Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-36 — Zefania

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-36 — Zefania

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-36 — Zefania

Mpanoratra: Zefania

Toerana Nanoratana: Joda

Vita: Talohan’ny 648 al.f.i.

1. a) Nahoana no nifanentana tsara tamin’ny androny ny hafatr’i Zefania? b) Tamin’ny ahoana no nifanarahan’ny hevitry ny anarany tamin’ilay tarehin-javatra?

 TANY am-piandohan’ny fotoana nanjakan’i Josia, Mpanjakan’ny Joda (659 al.f.i. - 629 al.f.i.), tamin’ny fotoana nampihanaka ny fivavahana tamin’i Bala nanerana ilay tany sy nitarihan’ireo “mpisorona amin’ny andriamani-tsi-izy” an’io fanompoam-pivavahana naloto io, dia tsy maintsy ho taitra mafy ny olona tao Jerosalema noho ilay hafatra nambaran’i Zefania mpaminany. Na dia nety ho taranak’i Hezekia Mpanjaka, avy tamin’ny tarana-mpanjakan’i Joda, aza i Zefania, dia nanakiana mafy ny toe-piainana teo amin’ilay firenena. (Zef. 1:1, 4). Hafatra ny amin’ny fiafarana ratsy ny azy. Nanjary tsy nankato ny vahoakan’Andriamanitra, ary i Jehovah ihany no ho afaka hamerina azy ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio, sy hitahy azy mba hahafahany “ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany”. (3:20). Nasehon’i Zefania fa noho ny fandraisan’Andriamanitra anjara ihany vao ho afaka ny “ho voafina (...) amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah” ny olona iray. (2:3). Mifanentana toy inona moa ny anarany hoe Tsephan·yahʹ (Hebreo), izay midika hoe “Nanafina (Nitahiry ho Rakitra) i Jehovah”!

2. Nanao ahoana ny vokatry ny ezaka nataon’i Zefania, kanefa nahoana no vetivety ihany izany?

2 Nisy vokany ny ezaka nataon’i Zefania. Nanomboka “nanadio an’i Joda sy Jerosalema”, tamin’ny taona faha-12 nanjakany, i Josia Mpanjaka, izay niakatra teo amin’ny seza fiandrianana teo amin’ny fahavalo taonany. Namongotra ny fanompoam-pivavahan-diso izy, nanamboatra ny simba tamin’ny “tranon’i Jehovah”, ary nanorina indray ny fankalazana ny Paska. (2 Tant., toko 34, 35). Vetivety ihany anefa ireo fanavaozana nataon’i Josia Mpanjaka, satria nodimbasan’ny telo tamin’ireo zanany sy ny iray tamin’ireo zafikeliny izy, ka izy rehetra ireo dia ‘nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah’. (2 Tant. 36:1-12). Izany rehetra izany dia fahatanterahan’ny tenin’i Zefania nanao hoe: “Hovaliako ny lehibe sy ny zanak’andriana mbamin’izay (...) mameno loza sy fitaka ny tranon’ny tompony.” — Zef. 1:8, 9.

3. Oviana ary taiza no naminanian’i Zefania, ary hafatra roa sosona inona no raketin’ilay boky?

3 Avy amin’io voalaza io, dia hita fa ‘ny tenin’i Jehovah dia tonga tamin’i Zefania’, fotoana kelikely talohan’ny 648 al.f.i., izay ny taona faha-12 nanjakan’i Josia. Tsy vitan’ny hoe nampahafantatra ny nitenenany tao Joda ny andininy voalohany, fa ny fahalalana feno tsipiriany asehony momba ireo toerana sy fanao tao Jerosalema koa dia manohana ilay hevitra fa nonina tao Joda izy. Roa sosona ilay hafatra voarakitra ao amin’ilay boky, satria sady mandrahona no mampionona. Ny ankabeazan’izy io dia mihodinkodina eo amin’ilay andron’i Jehovah, dia andro mahatsiravina iray efa antomotra. Miaraka amin’izay koa anefa, dia ambarany mialoha fa i Jehovah dia hamerina ho amin’ny toe-piainany taloha vahoaka nanetry tena (NW ) iray izay ‘nialoka tamin’ny anaran’i Jehovah’. — 1:1, 7-18; 3:12.

