Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-38 — Zakaria

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-38 — Zakaria

Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-38 — Zakaria

Mpanoratra: Zakaria

Toerana Nanoratana: Jerosalema

Vita Tamin’ny: 518 al.f.i.

Fe-potoana Voafaoka: 520 al.f.i. – 518 al.f.i.

1. Nanao ahoana ny tarehin-javatra raha ny amin’ilay tempoly tao Jerosalema, fony i Zakaria nanomboka naminany?

 TSY nisy fandrosoana! Toy izany no nahitana ny asa fanorenana teo amin’ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema, fony i Zakaria nanomboka naminany. Raha nahavita ilay tempoly voalohany tao anatin’ny 7 taona sy tapany, (1 Mpanj. 6:37, 38), i Solomona, ireo Jiosy tafody tany amin’ny tanindrazany kosa dia tafaverina tany Jerosalema efa hatramin’ny 17 taona, kanefa mbola tsy vita ihany ilay fanorenana. Nitsahatra tanteraka ny asa tamin’ny farany taorian’ny fandrarana napetrak’i Artaksersesy (i Bardiya na i Gaumâta). Izao anefa, na dia teo aza io fandrarana ofisialy io, dia natomboka indray ilay asa. Nampiasa an’i Hagay sy i Zakaria i Jehovah mba handrisihana ilay vahoaka hanao indray ilay fanorenana ka tsy hiala teo mandra-pahavitany. — Ezra 4:23, 24; 5:1, 2.

2. Nahoana ilay asa no toa toy ny tendrombohitra, kanefa ho amin’inona no nisarihan’i Zakaria ny sain’izy ireo?

2 Toa toy ny tendrombohitra ilay asa teo anoloan’izy ireo. (Zak. 4:6, 7). Vitsy izy ireo, kanefa ny fahavalo maro, ary na dia nanana an’i Zerobabela, andriana iray avy tamin’ny firazanan’i Davida, aza izy ireo, dia tsy nanana mpanjaka fa teo ambanin’ny fanapahana vahiny kosa. Mora toy inona moa ny hahatafalentika tao anatin’ny fihetsika nalemy, tsy nihevitra afa-tsy ny tena, kanefa ny fotoana tena nitaky ny hananana finoana matanjaka sy hanaovan-javatra amim-paharisihana! Nampiasaina i Zakaria mba hisarika ny sain’izy ireo ho amin’ny fikasan’Andriamanitra tamin’izay sy ho amin’ireo fikasany ho avy mbola lehibe kokoa aza, ka noho izany dia mba hanatanjaka azy ireo ho amin’ilay asa tokony hatao. (8:9, 13). Tsy fotoana hanahafana ireo razambeny tsy nahay nankasitraka tamin’izay. — 1:5, 6.

3. a) Ahoana no ahafantarana hoe iza moa i Zakaria, ary nahoana no mifanentana tsara ny anarany? b) Oviana no nolazaina sy noraketina an-tsoratra ny faminanian’i Zakaria?

3 Iza moa i Zakaria? Misy olona 30 samy hafa eo ho eo tononina ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarana hoe Zakaria. Kanefa, ny mpanoratra ilay boky mitondra io anarana io dia ampahafantarina ho ilay “Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido”. (Zak. 1:1; Ezra 5:1; Neh. 12:12, 16). Ny anarany (Hebreo: Zekhar·yahʹ ) dia midika hoe “Nahatadidy i Jehovah”. Ataon’ny bokin’i Zakaria mazava tsara fa nahatadidy ny vahoakany i “Jehovah, Tompon’ny maro” mba hifampiraharahana aminy amin’ny fomba tsara, noho ny anaran’ny tenany. (Zak. 1:3). Ireo daty tononina ao amin’ilay boky dia manome roa taona fara fahakeliny ho an’ny fe-potoana voafaoka ao aminy. Tamin’ny “volana fahavalo tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa” (Oktobra/Novambra 520 al.f.i.) no nanohizana indray ny fanorenana ilay tempoly sy nanombohan’i Zakaria naminany. (1:1). Ilay boky koa dia manisy firesahana momba “ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy (Kisleva izany)”, tamin’ny “taona fahefatra nanjakan’i Dariosa” (1 Desambra 518 al.f.i. tany ho any). (7:1). Noho izany, ny faminanian’i Zakaria dia tsy isalasalana fa nolazaina ary noraketina an-tsoratra nandritra ireo taona 520 al.f.i. ka hatramin’ny 518 al.f.i. — Ezra 4:24.

