Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-22 — Tonon-kiran’i Solomona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-22 — Tonon-kiran’i Solomona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-22 — Tonon-kiran’i Solomona

Mpanoratra: Solomona

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita Tamin’ny: 1020 al.f.i. tany ho any

1. Amin’ny heviny ahoana itỳ hira itỳ no “Hira amin’ireo hira”?

 “IZAO tontolo izao manontolo dia tsy mendrika ny andro nanomezana io Hira faran’izay kanto io ho an’ny Isiraely.” Toy izany no nanehoan’ilay “raby” jiosy atao hoe Akiba, niaina tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, ny fankasitrahany ny Tonon-kiran’i Solomona. a Ny lohatenin’ilay boky dia fanafohezana ireo teny anombohana azy manao hoe: “Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon’i Solomona”. Araka ilay soratra hebreo raisina ara-bakiteny, dia izy io no “Hira amin’ireo hira”, ka izany dia milaza fahatsarana tampony indrindra, ary mitovy amin’ilay fitenenana hoe “lanitry ny lanitra” mba hilazana ireo lanitra avo indrindra. (Deot. 10:14). Tsy fitambaran-kira akory izy io fa hira iray ihany, dia “hira iray miavaka noho ny fahalavorariana fara tampony, ny iray amin’ireo tsara indrindra nisy, na nosoratana hatramin’izay”. b

2. a) Iza no mpanoratra ny Tonon-kiran’i Solomona, inona avy ireo fepetra nofenoiny ho amin’izany, ary nahoana ilay boky no azo antsoina hoe hira momba ny fitiavana diso fanantenana? b) Taiza no nanoratana ilay boky, ary oviana?

2 I Solomona, Mpanjakan’i Jerosalema, no mpanoratra io hira io, araka ny porofoin’ny teny fampidirana azy. Tena nahafeno fepetra tsara mba hanoratra io ohatra kanto aoka izany amin’ny tononkalo hebreo io izy. (1 Mpanj. 5:12). Tononkalom-pitiavana feno heviny sy loko indrindra izy io eo am-pilazalazany momba ny hatsaran-tarehy. Ilay mpamaky afaka maka sary an-tsaina ny tarehin-javatra tany Atsinanana, dia vao mainka hankafy azy io. (Tonon. 4:11, 13; 5:11; 7:5). Ny tarehin-javatra nahatonga ny fanoratana azy dia tsy nanam-paharoa. I Solomona, mpanjaka lehibe, dia niavaka noho ny voninahitra sy ny fahendrena ary ny hery, sady namirapiratra teo anivon’ny hareny ara-nofo, izay nahatalanjona ny mpanjakavavin’i Sheba mihitsy aza. Tsy nanaitra akory ny zazavavy tantsaha tsotra iray, izay naharaiki-pitia azy, anefa izy. Noho ny fitiavana tsy nivadik’ilay zazavavy ho an’ny ankizilahy mpiandry ondry iray, dia tsy nahavoa ilay mpanjaka. Noho izany, ilay boky dia azo antsoina amin’ny fomba mety hoe Ny Hira Momba ny Fitiavana Diso Fanantenan’i Solomona. Nanome tsindrimandry azy i Jehovah Andriamanitra mba hanao io hira io, mba handraisan’ireo mpamaky ny Baiboly amin’ireo taonjato hanaraka, soa. Tany Jerosalema no nanoratany azy io. Tokony ho tamin’ny 1020 al.f.i. angamba izany, taona vitsivitsy taorian’ny nahavitan’ny tempoly. Rehefa nanoratra ilay hira i Solomona, dia efa nanana “mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo”, raha oharina amin’ireo “vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telon-jato” nananany tamin’ny faran’ny fotoana nanjakany. — Tonon. 6:8; 1 Mpanj. 11:3.

3. Inona no porofon’ny maha-kanônika ny Tonon-kiran’i Solomona?

3 Ny maha-kanônika ny Tonon-kiran’i Solomona dia tsy nisy nanohitra na dia iray aza tany am-boalohany. Ela be talohan’ny Fanisan-taona Iraisana izy io dia efa noraisina ho toy ny tapany iray ara-tsindrimandry sy tsy azo esorina amin’ny kanôna hebreo. Nampidirina ho anisan’ny Septante grika izy io. I Josèphe dia nampiditra azy tao amin’ny katalaogin’ireo boky masina nataony. Noho izany, izy io dia manana ny porofon’ny maha-kanônika azy, mitovy amin’izay atolotra mazàna momba izay boky hafa rehetra ao amin’ny Soratra Hebreo.

