Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-24 — Jeremia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-24 — Jeremia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-24 — Jeremia

Mpanoratra: Jeremia

Toerana nanoratana: Joda sy Egypta

Vita Tamin’ny: 580 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 647 al.f.i. – 580 al.f.i.

1. Oviana no nanirahana an’i Jeremia ary iza no naniraka azy?

 NIAINA nandritra ny fotoana nampidi-doza sady nisamboaravoara i Jeremia mpaminany. Nirahin’i Jehovah tamin’ny taona 647 al.f.i. izy, dia tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia, Mpanjakan’i Joda natahotra an’Andriamanitra. Nandritra ny fanamboarana ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah, dia hita ny bokin’ny Lalàn’i Jehovah ka novakina tamin’ny mpanjaka. Niezaka mafy izy mba hisian’ny fampiharana azy io, kanefa tsy afaka afa-tsy ny nampiala vetivety fotsiny tamin’ny filatsahana tao amin’ny fanompoan-tsampy. I Manase, raiben’i Josia, izay nanjaka nandritra ny 55 taona, sy i Amona rainy, izay nisy namono rehefa avy nanjaka 2 taona monja, dia samy nanao ratsy. Nampirisihin’izy ireo hanaram-po tamin’ny fahalotoana sy ny fombafomba naharikoriko ny vahoaka, hany ka nanjary zatra nanolotra ditin-kazo manitra ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” sy fanatitra olombelona ho an’ireo andriamanitra demonia, izy ireo. Nameno an’i Jerosalema tamin’ny ra marina i Manase. — Jer. 1:2; 44:19; 2 Mpanj. 21:6, 16, 19-23; 23:26, 27.

2. Inona ilay asa tsy maintsy nataon’i Jeremia, ary taona feno fisehoan-javatra inona avy no voafaokan’ny asa faminaniana nataony?

2 Tsy mora ilay asa tsy maintsy nataon’i Jeremia. Tsy maintsy nanompo tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah izy mba hanambara mialoha ny amin’ny hahafoanan’i Joda sy i Jerosalema, ny amin’ny handoroana ny tempoly mamirapiratr’i Jehovah ary ny hitondrana ny olony ho babo — dia loza samy saiky tsy azo ninoana! Tsy maintsy nanohy naminany tao Jerosalema nandritra ny 40 taona izy, izany hoe nandritra ny fotoana nanjakan’i Joahaza, i Joiakima, i Joiakina (Jekonia) ary i Zedekia, izay samy mpanjaka ratsy. (Jer. 1:2, 3). Tatỳ aoriana, tany Egypta, dia tsy maintsy naminany momba ireo fanompoan-tsampy nataon’ireo mpialokaloka jiosy tany izy. Vita tamin’ny 580 al.f.i. ny bokiny. Ny fotoana voafaokan’ny bokin’i Jeremia àry, araka izany, dia fe-potoana feno fisehoan-javatra naharitra 67 taona. — 52:31.

3. a) Ahoana no nanaporofoana ny maha-kanônika sy ny maha-azo itokiana ny bokin’i Jeremia tamin’ny andron’ireo Hebreo? b) Fanamarinana fanampiny momba izany inona no hita ao amin’ny Soratra Grika Kristiana?

3 Tamin’ny fiteny hebreo, ny anaran’ilay mpaminany sady anaran’ny bokiny dia hoe Yir·meyahʹ na hoe Yir·meyaʹhu, izay mety hidika hoe “Manandratra i Jehovah, na hoe Manafaka i Jehovah [angamba avy ao am-bohoka]”. Miseho ao amin’ny lisitra rehetra misy ny Soratra Hebreo ilay boky, ary mazàna dia ekena ny maha-kanônika azy. Ny fahatanterahana mampihetsi-po lalin’ireo faminaniana nandritra ny androm-piainan’i Jeremia mihitsy dia manamarina amin’ny fomba feno ny maha-azo itokiana azy. Ambonin’izany, i Jeremia dia tononina anarana imbetsaka ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. (Matio 2:17, 18; 16:14; 27:9). Ny hoe nianatra ny bokin’i Jeremia i Jesosy, dia miharihary amin’ny fampiasany ny fiteny ao amin’ny Jeremia 7:11 niaraka tamin’ilay ao amin’ny Isaia 56:7, rehefa nanadio ny tempoly izy. (Marka 11:17; Lioka 19:46). Noho ny fahasahian’i Jesosy sy ny herim-pony, dia nisy mihitsy aza nieritreritra fa i Jeremia izy. (Matio 16:13, 14). Ny faminanian’i Jeremia momba ny fanekena vaovao iray, (Jer. 31:31-34), dia asian’i Paoly firesahana ao amin’ny Hebreo 8:8-12 sy Heb 10:16, 17. Nanonona ny Jeremia 9:23 i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.” (1 Kor. 1:31). Ao amin’ny Apokalypsy 18:21, dia misy fampiharana mahery kokoa aza an’ilay fanoharan’i Jeremia, (Jer. 51:63, 64), momba ny fianjeran’i Babylona.

4. Ahoana no anohanan’ny arkeolojia ilay firaketana an-tsoratra?

4 Ireo zavatra hitan’ny arkeolojia koa dia manohana ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Jeremia. Ohatra, ny tantara voalahatra babyloniana iray dia mitantara ny amin’ny nakan’i Nebokadnezara (Nebokadrezara) an’i Jerosalema tamin’ny 617 al.f.i., fony izy nisambotra ny mpanjaka (Joiakina) sy nanendry mpanjaka hafa iray nofidin’ny tenany (Zedekia). — 24:1; 29:1, 2; 37:1. a

5. a) Inona no fantatra momba ny tenan’i Jeremia mihitsy? b) Inona no azo lazaina momba ny fomba fanorany?

