Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-25 — Fitomaniana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-25 — Fitomaniana

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-25 — Fitomaniana

Mpanoratra: Jeremia

Toerana Nanoratana: Teo akaikin’i Jerosalema

Vita Tamin’ny: 607 al.f.i.

1. Nahoana no mety tsara ny anaran’ny bokin’ny Fitomaniana?

 TENA mety tsara ny anaran’itỳ boky ao amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry itỳ. Izy io dia fitarainana maneho alahelo lalina noho iny zava-nitranga feno loza teo amin’ny tantaran’ny olom-boafidin’Andriamanitra iny, dia ny nandringanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Amin’ny teny hebreo, io boky io dia antsoina araka ilay teny voalohany ao aminy hoe ʼEh·khahʹ!, izay midika hoe “Indrisy!” Ireo izay nandika ny Septante grika dia niantso ilay boky hoe Threʹnoi, izay midika hoe “Hira Fahalahelovana, Fitarainana”. Ny Talmoda babyloniana dia mampiasa ny teny hoe Qi·nohthʹ, izay midika hoe “Kalokalo Mampalahelo, Hiram-pisaonana”. I Jérôme, izay nanoratra tamin’ny teny latina, no niantso azy io hoe Lamentationes, na hoe “Filazana Alahelo, Fitarainana”, izay nadika hoe Fitomaniana ao amin’ireo Baiboly malagasy.

2. Ho anisan’ny fitambaram-boky inona ary aiza ho aiza ao amin’ny Baiboly no nametrahana ny Fitomaniana?

2 Ao amin’ireo dikan-tenin’ny Baiboly amin’ny teny malagasy, ny Fitomaniana dia napetraka eo aorian’ny bokin’i Jeremia. Ao amin’ny kanôna hebreo kosa anefa, mazàna izy io dia hita ho anisan’ireo Hagiographes, na hoe ireo Asa Soratra, miaraka amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, Rota, Mpitoriteny ary Estera — fitambaram-boky vitsivitsy antsoina hoe ireo Meghil·lohthʹ (Horonana) dimy. Ao amin’ireo Baiboly hebreo maoderina, dia apetraka eo anelanelan’ny bokin’i Rota na i Estera sy ny Mpitoriteny, izy io. Ao amin’ireo kopia tranainy kosa anefa, dia lazaina fa nanaraka ny bokin’i Jeremia izy io, toy ny ao amin’ny Baibolintsika amin’izao andro izao.

3, 4. Inona no porofon’ny maha-mpanoratra ilay boky an’i Jeremia?

3 Tsy manonona ny mpanoratra azy ilay boky. Kanefa, tsy misy isalasalana firy fa i Jeremia izany. Ao amin’ny Septante grika, ilay boky dia mitondra izao sasin-teny izao: “Ary rehefa avy nentina ho babo ny Isiraely ka natao foana i Jerosalema, dia nipetraka i Jeremia, nitomany sy nitaraina tamin’izao fitarainana izao noho i Jerosalema ka nanao hoe.” Nihevitra i Jérôme fa tsy marina ireo teny ireo, ka tsy nampiditra azy ireo tao amin’ny dikan-teniny izy. Kanefa ny filazana fa i Jeremia no nanoratra ny Fitomaniana dia eken’ny lovantsofin’ny Jiosy sy nohamarinin’ny dikan-teny syriaka, ny Vulgate latina, ny Targum nataon’i Jonathan, ary ny Talmoda babyloniana, ankoatra ny zavatra hafa.

4 Misy mpanao tsikera nanandrana nanaporofo fa tsy nanoratra ny Fitomaniana i Jeremia. Kanefa, ny A Commentary on the Holy Bible dia manonona ho porofo ny maha-mpanoratra azy io an’i Jeremia, “ireo filazalazana toy ny hitan’ny maso momba an’i Jerosalema ao amin’ireo toko faha-2 sy faha-4, izay miharihary fa sary an-tsoratra nataon’ny vavolombelona iray nahita maso; toy izany koa ny toe-panahy maneho fiaraha-miory mafy sy ny toe-tsaina ara-paminaniana tsapa hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ireo tononkalo, ary koa ny fomba fanoratra sy ny voambolana nofidina ary ny hevitra hita ao amin’izy ireo, izay samy mampiavaka aoka izany an’i Jeremia”. a Misy fitenenana mifanitsy maro ao amin’ny Fitomaniana sy Jeremia, toy ny momba ny alahelo faran’izay mafin’ireo ‘maso namarin-dranomaso’, (Fitom. 1:16; 2:11; 3:48, 49; Jer. 9:1; 13:17; 14:17), sy ny momba ny rikoriko tamin’ireo mpaminany sy mpisorona noho ny faharatsian’izy ireo. (Fitom. 2:14; 4:13, 14; Jer. 2:34; 5:30, 31; 14:13, 14). Ireo andalan-teny ao amin’ny Jeremia 8:18-22 sy Jer. 14:17, 18 dia mampiseho fa i Jeremia dia tena afaka tsara ny nanoratra ilay fomba fanoratra maneho alahelo ao amin’ny Fitomaniana.