4. a) Moa ve ny tsy fisian’ny teny hoe “Andriamanitra” manaporofo fa tsy kanônika ny Tonon-kiran’i Solomona? b) Inona no manome azy io ilay toerana tsy manam-paharoa tanany ao amin’ny kanônan’ny Baiboly?

4 Misy anefa nisalasala ny amin’ny maha-kanônika ilay boky, satria hoe tsy misy firesahana momba an’Andriamanitra ao anatiny. Ny tsy fisian’ny fitenenana momba an’Andriamanitra dia tsy mahatonga ilay boky ho tsy azo ekena, tsy misy hafa amin’ny tsy hanekena azy ho kanônika satria fotsiny hoe misy ny teny hoe “Andriamanitra” ao anatiny. Ilay anaran’Andriamanitra dia tena miseho tokoa ao amin’ny fandikan-teny malagasy, ao amin’ny toko faha-8, andininy faha-6, izay ilazana fa ny fitiavana dia “lelafon’i Jehovah” (izay miseho amin’ny endriny nohafohezina hoe “lelafon’i Jah” ao amin’ny soratra hebreo sy ny fandikan-teny maro). Ilay boky dia tsy isalasalana fa mahaforona tapany iray amin’ireo asa soratra izay nasian’i Jesosy Kristy firesahana tamim-pankasitrahana, rehefa nilaza izy hoe: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay”. (Jaona 5:39). Ambonin’izany, ny filazalazany mahery momba ny maha-tsara aoka izany ny fitiavana mifamaly, toy izay misy, amin’ny heviny ara-panahy, eo amin’i Kristy sy ny ‘ampakariny’, dia manome ho an’ny Tonon-kiran’i Solomona ilay toerana tsy manam-paharoa tanany ao amin’ny kanônan’ny Baiboly. — Apok. 19:7, 8; 21:9.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY TONON-KIRAN’I SOLOMONA

5. a) Ahoana no ahafantarana ireo mpandray anjara amin’ilay tantara mampihetsi-po lalina? b) Foto-kevitra manohina ny fo inona no aseho ao?

5 Ny fanazavana ao amin’ilay boky dia atolotra amin’ny alalan’ny fitohitohizana fifampiresahana. Miova tsy an-kijanona ireo mpiteny. Ireo olona miteny ao dia i Solomona, mpanjakan’i Jerosalema, ny mpiandry ondry iray, ilay Solemita malalany, ireo anadahin’io, ireo vehivavy tandapa (“zanakavavin’i Jerosalema”), ary ireo vehivavin’i Jerosalema (“zanakavavin’i Ziona”). (Tonon. 1:5-7; 3:5, 11). Fantatra amin’izay lazainy momba ny tenany na amin’izay lazaina aminy, izy ireo. Ilay tantara mampihetsi-po lalina dia nitranga teo akaikin’i Sonema, na Solema, izay nitobian’i Solomona niaraka tamin’ireo tandapany. Izy io dia maneho foto-kevitra iray manohina ny fo — ny fitiavan’ny zazavavy tantsaha iray tao amin’ny tanàna kelin’i Sonema, an’ilay mpiandry ondry namany.

6. Fifampiresahana inona no nisy teo amin’ilay zatovovavy sy ireo vehivavy tandapa tao amin’ny tobin’i Solomona?

6 Tao an-tobin’i Solomona ilay zatovovavy solemita (1:1-14). Niseho tao amin’ireo tranolain’ny mpanjaka izay nitondrany azy ilay zatovovavy, kanefa ny hahita ilay mpiandry ondriny tia azy ihany no nahamay azy. Manina ny malalany izy, ka sahy niteny toy ny hoe nanatrika teo ilay izy. Ireo vehivavy tandapa mpikarakara ny mpanjaka, izany hoe ireo “zanakavavin’i Jerosalema”, dia nijery an’ilay Solemita tamin’ny fomba hafahafa noho ny tarehiny nivalomainty. Nohazavainy fa izany dia satria main’ny hainandro izy tamin’ny fikarakarana ny tanimboalobok’ireo anadahiny. Avy eo izy dia niresaka tamin’ilay tia azy toy ny hoe afaka ny tenany, ary nanontany ny amin’izay nety hahitany azy. Nangataka azy mba handeha ka hiandry ny andian’ondry aman’osiny teo akaikin’ny tranolain’ireo mpiandry ondry, ireo vehivavy tandapa.

7. Fitadiavana fitia inona avy no nataon’i Solomona, kanefa inona no vokatr’izany?

7 Nanatona i Solomona. Tsy vonona ny hamela azy handeha izy. Nidera ny hatsaran-tarehiny izy ary nampanantena ny handravaka azy tamin’ny “rojo volamena” sy “voavola mibontsimbontsina”. Toherin’ilay Solemita ireo fitadiavany fitia ary nampahafantariny azy fa ny hany fitiavana tsapany dia ho an’ilay malalany. — 1:11.

