Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-31 — Obadia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-31 — Obadia

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-31 — Obadia

Mpanoratra: Obadia

Vita Tamin’ny: 607 al.f.i. tany ho any

1. Inona no mampiseho fa ilay hafatra, fa tsy ilay mpitondra hafatra, no zava-dehibe?

 AO ANATIN’NY andininy 21 monja, ny Obadia, izay ny boky fohy indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo, dia manambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra iray izay nitarika ho amin’ny faran’ny firenena iray, no sady manambara mialoha ny fandresena faran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireo teny fampidirana dia manambara amin’ny fomba tsotra hoe: “Ny fahitan’i Obadia.” Oviana ary taiza izy no teraka, avy tamin’ny fokon’iza, inona avy ireo tsipiriany momba ny fiainany — tsy misy lazaina amintsika ireo. Mazava tsara fa tsy ny maha-izy ilay mpaminany no zava-dehibe fa ilay hafatra, ary tena mety izany, satria, araka ny nambaran’i Obadia ihany, izy io dia “filazana avy tamin’i Jehovah”.

2. Ny tany iza no ifantohan’ny faminanian’i Obadia, ary inona no nahatonga ny mponina tao aminy hahatsiaro tsy fananana ahiahy?

2 Mifantoka indrindra indrindra amin’i Edoma ilay filazana. Miitatra any atsimo avy eo amin’ny Ranomasina Maty ary manaraka an’i Arabà, ny tanin’i Edoma, fantatra koa amin’ny hoe Tendrombohitra Seïra. Izy io dia tany mikitoantoana voaforona tendrombohitra manerinerina sy hantsana lalina. Amin’ny faritra sasany, ilay tandavan-tendrombohitra any atsinanan’i Arabà dia mahatratra haavo misy 1 700 metatra. Ny zara-tanin’i Temana dia nalaza noho ny fahendrena sy ny herim-pon’ny vahoakany. Ny jeografian’ilay tanin’i Edoma mihitsy, voaforon’ireo fiarovany voajanahary, dia nahatonga ireo mponina tao aminy hahatsiaro tsy fananana ahiahy sy hirehareha. a

3. Niseho ho toy ny rahalahin’ny Isiraely ve ireo Edomita?

3 Taranaka avy tamin’i Esao, rahalahin’i Jakoba, ireo Edomita. Novana ho Isiraely ny anaran’i Jakoba, koa ireo Edomita àry dia havana akaiky an’ireo Isiraelita; akaiky aoka izany ka noraisina ho toy ny ‘mpirahalahy’ izy ireo. (Deot. 23:8). Kanefa ny fitondran-tenan’i Edoma dia tsy ny an’ny rahalahy velively. Tsy ela talohan’ny nidiran’ireo Isiraelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy, mba hangata-dalana hamaky ny taniny tsy misy raorao. Naneho fankahalana anefa ireo Edomita ka nanda an-kitsirano ary nanohana ny fandavany tamin’ny famoahana tafika maro be. (Nom. 20:14-21). Na dia resin’i Davida aza izy ireo, dia niray tetika tamin’i Amona sy i Moaba tatỳ aoriana mba hamelezana ny Joda tamin’ny andron’i Josafata. Niodina tamin’i Jehorama Mpanjaka, zanak’i Josafata, koa izy ireo, nampihatra ny fifehezany tamin’ireo babo isiraelita avy tany Gaza sy Tyro, ary namely tampoka ny Joda tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka mba hamaboana olona betsaka kokoa ihany. — 2 Tant. 20:1, 2, 22, 23; 2 Mpanj. 8:20-22; Amosa 1:6, 9; 2 Tant. 28:17.

4. a) Zavatra tsy mendrika inona no miharihary fa nanome ny fototra ho an’ny fanamelohan’i Obadia an’i Edoma? b) Porofo inona no toa manondro ny 607 al.f.i. ho ny daty azo inoana indrindra fa nanoratana ilay boky?

