:1, 2). Tsy nandefa ny Isiraelita izy, fa vao mainka nanome azy ireo asa mafy kokoa. I Jehovah anefa dia namerina ny fampanantenany ny amin’ny fanafahana, ka nampifamatotra izany indray tamin’ny fanamasinana ny anarany toy izao: “Izaho no Jehovah (...) Ho Andriamanitrareo Aho (...) Izaho no Jehovah.” — 6:6-8.

14. Ahoana no nahavoatery an’ireo Egyptiana hanaiky “ny rantsantànan’Andriamanitra”?

14 Ilay famantarana notanterahin’i Mosesy teo anatrehan’i Farao, izany hoe rehefa nanipy ny tehiny mba ho tonga menarana i Arona, dia nalain’ireo ombiasin’i Egypta tahaka. Na dia natelin’ny menaranan’i Arona aza ny menaranan’izy ireo, dia mbola nihamafy ihany ny fon’i Farao. Izao i Jehovah dia nanomboka nitondra ireo famelezana mafy nisesy teo amin’i Egypta. Voalohany aloha, dia nivadika ho ra i Neily sy ny rano rehetran’i Egypta. Avy eo dia tonga teo amin’izy ireo ny lozan’ny sahona. Ireo famelezana roa ireo dia nalain’ireo ombiasy tahaka, fa ny fahatelo kosa, ny an’ny moka, namely ny olona sy ny biby, dia tsy hainy. Voatery niaiky ireo mpisorona tao Egypta fa “rantsantànan’Andriamanitra” ilay izy. Kanefa tsy nandefa ny Isiraely i Farao. — 8:15.

15. Famelezana inona avy no tsy nahavoa afa-tsy ireo Egyptiana, ary inona no hany antony namelan’i Jehovah an’i Farao haharitra?

15 Ireo famelezana telo voalohany dia tonga tamin’ny Egyptiana sy ny Isiraelita, fa nanomboka tamin’ilay fahefatra kosa, dia ny Egyptiana ihany no voa, ary ny Isiraely dia navahana teo ambany fiarovan’i Jehovah. Ny famelezana fahefatra dia ireo lalitra zavontany. Avy eo dia tonga ny areti-mandringana, nahazo ny biby fiompin’i Egypta rehetra, narahin’ny vay nipoipoitra tamin’ny olona sy ny biby, hany ka na dia ireo ombiasy aza dia tsy nahajanona teo anatrehan’i Mosesy. Namela (NW ) ny fon’i Farao hihamafy indray i Jehovah, ary nilaza toy izao taminy tamin’ny alalan’i Mosesy: “Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” (9:16). Avy eo i Mosesy dia nanambara tamin’i Farao ilay famelezana nanaraka, dia “havandra be dia be”, ary eto ny Baiboly dia milaza voalohany fa ny sasany tamin’ny mpanompon’i Farao dia natahotra ny tenin’i Jehovah ka nanao zavatra nifanaraka tamin’izany. Ny famelezana fahavalo sy fahasivy — ny fanafihan’ny valala sy ny haizim-pito — dia nisesy haingana nanaraka izany, ary ilay Farao kirina sy nisafoaka dia nandrahona an’i Mosesy tamin’ny fahafatesana raha mbola nitady hahita ny tavany indray izy. — 9:18.

16. Inona no nodidian’i Jehovah momba ny Paska sy ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira?

16 Ny Paska sy ny famonoana ny lahimatoa (11:1–13:16). I Jehovah izao dia nanambara hoe: “Mbola hahatonga loza iray koa amin’i Farao sy Egypta Aho” — ny fahafatesan’ny lahimatoa. (11:1). Nanome baiko izy fa ny volana Abiba dia tokony ho ny voaloham-bolana ho an’ny Isiraely. Tamin’ny andro faha-10, dia tokony haka zanak’ondry na osy iray — lahy, herintaona, tsy nisy kilema — izy ireo, ary tamin’ny andro faha-14, dia tokony hamono azy. Tamin’io hariva io izy ireo dia tsy maintsy naka ny ran’ilay biby ary nanatentina azy tamin’ny tolam-baravarana roa sy tamin’ny tataom-baravarana, ary avy eo dia tsy maintsy nijanona tao an-trano izy ireo sy nihinana ilay biby voatsatsika, ka tsy tokony hisy ho tapaka ny taolany. Tsy tokony hisy masirasira tao an-trano, ary tsy maintsy nihinana faingana izy ireo, samy efa nanao fitafiana sy kapa, vonona ny handeha. Ny Paska dia tokony ho fahatsiarovana, ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah hatramin’ny taranany fara mandimby. Tokony harahin’ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira naharitra fito andro izy io. Ireo zanany dia tsy maintsy nampianarina tamin’ny fomba lalina ny amin’ny hevitr’ireo rehetra ireo. (Tatỳ aoriana, i Jehovah dia nanome toromarika fanampiny momba ireo andro firavoravoana ireo, ary nanome baiko izy fa ireo lahimatoa rehetra teo amin’ny Isiraely, na olona na biby, dia tsy maintsy nohamasinina ho azy.)

