Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-20 — Ohabolana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-20 — Ohabolana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-20 — Ohabolana

Mpilaza Azy: Solomona, Agora, Lemoela

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita Tamin’ny: 717 al.f.i. tany ho any

1. Fahendrena inona no hita ao amin’ny bokin’ny Ohabolana?

 REHEFA tonga mpanjakan’ny Isiraely tamin’ny 1037 al.f.i. i Solomona, zanak’i Davida, dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana “fahendrena sy fahalalana” mba ‘hahaizany hitsara izao olona betsaka izao’. Ho valin’izany, dia nanome azy ‘fahalalana sy fahendrena ary fo mahazo hevi-javatra’ i Jehovah. (2 Tant. 1:10-12; 1 Mpanj. 3:12, NW; 5:10, 11). Ho vokatr’izany, dia nanjary “nanao [“nilaza”, NW ] ohabolana telo arivo” i Solomona. (1 Mpanj. 5:12). Ny sasany tamin’io fahendrena nolazaina io dia noraketina ao amin’ny Ohabolana, boky ao amin’ny Baiboly. Koa satria ny fahendreny, raha ny tena izy, dia izay “nataon’Andriamanitra tao am-pony”, amin’ny fianarantsika ny Ohabolana, raha ny marina, dia mianatra ny fahendren’i Jehovah Andriamanitra isika. (1 Mpanj. 10:23, 24). Ireo ohabolana ireo dia mamintina fahamarinana mandrakizay. Tsy lany andro tsy misy hafa amin’ny tamin’ny fotoana nanononana azy voalohany, izy ireo ankehitriny.

2. Nahoana ny andron’i Solomona no nifanentana tsara mba hanomezana fitarihana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny Ohabolana?

2 Ny fotoana nanjakan’i Solomona dia nifanentana tsara mba hanomezana io fitarihana avy tamin’Andriamanitra io. I Solomona dia voalaza fa “nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah”. Teo amin’ny fara tampony ilay fanjakana teokratikan’ny Isiraely, ary i Solomona dia nomena “voninahitry ny fiandrianana” tsy nanan-tsahala. (1 Tant. 29:23, 25). Fotoam-piadanana sady fotoan-jina tamin’izay, fotoana nandry fahizay. (1 Mpanj. 4:20–5:5). Kanefa, na dia teo ambanin’izany fanapahana teokratika izany aza, dia mbola nanan-java-nanahirana sy zava-tsarotra nahazo azy manokana ihany ny vahoaka, noho ny tsy fahatanterahan’olombelona. Takatra mora foana raha nitodika tany amin’i Solomona Mpanjaka mba hanampy azy ireo handamina ny zava-nanahirana azy, ny vahoaka. (1 Mpanj. 3:16-28). Teo am-panambarany didim-pitsarana tamin’ireo toe-javatra maro ireo, izy dia nanonona ohabolana, izay nety tsara tamin’ireo toe-javatra maro nipoitra isan’andro teo amin’ny fiainana. Ireo teny fohy nefa manaitra ireo dia noheverin’ireo izay naniry handamina ny fiainany hifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra, ho sarobidy aoka izany.

3. Tamin’ny fomba ahoana no nanjary nanambàrana ny fanazavana nilaina ho an’ny Ohabolana?

3 Tsy milaza akory ilay firaketana fa hoe nanoratra ny Ohabolana i Solomona. Lazainy kosa fa “nilaza” ohabolana izy, ary koa fa “nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy”, ka nampiseho araka izany fa liana ny hitahiry ohabolana hampiasaina atỳ aoriana izy. (1 Mpanj. 5:12, ampitahao amin’ny 4:32; Mpit. 12:9). Tamin’ny andron’i Davida sy i Solomona, dia nisy mpanoratra ofisialy tao amin’ny lisitr’ireo nanam-pahefana tao an-dapa. (2 Sam. 20:25; 2 Mpanj. 12:11). Tsy fantatsika raha nanoratra sy nanambatra ireo ohabolan’i Solomona, ireo mpanora-dalàna tao an-dapany na tsia. Kanefa amin’ny ankapobeny, ireo teny hataon’izay mpanapaka rehetra manana ny lazany dia hoheverina amim-panajana ary horaketina an-tsoratra. Mazàna dia ekena fa ilay boky dia fitambaram-boky misy fanazavana nilaina ka natambatra avy tamin’ny fitambaram-boky hafa.

4. a) Ahoana mazàna no izarana ny bokin’ny Ohabolana? b) Iza no tompon’ny ankabeazan’ireo ohabolana?

4 Azo zaraina ho fizarana dimy ny bokin’ny Ohabolana. Izany dia ny: 1) Toko 1-9, manomboka amin’ny teny hoe “Ny Ohabolan’i Solomona, zanak’i Davida”; 2) Toko 10-24, voalazalaza ho ny “Ohabolan’i Solomona”; 3) Toko 25-29, izay fizarana manomboka amin’ny hoe: “Izao koa no ohabolan’i Solomona, izay nangonin’ny olon’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda”; 4) Toko 30, ampidirin’ny hoe “Ny teny (...) nataon’i Agora, zanak’i Jake”; ary 5) Toko 31, izay mirakitra “ny tenin’i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy”. Araka izany, dia i Solomona no tompon’ny ankabeazan’ireo ohabolana. Raha ny amin’i Agora sy i Lemoela, dia tsy misy zavatra voafaritra tsara fantatra momba ny hoe iza izy ireo. Ny mpivaofy teny sasany dia manolo-kevitra fa ny hoe Lemoela dia nety ho anarana hafa iray an’i Solomona ihany.

