Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-3 — Levitikosy

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-3 — Levitikosy

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-3 — Levitikosy

Mpanoratra: Mosesy

Toerana Nanoratana: Tany an’efitra

Vita Tamin’ny: 1512 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 1 volana (1512 al.f.i.)

1. a) Nahoana no mety tsara ny anarana hoe Levitikosy? b) Anarana hafa inona avy no nomena ny Levitikosy?

 NY ANARANA mahazatra indrindra nomena ny boky fahatelo ao amin’ny Baiboly dia hoe Levitikosy, izay avy amin’ny hoe Leu·i·ti·konʹ ao amin’ny Septante grika ka nalaina avy tamin’ny hoe “Leviticus” tao amin’ny Vulgate latina. Mety tsara io anarana io, na dia tsy tononina afa-tsy vetivety fotsiny aza ireo Levita (ao amin’ny 25:32, 33), satria ny tena mahaforona ilay boky dia ireo fitsipiky ny fisoronana levitika, izay nofidina teo amin’ny fokon’i Levy, ary koa ireo lalàna nampianarin’ireo mpisorona ny vahoaka: “Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany”. (Mal. 2:7). Ao amin’ireo soratra hebreo, ny anaran’ilay boky dia avy amin’ilay teny voalohany ao aminy hoe Wai·yiq·raʼʹ, izay midika ara-bakiteny hoe “Ary dia niantso izy”. Teo amin’ireo Jiosy tatỳ aoriana, ilay boky dia nantsoina koa hoe Lalàn’ireo Mpisorona sy Lalàna momba ireo Fanatitra. — Lev. 1:1, NW, f.a.p.

2. Porofo inona no manohana fa i Mosesy no nanoratra azy io?

2 Tsy misy iadian-kevitra fa i Mosesy no nanoratra ny Levitikosy. Ny famaranan-teniny dia manambara hoe: “Ireo no didy izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy”. (27:34). Misy fanambarana mitovy amin’izany ao amin’ny Levitikosy 26:46. Ny porofo nomarihina teo aloha ka mampiseho fa i Mosesy no nanoratra ny Genesisy sy ny Eksodosy dia manohana koa ny naha-mpanoratra ny Levitikosy azy, satria ny Pentateuque dia niharihary fa horonam-boky iray ihany tany am-boalohany. Ambonin’izany, ny Levitikosy dia mifandray amin’ireo boky teo aloha noho ilay teny fampitohizana hoe “ary”. Ny porofo mahery indrindra dia noho i Jesosy Kristy sy ny mpanompon’i Jehovah hafa nahazo tsindrimandry nanonona na naka teny matetika avy tamin’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipika ao amin’ny Levitikosy ary nilaza fa i Mosesy no nanoratra azy ireo. — Lev. 23:34, 40-43Neh. 8:14, 15; Lev. 14:1-32Matio 8:2-4; Lev. 12:2Lioka 2:22; Lev. 12:3Jaona 7:22; Lev. 18:5Rom. 10:5.

3. Fe-potoana toy inona no voafaokan’ny Levitikosy?

3 Fe-potoana toy inona no voafaokan’ny Levitikosy? Ny bokin’ny Eksodosy dia mifarana amin’ny fananganana ny tabernakely “tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona faharoa”. Ny bokin’ny Nomery (izay manaraka avy hatrany ny fitantarana ao amin’ny Levitikosy) dia manomboka amin’ny firesahan’i Jehovah amin’i Mosesy “tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa taorian’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Egypta”. Hita araka izany àry fa tsy nety ho nihoatra ny iray volana, araka ny fiodinan’ny volana, no nitrangan’ireo fisehoan-javatra vitsy ao amin’ny Levitikosy, satria ny ampahany lehibe indrindra amin’ilay boky dia voaforona lalàna sy fitsipika. — Eks. 40:17; Nom. 1:1; Lev. 8:1–10:7; 24:10-23.

4. Oviana no nosoratana ny Levitikosy?

4 Oviana i Mosesy no nanoratra ny Levitikosy? Araka ny fandrindran-kevitra ny hanatsoahana hevitra fa nirakitra an-tsoratra ireo fisehoan-javatra arakaraka ny nitrangan’izy ireo izy, ary nanoratra ireo toromarik’Andriamanitra arakaraka ny nahazoany azy ireo. Izany dia hita avy amin’ilay didy nomen’Andriamanitra an’i Mosesy mba hanoratra momba izay hanjo ny Amalekita taorian’ny nandresen’ny Isiraely azy ireo tany an’ady avy hatrany. Toa manondro daty tany aloha koa ny lafin-javatra sasany ao amin’ilay boky. Ohatra, ireo Isiraelita dia nodidiana mba hitondra ireo biby tiany hampiasaina tamin’ny sakafony teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana mba hovonoina teo. Io didy io dia nomena sy noraketina an-tsoratra fotoana fohy taorian’ny nanorenana ny fisoronana. Toromarika maro no nomena mba hitarihana ireo Isiraelita nandritra ny diany tany an’efitra. Izany rehetra izany dia manondro fa ny nanoratan’i Mosesy ny Levitikosy dia nandritra ny 1512 al.f.i. — Eks. 17:14; Lev. 17:3, 4; 26:46.

