Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-34 — Nahoma

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-34 — Nahoma

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-34 — Nahoma

Mpanoratra: Nahoma

Toerana Nanoratana: Joda

Vita Tamin’ny: Talohan’ny 632 al.f.i.

1. Inona no fantatra momba an’i Ninive fahizay?

 “FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Ninive”. (Nah. 1:1). Misokatra amin’ireo teny milaza loza ireo ny faminanian’i Nahoma. Nahoana anefa izy no nanao io fanambarana nilaza fiafarana ratsy io? Inona no fantatra momba an’i Ninive fahizay? Fintinin’i Nahoma amin’ireto teny roa ireto ny tantaran’izy io: “tanàna mpandatsa-dra”. (3:1). Dongona roa eo andafy atsinanan’ny Onin’i Tigra mifanandrify amin’ny tanàna maoderin’i Mosul, any Irak avaratra, no manamarika ny toerana nisy an’i Ninive fahizay. Voaro mafy tamin’ny alalan’ny manda sy ny hady izy io ary renivohitry ny Empira Asyriana tamin’ny tapany farany tamin’ny tantarany. Kanefa, ny niandohan’ilay tanàna dia tany amin’ny andron’i Nimroda, ilay ‘mpihaza nahery [nanohitra, NW ] an’i Jehovah. Ary nivoaka avy tamin’izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’i Ninive’. (Gen. 10:9-11). Araka izany, dia nanana fiandohana ratsy i Ninive. Nanjary nalaza indrindra izy nandritra ny fotoana nanjakan’i Sargona, i Sankeriba, i Esara-hadona ary i Asorobanipala, tamin’ny fe-potoana faran’ny Empira Asyriana. Tamin’ny alalan’ny ady sy ny fandresena, dia nampanankarena tena tamin’ny zavatra nobaboiny izy ary nanjary nalaza noho ny fitondrana lozabe sy tsy nisy fiantrana nampiharin’ireo mpanapaka teo aminy tamin’ireo babo sesehena. a Hoy i C. W. Ceram, eo amin’ny pejy faha-266 ao amin’ny bokiny hoe Gods, Graves and Scholars (1954): “Ny nanjary latsa-paka ao an-tsain’ny taranak’olombelona momba an’i Ninive dia tsy inona fa vonoana olona, fandrobana, fanaovana tsindrio fa lavo ary fampahoriana ny osa; tamin’ny alalan’ny ady sy ny karazana herisetra ara-batana rehetra; tamin’ny alalan’ireo zavatra nataon’ny tarana-mpanapaka lian-dra, izay nampiforitra ny vahoaka tamin’ny horohoro ary matetika no nofoanan’ny rafiny tsy nifaditra ovana kokoa noho ny tenany.”

2. Karazana nanao ahoana ny fivavahan’i Ninive?

2 Inona moa no fivavahan’i Ninive? Nivavaka tamin’ny karazan’andriamanitra be dia be izy, ka ny maro tamin’izany dia nampidirina avy tany Babylona. Niantso ireo andriamanitra ireo ny mpanapaka teo aminy rehefa nandeha handringana sy handripaka. Ireo mpisorony feno faniriana mihoa-pampana indray dia nampirisika ny ezaka nataony handresena ny hafa, noho ny fanantenana valisoa tondraka avy tamin’ny zavatra voababo. Ao ao amin’ny bokiny hoe Ancient Cities (1886, pejy 25), dia hoy i W. B. Wright: “Nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny tanjaka izy ireo, ary tsy nivavaka afa-tsy tamin’ny sampy vato makadiry, dia liona sy ombilahy nanana rantsambatana goavambe sy ela-boromahery ary lohan’olona, izay famantarana ny tanjaka sy ny herim-po ary ny fandresena. Ny fanaovana ady no raharahan’ilay firenena, ary ireo mpisorona dia mpandrisika tsy tapaka ho amin’ny ady. Ny tapany lehibe indrindra tamin’ny fanohanana azon’izy ireo dia avy tamin’ireo zavatra babo. Natokana ho azy ireo mandrakariva mantsy ny ampahany efa voafetra tamin’izany, talohan’ny hizaran’ny hafa izany, satria io hazakazaky ny mpandroba io dia ara-pivavahana indrindra indrindra.”

3. a) Amin’ny fomba ahoana ny hevitry ny anaran’i Nahoma no mifanentana tsara? b) Tao anatin’ny fe-potoana toy inona no nisian’ny faminanian’i Nahoma?