5. Oviana no nanoratana sy nanambàrana ny fanazavana nilaina ho an’ny Ohabolana?

5 Oviana no nosoratana sy natambatra ny fanazavana nilaina ho an’ny Ohabolana? Ny tapany lehibe indrindra aminy dia tsy misy isalasalana fa nosoratana nandritra ny fotoana nanjakan’i Solomona (1037 al.f.i. – 998 al.f.i.) talohan’ny nialany tamin’ny lala-mahitsy. Noho ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny hoe iza i Agora sy i Lemoela, dia tsy azo atao ny mamantatra ny fotoana nanaovany ny ohabolany. Koa satria natao tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia (745 al.f.i. – 717 al.f.i.) ny iray tamin’ireo fitambaram-boky, dia tsy nety ho talohan’izany no nanaovana ny fanambàrana farany ireo boky. Moa ve ireo fizarana roa farany natambatra teo ambany fiandraiketan’i Hezekia Mpanjaka koa? Ho valin’izany, dia misy izao fanamarihana ambany pejy manolotra fanazavana izao ho an’ny Ohabolana 31:31 ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao — Misy Fakan-teny: “Ny fanont[ana] sasan’ny soratra heb[reo] dia mampiseho ilay trigrama, na litera telo, hoe Chehth, Zaʹyin, Qohph (חזק), izay sonian’i Hezekia Mpanjaka tao amin’ireo kopia nataon’ireo mpanora-dalàna teo aminy mba hilazana fa vita ilay asa.”

6. Inona no atao hoe ohabolana, ary nahoana ny lohatenin’ilay boky amin’ny teny hebreo no mety tsara?

6 Ao amin’ireo Baiboly hebreo, tamin’ny voalohany ilay boky dia nantsoina araka ilay teny anokafana ilay boky hoe mish·lehʹ, izay midika hoe “ohabolana”. Ny hoe Mish·lehʹ dia endrika milaza maro sy toetran’ny zavatra vita, amin’ilay anarana hebreo hoe ma·shalʹ, izay anarana heverina mazàna ho avy amin’ny fototeny midika hoe “toy ny” na hoe “azo oharina amin’ny”. Milazalaza amin’ny fomba kanto ireo loha hevitra raketin’ilay boky ireo teny ireo, satria ny ohabolana dia filazana nohafohezina izay mampiasa matetika fampitoviana na fampitahana ary nokendrena mba hahatonga ny mpihaino hieritreritra. Ny endrika fohin’ireo ohabolana dia mahatonga azy ireo ho mora arahina sy mahaliana, ary amin’io endrika io izy dia mora ampianarina sy ianarana ary tadidina. Milentika ao an-tsaina ilay hevitra.

7. Inona no tokony homarihina momba ny fomba fanoratra ao amin’ny Ohabolana?

7 Ny fomba fanoratra ao amin’ilay boky koa dia mahaliana indrindra. Izany dia ny fomba fanoratra hita ao amin’ny tononkalo amin’ny teny hebreo. Ny rafitry ny ankamaroan’ilay boky dia tononkalo mifanitsy. Izy io akory tsy mampiady rima, na hoe mampitovy feo, ny faran’ireo andalana na andininy, fa manao kosa izay hanomezan’ireo andalana manaraka ba iray, hevitra mifanitsy. Ny hakantony sy ny herin’ilay fampianarana omeny dia ao amin’io ba arahin’ny hevitra io. Ireo hevitra dia mety hitovy dikany na hifanohitra, kanefa eo ny herin’ilay fifanitsian-javatra mba hanitarana ilay hevitra, mba hanazavana kokoa ilay hevitra, ary mba hahazoana antoka fa nampitaina ny tiana holazaina ao amin’ilay hevitra. Misy ohatra ny amin’ny fifanitsian-javatra mitovy dikany ao amin’ny Ohabolana 11:25; 16:18; ary 18:15, ary ohatra ny amin’ny fifanitsian-javatra mifanohitra, izay maro lavitra kokoa, ao amin’ny Ohabolana 10:7, 30; 12:25; 13:25; ary 15:8. Misy karazana rafitra hafa iray hita any amin’ny faran’ilay boky mihitsy. (Ohab. 31:10-31). Voalamina toy izao ireo andininy 22 amin’ny teny hebreo: Manomboka amin’ny litera misesy ao amin’ny abidy hebreo ny andininy tsirairay, ka io no fomba fanoratra hoe acrostiche izay ampiasaina koa ao amin’ny salamo sasantsasany. Raha ny amin’ny hakanto, dia tsy manana ny mifanitsy aminy io fomba fanoratra io ao amin’ireo asa soratra fahiny.

8. Ahoana no anamarinan’ny fampiasan’ireo Kristiana voalohany ny Ohabolana, ny maha-azo itokiana azy io?

8 Ny maha-azo itokiana ny Ohabolana koa dia hita amin’ny fampiasan’ireo Kristiana voalohany be dia be ilay boky mba hanambarana fitsipika momba ny fitondran-tena. I Jakoba dia toa nahafantatra tsara ny Ohabolana ary nampiasa fotopoto-pitsipika fototra avy ao, tao amin’ilay torohevitra tsara dia tsara nomeny momba ny fitondran-tena kristiana. (Ampitahao amin’ny Jakoba 1:19, 20 ny Ohabolana 14:29; 17:27; amin’ny Jakoba 4:6 ny Ohabolana 3:34; amin’ny Jakoba 4:13, 14 ny Ohabolana 27:1.) Misy fakan-teny mivantana avy ao amin’ny Ohabolana koa hita ato amin’ireto andalan-teny manaraka ireto: Romana 12:20Ohabolana 25:21, 22; Hebreo 12:5, 6Ohabolana 3:11, 12; 2 Petera 2:22Ohabolana 26:11.