5. Inona no zava-kendren’ireo lalàna momba ny fanatitra sy ny fahalotoana ara-pomba?

5 Nahoana no nosoratana ny Levitikosy? I Jehovah dia nanam-pikasana ny hanana firenena masina iray, dia vahoaka nohamasinina iray, voatokana ho an’ny fanompoana azy. Hatrany amin’ny andron’i Abela, ireo lehilahy nahatokin’Andriamanitra dia nanao fanatitra ho an’i Jehovah, kanefa tamin’ny firenen’ny Isiraely i Jehovah vao nanome toromarika voafaritra tsara momba ny fanatitra noho ny ota sy fanatitra hafa. Noho ireo, araka ny hazavaina amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Levitikosy, dia nanjary latsa-paka tao an-tsain’ny Isiraelita ny naha-tena ratsy ny ota, sady nanoritra tao an-tsainy fa tsy nahazo sitraka tamin’i Jehovah izy ireo noho izy io. Ireo fitsipika ireo, izay anisan’ny Lalàna, dia toy ny mpitaiza nitarika ireo Jiosy ho amin’i Kristy, ka nampiseho taminy fa nila Mpamonjy ny tenany, no sady nihazona azy ho vahoaka tafasaraka tamin’ny sisa tamin’izao tontolo izao. Ireo Lalàn’Andriamanitra momba ny fahadiovana ara-pomba indrindra no tena nanampy ho amin’io zava-kendrena farany io. — Lev. 11:44; Gal. 3:19-25.

6. Nahoana no nilaina manokana izao ny fitarihana tamin’ny an-tsipiriany avy tamin’i Jehovah?

6 Tamin’ny naha-firenena vaovao nanao dia ho any amin’ny tany vaovao iray azy, dia nila fitarihana tsara ny Isiraely. Mbola vao latsaka ny herintaona no lasa hatramin’ilay Fifindrana Rodobe, ary mbola tao an-tsain’izy ireo ny fari-piainana tany Egypta ary koa ireo fanao ara-pivavahana tany. Fanao tany Egypta ny fanambadiana anadahy na anabavy. Narahina tany ny fanompoam-pivavahan-diso tamin’andriamanitra maro, ka ny sasany tamin’ireo dia andriamanitra biby. Izao io kongregasiona lehibe io dia teny an-dalana ho any Kanana, izay nahitana fiainana sy fanao ara-pivavahana nietry kokoa noho izany aza. Kanefa jereo indray ny tobin’ny Isiraely. Nampitombo isa ilay kongregasiona ireo olona maro izay Egyptiana ray sy reny na Egyptiana ray na reny, dia olona maro samy hafa firenena izay niaina teo anivon’ireo Isiraelita mihitsy kanefa nateraky ny ray aman-dreny egyptiana ary notezaina sy nampianarina tao amin’ny fomba sy ny fivavahana ary ny fitiavan-tanindrazan’ireo Egyptiana. Maro tamin’ireo no tsy isalasalana fa nanaraka fahavetavetana tany amin’ny taniny, tsy ela akory izay. Tena nilaina tokoa izao ny hahazoany fitarihana tamin’ny an-tsipiriany avy tamin’i Jehovah!

7. Amin’ny ahoana ireo fitsipika ao amin’ny Levitikosy no mitondra ny mariky ny fananana an’Andriamanitra ho loharanony?

7 Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ny Levitikosy dia mitondra ny mariky ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Raha olombelona fotsiny, dia tsy ho afaka ny hamorona ireo lalàna sy fitsipika feno fahendrena sy rariny ao aminy. Ireo didiny momba ny sakafo, ny aretina, ny fanokanan-toerana ireo marary ary ny fomba fikarakarana ireo faty dia mampiharihary fahalalana zava-misy izay tsy takatry ny olona mpitsabo teo amin’izao tontolo izao raha tsy an’arivony taona maro tatỳ aoriana. Ny lalàn’Andriamanitra momba ireo biby maloto tsy azo nohanina dia niaro ireo Isiraelita teo am-panaovana ny diany. Izany dia niaro azy ireo tamin’ny voavary avy amin’ny kisoa, tamin’ny tefoedra sy ny tohi-tefoedra avy amin’ny karazana trondro sasany, ary tamin’ny aretina avy tamin’ny biby efa maty. Ireo lalàna nampiharina teo amin’ny fiainana andavanandro ireo dia tokony hanapaka ny fivavahany sy ny fiainany mba hahafahany hitoetra ho firenena masina ka hahatratra ny Tany Nampanantenaina ary honina tany. Ny tantara dia mampiseho fa ireo fitsipika avy tamin’i Jehovah dia tena nanome tombony marina an’ireo Jiosy, raha noharina tamin’ireo vahoaka hafa, teo amin’ny fahasalamana.

8. Amin’ny ahoana ireo hevitra ara-paminaniana ao amin’ny Levitikosy no manome porofo fanampiny ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry azy io?

