Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-32 — Jona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-32 — Jona

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-32 — Jona

Mpanoratra: Jona

Vita Tamin’ny: 844 al.f.i. tany ho any

1. Fanontaniana inona avy no valiana ao amin’ny bokin’i Jona, ary inona no asehon’izy io raha ny amin’ny famindram-pon’i Jehovah?

 JONA — misionera tany an-tany hafa tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i.! Ahoana no niheverany ny asa nanendrena azy avy tamin’i Jehovah? Fanandraman-javatra vaovao inona avy no nisokatra teo anoloany noho izany? Hitany ho mora nandray ve ireo olona tany amin’ny toerana nanendrena azy? Nahomby ve ny fitoriany? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny firaketana an-tsoratra mampihetsi-po lalina ao amin’ny bokin’i Jona. Io firaketana an-tsoratra ara-paminaniana io dia nosoratana tamin’ny fotoana nivadihan’ilay firenena voafidin’i Jehovah tamin’ilay fanekena nifanaovany taminy sy nahalatsahany tao anatin’ny fanompoan-tsampy. Asehon’izy io fa tsy voafetra ho amin’ny firenena iray ihany, eny, na dia ny Isiraely aza, ny famindram-pon’Andriamanitra. Ambonin’izany, izy io dia manandratra ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy lehiben’i Jehovah miharo fitiavana, mifanohitra amin’ny tsy fisian’ny famindram-po sy faharetana ary finoana, hita matetika aoka izany eo amin’ny olombelona tsy tanteraka.

2. Inona no fantatra mikasika an’i Jona, ary tamin’ny taona firy tany ho any no naminaniany?

2 Ny anarana hoe Jona (Hebreo: Yoh·nahʹ ) dia midika hoe “Voromahailala”. Zanak’i Amitahy mpaminany tany Gata-hefera, tany Galilia, tany amin’ny faritanin’i Zebolona, izy. Ao amin’ny 2 Mpanjaka 14:23-25 isika dia mamaky fa nanitatra ny sisin-tanin’ilay firenena i Jeroboama, mpanjakan’ny Isiraely, araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Jona. Izany dia mametraka ny fotoana nanaovan’i Jona ny faminaniany ho tamin’ny 844 al.f.i. tany ho any, dia ny taona niakaran’i Jeroboama II teo amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely. Mbola taona maro talohan’ny hanombohan’i Asyria, nanana an’i Ninive ho renivohiny, hanapaka teo amin’ny Isiraely, tamin’izay.

3. Inona no manaporofo fa azo itokiana ny fitantaran’i Jona?

3 Tsy misy iadian-kevitra fa azo itokiana ny fitantaran’i Jona manontolo. I ‘Jesosy, ilay Mpandavorary ny finoantsika’, dia niresaka momba an’i Jona ho toy ny olona tena nisy, ary nilaza ny hevitra ara-tsindrimandrin’ny roa tamin’ireo fitrangan-javatra ara-paminaniana ao amin’ny Jona. Nasehony tamin’izany fa mirakitra faminaniana marina ilay boky. (Heb. 12:2, NW; Matio 12:39-41; 16:4; Lioka 11:29-32). Ny bokin’i Jona dia napetrak’ireo Jiosy ho anisan’ireo bokiny kanônika ary noraisin’izy ireo ho ara-tantara. Manamarika ilay firaketana an-tsoratra ho marina koa ny fahatsoran’ny tenan’i Jona nilazalaza momba ireo fahadisoany sy fahalemeny, ary tsy nanandrana hanafina azy ireo.

4. Karazana hazandrano inona no nety ho nitelina an’i Jona? Kanefa inona no efa ampy ho antsika?

4 Ahoana ny amin’ilay “hazandrano lehibe” izay nitelina an’i Jona? Nisy fanombantombanana be dia be momba ny hoe karazana hazandrano inona ilay izy. Ny trozona dia tena afaka tsara ny hitelina olona manontolo iray. Toy izany koa ny antsantsa fotsy lehibe. Hoy fotsiny anefa ny ambaran’ny Baiboly: “Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona.” (Jona 1:17). Tsy nofaritana hoe karazana hazandrano inona ilay izy. Tsy azo atao ny mamantatra amin’ny fomba azo antoka raha trozona, na antsantsa fotsy lehibe, na zavaboary an-dranomasina tsy fantatra hafa ilay izy. a Ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly fa hoe “hazandrano lehibe” ilay izy dia efa ampy ho antsika.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY JONA

5. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jona teo anoloan’ny asa nanendrena azy, ary inona no vokany?