4 Nahatratra ny fara tampony io fankahalana io tamin’ny 607 al.f.i., rehefa nofoanan’ireo tafika babyloniana i Jerosalema. Tsy vitan’ny hoe nijery izany tamim-pankasitrahana ireo Edomita, fa nampirisika ireo mpandresy mba hanao ilay fanafoanana ho tanteraka. “Ravao, ravao izy hatramin’ny fanorenany”, hoy ny fihiakan’izy ireo. (Sal. 137:7). Rehefa nanaovana loka ny babo, dia anisan’ireo izay nizara ireo entana nobaboina izy ireo; ary rehefa nisy Jiosy afa-nandositra nanandrana ny hiala tamin’ilay tany, dia nosakanan’izy ireo ny lalana ary natolony ho an’ny fahavalo izy ireo. Io herisetra tamin’ny fotoan’ny fandringanana an’i Jerosalema io no miharihary fa fototr’ilay fanamelohana noraketin’i Obadia an-tsoratra, ary tsy misy isalasalana fa nosoratana izy io fony mbola velona tao an-tsaina ilay zavatra tsy mendrika nataon’i Edoma. (Obad. 11, 14). Koa satria i Edoma koa dia toa nobaboin’i Nebokadnezara sy norobainy tao anatin’ireo dimy taona nanaraka ny fandringanana an’i Jerosalema, dia tsy maintsy ho nosoratana talohan’izay ilay boky; fa ny 607 al.f.i. no toa tondroina ho ny daty azo inoana indrindra.

5. a) Inona no manaporofo fa ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Obadia dia azo itokiana sy marina? b) Tamin’ny fomba ahoana i Obadia no nahafeno ireo fepetra takina amin’ny tena mpaminany, ary nahoana ny anarany no mifanentana tsara?

5 Tanteraka ny faminanian’i Obadia namely an’i Edoma — izy manontolo! Mahatratra ny fara tampony ilay faminaniana amin’ny fanambarana hoe: “Ny taranak’i Esao (...) ho vodivary, ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’i Esao, fa Jehovah no efa niteny.” (And. 18). Niaina tamin’ny alalan’ny sabatra i Edoma, ary maty tamin’ny alalan’ny sabatra, ary dia tsy misy soritry ny taranany tavela na dia iray aza. Araka izany, dia voaporofo fa azo itokiana sy marina ilay firaketana an-tsoratra. Nanana ny porofo rehetra fanamarinana ny tena mpaminany i Obadia: Niteny tamin’ny anaran’i Jehovah izy, nanome voninahitra an’i Jehovah ny faminaniany, ary tanteraka izy io, araka ny porofoin’ny tantara tatỳ aoriana. Mifanentana tsara ny hevitry ny anarany hoe “Mpanompon’i Jehovah”.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY OBADIA

6. Ahoana no niresahan’i Jehovah momba an’i Edoma, ary hampivarina azy io avy aiza izy?

6 Didim-pitsarana fanamelohana an’i Edoma (And. 1-16). Rehefa nodidian’i Jehovah i Obadia, dia nampahafantatra ny fahitany. Nantsoina ireo firenena mba hiara-miady tamin’i Edoma. “Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!”, hoy ny didin’Andriamanitra. Avy eo, dia navantany tamin’i Edoma mihitsy ny teniny, tamin’ny fanombanana ny toerana notanan’izy io. Tsinontsinona teo amin’ireo firenena izy io ary fanazimbazimba, kanefa dia niavonavona. Nahatsiaro tena ho tsy nanana ahiahy izy tao anatin’ireo harambato nanerinerina, ary nahazo antoka fa tsy hisy ho afaka ny hampivarina azy. Na dia izany aza, dia nanambara i Jehovah fa, na dia niakatra tahaka ny voromahery aza ny fonenany, na dia nametraka ny akaniny teny amin’ny kintana mihitsy aza izy, dia havariny avy eny. Mendrika ny hofaizina izy. — And. 1.