17. Fisehoan-javatra inona avy no nanamarika io alina io ho toy ny alina tokony hotsarovana?

17 Nanao araka ny nandidian’i Jehovah ny Isiraely. Avy eo dia namely ny loza! Tamin’ny misasakalina, dia namono ny lahimatoan’i Egypta rehetra i Jehovah, kanefa nandalo fotsiny teo amin’ireo lahimatoan’ny Isiraely ka namonjy azy ireo. “Mialà eto amin’ny vahoakako hianareo”, hoy ny fihiakan’i Farao. “Dia nandodona ny olona ny Egyptiana” mba handehanan’izy ireo haingana. (12:31, 33). Tsy nitondra tanam-polo ireo Isiraelita rehefa nandeha, fa nangataka, ary nahazo, entana volafotsy sy volamena ary fitafiana avy tamin’ireo Egyptiana. Niala avy tao Egypta toy ny voaomana hiady izy ireo, dia lehilahy mahalia lalana 600 000, niaraka tamin’ny fianakaviany sy olona maro samy hafa firenena tsy Isiraelita ary biby betsaka indrindra. Izany dia nanamarika ny faran’ireo 430 taona nanomboka tamin’ny fotoana nitan’i Abrahama an’i Eofrata mba hidirana tao amin’ny tany Kanana. Tena alina tokony hotsarovana tokoa io. — Eks. 12:40, NW, f.a.p. faharoa; Gal. 3:17.

18. Fanamasinana fara tampony ny anaran’i Jehovah inona no niseho teo amin’ny Ranomasina Mena?

18 Nohamasinina teo amin’ny Ranomasina Mena ny anaran’i Jehovah (13:17–15:21). Nitarika azy ireo tamin’ny alalan’ny andry rahona nandritra ny andro ary tamin’ny alalan’ny andry afo nandritra ny alina i Jehovah, ka nampandeha azy ireo tany Sokota. Nihakirina indray i Farao, ka nanenjika azy ireo tamin’ny kalesiny voafantina ary namandrika azy ireo, araka ny fiheverany, teo amin’ny Ranomasina Mena. Nanome toky ilay vahoaka i Mosesy tamin’ny filazana hoe: “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio”. (14:13). Avy eo i Jehovah dia nampisintona ny ranomasina, ka nampisy lalantsara fandosirana nitarihan’i Mosesy soa aman-tsara ny Isiraelita ho eny amin’ny moron-tsiraka atsinanana. Nirohotra nanaraka azy ireo tafika maherin’i Farao, ka voafandrika ary nilentika tao amin’ireo rano tafaverina tamin’ny toerany. Endre izany fanamasinana fara tampony ny anaran’i Jehovah! Endre izany antony lehibe hifaliana noho ny aminy! Izany fifaliana izany avy eo dia naseho tao amin’ny hiram-pandresena lehibe voalohany ao amin’ny Baiboly, nanao hoe: “Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehovah no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy (...) Jehovah hanjaka mandrakizay doria.” — 15:1, 2, 18.

19. Fisehoan-javatra inona avy no nanamarika ny dia nankany Sinay?

19 Nanao ny faneken’ny Lalàna tao Sinay i Jehovah (15:22–34:35). Notarihin’i Jehovah ny Isiraely ka nanao dia nisy ambaratonga nisesy nankany Sinay, tendrombohitr’ilay Andriamanitra marina. Rehefa nimenomenona momba ilay rano mangidin’i Mara ny vahoaka, dia nataon’i Jehovah tonga mamy ilay izy ho azy ireo. Avy eo indray koa, rehefa nimenomenona momba ny tsy fisian’ny hena sy mofo izy ireo, dia nomeny papelika tamin’ny alina ary ny mana mamimamy, toy ny ando tamin’ny tany, tamin’ny maraina. Io mana io dia ho toy ny mofo ho an’ny Isiraelita nandritra ireo 40 taona nanaraka. Ankoatra izany, vao voalohany teo amin’ny tantara i Jehovah no nandidy ny hitandremana andro fitsaharana iray, na sabata, ka nasainy nanangona mana avo roa heny ny Isiraelita tamin’ny andro fahenina ary hitahiry ny anjara ho an’ny andro fahafito. Nanome rano ho azy ireo tany Refidima koa izy ary niady tamin’ny Amalekita ho azy ireo, sady nampirakitra an-tsoratra an’i Mosesy ny didim-pitsarany hoe ho foana tokoa ny Amalekita.