9. Ahoana no ifanarahan’ny Ohabolana tsara amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly?

9 Ho fanampin’izany, ny Ohabolana dia hita fa mifanaraka amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly, ka manaporofo araka izany ny maha-anisan’ny “Soratra rehetra” azy. Mampiseho firaisan-kevitra manaitra amin’ny Lalàn’i Mosesy sy amin’ny fampianaran’i Jesosy ary amin’ireo asa soratra nataon’ny mpianatr’i Jesosy sy ny apostoliny, tokoa ny Ohabolana rehefa ampitahaina amin’ireo. (Jereo ny Ohabolana 10:161 Korintiana 15:58 sy Galatiana 6:8, 9; Ohabolana 12:25Matio 6:25; Ohabolana 20:20Eksodosy 20:12 sy Matio 15:4.) Na dia rehefa mikasika hevitra toy ny fanomanana ny tany ho fonenan’ny olombelona aza izy io, dia ahitana fomba fisaina iraisany amin’ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly. — Ohab. 3:19, 20; Gen. 1:6, 7; Joba 38:4-11; Sal. 104:5-9.

10, 11. Zavatra hafa inona koa no manamarina ny maha-ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ilay boky?

10 Ny manamarina ny maha-ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ilay boky koa dia ny maha-araka ny marina azy eo amin’ny ara-tsiansa, na mahakasika fotopoto-pitsipika simika, ara-pitsaboana na ara-pahasalamana, ilay ohabolana. Ny Ohabolana 25:20 (NW ) dia toa milaza ny amin’ny fiotan’ny asidra amin’ny alkalia. Ny Ohabolana 31:4, 5 dia mifanaraka amin’ireo zavatra maoderina hitan’ny siansa fa hoe manadonto ny fizotran’ny fisainana ny alkaola. Dokotera sy manam-pahaizana maro momba ny hanina mahasalama no manaiky fa ny tantely dia sakafo mahasalama, ka izany dia mahatonga ao an-tsaina ilay ohabolana hoe: “Anaka, homàna tantely, fa tsara izany”. (Ohab. 24:13). Ireo fanamarihana maoderina momba ny fifandraisana misy eo amin’ny saina sy ny fihetseham-po sy ny fahasalaman’ny vatana dia tsy vaovao ho an’ny Ohabolana. “Ny fo ravoravo mahasalama tsara”. — 17:22; 15:17.

11 Tena mahafaoka amin’ny fomba feno ny zavatra ilain’ny olombelona rehetra sy ny tarehin-javatra rehetra hitany tokoa ny bokin’ny Ohabolana, hany ka hoy ny nambaran’ny manam-pahaizana iray: “Tsy misy fifandraisana eo amin’ny fiainana izay tsy anomezana fampianarana mifanentana aminy, tsy misy fironana ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy izay tsy misy fandrisihana na fanitsiana araka ny tokony ho izy. Hatraiza hatraiza ny fahatsiarovan’ny olombelona tena dia ampifandraisina avy hatrany amin’ilay manana ny maha-Andriamanitra, (...) ary ny olombelona dia mandeha toy ny eo anatrehan’ilay Mpamorona sady Mpitsara azy (...) Ny karazana toetran’olombelona rehetra dia hita ao amin’io boky tranainy io; ary na dia natao efa telo arivo taona lasa aza izy io, dia mbola mifanaraka tsara amin’ny maha-olombelona ihany, toy ny hoe noraisina avy tamin’ireo solontenany velona ankehitriny.” — Dictionary of the Bible, nataon’i Smith, 1890, Boky III, pejy 2616.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY OHABOLANA

12. a) Tononkalo mifampitohy inona no mahaforona ny fizarana voalohan’ny Ohabolana? b) Inona no ampianariny momba ny fahendrena sy ny fitondran-tenan’ny olombelona? d) Ahoana no ametrahan’ny Ohabolana 1:7 ny modely arahin’ilay boky manontolo?

12 Ny Fizarana Voalohany (1:1–9:18). Izy io dia tononkalo mifampitohy voaforona lahateny fohy maromaro, izay toy ny hoe ataon’ny ray iray amin’ny zanany lahy, ka miresaka momba ny ilana fahendrena mba hitarihana ny fo, na ny persona anaty manontolo, ary mba hitarihana ny faniriana. Izy io dia mampianatra ny hasarobidin’ny fahendrena sy ireo fitahiana entiny: fahasambarana, fahafinaretana, fiadanana ary fiainana. (1:33; 3:13-18; 8:32-35). Mampifanohitra izany amin’ny tsy fananana fahendrena sy ireo vokatra entiny, izy io: fijaliana ary amin’ny farany dia fahafatesana. (1:28-32; 7:24-27; 8:36). Mandinika ireo tarehin-javatra sy fahafahana tsy manam-petra mitranga eo amin’ny fiainana izy io, ka manome fianarana fototra momba ny fitondran-tenan’ny olombelona sy ireo vokatr’izany fitondran-tena izany ankehitriny sy amin’ny hoavy. Ireo teny ao amin’ny Ohabolana 1:7 dia mametraka ny modely arahin’ilay boky manontolo: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana”. Ny zavatra rehetra ataon’ny tena dia tsy maintsy mampiseho fa mihevitra an’i Jehovah ny tena. Averina tsy tapaka fa hoe ilaina ny tsy fanadinoana ireo lalàn’Andriamanitra sy ny fitoerana ho akaiky an’ireo didiny ary ny tsy fahafoizana azy ireo.