5 Manana filazana momba ny fiainan’i Jeremia feno kokoa noho ny an’ny mpaminany tranainy hafa rehetra, afa-tsy i Mosesy, isika. Mampiharihary zavatra be dia be momba ny tenany sy ny zavatra tsapany ary ny fihetseham-pony i Jeremia, izany dia mampiseho fahasahiana sy herim-po tsy nisy tahotra, izay niharo fanetren-tena sy fo naneho fitiavana. Tsy vitan’ny hoe mpaminany fotsiny izy, fa mpisorona sy mpanambatra ireo fanazavana ilaina ho an’ny Soratra Masina ary mpanoratra tantara araka ny marina, koa. Izy dia zanak’i Hilkia mpisorona tany Anatota, tanànan’ny mpisorona tany amin’ny tany avaratr’i Jerosalema, “tamin’ny tanin’i Benjamina”. (1:1). Mazava tsara sy mivantana ary mora azo ny fomba fanoratr’i Jeremia. Tondraka ireo fanoharana sy sarin-teny ao amin’ilay boky izay voaforona soratra tsy miendrika tononkalo ary koa tononkalo.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JEREMIA

6. Ahoana no nandaharana ireo fanazavana momba ireo foto-kevitra ao amin’ilay faminaniana?

6 Ilay fanazavana ao dia nalahatra, tsy araka ny fandehan’ny fotoana akory, fa araka ireo fanazavana momba ireo foto-kevitra. Araka izany, dia misy fiovana maro ao amin’ilay fitantarana raha ny amin’ny fotoana sy ny toe-javatra nitranga. Farany, ny fahafoanan’i Jerosalema sy i Joda dia lazalazaina amin’ny an-tsipiriany be dia be aoka izany ao amin’ny toko faha-52. Izany dia tsy vitan’ny hoe mampiseho ny fahatanterahan’ny tapany maro amin’ilay faminaniana, fa manome koa ny tarehin-javatra tamin’ny fotoana nanoratana ny bokin’ny Fitomaniana, izay manaraka ny bokin’i Jeremia.

7. Ahoana no nahatongavan’i Jeremia ho mpaminany, ary ahoana no nanomezan’i Jehovah toky azy?

7 Naniraka an’i Jeremia i Jehovah (1:1-19). Moa ve noho i Jeremia naniry ho mpaminany na noho izy avy tamin’ny fianakavian’ny mpisorona, no nanirahana azy? I Jehovah mihitsy no manazava izany toy izao: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.” Fanendrena avy tamin’i Jehovah ilay izy. Vonona ny handeha ve i Jeremia? Tamim-panetren-tena izy dia nanolotra ilay fialan-tsiny hoe “Mbola zaza aho”. Nanome toky azy toy izao i Jehovah: “Efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.” Tsy tokony hatahotra i Jeremia. “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” — 1:5, 6, 9, 10, 19.

8. a) Tamin’ny ahoana i Jerosalema no tsy nahatoky? b) Ahoana no hitondran’i Jehovah loza?

8 Jerosalema, vady tsy nahatoky (2:1–6:30). Hafatra toy inona no nentin’ny tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia? Nanadino ny fitiavany voalohany i Jerosalema. Nandao an’i Jehovah, ilay Loharanon-drano velona (NW ), izy ary nijangajanga tamin’andriamani-kafa. Karazam-boaloboka tsara dia tsara izy taloha nefa nanjary ‘sampany ratsy, voaloboka hafa’. (2:21). Voaloton’ny ran’ireo nahantra (NW ) tsy nanan-tsiny ny sisin-dambany. Na dia i Isiraely mpijangajanga aza dia hita fa marimarina kokoa noho i Joda. Niantso an’ireo zanaka mpiodina ireo mba hiverina Andriamanitra, satria vadin’izy ireo izy. Vady nivadika anefa izy ireo. Nahazo niverina izy ireo raha nanaisotra ny fahavetavetany sy namora ny fony. “Manangàna faneva manandrify an’i Ziona”, fa hahatonga loza avy any avaratra i Jehovah. (4:6). Fandringanana! Toy ny liona avy any anaty kirihitr’ala, toy ny rivo-mahamay any an’efitra, miaraka amin’ny kalesy tahaka ny tadio, dia toy izany no hahatongavan’ilay mpampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah.

9. a) Teny inona no nataon’i Jeremia tamin’i Jerosalema naditra? b) Nisy nilana azy ve ireo hiaka nataon’izy ireo ho an’ny fiadanana?

9 Miveziveze eny Jerosalema. Inona no hitanao? Tsy nisy afa-tsy fandikan-dalàna (NW ) sy tsy fahatokiana! Nahafoy an’i Jehovah ilay vahoaka, ka tsy maintsy ho tonga toy ny afo handevona azy ireo tahaka ny kitay hazo, ny teniny tao am-bavan’i Jeremia. Tsy misy hafa amin’ny nandaozan’izy ireo an’i Jehovah mba hanompoana andriamani-kafa, no hanaovany izay hanompoan’izy ireo firenen-kafa any an-tany hafa. Mponina maditra re izany! Nana-maso izy fa tsy nahita, ary nanan-tsofina izy fa tsy nandre. Endre izany zava-nahatsiravina! Naminany lainga tokoa ireo mpaminany sy mpisorona, ‘ary ny oloko nankasitraka izany’, hoy i Jehovah. (5:31). Nisy loza nanatona avy tany avaratra, kanefa “izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa”. Hoy izy ireo: “Fiadanana, fiadanana; kanjo tsy misy fiadanana tsinona!” (6:13, 14). Ho avy tampoka anefa ilay mpandringana. Notendren’i Jehovah ho mpizaha toetra teo amin’izy ireo i Jeremia, kanefa tsy nisy afa-tsy tain-drendrika sy volafotsy tsy lany. Ratsy tanteraka izy ireo.