20. Ahoana no nahazoana fandaminan-javatra tsara kokoa?

20 I Jetro, rafozan-dahin’i Mosesy, avy eo dia nitondra ny vadiny sy ny zanany mirahalahy teo aminy. Tonga izao ny fotoana hisian’ny fandaminana tsara kokoa teo amin’ny Isiraely, ary nanome torohevitra azo nampiharina tsara i Jetro. Nanoro hevitra an’i Mosesy izy mba tsy hitondra irery ilay enta-mavesatra manontolo, fa mba hanendry kosa lehilahy nahay sy natahotra an’Andriamanitra mba hitsara ny vahoaka tamin’ny naha-mpifehy teo amin’ny arivo, ny zato, ny dimampolo ary ny folo (NW ). Nanao izany i Mosesy, hany ka ireo ady sarotra ihany izao no nentina teo aminy.

21. Fampanantenana inona no nomen’i Jehovah nanaraka izay, kanefa nifototra tamin’ny fepetra inona avy?

21 Tao anatin’ny telo volana taorian’ilay Fifindrana Rodobe, dia nitoby tao an’efitr’i Sinay ny Isiraely. Teo i Jehovah dia nampanantena hoe: “Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” Nivoady ilay vahoaka hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” (19:5, 6, 8). Taorian’ny fe-potoam-panamasinana ho an’ny Isiraely, dia nidina nankeo amin’ilay tendrombohitra tamin’ny andro fahatelo i Jehovah, ka nahatonga azy io hivoa-tsetroka sy hihorohoro.

22. a) Didy inona avy no voarakitra tao amin’ireo Teny Folo? b) Fanapahan-kevitra ara-pitsarana inona avy no napetraka teo anoloan’ny Isiraely, ary ahoana no nampidirana ilay firenena tao amin’ny faneken’ny Lalàna?

22 Avy eo i Jehovah dia nanome ireo Teny Folo, na Didy Folo. Ireo dia nanantitrantitra ny fifikirana tsy nizarazara tamin’i Jehovah, sady nandrara ny fanarahana andriamani-kafa sy ny fivavahana amin’ny sary ary ny fanononam-poana ny anaran’i Jehovah. Nodidiana ny Isiraelita mba hanao fanompoana nandritra ny enina andro ary avy eo dia hitandrina sabata iray ho an’i Jehovah, ary koa mba hanaja ny ray sy ny reniny. Namarana ireo Teny Folo ireo lalàna manameloka ny famonoana olona, ny fijangajangana (fanitsakitsaham-bady, NW ), ny fangalarana, ny fetezana ho vavolombelona mandainga ary ny fitsiriritana. Avy eo dia nanohy ny teniny i Jehovah ka nanome fanapahan-kevitra ara-pitsarana ho azy ireo, dia toromarika ho an’ilay firenena vaovao, izay nahafaoka ny fanandevozana, ny fanafihana olona, ny fandratrana, ny fanonerana, ny halatra, ny loza ateraky ny afo, ny fanompoam-pivavahan-diso, ny fisavihana, ny fitondrana ratsy ny mpitondratena sy ny kamboty, ny fampisamboram-bola ary ny raharaha maro hafa. Nomena ireo lalàna momba ny Sabata, ary nalamina ireo andro firavoravoana telo fanao isan-taona ho amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Avy eo i Mosesy dia nanoratra ireo tenin’i Jehovah, ary dia nisy fanatitra natolotra ka ny antsasaky ny ra dia nafafy teo amin’ny alitara. Novakina tamin’ny vahoaka ny bokin’ilay fanekena, ary rehefa avy nanamafy indray ny fahavononany hankato izy ireo, dia nafafy teo amin’ilay boky sy tamin’ny vahoaka rehetra ny sisa tamin’ilay ra. Tamin’izany fomba izany i Jehovah dia nanao ny faneken’ny Lalàna tamin’ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy mpanalalana. — Heb. 9:19, 20.

