Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-26 — Ezekiela

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-26 — Ezekiela

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-26 — Ezekiela

Mpanoratra: Ezekiela

Toerana Nanoratana: Babylona

Vita Tamin’ny: 591 al.f.i. tany ho any

Fe-potoana Voafaoka: 613 al.f.i. – 591 al.f.i. tany ho any

1. Nanao ahoana avy ny toe-javatra hitan’ireo natao sesitany tany Babylona, ary fitsapana vaovao inona avy no natrehiny?

 TAMIN’NY taona 617 al.f.i., i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia nanaiky hanolotra an’i Jerosalema an’i Nebokadnezara, izay nitondra ireo lehibe tao amin’ilay tany sy ny rakitra tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny mpanjaka nankany Babylona. Anisan’ireo babo ny fianakavian’ny mpanjaka sy ireo mpanapaka, ireo lehilahy nahery, ireo nahay taozavatra sy ireo mpanefy, ary koa i Ezekiela, zanak’i Bozy mpisorona. (2 Mpanj. 24:11-17; Ezek. 1:1-3). Nalahelo mafy ireo Isiraelita natao sesitany (NW ) teo am-pamitana ny diany nanasatra avy tany amin’ny tany voaforona havoana sy loharano ary lohasaha nankany amin’ny tany iray voaforona lemaka nidadasika. Izao izy ireo dia nonina teo amoron’ny ony Kebara, tao amin’ny empira nahery iray, ary voahodidina vahoaka iray nanaraka fanao hafahafa sy fanompoan-tsampy. Namela ireo Isiraelita hanana ny tranony sy ny mpanompony, sy hanao raharaham-barotra, i Nebokadnezara. (Ezek. 8:1; Jer. 29:5-7; Ezra 2:65). Raha nazoto niasa izy ireo, dia ho afaka ny hahita fanambinana. Ho latsaka tao anatin’ny fandriky ny fivavahana babyloniana sy ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo ve izy ireo? Hanohy hiodina tamin’i Jehovah ve izy ireo? Hanaiky ny fanaovana sesitany azy ho famaizana avy taminy ve izy ireo? Hiatrika fitsapana vaovao izy ireo any amin’ilay tany hanaovana sesitany azy.

2. a) Mpaminany telo iza avy no niavaka nandritra ireo taona sarotra talohan’ny fandringanana an’i Jerosalema? b) Iza no iantsoana an’i Ezekiela, ka zava-dehibe izany, ary inona no dikan’ny anarany? d) Nandritra ny taona inona avy no naminanian’i Ezekiela, ary inona no fantatra momba ny fiainany sy ny fahafatesany?

2 Nandritra ireo taona sarotra izay nitarika ho amin’ny fandringanana an’i Jerosalema ireo, dia tsy nisakana ny tenany na ny Isiraelita tsy handray soa avy amin’ny asan’ny mpaminany i Jehovah. I Jeremia dia nitoetra tany Jerosalema, i Daniela tany amin’ny lapan’i Babylona, ary i Ezekiela no mpaminanin’ireo Jiosy natao sesitany tany Babylonia. I Ezekiela dia sady mpisorona no mpaminany, zavatra izay nampiavaka azy sy i Jeremia ary i Zakaria tatỳ aoriana. (Ezek. 1:3). Manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky, izy dia antsoina hoe “zanak’olona” maherin’ny in-90. Zava-dehibe izany rehefa ianarana ny faminaniany, satria, ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, i Jesosy koa dia resahina ho toy ny “Zanak’olona” efa ho in-80. (Ezek. 2:1; Matio 8:20). Ny anarany hoe Ezekiela (Hebreo: Yechez·qeʼlʹ) dia midika hoe “Manatanjaka Andriamanitra”. Tamin’ny taona fahadimy nanaovana sesitany an’i Joiakina, tamin’ny 613 al.f.i., i Ezekiela no nirahin’i Jehovah ho mpaminany. Mamaky isika fa mbola teo am-perinasa ihany izy tamin’ny taona faha-27-n’ilay sesitany, 22 taona tatỳ aoriana. (Ezek. 1:1, 2; 29:17). Nanambady izy, kanefa ny vadiny dia maty tamin’ny andro nanombohan’i Nebokadnezara ny fanaovany fahirano farany an’i Jerosalema. (24:2, 18). Tsy fantatra ny daty na ny fomba nahafatesan’ny tenany.

3. Inona no azo lazaina momba ny maha-mpanoratra ilay boky an’i Ezekiela, ary koa momba ny maha-kanônika sy ny maha-azo itokiana ny bokin’ny Ezekiela?

3 Ny hoe i Ezekiela no tena nanoratra ilay boky mitondra ny anarany, ary koa ny ananan’izy io toerana ara-drariny ao amin’ny kanônan’ny Soratra Masina, dia tsy misy manohitra. Nampidirina tao amin’ny kanôna tamin’ny andron’i Ezra izy io ary miseho ao amin’ireo katalaogy tamin’ny andron’ny Kristiana voalohany, indrindra fa tao amin’ny kanônan’i Origène. Ny maha-azo itokiana azy koa dia hamarinin’ny fitoviana manaitra eo amin’ny teny ara-panoharana ao aminy sy ireo ao amin’ny Jeremia sy ny Apokalypsy. — Ezek. 24:2-12Jer. 1:13-15; Ezek. 23:1-49Jer. 3:6-11; Ezek. 18:2-4Jer. 31:29, 30; Ezek. 1:5, 10Apok. 4:6, 7; Ezek. 5:17Apok. 6:8; Ezek. 9:4Apok. 7:3; Ezek. 2:9; 3:1Apok. 10:2, 8-10; Ezek. 23:22, 25, 26Apok. 17:16; 18:8; Ezek. 27:30, 36Apok. 18:9, 17-19; Ezek. 37:27Apok. 21:3; Ezek. 48:30-34Apok. 21:12, 13; Ezek. 47:1, 7, 12Apok. 22:1, 2.

