Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-35 — Habakoka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-35 — Habakoka

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-35 — Habakoka

Mpanoratra: Habakoka

Toerana Nanoratana: Joda

Vita Tamin’ny: 628 al.f.i. (?) tany ho any

1. Fahamarinana ambony dia ambony inona avy no asongadina ao amin’ny faminanian’i Habakoka?

 I HABAKOKA dia mpaminany hafa iray koa amin’ireo antsoina hoe mpaminany madinika ao amin’ny Soratra Hebreo. Kanefa, ny fahitany sy ny fanambarany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia tsy madinika velively, raha ny amin’ny heviny ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Sady mampahery no manatanjaka ny faminaniany, ka manohana ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny fotoana isian’ny fihenjanana. Manasongadina ireto fahamarinana ambony dia ambony roa ireto ilay boky: i Jehovah Andriamanitra no Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, ary ny marina dia velona noho ny finoana. Ilay soratra koa dia fampitandremana ho an’ireo mpanohitra ny mpanompon’Andriamanitra sy ho an’ireo mihambo amim-pihatsarambelatsihy ho vahoakany. Manome modely ny amin’ny finoana matanjaka an’i Jehovah, izay mendrika ny hira fiderana rehetra, izy io.

2. Fanazavana inona no omena momba ilay mpanoratra, dia i Habakoka?

2 Ny bokin’i Habakoka dia misokatra amin’ny hoe: “Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan’i Habakoka mpaminany.” (Hab. 1:1). Iza moa io mpaminany hoe Habakoka (Hebreo: Chavaq·quqʹ) io, izay midika hoe “Famihinana Mafana” ny anarany? Tsy misy fanazavana omena mikasika ny ray aman-drenin’i Habakoka, ny foko niaviany, ireo toe-javatra teo amin’ny fiainany, na ny fahafatesany. Tsy azo ambara amin’ny fomba voafaritra tsara ny hoe Levita mpitendry mozika tao amin’ny tempoly izy na tsia, na dia toa misy tsipy hevitra momba izany aza ao amin’ilay soratra fanampiny amin’ny faran’ilay boky manao hoe: “Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha[ko, NW ].”

3. Toe-javatra inona avy, nahakasika an’i Joda, no manampy mba hanondroana ny fotoana nanoratana ny Habakoka?

3 Oviana i Habakoka no nanao ireo fanambarany ara-paminaniana ireo? Ilay soratra fanampiny vao avy notononina teo sy ny teny hoe “Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina” dia manondro fa mbola teo ilay tempoly tao Jerosalema. (2:20). Izany sy ilay hafatra raketin’ilay faminaniana, dia toa manondro fa nolazaina tsy ela talohan’ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., izy io. Firy taona talohan’izay anefa? Tsy maintsy ho taorian’ny fotoana nanjakan’i Josia, Mpanjaka natahotra an’Andriamanitra, tamin’ny 659 al.f.i. ka hatramin’ny 629 al.f.i., izany. Ilay faminaniana mihitsy dia manome hevitra ny amin’izany, rehefa manambara mialoha ny amin’ny fanaovan-javatra iray izay tsy hinoan’ny olona tao Joda na dia nolazaina taminy aza. Inona izany? Izany dia ny hananganan’Andriamanitra ny Kaldeana (Babyloniana) mba hanafay ny Joda tsy nanam-pinoana. (1:5, 6). Izany dia mifanentana amin’ny tapany voalohany tamin’ny fotoana nanjakan’i Joiakima, Mpanjaka nanompo sampy, dia fotoana nahitana tsy fetezana hino sy tsy rariny nanerana ny Joda. I Farao Neko no nametraka an’i Joiakima teo amin’ny seza fiandrianana, ary teo ambanin’ny fahefan’ny fanapahan’i Egypta ilay firenena. Izany no toe-javatra nisy ilay vahoaka, hany ka nihevitra izy ireo fa nanana antony tsara tsy hinoana izay hety ho fanafihana avy tamin’i Babylona. Naharesy an’i Farao Neko tamin’ny ady tany Karkemisy tamin’ny 625 al.f.i. anefa i Nebokadnezara, ka nandrodana ny fahefan’i Egypta. Noho izany, ilay faminaniana dia nampitaina talohan’io fisehoan-javatra io. Koa ireo porofo àry dia manondro fa ilay faminaniana dia natao tany am-piandohan’ny fotoana nanjakan’i Joiakima (nanomboka tamin’ny 628 al.f.i.). Izany dia mahatonga hanatsoaka hevitra fa niaina tamin’ny andron’i Jeremia i Habakoka.

