Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-21 — Mpitoriteny

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-21 — Mpitoriteny

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-21 — Mpitoriteny

Mpanoratra: Solomona

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita: Talohan’ny 1000 al.f.i.

1. Ho an’ny zava-kendrena mendri-kaja inona no nanoratana ny Mpitoriteny?

 NY BOKIN’NY Mpitoriteny dia nosoratana ho an’ny zava-kendrena mendri-kaja iray. Tamin’ny naha-mpitarika ny vahoaka iray nanolo-tena ho an’i Jehovah, azy, i Solomona dia nanana ny andraikitra hihazona azy ireo ho iray, ho fanehoana fahatokiana raha ny amin’ny fanoloran-tenan’izy ireo. Niezaka ny hanatanteraka io andraikitra io tamin’ny alalan’ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Mpitoriteny izy.

2. Ahoana no ilazana io zava-kendrena io ao amin’ilay anaran’ny Mpitoriteny amin’ny teny hebreo, ka mahatonga azy io hifanentana kokoa noho ireo anarana amin’ny teny grika sy malagasy?

2 Ao amin’ny Mpitoriteny 1:1 (NW ) izy dia miresaka momba ny tenany ho toy “ny mpamory”. Io teny io amin’ny teny hebreo dia hoe Qo·heʹleth, ary ao amin’ny Baiboly hebreo, ilay boky dia omena io anarana io. Ny Septante grika dia manome ny lohateny hoe Ek·kle·si·a·stesʹ, izay midika hoe “mpikambana iray ao amin’ny ekklesia (kongregasiona, fivoriambe) iray”, ka io no niavian’ilay anarana frantsay hoe Ecclésiaste, izay nadika hoe “Mpitoriteny” ao amin’ny Baiboly malagasy. Kanefa, mety kokoa raha adika hoe “Ny Mpamory” ny hoe Qo·heʹleth, sady anarana mifanentana kokoa amin’i Solomona io. Mampita tsara ny fikasan’i Solomona tamin’ny fanoratana ilay boky izy io.

3. Amin’ny heviny ahoana i Solomona no mpamory?

3 Tamin’ny heviny ahoana moa i Solomona Mpanjaka no mpamory, ary ho amin’inona no nanaovany famoriana? Mpamory ny vahoakany, dia ireo Isiraelita, sy ny naman’ireo, dia ireo mpivahiny, izy. Namory azy rehetra ireo ho amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Andriamaniny, izy. Talohan’io, dia nanorina ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema izy, ary tamin’ny fitokanana azy io, dia nampiantso, na namory, azy rehetra ho amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra izy. (1 Mpanj. 8:1). Ankehitriny, tamin’ny alalan’ny bokin’ny Mpitoriteny, izy dia niezaka ny hamory ny vahoakany ho amin’ny asa mendrika ary lavitra ireo asa foana sy tsy mahavokatr’itỳ tontolo itỳ. — Mpit. 12:8-10.

4. Ahoana no amaritana fa i Solomona no mpanoratra ilay boky?

4 Na dia tsy voatonona amin’ny fomba voafaritra tsara aza i Solomona, dia misy andalan-teny maromaro izay mamaritra amin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra fa izy no mpanoratra ilay boky. Ilay mpamory dia mampahafantatra ny tenany ho toy ny “zanak’i Davida” izay “mpanjakan’ny Isiraely tany Jerosalema”. Tsy mety hifanitsy afa-tsy amin’i Solomona Mpanjaka io, satria ireo mpandimby azy tao Jerosalema dia mpanjaka teo amin’ny Joda ihany. Ambonin’izany, dia hoy ny nosoratan’ilay mpamory: “Izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.” (1:1, 12, 16). Mifanentana amin’i Solomona izany. Ny Mpitoriteny 12:9 dia milaza amintsika fa “nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy”. I Solomona Mpanjaka dia nanao ohabolana 3 000. (1 Mpanj. 5:12). Ny Mpitoriteny 2:4-9 dia milaza ny amin’ny fandaharam-panorenan’ilay mpanoratra; ny tanimboalobony sy ny tanimboliny ary ny sahany; ny fampidiran-drano tao amin’ny tanimboliny; ny fandaharany ireo mpanompolahiny sy mpanompovaviny (NW ); ny fanangonany volafotsy sy volamena; ary ireo zava-bitany hafa. Izany rehetra izany dia marina raha ny amin’i Solomona. Rehefa nahita ny fahendren’i Solomona sy ny fanambinana azony ny mpanjakavavin’i Sheba, dia hoy izy: “Na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory”. — 1 Mpanj. 10:7.