5 Notendrena hankany Ninive i Jona, nefa nandositra (1:1-16). “Ary tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.” (1:1, 2). Faly ve i Jona nahazo io asa nanendrena azy io? Na dia kely akory aza! Nandositra nankany amin’ny lalana nifanohitra tamin’izany izy, ary niondrana an-tsambo ho any Tarsisy, izay azo inoana fa i Espaina. Tojo tafio-drivotra lehibe ny sambon’i Jona. Raiki-tahotra ireo matiloa, ka niantso vonjy “tamin’ny andriamaniny avy”, fa i Jona kosa natory tao amin’ny fitoerana entan’ilay sambo. (1:5). Rehefa avy namoha an’i Jona izy ireo, dia nanao filokana mba hahitana hoe iza no tompon’andraikitra ny amin’ilay toe-javatra nahonena nisy azy ireo. I Jona no azo. Izao izy vao nampahafantatra tamin’izy ireo fa Hebreo sy mpivavaka tamin’i Jehovah ny tenany, ary koa fa nandositra an’ilay asa nomen’Andriamanitra azy hataony izy. Nanasa azy ireo mba hanipy azy tany an-dranomasina izy. Rehefa avy nanao ezaka fanampiny izy ireo mba hahafahan’ilay sambo hamakivaky soa aman-tsara ireo onja, tamin’ny farany dia nanjera an’i Jona tany ivelany ihany. Nampitsahatra ny fisafoahany ny ranomasina.

6. Inona no fanandraman-javatra hitan’i Jona nifandray tamin’ilay “hazandrano lehibe”?

6 Natelin’ny “hazandrano lehibe” iray (2:1–2:10). “Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano hateloan’andro sy hateloan’alina.” (2:1). Nivavaka tamin-kafanam-po tamin’i Jehovah avy tao an-kibon’ilay hazandrano izy. “Tao anatin’ny Sheola” izy no nitaraina ary nanambara fa hanefa ny voady nataony, satria “an’i Jehovah ny famonjena”. (2:3, f.a.p., 10). Araka ny didin’i Jehovah, dia naloan’ilay hazandrano teny amin’ny tany maina i Jona.

7. Nisy vokany ve ny fitorian’i Jona tany Ninive?

7 Fitoriana tany Ninive (3:1–4:11). Naverin’i Jehovah tamin’i Jona ilay didiny. Tsy nihodivitra ny asa nanirahana azy intsony i Jona, fa nankany Ninive. Tany izy dia namakivaky ireo araben’ilay tanàna, ka niantsoantso hoe: “Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” (3:4). Nisy vokany ny fitoriany. Nibebaka avokoa ny mponin’i Ninive rehetra ary nino an’Andriamanitra. Nanambara ny mpanjaka fa na olona na biby dia tsy maintsy nifady hanina sy nitafy lamba fisaonana. Nitsimbina ilay tanàna tamim-pamindram-po i Jehovah.

8. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jona teo anoloan’ny fanehoan’i Jehovah famindram-po tamin’ilay tanàna, ary ahoana no nanalan’i Jehovah sarona ny tsy firindran’ny fihetsiny?

8 Tsy hain’i Jona zakaina intsony izany. Nilaza tamin’i Jehovah izy hoe efa fantany hatramin’izay fa haneho famindram-po Izy, ka izany no antony nandosirany nankany Tarsisy. Naniry ny ho faty izy. Sosotra mafy i Jona ka nilasy tany atsinanan’ilay tanàna ary niandry mba hahitana izay hitranga. Nanomana sy nampaniry tanantanamanga iray mba hanalokaloka ilay mpaminaniny mora niovaova toe-po, i Jehovah. Tsy naharitra ela ny fifalian’i Jona. Ny ampitson’iny i Jehovah dia nanomana fositra iray mba hamely ilay zavamaniry, hany ka nosoloan’ny rivotra mahamay avy tany atsinanana sy ny masoandro nandoro, ilay fiarovana sy fampiononana nomen’izy io. Teo indray koa, dia naniry ny ho faty i Jona. Nanamarina ny fahatezerany tamim-panamarinan-tena izy. Nasehon’i Jehovah taminy ny tsy firindran’ny fihetsiny: Nalahelo tanantanamanga iray i Jona, nefa tezitra kosa satria izao i Jehovah dia nalahelo noho ilay tanàna lehiben’i Ninive.

MAHASOA — NAHOANA?

9. Fihetsik’i Jona inona sy lalana narahiny inona no tokony ho fampitandremana ho antsika?

9 Tokony ho fampitandremana ho antsika ny lalana narahin’i Jona sy ny niafarany. Nandositra ny asa nomen’Andriamanitra azy hataony izy; tokony ho nanomboka nanao ilay asa sy nitoky tamin’Andriamanitra mba hanohana azy, izy. (Jona 1:3; Lioka 9:62; Ohab. 14:26; Isaia 6:8). Rehefa nanomboka nandeha tany amin’ny lalana diso izy, dia nampiseho fihetsika tsy nanorina, satria tsy nampahafantatra avy hatrany ny tenany tamin’ireo matiloa, ho mpivavaka tamin’i “Jehovah, Andriamanitry ny lanitra”, izy. Namoy ny fahasahiany izy. (Jona 1:7-9; Efes. 6:19, 20). Tsy nahita afa-tsy ny tenany ihany i Jona, ka izany dia nitarika azy hihevitra ny famindram-pon’i Jehovah tamin’i Ninive ho toy ny fanafintohinana natao tamin’ny tenany manokana; nanandrana nanao izay tsy hahafa-baraka izy tamin’ny filazana tamin’i Jehovah fa efa fantany hatramin’izay ilay ho fiafarana — koa nahoana izy no mbola nirahiny ho mpaminany ihany? Nahazo fananarana izy noho io fihetsika tsy nampiseho fanajana sy nitaraina io. Koa tokony handray soa avy amin’ny fanandraman-javatra hitany àry isika, ary hitandrina mba tsy hanakiana ny fanehoan’i Jehovah famindram-po na ny fomba fanaovany zavatra. — Jona 4:1-4, 7-9; Fil. 2:13, 14; 1 Kor. 10:10.