4, 5. a) Nahoana i Zakaria no nilaza mialoha ny amin’ny hianjeran’i Tyro ela be taorian’ny nanaovan’i Nebokadnezara fahirano an’io tanàna io? b) Ny fahatanterahan’ny faminaniana manokana inona avy no manaporofo amin’ny fomba mampiaiky ny maha-ara-tsindrimandry ilay boky?

4 Ireo mpianatra ny bokin’i Zakaria dia hahita porofo ampy tsara ny amin’ny maha-azo itokiana azy io. Raiso ny ohatr’i Tyro. Taorian’ny fahirano naharitra 13 taona no nandravan’i Nebokadnezara, mpanjaka babyloniana, an’i Tyro. Izany anefa tsy nidika fa nifarana tanteraka tamin’izay i Tyro. I Zakaria, taona maro tatỳ aoriana, dia nanambara mialoha ny handringanana tanteraka an’i Tyro. Ny tanànan’i Tyro anosy no noravan’i Aleksandra Lehibe tamin’ny fotoan’ilay fefiloha, dia ilay zava-bitany malaza; nandevona azy tamin’ny fomba tsy nifaditra ovana izy, ka nahatanteraka araka izany ny faminanian’i Zakaria roanjato taona teo ho eo talohan’izay. aZak. 9:2-4.

5 Ny porofo mampiaiky indrindra ny amin’ny maha-ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ilay boky anefa dia hita amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniany mikasika ny Mesia, dia i Kristy Jesosy. Hita izany rehefa ampitahaina amin’ny Matio 21:4, 5 sy Jaona 12:14-16 ny Zakaria 9:9; amin’ny Jaona 19:34-37 ny Zakaria 12:10; ary amin’ny Matio 26:31 sy Marka 14:27 ny Zakaria 13:7. Afa-tsy izany koa, dia voamarika fa misy fitoviana eo amin’ny Zakaria 8:16 sy ny Efesiana 4:25; eo amin’ny Zakaria 3:2 sy ny Joda 9; ary eo amin’ny Zakaria 14:5 sy ny Joda 14. Tena mahatalanjona marina ny firindrana tsara hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra!

6. a) Inona no antony iovan’ny fomba fanoratra manomboka eo amin’ny toko faha-9 ao amin’ny Zakaria? b) Inona no mety ho antony niresahan’i Matio momba an’i Zakaria ho “Jeremia”?

6 Misy mpanao tsikera ny Baiboly milaza fa ilay fiovan’ny fomba fanoratra manomboka eo amin’ny toko faha-​9 dia mampiseho fa tsy nety ho nosoratan’i Zakaria io fizarana io. Ilay fiovan’ny fomba fanoratra anefa dia hamarinin’ny fiovan’ny foto-kevitra. Raha mahakasika raharaha izay zava-dehibe tamin’ireo olona tamin’ny andron’i Zakaria ireo toko valo voalohany, ao amin’ny toko faha-​9 ka hatramin’ny faha-​14 kosa, ilay mpaminany dia mijery amim-panantenana ny any amin’ny hoavy lavitra kokoa. Nisy nanontany hoe nahoana i Matio no naka teny avy tao amin’ny Zakaria kanefa nilaza fa tenin’i Jeremia ilay izy. (Matio 27:9; Zak. 11:12). Indraindray dia toa noheverina fa i Jeremia no voalohany tamin’ireo Mpaminany Tatỳ Aoriana (fa tsy i Isaia, araka ny hita ao amin’ireo Baibolintsika amin’izao andro izao); noho izany, rehefa niresaka momba an’i Zakaria ho “Jeremia” i Matio, dia nety ho nanaraka ilay fahazarana jiosy nanondro ny fizarana manontolo iray ao amin’ny Soratra Masina tamin’ny anaran’ilay boky voalohany tamin’izany fizarana izany. Ny tenan’i Jesosy aza dia nampiasa ilay anarana hoe “Salamo” mba hanondroana ireo boky rehetra fantatra amin’ny hoe ireo Asa Soratra. — Lioka 24:44. b

7. Ahoana no nandaminana ny bokin’i Zakaria?

7 Hatreo amin’ny toko faha-6, andininy faha-8, ilay boky dia voaforona fitohitohizana fahitana valo, mitovy amin’ny an’i Daniela sy i Ezekiela, ary mifandray amin’ny ankapobeny amin’ny fanorenana indray ny tempoly. Izy ireo dia arahin’ny fanambarana (NW ) sy faminaniana momba ny fanompoam-pivavahana amim-pahatsoram-po sy ny famerenana amin’ny laoniny ary ny andron’ny adin’i Jehovah.