5. Taiza ary oviana no tsy maintsy ho nanoratana ny Mpitoriteny?

5 Ilay boky dia mampahafantatra fa i Jerosalema no toerana nanoratana azy, amin’ny filazana fa ilay mpamory dia mpanjaka “tany Jerosalema”. Ny fotoana nanoratana azy dia tsy maintsy ho talohan’ny taona 1000 al.f.i., ka efa lasa ny ampahany lehibe tamin’ireo 40 taona nanjakan’i Solomona, taorian’ny nanaovany ireo zavatra maro be voalaza ao amin’ilay boky, kanefa talohan’ny nahalavoany tao amin’ny fanompoan-tsampy. Tamin’izay dia efa ho nahazo fahalalana be dia be momba ireo raharahan’itỳ tontolo itỳ sy ny fikatsahan’io zava-kendrena ara-nofo, izy. Tamin’izany fotoana izany izy dia mbola nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny tsindrimandriny.

6. Fanoherana inona avy no napoitra raha ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry ny Mpitoriteny, kanefa ahoana no mety hamaliana azy ireo?

6 Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ny Mpitoriteny dia “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”? Mety hisalasala ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry azy ny olona sasany, satria hoe tsy manonona na dia indray mandeha monja aza ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, izy io. Kanefa, dia azo antoka fa manohana ny fanompoam-pivavahana marina amin’Andriamanitra izy io, ary mampiasa imbetsaka ilay fitenenana hoe ha·ʼElo·himʹ, na hoe “ilay Andriamanitra marina”. Mety hisy fanoherana hafa iray hapoitra satria hoe tsy misy fakan-teny mivantana avy ao amin’ny Mpitoriteny, ao amin’ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly. Kanefa, ireo fampianarana aroso sy ireo fotopoto-pitsipika naorina ao amin’ilay boky dia mifanaraka tanteraka amin’ny boky hafa rehetra ao amin’ny Soratra Masina. Ny Commentary, nataon’i Clarke, Boky faha-III, pejy faha-799, dia manambara hoe: “Ilay boky mitondra ny lohateny hoe Koheleth, na hoe Mpitoriteny, dia noraisin’ny Fiangonana Jiosy sy Kristiana mandrakariva ho toy ny nosoratana teo ambany tsindrimandrin’ny Tsitoha, sady noheverina araka ny tokony ho izy ho anisan’ny kanôna masina.”

7. Inona teo amin’ny fiavian’i Solomona no nahatonga azy hahafeno fepetra amin’ny fomba miavaka tokoa mba hanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny?

7 Ireo “mpanao tsikera ambony” heverin’izao tontolo izao ho hendry dia nilaza fa ny Mpitoriteny dia tsy asa soratr’i Solomona na tapany marina amin’ny “Soratra rehetra”, amin’ny filazana fa ny fiteny sy ny filozofia ao anatiny dia tatỳ aoriana. Odian’izy ireo tsy hita ilay fanazavana tondraka nangonin’i Solomona tamin’ny alalan’ny fampitomboany miandalana ny varotra iraisam-pirenena sy ny indostria, ary koa avy tamin’ireo olo-nanan-kaja tonga teo aminy sy olona hafa nifampikasohany tany amin’ny tontolo tany ivelany. (1 Mpanj. 5:10, 14; 9:26-28; 10:1, 23, 24). Hoy ny nosoratan’i F. C. Cook ao amin’ny Bible Commentary, Boky faha-IV, pejy faha-622: “Ireo raharaha fanao andavanandro sy zavatra nofidin’ilay mpanjaka lehibe hebreo hokatsahina dia tsy maintsy ho nitondra azy lavitra ivelan’ny faritry ny fiainana sy ny eritreritra ary ny fiteny hebreo.”

