Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea

Mpanoratra: Hosea

Toerana Nanoratana: Samaria (Distrika)

Vita Tamin’ny: Taorian’ny 745 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: Talohan’ny 804 al.f.i. – taorian’ny 745 al.f.i.

1, 2. a) Ahoana no iantsoana indraindray ireo boky 12 farany amin’ny Soratra Hebreo? b) Inona no fantatra momba an’i Hosea, ary mahakasika an’iza ny faminaniany?

 IREO boky 12 farany amin’ny Soratra Hebreo dia antsoina mazàna hoe “ireo mpaminany madinika”. Ilay fitenenana mahazatra fampiasa any Alemaina hoe “ireo mpaminany kely” dia toa hifanentana kokoa, satria azo antoka fa tsy madinika, amin’ny heviny hoe maivan-danja, ireo boky ireo, na dia kely kokoa noho ny Isaia na ny Jeremia aza ny halavan’izy rehetra mitambatra. Ao amin’ny Baiboly hebreo, izy ireo dia heverina ho toy ny boky iray ihany ary antsoina hoe “Ireo Roa Ambin’ny Folo”. Ny fanambàrana azy ireo miaraka toy izany dia azo inoana fa mba hitahirizana azy, satria ny horonam-boky kely nitokana iray dia nety ho very mora foana. Toy ny amin’ny tsirairay amin’ireo boky 12 ireo, ny voalohany dia nomena ny anaran’ny mpanoratra azy, dia i Hosea, izay fanafohezana ny hoe Hoshaiah, midika hoe “Novonjen’i Jah, Namonjy i Jah”, ny anarany.

2 Ao amin’ilay boky mitondra ny anarany, dia tsy misy zavatra firy aharihary mikasika an’i Hosea, afa-tsy ny maha-zanak’i Bery azy. Ireo faminaniana dia saiky tsy mahakasika afa-tsy ny Isiraely, ary tononina kely fotsiny ny Joda; ary raha tsy manonona an’i Jerosalema i Hosea, ny fokon’ny Isiraely lehibe indrindra, ny Efraima, kosa dia tononiny anarana in-37, ary i Samaria, renivohitry ny Isiraely, in-6.

3. Hafiriana no naminanian’i Hosea, ary iza avy ireo mpaminany hafa tamin’io fe-potoana io?

3 Ny andininy voalohan’ilay boky dia milaza amintsika fa i Hosea dia nanompo tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah nandritra ny fe-potoana lava dia lava, nanomboka tamin’ny faramparan’ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II, Mpanjakan’ny Isiraely, ka hatrany amin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia, Mpanjakan’ny Joda. Izany dia nanomboka tamin’ny 804 al.f.i. fara fahelany ka hatramin’ny tatỳ aorian’ny 745 al.f.i., izany hoe tsy latsaka ny 59 taona. Tsy misy isalasalana fa ny fotoana nanaovany ny asan’ny mpaminany dia nifanitsy nandritra ny taona vitsivitsy tamin’ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II sy i Hezekia. Nandritra izany fotoana izany, dia i Amosa, i Isaia, i Mika ary i Odeda no mpaminany nahatokin’i Jehovah hafa. — Amosa 1:1; Isaia 1:1; Mika 1:1; 2 Tant. 28:9.

4. Fakan-teny sy fahatanterahana ara-paminaniana inona avy no manamarina ny maha-azo itokiana ny Hosea?

4 Ny maha-azo itokiana ilay faminaniana dia hamarinin’ny fanononana azy imbetsaka ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nanonona ny Hosea 10:8 rehefa nanambara izao didim-pitsarana izao momba an’i Jerosalema: “Dia hilaza amin’ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ny havoana hoe: Saròny izahay.” (Lioka 23:30). Ny tapany amin’io andalan-teny io ihany dia voatonona ao amin’ny Apokalypsy 6:16. I Matio dia nanonona ny Hosea 11:1 rehefa nampiseho ny fahatanterahan’ilay faminaniana hoe: “Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.” Ny faminanian’i Hosea momba ny famerenana ny Isiraely rehetra tany amin’ny taniny dia tanteraka rehefa niaraka tamin’ny Joda ny maro avy tamin’ny fanjakan’ireo foko folo talohan’ny fahababoany, ary anisan’ireo izay niverina taorian’ny sesitany ny taranak’izy ireo. (Hosea 1:11; 2 Tant. 11:13-17; 30:6-12, 18, 25; Ezra 2:70). Nanomboka tamin’ny fotoana niainan’i Ezra, ilay boky dia nanana ny toerany ara-dalàna tao amin’ny kanôna hebreo, amin’ny maha-‘tenin’i Jehovah tamin’i Hosea’ azy. — Hosea 1:2.