LOHA HEVITRA RAKETIN’NY ZAKARIA

8. Inona no asehon’ilay fahitana ny amin’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra mikasika an’i Jerosalema sy ireo firenena?

8 Fahitana voalohany: Ireo mpitaingin-tsoavaly efatra (1:1-17). “Miverena amiko hianareo, (...) dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho”, hoy i Jehovah, ary avy eo izy dia nanontany hoe: “Ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany?” (1:3, 6). Niaiky ilay vahoaka fa nahazo izay mendrika ho azy izy ireo. Miseho izao ilay fahitan’i Zakaria voalohany. Tamin’ny alina, dia nisy mpitaingin-tsoavaly efatra nijanona teny amin’ny hazo teo akaikin’i Jerosalema, rehefa tafaverina avy tamin’ny fizahana ny tany rehetra, izay hitany fa tsy nisy nanelingelina (NW ) no sady niadana. Ny anjelin’i Jehovah, izay nanadinadina azy ireo, anefa dia voahelingelina noho ny toe-piainana tao Jerosalema. I Jehovah mihitsy dia nanambara fa tezitra indrindra tamin’ireo firenena izay nampitombo ny fahorian’i Ziona, ny tenany. Ary nilaza izy fa ho “tafaverina eto Jerosalema amin’ny indrafo” izy. Haorina ao aminy ny tranony, ary “hihoa-pampana ny fanambinana” an’ireo tanànany. — 1:16, 17.

9. Ahoana no anazavan’i Jehovah ilay fahitana ny amin’ireo tandroka sy ireo mpiasa?

9 Fahitana faharoa: Ireo tandroka sy mpiasa (2:1-4). Nahita ireo tandroka efatra izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary i Jerosalema, i Zakaria. Avy eo i Jehovah dia nampiseho taminy mpiasa efatra, tamin’ny fanazavana fa ho avy ireo mba hampiongana ny tandroky ny firenena izay nanohitra ny Joda.

10. Ahoana no nifandraisan’i Jehovah tamin’ny fanambinana an’i Jerosalema?

10 Fahitana fahatelo: fanambinana an’i Jerosalema (2:1-13). Nisy lehilahy iray hita nandrefy an’i Jerosalema. Hotahina amin’ny alalan’ny fitarana ilay tanàna, ary i Jehovah dia ho manda afo manodidina azy sy ho voninahitra ao afovoany. Niantso izy hoe: “He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona”, ary nanampy ilay fampitandremana hoe: “Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamaso[ko].” (2:11, 12, ampitahao amin’ny 2:7, 8, NW ). Honina ao aminy i Jehovah, ka hifaly i Ziona, ary firenena maro no hanaiky an’i Jehovah. Nomena didy ny nofo rehetra mba hangina eo anatrehan’i Jehovah, “fa nifoha avy ao amin’ny fitoerany masina Izy”. — 2:13.

11. Ahoana no nanamarinana an’i Josoa Mpisoronabe, ary lalana inona no nampirisihana azy harahiny?

11 Fahitana fahefatra: Ny fanafahana an’i Josoa (3:1-10). Aseho ho tao anatin’ny fitsapana i Josoa Mpisoronabe, ka i Satana no nanohitra azy ary ny anjelin’i Jehovah no nananatra an’i Satana. Moa ve i Josoa “tsy forohana nosarihana tamin’ny afo”? (3:2). Nambara fa voadio i Josoa, ary nosoloana “akanjo fihaingoana” madio ny fitafiany naloto. Nampirisihina izy mba handeha teo amin’ny lalan’i Jehovah, izay ‘nitondra an’i Rantsana mpanompony’ ary nametraka teo anoloan’i Josoa vato iray nisy maso fito. — 3:4, 8.