8 Ny fahatanterahan’ireo faminaniana sy tandindona ao amin’ny Levitikosy dia manome porofo fanampiny fa azo tamin’ny tsindrimandry izy io. Ny tantara masina sy ny tantara ivelan’ny fivavahana dia samy mirakitra ny fahatanterahan’ireo fampitandremana ao amin’ny Levitikosy momba ny vokatry ny tsy fankatoavana. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nambarany mialoha fa hisy reny hihinana ny zanany noho ny mosary. Mampiseho i Jeremia fa izany dia tanteraka tamin’ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., ary i Josèphe dia nitantara fa izany dia nitranga tamin’ny fandringanana io tanàna io tatỳ aoriana, tamin’ny 70 am.f.i. Ilay fampanantenana ara-paminaniana fa hoe hotsarovan’i Jehovah izy ireo raha nibebaka, dia nahita ny fahatanterahany rehefa niverina avy tany Babylona tamin’ny 537 al.f.i. izy ireo. (Lev. 26:29, 41-45; Fitom. 2:20; Fitom. 4:10; Ezra 1:1-6). Ny fanamarinana fanampiny ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry ny Levitikosy dia ireo fakan-teny avy ao aminy, nataon’ireo mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly, amin’ny maha-Soratra ara-tsindrimandry azy. Ankoatra izay nomarihina teo aloha mba hanaporofoana fa i Mosesy no mpanoratra azy, dia jereo aza fady ny Matio 5:38; 12:4 sy ny 2 Korintiana 6:16 ary ny 1 Petera 1:16.

9. Amin’ny ahoana no anandratan’ny Levitikosy ny anaran’i Jehovah sy ny fahamasinany?

9 Ny bokin’ny Levitikosy dia manandratra hatrany ny anaran’i Jehovah sy ny fiandrianany. Tsy latsaka ny in-36 ny filazana fa avy tamin’i Jehovah ireo lalàna ao aminy. Ny anaran’i Jehovah fotsiny dia miseho, amin’ny antsalany, impolo ao amin’ny toko tsirairay, ary miverimberina ny fampianarana momba ny fankatoavana ireo lalàn’Andriamanitra amin’ny alalan’ilay fampahatsiahivana hoe “Izaho no Jehovah”. Ny loha hevitry ny fahamasinana dia hita hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Levitikosy, izay manonona io fepetra takina io matetika kokoa noho ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Tokony ho masina ireo Isiraelita satria masina i Jehovah. Voatokana ho masina ny olona, ny toerana, ny zavatra ary ny fe-potoana sasany. Ohatra, ny Andro Fanavotana sy ny taona Jobily dia natokana ho vanin-taona hotandremana manokana teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah.

10. Inona no hamafisina raha ny amin’ny fanatitra, ary sazy inona avy noho ny ota no marihina?

10 Mifanaraka amin’ny fanantitranterany ny amin’ny fahamasinana, ny bokin’ny Levitikosy dia manamafy ny anjara asan’ny fandatsahana ra, izany hoe, ny fanaovana fanatitra aina iray, teo amin’ny famelana heloka. Ireo fanatitra biby dia noferana ho biby fiompy sady madio. Ho an’ny fahotana sasany, dia notakina ny fieken-keloka sy ny fiverenana ary ny fandoavana sazy, ankoatra ny fanaovana fanatitra. Ho an’ny fahotana hafa kosa, dia fahafatesana no sazy.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY LEVITIKOSY

11. Ahoana no azo amintinana ny Levitikosy?

11 Ny ampahany lehibe indrindra amin’ny Levitikosy dia voaforon’ny soratra momba ny lalàna, ka ny maro amin’izany dia ara-paminaniana koa. Amin’ny fitambarany, ilay boky dia manaraka foto-kevitra iray ary azo zaraina ho tapany valo, izay misesy ho azy avy hatrany.

12. Inona avy ireo karazana fanatitra nisy ra, ary tamin’ny fomba ahoana no tsy maintsy nanaterana azy ireo?

12 Fitsipika momba ny fanatitra (1:1–7:38). Nizara ho sokajiny lehibe roa ireo fanatitra samihafa: ny nisy ra, dia omby, ondry, osy ary vorona; ary ny tsy nisy ra, dia voan-javatra. Ireo fanatitra nisy ra dia tsy maintsy natolotra ho toy ny 1) fanatitra dorana, 2) fanati-pihavanana, 3) fanatitra noho ny ota, na 4) fanati-panonerana. Ireo efatra ireo dia samy nanana ireto lafin-javatra telo ireto: Ilay mpanao fanatitra no tsy maintsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, tsy maintsy nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay fanatitra izy ary avy eo dia tsy maintsy novonoina ilay biby. Taorian’ny famafazana ny ra, dia tsy maintsy nesorina arakaraka ilay karazana fanatitra natao ilay faty. Aoka isika izao handinika tsirairay ireo fanatitra nisy ra.