10. Nahoana i Jerosalema no tsy maintsy niharan’ny fiafarana nitovy tamin’izay nanjo an’i Silo sy i Efraima?

10 Fampitandremana fa hoe tsy fiarovana akory ny tempoly (7:1–10:25). Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, ka tokony hanao fanambarana (NW ) teo amin’ny vavahadin’ny tempoly izy. Henoy izy nihiaka toy izao tamin’ireo izay niditra: ‘Mandoka tena ianareo noho ny tempolin’i Jehovah, kanefa inona no ataonareo? Mampahory ny kamboty sy ny mpitondratena ianareo, mandatsaka ra marina, manaraka andriamani-kafa, mangalatra, mamono olona, [manitsakitsa-bady, NW ], mianian-tsy to, ary mandoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala! Mpihatsaravelatsihy! Nataonareo “zohy fieren’ny jiolahy” ny tranon’i Jehovah. Tsarovy izay nataon’i Jehovah tany Silo. Hataony toy izany koa ny tranonareo, ry Joda, ary hesoriny hiala eo anatrehany ianareo, tsy misy hafa amin’ny nanesorany an’i Efraima (Isiraely) tany avaratra.’ — Jer. 7:4-11; 1 Sam. 2:12-14; 3:11-14; 4:12-22.

11. Nahoana ny Joda no tsy azo nanaovana vavaka intsony?

11 Tsy azo nanaovana vavaka intsony ny Joda. Nanao mofo hatao fanatitra ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” mihitsy aza ilay vahoaka! Tena marina fa “ity no firenena tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; very ny fahamarinana”. (Jer. 7:18, 28). Nametraka fahavetavetana tao an-tranon’i Jehovah ny Joda, ary nandoro ny zanany lahy sy ny zanany vavy teo amin’ny fitoerana avon’i Tofeta tao amin’ny lohasahan’i Hinoma. Indro, hantsoina hoe “Lohasaha Famonoana” izy, ary ny fatiny dia ho fihinan’ny voro-manidina sy ny biby dia. (7:32). Tsy maintsy hitsahatra ny fifaliana sy ny firavoravoana ao Joda sy ao Jerosalema.

12. Tsy fiadanana, fa inona kosa no nahazo ny Joda sy ireo andriamanitra nanjary nivavahany?

12 Nanantena fiadanana sy fanasitranana izy ireo, kanjo, indro, fampitahorana! Fielezana, fandripahana (NW ), ary fidradradradrana no ho vokatry ny ditrany. ‘Jehovah no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay.’ Raha ny amin’ireo andriamanitra izay tsy nanao ny lanitra sy ny tany, dia tsy misy fofon’aina akory ao amin’izy ireo. Zava-poana sy asa mahatsikaiky foana izy ireo ka ho levona. (10:10-15). Hatorak’i Jehovah ho indray misidina toy ny vaton’antsamotady ny mponina amin’ny tany. Injany! Fihorakorahana be avy tany avaratra mba hahatonga ireo tanànan’ny Joda ho lao. Miaiky ilay mpaminany fa ‘Tsy an’ny olombelona ny hahalavorary ny diany’, ary mivavaka mba hahazoana fananarana mba tsy ho tonga tsinontsinona. — 10:23.

13. Nahoana i Jeremia no norarana tsy hivavaka ho an’ny Joda, ary ahoana no nanatanjahan’i Jehovah an’i Jeremia tamin’ny fotoana iray nisian’ny loza?

13 Voaozona ireo mpivadika tamin’ny fanekena (11:1–12:17). Tsy nankato ny tenin’ilay fanekena nifanaovany tamin’i Jehovah ny Joda. Tsy nisy nilan’ilay vahoaka hitaraina. Tsy tokony hivavaka ho an’ny Joda i Jeremia, satria i Jehovah efa ‘nandrehitra afo’ tamin’io hazo oliva maitso taloha io. (11:16). Rehefa niray tetika mba handringana azy ny mpiara-monina tamin’i Jeremia tao Anatota, dia nitodika tany amin’i Jehovah ilay mpaminany mba hahazoana tanjaka sy fanampiana. Nampanantena ny hitondra famaliana tamin’i Anatota i Jehovah. Nanontany i Jeremia hoe: ‘Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy?’ Nanome toky azy i Jehovah hoe: ‘Hongotako sy haringako ilay firenena tsy nankato.’ — 12:1, 17.

14. a) Tamin’ny alalan’ny fanoharana inona avy no nampahafantaran’i Jehovah fa tsy azo nahitsy intsony i Jerosalema ary koa fa tsy azo navadika intsony ny didim-pitsarana nihatra taminy? b) Inona no vokatry ny nihinanan’i Jeremia ny tenin’i Jehovah?

14 Tsy azo nahitsy intsony i Jerosalema ka ho ratsy ny fiafarany (13:1–15:21). Tantarain’i Jeremia ny nanirahan’i Jehovah azy hametraka fehin-kibo rongony iray teo amin’ny kibony ary avy eo dia hanafina azy io tao amin’ny harambato iray teo amoron’i Eofrata. Rehefa nandeha nihady azy i Jeremia, dia simba ilay izy. “Tsy azo natao na inona na inona intsony” ilay izy. Toy izany no nampisehoan’i Jehovah ny fahatapahan-keviny ‘hanimba ny avonavon’ny Joda sy ny haben’ny avonavon’i Jerosalema’. (13:7, 9). Hampifameleziny ao amin’ny fahamamoany (NW ), toy ny tavoara lehibe feno divay, izy ireo. “Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany?” (13:23). Tsy misy hafa amin’izany koa fa tsy azo ahitsy intsony i Jerosalema. Tsy tokony hivavaka ho an’ireo olona ireo i Jeremia. Na dia tonga teo anatrehan’i Jehovah aza i Mosesy sy i Samoela mba hanelanelana (NW ) ho azy ireo, dia tsy hihaino izy, satria efa nanapa-kevitra ny handringana an’i Jerosalema izy. Nanatanjaka an’i Jeremia teo anatrehan’ireo mpandatsa azy i Jehovah. Hitan’i Jeremia ny tenin’i Jehovah ary nohaniny, ka niteraka ‘fifaliana sy firavoravoan’ny fony’ izany. (15:16). Tsy fotoana hanaovana vazivazy (NW ) tamin’izay, fa fotoana hitokiana tamin’i Jehovah, izay nampanantena ny hanao an’i Jeremia ho manda varahina mafy (NW ) teo anatrehan’ilay vahoaka.