8. Inona no porofo mahery indrindra ny amin’ny maha-kanônika ny Mpitoriteny?

8 Kanefa, moa ve tena ilaina ny loharanon-kevitra avy any ivelany mba hanaporofoana ny maha-kanônika ny Mpitoriteny? Ny fandinihana ilay boky ihany dia tsy mampiharihary ny fifanarahany anatiny fotsiny, fa ny fifanarahany amin’ny tapany sisa amin’ny Soratra Masina koa, ary tena anisany tokoa izy io.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MPITORITENY

9. Inona no hitan’ilay mpamory raha ny amin’ireo raharaha ataon’ny zanak’olombelona?

9 Ny maha-zava-poana ny fomba fiainan’ny olombelona (1:1–3:22). Ireo teny anokafana ilay boky dia manome akon’ny loha hevitra raketiny, manao hoe: “Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!” Inona no soa azo avy amin’ny fisasaran’ny olona sy ny asany mafy? Tonga ary lasa ireo taranaka, miverimberina ireo tsingerina voajanahary eto an-tany, ary “tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro”. (1:2, 3, 9). Ilay mpamory dia naniry mafy ny hitady sy hizaha ny fahendrena nifandray tamin’ireo raharaha mahory ataon’ny zanak’olombelona. Hitany anefa fa tamin’ny fahendrena sy ny hadalana, tamin’ny zava-bita sy ny asa mafy, tamin’ny fihinanana sy ny fisotroana, dia “zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany”. Nanjary ‘halany ny aina’, dia fiainana mahory (NW ) sy fikatsahana zavatra ara-nofo. — 1:14; 2:11, 17.

10. Inona no fanomezan’Andriamanitra, kanefa fiafarana inona no mahazo ny olombelona mpanota?

10 Ny zavatra rehetra dia samy manana ny fotoany avy — eny, ‘ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho mendrika amin’ny fotoany avy’. Tiany hankafy ny fiainana eto an-tany ny zavaboariny. “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” Indrisy anefa fa mitovy fiafarana (NW ) ny olombelona mpanota sy ny biby: “Toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa: eny, iray ihany no fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.” — 3:1, 11-13, 19.

11. Torohevitra feno fahendrena inona no omen’ilay mpamory ho an’ny olona matahotra an’Andriamanitra?

11 Torohevitra feno fahendrena ho an’ireo izay matahotra an’Andriamanitra (4:1–7:29). Manao teny fiderana ireo maty i Solomona, satria afaka amin’ny “fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro” izy ireo. Avy eo, dia manohy milazalaza ireo asa foana sy mahory izy. Manome torohevitra amim-pahendrena koa izy, dia ny hoe “tsara ny roa noho ny iray”, sy ny hoe “ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina”. (4:1, 2, 9, 12). Manome torohevitra tsara dia tsara momba ny famoriana ny vahoakan’Andriamanitra toy izao izy: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra hianao; fa ny manatona hihaino no tsara”. Aza maimaika hiteny eo anatrehan’Andriamanitra; “aoka ho vitsy ny teninao”, ary efao ny voady nataonao tamin’Andriamanitra. “Andriamanitra no atahory.” Rehefa ampahorina ny mahantra, dia tadidio fa “misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza”. Ilay mpanompo tsotra, hoy ny marihiny, dia ho mamy torimaso, fa ilay manankarena kosa dia manahy loatra ka tsy mahita tory. Kanefa, nitanjaka no nahatongavany teto an-tany, ary, na manao ahoana na manao ahoana fisasarany, dia tsy afaka mitondra na inona na inona hiala avy eto an-tany izy. — 5:1, 2, 4, 7, 8, 12, 15.

12. Torohevitra inona no omena momba ireo raharaha lehibe eo amin’ny fiainana, ary momba ny tombony ananan’ny fahendrena oharina amin’ny vola?

