Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-29 — Joela

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-29 — Joela

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-29 — Joela

Mpanoratra: Joela

Toerana Nanoratana: Joda

Vita Tamin’ny: 820 al.f.i. tany ho any (?)

1. Fisehoan-javatra mampihetsi-po lalina inona avy no asongadin’ny faminanian’i Joela?

 NISESY ireo andiam-bibikely tonga nanafoana ilay tany. Nisy afo teo alohany sy lelafo tany aoriany, mba hanatanterahana ilay fandravana. Hatraiza hatraiza dia nisy mosary. Nivadika ho haizina ny masoandro ary ho ra ny volana, satria efa akaiky ny andro lehibe sy mahatahotr’i Jehovah. Nomeny ny baiko mba hampandrosoana ny fijinjana sy hanangonana ireo firenena ho amin’ny fandringanana. Kanefa, hisy sasany “ho afa-mandositra”. (Joela 3:5). Ny fandinihana ireo fisehoan-javatra mampihetsi-po lalina ireo dia mahatonga ny faminanian’i Joela ho mahaliana aoka izany no sady andraisantsika soa be dia be.

2. Inona no fantatsika momba an’i Joela sy ireo toe-javatra nanaovany ny asan’ny mpaminany?

2 Ampidirina ho toy ny “tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Joela, zanak’i Petoela” ilay boky. Tsy milaza amintsika na inona na inona ankoatra izany momba an’i Joela ny Baiboly. Ilay hafatra ara-paminaniana no antitranterina fa tsy ny mpanoratra azy. Ilay anarana hoe Joela (Hebreo: Yoh·ʼelʹ ) dia takatra fa midika hoe “Andriamanitra i Jehovah”. Ny fahafantaran’i Joela mivantana an’i Jerosalema sy ny tempoliny ary ireo tsipiriany momba ny fanompoana tao amin’ny tempoly, dia mety hilaza fa nanoratra ny bokiny tao Jerosalema na tao Joda izy. — Joela 1:1, 9, 13, 14; 2:1, 15, 16; 3:5.

3. Noho ny antony inona avy no toa anondroana fa tany amin’ny datin’ny 820 al.f.i. tany ho any no nanoratana ny faminanian’i Joela?

3 Oviana no nosoratana ny bokin’i Joela? Tsy azo ambara amin’ny fomba azo antoka izany. Tsy mitovy hevitra ireo manam-pahaizana ka manondro daty eo anelanelan’ny 800 al.f.i. sy ny 400 al.f.i. tany ho any. Ny filazalazana momba ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ireo firenena tao amin’ny lohasahan’i Josafata dia toa manondro fa i Joela dia nanoratra ny faminaniany fotoana kelikely taorian’ilay fandresena lehibe azon’i Jehovah ho famonjena an’i Josafata, Mpanjakan’ny Joda, ka noho izany dia taorian’ny nahatongavan’i Josafata ho mpanjaka tamin’ny 936 al.f.i. (Joela 3:2, 12; 2 Tant. 20:22-26). I Amosa mpaminany dia nety ho naka teny avy tamin’ny soratra tao amin’ny Joela. Izany àry dia hidika fa ny faminanian’i Joela dia nosoratana talohan’ny an’i Amosa, izay nanomboka naminany teo anelanelan’ny 829 al.f.i. sy ny 804 al.f.i. (Joela 3:16; Amosa 1:2). Mety hilaza daty iray aloha be koa ny toeran’ilay boky eo anelanelan’ny Hosea sy ny Amosa, ao amin’ny kanôna hebreo. Noho izany, ny daty tany akaikin’ny 820 al.f.i. no toa tondroina ho an’ny faminanian’i Joela.