15. a) Inona no naha-zava-dehibe ny fotoana tamin’izay, ary didy inona no nanamafisan’i Jehovah izany? b) Ahoana no hahafantaran’ny olona ny anaran’i Jehovah, ary nahoana no tsy namitaka azy ny fahotan’izy ireo?

15 Handefa mpamovo (mpanjono, NW ) sy mpihaza i Jehovah (16:1–17:27). Teo anoloan’ilay fahafoanana efa antomotra, dia nandidy an’i Jeremia toy izao i Jehovah: “Aza manam-bady hianao, ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin’ity tany ity.” (16:2). Tsy fotoana hisaonana na hanaovana fanasana niaraka tamin’ny vahoaka tamin’izay, satria i Jehovah efa handroaka azy ireo hiala tamin’ilay tany. Avy eo koa i Jehovah dia nampanantena ny handefa ‘mpanjono hanjono sy mpihaza hihaza’, ary rehefa hanatanteraka ireo rehetra ireo izy, dia ‘ho fantany fa Jehovah no anarany’. (16:16, NW, 21). Ny fahotan’i Joda dia voasoratra tao am-pon’ny olona tamin’ny vy fanoratana, eny tamin’ny diamondra fanoratana. “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”, kanefa i Jehovah dia afaka mandinika ny fo. Tsy misy afaka mamitaka azy. Ireo nivadi-pinoana (NW ) dia “nahafoy an’i Jehovah, loharano velona”. (17:9, 13). Raha tsy nanamasina ny andro Sabata ny Joda, dia handevona ny vavahadiny sy ny tranobeny amin’ny afo i Jehovah.

16. Inona no nasehon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny ohatra ny amin’ilay mpanefy tanimanga sy ireo vilany tanimanga?

16 Ny mpanefy tanimanga sy ny tanimanga (18:1–19:15). Nandidy an’i Jeremia mba hidina ho any amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga i Jehovah. Tany izy dia nandinika ny namadihan’ilay mpanefy tanimanga ny vilany simba iray, ho vilany hafa iray araka izay tiany. Avy eo i Jehovah dia nanambara fa Mpanefy ny taranak’i Isiraely ny tenany, nanana ny fahefana hanjera na hanorina. Nanaraka izany izy dia nilaza tamin’i Jeremia mba hitondra tavoara tanimanga iray tany amin’ny Lohasahan’i Hinoma, ka rehefa tany, dia hanambara loza avy tamin’i Jehovah satria efa nameno ilay tanàna tamin’ny ra marina ilay vahoaka, tamin’ny fandoroana ny zanany tamin’ny afo ho fanatitra dorana ho an’i Bala. Avy eo i Jeremia dia tsy maintsy nanorotoro ilay tavoara ho famantarana ny hanorotoroan’i Jehovah an’i Jerosalema sy ny firenen’i Joda.

17. Fanandraman-javatra nangidy inona no nandalovan’i Jeremia, kanefa nampangina azy ve izany?

17 Tsy hisy filavoana lefona tao anatin’ny fanenjehana (20:1-18). Sosotra noho ny fitorian’i Jeremia tamim-pahasahiana i Pasora, mpiandraikitra ny tempoly, ka namatotra azy tamin’ny boloky hazo nandritra ny indray alina. Rehefa nafahana i Jeremia, dia nanambara mialoha fa ho lasan-ko babo ary ho faty any Babylona i Pasora. Nalahelo noho ny fanesoana sy ny fanakianana natao taminy i Jeremia, ka nihevitra ny hilavo lefona. Kanefa tsy afaka ny hangina fotsiny izy. Tonga toy ny ‘afo nirehitra tao am-pony, voahidy tao amin’ny taolany’, ny tenin’i Jehovah, hany ka voatery niteny izy. Na dia nanozona ny andro nahaterahany aza izy, dia nihiaka hoe: “Mihirà ho an’i Jehovah, miderà an’i Jehovah; fa Izy namonjy ny fanahin’ny malahelo tamin’ny tànan’ny mpanao ratsy.” — 20:9, 13.

18. Inona no nampahafantarin’i Jeremia an’i Zedekia?

18 Ny fahatezeran’i Jehovah tamin’ireo mpanapaka (21:1–22:30). Ho valin’ny fanontaniana avy tamin’i Zedekia, dia nampahafantatra azy ny amin’ny fisafoahan’i Jehovah tamin’ilay tanàna i Jeremia: Hanao fahirano azy io ny mpanjakan’i Babylona, ary ho ringana noho ny areti-mandringana, ny sabatra, ny mosary ary ny afo, izy io. I Saloma (Joahaza) dia ho faty any an-tsesitany (NW ), i Joiakima dia halevina toy ny fandevina boriky ary i Jekonia (Joiakina) zanany dia hariana hiala avy ao Joda ka ho faty any Babylona.

19. Inona no faminanian’i Jeremia momba ny “Solofo marina” iray, ary inona no asehon’ny ohatra ny amin’ireo sobikin’aviavy roa?

19 Fanantenana “Solofo marina iray” (23:1–24:10). Nampanantena tena mpiandry mba hisolo toerana an’ireo mpiandry sandoka i Jehovah, ary koa “Solofo marina iray” (f.a.p.) avy amin’ny firazanan’i Davida, dia mpanjaka iray izay “hanjaka (...) sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany”. Ny anarany? “Izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.” Hanangona ny sisa niparitaka (NW ) izy. (23:5, 6). Raha isan’ny mpihevitra teo amin’i Jehovah ireo mpaminany, dia ho nahatonga ilay vahoaka hihaino (NW ) ary ho namerina azy hiala tamin’ny lalany ratsy. “Mampivily ny oloko amin’ny laingany” kosa izy ireo, hoy i Jehovah. (23:22, 32). “Indreo, nisy aviavy roa sobiky”. Nampiasa ny ohatra ny amin’ireo aviavy tsara sy aviavy ratsy i Jeremia mba hampisehoana fa hisy sisa mahatoky hiverina any amin’ny taniny, hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary koa kilasy hafa iray hiharan-doza ka ho lany ritra. — 24:1, 5, 8-10.

20. Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Babylona ho toy ny mpanompony, kanefa inona kosa no ho fiafarana hanjo azy?

20 Ny ady hevitr’i Jehovah tamin’ireo firenena (25:1-38). Itỳ toko itỳ dia famintinana ireo didim-pitsarana izay miseho amin’ny an-tsipiriany kokoa ao amin’ny toko faha-45 ka hatramin’ny faha-49. Amin’ny alalan’ny faminaniana telo mifanitsy, i Jehovah izao dia nilaza ny amin’ny loza hanjo ny firenena rehetra teto an-tany. Voalohany aloha, i Nebokadnezara dia ampahafantarina ho ny mpanompon’i Jehovah handrava an’i Joda sy ireo firenena nanodidina, “ary ireto firenena rehetra ireto [dia] hanompo ny mpanjakan’i Babylona fito-polo taona”. Avy eo dia ho anjaran’i Babylona, ka ho “rava mandrakizay” izy. — 25:1-14.

21. Iza no tsy maintsy misotro ny kapoaky ny fahatezeran’i Jehovah? Inona no ho vokatr’izany?

21 Ilay faminaniana faharoa dia ny fahitana ny amin’ny kapoaky ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah. Tsy maintsy nitondra io kapoaka io tany amin’ireo firenena i Jeremia, ary “hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina” noho ny fandringanan’i Jehovah ho avy aminy. Voalohany aloha, dia tany amin’i Jerosalema sy i Joda! Avy eo dia tany Egypta, niverina tany Filistia, niampita nankany Edoma, niakatra nankany Tyro, tany amin’ny tany akaiky sy lavitra, ary tany amin’ny “fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo”. ‘Hisotro sy handoa ary hianjera izy ireo.’ Tsy hisy hotsimbinina na iray aza. — 25:15-29.

22. Loza lehibe inona no hanehoan’i Jehovah ny firehetan’ny fahatezerany?

22 Ao amin’ilay faminaniana fahatelo i Jeremia dia nahavita nanoratra tononkalo faran’izay kanto. “Jehovah [dia] hierona any ambony (...) hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany.” Fihorakorahana, loza, tafio-drivotra mahery! “Ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa”. Tsy hisy fitomaniana, na fandevenana. Ho zezika eny ambonin’ny tany ireny. Hovonoina ho faty ireo mpiandry sandoka, miaraka amin’ireo zokiny amin’ny ondriny. Tsy hanam-pahafahana izy ireo. Henoy ny fidradradradrany! “Efa nosimban’i Jehovah ny saha fiandrasana azy (...) noho ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah.” — 25:30-38.

23. a) Firaisan-tetika inona no natao mba hamelezana an’i Jeremia, inona no teny nataony ho fiarovan-tena, ary modely inona avy no nasiana firesahana tamin’ny fanambarana azy ho tsy meloka? b) Ahoana no nampisehoan’i Jeremia ny fahababoana babyloniana, ary faminaniana inona momba an’i Hanania no tanteraka?

23 Voamarina i Jeremia (26:1–28:17). Niray tetika mba hamono an’i Jeremia ireo mpanapaka sy ny vahoaka. Nanao teny ho fiarovan-tena i Jeremia. Ny tenin’i Jehovah no nolazainy. Raha hamono azy izy ireo, dia hamono olona tsy manan-tsiny (NW ) iray. Ny didim-pitsarana: tsy meloka izy. Nampiditra ireo modely tamin’ny raharahan’i Mika sy i Oria tao amin’ny raharahan’i Jeremia, ireo loholona. Nanaraka izany, i Jehovah dia nandidy an’i Jeremia mba hanao famatorana sy zioga, hanao izany teo am-bozony, ary avy eo dia hampanatitra izany tany amin’ireo firenena nanodidina ho famantarana fa tsy maintsy nanompo ny mpanjakan’i Babylona nandritra ny fanapahan’ny taranaka telo nisesy, izy ireo. Nanohitra an’i Jeremia i Hanania, iray tamin’ireo mpaminany sandoka. Nambarany fa ho tapaka tao anatin’ny roa taona ny ziogan’i Babylona, ary nasehony izany tamin’ny fanapahana ilay zioga hazo. Nanamafy ny faminaniany i Jehovah tamin’ny fanasana an’i Jeremia hanao zioga vy ary hanambara mialoha fa tsy maintsy ho faty tamin’izany taona izany i Hanania. Maty tokoa i Hanania.

24. a) Hafatra inona no nalefan’i Jeremia ho an’ireo natao sesitany tany Babylona? b) Amin’iza no hanaovan’i Jehovah fanekena vaovao, ary amin’ny ahoana izy io no lehibe noho ilay fanekena teo aloha?

24 Fampiononana ho an’ireo natao sesitany tany Babylona (29:1–31:40). Nanoratra toy izao ho an’ireo natao sesitany tany Babylona niaraka tamin’i Jekonia (Joiakina) i Jeremia: Manorena fonenana any, satria alohan’ny hampodian’i Jehovah anareo, dia hisy 70 taona ho lany any an-tsesitany. Nandidy an’i Jeremia mba hanoratra ny amin’ny fiverenan’izy ireo tao amin’ny boky iray toy izao i Jehovah: Hotapahin’i Jehovah ny ziogan’izy ireo, ary “izy hanompo an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida Mpanjakany, Izay hatsangako [Jehovah] ho azy”. (30:9, f.a.p.). Tsy maintsy mampitsahatra ny fitomaniany i Rahely, satria “hody avy any amin’ny tanin’ny fahavalo” ny zanany. (31:16). Ary izao dia indro fanambarana feno toky avy tamin’i Jehovah! Hanao fanekena vaovao amin’ny taranak’i Isiraely sy i Joda izy. Ho lehibe lavitra noho ilay fanekena nivadihan’izy ireo, izy io! Hosoratan’i Jehovah lalina dia lalina, ao am-pon’izy ireo, ny lalàny. “Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.” Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, dia samy hahalala an’i Jehovah izy rehetra, ary havelany ny helok’izy ireo. (31:31-34). Haorina indray ny tanànany, ho zavatra masina ho an’i Jehovah.