4. Fahatanterahana mampihetsi-po lalina inona avy no hitan’ireo faminanian’i Ezekiela?

4 Ny porofo fanampiny ny amin’ny maha-azo itokiana azy dia hita ao amin’ny fahatanterahana mampihetsi-po lalin’ireo faminanian’i Ezekiela momba ireo firenena teo akaiky, toa an’i Tyro sy i Egypta ary i Edoma. Ohatra, i Ezekiela dia naminany fa ho rava sy ho lao i Tyro, ary dia tanteraka ny tapany tamin’izany fony i Nebokadnezara naka ilay tanàna taorian’ny fanaovana fahirano naharitra 13 taona. (Ezek. 26:2-21). Io ady io dia tsy nidika ho fifaranana tanteraka ho an’i Tyro. Kanefa, ny didim-pitsaran’i Jehovah dia hoe tokony ho ringana tanteraka izy. Efa nanambara mialoha tamin’ny alalan’i Ezekiela toy izao izy: “Hofafako hiala aminy ny vovotaniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy. (...) Ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin’ny rano.” (26:4, 12). Tanteraka avokoa izany rehetra izany, 250 taona mahery tatỳ aoriana, fony nandroso hamely ilay tanànan’i Tyro anosy, i Aleksandra Lehibe. Nofafan’ireo miaramilan’i Aleksandra ny potipoti-javatra rehetra avy tamin’ilay tanàna teo amin’ny kontinenta, ary natsipiny tao an-dranomasina, ka nahaforona fefiloha 800 metatra tonga hatrany amin’ilay tanàna anosy. Avy eo, tamin’ny fanaovana fahirano be pitsiny, dia nianika ireo rindrina 46 metatra izy ireo mba hakana ilay tanàna tamin’ny 332 al.f.i. An’arivony maro no maty, ary maro kokoa aza no namidy ho andevo. Araka ny naminanian’i Ezekiela azy koa, dia tonga ‘vatolampy mangadihady sy famelarana harato’ i Tyro. (26:14). a Tetsy ampitan’ny Tany Nampanantenaina, ireo Edomita mpamitaka koa dia nofoanana, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Ezekiela. (25:12, 13; 35:2-9). b Ary, mazava ho azy fa ireo faminanian’i Ezekiela momba ny fandringanana an’i Jerosalema sy ny famerenana ny Isiraely tany amin’ny taniny koa dia hita fa araka ny marina. — 17:12-21; 36:7-14.

5. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo Jiosy teo anoloan’ireo faminanian’i Ezekiela voalohany?

5 Tamin’ireo taona voalohany nanaovany ny asan’ny mpaminany, i Ezekiela dia nanambara ireo didim-pitsarana azo antok’Andriamanitra momba an’i Jerosalema tsy nahatoky ary nampitandrina an’ireo natao sesitany, tamin’ny fanompoan-tsampy. (14:1-8; 17:12-21). Tsy dia tena nampiseho famantarana ny amin’ny fibebahana ireo Jiosy babo. Zatra naka hevitra tamin’i Ezekiela ireo lehilahy nanana andraikitra teo amin’izy ireo, kanefa tsy niraharaha ireo hafatra avy tamin’i Jehovah nampitain’i Ezekiela taminy akory. Notohiziny ihany ny fanompoan-tsampiny sy ny fikatsahany fatratra zavatra ara-nofo. Nanaitra azy ireo mafy aoka izany ny famoizana ny tempoliny sy ny tanànany masina ary ny tarana-mpanjakany, kanefa tsy nampihontsona afa-tsy olom-bitsy ho amin’ny fanetren-tena sy ny fibebahana. — Sal. 137:1-9.

6. Inona no antitranterin’ireo faminanian’i Ezekiela tatỳ aoriana, ary ahoana no anasongadinana ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah?

6 Ireo faminanian’i Ezekiela tamin’ireo taona tatỳ aoriana dia nanantitrantitra ny fanantenana famerenana tamin’ny laoniny. Fanehoana tsy fahafaliana tamin’ireo firenena teo akaikin’i Joda koa izy ireny, satria niravoravo noho ny nianjeran’ny Joda izy. Ny fietreny mbamin’ny famerenana ny Isiraely tany amin’ny taniny, dia hanamasina an’i Jehovah eo imasony. Ho famintinana, ny zava-kendren’ilay fahababoana sy ilay famerenana tany amin’ny taniny dia izao: ‘Ho fantatrareo, ry olona, na avy amin’ny Jiosy ianareo na avy amin’ny firenena, fa Izaho no Jehovah.’ (Ezek. 39:7, 22). Io fanamasinana ny anaran’i Jehovah io dia asongadina manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ilay boky, satria miseho in-60 mahery ilay fitenenana hoe: “Ho fantatrareo [na hoe: ho fantany] fa Izaho no Jehovah.” — 6:7, NW, f.a.p.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY EZEKIELA

7. Fizarana telo avy hatrany inona avy no ao amin’ny bokin’i Ezekiela?

7 Misy fizarana telo avy hatrany ilay boky. Ny voalohany, ny toko voalohany ka hatramin’ny faha-24, dia mirakitra fampitandremana momba ny fandringanana azo antoka an’i Jerosalema. Ny fizarana faharoa, ny toko faha-25 ka hatramin’ny faha-32, dia mirakitra faminaniana milaza fiafarana ratsy ho an’ny firenena mpanompo sampy maromaro. Ny fizarana farany, ny toko faha-33 ka hatramin’ny faha-48, dia mirakitra faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny, ary mahatratra ny fara tampony amin’ilay fahitana ny amin’ny tempoly sy tanàna masina vaovao. Ny ankamaroan’ireo faminaniana dia voalahatra araka ny fandehan’ny fotoana ary koa araka ny foto-kevitra.

8. Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ilay fahitana azony voalohany?

8 Naniraka an’i Ezekiela mba ho mpitily i Jehovah (1:1–3:27). Tao amin’ilay fahitana azony voalohany, tamin’ny 613 al.f.i., i Ezekiela dia nahita rivotra nahery vaika iray avy tany avaratra, niaraka tamin’ny rahona sy afo nifandrambondrambona. Nisy zavamananaina efatra nanana elatra nivoaka avy tao, ka nanana tarehin’olona, liona, omby ary voromahery izy ireo. Tahaka ny vainafo nirehitra ny fijery azy ireo, ary ny tsirairay taminy, raha azo atao ny milaza izany, dia narahina kodia iray tao anatin’ny kodia avo nahatahotra sady nanana boribory feno maso. Nihetsika tamim-piraisan-tsaina hatrany, tany amin’ny lalana rehetra na taiza na taiza izy ireo. Teo ambonin’ny lohan’ireo zavamananaina dia nisy toa endriky ny eloelo, ary teo ambonin’ny eloelo, dia nisy seza fiandrianana iray izay “endriky ny voninahitr’i Jehovah” ny fijery azy. — 1:28.

9. Inona no tafiditra tao amin’ny fanirahana an’i Ezekiela?

9 Niantso toy izao an’i Ezekiela izay niankohoka i Jehovah: “Ry zanak’olona, mitsangàna”. Avy eo Izy dia naniraka azy ho mpaminany ho an’ny Isiraely sy ireo firenena mpiodina nanodidina. Na hihaino izy ireo na tsia, dia tsy izany akory no zava-dehibe. Ho fantany kosa fara faharatsiny fa efa nisy mpaminanin’i Jehovah Tompo teo aminy. Nasain’i Jehovah nihinana ilay horonan-taratasy i Ezekiela, ary tonga mamy toy ny tantely tao am-bavany ilay izy. Hoy Izy taminy: “Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Isiraely hianao”. (2:1; 3:17). Tsy maintsy nanome ilay fampitandremana tamim-pahatokiana i Ezekiela, raha tsy izany dia ho faty.

10. Famantarana inona ho an’ny Isiraely no nasehon’i Ezekiela tamin’ny alalan’ny fihetsehana?

10 Fampisehoana tamin’ny alalan’ny fihetsehana ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema (4:1–7:27). Nilaza tamin’i Ezekiela mba hisokitra sarin’i Jerosalema teo amin’ny kapila tanimanga iray, i Jehovah. Tsy maintsy nampiseho toy ny teo ambony sehatra ny fanaovana fahirano an’ohatra azy io izy, ho famantarana ho an’ny Isiraely. Mba hanaovana ilay hevitra ho latsa-paka, dia tokony handry teo anoloan’ilay kapila tanimanga 390 andro tamin’ny ilany havia izy, ary 40 andro tamin’ny ilany havanana, no sady tsy hihinana afa-tsy hanina kely dia kely. Ny hoe tena nampiseho izany tamin’ny fihetsehana tokoa i Ezekiela dia asehon’ny fitalahoany sy ny fitarainany tamin’i Jehovah mba hanova ny zavatra nataina. — 4:9-15.

11. a) Ahoana no nampisehoan’i Ezekiela ny loza hamarana ilay fahirano? b) Nahoana no tsy hisy fanamaivanana?

11 Nasain’i Jehovah nasehon’i Ezekiela ny loza hamarana ilay fahirano tamin’ny fanaratana ny volony sy ny volombavany. Ny ampahatelony tamin’izany dia tsy maintsy nodorany, ny ampahatelony notapatapahiny tamin’ny sabatra ary ny ampahatelony naeliny teny amin’ny rivotra. Araka izany, tamin’ny faran’ilay fahirano, ny mponina sasany tao Jerosalema dia ho faty noho ny mosary sy ny areti-mandringana ary ny sabatra, ary ny sisa rehetra dia haely tany amin’ireo firenena. Hanafoana azy io i Jehovah. Fa nahoana? Noho ny fanompoan-tsampiny nahavoafady sy vetaveta, ka feno fanafintohinana. Tsy hitondra fanamaivanana ny harena. Amin’ny andron’ny fahatezeran’i Jehovah, ny olon’i Jerosalema dia hanary ny volafotsiny eny an-dalambe, “ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah”. — 7:27.

12. Fahavetavetana inona avy no hitan’i Ezekiela tao amin’ilay fahitana azony momba an’i Jerosalema nivadi-pinoana?

12 Ny fahitan’i Ezekiela ny amin’i Jerosalema nivadi-pinoana (8:1–11:25). Ny taona 612 al.f.i. izao. Tao amin’ny fahitana iray i Ezekiela dia nentina tany Jerosalema lavitra teo, izay nahitany ireo fahavetavetana niseho tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Tao amin’ilay kianja, dia nisy sarin-javatra naharikoriko izay nahasaro-piaro an’i Jehovah. Noloahin’i Ezekiela ny ampiantany ka nahita 70 tamin’ireo loholona nivavaka teo anoloan’ny sary sokitra teo amin’ilay ampiantany nampiseho biby naharikoriko sy sampy, izy. Nanala tsiny ny tenany izy ireo tamin’ny filazana hoe: “Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.” (8:12). Teo amin’ny vavahady avaratra, dia nisy vehivavy nitomany an’i Tamoza, andriamanitra sampy. Tsy izay ihany anefa! Teo am-baravaran’ny tempoly mihitsy, dia nisy lehilahy 25, niamboho ny tempoly ary nivavaka tamin’ny masoandro. Nanazimba an’i Jehovah teo anatrehany (NW ) mihitsy izy ireo, ary hamaly amin’ny fahatezerany tokoa izy!

