Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-33 — Mika

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-33 — Mika

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-33 — Mika

Mpanoratra: Mika

Toerana Nanoratana: Joda

Vita Tamin’ny: Talohan’ny 717 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 777 al.f.i. tany ho any – 717 al.f.i.

1. Karazana lehilahy nanao ahoana moa i Mika?

 ERITRERETO ny lehilahy matotra iray, izay nandany taona maro nanompoana an’i Jehovah tamim-pahatokiana. Eritrereto ny lehilahy feno hasahiana iray, izay afaka nilaza tamin’ireo mpanapaka teo amin’ny fireneny hoe: “Hianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, (...) eny, hianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny”. Eritrereto ny lehilahy nanetry tena iray, izay nilaza an’i Jehovah ho loharanon’ireo fanambarana nahery rehetra nataony ary niteny tamin’ny alalan’ny fanahiny. Tsy ho faly ve ianao hahafantatra lehilahy toy izany? Habetsahana fanazavana sy torohevitra marim-pototra toy inona moa no nampitainy! I Mika mpaminany izany lehilahy izany. Mbola afaka mampiasa ny toroheviny faran’izay tsara ao amin’ilay boky mitondra ny anarany, isika. — Mika 3:2, 3, 8.

2. Inona no fantatra mikasika an’i Mika sy ny fe-potoana nanaovany ny asan’ny mpaminany?

2 Toy ny amin’ny maro amin’ireo mpaminany, dia tsy misy zavatra firy lazaina mikasika ny tenan’i Mika ao amin’ny bokiny; ilay hafatra no zava-dehibe. Ilay anarana hoe Mika dia endrika nohafohezin’ny hoe Mikaela (izay midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”) na ny hoe Mikaia (izay midika hoe “Iza no Tahaka An’i Jehovah?”). Nanompo tamin’ny naha-mpaminany izy nandritra ny fotoana nanjakan’i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia (777 al.f.i. - 717 al.f.i.). Noho izany dia niaina tamin’ny andron’i Isaia sy i Hosea mpaminany izy. (Isaia 1:1; Hosea 1:1). Tsy azo antoka tsara ny fe-potoana marina nanaovany ny asan’ny mpaminany, kanefa raha ela indrindra izany dia 60 taona. Ireo faminaniany momba ny faharavan’i Samaria dia tsy maintsy ho nomena talohan’ny fandringanana an’ilay tanàna tamin’ny 740 al.f.i., ary ny fanoratana ilay boky manontolo dia tsy maintsy ho efa vita tamin’ny faran’ny fotoana nanjakan’i Hezekia, tamin’ny 717 al.f.i. (Mika 1:1). Mpaminany tambanivohitra avy tamin’ny tanàna kelin’i Morasta tany amin’ny tany lonak’i Sefela, tany atsimo-andrefan’i Jerosalema, i Mika. Ny fahafantarany tsara ny fiainana tany ambanivohitra dia miseho amin’ireo karazana fanoharana nampiasainy mba hampiekena ny amin’ireo hevi-dehibe tao amin’ireo fanambarana nataony. — 2:12; 4:12, 13; 6:15; 7:1, 4, 14.

3. Tamin’ny fotoana lehibe inona no nanompoan’i Mika, ary nahoana i Jehovah no naniraka azy ho mpaminany?

3 Niaina tamin’ny fotoana nampidi-doza sy lehibe i Mika. Nilaza fiafarana ratsy ho an’ny fanjakan’ny Isiraely sy ny Joda ireo fisehoan-javatra nandeha haingana dia haingana. Nandrobona ny fahasimbana ara-pitondran-tena sy ny fanompoan-tsampy teo amin’ny Isiraely, ary izany dia nitarika ho amin’ny fandringanan’i Asyria an’ilay firenena, miharihary fa nandritra ny androm-piainan’i Mika mihitsy. Rehefa avy nanao izay mahitsy nandritra ny fotoana nanjakan’i Jotama ny Joda, dia nanjary naka tahaka ny faharatsian’ny Isiraely tamin’ny fotoana feno fikomian’i Ahaza, ary avy eo dia tafarina indray nandritra ny fotoana nanjakan’i Hezekia. Nanangana an’i Mika i Jehovah mba hampitandrina mafy ny vahoakany ny amin’izay hampihariny aminy. Natao mba hanamafisana ny faminanian’i Isaia sy i Hosea ireo faminanian’i Mika. — 2 Mpanj. 15:32–20:21; 2 Tant. toko 27-32; Isaia 7:17; Hosea 8:8; 2 Kor. 13:1.

4. Inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ny bokin’i Mika?

4 Misy porofo tondraka mampiseho ny maha-azo itokiana ny bokin’i Mika. Neken’ireo Jiosy ho anisan’ny kanôna hebreo foana izy io. Ny Jeremia 26:18, 19 dia manisy firesahana mivantana momba ny tenin’i Mika manao hoe: “Hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato”. (Mika 3:12). Tanteraka araka ny marina tsara io faminaniana io tamin’ny 607 al.f.i., fony nandrodana an’i Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona, “mba hahatonga faharavana”. (2 Tant. 36:19, NW ). Tanteraka toy izany koa ny faminaniana iray mitovy aminy momba an’i Samaria, dia ny hoe “ho tonga korontam-bato any an-tsaha” izy io. (Mika 1:6, 7). Noravan’ny Asyriana i Samaria tamin’ny 740 al.f.i. fony izy ireo nitondra tany amin’ny fahababoana ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra. (2 Mpanj. 17:5, 6). Tatỳ aoriana izy io dia resin’i Aleksandra Lehibe tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., ary nofoanan’ny Jiosy notarihin’i Jean Hyrcan I, tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. Momba itỳ fandringanana faharoa an’i Samaria itỳ, dia hoy ny ambaran’ny The New Westminster Dictionary of the Bible, 1970, pejy 822: “Nopotehin’ilay mpandresy tanteraka izy io, tamin’ny fanandramana hamafa ny porofo rehetra ny amin’ny fisian’ny tanàna nimanda iray teo amin’ilay havoana.”

5. Ahoana no anamarinan’ny arkeolojia ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Mika?

5 Ny porofo arkeolojika koa dia manampy teny mba hanohanana ny fahatanterahan’ny faminanian’i Mika. Asian’ireo tantara voalahatry ny Asyriana firesahana ny amin’ny nandringanan’izy ireo an’i Samaria. I Sargona mpanjaka asyriana, ohatra, dia nirehareha hoe: “Nataoko fahirano i Samaria (Sa-me-ri-na) ary noreseko.” a Kanefa nety ho i Salmanesera V, ilay nodimbasan’i Sargona, raha ny tena izy, no namita ilay fandresena. Mikasika an’i Salmanesera, dia hoy ny ambaran’ny tantara voalahatra babyloniana iray: “Nofongorany i Samaria.” b Ny fanafihana ny Joda tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia, araka ny nambaran’i Mika mialoha, dia notantarain’i Sankeriba an-tsakany sy an-davany. (Mika 1:6, 9; 2 Mpanj. 18:13). Nisy sary nivohitra lehibe iray voaforona takelaka efatra, nasainy natao teo amin’ny rindrin’ny lapany tany Ninive. Nampiseho ny famaboana an’i Lakisy izy io. Hoy ny ambarany eo amin’ny iraizotongotra nataony: “Nataoko fahirano ny 46 tamin’ireo tanànany mafy (...) Noroahiko (avy tao amin’izy ireny) ny olona 200 150 (...) Ny tenany kosa dia nohazoniko tany Jerosalema, tao amin’ny toeran’ny mpanjaka nonenany, toy ny vorona voahidy tao anaty tranom-borona.” Notanisainy koa ny hetra naloan’i Hezekia taminy, na dia nitariny aza ny habetsahany. Tsy notononiny ilay loza nahavoa an’ireo tafiny. c2 Mpanj. 18:14-16; 19:35.

6. Inona no mahatonga ny maha-ara-tsindrimandry ny Mika ho tsy azo lavina velively?

6 Ny mahatonga ny maha-ara-tsindrimandry ilay boky ho tsy azo lavina velively dia ilay faminaniana miavaka ao amin’ny Mika 5:2, izay manambara mialoha ny toerana hahaterahan’ny Mesia. (Matio 2:4-6). Misy andalan-teny koa izay mifanitsy amin’ny fanambarana ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. — Mika 7:6, 20; Matio 10:35, 36; Lioka 1:72, 73.

7. Inona no azo lazaina momba ny herin’ny fitenenan’i Mika?

7 Na dia nety ho avy tany ambanivohitr’i Joda aza i Mika, dia azo antoka fa tsy hoe tsy nanana fahaizana hiteny akory izy. Ny sasany amin’ireo fitenenana tsara dia tsara indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia hita ao amin’ny bokiny. Ny toko faha-6 dia nosoratana ho toy ny resaka mifamaly manaitra. Misy fampitohizana miova tampoka mangeja ny sain’ilay mpamaky rehefa mifindrafindra hevitra haingana i Mika, avy eo amin’ny fanozonana, mankany amin’ny fitahiana ary dia miverina any amin’ny fanozonana indray. (Mika 2:10, 12; 3:1, 12; 4:1). Tondraka ireo teny an’ohatra izay toa hitan’ny maso aoka izany: Rehefa mivoaka i Jehovah, dia “miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, ary mivava ny lohasaha, tahaka ny savoka taninin’ny afo, sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ny hantsana”. — 1:4; jereo koa ny 7:17.