5. Fanjohian-kevitra inona no mitarika antsika ho amin’ny fotoana nanoratana ilay boky?

5 Ny fotoana nanoratana ilay boky dia ekena amin’ny ankapobeny fa tsy ela taorian’ny nianjeran’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Ny hatsiravin’ilay fanaovana fahirano sy fandoroana an’ilay tanàna dia mbola velona tao an-tsain’i Jeremia, ary asehony amin’ny fomba toy ny hitan’ny maso ny fangirifiriana tsapany. Nanamarika ny mpivaofy teny iray fa tsy misy lafin’ny alahelo na dia iray aza voavelabelatra amin’ny fomba feno, na aiza na aiza ao amin’ilay boky, kanefa ny tsirairay avy aminy dia miverimberina hatrany hatrany ao amin’ireo tononkalo maromaro ireo. Avy eo, dia hoy izy: “Io fisamboaravoaran’ny hevitra io (...) no iray amin’ireo porofo mahery aoka izany fa tena akaiky an’ireo fisehoan-javatra sy fihetseham-po kasainy hampitaina, ilay boky.” b

6. Inona no mahaliana eo amin’ny fomba fanoratra sy firafitry ny bokin’ny Fitomaniana?

6 Ny firafitry ny bokin’ny Fitomaniana dia mahaliana indrindra ny manam-pahaizana momba ny Baiboly. Misy toko dimy, izany hoe tononkalo an-kira dimy, ao. Ireo efatra voalohany dia acrostiches, ka ny andininy tsirairay dia manomboka amin’ny iray amin’ireo litera 22 misesy ao amin’ny abidy hebreo. Etsy an-danin’izany kosa, ny toko fahatelo dia misy andininy 66, hany ka ny andininy 3 misesy dia samy manomboka amin’ny litera mitovy ihany aloha, avy eo vao maka ny litera manaraka indray ireo andininy telo manaraka. Ilay tononkalo fahadimy dia tsy acrostiche, na dia misy andininy 22 aza ao aminy.

7. Alahelo inona no asehon’i Jeremia, kanefa fanantenana inona no mbola teo?

7 Maneho alahelo faran’izay mafy noho ilay fahirano sy fanafihana ary fandringanana an’i Jerosalema nataon’i Nebokadnezara ny Fitomaniana, ary tapitra ohatra eo amin’ny haisoratra rehetra raha ny amin’ny filazalazany toy ny hitan’ny maso sy feno fitserana. Maneho alahelo lalina noho ny fahafoanana sy ny fahoriana ary ny fisafotofotoana hitany, ilay mpanoratra. Ny mosary sy ny sabatra ary ny zavatra nahatsiravina hafa dia nitondra fijaliana tsy nisy ohatra izany ho an’ilay tanàna — ka izany rehetra izany dia sazy mivantana avy tamin’Andriamanitra noho ny fahotan’ilay vahoaka sy ireo mpaminany ary ireo mpisorona. Kanefa, mbola teo ny fanantenana sy finoana an’i Jehovah, ary niantefa taminy ny vavaka ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY FITOMANIANA

8. Fahafoanana inona no voalazalaza ao amin’ny tononkalo voalohany, kanefa inona no teny nataon’i Jerosalema raisina ho toy ny olona?

8 “Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona [taloha]!” Toy izany no anombohan’ny tononkalo voalohany ny fitarainany. Andriambavy i Ziona zanakavavy taloha, kanefa nilaozan’ireo sakaizany izy, ary ny vahoakany dia lasa any an-tsesitany (NW ). Lao ny vavahadiny. Nofaizin’i Jehovah izy noho ny hamaroan’ny fahotany. Veriny ny famirapiratany. Nihomehy noho ny fahalavoany ny fahavalony. Mahagaga ny fietreny ary tsy nisy nampionona izy, ary noana ny olony sisa velona. Nanontany izy (i Jerosalema raisina ho toy ny olona) hoe: ‘Mba misy fahoriana toy ny fahoriako ve?’ Nananty tanana izy ka nanao hoe: “Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho”. (1:1, 12, 18). Nangataka an’i Jehovah mba hahatonga loza amin’ireo fahavalony nifaly, toy izay nataony taminy, izy.

9. a) Avy tamin’iza ilay loza tonga tamin’i Jerosalema? b) Ahoana no iresahan’i Jeremia momba ilay latsa natototra tamin’izy io, sy momba ireo toe-javatra nahatsiravina tao amin’ilay tanàna?