7. Hatao tonga hatraiza ny fandrobana an’i Edoma?

7 Inona no hitranga aminy? Raha nisy mpangalatra tonga mba handroba an’i Edoma, dia tsy haka afa-tsy izay hahafa-po azy izy ireo. Na dia ireo mpioty voaloboka aza dia hamela sisa hotsimponina. Kanefa izay niandry ireo zanak’i Esao dia ratsy noho izany. Horobaina tanteraka ny hareny. Ireo mpiray dina tamin’i Edoma ihany no hamely azy. Ireo izay sakaizany akaiky taloha dia hisambotra azy amin’ny fandrika toy izay tsy misy fahalalana. Ireo olony fantatra noho ny fahendreny sy ireo mpiadiny fantatra noho ny herim-pony dia tsy hanampy azy amin’ny fotoana hahitany loza.

8. Nahoana ny famaizana an’i Edoma no mafy dia mafy toy izany?

8 Inona anefa no anton’io famaizana mafy dia mafy io? Ny fampahoriana nataon’ireo zanak’i Edoma tamin’ireo zanak’i Jakoba rahalahiny! Nifaly izy ireo tamin’ny fianjeran’i Jerosalema ary niaraka tamin’ireo mpanafika mihitsy aza mba hizara ny zavatra nobaboina. Ho fanamelohana mafy azy, toy ny hoe nanatri-maso ireo fanao ambany ireo i Obadia, dia izao no nolazaina tamin’i Edoma: Aza mifaly amin’ny fahorian’ny rahalahinao. Aza manakana ny fandosiran’ireo izay afa-nandositra, ary aza atolotra ho an’ny fahavalo izy ireo. Efa antomotra ny andro famalian’i Jehovah, ary hampamoahina ianao. Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa.

9. Famerenana ho amin’ny toe-piainana taloha inona no nambara mialoha?

9 Famerenana ny taranak’i Jakoba ho amin’ny toe-piainany taloha (And. 17-21). Nifanohitra tamin’izany kosa, ny taranak’i Jakoba dia mendrika ny haverina tany amin’ny taniny. Hisy olona hiverina any amin’ny Tendrombohitra Ziona. Handevona ny taranak’i Esao toy ny fandevon’ny afo ny vodivary, izy ireo. Ho lasany ny tany atsimo, dia i Negeba (NW ), ary koa ny tendrombohitr’i Esao ary i Sefela (f.a.p.); any avaratra dia hahalasa ny tanin’ny Efraima sy i Samaria izy ireo, ary koa ilay faritra hatrany Zarefata; any atsinanana, dia hahalasa ny faritanin’i Gileada izy ireo. Tsy hisy intsony i Edoma niavonavona, i Jakoba kosa haverina ho amin’ny toe-piainany taloha, ary “ho an’i Jehovah ny fanjakana”. — And. 21.

MAHASOA — NAHOANA?

10. Faminaniana hafa inona avy no nanambara mialoha ny ho fiafarana ratsin’i Edoma, ary nahoana no hahasoa ny fandinihana azy ireo miaraka amin’i Obadia?

10 Ho fanamarinana ny maha-azo antoka ny fahatanterahan’io hafatra momba ny didim-pitsarana fanamelohana an’i Edoma io, dia nasain’i Jehovah nanao fanambarana nitovy tamin’izany ny hafa tamin’ireo mpaminaniny. Ny tena miavaka amin’izy ireo dia ireo voarakitra ao amin’ny Joela 3:19; Amosa 1:11, 12; Isaia 34:5-7; Jeremia 49:7-22; Ezekiela 25:12-14; 35:2-15. Ireo fanambarana tany am-boalohany dia hita fa nanisy firesahana momba ireo fanaovan-javatra nampiseho fankahalana tamin’ny lasa, fa ireo tatỳ aoriana kosa dia miharihary fa fiampangana an’i Edoma noho ny fitondran-tenany tsy azo nekena, izay noresahin’i Obadia, tamin’ny fotoana namaboan’ny Babyloniana an’i Jerosalema. Hanatanjaka ny finoantsika ny herin’i Jehovah haminany, ny fandinihantsika ny fomba niharan’ireo loza nambara mialoha tamin’i Edoma. Ambonin’izany, izany koa dia hampiorina ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny maha-Andriamanitra mahatanteraka foana ny fikasany efa nambarany. — Isaia 46:9-11.