8. Inona no raketin’ny tsirairay amin’ireo fizarana telo ao amin’ny Mika?

8 Azo zaraina telo ilay boky, ka ny fizarana tsirairay dia manomboka amin’ny hoe ‘Mihainoa’ ary mirakitra fitenenana mafy sy fampitandremana ny amin’ny famaizana ary fampanantenana fitahiana.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY MIKA

9. Famaizana inona avy no nambara momba an’i Samaria sy i Joda?

9 Fizarana voalohany (1:1–2:13). Mivoaka avy ao amin’ny tempoliny i Jehovah mba hanafay an’i Samaria noho ny fanompoan-tsampiny. Hataony “korontam-bato” izy io ary ‘hakorotsany ho any an-dohasaha ny vatony’, no sady hotorotoroiny ny sampiny voasokitra. Tsy hisy fanasitranana ho azy. Meloka koa ny Joda ary hiharan’ny fanafihana hatrany “am-bavahadin’i Jerosalema”. Ireo izay namoron-keloka dia nohelohina ary hilaza ny alahelony toy izao: “Fongana tokoa isika”. — 1:6, 12; 2:4.

10. Tamin’ny fomba ahoana ny famindram-pon’i Jehovah no nanjary nisongadina?

10 Tampoka teo dia nanjary nisongadina ny famindram-pon’i Jehovah, rehefa nanambara, tamin’ny anaran’i Jehovah, ilay mpaminany hoe: “Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, (...) Hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy, — toy ny ondry andiany ao amin’ny tany fiandrasana; hitabataba izy noho ny hamaroan’ny olona.” — 2:12.

11. a) Fanamelohana inona izao no natao tamin’ireo mpanapak’i Jakoba sy i Isiraely? b) Ahoana no nieken’i Mika ny amin’ny loharanon’ny herim-pony?

11 Fizarana faha-2 (3:1–5:14). Avy eo dia manohy toy izao i Mika: “Masìna hianareo, mihainoa, ry loholon’i Jakoba, sy hianareo mpanapaka ny taranak’Isiraely”. Nisy fanamelohana namely mafy natao tamin’ireo ‘nankahala ny tsara ka tia ny ratsy’ izay nampahory ny olona. ‘Namakivaky ny taolany’ izy ireo. (3:1-3). Tafiditra tamin’izany ireo mpaminany sandoka izay tsy nanome fitarihana marina fa nampaniasia ny olon’Andriamanitra. Nihoatra lavitra noho ny herim-pon’olombelona no nilaina mba hanambarana io hafatra io! Kanefa dia nanambara tamin-toky toy izao i Mika: “Izaho (...) dia feno hery, dia ny Fanahin’i Jehovah, mbamin’ny rariny sy ny faherezana, mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy amin’ny Isiraely ny fahotany.” (3:8). Nahatratra ny fara tampony namely mafy toy izao ny fanamelohany ireo mpanapaka nivesatra trosan-dra: “Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola”. (3:11). Noho izany dia hasaina toy ny tanimboly Ziona, ary ho tonga korontam-bato fotsiny sisa i Jerosalema.

12. Faminaniana lehibe inona no omena ho an’ny ‘atỳ am-parany’?

12 Eto indray koa, amin’ny alalan’ny fifanoheran-javatra tampoka, dia mitodika ‘atỳ am-parany’ ilay faminaniana mba hanomezana filazalazana lehibe sy manohina ny fo ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eny amin’ny tendrombohiny. (4:1). Jentilisa maro no hiakatra mba hianatra ny lalan’i Jehovah, satria hivoaka avy any Ziona sy avy any Jerosalema ny atoron’i Jehovah sy ny teniny. Tsy hianatra ady intsony izy ireo, fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny. Tsy hatahotra izy ireo. Aoka ireo firenena samy hanaraka ny andriamaniny avy, fa ireo mpivavaka marina kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny, ary hanjaka amin’izy ireo mandrakizay izy. Alohan’izay anefa, dia tsy maintsy handeha ho any an-tsesitany any Babylona i Ziona. Amin’ny fotoan’ny famerenana azy io amin’ny laoniny i Jehovah vao hanorotoro ireo fahavalony.