4. Inona no manaporofo fa azo itokiana sady ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny bokin’i Zefania?

4 Tsy azo lavina amim-pahombiazana ny maha-azo itokiana io bokim-paminaniana io. Ringana tamin’ny 607 al.f.i. i Jerosalema, izany hoe 40 taona mahery taorian’ny nanambaran’i Zefania mialoha momba azy io. Tsy vitan’ny hoe manana ny teny fanamarinan’ny tantara tsy ara-pivavahana momba izany isika, fa ny Baiboly mihitsy koa dia mirakitra porofo anatiny fa tena nitranga araka ny naminanian’i Zefania azy izy io. Fotoana fohy taorian’ny fandringanana an’i Jerosalema, dia nanoratra ny bokin’ny Fitomaniana i Jeremia, nilazalaza ireo zava-nahatsiravina hitan’ny masony, fony izy ireo mbola nazava tsara tao an-tsainy. Hamarinin’ny fampitahana andalan-teny maromaro fa ny hafatr’i Zefania dia tena “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. Nampitandrina i Zefania fa nilaina ny nibebaka “dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah”, fa i Jeremia kosa niresaka momba ny zavatra iray izay efa nitranga fony izy nilaza hoe ‘naidin’i Jehovah ny fahatezerany nirehitra”. (Zef. 2:2; Fitom. 4:11). Nanambara mialoha i Zefania fa “hampahory ny olona [i Jehovah], handehanany toy ny jamba (...); ny rany dia haidina toy ny vovoka”. (Zef. 1:17). I Jeremia kosa niresaka momba izany toy izao ho toy ny zavatra efa tanteraka: “Niraparapa toy ny jamba teny an-dàlambe izy, sady voahosin-dra ny tenany”. — Fitom. 4:14; ampitahao koa ny Zefania 1:13 sy ny Fitomaniana 5:2, ary ny Zefania 2:8, 10 sy ny Fitomaniana 1:9, 10 sy Fitom. 3:61.

5. Ahoana no ampisehoan’ny tantara fa tanteraka araka ny marina ny faminanian’i Zefania?

5 Ny tantara koa dia manao tatitra momba ny fandringanana ireo firenena mpanompo sampy, dia i Moaba sy i Amona ary i Asyria niaraka tamin’i Ninive renivohiny, dia araka ny nanambaran’i Zefania azy mialoha tsara teo ambany fitarihan’Andriamanitra. Tsy misy hafa amin’ny nanambaran’i Nahoma mpaminany mialoha momba ny fandringanana an’i Ninive, (Nah. 1:1; 2:11), i Zefania koa dia nanambara fa “hahalao an’i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra” i Jehovah. (Zef. 2:13). Tanteraka aoka izany io fandringanana io, hany ka 200 taona monja tatỳ aoriany, i Hérodote mpanoratra tantara dia nanoratra fa i Tigra dia “renirano nisy ny tanànan’i Ninive taloha”. a Tamin’ny 150 am.f.i. tany ho any, ilay mpanoratra grika atao hoe Lucien dia nanoratra fa “tsy misy soritra tavela momba azy ankehitriny”. b Ny The New Westminster Dictionary of the Bible (1970), pejy faha-669, dia manambara fa ireo tafika mpanafika dia “nahazo fanampiana lehibe avy tamin’ny fisondrotan’ny ranon’i Tigra tampoka, izay nipaoka niaraka taminy ny tapany lehibe tamin’ny mandan’ny tanàna ary nahatonga ilay toerana ho tsy azo narovana. (...) Tanteraka aoka izany ilay fahafoanana, hany ka tamin’ny andron’ny Grika sy ny Romana, i Ninive dia nila ho toy ny angano mihitsy. Kanefa nandritra izany fotoana rehetra izany, ny tapany tamin’ilay tanàna dia nilevina tao ambany antontam-pako tetỳ ivelany”. Eo amin’ny pejy faha-627, io boky io ihany dia mampiseho toy izao fa noringanina araka ny naminaniana momba azy koa i Moaba: “Nandresy ny Moabita i Nebokadnezara.” Nanao tatitra momba ny fandresena an’i Amona koa i Josèphe. c Na ny Moabita na ny Amonita tamin’ny farany dia samy tsy nisy intsony, tamin’ny naha-vahoaka azy.

6. Nahoana àry ny Zefania no manana toerana ara-dalàna ao amin’ny kanônan’ny Baiboly?

6 Ireo Jiosy dia nanome mandrakariva ho an’ny Zefania ny toerany ara-dalàna ao amin’ny kanônan’ireo Soratra ara-tsindrimandry. Ireo fanambarana notononiny tamin’ny anaran’i Jehovah dia tanteraka tamin’ny fomba niavaka, ho fanamarinana an’i Jehovah.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY ZEFANIA