8. Ahoana no nampaherezan’ilay tia an’ilay zatovovavy azy? Inona no nirin-drazazavavy fatratra?

8 Niseho ilay mpiandry ondry tia azy (1:15–2:2). Tafiditra tao amin’ny tobin’i Solomona ilay ankizilahy tia an’ilay Solemita ka nampahery azy. Nanome azy toky ny amin’ny fitiavany azy izy. Naniry fatratra ny ho eo akaikin’ny malalany sy ny hahatsapa ny fahafinaretana tsotra hiara-mitoetra taminy tany an-tsaha sy tany an’ala, ilay Solemita.

9. Ahoana avy no nanombanan’ilay zazavavy sy ilay tia azy ny hatsaran-tarehiny?

9 Zazavavy tso-piaina ilay Solemita. “Izaho dia voninkazo any an-tanety ihany”, hoy izy. Nihevitra azy ho tsy nanan-tsahala kosa ilay mpiandry ondry tia azy, tamin’ny filazana hoe: “Toy ny lilia eo amin’ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ny zazavavy.” — 2:1, 2.

10. Inona no notsarovan’ilay zatovovavy momba ny fitiavany?

10 Manina ilay mpiandry ondriny ilay zatovovavy (2:3–3:5). Tafasaraka tamin’ilay tia azy indray ilay Solemita, ka nasehony fa nihevitra azy ho ambony noho ny hafa rehetra izy, ary nilazany ireo zanakavavin’i Jerosalema fa teo ambany voady (NW ) tsy hamoha tao aminy fitiavana tsy nirina ho an’olon-kafa, izy ireo. Tadidin’ilay Solemita ny fotoana namalian’ilay mpiandry ondriny ny antsony sy nanasan’io azy ho eny amin’ny havoana tamin’ny lohataona. Nahita azy niantsambotsambotra teny an-tendrombohitra sy nitsambikimbikina tamim-pifaliana, izy. Reny ny feony nihiaka taminy hoe: “Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!” Kanefa tezitra ireo anadahiny, izay tsy nahazo antoka ny amin’ny tsy fihozongozonany ary nasain’izy ireo niandry ireo tanimboaloboka izy. Nanambara izy hoe: “Ahy ny malalako, ary azy aho”, sady niangavy azy mba ho tonga haingana teo anilany. — 2:13, 16.

11. Voady inona no nampahatsiahivin’ilay Solemita indray an’ireo zanakavavin’i Jerosalema?

11 Nilazalaza momba ny fihazonana azy tao amin’ny tobin’i Solomona ilay Solemita. Tamin’ny alina tao am-pandriany, izy dia manina ilay mpiandry ondriny. Nampahatsiahy ireo zanakavavin’i Jerosalema indray izy fa teo ambany voady tsy hanaitra fitiavana tsy nirina tao aminy, izy ireo.

12. Fampaherezana fanampiny inona no nomen’ilay tia an’ilay zatovovavy azy rehefa nentin’i Solomona tany Jerosalema izy?

12 Tany Jerosalema ilay Solemita (3:6–5:1). Niverina tany Jerosalema tao anatin’ny famirapiratan’ny naha-mpanjaka azy i Solomona, ary talanjona teo anoloan’ny filaharan’ireo mpanotrona ny mpanjaka ny vahoaka. Tamin’io fotoana lehibe indrindra io ilay mpiandry ondry tia azy dia tsy nandiso fanantenana an’ilay Solemita. Nanaraka ilay zazavavy namany (NW ), izay nisalobona, izy, ary nifandray taminy. Nanatanjaka ilay malalany tamin’ny alalan’ny teny fanehoam-pitiavana mafana (NW ), izy. Nilaza taminy razazavavy fa naniry ny ho afaka sy handao ilay tanàna ny tenany, ary avy eo razazalahy dia naneho faharavoam-pitiavana tamin’ny fihiakana hoe: “Tsara avokoa izato bikanao, ry tompokovavy havako”. (4:7). Ny topy maso iray monja avy tamin-drazazavavy dia nahatonga ny fony hitepo haingana kokoa (NW ). Tsara noho ny divay ny teny fanehoam-pitiavana nataony, toy ny an’i Libanona ny fameroverony (NW ), ary toy ny saha anirian’ny ampongabendanitra ny hodiny. Nanasa ny malalany hiditra tao ‘an-tsahany’ ilay zatovovavy, ary dia nanaiky izy. Nampirisika azy ireo toy izao ireo vehivavin’i Jerosalema tsara fanahy: “Homàna, hianareo, ry sakaizako, misotroa [ary mimamoa amin’ny alalan’ny teny fanehoam-pitiavana, NW ].” — 4:16; 5:1.