13-16. a) Sorito ireo fepetra takina ho amin’ny 1) fanatitra dorana, 2) fanati-pihavanana, 3) fanatitra noho ny ota, ary 4) fanati-panonerana. b) Nifandray tamin’ny fanatitra nisy ra, inona no norarana niverimberina?

13 1) Ireo fanatitra dorana dia nety ho zanak’omby, ondry, osy, na voromahailala na domohina, arakaraka ny antom-piveloman’ilay mpanao fanatitra. Tsy maintsy norasarasaina izy io, ka ankoatra ny hodiny, dia nodorana daholo teo ambony alitara. Raha ny amin’ny domohina na ny voromahailala, dia tsy maintsy notapahina tamin’ny hoho ny lohany kanefa tsy nohenterina, ary ny takorobabony sy ny volony (NW ) dia tsy maintsy nesorina. — 1:1-17; 6:1-6; 5:8.

14 2) Ny fanati-pihavanana dia nety ho lahy na ho vavy, avy tamin’ny omby na ny ondry. Ireo tapany nisy saborany ihany no nodorana teo ambony alitara, ka ny tapany sasany nomena an’ilay mpisorona ary ny sisa nohanin’ilay mpanao fanatitra. Nety tsara ilay anarany hoe fanati-pihavanana, satria tamin’ny alalany ilay mpanao fanatitra dia niara-nihinana, na hoe nanana fihavanana, raha azo atao ny milaza izany, tamin’i Jehovah sy ilay mpisorona. — 3:1-17; 7:17-23.

15 3) Ny fanatitra noho ny ota kosa dia notakina noho ireo ota tsy niniana natao, na ota tsy nahy. Ny karazam-biby natolotra dia arakaraka ilay olona nangatahana fanavotana noho ilay ota nataony — ny mpisorona, ny vahoaka tamin’ny fitambarany, ny mpanapaka iray, na ny olona tsotra iray. Tsy nitovy tamin’ireo fanatitra nodorana sy fanati-pihavanana natao an-tsitrapo ho an’ny isam-batan’olona, ny fanatitra noho ny ota, fa zavatra tsy maintsy natao. — 4:1-35; 6:24-30.

16 4) Ireo fanati-panonerana dia notakina mba hanavotana ny olona iray meloka noho ny tsy fahatokiana, ny famitahana na ny fangalarana. Tamin’ny toe-javatra sasany, ny heloka dia nitaky fieken-keloka sy fanatitra nifanaraka tamin’ny antom-piveloman’ilay olona koa. Tamin’ny hafa kosa, dia notakina ny fanonerana nifanentana tamin’ilay zavatra nafoy notataovina 20 isan-jato sy ny fanatitra ondry iray. Ato amin’itỳ fizarana ao amin’ny Levitikosy momba ny fanatitra itỳ, dia rarana mafy sy miverimberina ny fihinanana ra. — 5:1-6:7; 7:1-7, 26, 27; 3:17.

17. Tamin’ny fomba ahoana no tsy maintsy nanaterana ireo fanatitra tsy nisy ra?

17 Ireo fanatitra tsy nisy ra dia tsy maintsy ho voan-javatra izay tsy maintsy voaendy manontolo na zara raha voatoto, na koba tsara toto; ary tsy maintsy nomanina tamin’ny fomba samihafa izy ireo, izany hoe nomasahina tao anaty lafaoro, nendasina tamin’ny lapoaly maina, na difotry ny menaka. Tsy maintsy natolotra nisy sira sy menaka ary indraindray niaraka tamin’ny ditin-kazo mani-pofona izy ireo, kanefa tsy tokony hisy lalivay (NW ) na tantely velively. Tamin’ny fanatitra sasany, dia nisy tapany an’ny mpisorona. — 2:1-16, NW.

18. Fahitan-javatra nanatanjaka ny finoana inona no namarana ny fametrahana ny fisoronana?

18 Fametrahana ny fisoronana (8:1–10:20). Tonga izao ny fotoana ho an’ny zava-dehibe iray ho an’ny Isiraely, dia ny fametrahana ny fisoronana. Nanao izany tamin’ny an-tsipiriany rehetra i Mosesy, araka ny nandidian’i Jehovah azy. “Dia nataon’i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian’i Jehovah ka nampilazainy an’i Mosesy.” (8:36). Rehefa afaka fito andro naharetan’ilay fametrahana, dia nisy fahitan-javatra nahagaga sady nanatanjaka ny finoana. Nanatrika teo ilay fiangonana manontolo. Vao avy nanao fanatitra ireo mpisorona. Nitso-drano ilay vahoaka i Arona sy i Mosesy. Avy eo, dia indro! “Ny voninahitr’i Jehovah niseho tamin’ny olona rehetra. Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ny alitara; ary nony hitan’ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.” (9:23, 24). Tena mendrika ny hankatoaviny sy hotolorany fanompoam-pivavahana tokoa i Jehovah!