5. Noho ny tsy fahatokiana inona no nanafaizan’i Jehovah ny Isiraely?

5 Nahoana i Jehovah no naniraka an’i Hosea mba ho mpaminaniny teo amin’ny Isiraely? Noho ny tsy fahatokian’ny Isiraely sy ny fandotoany tena tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala, ho fandikana ny faneken’i Jehovah. Tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ny Isiraely dia nanjary vahoaka mpamboly, kanefa tamin’ny fanaovana izany izy ireo dia nandray, tsy ny fomba fiainan’ny Kananita ihany, fa ny fivavahany sy ny fanompoam-pivavahany tamin’i Bala, izay andriamanitra nampiseho ireo hery namokatra teo amin’ny natiora, koa. Tamin’ny andron’i Hosea, ny Isiraely dia niala tanteraka tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, ka nanaraka fombafomba feno fikorontanana sy fimamoana ary firaisana maloto tamin’ireo vehivavy mpanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy tao amin’ny tempoly. Nilaza an’i Bala ho fototry ny fanambinana azony ny Isiraely. Nivadika tamin’i Jehovah izy ireo, ary tsy mendrika azy, ka noho izany dia tsy maintsy nampiharana fifehezana. Hasehon’i Jehovah azy fa tsy avy tamin’i Bala ireo fananany ara-nofo, ary dia naniraka an’i Hosea izy mba hampitandrina ny Isiraely ny amin’ny ho dikan’ny tsy fibebahana. Rehefa maty i Jeroboama II, dia niatrika ny fe-potoana nahatsiravina indrindra niainany ny Isiraely. Nisy fotoam-panapahana feno horohoro, nisian’ny mpanapaka sasantsasany novonoina ho faty, nitohy hatramin’ny fahababoany tany Asyria tamin’ny 740 al.f.i. Nandritra io fotoana io, dia nisy ankolafiny roa niady tamin’izy samy izy, satria ny iray dia naniry hamatotra fihavanana tamin’i Egypta, ary ilay iray hafa tamin’i Asyria. Samy tsy nitoky tamin’i Jehovah izy roa ireo.

6. Inona no ahariharin’ny fomba fanoratr’i Hosea?

6 Mampiharihary zavatra ny fomba fanoratr’i Hosea. Matetika dia maneho fitiavana sy fahaiza-mangoraka ny fomba fampiasany ireo teny, ary miverimberina manantitrantitra ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana (NW ) sy ny famindram-pony, izy. Mifantoka be dia be amin’izay famantarana kely ny amin’ny fibebahana hitany izy. Ny fomba fiteniny, amin’ny toerana hafa, dia miova tampoka sy toa tsy voafehy. Ny tsy fisian’ny ba, dia oneran’ny hery sy ny tanjaka. Maneho fihetseham-po mahery aoka izany izy, ary miovaova hevitra haingana.

7. Inona no asehon’ny tsy fahatokian’i Gomera sy ny fandraisana azy indray tatỳ aoriana?

7 Teo am-piandohan’ny asany tamin’ny naha-mpaminany azy, i Hosea dia nodidiana mba haka “vady izay efa tena janga”. (1:2). Azo antoka fa nanan-java-kendrena i Jehovah tamin’izany. Toy ny vady nanjary tsy nahatoky ka nijangajanga tamin’i Jehovah ny Isiraely. Kanefa haneho ny fitiavany azy izy ary hiezaka ny handray azy indray. I Gomera, vadin’i Hosea, dia ho afaka tsara ny hampiseho izany an’ohatra. Takatra fa, taorian’ny nahaterahan’ny zanany voalohany, dia nanjary tsy nahatoky izy ary toa niteraka ireo zanany hafa avy tamin’ny fanitsakitsaham-bady (NW ). (2:5-7). Izany dia asehon’ny filazan’ilay firaketana an-tsoratra hoe “nitera-dahy taminy [tamin’i Hosea]” izy, sy ny tsy fanisian’ilay mpaminany firesahana na inona na inona momba ny nahaterahan’ireo zanany roa hafa. (1:3, 6, 8). Ny toko faha-​3, andininy voalohany ka hatramin’ny faha-​3, dia toa miresaka momba ny nandraisan’i Hosea an’i Gomera indray, tamin’ny fividianana azy toy ny andevo, ka izany dia nifandray tamin’ny nandraisan’i Jehovah ny vahoakany indray rehefa avy nibebaka tamin’ny fanitsakitsaham-bady nataony izy ireo.