7. Hidika ho inona ho an’ny fahavalon’i Jehovah ilay andro lehibeny?

7 Antomotra ny andron’i Jehovah (1:1-18). Misokatra amin’ny hevitra milaza fiafarana ratsy ilay boky. “Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany, hoy Jehovah”. (1:2). Tsy hisy ho afa-mandositra, na olona na biby. Ireo mpivavaka tamin’i Bala, ireo mpisoron’ny andriamani-tsi-izy, ireo mpivavaka tamin’ny lanitra tany an-tampon-trano, ireo izay nampifangaro ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny an’i Malkama, ireo izay nihemotra niala tamin’i Jehovah, ary ireo izay tsy liana ny hitady azy — tsy maintsy ho levona izy rehetra ireo. Nandidy toy izao ilay mpaminany: “Mangìna eo anatrehan’i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah”. (1:7). I Jehovah mihitsy no nanomana fanatitra. Ireo lehibe, ireo mahery setra (NW ), ireo mpamitaka ary ireo nanana fo tsy niraika — tsy maintsy karohina izy rehetra ireo. Hatao ho tsinontsinona ny hareny sy ny fananany. Efa akaiky ny andro lehiben’i Jehovah! Izy io dia “andro fahatezerana (...), andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito”. Haidina toy ny vovoka ny ran’ireo izay nanota tamin’i Jehovah. “Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. Handevona ny tany rehetra ny afon’ny fahasaro-piarony. — 1:15, 18.

8. a) Ahoana no mety hahazoana fiarovana? b) Loza inona avy no ambara amin’ireo firenena?

8 Mitadiava an’i Jehovah; horinganina ireo firenena (2:1-15). Dieny mbola tsy mihelina toy ny akofa izany andro izany, dia aoka ny mpandefitra ‘hitady an’i Jehovah, hitady ny fahamarinana, hitady ny fandeferana’, ary angamba ho “voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. (2:3). Nitohy ny fanambaran’i Jehovah, nilaza loza ho an’ny tanin’ny Filistina, izay nanjary “tanin’ny sisa amin’ny taranak’i Joda” tatỳ aoriana. I Moaba sy i Amona niavonavona dia ho lao tahaka an’i Sodoma sy i Gomora “satria nandatsa ny olon’i Jehovah, Tompon’ny maro, sy nirehareha taminy” izy. Ho levona miaraka aminy ireo andriamaniny. (2:7, 10). Ho voatrabaky ny ‘sabatr’i’ Jehovah koa ireo Etiopiana. Ahoana ny amin’i Asyria, niaraka tamin’i Ninive renivohiny, tany avaratra? Hanjary ho tany efitra ngazana sy fonenan’ny biby dia, eny, ho “tonga lao”, izy io, hany ka “izay rehetra mandalo azy dia [hisioka, NW ]” amim-pahagagana. — 2:12, 15.

9. a) Nahoana no hisy loza ho an’i Jerosalema, ary inona no nokasain’i Jehovah hatao tamin’ireo firenena? b) Hevitra falifaly inona no ifaranan’ilay faminaniana?

9 Hampamoahina i Jerosalema mpiodina; hotahina ny sisa nanetry tena (3:1-20). Loza koa ho an’i Jerosalema, ilay tanàna mpiodina sy mpampahory! Ireo lehibeny, ireo “liona mierona”, sy ireo mpaminaniny, ireo “mpamitaka”, dia tsy nitoky tamin’ny Andriamaniny, dia i Jehovah. Hampamoaka (NW ) azy ireo tanteraka izy. Hatahotra an’i Jehovah ve ny mponina ao aminy, ka hanaiky ny fifehezany? Tsia, satria “nifoha maraina koa izy ka nanao izay ratsy rehetra”. (3:3, 4, 7). Ny nokasain’i Jehovah hatao dia ny hamory ireo firenena sy hanidina amin’izy ireo ny firehetan’ny fahatezerany rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra. Kanefa, nisy fampanantenana nahatalanjona! ‘Hovan’i Jehovah ho madio ny [fitenin’ireo, NW ] firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina’. (3:9). Hesorina ireo nibitaka tamim-pireharehana, ary ny sisa nanetry tena, izay nanao ny marina, dia hialoka ao amin’ny anaran’i Jehovah. Hoby, horakoraka, fifaliana ary firavoravoana no nanjary re tampoka tao Ziona, satria tao aminy i Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely. Tsy fotoana hatahorana na hiraviraviana tanana tamin’izay, satria hamonjy sy hiravoravo ny aminy i Jehovah, noho ny fitiavany sy ny fifaliany. “Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianareo, raha hampodiko avy amin’ny fahababoana hianareo, ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy Jehovah.” — 3:20.

MAHASOA — NAHOANA?