12. Fampaherezana sy toky inona no nomena mikasika ny fanorenana ilay tempoly?

12 Fahitana fahadimy: Ilay fanaovan-jiro sy ireo hazo oliva (4:1-14). Nofohazin’ilay anjely i Zakaria mba hahita fanaovan-jiro volamena iray nisy lela fanaovan-jiro fito sy hazo oliva roa teo amin’ny ilany roa. Nahare izao tenin’i Jehovah tamin’i Zerobabela izao izy: ‘Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny fanahin’Andriamanitra.’ Hisy “tendrombohitra lehibe” iray hatao tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela, ary ilay vato hatao tendron’ny tempoly dia hoentina mivoaka amin’ilay hiaka hoe: “Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!” I Zerobabela no nanao ny fanorenan’ilay tempoly, ary i Zerobabela ihany no hamita ilay asa. Ireo lela fanaovan-jiro fito dia ny mason’i Jehovah izay “mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra”. (4:6, 7, 10). Ireo hazo oliva roa kosa dia ireo voahosotr’i Jehovah roa (NW ).

13-15. Inona no hita tamin’ireo fahitana ny amin’ilay horonan-taratasy nanidina sy ilay vata famarana ary ireo kalesy efatra?

13 Fahitana fahenina: Ilay horonan-taratasy nanidina (5:1-4). Nahita horonan-taratasy nanidina iray, izay nanana halava teo amin’ny 9 metatra teo ho eo sy velarana 4,5 metatra, i Zakaria. Nohazavain’ilay anjely fa izany no ozona mivoaka, noho ireo rehetra nangalatra sy nianian-tsy to tamin’ny anaran’i Jehovah.

14 Fahitana fahafito: Ilay vata famarana (5:5-11). Ningaina avy teo amin’ny vata famarana iray (22 litatra eo ho eo) ny sarony (NW ), ka nampiharihary vehivavy iray nantsoina hoe “Faharatsiana”. Naverina (NW ) natonta tao anatin’ilay vata famarana izy, ka io indray no ningain’ny vehivavy roa nanana elatra nankeny amin’ny lanitra, mba hoentina tany Sinara (Babylona) ary mba “hapetraka ao amin’ny fipetrahany”. — 5:8, 11.

15 Fahitana fahavalo: Ireo kalesy efatra (6:1-8). Indreo, avy teo anelanelan’ny tendrombohitra varahina roa, dia nisy kalesy efatra niseho, niaraka tamin’ny soavaly samy hafa loko. Izy ireo dia ireo rivotra efatry ny lanitra. Araka ny didin’ilay anjely, dia nandehandeha teny an-dalambe teto an-tany izy ireo.

16. Inona no voalazan’ny faminaniana mikasika ilay “Rantsana”?

16 Ilay Rantsana; fifadian-kanina tsy amim-pahatsoram-po (6:9–7:14). Nanome toromarika an’i Zakaria mba hametraka satroboninahitra iray teo an-dohan’i Josoa Mpisoronabe izao i Jehovah. Niteny ara-paminaniana momba ilay “Rantsana”, izay hanorina ny tempolin’i Jehovah ary hanapaka amin’ny maha-mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany, izy. — 6:12.

17. Raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana, inona moa no irin’i Jehovah, ary inona no ho vokatra ho azon’ireo izay manohitra ny teniny?

17 Roa taona taorian’ny nanombohan’i Zakaria naminany, dia nisy antokona solontena tonga avy tany Betela mba hanontany an’ireo mpisoron’ny tempoly raha tokony hitohy ny fitandremana fe-potoana sasany hitomaniana sy hifadiana hanina. Tamin’ny alalan’i Zakaria, i Jehovah dia nanontany ny vahoaka sy ireo mpisorona raha tena tamim-pahatsoram-po tokoa no nifadian’izy ireo hanina. Ny irin’i Jehovah dia ‘[fankatoavana, NW ], fitsarana marina, fiantrana ary famindram-po’. (7:7, 9). Noho izy ireo nanohitra ny teniny ara-paminaniana tamin’ny fampisehoana soroka feno kiry (NW ) sy fo mafy toy ny diamondra, dia haeliny amin’ny tafio-drivotra ho any amin’ny firenena rehetra izy ireo.