13. Nofy inona no nonofisin’ilay zatovovavy, ary ahoana no nilazalazany momba ilay tia azy tamin’ireo vehivavy tandapa?

13 Ny nofin’ilay zatovovavy (5:2–6:3). Nilaza nofy iray tamin’ireo vehivavy tandapa ilay Solemita. Nandre olona nandondòna izy tao amin’izany nofy izany. Tany ivelany ny malalany, niangavy azy mba hamela azy hiditra. Kanefa tao am-pandriana izy. Rehefa nitsangana mba hamoha ny varavarana izy tamin’ny farany, dia efa tsy hita tao amin’ny alina razazalahy. Nivoaka hanaraka azy razazavavy, fa tsy nahita azy. Nitondra azy tamin’ny fomba ratsy ireo mpiambina (NW ). Nilaza tamin’ireo vehivavy tandapa izy fa raha nahita ilay tia azy izy ireo, dia tsy maintsy nilaza taminy fa nararim-pitia razazavavy. Nanontanian’izy ireo izy hoe inona no nampiavaka ilay zazalahy aoka izany. Nanomboka nanao filazalazana tsara aoka izany momba azy izy ka nilaza fa “sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ny alinalina” ilay ankizilahy. (5:10). Nanontany azy ireo vehivavy tandapa hoe aiza izy io. Nilaza izy fa lasa nandeha niandry ny andian’ondry tany an-tsaha ilay ankizilahy.

14. Na dia teo aza ireo fandrokidrokiana rehetra nataon’i Solomona, ahoana no tsy nahavoazany teo amin’ny fangatahany?

14 Ireo fitadiavana fitia farany nataon’i Solomona (6:4–8:4). Nanatona ilay Solemita i Solomona Mpanjaka. Nilaza taminy indray izy fa tsara tarehy aoka izany, nahafinaritra noho ny “mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo” izy. Nolavin-drazavavy anefa izy. (6:8). Tonga teo izy satria ny famitana fanompoana iray nanirahana azy fotsiny no nitondra azy teo akaikin’ny tobiny. ‘Inona no hitanao amiko?’, hoy izy nanontany. Nanararaotra izany fanontaniany feno fahatsorana izany i Solomona mba hilazana taminy ny amin’ny hatsaran-tarehiny, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, kanefa notoherin’ilay zatovovavy avokoa ny fandrokidrokiany rehetra. Naneho herim-po izy mba hanambarana ny fifikirany tamin’ilay mpiandry ondriny, ary niantso azy. Fanintelony izao, dia nampahatsiahy ireo zanakavavin’i Jerosalema izy fa teo ambany voady tsy hanaitra tao aminy fitiavana tsy araka ny sitrapony izy ireo. Namela azy hody i Solomona. Tsy nahavoa izy teo amin’ny fitadiavany ny fitiavan’ilay Solemita.

15. a) Nitondra fangatahana inona ilay zatovovavy niverina tany amin’ireo anadahiny? b) Ahoana no nandresen’ny fifikirana tsy mizarazara?

15 Niverina nody ilay Solemita (8:5-14). Nahita azy nanatona ireo anadahiny, kanefa tsy irery izy. ‘Nitehina tamin’ny malalany izy.’ Tsaroany fa teo ambany hazo poma iray no nahitany ilay tia azy, ary nambarany fa tsy azo noravana ny fitiavany azy. Tononina eto ny sasany amin’ireo teny nataon’ireo anadahiny teo aloha momba ny fanahian’izy ireo ny aminy fony izy mbola “zandrivavy”. Kanefa, nambarany fa niseho ho vehivavy matotra sy tsy nihozongozona izy. (8:8). Aoka hanaiky azy hanambady amin’izay ireo anadahiny. Afaka nanana ny hareny rehetra i Solomona Mpanjaka! Faly tamin’ilay tanimboalobony tokana izy, satria tia olona iray izay hany mamin’ny fony. Raha ny aminy, io fitiavana io dia mafy toy ny fahafatesana ary ireo lelafony dia toy ny “lelafon’i Jehovah”. Ny fanizingizinany ny amin’ny fifikirana tsy mizarazara (NW ), izay “masiaka tahaka ny [Sheola, f.a.p.]”, dia nandresy ary nitarika azy ho amin’ny fahamboniana be voninahitry ny fanambadiana tamin’ilay mpiandry ondry tia azy. — 8:5, 6.