9 “Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan’ny Tompo rahona amin’ny fahatezerany”! (2:1). Ny tononkalo faharoa dia mampiseho fa i Jehovah mihitsy no nanjera ho amin’ny tany ny reharehan’i Isiraely. Nataony izay hanadinoana ny andro firavoravoana (NW ) sy ny Sabata, ary nariany ny alitarany sy ny fitoerany masina. Endre, ny fahitana mahonena an’i Jerosalema! Mihiaka i Jeremia hoe: “Pahina ny masoko azon’ny ranomaso, mandevilevy ny foko; naidina tamin’ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy”. (2:11). Inona no hanoharany an’i Jerosalema zanakavavy? Ahoana no hampiononany an’i Ziona zanakavavy? Ny mpaminaniny dia hita ho tsinontsinona sady tsy nahafa-po (NW ). Izao dia nihomehy azy tamim-pandatsana toy izao ireo mpandalo: “Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy, Fifalian’ny tany rehetra?” (2:15). Nisanasana vava sy nisioka (NW ) ary nihidy vazana ireo fahavalony, ka nanao hoe: ‘Itỳ tokoa no andro nantenainay hitelemana azy.’ Anan’ny hanoanana ny zanany madinika, ary ny vehivavy dia nihinana ny zanany. Toy ny fako nandoto ny lalam-be ireo faty. “Tsy nisy sisa afa-nandositra tamin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. — 2:16, NW, 22.

10. Ho fototry ny fanantenana, toetran’Andriamanitra inona avy moa no tononin’i Jeremia?

10 Ny tononkalo fahatelo, misy andininy 66, dia manantitrantitra ny fanantenan’i Ziona ny famindram-pon’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny sary fanoharana maro, ilay mpaminany dia mampiseho fa i Jehovah no nahatonga ilay fahababoana sy fahafoanana. Tao anatin’ilay tarehin-javatra nampangirifiry, ilay mpanoratra dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hahatsiarovany ny fahoriany. Naneho finoana ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana (NW ) sy ny famindram-pony koa izy. Andininy telo misesy no manomboka amin’ny hoe “Tsara” ary mampiseho fa mety ny miandry ny famonjena avy amin’i Jehovah. (3:25-27). Nampahory i Jehovah, kanefa hiantra koa izy. Fa raha izao aloha, na dia teo aza ny fiekena ny amin’ny fikomiana, dia tsy namela heloka i Jehovah; nosakanany ny vavaka nataon’ny olony ary nataony “tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana” izy ireo. (3:45). Tamin’ny ranomasom-pahoriana, ilay mpaminany dia nahatsiaro fa nanenjika azy mafy toy ny fanenjika voronkely, ireo fahavalony. Kanefa, nanakaiky azy tao an-davaka i Jehovah ka nanao hoe: “Aza matahotra.” Nangataka an’i Jehovah toy izao mba hamaly ny latsa nataon’ny fahavalo, izy: “Henjehinao amin’ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitr’i Jehovah.” — 3:57, 66.

11. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanidinan’i Jehovah ny fahatezerany nirehitra tamin’i Ziona, ary nahoana?

11 “Indrisy! efa matromatroka ny volamena; efa niova ny tena volamena tsara!” (4:1). Ny tononkalo fahefatra dia milaza alahelo noho ny voninahitra nihavasoky ny tempolin’i Jehovah, sy noho ny vatony efa nahahany teny an-dalambe. Ireo zanaka sarobidin’i Ziona dia nanjary tsy nisy vidiny firy, toy ny siny tanimanga. Sady tsy nisy rano no tsy nisy hanina, ary ireo izay notezaina tao anatin’ny zava-tsoa dia ‘nanohona ny zezika’. (4:5, f.a.p.). Mbola lehibe kokoa noho ny famaizana noho ny helok’i Sodoma aza ilay famaizana. Ireo Naziritany, izay ‘nangatsakatsaka noho ny fanala sy fotsy noho ny ronono’ taloha, dia nanjary “mainty noho ny arina” ary ny hodiny niraikitra tamin’ny taolany. (4:7, f.a.p., 8). Tsara kokoa ny matin’ny sabatra noho ny matin’ny mosary, tamin’ny fotoana nahandroan’ny vehivavy ny zanany! Naidin’i Jehovah ny fahatezerany nirehitra. Nitranga ilay tsy azo ninoana — tafiditra tao amin’ny vavahadin’i Jerosalema ireo rafilahy! Ary nahoana moa? “Noho ny fahotan’ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony”, izay nandatsaka ra marina. (4:13). Tsy nijery azy ny tavan’i Jehovah (NW ). Kanefa, tsy nisy intsony ny helok’i Ziona zanakavavy, ary tsy hoentina ho any an-tsesitany intsony izy. Anjaranao indray izao, ry Edoma zanakavavy, ny misotro ny kapoaka mangidin’i Jehovah!