13. Farito ireo hevitra lehibe indrindra mampifamatotra ny fizarana voalohan’ny Ohabolana.

13 Ireo hevitra lehibe indrindra mampifamatotra io fizarana voalohany io dia ny fahendrena azo ampiharina (NW ), ny fahalalana, ny fahatahorana an’i Jehovah, ny fifehezana (NW ) ary ny fahaiza-manavaka (NW ). Misy fampitandremana omena momba ny fiarahana amin’ny olon-dratsy sy ny fandavana ny famaizan’i Jehovah ary ny fifandraisana tsy araka ny tokony ho izy amin’ny vehivavy jejo. (1:10-19; 3:11, 12; 5:3-14; 7:1-27). Indroa ny fahendrena no nolazalazaina ho toy ny eny an-kalamanjana, ka araka izany dia mora azo, mora raisina. (1:20, 21; 8:1-11). Resahina toy ny persona izy io ary miteny amin’ny fomba manintona amin’ireo tsy ampy fanandraman-javatra, ka manome fanazavana mihitsy aza momba ny famoronana ny tany. (1:22-33, NW; 8:4-36, NW ). Boky mahatalanjona toy inona moa izy io! Itỳ fizarana itỳ dia mifarana amin’ilay foto-keviny teo am-panombohana, dia ny hoe “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. (9:10). Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, izy io dia manantitrantitra fa ny fanekena an’i Jehovah amin’ny lalantsika rehetra, arahin’ny fifikirantsika amin’ny fahamarinany, no lalan’ny fiainana ary afaka miaro antsika amin’ny zavatra tsy faniry be dia be aoka izany.

14. Fifanitsiana mifanohitra inona avy no mahatonga ireo fampianarana azo ampiharina ao amin’ny Ohabolana hiavaka tsara?

14 Ny Fizarana Faharoa (10:1–24:34). Eto isika dia mahita fitenenana tsara indrindra sy tsy mifampitohy maro, izay mampihatra ny fahendrena amin’ireo tarehin-javatra manahirana eo amin’ny fiainana. Amin’ny fampianarana antsika ny fomba fampiharana azy ireo araka ny tokony ho izy, ny zava-kendren’izy io dia ny hananantsika fahasambarana lehibe kokoa sy fiainana mahafinaritra. Ny fifanoheran-javatra eo amin’ireo fifanitsiana dia mahatonga ireo fampianarana ireo hiavaka ao an-tsaintsika. Indro misy lisitra tapatapany ny amin’ireo foto-kevitra dinihina ao amin’ny toko faha-10 sy faha-11 ary faha-12 ihany:

 fitiavana sy fankahalana

 fahendrena sy fahadalana

 fanaovana ny marina sy famitahana

 fahatokiana sy fanendrikendrehana

 fahamarinana sy lainga

 fahalalahan-tanana sy hamafisan-tanana

 fahazotoana sy hakamoana

 fandehanana amin’ny tsy fivadihana sy lalana maniasia

 torohevitra tsara sy tsy fisian’ny fitarihana tsara

 vehivavy mahay sy vehivavy mahamenatra

 rariny sy haratsiam-panahy

 fahamaotinana sy fireharehana

 Ny fandinihana io lisitra io araka ny fiainana andavanandro dia tsy maintsy mampiaiky antsika fa tena boky azo ampiharina ny Ohabolana!

15. Manomeza ohatra sasany ny amin’ny karazana tarehin-javatra samihafa hitan’ny olombelona ka resahina ao amin’ny Ohabolana.

15 Ny tapany sisa amin’itỳ fizarana itỳ (13:1–24:34) dia manohy mampahatsiahy ireo fari-pitsipik’i Jehovah mba hahafahantsika hanana fahatakarana hevi-dalina (NW ) sy fahaiza-manavaka. Ny lisitry ny karazana tarehin-javatra maro samihafa hitan’ny olombelona resahina ao dia hampiseho hoe foto-kevitra maro be toy inona no voafaoka ao amin’io boky io. Mahasoa indrindra ny fananana io torohevitry ny Baiboly io momba ny fihamboana, ny fireharehana, ny fitanana ny teny natao, ny fahiratan-tsaina (NW ), ny fifaneraserana, ny fanitsiana sy fampiofanana ankizy, ny fomba fijerin’ny olona momba izay mahitsy, ny tsy fahamorana ho tezitra, ny fanasoavana ireo ory, ny fitaka, ny vavaka, ny faniratsirana, ny fahaiza-mionona amin’izay tena ilaina eo amin’ny fiainana, ny avonavona, ny tsy fanaovana ny marina, ny kolikoly, ny fifandirana, ny fifehezan-tena, ny fitokantokanana, ny fanginana, ny fanavakavahana, ny fifamaliana, ny fanetren-tena, ny fahafinaretana, ny fikarakarana ray sy reny, ny zava-pisotro mahamamo, ny famitahana, ny toetra tsaran’ny vehivavy manambady, ny fanomezana, ny fisamborana, ny fampisamborana, ny hatsaram-panahy, ny toky, ny faritry ny tany ananana, ny fanorenana ny ankohonana, ny fitsiriritana, ny famaliana faty, ny hajejoana, ny famaliana mora, ny fisaintsainana ary ny tena sakaiza. Loharanon-torohevitra marim-pototra re izany, izay azo itodihana mba hahazoana fitarihana tsara momba ny raharaha andavanandro! Ho an’ny sasany, ny sasantsasany amin’ireo zavatra ireo dia mety ho toa tsy dia lehibe, kanefa eo no ahitantsika fa ny Baiboly dia tsy manao tsirambina izay zavatra ilaintsika na dia amin’ny zavatra toa madinika aza. Amin’izany, dia tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny Ohabolana.