19. Fandikan-dalàna inona no nitranga, ary narahin’inona izany?

19 Kanefa dia nisy koa fandikana ny Lalàna. Ohatra, i Nadaba sy i Abiho zanak’i Arona dia nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah. “Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan’i Jehovah izy.” (10:2). Mba hanaterana fanatitra azo nekena ka hahazoana sitraka tamin’i Jehovah, na ny vahoaka na ny mpisorona dia tsy maintsy nanaraka ireo toromarik’i Jehovah. Taorian’izay avy hatrany Andriamanitra dia nanome ny didy fa ireo mpisorona dia tsy nahazo nisotro zava-pisotro nisy alkaola rehefa nanompo teo amin’ny tabernakely, ka izany dia nanipy hevitra fa fahamamoana no nety ho nitarika ho amin’ilay zava-dratsy nataon’ny zanak’i Arona mirahalahy.

20, 21. Fitsipika inona avy no nahafaoka ny fahadiovana sy ny fitandroana fahasalamana araka ny tokony ho izy?

20 Lalàna momba ny fahadiovana (11:1–15:33). Itỳ fizarana itỳ dia miresaka momba ny fahadiovana ara-pomba sy ara-pahasalamana. Ny biby sasany, na biby fiompy izany na biby dia, dia maloto. Ny faty rehetra dia maloto ary nahatonga izay nikasika azy ireo ho maloto. Ny fahaterahan’ny zaza iray koa dia nahatonga ho maloto ary nitaky fisarahana tamin’ny hafa sy fanatitra manokana.

21 Ny aretin-koditra sasany, toy ny habokana, koa dia nahatonga ho maloto ara-pomba, ka tsy maintsy natao ny fanadiovana, tsy tamin’ny olona ihany, fa tamin’ny akanjo sy ny trano koa aza. Notakina ny fanokanan-toerana ilay marary. Ny fadimbolana sy ny fitsihana koa dia mahatonga ho maloto, ary koa ny fialan’ny tsirilahy. Notakina ny fisarahana tamin’ny hafa tamin’ireo toe-javatra ireo, ary rehefa vita izany, ho fanampiny, dia notakina ny fanasana ny vatana, na ny fanaterana fanatitra, na izy roa.

22. a) Nahoana no miavaka ny toko faha-16? b) Inona no fanaovan-javatra narahina tamin’ny Andro Fanavotana?

22 Ny Andro Fanavotana (16:1-34). Itỳ dia toko miavaka iray, satria mirakitra ireo toromarika ho an’ilay andro lehibe indrindran’ny Isiraely, dia ny Andro Fanavotana, izay nankalazaina tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafito. Izy io dia andro hampahoriana ny tena (azo inoana indrindra fa tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina), ary tamin’izy io dia tsy azo natao ny asa ivelan’ny fivavahana. Nanomboka tamin’ny fanaterana vantotr’ombilahy noho ny fahotan’i Arona sy ny ankohonany, dia ny fokon’i Levy, izy io ary narahin’ny fanaterana osilahy noho ny an’ny sisa tamin’ilay firenena. Taorian’ny fandoroana ny ditin-kazo manitra, ny sasany tamin’ny ran’ireo biby tsirairay dia tsy maintsy nentina nifandimby tao amin’ny Masina Indrindran’ilay tabernakely mba hafafy teo anoloan’ny rakotr’ilay Fiara. Tatỳ aoriana, ny fatin’ireo biby dia tsy maintsy nentina tany ivelan’ny toby ka nodorana. Tamin’io andro io dia nisy osilahy velona iray koa natolotra teo anatrehan’i Jehovah, ka notononina teo amboniny ny fahotana rehetra nataon’ny vahoaka, ary taorian’izay dia nalefa nankany an’efitra izy io. Avy eo, dia tsy maintsy nisy ondry roa naterina ho fanatitra dorana, ny iray ho an’i Arona sy ny ankohonany ary ilay faharoa ho an’ny sisa tamin’ilay firenena.

23. a) Aiza no ahitantsika ny iray amin’ireo fanambarana mazava indrindra ao amin’ny Baiboly momba ny ra? b) Fitsipika hafa inona avy no nanaraka izany?

23 Didy momba ny ra sy ny raharaha hafa (17:1–20:27). Itỳ fizarana itỳ dia manoritra didy maro ho an’ilay vahoaka. Eto indray koa, dia rarana ny ra ao amin’ny iray amin’ireo fanambarana mazava indrindra momba ny ra hita ao amin’ny Soratra Masina. (17:10-14). Azo natao tsara ny nampiasa ny ra teo amin’ny alitara, fa tsy ho amin’ny sakafo. Norarana ny fahavetavetana toy ny fandriana amin’ny havana akaiky sy ny sodomia ary ny fandriana amin’ny biby. Nisy fitsipika ho fiarovana ny malahelo sy ny mahantra ary ny vahiny, ary nomena ny didy hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.” (19:18). Voaro ny fahasalamana ara-tsosialy sy ara-toe-karenan’ilay firenena, ary norarana ny loza ara-panahy toy ny fanompoam-pivavahana tamin’i Moloka sy ny spiritisma, ka fahafatesana no sazin’ny fandikana izany. Teto indray koa Andriamanitra dia nanantitrantitra ny fisarahan’ny vahoakany tamin’ny hafa: “Ary aoka ho masina ho Ahy hianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ny firenena samy hafa hianareo mba ho Ahy.” — 20:26.