11, 12. a) Tamin’ny ahoana ireo izay “tsara fihavanana” tamin’i Edoma no nanjary naharesy azy? b) Nanao ahoana ny fizotran’ny nahatongavan’i Edoma ho “fongotra mandrakizay”?

11 Nanambara mialoha i Obadia fa “ny olona rehetra izay vita fanekena” tamin’i Edoma, ireo “izay tsara fihavanana” aminy, ihany no haharesy azy. (Obad. 7). Tsy naharitra ny fihavanan’i Babylona tamin’i Edoma. Nandritra ny taonjato fahenina al.f.i., ireo tafika babyloniana notarihin’i Nabonida Mpanjaka dia nandresy an’i Edoma. b Na dia izany aza, taonjato iray taorian’ny nanafihan’i Nabonida ilay tany, i Edoma natoky tena dia mbola nanantena ny ho tafaverina, ary mikasika izany, dia hoy ny filazana nataon’ny Malakia 1:4: “Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava, dia izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava”. Na dia teo aza ny ezaka nataon’i Edoma mba ho tafaverina tamin’ny toe-piainany teo aloha, tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., ireo Nabateana dia efa tafaorina mafy tao amin’ilay tany. Rehefa voatosika hiala tao amin’ny taniny ireo Edomita, dia nonina tany amin’ny faritra atsimon’i Jodia, izay nanjary nantsoina hoe Idomea (NW ). Tsy naharesy ny tanin’i Seïra intsony mihitsy izy ireo.

12 Araka an’i Josèphe, tamin’ny taonjato faharoa al.f.i., ireo Edomita farany dia resin’ilay mpanjaka jiosy atao hoe Jean Hyrcan I, ka voatery nanaiky ny famorana, ary voaray tsikelikely tao amin’ny fanapahana jiosy, teo ambanin’ny fitarihan’ny governora jiosy iray. Nanaraka ny nandringanan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., dia nanjavona tsy hita intsony teo amin’ny tantara ny anaran’izy ireo. c Izany dia araka izao nambaran’i Obadia mialoha izao: “Ho fongotra mandrakizay [hianao]. (...) Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’i Esao”. — Obad. 10, 18.

13. Inona no nitranga tamin’ireo Jiosy, nifanohitra tamin’ireo Edomita?

13 Nifanohitra tamin’ny fahafoanan’i Edoma, ireo Jiosy kosa dia naverina tany amin’ny tany niaviany, tamin’ny 537 al.f.i., teo ambanin’ny fanapahan’i Zerobabela governora. Tany izy ireo dia nanorina indray ny tempoly tao Jerosalema ary nanjary tafaorina mafy tao amin’ilay tany.

14. a) Fampitandremana inona no hita amin’izay nanjo an’i Edoma? b) Inona no tokony heken’ny rehetra, toy ny nataon’i Obadia, ary nahoana?

14 Miharihary toy inona moa fa ny avonavona sy ny fahasahisahian-dratsy dia mitarika ho amin’ny loza! Aoka izay rehetra manandra-tena amim-piavonavonana sy mihomehy tsy misy fiantrana noho ny zava-tsarotra mahazo ireo mpanompon’Andriamanitra, handray fampitandremana avy amin’izay nanjo an’i Edoma. Aoka izy ireo hiaiky, toy ny nataon’i Obadia, fa “ho an’i Jehovah ny fanjakana”. Ireo izay miady amin’i Jehovah sy ny vahoakany dia hofongorana tanteraka sy mandrakizay, fa ny Fanjakana mendri-kajan’i Jehovah sy ny maha-mpanjaka azy mandrakizay kosa dia ho voamarina mandrakizay! — And. 21.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 426.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 428.

c Jewish Antiquities, XIII, 257, 258 (ix, 1); XV, 253, 254 (vii, 9).

[Fanontaniana]