10. Ahoana no nampisehoana tamin’ny alalan’ny ohatra ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana sy ny famindram-pony?

10 Manan-danja lavitra noho ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny bokin’i Jona ny filazalazany momba ireo toetra tsara mamirapiratr’i Jehovah, dia ny hatsaram-panahy miharo fitiavana sy ny famindram-po. Naneho hatsaram-panahy miharo fitiavana tamin’i Ninive i Jehovah tamin’ny fanirahana ny mpaminaniny mba hampitandrina ny amin’ny fandringanana nananontanona, ary vonona ny haneho famindram-po izy rehefa nibebaka ilay tanàna — famindram-po izay nahafahan’i Ninive haharitra 200 taona fanampiny mandra-pandringan’ny Mediana sy ny Babyloniana azy tamin’ny 632 al.f.i. tany ho any. Naneho famindram-po tamin’i Jona izy tamin’ny fanafahana azy tamin’ny ranomasina nasamboaravoaran’ny tafio-drivotra sy tamin’ny fanomezana azy ilay tanantanamanga mba “hanafaka azy tamin’ilay toe-javatra feno loza nisy azy”. Tamin’ny fanomezana ilay tanantanamanga niaro ary avy eo tamin’ny fakana azy io indray, i Jehovah dia nampahafantatra tamin’i Jona fa haneho famindram-po sy hatsaram-panahy miharo fitiavana, araka izay tiany, Izy. — Jona 1:2; 3:2-4, 10; 2:10; 4:6, 10, 11.

11. Inona moa ilay “famantaran’i Jona”?

11 Ao amin’ny Matio 12:38-41, i Jesosy dia nilaza tamin’ireo filoha ara-pivavahana fa ny hany famantarana homena azy ireo dia ny “famantaran’i Jona”. Rehefa afaka hateloan’andro sy hateloan’alina “tao anatin’ny Sheola” i Jona, dia nandeha nitory tao Ninive, ka tamin’izany dia tonga “famantarana” ho an’ireo Ninivita. (Jona 2:1; 2:3, f.a.p.; 3:1-4). Mitovy amin’izany koa, i Jesosy dia nandany ny tapany tamin’ny andro telo tao am-pasana ary natsangana tamin’ny maty. Rehefa nanambara ny porofon’io fisehoan-javatra io ireo mpianany, dia nanjary famantarana ho an’izany taranaka izany i Jesosy. Araka ny fomba famaritan’ny Jiosy ny fotoana sy ireo zava-nisy tanteraka teo amin’ny fiainan’i Jesosy, io fe-potoana nisy “hateloan’andro sy hateloan’alina” io dia mamela izany ho fe-potoana latsaka ny telo andro feno. b

12. a) Zavatra hafa inona no nolazain’i Jesosy mikasika ireo Ninivita sy ireo Jiosy tao amin’ny taranaka nisy azy? b) Ahoana no nisehoan’ilay “lehibe noho Jona”, ary inona no fifandraisany amin’ny Fanjakan’i Jehovah sy ny famonjena?

12 Tamin’iny fifampiresahana iny ihany, i Jesosy dia nampifanohitra ny fibebahan’ireo Ninivita tamin’ny hamafin’ny fon’ireo Jiosy sy ny fandavan’izy ireo azy an-kitsirano nandritra ny fanompoany. Hoy izy: “Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa izy nibebaka tamin’ny nitorian’i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.” (Jereo koa ny Matio 16:4 sy ny Lioka 11:30, 32.) “Misy lehibe noho Jona” — inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireo teny ireo? Niresaka momba ny tenany ho toy ny mpaminany lehibe indrindra tamin’ny rehetra izy, dia Ilay nirahin’i Jehovah hitory hoe: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Na dia izany aza, ny ankamaroan’ireo Jiosy tamin’izany taranaka izany dia nanda ny “famantaran’i Jona”. Ahoana ny amin’izao andro izao? Na dia tsy mitandrina ny hafatra fampitandreman’i Jehovah aza ny ankamaroan’ny olona, dia an’arivony maro maneran-tany no manana ny fahafahana be voninahitra hihaino ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izay notorin’i Jesosy, ilay “Zanak’olona”, voalohany. Toa an’ireo Ninivita nibebaka, izay notahina tamin’ny alalan’ny fitorian’i Jona, ireo koa dia mety hahazo ny fandaharana tondraka sy feno famindram-po avy amin’i Jehovah, dia fitohizan’ny fiainana, satria “an’i Jehovah [marina] ny famonjena”. — Jona 2:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 839.

b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 857.

[Fanontaniana]