13. Baiko inona avy no notanterahin’ilay lehilahy nitafy rongony fotsy sy ireo lehilahy enina nitondra fiadiana?

13 Indro fa nisy lehilahy enina izao niseho, samy nitondra fiasana fanorotoroana teny an-tanany! Teo amin’izy ireo, dia nisy lehilahy fahafito nitafy rongony fotsy sy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra. Nilaza tamin’io lehilahy nitafy rongony fotsy io i Jehovah mba hamaky ny tanàna ka hanisy marika ny handrin’ny olona izay nisento sy nitaraina noho ny fahavetavetana natao tao aminy. Avy eo, dia nilaza tamin’ireo lehilahy enina izy mba hiditra ka handringana ny rehetra, “na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy”, izay tsy nisy marika. Nanao izany izy ireo, nanomboka tamin’ny lahy antitra izay teo anoloan’ny trano. Hoy ny tatitra nataon’ilay lehilahy nitafy rongony fotsy: “Efa vitako izay nandidianao ahy.” — 9:6, 11.

14. Inona no nasehon’ilay fahitana tamin’ny farany, momba ny voninahitr’i Jehovah sy ireo didim-pitsarany?

14 Nahita ny voninahitr’i Jehovah niakatra teo amin’ireo kerobima indray i Ezekiela. Nisy kerobima iray naninjitra ny tanany nisy vainafo avy teo anelanelan’ny kodia, ary nandray izany ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, ka namafy izany teo amin’ilay tanàna. Raha ny amin’ireo olona teo amin’ny Isiraely naely, i Jehovah dia nampanantena ny hanangona azy ireo indray ka hanome azy ireo fanahy (esprit) vaovao iray. Ahoana anefa ny amin’ireo mpivavaka sandoka sady ratsy fanahy tao Jerosalema ireo? “Hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony”, hoy i Jehovah. (11:21). Ny voninahitr’i Jehovah dia hita niakatra niala tao amin’ilay tanàna, ary nolazain’i Ezekiela tamin’ilay vahoaka natao sesitany ilay fahitana.

15. Tamin’ny alalan’ny fanoharana fanampiny inona no nampisehoan’i Ezekiela fa azo antoka ny handehanan’ireo mponin’i Jerosalema ho any amin’ny fahababoana?

15 Faminaniana fanampiny tany Babylona momba an’i Jerosalema (12:1–19:14). Tonga mpandray anjara tao amin’ny tantara an-tsehatra ara-panoharana hafa iray i Ezekiela. Ny antoandro dia nentiny nivoaka avy tao an-tranony ho any an-tsesitany ny entany, ary avy eo, tamin’ny alina, dia nivoaka tamin’ny lavaka iray teo amin’ny mandan’ny tanàna izy, nisaron-tava. Nohazavainy toy izao fa famantarana mahagaga izany: “Ho any an-tsesitany, ho any amin’ny fahababoana no handehanany.” (12:11, NW ). Endre ireto mpaminany adala izay nanaraka ny fanahin’ny tenany ihany! Nihiaka izy ireo hoe: “Fiadanana”, kanjo tsy nisy fiadanana akory. (13:10). Na dia ho tao Jerosalema aza i Noa sy i Daniela ary i Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny.

16. Ahoana no nampisehoana an-tsary ny naha-tsy nisy vidiny an’i Jerosalema, kanefa nahoana no hisy famerenana amin’ny laoniny?

16 Toy ny tahom-boaloboka tsy nisy vidiny ilay tanàna. Tsy tsara hanaovana tsato-kazo (NW ), ary na dia fihantonan-javatra akory aza, ilay hazo! Nolevonin’ny afo ny laniny roa, ary may ny antenatenany — tsy nisy nilana azy. Nanjary nivadika sy tsy nisy vidiny toy inona moa i Jerosalema! Ny tany Kanana no nahaterahany, ary noraisin’i Jehovah toy ny zazakely nariana izy. Nitaiza azy i Jehovah ary niditra tao amin’ny fanekem-panambadiana taminy. Nataony tsara tarehy izy io, ka “nambinina ho miendrik’andriana”. (16:13). Nanjary nijangajanga anefa izy io, ka nitodika tany amin’ireo firenena nandalo. Nivavaka tamin’ny sarin’ireo izy ary ny zanany nodorany tamin’ny afo. Ny ho fiafarany dia fandringanana eo an-tanan’ireo firenena ireo ihany, dia ireo sakaiza ratsiny. Ratsy kokoa noho i Sodoma sy i Samaria, rahavaviny, izy. Na dia izany aza, i Jehovah, ilay Andriamanitra mamindra fo, dia hamela ny helony ary hamerina azy any amin’ny taniny, araka ny fanekeny.

17. Inona no nasehon’i Jehovah tamin’ny alalan’ilay ankamantatra momba ilay voromahery sy ilay voaloboka?

17 Nanome ankamantatra an’ilay mpaminany i Jehovah ary avy eo dia nitantara ny heviny. Izy io dia ohatra nampiseho ny naha-zava-poana ny nitodihan’i Jerosalema tany amin’i Egypta mba hahazoana fanampiana. Nisy voromahery lehibe (Nebokadnezara) tonga, ary nolaingosany ny tendron’ny (Joiakina) sedera nanerinerina iray, nentiny tany Babylona izy ary voaloboka (Zedekia) no namboleny teo amin’ny toerany. Nampitodika ny rantsany tamin’ny voromahery hafa iray (Egypta) ilay voaloboka. Nahita fahombiazana (NW ) ve anefa izy io? Nongotana tamin’ny fakany izy io! Haka laingony milenodenoka iray avy amin’ny tendrony avo ny tenan’i Jehovah mihitsy, ka hamboly azy io ao amin’ny tendrombohitra avo sy milangalanga. Any izy io dia hitombo ka ho tonga sedera tsara indrindra, ho toerana honenan’ny “vorona samy hafa rehetra”. Ho fantatry ny rehetra fa i Jehovah no nanao izany. — 17:23, 24.