4. Inona no manaporofo fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny bokin’i Habakoka?

4 Ahoana no ahafantarantsika fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ilay boky? Manamarina ny maha-kanônika ny Habakoka ireo katalaogy tranainin’ireo Soratra Hebreo. Na dia tsy manonona ilay boky amin’ny anarany aza izy ireo, dia miharihary fa tafiditra tao amin’ny firesahan’izy ireo momba ireo ‘Mpaminany Madinika roa ambin’ny folo’ izy io, satria raha tsy tao ny Habakoka, dia tsy ho 12 ny isan’izy ireo. Nanaiky an’ilay faminaniana ho tapany amin’ny Soratra ara-tsindrimandry ny apostoly Paoly ary nanonona nivantana avy tamin’ny Habakoka 1:5, tamin’ny firesahana momba azy io ho toy ny zavatra “voalaza eo amin’ny mpaminany”. (Asa. 13:40, 41). Nanisy firesahana imbetsaka momba ilay boky izy ao amin’ireo taratasiny. Azo antoka fa ny fahatanterahan’ireo fanambarana nataon’i Habakoka hamelezana an’i Joda sy i Babylona dia manamarika azy ho tena mpaminanin’i Jehovah, ary niteny tamin’ny anaran’i Jehovah sy ho fanomezam-boninahitra azy izy.

5. Fintino fohy ireo loha hevitra raketin’ny Habakoka.

5 Voaforona toko telo ny bokin’i Habakoka. Ireo toko roa 1, 2voalohany dia resaka nifanaovan’ilay mpanoratra sy i Jehovah. Mitantara ny amin’ny tanjak’ireo Kaldeana izy ireo, ary koa ny amin’ny alahelo niandry ilay firenena babyloniana. Nahery nandraoka ny tsy azy izy io, fatra-pila harena tamin’ny tsy marina ho an’ny taranany, nanao vohitra tamin’ny fandatsahan-dra ary nivavaka tamin’ny sarin-javatra voasokitra. Ny toko fahatelo 3 kosa dia miresaka momba ny famirapiratan’i Jehovah amin’ny andro anaovana ady. Tsy misy toko afaka mifampitaha aminy raha ny amin’ny fomba fanoratra mampihetsi-po lalina ao aminy, izay feno hery sy fahavitrihana. Io toko io dia vavaka iray natao ho hira fahalahelovana ary nantsoina hoe “ny iray amin’ireo faran’izay kanto sy mamirapiratra indrindra amin’ny tononkalo hebreo rehetra”. a

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY HABAKOKA

6. Nanao ahoana ny toe-piainana tao Joda, noho izany dia asa mahagaga inona no hataon’i Jehovah?

6 Nitaraina tamin’i Jehovah ilay mpaminany (1:1–2:1). Niteraka fanontaniana tao an-tsain’i Habakoka ny tsy fananam-pinoana teo amin’ny Joda. “Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao!”, hoy izy. “Fandravana sy loza no eo anatrehako”. (1:2, 3). Ngoly ny lalàna, nirohonan’ny ratsy fanahy ny marina, ary nivoaka ny fitsarana miangatra. Noho izany, i Jehovah dia hanao zavatra izay hiteraka fahagagana, zavatra izay ‘tsy hinoan’ny olona, na dia holazaina aminy aza’. ‘Hanangana ny Kaldeana’ izy, raha ny tena izy! Mahatahotra tokoa ilay fahitana nomen’i Jehovah momba io firenena masiaka, izay nanatona haingana, io. Nanokan-tena ho amin’ny herisetra (NW ) izy io, ary nanangona babo (NW ) “toy ny fasika”. (1:5, 6, 9). Tsy nisy na inona na inona nahatoetra teny amin’ny lalany, eny, na dia mpanjaka sy mpanapaka aza, satria nihomehezany avokoa izy rehetra ireny. Namabo ny tanàna mimanda rehetra izy. Izany rehetra izany dia ho famaizana sy ho fananarana avy tamin’i Jehovah, ilay ‘Iray Masina’. (1:12). Niandry tamim-pitandremana ny hitenenan’i Jehovah i Habakoka.

7. Ahoana no nampiononan’i Jehovah an’i Habakoka?

7 Ny fahitana ny amin’ireo loza dimy (2:2-20). Hoy ny navalin’i Jehovah: “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fàfana”. Na dia toa mitaredretra aza izy io, dia ho avy tokoa. Nampionona an’i Habakoka tamin’izao teny izao i Jehovah: “Ny marina ho velon’ny finoany.” (2:2, 4). Tsy mba hahatoetra ilay fahavalo niavonavona, na dia nanangona firenena sy olona ho ao aminy aza izy. Ireo indrindra no hanao ilay ohabolana milaza loza dimy ho azy ireto:

8, 9. Tamin’ny karazan’olona nanao ahoana avy no nivantanan’ireo loza dimy tao amin’ilay fahitana?

