Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-37 — Hagay

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-37 — Hagay

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-37 — Hagay

Mpanoratra: Hagay

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita Tamin’ny: 520 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 112 andro (520 al.f.i.)

1, 2. Fanazavana inona no omena momba an’i Hagay mpaminany, ary inona ilay hafatra roa sosona nampitainy?

 HAGAY no anarany; mpaminany sady “irak’i Jehovah” no toerana notanany, kanefa inona no fiaviany? (Hagay 1:13). Iza moa izy io? I Hagay no fahafolo amin’ireo antsoina hoe mpaminany madinika, ary izy no voalohany tamin’ireo mpaminany telo nanompo taorian’ny niverenan’ireo Jiosy tany amin’ny tany niaviany tamin’ny 537 al.f.i., ka ny roa hafa dia i Zakaria sy i Malakia. Ny anaran’i Hagay (Hebreo: Chag·gaiʹ ) dia midika hoe “[Teraka Tamin’ny] Andro Firavoravoana”. Izany dia mety hampiseho fa teraka tamin’ny andro fety iray izy.

2 Araka ny atoron’ny lovantsofina jiosy, dia araka ny fandrindran-kevitra ny hanatsoahana hevitra fa teraka tany Babylona i Hagay ary niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela sy i Josoa Mpisoronabe. Nanompo teo anilan’i Zakaria mpaminany i Hagay, ary ao amin’ny Ezra 5:1 sy Ezra 6:14, izy mirahalahy ireo dia aseho teo am-pampirisihana ireo zanaky ny sesitany mba handray indray ny fanorenana ny tempoly. Mpaminanin’i Jehovah tamin’ny lafiny roa izy, satria sady nampirisika ireo Jiosy mba hiantsoroka ny adidiny teo anatrehan’Andriamanitra izy, no nanambara mialoha, ankoatra ny zavatra hafa, ny fanozongozonana ny firenena rehetra. — Hagay 2:6, 7.

3. Inona no tsy takatr’ireo Jiosy raha ny amin’ny zava-kendren’ny niverenan’izy ireo avy tany an-tsesitany?

3 Nahoana i Jehovah no naniraka an’i Hagay? Noho izao antony izao: Tamin’ny 537 al.f.i., i Kyrosy dia namoaka ilay didy nanome lalana ireo Jiosy hiverina tany amin’ny tany niaviany mba hanorina indray ny tranon’i Jehovah. Kanefa efa 520 al.f.i. izao, ary dia mbola tsy vita ihany ilay tempoly. Nandritra izay taona rehetra izay ireo Jiosy dia namela ny fanoheran’ny fahavalo sy ny tsy firaikan’ny tenany manokana ary ny fitiavany fatratra zavatra ara-nofo hisakana azy tsy hanatanteraka ilay zava-kendren’ny fiverenany. — Ezra 1:1-4; 3:10-13; 4:1-24; Hagay 1:4.

4. Inona no nanakantsakana ny fanorenana ilay tempoly, kanefa fizotran-javatra inona avy no nitranga rehefa nanomboka naminany i Hagay?

4 Araka ny asehon’ilay firaketana an-tsoratra, raha vantany vao voapetraka ny fanorenan’ilay tempoly (tamin’ny 536 al.f.i.) dia “nanao izay hampiraviravy tànana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano [ny tompon-tany] sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny”. (Ezra 4:4, 5). Farany, tamin’ny 522 al.f.i., dia nahomby ireo mpanohitra tsy jiosy tamin’ny fanisiana fandrarana ofisialy tamin’ilay asa. Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy Hystape, mpanjaka persiana, izany hoe tamin’ny 520 al.f.i., i Hagay no nanomboka naminany, ary izany dia nampirisika ireo Jiosy hanohy indray ny fanorenana ny tempoliny. Tamin’izay, dia nisy taratasy nalefan’ireo governoran’ireo tany teo akaiky ho an’i Dariosy, nanontany ny amin’izay fanapahan-kevitra ofisialy momba io raharaha io; namelona indray ilay didin’i Kyrosy i Dariosy ary nanohana ny Jiosy mba hanohitra ny fahavalon’izy ireo.