18. Fampanantenana be voninahitra inona avy ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny no nomen’i Jehovah?

18 Famerenana amin’ny laoniny; “folo lahy” (8:1-23). Nanambara i Jehovah fa ho tafaverina any Ziona ny tenany ary honina ao Jerosalema, izay hantsoina hoe “Tanànan’ny fahamarinana”. Olona antitra no hipetraka eny an-dalambeny, ary ankizy madinika no hilalao any. Tsy sarotra (NW ) loatra ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina sy mahitsy, izany! Nampanantena ny vokatry ny fiadanana tamin’ny sisa tamin’ny olony i Jehovah ka nanao hoe: “Aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tànanareo.” (8:3, 13). Ireto zavatra ireto no tokony (NW ) hataony: Samy miteny ny marina amin’ny namany avy ary mitsara marina, amin’ny fihazonana ny fony tsy hisy fieritreretana hanisy ratsy na fianianan-tsy to. Ho avy ny fotoana hisian’ny olona avy amin’ny tanàna maro izay hifanasa mba handeha tokoa hitady an’i Jehovah, ary koa “folo lahy” avy amin’ny samy hafa fiteny rehetra izay “hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray” ka hiaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra. — 8:23.

19. Fanambarana henjana inona avy no nanaraka izany, kanefa inona no nolazaina mikasika ny mpanjakan’i Jerosalema?

19 Fanambarana hamelezana ireo firenena, mpiandry sandoka (9:1–11:17). Ao amin’ny fizarana faharoa amin’ilay boky, izany hoe ny toko faha-9 ka hatramin’ny faha-14, dia miala amin’ireo fahitana feno fanoharana i Zakaria ho amin’ny fomba fanoratra ara-paminaniana mahazatra kokoa. Izany dia atombony amin’ny fanambarana henjana iray hamelezana tanàna samihafa, ka anisan’izany ilay tanàna anosy feno vatolampin’i Tyro. Nilazana i Jerosalema mba hihiaka amim-pandresena feno fifaliana satria “Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky”. (9:9). Hanafoana ny kalesy sy ny tsipìka fiadiana izy io ka hiteny fiadanana amin’ny jentilisa ary hanapaka hatramin’ny faran’ny tany. Hiady amin’i Grisia ho an’ny olony i Jehovah, ary hamonjy azy ireo. “Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny!” (9:17). Nanameloka ireo mpanao fankatovana sy ireo mpiandry sandoka i Jehovah, ilay Mpanome Ranonorana. Hampahery ny taranak’i Joda izy ary hanao an’i Efraima ho toy ny lehilahy mahery. Raha ny amin’ireo voavotra kosa, dia “hifaly amin’i Jehovah ny fony (...) ka ny anarany no handehanany”. — 10:7, 12.

20. Famantarana inona avy no naseho tamin’ny alalan’ny fihetsehana nampiasana ireo tehina “Fahasoavana” sy “Fikambanana”?

20 I Zakaria izao dia notendrena mba hiandry ny ondry, izay namidin’ny mpiandry tsy niantra mba hovonoina, ary nanaovany hoe: “Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho”. (11:5). Naka tehina roa ilay mpaminany ka nataony hoe “Fahasoavana” sy “Fikambanana” ny anaran’izy ireo. (11:7). Notapahiny i “Fahasoavana” ka nasehony tamin’izany ny fanekena tapaka iray. Avy eo dia nangataka ny karamany izy, ary dia nandanjana sekely volafotsy 30 izy. Nandidy an’i Zakaria mba hanipy izany tao amin’ny firaketana (NW ) i Jehovah, ary nilaza, tamim-pandatsana aoka izany hoe “Izany vola be nanombanany Ahy izany”. (11:13). Izao dia tapaka ilay tehina hoe “Fikambanana”, ka nanapaka ny firahalahian’i Joda sy i Isiraely. Hisy sabatra hamely ireo mpiandry sandoka izay nanao tsirambina ny ondrin’i Jehovah.

21. a) Inona no didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ireo izay niady tamin’i Jerosalema? b) Iza avy no nambara mialoha fa hihahaka sy hozahan-toetra?

21 Miady i Jehovah, tonga mpanjaka (12:1–14:21). Manomboka ny fanambarana hafa iray. Hanao an’i Jerosalema ho kapoaka izay hampiraikiraiky ny firenena ary ho vato mavesatra izay handratra ireo izay mivesatra azy, i Jehovah. Handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an’i Jerosalema izy. Haidin’i Jehovah amin’ny taranak’i Davida ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana, ary hijery ilay nolefonina ny olona, ka hisaona azy “toy ny fisaonana zanakalahy tokana”. (12:10). Nanambara ny fanafoanana ny sampy sy ny mpaminany sandoka rehetra i Jehovah, Tompon’ny maro; ireo ray aman-drenin’ny olona toy izany mihitsy no tsy maintsy handratra azy, mba hanesorany amin-kenatra ny akanjo-mpaminaniny. Hasiana ilay mpiandry naman’i Jehovah ary hihahaka ny ondry, kanefa hizaha toetra “ny ampahatelony” i Jehovah mba hiantsoany ny anarany. I Jehovah hanao hoe: “Oloko izy”, ary izy kosa hamaly hoe: “Jehovah no Andriamanitro.” — 13:9.