12. Fitalahoana feno fanetren-tena inona no atao ao amin’ny tononkalo fahadimy?

12 Ny tononkalo fahadimy dia manomboka amin’ny fitalahoana amin’i Jehovah mba hahatsiaro ny olony tonga kamboty. Aseho ho toy ny miresaka ireo mponin’i Jerosalema. Ireo razany no nanota, ary ny otan’izy ireo izao no tsy maintsy mitambesatra amin’ny olona. Andevo no nanapaka teo amin’izy ireo, ary fadiranovana izy ireo noho ny fanaintainan’ny hanoanana (NW ). Nitsahatra ny hafalian’ny fony, ary niova ho fitomaniana ny dihiny. Narary ny fon’izy ireo. Nanaiky an’i Jehovah tamim-panetren-tena toy izao izy ireo: “Jehovah ô, Hianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.” Mihiaka toy izao izy ireo: “Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?” — 5:19-22.

MAHASOA — NAHOANA?

13. Fatokiana inona no asehon’ny Fitomaniana, kanefa nahoana no mahasoa ny fampisehoany ny fahasiahan’Andriamanitra?

13 Ny bokin’ny Fitomaniana dia maneho ny fatokian’i Jeremia tanteraka an’Andriamanitra. Tao anatin’ny alahelo lalina indrindra sy ny faharesena tanteraka indrindra, sady tsy nisy fanantenana fampiononana avy tamin’ny olombelona velively, ilay mpaminany dia niandry tamim-panantenana ny famonjena avy tamin’ny tanan’ilay Andriamanitra lehibe teo amin’izao rehetra izao, dia i Jehovah. Tokony hamelona fankatoavana sy tsy fivadihana ao amin’ireo mpivavaka marina rehetra ny Fitomaniana, no sady manome fampitandremana mahatahotra raha ny amin’ireo izay tsy manaja ilay anarana lehibe indrindra sy izay asehony. Ny tantara dia tsy manondro tanàna rava hafa iray izay nitarainana tamin’ny fiteny feno fitserana sy manohina ny fo toy izao. Azo antoka fa mahasoa ny filazalazany ny fahasiahan’Andriamanitra amin’ireo izay mikomy sy mafy hatoka ary tsy mibebaka hatrany.

14. Fampitandremana sy faminaniana avy tamin’Andriamanitra inona avy no asehon’ny Fitomaniana fa tanteraka, ary ahoana no ifamatoran’ilay boky amin’ireo soratra ara-tsindrimandry hafa?

14 Mahasoa koa ny fampisehoan’ny Fitomaniana ny fahatanterahan’ny fampitandremana sy faminanian’Andriamanitra sasantsasany. (Fitom. 1:2Jer. 30:14; Fitom. 2:15Jer. 18:16; Fitom. 2:17Lev. 26:17; Fitom. 2:20Deot. 28:53). Mariho koa fa ny Fitomaniana dia manome fanamarinana toy ny hitan’ny maso ny fahatanterahan’ny Deoteronomia 28:63-65. Ambonin’izany, ilay boky dia mirakitra fakan-teny sasantsasany avy amin’ny faritra hafa ao amin’ny Soratra Masina. (Fitom. 2:15Sal. 48:2; Fitom. 3:24Sal. 119:57). Ny Daniela 9:5-14 dia manamafy ny Fitomaniana 1:5 sy 3:42 mba hampisehoana fa noho ireo fahotan’ilay vahoaka ihany no nahatongavan’ilay loza.

15. ‘Andro vaovao’ inona no tondroin’ny Fitomaniana?

15 Mahavaky fo tokoa ilay fijaliana nampahory an’i Jerosalema! Ao anatin’izany rehetra izany, ny Fitomaniana dia manonona ny fatokiana fa haneho hatsaram-panahy miharo fitiavana sy famindram-po i Jehovah ary koa fa hahatsiaro an’i Ziona sy hampiverina azy izy. (Fitom. 3:31, 32, NW; 4:22). Maneho fanantenana ‘andro vaovao’ toy ny fahiny, fony i Davida sy i Solomona Mpanjaka nanjaka tao Jerosalema, izy io. Mbola eo ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida ny amin’ny fanjakana mandrakizay iray! “Tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany”. Ary hitohy hiseho amin’ireo izay tia an’i Jehovah izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana, eo ambany fanapahan’ny Fanjakany marina, hampihiaka ny zavatra noforonina velona rehetra amim-pankasitrahana hoe: “Jehovah no anjarako”. — 5:21; 3:22-24.

[Fanamarihana ambany pejy]

a 1952, natontan’i J. R. Dummelow, pejy 483.

b Studies in the Book of Lamentations, 1954, nataon’i Norman K. Gottwald, pejy 31.

[Fanontaniana]