3 Feno hipoka zava-mahaliana ny faminanian’i Nahoma, na dia fohy aza. Ny hany fantatsika momba ny tenan’ilay mpaminany dia voarakitra ao anatin’ilay andinin-teny fanokafana1:1 hoe: “Ny bokin’ny fahitan’i Nahoma Elkosita”. Ny anarany (Hebreo: Na·chumʹ ) dia midika hoe “Mpampionona”. Azo antoka fa tsy fampiononana ho an’i Ninive ny hafatra nampitainy, fa ho an’ireo tena olon’Andriamanitra kosa, izy io dia nilaza fanamaivanana azo antoka sy naharitra tamin’ny fahavalo iray tsy nilefitra sy nahery. Nitondra fampiononana koa ny tsy fanononan’i Nahoma ireo fahotan’ilay fireneny. Na dia tsy fantatra amin’ny fomba voafaritra tsara aza ny toerana nisy an’i Elkosa, dia toa azo inoana fa nosoratana tany Joda ilay faminaniana. (Nah. 2:1). Ny fianjeran’i Ninive, izay niseho tamin’ny 632 al.f.i., dia mbola tamin’ny hoavy tamin’ny fotoana niraketan’i Nahoma an-tsoratra ny faminaniany. Ampitahainy amin’ny fianjeran’i No-amona (Thèbes, tany Egypta), izay nitranga tsy ela talohan’izay, io fisehoan-javatra io. (3:8). Noho izany, dia tsy maintsy ho nanoratra ny faminaniany tao anatin’io fe-potoana io i Nahoma.

4. Toetra tsara inona avy raha ny amin’ny fomba fanoratra no miseho ao amin’ny bokin’i Nahoma?

4 Miavaka ilay fomba fanoratra ao amin’ilay boky. Tsy mirakitra teny mihoatra noho izay ilaina izy io. Ny tanjany sy ny fahitany zavatra araka ny tena izy dia mifanaraka tsara amin’ny maha-anisan’ireo soratra ara-tsindrimandry azy. Faran’izay mahay i Nahoma raha ny amin’ny fomba fiteny milazalaza zavatra sy maneho fihetseham-po ary mampihetsi-po lalina, ary koa ny amin’ny fitenenana mihaja sy ny sarin-teny mazava tsara ary ny voambolana manaitra. (1:2-8, 12-14; 2:5, 13; 3:1-5, 13-15, 18, 19). Ny ankabeazan’ny toko voalohany dia toa mampiseho ny fomba fanoratra ny tononkalo acrostiche. (1:8, NW, f.a.p.). Vao mainka hita ho tsara ny fomba fanoratr’i Nahoma noho ilay loha hevitra tokana resahiny. Nampiseho rikoriko tanteraka noho ilay fahavalo mpamadika an’i Isiraely izy. Tsy nahita afa-tsy fiafarana ratsy ho an’i Ninive izy.

5. Inona no manaporofo ny maha-azo itokiana ny faminanian’i Nahoma?

5 Ny maha-azo itokiana ny faminanian’i Nahoma dia noporofoin’ny fahatanterahany araka ny marina. Tamin’ny andron’i Nahoma, iza ankoatra ny mpaminanin’i Jehovah moa no ho sahy hilaza mialoha fa ny renivohitra niavonavon’ny herim-panjakana asyriana dia ho azo nogorobahana teo amin’ny “vavahadin-drenirano”, fa hoe ho afaka ny hiempo ny lapany, ary ho “foana, eny, foana sady lao” mihitsy izy io. (2:7-11). Ireo fisehoan-javatra nanaraka dia nampiseho fa tena ara-tsindrimandrin’Andriamanitra tokoa ilay faminaniana. Milazalaza toy izao ny namaboan’ny Mediana sy ny Babyloniana an’i Ninive ireo tantara voalahatr’i Nabopolasara, mpanjaka babyloniana: “Ilay tanàna [dia navadik’izy ireo] ho havoana rava sy antont[an-(poti-javatra rava) (...)].” b Tanteraka aoka izany ny faharavan’i Ninive, hany ka na dia ny toerana nisy azy aza dia hadino nandritra ny taonjato maro. Nanjary nanaraby ny Baiboly momba io zavatra io ny mpanao tsikera sasany, tamin’ny filazana fa tsy nety ho nisy velively i Ninive.