MAHASOA — NAHOANA?

16. Fianarana sarobidy inona avy no ampianarina ao amin’io hira io?

16 Fianarana inona avy no ampianarina ao amin’io hiram-pitiavana io, ka mety ho hitan’ny lehilahin’Andriamanitra ho mahasoa amin’izao andro izao? Aseho mazava tsara ny fahatokiana sy ny tsy fivadihana amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra. Ilay hira dia mampianatra ny hakanton’ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny fahatsorana ao amin’ny olona iray tena tia marina. Mampianatra izy io fa ny fitiavana marina dia mitoetra ho tsy azo resena, tsy mety maty ary tsy azo atao varotra. Ireo lehilahy sy vehivavy tanora kristiana, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy manambady, dia afaka mandray soa avy amin’io ohatra mety ny amin’ny tsy fivadihana io, rehefa mipoitra ny fakam-panahy ary miseho ny zava-manintona.

17. a) Ahoana no ampisehoan’i Paoly fa nosoratana ho fampianarana ny kongregasiona kristiana io hira io? b) Nahoana no tena nety ho tao an-tsain’i Paoly izy io rehefa nanoratra ho an’ireo Korintiana sy Efesiana izy? d) Fampitahana mahaliana amin’ireo asa soratra ara-tsindrimandry nataon’i Jaona inona avy no azo atao?

17 Kanefa io hira ara-tsindrimandry io dia mahasoa indrindra koa ho an’ny kongregasiona kristiana amin’ny fitambarany. Neken’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany ho anisan’ny Soratra ara-tsindrimandry izy io, ka hoy ny nosoratan’ny iray tamin’izy ireo: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Rom. 15:4). Tena nety ho tao an-tsain’io mpanoratra nahazo tsindrimandry io ihany, izany hoe i Paoly, ny fitiavana tsy nizarazaran’ilay zazavavy solemita ho an’ilay mpiandry ondriny, rehefa nanoratra ho an’ny kongregasiona kristiana toy izao izy: “Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofom-badin’ny lehilahy iray hianareo, mba hatolotro tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy.” Nanoratra ny amin’ny fitiavan’i Kristy ho an’ny kongregasiona toy ny an’ny lehilahy iray ho an’ny vadiny, koa i Paoly. (2 Kor. 11:2; Efes. 5:23-27). Tsy vitan’ny hoe Mpiandry Tsara ho azy ireo fotsiny i Jesosy Kristy, fa Mpanjakan’izy ireo koa, izay manolotra eo anoloan’ireo mpanara-dia azy voahosotra ny fifaliana tsy hay lazain’ny ‘fampakaram-bady’ aminy any an-danitra. — Apok. 19:9; Jaona 10:11.

18. Amin’ny fomba ahoana no mety handraisan’ireo mpanara-dia an’i Kristy Jesosy voahosotra, soa avy amin’ny ohatr’ilay zazavavy solemita?

18 Azo antoka fa ireo mpanara-dia an’i Kristy Jesosy voahosotra ireo dia afaka mandray soa be dia be avy amin’ny ohatr’ilay zazavavy solemita. Tsy maintsy ho tsy mivadika koa izy ireo eo amin’ny fitiavany, ka tsy ho resin’ny fanangolen’ny fanjelajelatry ny zavatra ara-nofon’izao tontolo izao, ary hihazona ny fandanjalanjany eo amin’ny tsy fivadihany, mandra-pahazony ny valisoa. Miorina mafy amin’ireo zavatra any ambony ny sain’izy ireo ary “mikatsaka voalohany indrindra ilay Fanjakana”. Faly mandray ireo fanehoam-pitiavan’ilay Mpiandry ondriny, dia i Jesosy Kristy, izy ireo. Diboky ny hafaliana izy ireo mahafantatra fa io malalany io, na dia tsy hita aza, dia akaiky azy ireo, ary mangataka azy ireo mba hatoky sy handresy izao tontolo izao. Noho izy ireo manana fitiavana tsy mety ritra, izay mahery toy ny “lelafon’i Jehovah”, ho an’ilay Mpanjaka sady Mpiandry ondry, dia handresy tokoa izy ireo ary ho tafaray aminy amin’ny maha-mpiara-mandova aminy an’ilay Fanjakana be voninahitra any an-danitra. Toy izany no hanamasinana ny anaran’i Jah! — Matio 6:33, NW; Jaona 16:33.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Mishnah jiosy (Yadayim 3:5).

b Commentary, nataon’i Clarke, Boky III, pejy 841.

[Fanontaniana]