23. Toromarika inona avy no nomen’i Jehovah an’i Mosesy tany an-tendrombohitra?

23 Avy eo i Mosesy dia niakatra nankany amin’i Jehovah tany an-tendrombohitra mba handray ny Lalàna. Nandritra ny 40 andro sy alina, izy dia nomena toromarika maro momba ireo fitaovana ho an’ilay tabernakely, ireo tsipirian-javatra momba ireo fanaka momba azy, ireo fanazavana madinika ho an’ilay tabernakely ary ny endrik’ireo fitafian’ny mpisorona, anisan’izany ilay takela-bolamena tsara nisy ny soratra hoe “An’i Jehovah ny Fahamasinana” teo amin’ny hamaman’i Arona. Nolazaina tamin’ny an-tsipiriany ny fametrahana sy ny fanompoan’ny fisoronana, ary nampahatsiahivina i Mosesy fa ny Sabata dia ho famantarana teo amin’i Jehovah sy ny zanak’Isiraely “mandrakizay”. Avy eo i Mosesy dia nomena ireo vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona izay voasoratry ny ‘rantsantanan’Andriamanitra’. — Eks. 28:36, NW; 31:17, 18.

24. a) Fahotana inona no nataon’ilay vahoaka, ary inona no vokany? b) Ahoana no nampihariharian’i Jehovah nanaraka izay ny anarany sy ny voninahiny tamin’i Mosesy?

24 Nandritra izany fotoana izany ilay vahoaka dia nanjary tsy nanana faharetana ka nangataka an’i Arona mba hanao andriamanitra iray hitarika azy ireo eo aloha. Nanao izany i Arona, ka namboatra ombilahy kely volamena, izay nivavahan’ilay vahoaka tamin’ilay nantsoiny hoe “andro firavoravoana ho an’i Jehovah”. (32:5). Niresaka ny handringana ny Isiraely i Jehovah, kanefa nanelanelana ho azy ireo i Mosesy, na dia novakivakiny tao anatin’ny fahatezerana nirehitra aza ireo vato fisaka. Ireo zanak’i Levy izao dia nitsangana hanohana ny fanompoam-pivavahana madio ka namono 3 000 tamin’ireo mpanaram-po tamin’ny firavoravoana. Nahatonga loza tamin’izy ireo koa i Jehovah. Rehefa avy nitalaho tamin’Andriamanitra mba hanohy hitarika ny vahoakany i Mosesy, dia nilazana fa afaka nahita kely ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary nasaina namboatra vato fisaka roa fanampiny izay hanoratan’i Jehovah indray ireo Teny Folo. Rehefa niakatra nankany amin’ilay tendrombohitra fanindroany i Mosesy, dia nambaran’i Jehovah toy izao ny anarany hoe Jehovah rehefa nandalo teo anatrehany Izy: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby”. (34:6, 7). Avy eo izy dia nanonona ireo fepetra tao amin’ny fanekeny, ary nanoratra azy io i Mosesy, dia ilay ananantsika amin’izao andro izao ao amin’ny Eksodosy. Rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny voninahitr’i Jehovah izay naharihary. Ho vokatr’izany, dia voatery nanarona ny tavany tamin’ny fisalobonana izy. — 2 Kor. 3:7-11.

25. Inona no voalazan’ilay firaketana an-tsoratra momba ny tabernakely sy ny fampiharihariana ny voninahitr’i Jehovah nanaraka izay?

25 Fanorenana ny tabernakely (35:1–40:38). Avy eo i Mosesy dia namory ny Isiraely ka nampita taminy ny tenin’i Jehovah, ary nilaza taminy fa ireo izay nampirisihin’ny fony dia nanana tombontsoa hitondra fanatitra (hanao fanomezana, NW ) ho an’ilay tabernakely ary ireo izay hendry dia nanana ny tombontsoa hiasa hanamboarana azy. Tsy ela dia nilazana i Mosesy hoe: “Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao.” (36:5). Teo ambany fitarihan’i Mosesy ireo mpiasa feno ny fanahin’i Jehovah dia namboatra ilay tabernakely sy ireo fanaka momba azy ary nanao ireo fitafiana rehetra ho an’ny mpisorona. Herintaona taorian’ilay Fifindrana Rodobe, dia vita ilay tabernakely ary natsangana teo amin’ny tany lemaka teo anoloan’ny Tendrombohitra Sinay. Nampiseho ny fankasitrahany i Jehovah tamin’ny fanaronana ilay tranolay fihaonana tamin’ny rahony sy tamin’ny famenoana ilay tabernakely tamin’ny voninahiny, hany ka tsy afaka niditra tao amin’ilay tranolay i Mosesy. Io rahona io ihany nandritra ny andro, sy ny afo nandritra ny alina, no nanamarika ny fitarihan’i Jehovah ny Isiraely nandritra ireo dia rehetra nataon’izy ireo. Ny taona 1512 al.f.i. izao ary mifarana eto ny firaketana an-tsoratry ny Eksodosy, ka ny anaran’i Jehovah dia nohamasinina tamim-boninahitra tamin’ny alalan’ireo asa nahatalanjona nataony ho famonjena ny Isiraely.