22. Inona no hitranga amin’ireo firenena sy i Jerosalema amin’ny “andron’i Jehovah”?

22 “Indro, hisy andron’i Jehovah ho avy”. Hanafika an’i Jerosalema ny jentilisa rehetra, ary ho lasan-ko babo ny antsasak’ilay tanàna, ary hisy sisa ho tavela. Avy eo i Jehovah dia hivoaka ka hiady amin’ireo jentilisa ireo, “tahaka ny fameliny amin’ny andro fiadiana”. (14:1, 3). Ny tendrombohitra oliva, eo atsinanan’i Jerosalema, dia hitresaka avy eo atsinanana ka hatrany andrefana, ka hanisy lohasaha ho fialofana. Amin’izany andro izany, dia hisy rano velona hikoriana avy eo atsinanana sy avy eo andrefan’i Jerosalema, na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina, ary “Jehovah ho Mpanjakan’ny tany rehetra”. (14:9). Raha handry feizay i Jerosalema, ireo izay miady aminy kosa hasian’i Jehovah amin’ny areti-mandringana. Raha mbola eo am-pitsanganana izy ireo, dia hihalevona ny nofony sy ny masony ary ny lelany. Fifanaritahana no hamely azy ireo. Samy hanainga tanana hamely ny namany avy izy rehetra. Ireo izay ho tafita velona amin’ny jentilisa rehetra dia “hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro”. — 14:16.

MAHASOA — NAHOANA?

23. Amin’ny ahoana ny firaketana an-tsoratra nataon’i Zakaria no manatanjaka ny finoana?

23 Izay rehetra mianatra ny faminanian’i Zakaria ka misaintsaina momba azy io dia handray soa satria hahazo fahalalana manatanjaka finoana. Maherin’ny in-50 i Zakaria no misarika ny saina ho amin’i “Jehovah, Tompon’ny maro” ho toy Ilay miady ho an’ny olony sy miaro azy, ka mameno hery azy araka izay ilainy. Rehefa nandrahona ny fahavitan’ny fanorenana ilay tempoly ny fanoherana niseho ho toy ny tendrombohitra, dia hoy ny nambaran’i Zakaria: “Izao no tenin’i Jehovah amin’i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Iza moa hianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela hianao”. Vita noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah ilay tempoly. Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, fa hiempo ireo vato misakana raha resena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jehovah. Izany dia araka ny nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany toy izao: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.” — Zak. 4:6, 7; Matio 17:20.

24. Fanoharana ny amin’ny tsy fivadihana inona no omena ao amin’ny toko faha-13 ao amin’ny Zakaria?

24 Ao amin’ny toko faha-​13, andininy faha-​2 ka hatramin’ny faha-​6, i Zakaria dia mampiseho an’ohatra ny tsy fivadihana izay manamarika ny fandaminan’i Jehovah mandrak’ankehitriny. Izy io dia tsy maintsy mihoatra ny fifandraisan’olombelona rehetra, toy izay misy eo amin’ny mpihavana ara-nofo akaiky. Raha toa ka maminany lainga amin’ny anaran’i Jehovah ny havana akaiky iray, izany hoe milaza zavatra mifanohitra amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka mitady amin’ny fomba diso ny hitaona ny hafa ao amin’ny kongregasionan’ny olon’Andriamanitra, ireo mpikambana hafa ao amin’ny fianakavian’izany olona izany dia tsy maintsy manohana amin’ny tsy fivadihana, izay fanapahan-kevitra ara-pitsarana rehetra raisin’ny kongregasiona. Fihetsika mitovy amin’izany koa no tsy maintsy hazonina eo anatrehan’ny namana akaiky iray izay maminany lainga, mba ho menatra izy ka ho torotoro ny fony noho ilay zavatra ratsy nataony.