25. Ahoana no nanamafisana ny naha-azo antoka ny famerenana ny Isiraely tany amin’ny taniny, ary vaovao inona no nentin’ny tenin’i Jehovah?

25 Azo antoka ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida (32:1–34:22). Nandritra ny fanaovan’i Nebokadnezara fahirano farany an’i Jerosalema, dia nambenana i Jeremia. Kanefa, ho famantarana fa azo antoka ny hamerenan’i Jehovah ny Isiraely tany amin’ny taniny, dia nividy tany iray tao Anatota i Jeremia ary nanokana ireo taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, tao anaty vilany tany iray. Nitondra izao vaovao tsara (NW ) izao ny tenin’i Jehovah: Hifaly indray i Joda sy i Jerosalema, ary hanatanteraka ny fanekena nataony tamin’i Davida i Jehovah. Fa ianao kosa, ry Zedekia, dia raiso ny fampitandremana fa ny mpanjakan’i Babylona dia handoro itỳ tanàna itỳ amin’ny afo ary ny tenanao dia ho lasan-ko babo any Babylona. Lozan’ireo nanana mpanompo izay nanaiky ny hanafaka ny mpanompony, kanefa nivadika tamin’ny fanekeny!

26. Fampanantenana inona no nomen’i Jehovah an’ireo Rekabita, ary nahoana?

26 Ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Rekaba (35:1-19). Tamin’ny andron’i Joiakima Mpanjaka, dia naniraka an’i Jeremia ho any amin’ireo Rekabita i Jehovah. Nitady fialofana tany Jerosalema ireo, raha vao nanatona ny Babyloniana. Nanolotra divay ho azy ireo i Jeremia mba hosotroiny. Nanda izy ireo noho ny baikon’i Jonadaba razany, izay nomeny 250 taona mahery talohan’izay. Fifanoheran-javatra nanaitra tokoa re izany raha noharina tamin’ny lalan’ny tsy fahatokiana narahin’ny Joda! Nampanantena azy ireo toy izao i Jehovah: “Jonadaba, zanak’i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.” — 35:19.

27. Inona no nahatonga ny fanoratana indray ireo faminanian’i Jeremia ho tsy maintsy natao?

27 Nanoratra ilay boky indray i Jeremia (36:1-32). Nanome baiko an’i Jeremia mba handray an-tsoratra ny teny rehetra tamin’ireo faminaniana azony hatramin’izay, i Jehovah. Notononin’i Jeremia tamin’i Baroka izy ireo, ka io avy eo dia namaky azy ireo teo anatrehan’ny vahoaka tao an-tranon’i Jehovah tamin’ny andro fifadian-kanina. Nampaka ilay horonan-taratasy i Joiakima Mpanjaka, ary, rehefa avy nahare tapany taminy, dia notapatapahiny tamim-pahatezerana ilay izy, ary natsipitsipiny tao am-patana. Nandidy ny hisamborana an’i Jeremia sy i Baroka izy, kanefa nanafina azy ireo i Jehovah ary nilaza tamin’i Jeremia mba hanoratra kopia hafa iray.

28. a) Faminaniana inona avy no nataon’i Jeremia tsy an-kijanona? b) Tamin’ny ahoana no nifanoheran’ny lalana narahin’i Ebeda-meleka tamin’ny an’ireo mpanapaka?

28 Ireo andro faran’i Jerosalema (38:1–39:18). Miverina any amin’ny fotoana nanjakan’i Zedekia ilay firaketana an-tsoratra. Nangataka an’i Jeremia mba hivavaka tamin’i Jehovah ho an’i Joda, ilay mpanjaka. Nanda ilay mpaminany, ka nilaza fa azo antoka ny ho fiafarana ratsin’i Jerosalema. Nanandrana ny hankany Anatota i Jeremia kanefa nosamborina ho toy ny mpandositra, nokapohina ary natao an-tranomaizina nandritra ny andro maro. Avy eo i Zedekia dia nampiantso azy. Nisy teny avy tamin’i Jehovah ve? Tena nisy tokoa! “Hatolotra eo an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona hianao.” (37:17). Tezitra noho ireo faminaniana nataon’i Jeremia tsy an-kijanona momba ny ho fiafarana ratsy, ireo mpanapaka, ka nanipy azy tao amin’ny lavaka famorian-drano iray feno fotaka. I Ebeda-meleka Etiopiana, ionoka (NW ) tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nanelanelana ho azy tamin-katsaram-panahy, hany ka voavonjy tamin’ny fahafatesana nanatona moramora i Jeremia. Kanefa dia mbola notanana tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ihany izy. Nampiantso an’i Jeremia ho eo anatrehany indray i Zedekia, kanjo tsy nilazana afa-tsy ny hoe: ‘Na hitolo-batana amin’ny mpanjakan’i Babylona ianao, na hiatrika fahababoana sy ny fandringanana an’i Jerosalema!’ — 38:17, 18.

29. Loza inona izao no nahavoa an’i Jerosalema, kanefa ahoana no niafaran’i Jeremia sy i Ebeda-meleka?

29 Naharitra 18 volana ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema, ary avy eo ilay tanàna dia nogorobahana (NW ) tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia. Nandositra niaraka tamin’ny tafiny ilay mpanjaka, kanefa tratra. Novonoina teo imasony ireo zanany lahy sy ireo nanan-kaja, ary izy kosa, dia nopotsirina ny masony ary nentina tany Babylona tamin’ny gadra varahina izy. Nodorana tamin’ny afo ilay tanàna ka navela ho antontan-javatra rava, ary ny rehetra dia natao sesitany tany Babylona, afa-tsy olona nahantra vitsivitsy. Araka ny baikon’i Nebokadnezara, dia nafahana avy tao amin’ilay kianja i Jeremia. Talohan’ny nanafahana azy, izy dia nilaza tamin’i Ebeda-meleka ny amin’ny fampanantenan’i Jehovah hamonjy azy, ‘satria natoky an’i Jehovah izy’. — 39:18.