8 “Lozan’izay mahery mandroaka ny tsy azy!” Ny tenany aza dia ho babo. Hobaboina izy “noho ny ran’ny olona sy ny fandozana natao tamin’ny tany”. (2:6, 8). “Lozan’izay fatra-pila harena amin’ny tsy marina ho an’ny taranany”. Ny fandringanany firenena maro dia hahatonga ny vato sy ny sakamandimby amin’ny tranony hitaraina. (2:9). “Lozan’izay manao vohitra amin’ny fandatsahan-dra”. Hiasa ho an’ny afo sy ny zava-poana ny olony, hoy i Jehovah. “Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — 2:12, 14.

9 ‘Lozan’izay, amim-pahatezerana, dia mampahamamo ny namany mba hijery ny fitanjahany.’ Hampisotroin’i Jehovah amin’ny kapoaka eny amin’ny tanany havanana izy, ka hitondra fahamenarana ho solon’ny voninahitra “noho ny ran’ny olona sy ny loza natao tamin’ny tany”. Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra iray ho an’ny mpanao azy — tsy sampy moana ve ireo? (2:15, 17). “Lozan’izay manao amin’ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo?” Mifanohitra amin’ireo andriamanitra tsy misy aina ireo, i “Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina; mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!” — 2:19, 20.

10. Asa nahatahotra inona no niaraka tamin’ny fisehoan’i Jehovah tamin’ny andro nanaovany ady?

10 I Jehovah amin’ny andro anaovana ady (3:1-19). Tao amin’ny vavaka iray feno haja amam-boninahitra, i Habakoka dia nahatsiaro tamin’ny fomba mazava ny zavatra nahatahotra nataon’i Jehovah. Rehefa niseho i Jehovah, dia ‘nanarona ny lanitra ny voninahiny, ary nanenika ny tany ny fiderana Azy’. (3:3). Toy ny mazava ny famirapiratany, ary teo alohany no nandehanan’ny areti-mandringana. Nijanona izy, nanozongozona ny tany, nampangovitra ny firenena ary nanorotoro ny tendrombohitra mandrakizay. Nitaingina ny soavaliny toy ny miaramila mahery i Jehovah, niaraka tamin’ny tsipìka nalan-tsarona sy ny kalesim-pamonjena. Nihorohoro ny tendrombohitra sy ny lalina. Tsy nihetsika (NW ) ny masoandro sy ny volana, ary teo ny hazavan’ny zana-tsipìkany sy ny fanelatrelatry ny lefony, rehefa nanitsaka ny tany izy ka nanosihosy ny firenena tamim-pahavinirana. Nivoaka izy mba hamonjy ny olony sy ny voahosony ary mba hampiharihariana ny fanorenan’ny ratsy fanahy, “hatreo an-katony”. — 3:13, f.a.p.

11. Nanao ahoana ny vokatr’ilay fahitana teo amin’i Habakoka, kanefa inona no fahatapahan-keviny?

11 Nanafotra an’ilay mpaminany io fahitana io, izay nampiseho ny herin’ny asa nataon’i Jehovah taloha sy ny asany ho avy hampihorohoroany izao tontolo izao. “Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; ny molotro mipararetra noho ny feo; azon’ny fahalovana ny taolako, ary mangovitra aho; fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, dia izay hiakaran’ny mpanao an-diany hamely ny olonao.” (3:16). Kanefa tapa-kevitra i Habakoka fa, na nanao ahoana na nanao ahoana haratsin’ny fotoana tsy maintsy hatrehina — tsy namontsina ny aviavy, tsy nisy voany ny voaloboka, tsy nisy omby tao am-pahitra — dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany izy, ary hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena azy. Namarana ny hirany feno haravoana tamin’izao teny izao izy: “Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.” — 3:19.

MAHASOA — NAHOANA?