12 Mety hahazo harena sy voninahitra ny olona iray, kanefa inona no ilany ‘hahatratra arivo taona indroa’, raha tsy nahita soa akory ny tenany? Tsara kokoa ny handraisana am-po ireo raharaha lehibe, dia ny fiainana sy ny fahafatesana, toy izay hifanerasera amin’ny adala “ao amin’ny trano misy fifaliana”; eny, tsara kokoa ny mandray ny anatra mafy ataon’ny hendry, satria “toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ny adala”. Ahitana tombony ny fahendrena. “Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny [“tombon’ny”, NW ] fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” Nahoana àry ny lalan’ny olombelona no nanjary mahory? “Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.” — 6:6; 7:4, 6 12, 29.

13. Inona no anoroan’ilay mpamory hevitra sy derainy, ary inona no lazainy momba izay alehan’ny olombelona?

13 Ilay fiafarana iray ihany ho an’ny rehetra (8:1–9:12). “Tandremo ny didin’ny mpanjaka”, hoy ny torohevitr’ilay mpamory; kanefa marihiny fa noho ny tsy fanatanterahana vetivety ny famaliana ny ratsy atao no “ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy”. (8:2, 11). Midera ny fifaliana ny tenany, kanefa misy zavatra mahory hafa iray! Ny karazan’olona rehetra dia mankany amin’ny lalana iray ihany — any amin’ny fahafatesana! Ny zavatra fantatry ny velona dia hoe ho faty izy, “fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...). Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny [Sheola, f.a.p.] izay alehanao”. — 9:5, 10.

14. a) Fahendrena azo ampiharina inona no hamafisin’ilay mpamory? b) Inona no faran’ny teny?

14 Ny fahendrena azo ampiharina sy ny andraikitry ny olombelona (9:13–12:14). Ilay mpamory dia miresaka momba ny zavatra mahory maro hafa, toy ny rehefa “asandratra ho ambony indrindra ny adala”. Manolotra ohabolana maro feno fahendrena azo ampiharina koa izy, ary ambarany fa na dia “ny fahatanorana sy ny fahatanjahana [aza] dia samy zava-poana” — raha tsy hoe arahina angaha ny tena fahendrena. Hoy ny ambarany: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao”. Raha tsy izany, ny fahanterana dia hamerina ny tena tsotra izao ho any amin’ny vovoky ny tany, miaraka amin’ireto tenin’ilay mpamory ireto: “Zava-poana dia zava-poana (...) zava-poana ny zavatra rehetra!” Nanohy nampianatra ny fahalalana tamin’ny olona ny tenany, satria “ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronan-omby”, ka manosika hanao asa tsara. Momba ny fahendren’izao tontolo izao anefa, dia hoy ny fampitandremany: “Tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” Avy eo, dia mitondra ilay boky ho amin’ny fiafarany malaza ilay mpamory, amin’ny famintinana toy izao, izay rehetra vao avy nodinihiny momba ny zava-poana sy ny fahendrena: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.” — 10:6; 11:1, 10; 12:1, 8-14.

MAHASOA — NAHOANA?

15. Ahoana no anavahan’i Solomona ireo raharaha mahory sy ireo asa mendrika hatao?

15 Tsy boky mifantoka amin’ny lafy ratsin-javatra velively akory ny Mpitoriteny, fa henika vatosoa mamirapiratry ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Rehefa mitanisa ireo zava-bita maro antsoiny hoe zava-poana i Solomona, dia tsy ampidiriny ho anisan’izany ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Moria, tany Jerosalema, na ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah. Tsy milazalaza ny fiainana, izay fanomezan’Andriamanitra, ho toy ny zava-poana izy, asehony kosa fa izy io dia natao mba hifalian’ny olombelona sy hanaovany tsara. (3:12, 13; 5:17-19; 8:15). Ireo raharaha mahory dia ireo izay tsy iraharahana an’Andriamanitra. Mety hanangona harena ho an’ny zanany lahy ny raim-pianakaviana iray, kanefa ravan’ny loza iray izany rehetra izany ary dia tsy misy na inona na inona tavela ho azy. Ho tsara lavitra ny hanomezana harena ara-panahy izay ho lova maharitra. Mahory ny fananana tondraka tsy misy fahafahana hankafy azy. Mahazo ny manankarena rehetra eo amin’izao tontolo izao ny zavatra mahory rehefa ‘mandeha’ (NW ) any amin’ny fahafatesana izy ireo, ka tsy misy na inona na inona eny an-tanany. — 5:12-14; 6:1, 2.