18. a) Fotopoto-pitsipika inona avy no nambaran’i Jehovah tamin’ny fananarana ireo Jiosy natao sesitany? b) Didim-pitsarana inona no niandry ireo mpanjakan’ny Joda?

18 Nananatra ireo Jiosy natao sesitany i Jehovah noho ny ohabolan’izy ireo nanao hoe: “Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ny zanany no madilo”. Tsia, fa “ny fanahy izay manota [kosa] no ho faty”. (18:2, 4). Ho velona ny marina. Tsy sitrak’i Jehovah ny fahafatesan’ny ratsy fanahy. Sitrany kosa ny mahita ny ratsy fanahy miala amin’ny lalany ratsy ka ho velona. Raha ny amin’ireo mpanjakan’ny Joda, toy ny liona tanora izy ireo ka voafandrik’i Egypta sy i Babylona. “Tsy ho re eny amin’ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.” — 19:9.

19. a) Tao anatin’ireo antontan-javatra rava, fanantenana inona moa no nampahafantarin’i Ezekiela? b) Ahoana no nampisehoany ny tsy fahatokian’ny Isiraely sy ny Joda sy ny vokatr’izany?

19 Fiampangana an’i Jerosalema (20:1–23:49). Nandroso ny fotoana ka tonga teo amin’ny 611 al.f.i. Nanatona an’i Ezekiela indray ireo loholona teo amin’ireo natao sesitany, mba hanontany an’i Jehovah. Ny zavatra reny dia fitanisana tamin’ny an-tsipiriany ny tantaran’i Isiraely feno fiodinana sy fanompoan-tsampy nahavoafady, ary koa fampitandremana hoe niantso sabatra iray mba hampihatra ny didim-pitsarany aminy i Jehovah. “Havadiko, havadiko, havadiko” i Jerosalema, hoy izy. Kanefa misy fanantenana be voninahitra! Hotahirizin’i Jehovah ho an’ilay ho avy, “izay tena tompony tokoa”, ilay fanjakana (“ny satroboninahitra”) ary homeny azy. (21:31, 32). Nodinihin’i Ezekiela indray ireo fahavetavetana natao tao Jerosalema, ilay “tanàna mpandatsa-dra”. Nanjary toy ny “tain-drendrika” ny taranak’i Isiraely ary tokony hangonina tao Jerosalema, ary tao dia tokony harendrika tao anatin’ny memy. (22:2, 18). Ny tsy fahatokian’i Samaria (Isiraely) sy i Joda dia nasehon’ny mpirahavavy an’ohatra. I Samaria, nasehon’i Ohola, dia nijangajanga tamin’ireo Asyriana ary noringanin’ireo sakaizany. I Joda, nasehon’i Oholiba kosa, dia tsy nandray ilay fianarana fa vao mainka aza nanao ratsy kokoa. Nijangajanga tamin’i Asyria izy aloha ary avy eo dia tamin’i Babylona. Ho ringana tanteraka izy, “ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo”. — 23:49.

20. Nampitahaina tamin’inona moa i Jerosalema natao fahirano, ary famantarana mahery inona no nomen’i Jehovah momba ny didim-pitsarana hampihariny aminy?

20 Nanomboka ny fanaovana fahirano farany an’i Jerosalema (24:1-27). Ny taona 609 al.f.i. tamin’izay. Nanambara tamin’i Ezekiela i Jehovah fa nanao fahirano an’i Jerosalema tamin’io andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo io ny mpanjakan’i Babylona. Nampitaha ilay tanàna nimanda tamin’ny vilany iray izy, ka ireo mponina voafantina tao aminy no nofo tao anatiny. Hafanao izy! Ampangotrahy tsara hiala ny fahalotoan’ny fanompoan-tsampy mahatsiravin’i Jerosalema! Tamin’io andro io ihany, dia maty ny vadin’i Ezekiela, kanefa, ho fankatoavana an’i Jehovah, dia tsy nisaona ilay mpaminany. Izany dia famantarana fa tsy tokony hisaona ny fandringanana an’i Jerosalema ilay vahoaka, satria didim-pitsarana avy tamin’i Jehovah ilay izy, mba hahafantarany hoe iza izy. Haniraka olona ho afa-mandositra iray mba hampahafantatra ny amin’ny fandringanana an’ilay “fifalian’ny voninahiny” i Jehovah, ary mandra-pahatongany, dia tsy tokony hiteny tamin’ireo natao sesitany intsony i Ezekiela. — 24:25.

21. Ahoana no hahafantaran’ireo firenena an’i Jehovah sy ny famaliany?

21 Faminaniana hamelezana ireo firenena (25:1–32:32). Hitan’i Jehovah mialoha fa ireo firenena nanodidina dia hifaly noho ny fianjeran’i Jerosalema ary hanararaotra io toe-javatra io mba handatsana an’ilay Andriamanitry ny Joda. Tsy ho afa-maina izy ireo! I Amona dia hatolotra ho fananan’ny zanaky ny atsinanana, ary ho toy izany koa i Moaba. I Edoma dia hatao rava sy lao, ary famaizana mirehitra no hoentina hampiharana famaliana lehibe amin’ny Filistina. ‘Ho fantatr’izy rehetra ireo’, hoy i Jehovah, “fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.” — 25:17.