12. Fampiharana mahasoa ny Habakoka 2:4 inona avy no nataon’i Paoly?

12 Nanaiky ny apostoly Paoly fa ny faminanian’i Habakoka dia nahasoa ho fampianarana, ka nanonona teny avy tao amin’ny toko faha-2, andininy faha-4, tamin’ny toe-javatra telo samy hafa izy. Rehefa nanantitrantitra i Paoly fa ny vaovao tsara dia ny herin’Andriamanitra hamonjy izay rehetra manam-pinoana, dia nanoratra toy izao ho an’ny Kristiana tany Roma izy: “Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: ‘Ny marina amin’ny finoana no ho velona’.” Rehefa nanoratra ho an’ireo Galatiana i Paoly, dia nanantitrantitra toy izao ilay hevitra fa hoe ny fitahiana dia azo amin’ny finoana: “Hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra; fa ‘ny marina amin’ny finoana no ho velona’.” Nanoratra tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo koa i Paoly fa ny Kristiana dia tsy maintsy mampiseho finoana velona izay miaro ny fanahy (âme), ary nanisy firesahana indray momba ireo tenin’i Jehovah tamin’i Habakoka. Kanefa tsy ilay tenin’i Habakoka nanao hoe “ny oloko marina, dia ho velon’ny finoana”, fotsiny no notononiny, fa ireto teniny fanampiny ireto koa, araka ny Septante grika: “Raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko”. Avy eo izy dia namintina izany tamin’ny filazana hoe: Isika dia “naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. — Rom. 1:17; Gal. 3:11; Heb. 10:38, 39.

13. Manantitrantitra inona momba ireo didim-pitsaran’Andriamanitra ny fahatanterahana araka ny marin’ireo faminanian’i Habakoka teo amin’i Joda sy i Babylona?

13 Ny faminanian’i Habakoka dia mahasoa indrindra amin’izao andro izao ho an’ny Kristiana izay mila tanjaka. Mampianatra fianteherana amin’Andriamanitra izy io. Mahasoa koa izy io mba hampitandremana ny hafa ny amin’ireo didim-pitsaran’Andriamanitra. Feno hery ilay fianarana misy fampitandremana manao hoe: Aza mihevitra fa mitaredretra loatra ireo didim-pitsaran’Andriamanitra; “ho avy tokoa” izy ireo. (Hab. 2:3). Tanteraka tokoa ilay faminaniana ny amin’ny fandringanan’i Babylona ny Joda, ary i Babylona koa dia voababo tokoa, rehefa azon’ny Mediana sy ny Persiana ilay tanàna tamin’ny 539 al.f.i. Fampitandremana mba hino ny tenin’Andriamanitra re izany! Araka izany, dia hitan’ny apostoly Paoly fa nahasoa ny fanononana teny avy tao amin’ny Habakoka mba hampitandremana toy izao ny Jiosy tamin’ny androny mba tsy ho azon’ny tsy fananam-pinoana: “Tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ny mpaminany hoe: ‘Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levòna; fa Izaho manao asa amin’ny andronareo, dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza’.” (Asa. 13:40, 41; Hab. 1:5). Tsy nanaraka ny tenin’i Paoly ireo Jiosy tsy nanam-pinoana, tsy misy hafa amin’ny tsy ninoany ny fampitandreman’i Jesosy ny amin’ny fandringanana an’i Jerosalema; niharan’ny vokatry ny tsy fananany finoana izy ireo, rehefa nanafoana an’i Jerosalema ireo tafik’i Roma tamin’ny 70 am.f.i. — Lioka 19:41-44.

14. a) Ahoana no ampirisihan’ny faminanian’i Habakoka ny Kristiana amin’izao andro izao mba hihazona finoana matanjaka? b) Araka ny voambara ao amin’ilay faminaniana, toky falifaly inona no azon’ireo izay tia ny rariny ananana ankehitriny?

14 Mitovy amin’izany koa, amin’izao andro izao, ny faminanian’i Habakoka dia mampirisika ny Kristiana mba hihazona finoana matanjaka ao amin’ny tontolo iray feno herisetra. Izy io dia manampy azy ireo hampianatra ny hafa sy hamaly ny fanontanian’ny olona maneran-tany izay nanontany hoe: Moa ve Andriamanitra hampihatra famaliana amin’ny ratsy fanahy? Mariho indray ny tenin’ilay faminaniana manao hoe: “Andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Hab. 2:3). Na manao ahoana na manao ahoana fikorontanana mitranga eo amin’ny tany, ny sisa voahosotra amin’ireo mpandova ilay Fanjakana dia mahatsiaro ireto tenin’i Habakoka ireto, mikasika ireo asa famaliana nataon’i Jehovah tamin’ny lasa: ‘Nivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao’. (3:13). Tena ilay ‘Iray Masin’izy ireo’ hatrizay hatrizay tokoa i Jehovah, sy ilay “Vatolampy” izay hananatra ny tsy marina ary hanome fiainana ho an’ireo izay raisiny ao amin’ny fitiavany. Azon’izay rehetra tia ny rariny atao ny mifaly ao amin’ny Fanjakany sy ny fiandrianany, amin’ny filazana hoe: “Izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. Jehovah Tompo no tanjako”. — 1:12; 3:18, 19.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Book of the Twelve Minor Prophets, 1868, nataon’i E. Henderson, pejy 285.

[Fanontaniana]