24. Inona no soritan’ny Levitikosy raha ny amin’ireo fepetra takina ho an’ny fisoronana sy ny amin’ireo andro firavoravoana ara-potoana?

24 Ny fisoronana sy ireo andro firavoravoana (21:1–25:55). Ireo toko telo manaraka dia miresaka indrindra momba ny fomba hanoloran’ny Isiraely ny fanompoam-pivavahany: ireo didy nifehy ireo mpisorona, ny fepetra ara-batana notakina taminy, izay azony novadina, izay nahazo nihinana zavatra masina ary ireo fepetra notakina momba ireo biby tsara nampiasaina teo amin’ny fanatitra. Nodidiana ny fitandremana andro firavoravoana ara-potoana (NW ) telo teo amin’ilay firenena, ‘mba hifaly hafitoana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo’. (23:40). Toy ny olona iray ihany, tamin’izany fomba izany ilay firenena dia hampitodika ny sainy sy ny fiderany ary ny fanompoam-pivavahany tamin’i Jehovah, ka hanamafy ny fifandraisany aminy. Ireo dia ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah, fivoriambe masina fanao isan-taona. Ny Paska, niaraka tamin’ny Andro Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia natao tany am-piandohan’ny lohataona; ny Pentekosta, na Andro Firavoravoana Manarakaraka Ireo Herinandro, no nanaraka izany tamin’ny faran’ny lohataona; ary ny Andro Fanavotana sy ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo, na Andro Firavoravoana Amin’ny Fanangonana, izay naharitra valo andro, dia natao tamin’ny fararano.

25. a) Ahoana no nampisehoana fa tsy maintsy noraisina tamim-panajana “ny Anarana”? b) Fitsipika inona avy no nisy ifandraisana tamin’ny isa “fito”?

25 Ao amin’ny toko faha-24, dia misy toromarika momba ny mofo sy ny menaka nampiasaina teo amin’ny fanompoana tao amin’ny tabernakely. Nanaraka izany ilay zava-nitranga izay nandidian’i Jehovah fa na iza na iza niteny ratsy “ny Anarana” — eny, ilay anarana hoe Jehovah — dia tsy maintsy hotoraham-bato ho faty. Avy eo izy dia nanambara ilay lalàna momba ny famaizana mifanentana hoe “maso solon’ny maso, nify solon’ny nify”. (24:11-16, 20). Ao amin’ny toko faha-25, dia ahitana fitsipika momba ny Sabata naharitra herintaona, na taona fitsaharana, natao isaky ny 7 taona, sy ny Jobily isaky ny 50 taona. Tamin’io taona faha-50 io, dia tsy maintsy nambara ny fanafahana teo amin’ilay tany manontolo, ary ny fananana nolovana izay namidy na voatery nafoy nandritra ireo 49 taona farany dia tsy maintsy azo indray. Nomena ny lalàna niaro ny zon’ny mahantra sy ny mpanompo. Ao amin’io fizarana io, dia miseho be dia be ny isa “fito” — ny andro fahafito, ny taona fahafito, ireo andro firavoravoana naharitra hafitoana, fe-potoana nisy fito herinandro ary ny Jobily, izay niseho rehefa afaka fito taona impito.

26. Amin’inona ny Levitikosy no mahatratra ny fara tampony?

26 Ireo vokatry ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavana (26:1-46). Mahatratra ny fara heriny ato amin’itỳ toko itỳ ny bokin’ny Levitikosy. Eto i Jehovah dia nanome ny lisitr’ireo valisoa noho ny fankatoavana sy ny an’ireo famaizana noho ny tsy fankatoavana. Niaraka tamin’izany koa izy dia nanolotra izao fanantenana izao ho an’ireo Isiraelita raha nanetry tena izy ireo: “Ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta teo imason’ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.” — 26:45.

27. Ahoana no ifaranan’ny Levitikosy?

27 Didy hafa (27:1-34). Ny Levitikosy dia mifarana amin’ny toromarika momba ny fanolorana fanatitra ho fanaovana voady (NW ) sy ny voalohan-teraka ho an’i Jehovah ary ny ampahafolon’ny fananana izay nanjary masina ho an’i Jehovah. Avy eo dia tonga ilay famaranan-teny fohy hoe: “Ireo no didy izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ho amin’ny Zanak’Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.” — 27:34.

MAHASOA — NAHOANA?