22. Ahoana no anononana manokana an’i Tyro, ary ahoana no hanamasinana an’i Jehovah raha ny amin’i Sidona?

22 Voatonona manokana i Tyro. Nirehareha noho ny varotra niroborobo nataony izy, ary tahaka ny sambo iray tsara tarehy eny afovoan’ny ranomasina, kanefa tsy ho ela dia ho vaky any ambanin’ny rano. “Mba Andriamanitra koa aho”, hoy ny fireharehan’ny mpitarika azy. (28:9). Nasain’i Jehovah nanao hira fahalahelovana iray toy izao, momba ny mpanjakan’i Tyro ilay mpaminaniny: Fony izy kerobima voahosotra sy tsara tarehy, dia tany Edena, sahan’Andriamanitra, izy; harian’i Jehovah hiala amin’ny tendrombohiny anefa izy, satria maloto, ary holevonin’ny afo avy ao aminy ihany. Nilaza i Jehovah fa hohamasinina (NW ) koa Izy amin’ny fandringanana an’i Sidona mpanao tsinontsinona.

23. Inona no ho fantatr’i Egypta, ary ahoana no hahatongavan’izany?

23 Izao i Jehovah dia nilaza tamin’i Ezekiela mba hanandrify an’i Egypta sy ny Faraony ary haminany hamelezana azy ireo. “Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ny tenako”, hoy i Farao nirehareha. (29:3). Ho fantatr’i Farao sy ireo Egyptiana nino azy koa fa Andriamanitra i Jehovah, ary homena azy amin’ny alalan’ny fanafoanana 40 taona izany fianarana izany. Eto i Ezekiela dia nampiditra fanazavana sasany izay naharihary taminy tatỳ aoriana, tamin’ny 591 al.f.i., raha ny marina. Hatolotr’i Jehovah an’i Nebokadnezara i Egypta ho fanonerana ny asany fony izy nanasatra an’i Tyro. (Tsy namabo zavatra firy tany Tyro i Nebokadnezara, satria ireo Tyriana dia nandositra niaraka tamin’ny ankamaroan’ny harenany tany amin’ilay tanàna anosiny.) Tao amin’ny hira fahalahelovana iray, i Ezekiela dia nampahafantatra fa handroba ny reharehan’i Egypta i Nebokadnezara, ary ‘dia ho fantany fa Izaho no Jehovah’. — 32:15.

24. a) Inona no andraikitr’i Ezekiela tamin’ny naha-mpitily azy? b) Rehefa re ny nianjeran’i Jerosalema, hafatra inona moa no nambaran’i Ezekiela tamin’ireo natao sesitany? d) Fampanantenana fitahiana inona no asongadina ao amin’ny toko faha-34?

24 Mpitily ho an’ireo natao sesitany; voambara mialoha ny famerenana amin’ny laoniny (33:1–37:28). Niarahan’i Jehovah nodinihina tamin’i Ezekiela indray ny andraikiny tamin’ny naha-mpitily azy. Hoy ilay vahoaka hoe: “Tsy marina ny fitondran’ny Tompo”. Koa tsy maintsy nataon’i Ezekiela mazava tamin’izy ireo fa tena diso hevitra izy ireo. (33:17). Ny taona 607 al.f.i. anefa izao, tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahafolo. c Nisy olona afa-nandositra tonga avy tany Jerosalema mba hilaza tamin’ilay mpaminany hoe: “Narodana ilay tanàna!” (33:21, NW ). I Ezekiela, izay nahazo niteny tamin’ireo natao sesitany indray izao, dia nilaza tamin’izy ireo fa zava-poana izay eritreritra rehetra nananan’izy ireo momba ny hanafahana ny Joda. Na dia nankao amin’i Ezekiela mba hihaino ny tenin’i Jehovah aza izy ireo, dia nataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady nahay nitendry zavamaneno, fotsiny izy. Tsy niraharaha izy ireo. Kanefa, rehefa ho tanteraka izany, dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tao aminy. Niteny mafy an’ireo mpiandry sandoka izay nandao ny andian’ondry mba hamahan-tena, i Ezekiela. I Jehovah, ilay Mpiandry Lavorary, dia hanangona ireo ondry niely ary hitondra azy ireo ho any amin’ny fiandrasana tsara ahitra any an-tendrombohitry ny Isiraely. Any izy dia hanangana ho azy ireo, mpiandry iray, ‘dia i Davida mpanompony’. (34:23). I Jehovah mihitsy no ho Andriamaniny. Hanao fanekem-pihavanana izy ary hampivatravatra ranonoram-pitahiana aminy.

25. a) Nahoana i Jehovah no hanao ilay tany ho tahaka an’i Edena, ary amin’ny fomba ahoana? b) Inona no asehon’ilay fahitana ny amin’ireo taolana maina? ilay fahitana ny amin’ireo tapa-kazo roa?

25 Naminany fahafoanana ho an’ny Tendrombohitra Seïra (Edoma) indray i Ezekiela. Kanefa, ireo toerana (NW ) rava sy laon’ny Isiraely dia haorina indray, satria hamindran’i Jehovah fo ny anarany masina, mba hanamasinana azy eo imason’ireo firenena. Homeny fo vaovao sy fanahy (esprit) vaovao ny vahoakany, ary ny taniny dia ho tonga “tahaka ny saha Edena” indray. (36:35). I Ezekiela izao dia nahita fahitana ny amin’ny Isiraely, nasehon’ny lohasaha iray feno taolana maina. Naminany momba ireo taolana ireo i Ezekiela. Tamin’ny fomba mahagaga, dia nanomboka nisy nofo sy fofonaina ary aina indray izy ireo. Tsy misy hafa amin’izany no hanokafan’i Jehovah ny fasana, dia ny fahababoana tany Babylona, sy hamerenany ny Isiraely ho any amin’ny taniny indray. Naka tsato-kazo roa, izay nampiseho ireo taranaka roan’i Isiraely, dia i Joda sy i Efraima, i Ezekiela. Tonga tapa-kazo iray ihany izy ireo teny an-tanany. Toy izany, rehefa hamerina ny Isiraely ho any amin’ny taniny i Jehovah, dia ho tafaray ao amin’ny fanekem-pihavanana eo ambany fitarihan’i “Davida” mpanompony izy ireo. — 37:24.