5. Inona no manaporofo fa anisan’ny kanônan’ny Baiboly ny bokin’i Hagay?

5 Tsy nisy fisalasalana na oviana na oviana teo amin’ireo Jiosy fa hoe anisan’ny kanôna hebreo ny faminanian’i Hagay. Izany koa dia tohanan’ilay firesahana momba azy ao amin’ny Ezra 5:1, izay milaza fa naminany “tamin’ny anaran’Andriamanitry ny Isiraely” izy, ary koa ao amin’ny Ezra 6:14. Ny maha-anisan’ny ‘Soratra rehetra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra’ ny faminaniany dia noporofoin’ny fanononan’i Paoly azy io ao amin’ny Hebreo 12:26 toy izao: “Ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: ‘Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa’.” — Hagay 2:6.

6. Inona no mahaforona ny faminanian’i Hagay, ary manao ahoana ny fanantitranterana ny anaran’i Jehovah?

6 Ny faminanian’i Hagay dia voaforon’ny hafatra efatra nomena tao anatin’ny 112 andro. Tsotra sady mivantana ny fomba fanorany, ary mendrika ny homarihina indrindra ny fanantitranterany ny anaran’i Jehovah. Ao amin’ireo andininy 38 nosoratany, izy dia manonona ny anaran’i Jehovah in-35, ka ny in-14 amin’izany ao amin’ilay fitenenana hoe “Jehovah, Tompon’ny maro”. Tsy mamela fisalasalana mihitsy izy fa hoe avy tamin’i Jehovah ny hafatra nampitainy: “Nambaran’i Hagay, irak’i Jehovah, ny teny nampitondrain’i Jehovah ho amin’ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.” — 1:13.

7. Inona no nampirisihan’i Hagay mba hataon’ireo Jiosy, ary inona no hevitra fototry ny hafatra nampitainy?

7 Fotoana tena lehibe tamin’izay teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra, ary hita ho nahasoa indrindra ny asan’i Hagay. Tsy saro-kenatra velively izy tamin’ny fanatontosana ny asany tamin’ny naha-mpaminany azy, ary tsy nitsitsy teny mihitsy izy tamin’ireo Jiosy. Tsy niolakolaka izy nilaza fa tsy fotoana hangatahana andro intsony tamin’izay, fa hanaovana asa. Fotoana hanorenana indray ny tranon’i Jehovah sy hamerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio tamin’izay, raha tian’izy ireo ny hahazo fanambinana avy tamin’i Jehovah. Ny hevitra fototry ny hafatr’i Hagay dia hoe: raha tian’ny olona iray ny hahazo fitahiana avy amin’i Jehovah, dia tsy maintsy manompo ilay Andriamanitra marina izy ary hanao ny asa asain’i Jehovah hatao.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY HAGAY

8. Nahoana ireo Jiosy no tsy notahin’i Jehovah ara-nofo?

8 Ny hafatra voalohany (1:1-15). Izy io dia navantany tamin’i Zerobabela Governora sy i Josoa Mpisoronabe, kanefa ren’ilay vahoaka koa. Nilaza ilay vahoaka hoe: “Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’i Jehovah.” Tamin’ny alalan’i Hagay, i Jehovah dia nilaza izao fanontaniana nampieritreritra izao: “Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?” (1:2, 4). Namafy be dia be tamin’ny lafiny ara-nofo izy ireo, kanefa tsy nandray soa firy akory izy ireo teo amin’ny hanina sy ny fisotro ary ny fitafiana. “Hevero ny làlanareo”, hoy ny fananaran’i Jehovah. (1:7). Tena fotoana hakana hazo sy hanaovana ny trano izao, mba hankalazana an’i Jehovah. Nikarakara tsara ny tranony avy ireo Jiosy, kanefa ny tranon’i Jehovah rava. Noho izany, dia tsy nanome ny andon’ny lanitra sy ny fitomboan’ny haben’ny saha ary ny fitahiany ho an’ny olona sy ny fisasarany i Jehovah.

9. Ahoana no nanairan’i Jehovah ireo Jiosy mba hanomboka hanao ilay asa?

9 Azon’izy ireo amin’izay ilay tiany holazaina! Tsy very maina foana ny naminanian’i Hagay. Nanomboka “nihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny” ny mpanapaka sy ny vahoaka. Naka ny toeran’ny tahotra olona ny tahotra an’i Jehovah. Izao no toky nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay, ilay irany: “Izaho no momba anareo”. (1:12, 13). I Jehovah mihitsy no nanaitra ny fanahin’ilay governora sy ny fanahin’ilay mpisoronabe ary ny fanahin’ny sisa rehetra tamin’ny vahoakany. Nanomboka nanao ilay asa izy ireo, 23 andro monja taorian’ny nanombohan’i Hagay ny faminaniany ary na dia teo aza ny fandrarana ofisialin’ny fitondram-panjakana persiana.