28. Inona no soa entin’ny Levitikosy ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao?

28 Amin’ny maha-anisan’ny Soratra ara-tsindrimandry azy, ny bokin’ny Levitikosy dia mitondra soa lehibe ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao. Mitondra fanampiana mahatalanjona izy io mba hankasitrahana an’i Jehovah sy ireo toetrany ary ny fomba ifampiraharahany amin’ireo zavaboariny, toy ny nasehony mazava aoka izany tamin’ny Isiraely teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna. Ny Levitikosy dia manonona fotopoto-pitsipika fototra maro izay hanan-kery foana. Izy io dia mirakitra ohatra ara-paminaniana maro, ary koa faminaniana, izay manatanjaka ny finoana ny fandinihana azy. Maro amin’ireo fotopoto-pitsipika ao anatiny no tononina indray ao amin’ireo Soratra Grika Kristiana, ka ny sasany aminy dia averina ao ara-bakiteny. Hevitra miavaka fito no dinihina manaraka.

29-31. Ahoana no anantitranteran’ny Levitikosy ny fanajana a) ny fiandrianan’i Jehovah, b) ny anarany, ary d) ny fahamasinany?

29 1) Ny fiandrianan’i Jehovah. Izy no Mpanome Lalàna, ary ampamoahina eo anatrehany isika amin’ny maha-zavaboariny antsika. Ara-drariny ny andidiany antsika mba hatahotra azy. Amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao azy, dia tsy milefitra eo anatrehan’ny fandrafiana izy, na amin’ny endrika fanompoan-tsampy izany, na spiritisma, na lafiny hafa amin’ny fanompoana ireo demonia. — Lev. 18:4; 25:17; 26:1; Matio 10:28; Asa. 4:24.

30 2) Ny anaran’i Jehovah. Tokony hoheverina ho masina ny anarany, ary tsy ho sahy hitondra fahafaham-baraka ho an’izy io isika, na amin’ny teny izany na amin’ny atao. — Lev. 22:32; 24:10-16; Matio 6:9.

31 3) Ny fahamasinan’i Jehovah. Satria izy masina, ny vahoakany koa dia tsy maintsy ho masina, izany hoe, nohamasinina, na voatokana ho amin’ny fanompoana azy. Tafiditra amin’izany ny fitoerana ho tafasaraka amin’izao tontolo izao tsy tia an’Andriamanitra manodidina antsika. — Lev. 11:44; 20:26; Jak. 1:27; 1 Pet. 1:15, 16.

32-34. Fotopoto-pitsipika inona avy no soritana momba a) ny ota, b) ny ra, ary d) ny fahamelohana nifanentana tamin’ny ota?

32 4) Ny maha-faran’izay ratsy ny ota. Andriamanitra no mametra ny atao hoe ota, ary tsy maintsy mikely aina hanohitra azy io isika. Ny ota dia mitaky fanatitra ho fanavotana foana. Ankoatra izany, izy io koa dia mitaky ny hiekentsika heloka sy ny hibebahantsika ary ny hanaovantsika fanonerana, raha mbola azo atao koa. Ny ota sasany, dia tsy hahazoana famelan-keloka. — Lev. 4:2; 5:5; 20:2, 10; 1 Jaona 1:9; Heb. 10:26-29.

33 5) Ny fahamasinan’ny ra. Satria masina ny ra, dia tsy azo ampidirina ao anatin’ny vatana na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. Ny hany fampiasana ny ra anomezan-dalana dia ho amin’ny fanavotana noho ny ota. — Lev. 17:10-14; Asa. 15:29; Heb. 9:22.

34 6) Ny ifanentanan’ny fahamelohana sy ny sazy noho ny ota. Tsy noheverina tamin’ny fomba nitovy avokoa ny ota sy ny mpanota rehetra. Arakaraka ny haavon’ny toerana tanana, no nitomboan’ny andraikitra sy ny sazy noho ny ota. Ny ota an-tsitrapo dia nosazina mafy kokoa noho ny ota tsy nahy. Ireo sazy matetika dia notombanana araka ny fahafahana handoa. Io fotopoto-pitsipika momba ny fifanentanan-javatra io dia nihatra koa tamin’ny raharaha hafa ankoatra ny ota sy ny famaizana, toy ny fahalotoana ara-pomba. — Lev. 4:3, 22-28; 5:7-11; 6:2-7; 12:8; 21:1-15; Lioka 12:47, 48; Jak. 3:1; 1 Jaona 5:16.

35. Ahoana no amintinan’ny Levitikosy ireo adidintsika eo anatrehan’ny namantsika?

35 7) Ny rariny sy ny fitiavana. Mamintina ireo adidintsika eo anatrehan’ny namantsika ny Levitikosy 19:18 ka manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Izany dia mahafaoka ny zavatra rehetra. Mandrara avy hatrany ny fanehoana fanavakavahana, ny fangalarana, ny fandaingana na ny fanendrikendrehana izy io, ary mitaky ny hanehoana fiheverana ny kilemaina, ny mahantra, ny jamba ary ny marenina. — Lev. 19:9-18, NW; Matio 22:39; Rom. 13:8-13.

36. Inona no manaporofo fa mahasoa ny kongregasiona kristiana ny Levitikosy?

36 Ny manaporofo koa fa ny Levitikosy dia miavaka noho izy “mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny” ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia ireo fakan-teny miverimberina avy ao aminy nataon’i Jesosy sy ireo apostoliny, ary indrindra fa i Paoly sy i Petera. Ireo dia nisarika ny saina ho amin’ireo ohatra ara-paminaniana sy aloky ny zavatra ho avy maro. Araka ny nomarihin’i Paoly, ny Lalàna dia “aloky ny zava-tsoa ho avy”. Manolotra “endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra” izy io. — 2 Tim. 3:16, NW; Heb. 10:1; 8:5.