13. Karazana mpanapaka manao ahoana no hivoaka avy any Betlehema, ary ho tonga tahaka ny inona ireo “izay sisa amin’i Jakoba”?

13 Manambara mialoha izao i Mika fa ilay mpanapaka eo amin’ny Isiraely ‘izay efa hatry ny fahagola’ dia hivoaka avy ao Betlehema Efrata. Hanapaka izy ka “hiandry ny ondriny amin’ny herin’i Jehovah” ary ho lehibe, tsy eo amin’ny Isiraely ihany, fa “hatrany amin’ny faran’ny tany”. (5:1, 3). Tsy hanana afa-tsy fahombiazana mihelina fotsiny ilay Asyriana nanafika, satria ho resy tosika izy ary ho rava sy lao ny taniny. “Izay sisa amin’i Jakoba” dia ho tahaka “ny ando avy amin’i Jehovah” eo amin’ny olona ary ho tahaka ny liona noho ny herim-pony eo amin’ireo firenena. (5:6). Hamongotra ny fanompoam-pivavahan-diso izy ary hampihatra famaliana amin’ireo firenena tsy mankato (NW ).

14. a) Fampiasana fanoharana inona no anombohan’ny fizarana faha-3 amin’ny Mika? b) Zavatra takin’i Jehovah inona avy no tsy nofenoin’ny Isiraely?

14 Fizarana faha-3 (6:1–7:20). Zava-miseho manaitra any amin’ny fitsarana izao no aseho toy ny resaka mifamaly. Nanana “ady ara-pitsarana” nataony tamin’ny Isiraely i Jehovah, ary niantso ny havoana sy ny tendrombohitra mba ho vavolombelona. (6:1, NW ). Nihaika ny Isiraely mba handiso ny teniny izy, ary nitantara ireo asa marina nataony ho famonjena azy ireo. Inona no takin’i Jehovah amin’ny olombelona? Tsy fanatitra biby sesehena akory, fa “ny hampihatra ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hihevi-tena araka ny tena izy eo am-piaraha-mandeha amin’[Andriamaniny]” kosa. (6:8, NW ). Izany indrindra no tsy nisy teo amin’ny Isiraely. Tsy ny rariny na ny hatsaram-panahy no hita, fa “mizana mandainga”, herisetra (NW ), lainga ary fitaka, kosa. (6:11). Tsy niara-nandeha tamin’Andriamanitra tamim-piheveran-tena araka ny tena izy, izy ireo, fa nanaraka kosa ny fisainana ratsy sy ny fanompoan-tsampin’i Omry sy i Ahaba, izay nanjaka tany Samaria.

15. a) Nalahelo noho ny inona ilay mpaminany? b) Inona no teny famaranana mety tsaran’ny bokin’i Mika?

15 Nalahelo ilay mpaminany noho ny fahasimbana ara-pitondran-tenan’ny fireneny. Na dia ‘ny nahitsy indrindra tao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo’. (7:4). Nisy famadihana teo amin’ny mpisakaiza akaiky sy teo anivon’ireo ankohonana. Tsy nanary toky i Mika. “Hanandrandra an’i Jehovah, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.” (7:7). Nampitandrina ny hafa izy mba tsy hifaly noho ny famaizan’i Jehovah ny olony, satria ho avy ny fanafahana. Hiandry sy hamahana (NW ) ny olony izy ary hampiseho “zava-mahagaga” amin’izy ireo, ka hahatonga ireo jentilisa hatahotra. (7:15). Eo am-pamaranana ny bokiny i Mika dia manome akon’ny hevitry ny anarany amin’ny fiderana an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny maha-te ho tia. Eny, ‘Iza no Andriamanitra tahaka an’i Jehovah?’ — 7:18.

MAHASOA — NAHOANA?

16. a) Tamin’ny ahoana no nahitana fa nahasoa ny faminanian’i Mika tamin’ny andron’i Hezekia? b) Fananarana mahery inona avy no raketiny ho an’izao andro ankehitriny izao?