4. Porofo inona avy no misy ny amin’ny maha-azo itokiana ny Joela?

4 Ny maha-azo itokiana ilay faminaniana dia porofoin’ireo fakan-teny avy ao aminy sy ireo firesahana momba azy, hita ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. Tamin’ny andro Pentekosta, i Petera dia niresaka momba an’i “Joela mpaminany” ary nanao fampiharana ny iray tamin’ireo faminaniany. Nanonona izany faminaniana izany koa i Paoly ary nampiseho ny fahatanterahany tamin’ireo Jiosy sy ireo tsy Jiosy. (Joela 3:1-5; Asa. 2:16-21; Rom. 10:13). Tanteraka avokoa ireo faminanian’i Joela hamelezana ireo firenena teo akaiky. Ny tanàna lehiben’i Tyro dia nataon’i Nebokadnezara fahirano, ary tatỳ aoriana ilay tanàna anosy dia noravan’i Aleksandra Lehibe. I Filistia koa dia fongana toy izany. I Edoma kosa dia tonga efitra. (Joela 3:4, 19). Tsy nisalasala ny maha-kanônika ny Joela na oviana na oviana ireo Jiosy, ary nametraka ilay boky teo amin’ny toerana faharoa teo amin’ireo mpaminany antsoina hoe madinika.

5. Ahoana no ilazan’ny faminanian’i Joela hevitra tsara amin’ny fomba manaitra?

5 Ny fomba fanoratr’i Joela dia sady toy ny hitan’ny maso no milaza hevitra tsara. Manao famerimberenana ho fanamafisana izy ary mampiasa teny fanoharana manaitra. Antsoina hoe firenena sy vahoaka (NW ) ary miaramila ny valala. Ny nifin’izy ireo dia toy ny an’ny liona, ny fijery azy toy ny fijery soavaly, ary ny figorodony toy ny an’ny kalesin’ny miaramila enti-miady. Manonona ny filazan’ny manam-pahefana iray momba ny fomba enti-mifehy ny valala toy izao ny The Interpreter’s Bible: “Ny filazalazan’i Joela momba ny fanafihan’ny valala dia mbola tsy nisy nihoatra na oviana na oviana, raha ny amin’ny maha-araka ny marina sady mampihetsi-po lalina ireo tsipiriany.” a Henoy izao ny faminanian’i Joela ny amin’ilay andro mahatahotr’i Jehovah.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JOELA

6. Fahitana mahatsiravina inona no hitan’i Joela aloha?

6 Nampihanjahanja (NW ) ilay tany ny fanafihan’ny bibikely; akaiky ny andron’i Jehovah (1:1–2:11). Fahitana mahatsiravina re izany loza hitan’i Joela izany! Izany dia ny famelezana nitondra fandringanana avy tamin’ny kijeja, ny valala, ny koraika ary ny kalalao (NW ). Nahanjahanjany tsy nisy na inona na inona intsony (NW ) ireo voaloboka sy aviavy, ary nananontanona ilay tany ny mosary. Tsy nisy fanatitra hohanina na fanatitra aidina ho an’ny tranon’i Jehovah. Nampitandrina ireo mpisorona sy mpanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah mba hibebaka, i Joela. “Indrisy ny andro!”, hoy izy nihiaka, “fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy tamin’ny Tsitoha ny fihaviny.” (1:15). Nirenireny (NW  ) ireo biby, toa very hevitra. Kilan’ny lelafo ny kijana sy ny hazo, ary main’ny afo ny efitra.

7. Ahoana no ilazalazana ny tafik’i Jehovah nanafika?

7 Ampanenoy ny fanairana! “Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina!” (2:1). Efa antomotra ny andron’i Jehovah, dia andro maizina sy maizim-pito. Indro! Firenena lehibe sy matanjaka iray. Navadiny ho tonga efitra foana ilay tany toy ny saha Edena. Tsy nisy tsy azony. Niriotra toy ny soavaly sy tahaka ny figorodon’ny kalesy teny an-tampon’ny tendrombohitra izy ireo. Toy ny firenena voalamina hiady, dia nifamoivoy eran’ny tanàna izy ireo, nananika ireo manda sy trano ary niditra tao am-baravarankely. Nihorohoro ilay tany ary nihozongozona ny lanitra. I Jehovah no mpitarika io tafika lehibe io. “Lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?” — 2:11.