MAHASOA — NAHOANA?

26. a) Ahoana no ampiorenan’ny Eksodosy finoana an’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ny fakàn-teny avy amin’ny Eksodosy ataon’ireo Soratra Grika Kristiana no mampitombo ny finoantsika?

26 Tena miavaka fa ny Eksodosy dia mampiharihary an’i Jehovah ho ilay Mpanafaka sy Mpandamina lehibe sady Mpanatanteraka ireo fikasany misandratra, ary mampiorina ny finoantsika azy. Mitombo io finoana io rehefa mianatra ireo fakan-teny maro avy amin’ny Eksodosy ataon’ireo Soratra Grika Kristiana isika, satria izy ireo dia manondro ny fahatanterahan’ireo lafiny maro amin’ny faneken’ny Lalàna, ny toky ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ny fandaharan’i Jehovah hanome hanina ny vahoakany, ny modely ho an’ny asa fanampiana hataon’ny Kristiana, ny torohevitra ny amin’ny fanehoana fiheverana ny ray aman-dreny, ireo fepetra takina mba hahazoana fiainana, ary ny fomba fijery ny fitsarana ho famaliana. Tamin’ny farany, ny Lalàna dia nofintinina tamin’ny didy roa momba ny fanehoana fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. — Matio 22:32Eks. 4:5; Jaona 6:31-35 sy 2 Kor. 8:15Eks. 16:4, 18; Matio 15:4 sy Efes. 6:2Eks. 20:12; Matio 5:26, 38, 39Eks. 21:24; Matio 22:37-40.

27. Soa inona no entin’ny firaketana an-tsoratra ara-tantara ao amin’ny Eksodosy ho an’ny Kristiana?

27 Ao amin’ny Hebreo 11:23-29 isika dia mamaky ny amin’ny finoan’i Mosesy sy ny an’ny ray aman-dreniny. Finoana no nandaozany an’i Egypta, finoana no nitandremany ny Paska, ary finoana no nitarihany ny Isiraely hamakivaky ny Ranomasina Mena. Natao batisa ho amin’i Mosesy ireo Isiraelita ary nihinana hanina ara-panahy sy nisotro rano ara-panahy. Niandry tamim-panantenana ilay vatolampy ara-panahy, dia i Kristy, izy ireo, kanefa mbola tsy nahazo sitraka avy tamin’Andriamanitra ihany satria naka fanahy an’Andriamanitra, ary tonga mpanompo sampy sy mpijangajanga ary mpimonomonona. Nanazava toy izao i Paoly fa izany dia manana fampiharana azy ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao: “Ary izany zavatra izany dia nanjo azy mba ho ohatra, sady nosoratana izany ho fampitandremana ho antsika izay nahatongavan’ny faran’ny fandehan-javatra. Koa izay manao azy fa efa mijoro, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” — 1 Kor. 10:1-12, NW; Heb. 3:7-13.

28. Ahoana no nahatanterahan’ireo aloky ny Lalàna sy ny zanak’ondrin’ny Paska?

28 Misy hevitra ara-panahy lalina momba ny Eksodosy, ary koa ny fampiharana azy ara-paminaniana, nomen’i Paoly ao amin’ireo asa soratra nataony, ary indrindra fa ao amin’ny Hebreo toko faha-9 sy faha-10. “Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.” (Heb. 10:1). Noho izany, dia liana isika ny hahafantatra ilay aloka sy hahazo ny hevitr’ilay tena izy. I Kristy dia “nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota”. Voalazalaza ho “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra” izy. Tsy nisy na dia taolana iray tamin’io “Zanak’ondry” io aza notapahina, tsy nisy hafa tamin’ilay tandindona. Nanome izao fanazavana izao ny apostoly Paoly: “Voavono Kristy, Paska ho antsika; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.” — Heb. 10:12; Jaona 1:29 sy Jaona 19:36Eks. 12:46; 1 Kor. 5:7, 8Eks. 23:15.