8. Anarana inona avy no ampiasaina amin’ny fomba mitovy ihany ao amin’ilay boky?

8 Ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tany avaratra, izay iantefan’ireo tenin’ny faminanian’i Hosea indrindra, dia fantatra koa amin’ny hoe Efraima, izay ny anaran’ilay foko lehibe indrindra tao amin’ilay fanjakana. Ireo anarana ireo, izany hoe Isiraely sy Efraima, dia ampiasaina amin’ny fomba mitovy ihany ao amin’ilay boky.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY HOSEA

9. Inona no asehon’ny anaran’ireo zanak’i Gomera raha ny amin’ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraely?

9 Naseho an’ohatra ny fanitsakitsaham-bady nataon’ny Isiraely (1:1–3:5). Nitera-dahy, dia i Jezirela, tamin’i Hosea mpaminany, ilay “vady izay efa tena janga” nalainy. Tatỳ aoriana dia nanan-janaka roa hafa izy, dia zanakavavy iray, i Lô-rohama, izay midika hoe “Tsy Namindrana Fo [Izy]”, sy zanakalahy iray, i Lô-amỳ, izay midika hoe “Tsy Oloko”. Ireo anarana roa ireo dia nomen’i Jehovah mba hampisehoana fa “tsy hamindra fo amin’ny taranak’Isiraely intsony” izy, ary koa mba hanantitranterana ny fandavany azy ireo tsy ho vahoakany, tamin’ny fitambarany. (1:2, 6, 9). Kanefa, ireo zanaky ny Joda sy ny Isiraely, tamin’ny naha-“zanak’Andriamanitra velona” azy ireo, dia tokony hovorina teo ambanin’ny loha iray ihany, “fa ho lehibe ny andron’i Jezirela”. (1:10, 11). Rehefa ho voadio tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala, izay fanitsakitsaham-bady, ny vahoakan’Andriamanitra, dia hiverina amin’i Jehovah ary hanaiky azy ho vadiny. (2:16). Homen’i Jehovah tsy fananana ahiahy ny Isiraely, sady hofofoiny ho vadiny mandrakizay amin’ny rariny sy ny hitsiny, amin’ny fitiavana sy ny indrafo, ary amin’ny fahamarinana. Nifanaraka tamin’ny anaran’i Jezirela (izay midika hoe “Hamafy Voa Andriamanitra”), dia nampanantena toy izao i Jehovah: “Hafafiko ho Ahy amin’ny tany izy; ary (...) hanao amin’i Lô-amỳ [aho] hoe: Oloko hianao; ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.” (2:23). Toy ny vady nibebaka iray noho ny fanitsakitsaham-bady nataony, dia “hiverina ny Zanak’Isiraely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany”. — 3:5.

10. Inona no ho vokatry ny fandavan’ilay firenena ny fahalalana?

10 Didim-pitsarana ara-paminaniana tamin’ny Efraima (sy ny Joda) (4:1–14:9). Ny andininy voalohany amin’ny toko faha-​4 dia manome ny tarehin-javatra tamin’ny fotoana nanoratana ireo fampitandremana ara-paminaniana nanaraka: “Jehovah manana ady amin’ny mponina amin’ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany”. Inona no ho vokatr’io toe-javatra io? “Satria hianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; ary efa nanadino ny lalàn’Andriamanitrao hianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao”, hoy i Jehovah. (4:1, 6). Ny fanahim-pijangajangana mihitsy no nampania ny Isiraely. Hisy famaliana ho an’ny Isiraely sy ny Joda, izay toy ny vehivavy janga, kanefa hitady an’i Jehovah fatratra izy ireo “rehefa azom-pahoriana”. — 5:15.