10. Inona no soa noraisina avy tamin’ny faminanian’i Zefania tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka?

10 I Josia Mpanjaka dia ohatra iray izay nanaraka ny hafatra fampitandremana nampitain’i Zefania, ka nandray soa be dia be. Nanomboka ezaka lehibe ho amin’ny fanavaozana ara-pivavahana izy. Noho izany, dia nanjary hita koa ny bokin’ny Lalàna, izay very rehefa nihasimba ny tranon’i Jehovah. Nalahelo mafy i Josia nahare ireo ho vokatry ny tsy fankatoavana novakina taminy avy tao amin’io boky io, izay nanamarina tamin’ny vavan’ny vavolombelona hafa iray, izany hoe i Mosesy, izay nolazain’i Zefania tamin’ny faminaniana hatramin’izay. Nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra izao i Josia, ary ho vokany, dia nampanantena i Jehovah fa tsy ho avy amin’ny androny ilay fandringanana nambara mialoha. (Deot., toko 28-30; 2 Mpanj. 22:8-20). Notsimbinina tamin’ny loza ilay tany! Tsy naharitra ela anefa izany, satria ireo zanak’i Josia dia tsy nanaraka ny ohatra tsara navelany. Kanefa ho an’i Josia sy ho an’ny vahoakany, ny nitandreman’izy ireo “ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Zefania”, dia hita fa tena nahasoa azy ireo indrindra. — Zef. 1:1.

11. a) Ahoana no ifamatoran’ny Zefania amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra sy amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo, raha ny amin’ny fanomezana fananarana marim-pototra? b) Nahoana i Zefania no nilaza hoe “angamba ho voafina hianareo”?

11 Tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra malaza, i Kristy Jesosy, ilay mpaminanin’Andriamanitra lehibe indrindra, dia nanohana ny naha-mpaminanin’Andriamanitra marina an’i Zefania, tamin’ny filazana teny izay mitovy amin’ny fomba manaitra amin’ny torohevitr’i Zefania ao amin’ny toko faha-2, andininy faha-3, manao hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany (...) Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana”. Ny fananaran’i Jesosy dia hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany”. (Matio 6:33). Ireo izay mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha, dia tsy maintsy mitandrin-tena amin’ny tsy firaikana izay nampitandreman’i Zefania, rehefa niresaka izy momba ireo “izay nihemotra niala tamin’i Jehovah, sy izay tsy nitady an’i Jehovah na nanontany taminy”, ary koa ireo “izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy”. (Zef. 1:6, 12). Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, i Paoly dia milaza toy izany koa ny amin’ny andro fitsarana iray ho avy ary mampitandrina amin’ny fihemorana. Hoy ny teny anampiny: “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” (Heb. 10:30, 37-39). Tsy amin’ireo mora kivy ambony ihany, na ireo tsy mahay mankasitraka, fa amin’ireo mitady amim-pandeferana sy amim-pahatsorana ary amim-pinoana an’i Jehovah, no ilazan’ilay mpaminany hoe: “Angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” Nahoana no hoe “angamba”? Satria ny famonjena farany dia miankina amin’ny lalana arahin’ilay olona. (Matio 24:13). Izy io koa dia fampahatsiahivana fa tsy afaka ny hanampo foana ny famindram-pon’Andriamanitra isika. Tsy mamela hisalasala mihitsy ny faminanian’i Zefania raha ny amin’ny hahatongavan’izany andro izany tampoka amin’ireo tsy manahy. — Zef. 2:3; 1:14, 15; 3:8.

12. Fototra hananana herim-po inona no omen’i Zefania ho an’ireo izay ‘mitady an’i Jehovah’?

12 Indro àry hafatra iray milaza fandringanana ho an’ireo izay manota amin’i Jehovah, kanefa manome fahitana mialoha mamirapiratra ny amin’ny fitahiana ho azon’ireo izay ‘mitady an’i Jehovah’ amim-pibebahana. Azon’ireo mibebaka ireo atao ny mahazo herim-po, satria, hoy i Zefania, i “Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, no ao aminao”. Tsy fotoana hatahoran’i Ziona na hiraviraviany tanana izao. Fotoana hitokiana amin’i Jehovah kosa izao. “Mahery Izy ka hamonjy; hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy; ho sondriana amin’ny fitiavany Izy; hifaly anao amin’ny fihobiana Izy.” Sambatra koa izay ‘mikatsaka aloha ny fanjakany’, ho fiandrasana amim-panantenana ny fiarovana feno fitiavana sy fitahiana mandrakizay avy aminy! — 3:15-17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Cyclopedia, nataon’i McClintock sy i Strong, Fanontana vaovao tamin’ny 1981, Boky VII, pejy 112.

b Lucian, nadikan’i A. M. Harmon, 1968, Boky II, p. 443.

c Jewish Antiquities, X, 181, 182 (ix, 7).

[Fanontaniana]