25. Ahoana no ifamatoran’ny faminanian’i Zakaria amin’ny andinin-teny hafa mba hahafantarana hoe iza ilay Mesia, ilay “Rantsana”, ary ny anjara toerany amin’ny maha-Mpisoronabe sady Mpanjaka eo ambany fitarihan’i Jehovah?

25 Araka ny nasehon’ireo fehintsoratra teo am-piandohana, ny fidiran’i Jesosy tao Jerosalema ho toy ny mpanjaka, “malemy fanahy sady mitaingina boriky”, ny famadihana azy tamin’ny “sekely volafotsy telopolo”, ny mpianany nihahaka tamin’izany fotoana izany, ary ny nandefonan’ireo miaramila azy teo amin’ny hazo, dia efa nambaran’i Zakaria mialoha avokoa tamin’ny tsipiriany marina tsara. (Zak. 9:9; 11:12; 13:7; 12:10). Manonona an’ilay “Rantsana” ho ny mpanorina ny tempolin’i Jehovah koa ilay faminaniana. Ny fampitahana ny Isaia 11:1-10 sy ny Jeremia 23:5 ary ny Lioka 1:32, 33 dia mampiseho fa i Jesosy Kristy izy io, izay “hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay”. Milazalaza an’ilay “Rantsana” ho ny “mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany”, i Zakaria, ka izany dia mifandray amin’ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Jesosy (...) tonga Mpisoronabe mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka”, sy ny hoe: “Mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra.” (Zak. 6:12, 13; Heb. 6:20; 8:1). Araka izany, ilay faminaniana dia manondro fa ilay “Rantsana” dia Mpisoronabe sady Mpanjaka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra. Miaraka amin’izay koa, dia ambarany toy izao fa i Jehovah no Mpanapaka Tompom-piandrianana ambonin’ny hafa rehetra: “Ary Jehovah ho Mpanjakan’ny tany rehetra; amin’izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.” — Zak. 14:9.

26. “Andro” be voninahitra inona no asian’i Zakaria firesahana imbetsaka?

26 Rehefa miresaka momba izany fotoana izany ilay mpaminany, dia mamerina ilay teny hoe “amin’izany andro izany” in-20 eo ho eo. Tafiditra ao amin’ny teny famaranan’ny faminaniany mihitsy aza izy io. Ny fandinihana ireo fisehoany imbetsaka dia mampiseho fa izy io dia ny andro hanafoanan’i Jehovah ny anaran’ireo sampy sy hanesorany ireo mpaminany sandoka. (13:2, 4). Izy io no andro hiadian’i Jehovah amin’ireo jentilisa mpanafika sy hampielezany fifanaritahana eo anivon’izy ireo. Amin’izay izy dia handringana azy ireo ary hanome ny ‘lohasahan’ny tendrombohiny’ ho fialofana ho an’ny olony. (14:1-5, 13; 12:8, 9). Eny, “hovonjen’i Jehovah Andriamaniny izy ireny amin’izany andro izany toy ny olona izay ondriny”, ary samy hiantso ny namany avy izy ireo ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy. (Zak. 9:16; 3:10; Mika 4:4). Izy io no ilay andro be voninahitra rehefa ‘hitoetra ao afovoan’ny’ olony i Jehovah ary rehefa “hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema”. Ireo tenin’i Zakaria ireo dia mampahafantatra fa ireo fisehoan-javatra “amin’izany andro izany” dia ho famantarana mialoha ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, araka ny fampanantenana ny amin’ilay Fanjakana. — Zak. 2:11; 14:8; Apok. 21:1-3; 22:1.

27. Ahoana no ifantohan’ny faminanian’i Zakaria amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah?

27 “Iza no nanamavo ny andron’ny zava-madinika?”, hoy i Jehovah nanontany. Indro, io fanambinana io dia hahafaoka ny tany manontolo: ‘Ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro, any Jerosalema, ary dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.’ “Amin’izany andro izany”, na dia ny famohamandrin-tsoavaly aza dia hitondra ny teny hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana!” Mahasoa indrindra ny fandinihana ireo faminaniana manafana ny fo ireo, satria asehon’izy ireo fa ny anaran’i Jehovah dia hohamasinina tokoa amin’ny alalan’ny Taranany handova ilay Fanjakana! — Zak. 4:10; 8:22, 23; 14:20, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Insight on the Scriptures, Boky 2, pejy 531; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1490.

b Encyclopaedia Judaica, 1973, Boky 4, tsanganana 828; Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 1080-1081.

[Fanontaniana]