16. Torohevitra mampahery inona no omena ao amin’ny fizarana fahatelon’ny Ohabolana?

16 Ny Fizarana Fahatelo (25:1–29:27). Torohevitra mampahery no omena momba ny raharaha toy ny voninahitra, ny faharetana, ny fahavalo, ny fifampiraharahana amin’ny adala, ny vosobosotra, ny fandroboana, ny fialonana, ny ratra ataon’ny sakaiza, ny hanoanana, ny fanendrikendrehana, ny fanehoana fiheverana ny andraikitra, ny zana-bola, ny fitsorana, ny vokatry ny fanapahana ratsy, ny fiavonavonana am-po, ny fitahiana noho ny fanapahana marina, ny ditran’ny ankizy, ny fitondrana ny mpanompo, ny fahatakarana hevi-dalina ary ny fahitana.

17. a) “Teny mavesa-danja” inona no ampitain’i Agora? b) Fitambaran-javatra efatra samy hafa inona avy no lazalazainy?

17 Ny Fizarana Fahefatra (30:1-33). Itỳ dia “ny teny mavesa-danja” lazaina fa nataon’i Agora. Rehefa avy niaiky tamim-panetren-tena ny amin’ny maha-tsinontsinona ny tenany ny mpanoratra, dia manisy firesahana momba ny tsy fahaizan’ny olombelona hamorona ny tany sy ny zavatra eo aminy. Miantso ny Tenin’Andriamanitra ho voadio sy ampinga izy. Mangataka ny hampanalavirana azy ny lainga sy ny tsy hanomezana azy fahantrana (NW ) na harena, izy. Milazalaza ny amin’ny taranaka iray maloto sy miavonavona ary feno faniriana mihoa-pampana, izay manozona ny ray aman-dreniny, izy. Zavatra efatra izay tsy manao hoe “Aoka izay”, no ampahafantarina, miaraka amin’ny zavatra efatra izay sarotra loatra ka tsy fantatra. (30:15, 16). Omena ny fanafahan-tena ataon’ny vehivavy mpijangajanga iray amim-pahasahisahian-dratsy. Avy eo dia lazalazaina ny amin’ny zavatra efatra tsy zakan’ny tany, ny amin’ny zavatra efatra kely nefa hendry sady mahay, ary ny amin’ny zavatra efatra faran’izay miavaka raha ny amin’ny fandehany. Amin’ny alalan’ny fampitahana mety tsara, ilay mpanoratra dia mampitandrina fa “ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady”. — 30:33.

18. Inona no lazain’i Lemoela Mpanjaka momba ny a) vehivavy ratsy, sy ny b) vehivavy mahay?

18 Ny Fizarana Fahadimy (31:1-31). Indro “teny mavesa-danja” hafa iray, dia ny an’i Lemoela mpanjaka. Izy itỳ dia natao tamin’ny fomba fanoratra roa. Ny tapany voalohany dia mandinika ny loza mety ho azon’ny tena noho ny vehivavy ratsy iray, mampitandrina fa ny toaka mahamamo (NW ) dia afaka manolana (NW ) ny fitsarana ary mangataka ny hisian’ny fitsarana araka ny rariny. Ny acrostiche ao amin’ilay tapany faharoa dia natokana ho an’ny filazalazana mampiavaka ny vehivavy mahay. Manome tsipiriany sasany ny amin’ny hasarobidiny izy io, amin’ny fanamarihana fa itokiana izy sady mitondra soa ho an’ny tompony (NW ). Anisan’ny toetrany tsara ny fahazotoana, ny fifohazana maraina, ny fividianan-javatra amim-pitandremana, ny hatsaram-panahy amin’ny mahantra, ary koa ny fanehoana fahaiza-mitsinjo zavatra mialoha sy ny fitenenana amim-pahendrena. Mailo koa izy, hajain’ny zanany ary derain’ny vadiny. Ambonin’ny zavatra rehetra dia mahahotra an’i Jehovah izy.

MAHASOA — NAHOANA?

19. Ahoana no ampahafantaran’ny Ohabolana ihany ny zava-kendreny mahasoa?

19 Ny zava-kendrena mahasoan’ny Ohabolana dia ambara ao amin’ireo andininy anokafana azy manao hoe: ‘Hahalalana fahendrena sy fifehezana, hahaiza-manavaka ireo teny hahazoana hevi-javatra, handraisana ny fifehezana manome fahatakarana hevi-dalina, fahamarinana, fahaiza-mitsara ary fahitsiana, hanomezana fahiratan-tsaina ho an’ny tsy ampy fanandraman-javatra, ary fahalalana sy fahaiza-misaina ho an’ny zatovo.’ (1:2-4, NW ). Mifanaraka amin’izany zava-kendrena voambara izany, ilay boky dia manasongadina ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fahazoana hevi-javatra, ka ny tsirairay amin’ireo dia mahasoa amin’ny fombany manokana.

20. Inona no lazain’ny Ohabolana momba ny fahalalana?

20 1) Ny Fahalalana no zava-dehibe ilain’ny olombelona, satria tsy tsara raha latsaka ao anatin’ny tsy fahalalana ny olombelona. Tsy afaka ny hahazo fahalalana araka ny marina na oviana na oviana ny olona iray raha tsy misy fahatahorana an’i Jehovah, satria ny fahalalana dia manomboka amin’izany fahatahorana izany. Ny fahalalana dia tokony ho tiana kokoa noho ny volamena voafantina. Fa nahoana? Amin’ny alalan’ny fahalalana no anafahana ny marina; miaro antsika tsy ho maimay hanota izy io. Toy inona moa ny ilantsika hikaroka azy io, handray azy io! Sarobidy izy io. Koa “atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ny hendry, ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao”. — 22:17; 1:7; 8:10; 11:9; 18:15; 19:2, NW; 20:15.