37. Fahatanterahan’ny tandindona inona avy no voalazalaza ao amin’ny Hebreo?

37 Ny tabernakely, ny fisoronana, ireo fanatitra ary indrindra fa ny Andro Fanavotana fanao isan-taona dia tandindona nisy heviny. Ao amin’ny taratasiny ho an’ireo Hebreo i Paoly dia manampy antsika hahafantatra ireo zavatra ara-panahy mifanitsy amin’ireo zavatra ireo, mifandray amin’ilay “tena tabernakely” eo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. (Heb. 8:2). I Arona mpisoronabe dia tandindona mampiseho an’i Kristy Jesosy, “Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, (...) [izay] namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra”. (Heb. 9:11; Lev. 21:10). Ny ran’ireo biby natao fanatitra dia nampiseho mialoha ny ran’i Jesosy, izay nitondra “fanavotana mandrakizay [ho antsika, NW ]”. (Heb. 9:12). Ilay efitra anatiny indrindra tao amin’ny tabernakely, ny Masina Indrindra, izay tsy nidiran’ny mpisoronabe afa-tsy tamin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona mba hanolotra ny ra natao fanatitra, dia “tandindon’ny tena fitoerana masina”, dia ny “any an-danitra tokoa”, izay niakaran’i Jesosy “mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. — Heb. 9:24; Lev. 16:14, 15.

38. Tamin’ny ahoana no tanteraka tamin’i Jesosy ireo fanatitra izay tandindona?

38 Ireo biby tena natao fanatitra — biby tsy nisy kilema na tsiny natolotra ho fanatitra dorana na fanatitra noho ny ota — dia mampiseho ny vatan’olombelona tanteraka tsy misy tsiny nataon’i Jesosy Kristy fanatitra. (Heb. 9:13, 14; 10:1-10; Lev. 1:3). Mahaliana fa i Paoly dia niresaka koa momba ilay lafiny tamin’ny Andro Fanavotana nitondrana tany ivelan’ny toby ka nandoroana ny fatin’ireo biby natao fanatitra noho ny ota. (Lev. 16:27). “Ary amin’izany”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady (...). Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.” (Heb. 13:12, 13). Noho izany fanomezana fanazavana azo ara-tsindrimandry izany, ireo fanaovan-javatra ara-pomba voasoritra ao amin’ny Levitikosy dia misy heviny. Noho izany koa isika dia tena afaka manomboka mahatakatra fa mahatalanjona aoka izany ny nanomezan’i Jehovah aloka mahatahotra ny amin’ny zavatra tena izy izay tsy azo nohazavaina mazava raha tsy tamin’ny alalan’ny fanahy masina ihany. (Heb. 9:8, NW ). Ny fahazoana hevi-javatra araka ny tokony ho izy toy izany dia tena ilain’ireo izay maniry handray soa avy amin’ny fandaharana hahazoana fiainana ataon’i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, ilay “Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’Andriamanitra”. — Heb. 10:19-25.

39. Amin’ny ahoana ny Levitikosy no miray feo amin’ny “Soratra rehetra” mba hampahafantatra ireo zava-kendren’ny Fanjakan’i Jehovah?

39 Toy ny ankohonam-pisoronan’i Arona, i Jesosy Kristy, amin’ny maha-Mpisoronabe azy, dia manana mpisorona lefitra tafaraka aminy. Ireo dia antsoina hoe “fanjakà-mpisorona”. (1 Pet. 2:9). Ny Levitikosy dia manondro mazava sady manazava ny asan’ilay Mpisorona Lehiben’i Jehovah ho fanavotana amin’ny ota sy ireo fepetra takina amin’ireo anisan’ny mpikambana ao amin’ny ankohonany, izay lazaina fa “sambatra sy masina” sady ‘mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ka miara-manjaka aminy arivo taona’. Fitahiana toy inona moa no hotanterahin’io asam-pisoronana io mba hanandratana ny olombelona mankato ho amin’ny fahatanterahana, ary fahasambarana toy inona moa no hoentin’io Fanjakana any an-danitra io amin’ny famerenana ny fiadanana sy ny rariny ho eto an-tany! Azo antoka fa tsy maintsy misaotra an’ilay Andriamanitra masina, dia i Jehovah, isika rehetra noho ny nanaovany fandaharana mba hisian’ny Mpisoronabe sady Mpanjaka iray sy fanjakà-mpisorona iray mba hilazana ny hatsarany ho fanamasinana ny anarany! Tena marina fa ny Levitikosy dia miray feo amin’ny fomba mahatalanjona amin’ny “Soratra rehetra” mba hampahafantatra ny zava-kendren’ny Fanjakan’i Jehovah. — Apok. 20:6.

[Fanontaniana]