29. a) Ampifanohero ny faneken’ny Lalàna sy ny fanekena vaovao. b) Fanatitra inona avy no atolotry ny Isiraelita ara-panahy ho an’Andriamanitra ankehitriny?

29 Nanjary ny Mpanalalana tamin’ny fanekena vaovao iray i Jesosy, toy ny naha-mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna an’i Mosesy. Ny fifanoherana misy eo amin’ireo fanekena ireo koa dia nohazavain’ny apostoly Paoly, izay niresaka momba ny nanesoran’ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ilay “sora-tànan’ny didy”. I Jesosy tafatsangana amin’ny maty mba ho Mpisoronabe dia “mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin’[i Jehovah, NW ], fa tsy olona”. Ireo mpisorona teo ambanin’ny Lalàna dia nanolotra “fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra” araka ilay modely nomen’i Mosesy. “Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ireny [i Jesosy, NW ] dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra.” Nanjary lany andro (NW ) ilay fanekena taloha ka nesorina tamin’ny naha-fanompoana nitondra fahafatesana azy. Ireo Jiosy izay tsy nahazo ny hevitr’izany dia lazaina fa donto ny fahatsapany, fa ireo mpino izay nahatakatra fa ny Isiraely ara-panahy dia nanjary teo ambanin’ny fanekena vaovao iray, kosa dia afaka, “amin’ny tava tsy misarona (...) mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra”, satria mahafeno fepetra tsara mba ho mpanompon’izany. Amin’ny feon’ny fieritreretana voadio ireo dia afaka manolotra ‘fanati-piderana ataon’ny tenany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany’. — Kol. 2:14; Heb. 8:1-6, 13; 2 Kor. 3:6-18, NW; Heb. 13:15; Eks. 34:27-35.

30. Tandindon’inona moa ny fanafahana ny Isiraely sy ny fanandratana ny anaran’i Jehovah tany Egypta?

30 Ny Eksodosy dia manandratra ny anaran’i Jehovah sy ny fiandrianany, ary manondro ny fanafahana be voninahitr’ilay firenena kristiana mahaforona ny Isiraely ara-panahy, izay ilazana hoe: “Hianareo (...) dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga; dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra”. Tsy latsaka ambany noho ny hery nasehon’i Jehovah ho famonjena ny vahoakany tany Egypta fahizay ny hery mahagaga nasehony ho fanangonana ny Isiraely ara-panahy avy tany amin’izao tontolo izao mba hanandratra ny anarany. Tamin’ny famelana an’i Farao ho velona mba hampisehoana aminy ny heriny sy mba hahafahana hanambara ny anarany, i Jehovah dia nanome tandindona ny amin’ny teny fanamarinana lehibe lavitra hataon’ny Vavolombelony Kristiana. — 1 Pet. 2:9, 10; Rom. 9:17, NW; Apok. 12:17, NW.

31. Inona no tandindona nomen’ny Eksodosy raha ny amin’ny fanjakana iray sy ny fanatrehan’i Jehovah?

31 Noho izany, dia afaka milaza avy amin’ny Soratra Masina isika fa ilay firenena naorina teo ambany fitarihan’i Mosesy dia nanondro firenena vaovao iray eo ambany fitarihan’i Kristy sy fanjakana iray izay tsy hampihorohoroina mandrakizay. Noho izany, dia ampirisihina isika mba ‘hanolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra amin’ny fahatahorana sy fanajana araka an’Andriamanitra’. Tsy misy hafa amin’ny nanaronan’ny fanatrehan’i Jehovah ny tabernakely tany an’efitra, dia toy izany koa fa mampanantena ny ho eo amin’ireo izay matahotra azy mandrakizay toy izao izy: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy (...) Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” Tena tapany lehibe sy mahasoa ao amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly tokoa ny Eksodosy. — Eks. 19:16-19Heb 12:18-29; Eks. 40:34Apok. 21:3, 5.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Eksodosy 3:14, NW, f.a.p.; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 773.

b Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 532, 535; Archaeology and Bible History, 1964, J. P. Free, pejy 98.

c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 540-541.

d Exodus, 1874, F. C. Cook, pejy 247.

[Fanontaniana]