16. Ahoana no ifanarahan’ny Qo·heʹleth, na Mpitoriteny, amin’ireo fampianaran’i Jesosy?

16 Ao amin’ny Matio 12:42, i Kristy Jesosy dia manisy firesahana momba ny tenany ho toy ny “lehibe noho Solomona”. Koa satria nampiseho an’i Jesosy i Solomona, moa ve isika mahita fa mifanaraka amin’ireo fampianaran’i Jesosy ireo tenin’i Solomona ao amin’ny bokin’ny Qo·heʹleth? Mahita fifanitsian-javatra maro tokoa isika! Ohatra, i Jesosy dia nanoritra ny hamaroan’ny asan’Andriamanitra tamin’ny filazana hoe: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” (Jaona 5:17). Nanisy firesahana momba ny asan’Andriamanitra koa i Solomona, tamin’ny hoe: “Dia hitako avokoa ny asan’Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ny olona ny asa atao atỳ ambanin’ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.” — Mpit. 8:17.

17. Fifanitsian-javatra hafa inona avy no hita eo amin’ny tenin’i Jesosy sy ny an’i Solomona?

17 I Jesosy sy i Solomona dia samy nampirisika ireo mpivavaka marina mba hiara-mivory. (Matio 18:20; Mpit. 4:9-12; 5:1). Ny tenin’i Jesosy momba “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” sy “ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena” dia mifanaraka amin’ny fanambarana nataon’i Solomona hoe “ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra”. — Matio 24:3, NW; Lioka 21:24, NW; Mpit. 3:1.

18. Amin’ny fanomezana fampitandremana inona avy no iraisan’i Jesosy sy ireo mpianany feo amin’i Solomona?

18 Ambonin’ny zavatra rehetra, i Jesosy sy ireo mpianany dia miray feo amin’i Solomona mba hampitandremana momba ireo fandriky ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. Ny fahendrena no fiarovana marina, satria “maharo ny ain’ny manana azy”, hoy i Solomona. “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany”, hoy i Jesosy. (Mpit. 7:12; Matio 6:33). Hoy ny voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny 5:9: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.” Tena mitovy amin’izany ny torohevitra omen’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 6:6-19 hoe “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”. Misy andalan-teny mifanitsy mitovy amin’izany momba ny hevitra hafa amin’ny fampianaran’ny Baiboly. — Mpit. 3:17Asa. 17:31; Mpit. 4:1Jak. 5:4; Mpit. 5:1, 2Jak. 1:19; Mpit. 6:12Jak. 4:14; Mpit. 7:20Rom. 3:23; Mpit. 8:17Rom. 11:33.

19. Ho amin’ny fahatsinjovan-javatra sambatra inona no ahazoantsika miara-mivory ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah amin’izao andro izao?

19 Ny fanapahan’ilay Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy, ilay Zanaka malalan’Andriamanitra nitafy nofo, izay taranak’i Solomona, Mpanjaka hendry, dia hanorina fitambaran’olona vaovao eto an-tany. (Apok. 21:1-5). Izay nosoratan’i Solomona ho fitarihana ireo olom-peheziny tao amin’ilay fanjakany tandindona dia tena zava-dehibe ho an’izay rehetra mametraka ankehitriny ny fanantenany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fitarihan’i Kristy Jesosy. Eo ambany fitarihan’izy io, ny taranak’olombelona dia hiaina araka ireo fotopoto-pitsipika feno fahendrena natolotr’ilay mpamory ihany, ary hifaly mandrakizay ao amin’ilay fiainana sambatra, izay ho fanomezan’Andriamanitra. Izao no fotoana hiaraha-mivory ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, mba ho tanteraka amin’ny fomba feno ireo fifaliana ao amin’ilay fiainana eo ambany fitarihan’ilay Fanjakany. — Mpit. 3:12, 13; 12:13, 14.

[Fanontaniana]