10. Inona no tsapan’ny Jiosy sasany momba ilay tempoly naorin’izy ireo, kanefa inona no nampanantenain’i Jehovah?

10 Ny hafatra faharoa (2:1-9). Iray volana latsaka no lasa taorian’ny namelomana indray ilay asa fanorenana, ary nanome ny hafany ara-tsindrimandry faharoa i Hagay. Izy io dia navantany tamin’i Zerobabela sy i Josoa ary ny sisa tamin’ny vahoaka. Miharihary fa ny sasany tamin’ireo Jiosy izay niverina avy tany an-tsesitany ka nahita ilay tempolin’i Solomona taloha, dia nahatsapa fa ho tsinontsinona itỳ tempoly itỳ, raha nampitahaina taminy. Kanefa inona moa no tenin’i Jehovah, Tompon’ny maro? ‘Mahereza ka miasà, fa Izaho momba anareo.’ (2:4). Nampahatsiahivin’i Jehovah azy ilay fanekena nifanaovany taminy, ary nilazany izy ireo mba tsy hatahotra. Nanatanjaka azy ireo izy tamin’ny fampanantenana fa hampihorohoroiny ny firenena rehetra, mba hiavian’izay irin’ny firenena rehetra ary koa fa hofenoiny voninahitra ny tranony. Ny voninahitr’itỳ trano farany itỳ dia vao mainka ho lehibe noho ny an’ilay teo aloha, ary ho eo amin’io fitoerana io no hanomezany fiadanana.

11. a) Fanoharana inona no nampiseho ny fanaovan’ireo mpisorona tsirambina? b) Inona no vokatr’izany?

11 Ny hafatra fahatelo (2:10-19). Roa volana sy telo andro tatỳ aoriana, dia niresaka tamin’ireo mpisorona i Hagay. Nampiasa fanoharana iray izy mba hanaovana izay tiany holazaina ho latsa-paka. Moa ve ny fitondran’ny mpisorona iray hena masina hahatonga ho masina ny hanina hafa kasihiny? Tsia no valiny. Moa ve ny fikasihan’ny olona iray zavatra maloto iray, toy ny faty, mahatonga azy ho maloto? Eny no valiny. Avy eo dia nampiharin’i Hagay ilay fanoharana. Naloto ny olona teo amin’ilay tany noho izy ireo nanao tsirambina ny fanompoam-pivavahana madio. Na inona na inona natolotr’izy ireo dia toa naloto tamin’i Jehovah Andriamanitra. Noho izany, dia tsy nitahy ny asany i Jehovah, ary ambonin’izany, dia nandefa rivotra nahamay sy vary maty fotsy ary havandra, taminy izy. Aoka izy hanova ny lalany. Amin’izay i Jehovah vao hitahy azy.

12. Hafatra farany inona no navantan’i Hagay tamin’i Zerobabela?

12 Ny hafatra fahefatra (2:20-23). Nampita itỳ hafatra itỳ tamin’ny andro nanomezany ilay hafatra fahatelo ihany i Hagay, kanefa navantany tamin’i Zerobabela izy io. Teto indray koa i Jehovah dia niresaka momba ny ‘fampihorohoroana ny lanitra sy ny tany’, kanefa tamin’itỳ indray mandeha itỳ izy dia nanitatra io loha hevitra io hatramin’ny fanafoanana tanteraka ny fanjakan’ireo firenena. Maro no ho lavo ‘amin’ny sabatry ny namany avy’. (2:21, 22). Nofaranan’i Hagay tamin’ny alalan’ny toky ny amin’ny fankasitrahan’i Jehovah an’i Zerobabela, ny faminaniany.

MAHASOA — NAHOANA?

13. Soa avy hatrany inona no nolazain’i Hagay tamin’ny faminaniana?

13 Ireo hafatra efatra nampitain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay dia nahasoa an’ireo Jiosy tamin’izany andro izany. Nampirisihina mba hiverina hiasa avy hatrany izy ireo, ary tao anatin’ny efa-taona sy tapany, dia vita ilay tempoly mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina teo amin’ny Isiraely. (Ezra 6:14, 15). Nitahy io asa natao tamin-jotom-po io i Jehovah. Nandritra io fotoana nanorenana ilay tempoly io no nandinihan’i Dariosy, mpanjakan’i Persia, ireo firaketana an-tsoratry ny fanjakana, ka nanamafisany indray ilay didin’i Kyrosy. Vita araka izany, ilay asa teo amin’ny tempoly nahazo ny fanohanana ofisialy avy taminy. — Ezra 6:1-13.