11. Inona no fitalahoana nataon’i Hosea tamin’ilay vahoaka, kanefa nahoana izany no loza ho azy ireo?

11 Nitalaho tamin’ilay vahoaka toy izao i Hosea: “Andeha hiverina ho amin’i Jehovah isika; fa (...) Izy ihany no hahasitrana antsika”. Famindram-po sy fahalalana an’Andriamanitra no sitrak’i Jehovah, fa tsy fanatitra alatsa-dra na fanatitra dorana. Kanefa ny fitiavan’ny Efraima sy ny Joda dia “tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro”. (6:1, 4). Ny Efraima dia “tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina”. Nitodika tany amin’i Egypta sy i Asyria ilay vahoaka mba hahazoana fanampiana (NW ), fa tsy tany amin’i Jehovah. (7:11). Loza ho azy ireo. Fa nahoana? Nitangorona nitady zavatra izy ireo, nisaintsain-dratsy, nivadika ny faneken’i Jehovah ary nandika ny lalàny. “Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany”. (8:7). Hotsarovan’i Jehovah ny helony ary hovaliany ny fahotany. “Ho tonga mpirenireny any amin’ny jentilisa izy.” (9:17). Voaloboka nisandrahaka, izay nanjary nanana fo namitaka, ny Isiraely. Tsy namafy araka ny fahamarinana na nijinja araka ny fitiavana ny Isiraely, fa niasa faharatsiana ary nijinja fahadisoana kosa. “Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako”, hoy ny fampahatsiahivan’i Jehovah. (11:1). Eny, tia ny Isiraely hatramin’ny fahazazany Izy, kanefa ny Isiraely nanodidina Azy tamin’ny lainga sy ny fitaka. Nanome izao torohevitra izao i Jehovah: “Miverena amin’Andriamanitrao hianao; tandremo ny famindrampo sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.” — 12:7.

12. a) Inona no fintinin’i Hosea ao amin’ny toko faha-13? b) Famerenana amin’ny laoniny inona no nampanantenaina?

12 Ao amin’ny toko faha-13, i Hosea dia mamintina izay rehetra nitranga taloha, momba ny fampanantenan’ny Isiraely tany am-boalohany sy ny fiahian’i Jehovah feno fitiavana, ary koa ny fanadinoan’ny Isiraely sy ny fiodinan’ilay firenena tamin’i Jehovah tamin’ny farany. Nanambara toy izao i Jehovah: “Nomeko mpanjaka hianao tamin’ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin’ny fahavinirako.” (13:11). Avy eo anefa dia hisy famerenana amin’ny laoniny: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny Sheola izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry Sheola, ô, aiza ny fandringananao?” (13:14, f.a.p.). Kanefa, hampihoron-koditra ny zavatra hanjo an’i Samaria mpiodina.

13. Fitalahoana inona no mamarana ny bokin’i Hosea, ary iza no handeha amin’ny lalan’i Jehovah?

13 Mifarana amin’izao fitalahoana mahavaky fo izao ilay boky: ‘Ry Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao. Mitadiava famelan-keloka, ary atero ho fanatitra ny molotrao. Haneho famindram-po sy fitiavana aminao i Jehovah. Ho tahaka ny ando mamelombelona aminao izy, ary hamony tahaka ny lilia sy ny hazo oliva ianao’. Ny hendry sy ny manan-tsaina dia hahatakatra ireto zavatra ireto: “Fa mahitsy ny làlan’i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.” — 14:1-6, 9.

MAHASOA — NAHOANA?