8. a) Amin’ny ahoana ihany no azo ampijanonana ny fanafihan’ireo bibikely? b) Fanonerana inona no nampanantenain’i Jehovah?

8 Mitodiha any amin’i Jehovah; halatsaka ny fanahy (2:12–3:5). Nisy zavatra azo natao anefa mba hampijanonana ilay fanafihana. Manoro hevitra toy izao i Jehovah: “Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra (...). Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo”. (2:12, 13). Nisy anjomara naneno niantso ny olona ho amin’ny fivoriana masina. Raha niverina tamin’i Jehovah izy ireo, “dia ho be zotom-po ho an’ilay taniny [Izy] ary haneho fangoraham-po amin’ny olony”. (2:18, NW ). Hisy fitahiana sy famelan-keloka, ary ilay mpanafika dia horesena tosika. Tsy ho fotoana hatahorana amin’izay fa ho fotoana hiravoravoana sy hifaliana, satria hisy voankazo sy vary ary divay sy diloilo vaovao. Honeran’i Jehovah ireo taona nohanin’ilay tafiky ny valala sesehena. Izao ny fampanantenany: “Hihinana hianareo ka ho voky dia hidera ny anaran’i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitòndrany anareo”. (2:26). Ho fantatr’izy ireo fa i Jehovah irery no Andriamaniny teo afovoan’ny Isiraely.

9. Faminaniana mampihetsi-po inona no manaraka izany?

9 “Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho”, hoy i Jehovah, “dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahi-antitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.” Hisy famantarana mahagaga haharaiki-tahotra eo amin’ny masoandro sy ny volana, alohan’ny hiavian’ny andron’i Jehovah. Kanefa hisy sasany ho afa-mandositra. “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. — 3:1-5.

10. Inona no hitranga ao amin’ny lohasahan’i Josafata?

10 Hotsaraina ao amin’ny “lohasahan’i Josafata” ireo firenena (NW ) (3:1-21). Hampiverina ireo babon’i Joda sy i Jerosalema i Jehovah. Hangonina ireo firenena; hofaizina mafy i Tyro sy i Sidona ary i Filistia noho izy ireo nandatsa sy nanandevo ny olon’i Jehovah. Henoy izao fihaikan’i Jehovah ireo firenena izao: “[Hamasino ny ady!, NW ], fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra”. (3:9). Aoka izy ireo hanefy ny fangadiny ho sabatra ary hiakatra ho ao amin’ny lohasahan’i Josafata (izay midika hoe “Mpitsara i Jehovah”). Nanakoako toy izao ny baikon’i Jehovah: “Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra (...), mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany. He izany vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah”. (3:13, 14). Tonga maizina ny masoandro sy ny volana. Nierona tao Ziona i Jehovah, ka nampihorohoro ny tany aman-danitra, fa hita ho fialofana sy fiarovana mafy ho an’ny olony izy. Ho fantatr’izy ireo fa izy no Jehovah Andriamaniny.

11. Ahoana no ilazalazan’i Joela avy eo momba ireo fitahiana ho avy, avy amin’i Jehovah?

11 Paradisa feno zava-tsoa toy inona moa no ho hita “amin’izany andro izany”! (3:18). Hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ary ho feno rano tondraka ny lohasahan-driaka. Hisy loharano mamelombelona hivoaka avy ao an-tranon’i Jehovah. I Egypta sy i Edoma, izay nandatsaka ra marina tao Joda, dia ho tonga tany lao, fa i Joda sy i Jerosalema kosa honenana mandrakizay, ‘ary i Jehovah honina ao Ziona’. — 3:21.

MAHASOA — NAHOANA?