6. Inona no navoaka teo amin’ny toerana nisy an’i Ninive fahizay, ka manamarina ny maha-araka ny marina ny Nahoma?

6 Kanefa, nanampy mba hanaporofoana ny maha-azo itokiana ny Nahoma ny nahitana ny toerana nisy an’i Ninive, ary natomboka ny famongarana azy io tamin’ny taonjato faha-19. Notombanana ho tany an-tapitrisany taonina maro no tsy maintsy hesorina mba hamongarana azy tanteraka. Inona no nofongarina avy tao ambanin’ny tanin’i Ninive? Zavatra be dia be izay manohana ny maha-araka ny marina ny faminanian’i Nahoma! Ohatra, ireo tsangambatony sy soratra hita tao aminy dia manamarina ireo zavatra feno halozana nataony, ary eo koa ireo sisa amin’ireo tsangambato makadiry nampiseho ombilahy sy liona nanana elatra. Tsy mahagaga raha niresaka momba azy ho toy ny “lavaky ny liona” i Nahoma! — 2:11. c

7. Inona no manohana ny maha-kanônika ny bokin’i Nahoma?

7 Ny maha-kanônika ny Nahoma dia asehon’ny faneken’ireo Jiosy an’ilay boky ho tapany amin’ny Soratra ara-tsindrimandry. Mifanaraka tanteraka amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly izy io. Ilay faminaniana dia tononina amin’ny anaran’i Jehovah, izay anaovany teny fanamarinana mahery momba ny toetrany sy ny maha-tampony azy.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY NAHOMA

8. Fiafarana ratsy inona no nambara ho an’i Ninive, kanefa vaovao tsara inona no nambara ho an’ny Joda?

8 Faminanian’i Jehovah ny amin’ny loza hanjo an’i Ninive (1:1–2:1). “Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah”. Ireo teny ireo no anomezan’ilay mpaminany ny faritra nanoratany ny “faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Ninive”. (1:1, 2). Na dia mahari-po aza i Jehovah, dia jereo izy izao maneho famaliana heloka amin’ny alalan’ny tadio sy ny tafio-drivotra. Mihorohoro ny tendrombohitra, miempo ny havoana ary mientanentana ny tany. Iza no mahatoetra eo anoloan’ny firehitry ny fahatezerany? Na dia izany aza, dia fiarovana mafy ho an’izay mialoka aminy i Jehovah. Fa i Ninive kosa hiharan’ny fiafarana ratsy. Ho foanan’ny riaka izy, ary “tsy hiverina fanindroany ny fahoriana”. (1:9). Hamafa ny anarany sy ireo andriamaniny i Jehovah. Haleviny any am-pasana izy. Ho fifanoheran-javatra mamelombelona, dia misy vaovao tsara (NW ) ho an’ny Joda! Inona moa izany? Misy mpitory fiadanana iray miantso azy ireo mba hitandrina ny andro firavoravoany sy hanefa ny voadiny, satria hiharan’ny fiafarana ratsy ny fahavalony, dia ilay “tena ratsy fanahy”. Ho “indray ripaka izy rehetra”. — 2:1.

9. Fahitana ara-paminaniana inona no azontsika momba ny faharesen’i Ninive?

9 Fahitana mialoha ny fandringanana an’i Ninive (2:2–3:19). Mandefa fihaikana manebaka an’i Ninive mba hanetsika mafy ny heriny teo anoloan’ny mpanorotoro ho avy iray, i Nahoma. Hampodian’i Jehovah indray ny azy, dia ny ‘voninahitr’i Jakoba sy i Isiraely’. Jereo ny ampinga sy ny fitafiana jakin’ny miaramilany ary ny vy mahery sy mamirapiratra toy ny afo eo amin’ny ‘kalesiny amin’ny andro fiomanany’! “Ampiezahiny” eny an-dalambe ireo kalesy ka mitsoriaka tahaka ny helatra. (2:3-5). Izao isika dia mahita fahitana ara-paminaniana an’ilay ady. Tafintohina ireo Ninivita ka mihazakazaka mba hiaro ny mandany, kanefa tsy misy vokany izany. Mivoha ny vavahadin-drenirano, miempo ny lapa ary mitoloko sy miteha-tratra ireo ankizivavy. Asaina mijanona ireo lehilahy mandositra, kanefa tsy misy miherika. Robaina sy atao foana sy lao ilay tanàna. Kivy ny fo. Aiza izao io lavaky ny liona io? Nameno ny zohiny tamin’ny haza ho an’ny zanany ilay liona, kanefa, hoy ny nambaran’i Jehovah: “Indro, hamely anao Aho”. (2:13). Eny, handevona ny kalesin’adin’i Ninive i Jehovah, handefa sabatra iray hamono ny liona tanorany ary hamongotra ny hazany amin’ny tany.