30. Ahoana no tsy nitandreman’ny vahoaka sisa velona ny torohevitr’i Jeremia, ary didim-pitsarana inona ny amin’ny ho fiafarana ratsy no nampahafantarin’i Jeremia tany Egypta?

30 Ireo fisehoan-javatra farany tao Mizpa sy tany Egypta (40:1–44:30). Nijanona tao Mizpa niaraka tamin’i Gedalia, izay notendren’ny Babyloniana ho governora teo amin’ireo olona sisa velona, i Jeremia. Rehefa afaka roa volana, dia nisy namono i Gedalia. Nitady ny torohevitr’i Jeremia ny vahoaka, ary dia nampita ny tenin’Andriamanitra toy izao taminy izy: ‘Tsy hongotan’i Jehovah amin’itỳ tany itỳ ianareo. Aza matahotra noho ny mpanjakan’i Babylona. Fa raha miditra any Egypta kosa ianareo, dia ho faty!’ Nankany Egypta izy ireo, nitondra an’i Jeremia sy i Baroka niaraka taminy. Tany Tapanesa, tany Egypta, dia nampahafantatra ny didim-pitsaran’i Jehovah ny amin’ny fiafarana ratsy toy izao i Jeremia: Hametraka ny seza fiandrianany ao Egypta ny mpanjakan’i Babylona. Tsy nisy nilana ny hivavahan’ny Isiraely tamin’ireo andriamanitr’i Egypta sy ny hamerenany indray ny fanaterana fanatitra ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra”. Hadinon’izy ireo angaha ny nanafoanan’i Jehovah an’i Jerosalema noho ny fanompoan-tsampiny? Hahatonga loza aminy any amin’ny tanin’i Egypta i Jehovah, ary tsy hiverina any Joda izy ireo. Ho famantarana, dia hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ireo fahavalony i Farao-hofra mihitsy.

31. Toky inona no nomena an’i Baroka?

31 Ny ho anjaran’i Baroka (45:1-5). Nalahelo mafy i Baroka nahare ireo faminaniana niverimberina nataon’i Jeremia momba ilay ho fiafarana ratsy. Nilazana izy mba hieritreritra voalohany indrindra ny asa fanorenana sy fandravana nataon’i Jehovah, fa tsy ‘hitady zavatra lehibe’ ho an’ny tenany kosa. (45:5). Hovonjena amin’ny loza rehetra izy.

32. Amin’iza no hahatongavan’ny “sabatr’i Jehovah”?

32 Ny famelezan’ny sabatr’i Jehovah ireo firenena (46:1–49:39). Milaza momba ireo fandresen’i Babylona an’i Egypta tao Karkemisy sy tany an-toeran-kafa, i Jeremia. Na dia ho lany ringana aza ireo firenena, i Jakoba kosa dia hitoetra, kanefa tsy ho afa-maina. Ny “sabatr’i Jehovah” dia ho tonga hamely ny Filistina, hamely an’i Moaba niavonavona sy an’i Amona mpirehareha, hamely an’i Edoma sy i Damaskosy, an’i Kedara sy i Hazora. (47:6). Ho tapatapaka ny tsipìkan’i Elama.

33. a) Inona no hitranga amin’ilay kapoaka volamena, dia i Babylona? b) Noho izany, ahoana no tsy maintsy ho fihetsiky ny vahoakan’Andriamanitra?

33 Ny famelezan’ny sabatr’i Jehovah an’i Babylona (50:1–51:64). Miresaka momba an’i Babylona i Jehovah: Torio amin’ny firenena izany fa aza afenina. Voababo (NW ) i Babylona ary mangaihay ireo andriamaniny. Mandosira hiala azy. Io tantanan’ny mpanefy vy (NW ) io, izay nanamontsana ireo firenena tamin’ny tany rehetra, dia natao torotoro kosa. “Ry Ifiavonavonana”, mpampahory ny Isiraely sy ny Joda voababo, fantaro fa i Jehovah no Mpanavotra azy ireo. Ho fonenan’ny biby dia sy ny kary i Babylona. “Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora (...) no tsy hisian’olona honina any”. (50:31, 40). Kapoaka volamena teny an-tanan’i Jehovah i Babylona, mba hahamamo ireo firenena, kanefa tampoka teo dia nianjera (NW ) izy, hany ka tapaka (NW ) koa. Idradradradrao izy. Efa nampirisika ny fanahin’ny mpanjakan’ny Mediana mba handringana azy, i Jehovah. Nitsahatra tamin’ny ady ny lehilahy maherin’i Babylona. Tonga toy ny vehivavy izy ireo. I Babylona zanakavavy dia hohosena tahaka ny famoloana. “Hatory amin’ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony.” Nanafotra an’i Babylona ny ranomasina ary nanarona azy ny habetsahan’ny onja. “Mivoaha avy ao afovoany hianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy hianareo, mba tsy ho azon’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah.” (51:39, 45). Henoy (NW ) ny feo mitaraina, ny fandringanana be avy any Babylona! Tsy maintsy ho tapatapaka ny fitaovam-piadian’i Babylona, satria i Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.

34. Famantarana inona no nampiseho ny fianjeran’i Babylona?

34 Nandidy an’i Seraia toy izao i Jeremia: ‘Mankanesa any Babylona ary vakio ireo tenin’ny faminaniana ny amin’i Babylona ireo. Avy eo dia asio vato afehy amin’ilay boky ary atsipazo ao Eofrata izy. “Ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy.” ’ — 51:61-64.

35. Firaketana an-tsoratra inona no manaraka izao?

35 Firaketana an-tsoratra ny amin’ny nianjeran’i Jerosalema (52:1-34). Itỳ fitantarana itỳ dia saika nitovy tanteraka tamin’ilay voafaoka teo aloha tao amin’ny 2 Mpanjaka 24:18-20 sy 25:1-21, 27-30.

MAHASOA — NAHOANA?