26. Nahoana i Gogan’i Magoga no nanafika, ary inona no vokany?

26 Ny fanafihan’i Gogan’i Magoga ny Isiraely tany amin’ny taniny (38:1–39:29). Avy eo dia hisy fanafihana avy any amin’ny faritra hafa indray! Ho voahelingelin’ny fahitana ny fiadanana sy ny fanambinana ny vahoakan’i Jehovah tafaverina i Gogan’i Magoga, ka ho voatosika hanafika toy ny adala. Hiroso haingana mba hanafotra azy ireo izy. Amin’izay i Jehovah dia hitsangana amin’ny afon’ny fahatezerany. Hataony hifamely sabatra amin’ny namany avy izy ireo ary hitondrany areti-mandringana sy ra ary ranonorana manafotra voaforona havandra sy afo ary solifara. Ho lavo izy ireo noho ny fahafantarana fa i Jehovah no ilay “masina ao amin’ny Isiraely”. (39:7). Ny vahoakany avy eo dia hitaina ny fitaovam-piadiana torotoron’ireo fahavalo ary handevina ireo taolana ao amin’ny “Lohasahan’ireo olona maro ben’i Goga”. (39:11). Vorona sy biby mpihinana faty no hihinana ny nofon’ireo izay voavono ary hisotro ny rany. Manomboka eo ny Isiraely dia handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy, ary i Jehovah dia hampidina ny fanahiny eo aminy.

27. Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ny fitsidihana ny tanin’ny Isiraely tao amin’ny fahitana, ary ahoana no nisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra?

27 Ny fahitan’i Ezekiela ny amin’ilay tempoly (40:1–48:35). Tonga eo amin’ny taona 593 al.f.i. isika izao. Izany dia ny taona faha-14 hatramin’ny fandringanana ny tempolin’i Solomona, ary ireo nibebaka teo amin’ireo natao sesitany dia nila fampaherezana sy fanantenana. Nentin’i Jehovah tao amin’ny fahitana tany amin’ny tanin’ny Isiraely i Ezekiela ary napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo. Teo, tao amin’ny fahitana iray, dia nahita tempoly iray izy ary nahita koa fa “nisy nitarehin-tanàna teo amin’ny ilany atsimo”. Nomen’ny anjely iray izao toromarika izao izy: “Ambarao amin’ny taranak’Isiraely izay rehetra hitanao.” (40: 2, 4). Avy eo dia nasehony an’i Ezekiela ireo tsipirian-javatra rehetra tamin’ilay tempoly sy ireo kianjany, ka norefesiny ireo rindrina, vavahady, trano fiambenana, efitrano fisakafoana (NW ) ary koa ilay tempoly mihitsy sy ny Masina (NW ) ary ny Masina Indrindra (NW ) tao aminy. Nentiny tany amin’ny vavahady atsinanana i Ezekiela. “Ary, indro, tamy ny voninahitr’Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ny voninahiny.” (43:2). Nomen’ilay anjely toromarika feno i Ezekiela momba ilay Trano (na tempoly), ilay alitara, ireo fanatitra, ireo zo sy adidin’ireo mpisorona sy ireo Levita ary ilay mpanapaka, ary ny fizarazarana ilay tany.

28. Inona no nasehon’ny fahitan’i Ezekiela ny amin’ilay renirano nikoriana avy tao amin’ilay Trano, ary inona no aharihary raha ny amin’ilay tanàna sy ny anarany?

28 Nentin’ilay anjely niverina tany amin’ny vavahadin’ilay Trano i Ezekiela, ka tany ilay mpaminany dia nahita rano niboiboika avy teo an-tokonan’ilay Trano ka niantsinanana, teo akaikin’ny faritra atsimon’ilay alitara. Nanomboka nitsitapitapy (NW ) aloha ilay izy, kanefa nihanitombo hatrany mandra-pahatongany ho ony. Avy eo, dia nikoriana tao amin’ny Ranomasina Maty ilay izy, ka nanjary nahazo aina ny hazandrano tao ary nisy taozava-baventin’ny jono nipoitra. Teo an-dafiny roan’ilay ony, dia nisy hazo nanome hanina sy fanafody ho an’ilay vahoaka. Ilay fahitana avy eo dia manome ny lovan’ireo foko 12 avy, kanefa tsy nanadino ny vahiny sy ilay mpanapaka, ary milazalaza ny amin’ilay tanàna masina tany atsimo, sy ireo vavahadiny 12 nantsoina araka ireo foko avy. Ilay tanàna dia tokony hantsoina amin’ny anarana be voninahitra indrindra hoe: “Jehovah no Ao.” — 48:35.

MAHASOA — NAHOANA?

29. Tamin’ny fomba ahoana no nandraisan’ireo Jiosy natao sesitany soa avy tamin’ny faminanian’i Ezekiela?

29 Ireo fanambarana sy fahitana ary fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Ezekiela dia samy notantaraina tamim-pahatokiana tamin’ireo Jiosy tany an-tsesitany avokoa. Na dia maro aza no nihomehy sy naneso ilay mpaminany, dia nisy sasany nino azy. Nandray soa be dia be izy ireo. Nohatanjahin’ireo fampanantenana ny amin’ny famerenana tany amin’ny taniny izy ireo. Tsy nitovy tamin’ireo firenena hafa nentina tany amin’ny fahababoana izy ireo fa niaro ny naha-firenena azy, ary dia namerina sisa taminy tany amin’ny taniny i Jehovah tamin’ny 537 al.f.i., araka ny nambara mialoha. (Ezek. 28:25, 26; 39:21-28; Ezra 2:1; 3:1). Nanorina ny tranon’i Jehovah indray izy ireo ary nanavao ny fanompoam-pivavahana marina tao.