10. Nalana sarona ho inona moa i Ninive, ary ahoana koa no ilazalazana ny fiafarany?

10 “Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra! Feno lainga sy fandozana”. Henoy ny fifiopioky ny karavasy sy ny fikorodondrodon’ny kodia. Jereo ny fikatrokatroky ny soavaly, ny fitraitraiky ny kalesy, ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly, ny fanelatselatry ny sabatra ary ny famirapiratry ny lefona — ary avy eo, dia ny hamaroan’ny voavono. “Tsy hita isa ny faty.” (3:1, 3). Ary nahoana moa? Satria nivarotra firenena tamin’ny fijangajangany izy ary fokom-pirenena tamin’ny fankatovany. Fanindroany izao no anambaran’i Jehovah hoe: “Indro, hamely anao Aho”. (3:5). Halana sarona ho toy ny mpijangajanga i Ninive, ary ho rava, ny hanjo azy tsy ho tsara kokoa noho ny nanjo an’i No-amona (Thèbes), izay nentin’i Asyria ho babo. Ny fiarovana mafiny dia tahaka ny aviavy mialintaona, izay, “raha hohozongozonina (...), dia hihintsana ao am-bavan’izay hihinana aza”. (3:12). Ireo mpiadiny dia tahaka ny vehivavy. Tsy misy na inona na inona ho afaka hamonjy an’i Ninive avy amin’ny afo sy ny sabatra. Ny andrianany dia hanidina toy ny valalavao amin’ny andro iposahan’ny masoandro, ary haely ny olony. Ho fantatry ny mpanjakan’i Asyria fa tsy misy fihenana na fahasitranana io fangirifiriana io. Ireo rehetra ilazana ny nanjo azy dia hiteha-tanana, satria izy rehetra efa nijaly noho ny fandozan’i Asyria.

MAHASOA — NAHOANA?

11. Fotopoto-pitsipika ara-baiboly fototra inona avy no aseho amin’ny alalan’ny ohatra ao amin’ny Nahoma?

11 Ny faminanian’i Nahoma dia ohatra mampiseho fotopoto-pitsipika ara-baiboly fototra sasany. Ireo teny anokafana ilay fahitana dia mamerina ny antony nanomezan’Andriamanitra ilay faharoa tamin’ireo Didy Folo manao hoe: ‘Andriamanitra saro-piaro Jehovah’. Manaraka izany avy hatrany izy dia mampahafantatra fa azo antoka ny ‘famaliany ny rafilahiny’. Ny avonavona lozaben’i Asyria sy ireo andriamanitra sampiny dia tsy afaka namonjy azy tamin’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany. Afaka matoky isika fa amin’ny fotoana mety, i Jehovah dia hamely ireo ratsy fanahy rehetra araka ny rariny toy izany koa. “Mahari-po Jehovah sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka”. Araka izany, ny fitiavan’i Jehovah ny rariny sy ny maha-tampony azy dia asandratra amin’ny alalan’ny fanafoanany an’i Asyria mahery. Tena nanjary “foana, eny, foana sady lao” tokoa i Ninive! — 1:2, 3; 2:11.

12. Famerenana amin’ny laoniny inona no ambaran’i Nahoma, ary ahoana no azo ampifandraisana ny faminaniany amin’ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana?

12 Mifanohitra amin’i Ninive izay ho ‘indray ripaka’, i Nahoma dia nanambara famerenana amin’ny laoniny ho an’ny ‘voninahitr’i Jakoba sy i Isiraely’. Nandefa vaovao mahafaly ho an’ny olony toy izao koa i Jehovah: “Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly sady mitory fiadanana!” Mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo vaovao tsara momba ny fiadanana ireo. Ahoana no ahafantarantsika izany? Izany dia hita avy amin’ny fampiasan’i Isaia ilay fitenenana mitovy ihany, kanefa nampiany ireto teny ireto: “Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!” (Nah. 2:1; 2:3; Isaia 52:7). Ny apostoly Paoly indray kosa, ao amin’ny Romana 10:15, dia mampihatra ilay fitenenana amin’ireo izay irahin’i Jehovah ho mpitory kristiana ny vaovao tsara. Izy ireo dia manambara ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”. (Matio 24:14, NW ). Araka ny hevitry ny anarany, i Nahoma dia manome fampiononana be dia be ho an’izay rehetra mitady fiadanana sy famonjena izay ho avy miaraka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Azo antoka fa ho takatr’izy rehetra fa ‘tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana ho an’izay mialoka aminy’. — Nah. 1:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 137-138.

b Ancient Near Eastern Texts, natontan’i J. B. Pritchard, 1974, pejy 305; izy no nanao ny fononteny mahitsy sy ny fononteny; Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 958.

c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 955.

[Fanontaniana]