36. a) Ohatra ny amin’ny zotom-po feno herim-po inona no hitantsika ao amin’ny Jeremia? b) Amin’ny heviny ahoana avy i Baroka sy ireo Rekabita ary i Ebeda-meleka no ohatra tsara dia tsara ho antsika koa?

36 Itỳ faminaniana ara-tsindrimandry itỳ dia sady mampahery no mahasoa. Jereo ny ohatra feno herim-pon’ilay mpaminany mihitsy. Tsy nanan-tahotra izy nanambara hafatra iray tsy tian’ny olona tamin’ny vahoaka iray tsy natahotra an’Andriamanitra. Nanda ny fiarahana tamin’ny ratsy fanahy izy. Nahatakatra ny naha-maika dia maika ny hafatr’i Jehovah izy, ka nanokan-tena tamin’ny fony rehetra ho an’ny asan’i Jehovah ary tsy nilavo lefona na oviana na oviana. Hitany fa toy ny afo tao amin’ny taolany ny tenin’Andriamanitra, ary firavoravoana sy fifalian’ny fony ilay izy. (Jer. 15:16-20; 20:8-13). Enga anie isika ho be zotom-po ho an’ny tenin’i Jehovah toy izany! Enga anie koa isika hanohana amim-pahatokiana ireo mpanompon’Andriamanitra, toy ny nataon’i Baroka tamin’i Jeremia. Ny fankatoavan’ireo Rekabita tamim-pahatsoram-po koa dia ohatra faran’izay tsara ho antsika. Ary toy izany koa ny fanehoan’i Ebeda-meleka fiheverana tamin-katsaram-panahy an’ilay mpaminany nenjehina. — 36:8-19, 32; 35:1-19; 38:7-13; 39:15-18.

37. Amin’ny ahoana ny fandinihana an’i Jeremia no manatanjaka ny finoana ny herin’i Jehovah haminany?

37 Mampitolagaga ny nahatanterahan’ny tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia araka ny marina tsara. Azo antoka fa manatanjaka ny finoana ny herin’i Jehovah haminany, izany. Raiso, ohatra, ny fahatanterahan’ireo faminaniana izay hitan’i Jeremia mihitsy, toy ny famaboana an’i Zedekia sy ny fandringanana an’i Jerosalema, (21:3-10; 39:6-9), ny fanesorana an’i Saloma (Joahaza) Mpanjaka tamin’ny seza fiandrianana sy ny nahafatesany tany amin’ny fahababoana, (Jer. 22:11, 12; 2 Mpanj. 23:30-34; 2 Tant. 36:1-4), ny fitondrana an’i Jekonia (Joiakina) Mpanjaka ho babo tany Babylona, (Jer. 22:24-27; 2 Mpanj. 24:15, 16), ary ny nahafatesan’i Hanania, ilay mpaminany sandoka, tao anatin’ny herintaona. (Jer. 28:16, 17). Ireo faminaniana rehetra ireo, sy ny hafa koa, dia tanteraka araka ny nanambaran’i Jehovah azy mialoha. Ny mpaminany sy ny mpanompon’i Jehovah tatỳ aoriana koa dia nahita fa azony noraisina ho toy ny fahefana sady mahasoa ny faminanian’i Jeremia. Ohatra, i Daniela dia nahatakatra avy tamin’ireo asa soratra nataon’i Jeremia fa tsy maintsy ho 70 taona ny fahafoanan’i Jerosalema. Ary i Ezra dia nisarika ny saina ho amin’ny fahatanterahan’ireo tenin’i Jeremia tamin’ny faran’ireo 70 taona. — Dan. 9:2; 2 Tant. 36:20, 21; Ezra 1:1; Jer. 25:11, 12; 29:10.

38. a) Fanekena inona, nasian’i Jesosy firesahana koa, no asongadina ao amin’ny faminanian’i Jeremia? b) Fanantenana ny amin’ilay Fanjakana inona no nambara?

38 Tamin’ny fotoana nanorenany ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo niaraka tamin’ny mpianany, i Jesosy dia nanondro ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jeremia momba ilay fanekena vaovao. Araka izany, izy dia niresaka momba ny “fanekena vaovao amin’ny rako”, ka tamin’ny alalan’io no namelana ny helok’izy ireo sy nanangonana azy ireo ho firenena ara-panahin’i Jehovah. (Lioka 22:20; Jer. 31:31-34). Ireo ateraky ny fanahy izay ampidirina ao amin’ilay fanekena vaovao no raisin’i Kristy ao amin’ny fanekena iray ny amin’ilay Fanjakana, mba hiara-manjaka aminy any an-danitra. (Lioka 22:29, NW; Apok. 5:9, 10; 20:6). Asiana firesahana imbetsaka ny amin’io Fanjakana io ao amin’ny faminanian’i Jeremia. Teo afovoan’ireo fanamelohana rehetra an’i Jerosalema tsy nahatoky, dia nanondro izao tara-panantenana izao i Jeremia: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako [Solofo, f.a.p.] marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany.” Eny, mpanjaka iray antsoina hoe “Jehovah Fahamarinantsika.” — Jer. 23:5, 6.

39. Ny fiverenan’ny sisa avy tany Babylona, araka ny nanambaran’i Jeremia azy mialoha, dia manome toky ny amin’inona?

39 Miresaka momba ny famerenana amin’ny laoniny toy izao indray i Jeremia: “Fa izy hanompo an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida Mpanjakany, Izay hatsangako ho azy.” (30:9, f.a.p.). Farany, dia milaza ny amin’ilay teny soa nataon’i Jehovah momba ny Isiraely sy ny Joda izy, hoe “amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany dia hampaniry [Solofo, f.a.p.] marina ho an’i Davida” i Jehovah, mba hampitomboana ny taranany sy mba hisian’ny “zanakalahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany”. (33:15, 21). Azo antoka toy ny niverenan’ny sisa avy tany Babylona, ny hampiharan’ny Fanjakan’io “Solofo” marina io ny rariny sy ny fahamarinana amin’ny tany rehetra. — Lioka 1:32.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 326, 480.

[Fanontaniana]