21. Inona no fampianarana araka an’Andriamanitra momba ny fahendrena?

21 2) Ny Fahendrena, izay ny fahaizana mampiasa ny fahalalana araka ny izy ho fiderana an’i Jehovah, “no ambony indrindra”. Mahazoa azy io. Ny Loharanony dia i Jehovah. Ny fahendrena hahazoana fiainana dia manomboka amin’ny fahafantarana sy ny fahatahorana an’i Jehovah Andriamanitra — izany no tsiambaratelo lehiben’ny fahendrena. Koa matahora an’Andriamanitra, fa tsy ny olona akory. Mandefa fanambarana ny fahendrena raisina ho toy ny persona, ho fampirisihana ny rehetra mba hanamboatra ny lalany. Ny fahendrena dia miantso mafy eny ivelany. Miantso ireo rehetra tsy ampy fanandraman-javatra sy ireo tsy ampy fo mba hankany aminy ary hihinana ny mofon’ny fahendrena, izy. Amin’izay, noho ny fahatahorana an’i Jehovah, dia ho sambatra izy ireo na dia tsy manana firy aza. Maro ireo fitahiana entin’ny fahendrena; mahasoa indrindra ny vokany. Ny fahendrena sy ny fahalalana — ireo no fototra voalohany ho an’ny fahaiza-misaina, dia ilay karazany izay hiaro antsika. Toy ny tantely izay mahasoa sady mahafinaritra, dia toy izany ny fahendrena. Sarobidy kokoa noho ny volamena izy io; hazon’aina izy io. Maty ny olona raha tsy misy fahendrena, satria ny fahendrena mitsimbina ny fiainana; midika ho fiainana izy io. — 4:7, f.a.p.; 1:7, 20-23; 2:6, 7, 10, 11, NW; 3:13-18, 21-26, NW; 8:1-36; 9:1-6, 10, NW; 10:8; 13:14; 15:16, 24; 16:16, 20-24; 24:13, 14.

22. Fiarovana inona no hita avy amin’ny fahazoana hevi-javatra?

22 3) Ankoatra ny fahalalana sy ny fahendrena, dia tena zava-dehibe ny fahazoana hevi-javatra; noho izany, dia “lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara [“fahazoana hevi-javatra”, NW ]”. Ny fahazoana hevi-javatra dia ny fahaizana mahita zavatra iray mifandray amin’ireo tapany mahaforona azy; midika ho fahaiza-manavaka izy io, amin’ny fitadidiana mandrakariva an’Andriamanitra ao an-tsaina, satria tsy afaka miankina amin’ny fahazoany hevi-javatra manokana ny olombelona. Toy inona moa ny tsy fetezana hanana fahazoana hevi-javatra, na fahaiza-manavaka, tsotra izao raha manao zavatra ho fanoherana an’i Jehovah ny tena! Mba hananan’ny tenantsika azy io, dia tsy maintsy mikatsaka azy io fatratra toy ny harena miafina, isika. Mba hahazoantsika hevi-javatra, dia tsy maintsy manana fahalalana isika. Valian-tsoa ny fikarohana fahalalana ataon’ilay manana fahazoana hevi-javatra, ary eo anoloany ny fahendrena. Voaro amin’ireo fandrika tsy tambo isaina eto amin’itỳ tontolo itỳ izy, anisan’izany ireo olon-dratsy tsy hita isa izay mety hanandrana hamandrika ny olona iray hiara-mandeha aminy amin’ny lalan’ny maizina. Isaorana anie i Jehovah Andriamanitra — ilay Loharanon’ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fahazoana hevi-javatra, izay manome fiainana! — 4:7; 2:3, 4; 3:5, NW; 15:14; 17:24; 19:8, NW; 21:30, NW.

23. Karazana torohevitra feno fahendrena inona no dinihina manaraka izany?

23 Mifanaraka amin’ny zava-kendrena mahasoan’ny Ohabolana, ilay boky dia manolotra torohevitra feno fahendrena sy ara-tsindrimandry tondraka mba hanampiana antsika ho tonga amin’ny fahazoana hevi-javatra sy hiarovana ny fontsika, “fa avy ao aminy no ihavian’ny aina”. (4:23). Omena manaraka izao ny sasantsasany amin’ny torohevitra feno fahendrena hamafisina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky.

24. Inona no ambara momba ny ratsy fanahy sy ny marina?

24 Ampifanoherina ny ratsy fanahy sy ny marina: Ny ratsy fanahy dia ho voafandriky ny faniasiavany amin’ny alehany, ary ny hareny dia tsy hamonjy azy amin’ny andro fahatezerana. Ny marina dia mamantana any amin’ny fiainana ary hovalian’i Jehovah soa. — 2:21, 22; 10:6, 7, 9, 24, 25, 27-32; 11:3-7, 18-21, 23, 30, 31; 12:2, 3, 7, 28; 13:6, 9; 14:2, 11; 15:3, 8, 29; 29:16.

25. Ahoana no ampitandreman’ny Ohabolana amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?

25 Ilaina ny fari-pitondran-tena madio: Mampitandrina tsy tapaka amin’ny fahalotoam-pitondran-tena i Solomona. Ireo mpanitsakitsa-bady dia hahita loza sy ho afa-baraka, ary tsy ho afaka amin’ny tondro-molotra. Mety ho mamy amin’ny tanora iray ny “rano angalarina”, kanefa midina ho any amin’ny fahafatesana ilay vehivavy janga ary entiny miaraka aminy ireo tsy ampy fanandraman-javatra azony. Ireo izay latsaka ao amin’ny lavaka lalin’ny fahalotoam-pitondran-tena dia voaozon’i Jehovah. — 2:16-19; 5:1-23; 6:20-35, NW; 7:4-27; 9:13-18; 22:14; 23:27, 28.