14. Fahatanterahan’ny faminanian’i Hosea araka ny marina inona avy no tokony homarihina?

14 Ny bokin’i Hosea dia manatanjaka ny finoana ireo faminaniana ara-tsindrimandrin’i Jehovah. Tanteraka avokoa ny faminanian’i Hosea rehetra mikasika ny Isiraely. Nilaozan’ireo sakaizany (NW ) teo amin’ireo firenena mpanompo sampy teo akaiky, ny Isiraely ary nijinja ny tadion’ny fandringanana avy tamin’i Asyria tamin’ny 740 al.f.i. (Hosea 8:7-10; 2 Mpanj. 15:20; 17:3-6, 18). Kanefa, efa nanambara mialoha i Hosea fa hamindran’i Jehovah fo ny Joda ary hovonjeny, kanefa tsy amin’ny alalan’ny hery ara-tafika akory. Izany dia tanteraka rehefa namono ho faty 185 000 tamin’ireo Asyriana nandrahona an’i Jerosalema, ny anjelin’i Jehovah iray. (Hosea 1:7; 2 Mpanj. 19:34, 35). Na dia izany aza, dia tafiditra tato amin’itỳ didim-pitsarana ao amin’ny Hosea 8:14 itỳ ny Joda: “Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’izany ny trano vaventiny.” Izany dia fahitana mialoha izay nahita fahatanterahana nahatsiravina fony nandrava an’i Joda sy i Jerosalema tamin’ny 609 al.f.i. - 607 al.f.i. i Nebokadnezara. (Jer. 34:6, 7; 2 Tant. 36:19). Ireo faminaniana maro nataon’i Hosea momba ny famerenana any amin’ny taniny dia tanteraka rehefa namory ny Joda sy ny Isiraely niaraka i Jehovah, ka ‘niakatra hiala tamin’ny tany’ nanaovana sesitany azy izy ireo, tamin’ny 537 al.f.i. — Hosea 1:10, 11; 2:14-23; 3:5; 11:8-11; 13:14; 14:1-9; Ezra 2:1; 3:1-3.

15. Ahoana no ampiharan’ireo mpanoratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ireo fakan-teny avy ao amin’ny bokin’i Hosea?

15 Ireo firesahana ataon’ny mpanoratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana momba ny faminanian’i Hosea koa dia mahasoa indrindra mba hodinihintsika amin’izao andro izao. I Paoly, ohatra, dia nampihatra tamin-kery ny Hosea 13:14 rehefa nandinika ny fitsanganana amin’ny maty toy izao: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” (1 Kor. 15:55). Rehefa nanantitrantitra ny amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, izay asehony amin’ireo fanaky ny famindram-po, i Paoly dia naka teny toy izao avy tao amin’ny Hosea 1:10 sy ny 2:23: “Araka izay lazainy eo amin’i Hosea hoe: ‘Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; ary ilay tsy malala hoe malala; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo, dia any no hiantsoana azy hoe zanak’Andriamanitra velona.’ ” (Rom. 9:25, 26). Nilaza tamin’ny fomba hafa ireo andalan-teny avy ao amin’ny Hosea ireo ihany, toy izao i Petera: “Dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.” — 1 Pet. 2:10.

16. Ny tenin’i Hosea inona avy no naverin’i Jesosy mba hampisehoana ireo fepetra takin’i Jehovah momba ny fanompoam-pivavahana?

16 Araka izany, ny faminanian’i Hosea dia hita fa tanteraka, tsy teo amin’ny fiverenan’ny sisa tamin’ny andron’i Zerobabela ihany, fa tamin’ny fanangonan’i Jehovah tamim-pamindram-po ny sisa ara-panahy izay nanjary ‘zanaka malalan’Andriamanitra velona’, koa. Ara-tsindrimandry, dia efa hitan’i Hosea ireo fepetra takina amin’izy ireo. Izany akory tsy fanompoam-pivavahana etỳ ivelany amin’ny alalan’ny fombafomba fotsiny, fa araka ireo teny ao amin’ny Hosea 6:6 (izay naverin’i Jesosy ao amin’ny Matio 9:13 sy Matio 12:7), dia izao: “Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.”

17. a) Inona no tena ilain’izay rehetra solafaka ao amin’ny fanitsakitsaham-bady ara-panahy? b) Fampanantenana mahafaly ny amin’ilay Fanjakana inona no raketin’ny Hosea?

17 Ny ohatra ny amin’ilay vady mpanitsakitsa-bady izay naseho tamin’ny fomba toa hitan’ny maso aoka izany teo amin’ny fiainan’i Hosea mihitsy, dia mampiseho fa tena halan’i Jehovah ireo izay mivadika aminy ka manaraka ny lalan’ny fanompoan-tsampy sy ny fanompoam-pivavahan-diso, ka manitsakitsa-bady amin’ny heviny ara-panahy. Izay rehetra solafaka ka nanao heloka dia tsy maintsy miverina amin’i Jehovah amim-pibebahana marina ary ‘hanatitra ny molony ho fanatitra [“vantotr’ombilahy”, f.a.p.]’. (Hosea 14:3; Heb. 13:15). Mety hiara-mifaly amin’ny sisa amin’ny zanak’Isiraely ara-panahy ireo, ho fahatanterahan’ilay fampanantenana ny amin’ilay Fanjakana ao amin’ny Hosea 3:5 manao hoe: “Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’Isiraely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany.”

[Fanontaniana]