12. Hevi-dehibe ara-paminanian’i Joela inona no nohamafisin’i Petera tamin’ny Pentekosta?

12 Misy mpivaofy teny nilazalaza an’i Joela ho mpaminany zava-maizina. Kanefa, araka ny fomba fijerin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia miseho ho mpanambara vaovao be voninahitra ny amin’ny fanafahana izy. Nanantitrantitra izany hevitra izany ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 10:13, ka nanao hoe: “Fa ‘izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena’.” (Joela 3:5). Nisy fahatanterahana nanaitran’io faminanian’i Joela io tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.f.i. Tamin’io toe-javatra io, i Petera dia nahazo tsindrimandry mba hanazava ny nandatsahana ny fanahin’Andriamanitra tamin’ireo mpianatr’i Kristy, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Joela. (Asa. 2:1-21; Joela 3:1, 2, 5). Nanantitrantitra mafy toy izao ny hevi-dehibe ara-paminanian’ireo tenin’i Joela i Petera: “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.” — Asa. 2:21, 39, 40.

13. a) Fitoviana manaitra inona avy no hita eo amin’ny Joela sy ny Apokalypsy? b) Fifanitsian-javatra inona avy no hita eo amin’ny Joela sy ny faminaniana hafa?

13 Misy fitoviana manaitra hita eo amin’ilay loza ny amin’ireo valala lazalazain’i Joela sy ilay loza voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-​9. Nanjary maizina indray koa ny masoandro. Ny endrik’ireo valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady, toy ny fikotrokotroky ny kalesy ny figorodony, ary manana nify tahaka ny an’ny liona izy ireo. (Joela 2:4, 5, 10; 1:6; Apok. 9:2, 7-9). Ny faminanian’i Joela ao amin’ny Joela 2:31, 32, izay milaza ny amin’ny masoandro mivadika ho haizina, dia mifanitsy amin’ireo teny miresaka momba io fisehoan-javatra io, ao amin’ny Isaia 13:9, 10 sy ny Apokalypsy 6:12-17, ary koa ao amin’ny Matio 24:29, 30, izay ampisehoan’i Jesosy fa io faminaniana io dia mihatra amin’ny fotoana hiavian’ny Zanak’olona amin-kery sy voninahitra lehibe. Ireo tenin’ny Joela 2:11 hoe “lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Jehovah”, dia toa asian’ny Malakia 4:5 firesahana. Misy filazalazana mifanitsy amin’io ‘andro maizina sy maizim-pito’ io koa ao amin’ny Joela 2:2 sy Zefania 1:14, 15.

14. Andalan-teny inona avy ao amin’ny Joela no manandratra ny fiandrianan’i Jehovah sy ny famindram-pony?

14 Mitodika amim-panantenana any amin’ny fahatongavan’ilay ‘andro lehiben’ny fahatezeran’Andriamanitra’, ny faminanian’ny Apokalypsy. (Apok. 6:17). I Joela koa dia naminany momba io fotoana io, ka nampiseho fa, rehefa tonga eo amin’ireo firenena ilay ‘andro lehiben’i Jehovah’, ireo izay miantso azy mba hahazoana fiarovana sy fanafahana dia “ho afa-mandositra”. ‘Ho fialofan’ny olony i Jehovah.’ Haverina amin’ny laoniny ny fanambinana tany Edena: “Amin’izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak’i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Jehovah”. Rehefa mampiseho ireo fampanantenana mamirapiratra momba ny famerenana amin’ny laoniny ireo i Joela, dia manandratra koa ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra ary mitalaho toy izao amin’ireo tso-po, miorina amin’ny famindram-pony lehibe: “Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo”. Izay rehetra manaraka io fiangaviana ara-tsindrimandry io dia hijinja soa mandrakizay. — Joela 2:1; 2:32; 3:16, 18; 2:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a 1956, Boky VI, pejy 733.

[Fanontaniana]