26. Inona no lazaina momba ny fifehezan-tena?

26 Ilaina ny fifehezan-tena: Helohina ny fimamoana sy ny hatendan-kanina. Izay rehetra hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy mahalala onony eo amin’ny fihinanana sy ny fisotroana. (20:1; 21:17; 23:21, NW, 29-35; 25:16; 31:4, 5). Ireo izay tsy mora tezitra dia manana fahaiza-manavaka tondraka, ary lehibe noho ireo mahery mahafa-bohitra. (14:17, 29, NW; 15:1, 18; 16:32; 19:11; 25:15, 28; 29:11, 22). Ilaina koa ny fifehezan-tena mba hanalavirana ny fitsiriritana sy ny fialonana, izay fahalovana ho an’ny taolana. — 14:30, NW; 24:1; 27:4; 28:22.

27. a) Inona no atao hoe fampiasana tsy amim-pahendrena ny teny? b) Nahoana no tena lehibe aoka izany ny fampiasana amim-pahendrena ny molotsika sy ny lelantsika?

27 Fampiasana ny teny amim-pahendrena sy tsy amim-pahendrena: Ny vava mandainga, ny mpanaratsy, ny vavolombelona mandainga ary ny mpandainga dia halana sarona, satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah. (4:24; 6:16-19; 11:13; 12:17, 22; 14:5, 25; 17:4; 19:5, 9; 20:17; 24:28; 25:18). Raha miteny zavatra tsara ny vavan’ny olona iray, dia loharanon’aina; fa ny vavan’ny adala kosa dia manafaingana ny fandringanana azy. “Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela, koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.” (18:21). Melohina ny fanaratsiana, ny teny mamitaka, ny fandroboana ary ny faingam-bava. Lalan’ny fahendrena ny milaza ny marina, ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. — 10:11, 13, 14; 12:13, 14, 18, 19; 13:3; 14:3; 16:27-30; 17:27, 28; 18:6-8, 20; 26:28; 29:20; 31:26.

28. Fanimbana inona no entin’ny avonavona, kanefa soa inona avy no ateraky ny fanetren-tena?

28 Hadalana ny avonavona ary ilaina ny fanetren-tena: Ny olona miavonavona dia manambony ny tenany ho amin’ny fahamboniana izay tsy ananany, raha ny tena izy, hany ka iharan’ny fahasimbana izy. Ny miavonavona am-po dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah, kanefa ny manetry tena dia omeny fahendrena, voninahitra, harena ary fiainana. — 3:7; 11:2; 12:9; 13:10; 15:33; 16:5, 18, 19; 18:12; 21:4; 22:4; 26:12; 28:25, 26; 29:23.

29. Amin’ny fomba ahoana no iheverana ny hakamoana, ary manao ahoana ny hasarobidin’ny fahazotoana?

29 Fahazotoana, fa tsy hakamoana: Maro ireo filazalazana ny amin’ny olona kamo. Tokony handeha any amin’ny vitsika izy hahita fianarana ka ho hendry. Raha ny amin’ny mazoto kosa — hahita fanambinana tokoa izy! — 1:32; 6:6-11; 10:4, 5, 26; 12:24; 13:4; 15:19; 18:9; 19:15, 24; 20:4, 13; 21:25, 26; 22:13; 24:30-34; 26:13-16; 31:24, 25.

30. Ahoana no anamafisan’ny Ohabolana ny fifaneraserana tsara?

30 Fifaneraserana tsara: Hadalana ny mifanerasera amin’ireo izay tsy matahotra an’i Jehovah, amin’ny ratsy fanahy na ny adala, amin’ny olona saro-po, amin’ny mpifosafosa, na amin’ny tendan-kanina. Mifaneraserà kosa amin’ny olona hendry, dia vao mainka ho hendry kokoa ianao. — 1:10-19; 4:14-19; 13:20; 14:7; 20:19; 22:24, 25; 28:7.

31. Inona no torohevitra feno fahendrena momba ny fananarana?

31 Ilaina ny fananarana sy ny fanitsiana: “Izay tian’i Jehovah no anariny”, ary ireo izay mitandrina io anatra io dia eo amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fisandratana sy ny fiainana. Ho azon’ny henatra izay mandà anatra. — 3:11, 12; 10:17; 12:1; 13:18; 15:5, 31-33; 17:10; 19:25; 29:1.

32. Anatra tsara dia tsara inona no omena mba hahatongavana ho vehivavy tsara?

32 Torohevitra mba ho vehivavy tsara: Imbetsaka ny Ohabolana no mampitandrina mba tsy ho vehivavy tia ady sy manao izay mahamenatra. Ny vehivavy izay hendry, mahay, matahotra an’Andriamanitra, dia manana ny lalàn’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana eo amin’ny lelany; na iza na iza mahita vady toy izany dia mahita sitraka amin’i Jehovah. — 12:4; 18:22, NW; 19:13, 14; 21:9, 19; 27:15, 16; 31:10-31, NW.

33. Torohevitra mahasoa inona no atolotra momba ny fampiofanana zanaka?

33 Fitaizana zanaka: Ampianaro tsy tapaka ny didin’Andriamanitra izy ireo, mba ‘tsy hanadinoany’ azy. Tezao ao amin’ny fampianaran’i Jehovah izy ireo raha mbola vao zazakely. Aza mitsitsy tsorakazo rehefa ilaina izany; fanehoana fitiavana ny tsorakazo sy ny anatra, ka manome fahendrena ho an’ny zaza iray. Ireo izay mitaiza zanaka araka ny lalan’Andriamanitra dia hanana zanaka hendry izay hitondra fifaliana sy fahafinaretana lehibe ho an’ny rainy sy ny reniny. — 4:1-9; 13:24; 17:21; 22:6, 15; 23:13, 14, 22, 24, 25; 29:15, 17, NW.