16 Efa ho 2 700 taona lasa izay, dia hita fa ‘nahasoa ho fananarana’ ny faminaniana nataon’i Mika, satria nanaiky ilay hafatra nampitainy i Hezekia, Mpanjakan’ny Joda, ka nitarika ilay firenena ho amin’ny fibebahana sy ny fanavaozana ara-pivavahana. (Mika 3:9-12; Jer. 26:18, 19; ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 18:1-4.) Amin’izao andro izao dia vao mainka aza mahasoa io faminaniana ara-tsindrimandry io. Ianareo rehetra mihambo ho mpivavaka amin’Andriamanitra, samia mihaino ireo fampitandremana mazava nomen’i Mika ny amin’ny fivavahan-diso, ny fanompoan-tsampy, ny lainga ary ny herisetra! (Mika 1:2; 3:1; 6:1). Manamafy ireo fampitandremana ireo i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:9-11. Milaza izy ao fa ny Kristiana marina dia efa voasasa, ary koa fa na iza na iza manaram-po amin’ireo fanao ireo dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra sy mazava, ny Mika 6:8 (NW ) dia manambara fa ny takin’i Jehovah amin’ny olombelona dia ny hiarahany mandeha Aminy amin’ny rariny sy ny hatsaram-panahy ary ny fiheveran-tena araka ny tena izy.

17. Fampaherezana inona no omen’i Mika ho an’ireo izay manompo an’Andriamanitra ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahasahiranana?

17 Ny hafatr’i Mika dia nampitainy teo amin’ny olona izay nisaratsaraka aoka izany, hany ka “ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony”. Mitory ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany ny Kristiana marina matetika, ary ny sasany aza tojo famadihana azy sy fanenjehana mafy ao amin’ny fianakaviany ihany. Mandrakariva dia mila ny miandry amim-paharetana an’i Jehovah, ilay ‘Andriamanitry ny famonjena azy’, izy ireo. (Mika 7:6, 7; Matio 10:21, 35-39). Ao anatin’ny fanenjehana, na rehefa miatrika asa sarotra nanendrena azy, ireo izay miantehitra amin-kerim-po amin’i Jehovah dia ho “feno hery, dia ny Fanahin’i Jehovah”, tahaka an’i Mika, eo am-panambarana ny hafatr’Andriamanitra. Naminany i Mika fa ny herim-po toy izany dia hiharihary indrindra indrindra eo amin’ireo “izay sisa amin’i Jakoba”. Ho tahaka ny ‘liona ao amin’ny jentilisa, ao amin’ny firenena maro’ izy ireo, no sady ho tahaka ny ando mamelombelona sy ranonorana avy amin’i Jehovah. Ireo toetra tsara ireo dia azo antoka fa niharihary teo amin’ny ‘sisa tamin’ny Isiraely (Jakoba)’ izay tonga mpikambana tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. — Mika 3:8; 5:6, 7; Rom. 9:27; 11:5, 26.

18. Faminanian’i Mika inona no mifamatotra amin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy Jesosy?

18 Ny nahaterahan’i Jesosy tao Betlehema, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Mika, dia manamafy ny maha-ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ilay boky. Tsy izay ihany anefa, fa mampiseho mazava koa izy io fa ny teny manodidina ilay andininy dia maminany ny amin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra hotarihin’i Kristy Jesosy. I Jesosy no ilay hiseho avy ao Betlehema (Tranon’ny Mofo) ka hitondra soa hanome fiainana ho an’ireo rehetra maneho finoana ny sorony. Izy no ilay “hiandry ny ondriny amin’ny herin’i Jehovah” sy ho lehibe ary hilaza fiadanana hatrany amin’ny faran’ny tany eo amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra tafaverina amin’ny laoniny sy tafaray. — Mika 5:2, 3; 2:12; Jaona 6:33-40.

19. a) Fampaherezana manome finoana inona no omena an’ireo izay miaina ‘atỳ am-parany’? b) Ahoana no nanandratan’i Mika ny fiandrianan’i Jehovah?

19 Fampaherezana lehibe no hita ao amin’ny faminanian’i Mika mikasika ny ‘atỳ am-parany’, rehefa hitady fampianarana avy amin’i Jehovah ‘ny jentilisa maro’. “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” Handao ny fanompoam-pivavahan-diso rehetra izy ireo, ka hiara-milaza amin’i Mika hoe: “Isika (...) handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” Tena marina fa manome finoana ny faminanian’i Mika, rehefa manolotra fahitana mialoha ireo fisehoan-javatra lehibe ireo. Miavaka koa izy io amin’ny fanandratana an’i Jehovah amin’ny maha-Tompom-piandrianana sady Mpanjaka mandrakizay azy. Mampientana toy inona moa ireo teny manao hoe: “Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona hatramin’izany ka ho mandrakizay”! — Mika 4:1-7; 1 Tim. 1:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ancient Near Eastern Texts, natontan’i James B. Pritchard, 1974, pejy 284.

b Assyrian and Babylonian Chronicles, nataon’i A. K. Grayson, 1975, pejy 73.

c Ancient Near Eastern Texts, 1974, pejy 288; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1396-1397.

[Fanontaniana]