30. Fotopoto-pitsipika inona avy, izay aroso ao amin’ny Ezekiela, no sarobidy amintsika amin’izao andro izao?

30 Tsy hay tombanana ho antsika amin’izao andro izao koa ny hasarobidin’ireo fotopoto-pitsipika aroso ao amin’ny Ezekiela. Ny fivadiham-pinoana sy ny fanompoan-tsampy mbamin’ny fiodinana dia tsy afaka afa-tsy ny hitarika ho amin’ny tsy fankasitrahan’i Jehovah. (Ezek. 6:1-7; 12:2-4, 11-16). Hampamoahina noho ny fahotan’ny tenany ihany ny tsirairay, kanefa i Jehovah dia hamela ny helok’izay miala amin’ny lalan-dratsiny. Hanehoana famindram-po izy ka ho velona. (18:20-22). Tsy maintsy ho mpitily mahatoky tahaka an’i Ezekiela ireo mpanompon’Andriamanitra, na dia amin’ny asa sarotra nanendrena azy sy ao anatin’ny fanesoana sy ny fandatsana aza. Tsy tokony hamela ny ratsy fanahy ho faty tsy nahazo fampitandremana isika, ka ho eo amin’ny lohantsika ny rany. (3:17; 33:1-9). Ireo mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra dia miantsoroka andraikitra mavesatra mba hikarakarana ny andian’ondry. — 34:2-10.

31. Faminanian’i Ezekiela inona avy no manambara mialoha ny amin’ny fiavian’ny Mesia?

31 Ny tena miavaka ao amin’ny bokin’i Ezekiela dia ireo faminaniana momba ny Mesia. Resahina ho toy ilay ‘tena tompon’ny seza fiandrianan’i Davida tokoa’ sy ilay tsy maintsy homena izany, izy. Ao amin’ny toerana roa izy dia antsoina hoe “Davida Mpanompoko”, ary koa hoe “Mpiandry” sy “mpanjaka” ary “Mpanapaka”. (21:32; 34:23, 24; 37:24, 25). Koa satria efa maty ela i Davida, dia niresaka momba Ilay sady ho Zanak’i Davida no ho Tompony, i Ezekiela. (Sal. 110:1; Matio 22:42-45). I Ezekiela, sahala amin’i Isaia, dia miresaka momba ny fambolena laingony milenodenoka iray izay hasandratr’i Jehovah. — Ezek. 17:22-24; Isaia 11:1-3.

32. Manao ahoana ny fampitahana ilay fahitana ny amin’ilay tempoly ao amin’ny Ezekiela sy ilay fahitana ny amin’ilay “tanàna masina” ao amin’ny Apokalypsy?

32 Mahaliana ny mampitaha ny fahitana ny amin’ilay tempoly ao amin’ny Ezekiela amin’ny fahitana ny amin’ilay “tanàna masina, dia Jerosalema” ao amin’ny Apokalypsy. (Apok. 21:10). Misy fahasamihafana tokony homarihina; ohatra, ilay tempoly ao amin’ny Ezekiela dia mitokana ary any avaratr’ilay tanàna, kanefa i Jehovah mihitsy no tempolin’ilay tanàna ao amin’ny Apokalypsy. Ao amin’izy roa ireo anefa, dia samy misy onin’aina mikoriana, samy misy hazo mamoa voa isam-bolana ary manome ravina ho fanafody, ary samy misy ny fanatrehan’ny voninahitr’i Jehovah. Ny tsirairay amin’ireo fahitana roa ireo dia samy manampy mba hahatakarana ny maha-mpanjaka an’i Jehovah sy ny fandaharana nataony ho famonjena ireo izay manolotra fanompoana masina ho azy. — Ezek. 43:4, 5Apok. 21:11; Ezek. 47:1, 8, 9, 12Apok. 22:1-3.

33. Inona no antitranterin’i Ezekiela, ary inona no ho vokatr’izany ho an’ireo izay manamasina an’i Jehovah eo amin’ny fiainany ankehitriny?

33 Ny bokin’i Ezekiela dia manantitrantitra fa masina i Jehovah. Ampahafantariny fa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah dia lehibe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra. “Hohamasiniko ny anarako lehibe (...), ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo”. Araka ny asehon’ilay faminaniana, dia hanamasina ny anarany izy amin’ny fandringanana ireo mpandoto ny anarany rehetra, anisan’izany i Gogan’i Magoga. Hendry izay rehetra manamasina an’i Jehovah ankehitriny eo amin’ny fiainany, amin’ny famenoana ireo fepetra takiny ho amin’ny fanompoam-pivavahana azony ekena. Izy ireo dia hahita fanasitranana (NW ) sy fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ilay ony izay mikoriana avy eo amin’ny tempoliny. Tapitra ohatra amin’ny voninahitra ary tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy ilay tanàna antsoina hoe “Jehovah no Ao.” — Ezek. 36:23; 38:16; 48:35.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 531; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1490.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 428.

c Na dia milaza aza ilay soratra masoretika fa ilay olona afa-nandositra dia tonga avy tany Jerosalema tamin’ny taona faha-12, ny sora-tanana hafa dia amakiana hoe “taona fahiraika ambin’ny folo”, ary toy izany koa no andikan’ny Bible du cardinal Liénart sy ny L’Ancien Testament, nataon’i E. Dhorme, io andininy io.

[Fanontaniana]