14. Torohevitra feno fahendrena inona no omen’ny Hagay ho an’izao androntsika izao?

14 Mirakitra torohevitra feno fahendrena ho an’izao androntsika izao koa ilay faminaniana. Ahoana izany? Voalohany aloha, izy io dia manamafy ny ilan’ny zavaboary hametraka ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra alohan’ny tombontsoan’ny tenany manokana. (Hagay 1:2-8; Matio 6:33). Ataony latsa-paka koa ilay hevitra fa tsy ahombiazana ny fitiavan-tena, fa zava-poana ny fikatsahana fatratra zavatra ara-nofo; ny fiadanan’i Jehovah sy ny fitahiany no mampanankarena. (Hagay 1:9-11; 2:9; Ohab. 10:22). Manamafy koa izy io fa ny fanompoana an’Andriamanitra fotsiny dia tsy mahatonga ny olona iray ho madio, raha tsy hoe madio sy atao amin’ny fanahy rehetra angaha izany. Hamafisiny koa fa tsy tokony ho voaloton’ny fitondran-tena maloto ny fanompoana an’Andriamanitra. (Hagay 2:10-14; Kol. 3:23; Rom. 6:19). Asehony fa tsy tokony hanampo ny zavatra ho ratsy ny mpanompon’Andriamanitra, ka hitodika any amin’ny “andro fahiny”. Tsy maintsy mibanjina ny eo anoloana kosa izy, ka ‘hihevitra ny lalany’ ary hitady ny hanome voninahitra an’i Jehovah. Amin’izay dia homba azy i Jehovah. — Hagay 2:3, 4; 1:7, 8, 13; Fil. 3:13, 14; Rom. 8:31.

15. Inona no asehon’ny bokin’i Hagay raha ny amin’ny vokatry ny fankatoavana amin-jotom-po?

15 Raha vao nanomboka nanao ilay asa teo amin’ny tempoly ireo Jiosy, dia nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah, ary dia nahita fanambinana. Nanjavona ireo vato nisakana. Vita ara-potoana tsara ilay asa. Hovalian-tsoa foana ny asa atao ho an’i Jehovah tsy amin-tahotra sy amin-jotom-po. Azo resena amin’ny fanehoana finoana feno herim-po ireo zava-tsarotra, tena izy na an’eritreritra fotsiny. Misy vokany ny fankatoavana “ny tenin’i Jehovah”. — Hagay 1:1.

16. Inona no ifandraisan’ny faminanian’i Hagay amin’ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana, ary tokony handrisika antsika ho amin’ny fanompoana inona izany amin’izao andro izao?

16 Ahoana ny amin’ilay faminaniana fa hoe ‘hampihorohoro ny lanitra sy ny tany’ i Jehovah? Nanome ny fampiharana ny Hagay 2:6 tamin’ireto teny ireto ny apostoly Paoly: “Fa ankehitriny [Andriamanitra] efa nanao teny fikasana hoe: ‘Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa’. Ny hoe ‘indray maka koa’ dia midika fa hesorina ireo zavatra ampihorohoroina, amin’ny maha-zavatra natao azy ireny, mba hahafahan’ireo zavatra tsy ampihorohoroina, haharitra. Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana; fa Andriamanitsika dia afo mandevona.” (Heb. 12:26-29). Asehon’i Hagay fa ilay fampihorohoroana dia mba ‘hampihohofana ny seza fiandrianan’ny fanjakana, ary hanafoanana ny herin’ny fanjakan’ny firenena’. (Hagay 2:21, 22). Rehefa nanonona ilay faminaniana i Paoly, dia niresaka momba ny zavatra nifanohitra tamin’izany, dia ny Fanjakan’Andriamanitra izay “tsy azo ampihorohoroina”. Eo am-panolokoloantsika io fanantenana ny amin’ilay Fanjakana io àry, dia aoka isika ‘hahery sy hiasa’, amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana masina ho an’Andriamanitra. Aoka koa isika hahatsiaro fa, alohan’ny handrodanan’i Jehovah ireo firenena amin’ny tany, dia misy zavatra sarobidy tsy maintsy hetsiketsehina ka havoaka avy ao amin’izy ireo, mba ho tafita velona, araka ny teny hoe: “Hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” — 2:4, 7.

[Fanontaniana]