34. Tombony inona no azo avy amin’ny fandraisana ny andraikitra hanampy ny hafa?

34 Andraikitra hanampy ny hafa: Io dia hamafisina matetika ao amin’ny Ohabolana. Ny olona hendry dia tsy maintsy mampiely fahalalana mba hahasoa ny hafa koa. Ny olona iray koa dia tsy maintsy malala-tanana amin’ny fiantrana ny malahelo, ary, raha manao izany izy, raha ny tena izy, dia mampisambotra an’i Jehovah, izay manome antoka ny amin’ny famalian-tsoa izany. — 11:24-26; 15:7; 19:17; 24:11, 12; 28:27.

35. Amin’ny fidirana ao amin’ny votoatin’ireo zava-manahirana antsika, torohevitra inona moa no omen’ny Ohabolana?

35 Fiankinana amin’i Jehovah: Ny Ohabolana dia mikasika ny votoatin’ireo zava-manahirana antsika amin’ny fanoroana hevitra antsika mba hatoky tanteraka an’Andriamanitra. Tsy maintsy manaiky an’i Jehovah amin’ny alehantsika rehetra isika. Mety hanao fikasana momba ny lalana harahiny ny lehilahy iray, fa i Jehovah no tsy maintsy mitarika ny diany. Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary ny marina miezaka ho ao aminy ka mahazo famonjena. Miandrasa an’i Jehovah ary mitodiha any amin’ny Teniny mba hahazoana fitarihana. — 3:1, 5, 6; 16:1-9; 18:10; 20:22; 28:25, 26; 30:5, 6.

36. Avy amin’ny fomba fijery inona avy no azo ilazalazana fa ny Ohabolana dia araka ny toetr’andro, azo ampiharina ary mahasoa?

36 Mahasoa toy inona moa ny bokin’ny Ohabolana mba hampianarana sy hifehezana ny tenantsika sy ny hafa! Toa tsy misy fifandraisan’olombelona na dia iray aza hadino. Misy olona mitokana ho azy tsy miaraka amin’ireo mpiara-mivavaka amin’Andriamanitra aminy ve? (18:1). Moa ve ny tena, izay mitana toerana ambony, manatsoaka hevitra alohan’ny handrenesany ny andaniny sy ny ankilany amin’ny raharaha iray? (18:17). Moa ve ny tena manao vosobosotra mampidi-doza? (26:18, 19). Moa ve ny tena mirona hanavakavaka? (28:21). Ilay mpivarotra ao amin’ny trano fivarotany, ilay mpiasa tany ao amin’ny sahany, ilay lehilahy manambady sy ny vadiny ary ny ankizy — ny rehetra dia samy mahazo fampianarana mahasoa. Ny ray aman-dreny dia ampiana mba hahafahany hanala sarona ireo fandrika maro mamitsaka eo amin’ny lalan’ny tanora. Ireo hendry dia afaka mampianatra ireo tsy ampy fanandraman-javatra. Azo ampiharina na aiza na aiza onenantsika ireo ohabolana; tsy lany andro na oviana na oviana ny fampianarana sy torohevitra ao amin’ilay boky: “Ny bokin’ny Ohabolana”, hoy ilay mpanabe amerikana atao hoe William Lyon Phelps indray mandeha, “dia araka ny toetr’andro kokoa noho ny gazety nivoaka anikeheo maraina.” a Araka ny toetr’andro sy azo ampiharina, ary mahasoa mba hampianarana ny bokin’ny Ohabolana satria ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.

37. Ahoana no ifanarahan’ny Ohabolana amin’ireo fampianaran’ilay Solomona Lehibe?

37 Mahasoa mba hanitsiana ny diso ny bokin’ny Ohabolana, izay nolazain’i Solomona ny ampahany lehibe indrindra aminy, ka mampitodika ny olona any amin’Andriamanitra Tsitoha. Toy izany koa i Jesosy Kristy, ilay resahina ao amin’ny Matio 12:42, ho toy ny “lehibe noho Solomona”.

38. Ahoana no ampitomboan’ny Ohabolana ny fahatakarantsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo fotopoto-pitsipiny marina?

38 Afaka ny ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika satria io Olona miavaka indrindra noho ny fahendrena io no nofidin’i Jehovah mba ho Taranaka handova ilay Fanjakana! Ny seza fiandrianany no ilay “hampitoerina amin’ny fahamarinana”, mba hisian’ny fanjakana feno fiadanana, be voninahitra lavitra noho ny an’i Solomona Mpanjaka mihitsy aza. Momba io fanapahan’ilay Fanjakana io, dia holazaina fa “famindrampo sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, ary ampitoeriny amin’ny famindrampo ny seza fiandrianany”. Izany dia hanomboka fitondram-panjakana marina haharitra mandrakizay ho an’ny taranak’olombelona, izay ilazan’ny Ohabolana toy izao koa: “Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.” Araka izany, dia nanjary nahatakatra tamim-pifaliana isika fa ny Ohabolana dia manazava ny lalantsika ho amin’ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fahazoana hevi-javatra, ary koa ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia noho isika nanjary nahatakatra tamim-pifaliana koa fa izy io dia manandratra an’i Jehovah ho ny Loharanon’ny tena fahendrena, izay omeny amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, ny Mpandova ilay Fanjakana. Ny Ohabolana dia mampitombo be dia be ny fahatakarantsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo fotopoto-pitsipika marina izay anapahany dieny izao. — Ohab. 25:5; 16:12; 20:28; 29:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Treasury of the Christian Faith, natontan’i Stuber sy i Clark, 1949, pejy 48.

[Fanontaniana]